‘Hahatomombana ny fampiofanana anao Andriamanitra’
TOKONY hanao fanazaran-tena be dia be ny mpanao fifaninanana amin’ny fanatanjahan-tena iray izay miomana ho amin’ny fampisehoana lehibe. Tiany ny hanana fahasalamana ara-batana tsara dia tsara mba hahafahana manome ny tsara indrindra amin’ny tenany rehefa tonga ilay andro. Manao fampiasana be dia be koa ny kristiana, saingy noho ny zava-kendrena hafa. Izao no nambaran’ny apostoly Paoly: “Mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.” — I Timoty 4:7.
Tokony hanana fahasalamana tsara foana eo amin’ny lafiny ara-panahy àry ny kristiana iray. Toy ny mpanao fifaninanana amin’ny fanatanjahan-tena iray mampitombo ny nofo aman-kozany, dia toy izany koa, eo amin’ny lafiny ara-panahy, ny kristiana iray dia mampitombo ny tanjany sy ny fiaretany. Vitany izany amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, amin’ny fivavahana, amin’ny fiarahana tsy tapaka amin’ireo namany kristiana sy amin’ny fanaovana fanambarana ampahibemaso ny finoany.
Matetika ny mpanao fifaninanana amin’ny fanatanjahan-tena iray no manana mpanazatra, toy izany koa ny kristiana. Iza moa izany? Tsy iza fa Jehovah Andriamanitra. Nasehon’ny apostoly Petera ny fiheveran’i Jehovah ny fampiofanana ny kristiana rehefa nilaza izy hoe: “Andriamanitry ny fahasoavana rehetra (...) hahatanteraka [hahatomombana ny fampiofanana anareo, MN ] sy hampiorina ary hampitoetra anareo.” (I Petera 5:10). Fampiofanana inona no omen’i Jehovah antsika? Fampiofanana misy lafiny samihafa izay samy zava-dehibe tokoa raha tiantsika ny hitoetra ho kristiana salama tsara.
Fifehezana mivantana
Nampiofanin’i Jehovah ny tenan’i Petera, ary ny fiainany dia mitondra fampianarana lehibe ho antsika. Natao tao anatin’ny fanaintainana indraindray ny fampiofanana an’i Petera. Eritrereto izay tsy maintsy ho tsapany rehefa nanandrana nisakana an’i Jesosy tsy hanatanteraka hatramin’ny farany ny fikasan’Andriamanitra izy ka nahazo valiny hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra hianao, fa izay an’ny olona.” (Matio 16:23). Toy izany koa, hevero izay tsapany taona maro tatỳ aoriana rehefa nitarika azy hanao zavatra tsy tamim-pitandremana loatra ny fahatahorany olona. Tamin’io indray mandeha io, dia ny apostoly Paoly no nanao ny fifehezana avy amin’i Jehovah: “Ary nony tonga tany Antiokia Kefasy [Petera], dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa nanan-tsiny izy.” — Galatiana 2:11-14.
Na dia izany aza, tao anatin’ireo toe-javatra roa ireo Jehovah dia nampiofana ny mpanompony. Fantatr’i Petera fa “ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy”. (Hebreo 12:11.) Tamin’ny fanekena izany fananarana mafy izany ho toy ny fifehezana avy amin’i Jehovah, dia azon’i Petera natao ny nahita ny zavatra tamin’ny fomba nety; izany dia nahatonga azy koa ho afaka hamboly toetra kristiana tena ilaina, dia ny fahalemem-panahy sy ny fanetren-tena. — Ohabolana 3:34; 15:33.
Ny fomba hiatrehana tarehin-javatra sasany
Afaka mampiofana antsika Jehovah amin’ny famelana hiseho, indraindray eo anivon’ny kongregasiona kristiana mihitsy, tarehin-javatra sarotra. Amin’ny fivavahana amin’i Jehovah mba handraisana ny fitarihany, amin’ny fampiharana ireny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ianarantsika sy amin’ny fahatsapana fa ny fampiharana ireny fotopoto-pitsipika ireny foana no zavatra tsara indrindra tokony hatao, dia hitombo eo amin’ny lafiny ara-panahy isika.
Ny tsy fitovian-toetra nisy teo amin’ireo mpianatr’i Jesosy dia niteraka fifandirana izay nahatafidiran’i Petera indraindray. Rehefa vakina ny fitantarana izany, dia tsapa fa nampiasain’i Jesosy ireny fifandirana ireny, izay nateraky ny tsy fahatanterahana sy ny tsy fahampian’ny fanandraman-javatra, mba hambolena eo amin’ireo mpianany toetra hafa tena lehibe: ny fitiavana, ny fanetren-tena sy ny famindrampo. — Matio 18:15-17, 21, 22; Lioka 22:24-27.
Paoly koa dia nahafantatra ny atao hoe fifandonan’ny toetra (Asan’ny apostoly 15:36-40; Filipiana 4:2). Nasehony fa ho an’ny kristiana izany dia fahafahana handray fampiofanana: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo [Jehovah, MN ] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany.” — Kolosiana 3:13, 14.
Tamin’ny taonjato I, dia nisy loza mbola nandrahona kokoa ihany niseho teo amin’ireo kristiana. Nanome fampitandremana ny amin’izany i Petera: “Hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handa ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ny tenany. Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy ny làlan’ny fahamarinana.” (II Petera 2:1, 2). Izany fisehoan-javatra izany dia hitarika fandringanana ireo “mpampianatra sandoka” izay hiseho ho tsy hibebaka (II Petera 2:3). Fa inona no hiafaran’ireo izay tsy hivadika hatrany?
Ny fanandraman-javatra dia hanazatra azy ireo mba ‘hampifoha ny sainy madio amin’ny fampahatsiarovana’. (II Petera 3:1.) Mba hitandremana hatrany sy hisakanana ny fidiran’ny fampianaran-diso ao anatin’ny kongregasiona, dia hilain’izy ireo ny hahatsiaro ny anton’ny finoany. Ireo voka-dratsy hateraky ny ataon’ny “mpampianatra sandoka” dia hanamafy fotsiny ny fitokisany ireo fahamarinana kristiana. — II Petera 3:3-7.
Ohatra, tao amin’ny kongregasiona iray, ny olona iray natao hoe Diotrefa dia nanohitra ny apostoly Jaona efa be taona tokoa tamin’izay. Io lehilahy fatra-paniry laza io, izay tsy nanaja firy ny fahefan’i Jaona, dia tsy nandray ireo iraka nalefan’io ary tsy nianina tamin’izany izy fa nety ho nanandrana nandroaka ireo izay nandray azy ireny. Tsy maintsy ho nampalahelo ny kristiana tso-po rehetra tao amin’ilay kongregasiona izany fitondrantena izany, kanefa nanome azy ireo koa fahafahana hampiseho fa ‘tsy naka tahaka ny ratsy’ izy ireo, ary izany dia nahatonga azy ireo ho afaka ny handray fampiofanana lalina amin’ny tsy fivadihana hatrany amin’i Jehovah sy ny fahefan’ireo apostoly. — III Jaona 9-12.
Ny ataontsika eo anoloan’ireo tsy kristiana
Nambaran’i Jesosy fa tsy naman’izao tontolo izao ireo mpianany (Jaona 17:16). Tokony tsy hivadika amin’i Jehovah sy ny Fanjakany voalohany indrindra ny kristiana. Noho izy manandrana manaraka ny fiheveran’Andriamanitra amin’ny ara-pitondrantena, ny fototry ny zavatra mahaliana azy sy mitana ny sainy lehibe indrindra dia hafa noho ny an’izao tontolo izao. Na dia ao aza izany rehetra izany, ny kristiana iray dia tsy maintsy miaina eo amin’izao tontolo izao, ka miteraka fahasahiranana tsy azo sakanana izany.
Tamin’ny fanompoany naharitra, dia matetika i Petera no tsy maintsy nahita kristiana voatery nanao fanapahan-kevitra sarotra, tamin’ny fanavahana ireo zavatra nasain’izao tontolo izao natao sy ny zavatra notakin’ny fieritreretany. Tao amin’ny taratasiny voalohany, dia nomeny ny torohevitra azo ampiharina tsara dia tsara momba ny fomba hahavitana izany, mba hahatonga ny kristiana ‘hitana fieritreretana tsara’. — I Petera 2:13-20; 3:1-6, 16.
Noho isika kristiana, dia mazava ho azy fa mampitodika ny masontsika any amin’ny fotoana tsy hahavoatery antsika intsony hanome fahafahampo izay takin’izao fandehan-javatra izao isika; eo am-piandrasana anefa, dia ilaintsika ny mamboly fiaretana; eny, azontsika atao ny manaporofo ny tsy fivadihantsika eo anoloan’ny fakam-panahy sy ny fitaoman-dratsy. Ny fanandraman-javatra azontsika amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ao anatin’ny tarehin-javatra samy hafa sy amin’ny fanaovan-javatra amin-kerim-po amin’ny fomba tian’i Jehovah ho hita hataontsika dia mahatonga antsika koa ho afaka ny hamboly fahendrena eo amin’ny fampiharana sy herim-po. Eritrereto ny fampiofanana ho azontsika noho isika ho niaina tao anatin’izao fandehan-javatra izao ka nandresy fahasahiranana be dia be toy izany!
Iharam-pahavoazana noho ny fanenjehana
Rehefa miresaka ny amin’ny fampiofanana omen’Andriamanitra antsika i Petera, dia tafiditra ao anatin’ny faritra manokan’ny fanenjehana. Asehony fa ny kristiana dia tokony hanampo ny henjehina: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.” — I Petera 5:8; jereo II Timoty 3:12.
Tsara toerana mba hiresaka ny amin’ny fanenjehana i Petera, satria ny tenany koa efa niharan’izany. Tamin’ireo andro voalohandohan’ny kongregasiona kristiana, dia nokapohina izy mbamin’ny apostoly hafa, ary nodidiana izy ireo hampitsahatra ny fitoriany. Inona no vokatr’izany teo amin’izy ireo? Izao no lazain’ny fitantarana amintsika: “Ary ireo dia niala teo anatrehan’ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany.” — Asan’ny apostoly 5:41.
Noho izany, dia ny fanandraman-javatra sy ny tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra no nahatonga an’i Petera hilaza hoe: “Fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa. Sambatra hianareo, raha haratsìna noho ny anaran’i Kristy; fa ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.” — I Petera 4:13, 14.
Eny, mety ho fampiofanana antsika ny fanenjehana mivantana. Rehefa enjehina ny kristiana dia mianatra miantehitra bebe kokoa ihany amin’ny fanahin’Andriamanitra. Manjary ‘voazaha toetra’ ny finoany. (I Petera 1:7.) Zatra ny mampiseho herim-po izy, dia herim-po miankina amin’ny herin’i Jehovah (II Timoty 1:7). Mahazo faharetana, fiaretana izy ary, sahala amin’i Jesosy, dia ‘mianatra fanarahana amin’izay fahoriana entiny’. — Hebreo 5:8; I Petera 2:23, 24.
Mahatomombana ny fampiofanana antsika Jehovah
Mazava ho azy fa tsy avy amin’Andriamanitra akory ireo fitsapana mafy mihatra amin’ny kristiana, toy ny fanenjehana. Manome izao torohevitra izao i Jakoba: “Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy.” (Jakoba 1:13). Antony samihafa no mahatonga ireo fahasahiranana hitan’ny olombelona, ohatra, ireo fahadisoana ataon’izy ireo, na ny zava-dratsy iniany atao. Kanefa, noho ireny zavatra ireny mitranga, dia ampiasain’i Jehovah izany mba hanazarana ireo mpanompony amin’ny fambolena toetra kristiana tena lehibe.
Joba, Jeremia, Petera, Paoly sy ny mpanompon’Andriamanitra hafa rehetra tamin’ny andron’ny Baiboly dia nampiofanina tamin’izany fomba izany. Isika koa, rehefa tojo fahasahiranana isika na inona izany na inona, dia tokony hihevitra izany ho toy ny fampiofanana anomezan’i Jehovah alalana isika. Raha misetra izany miaraka amin’ny herin’i Jehovah isika, dia ho zatra ny hamboly fankatoavana, fahendrena, fanetren-tena, herim-po, fitiavana, fandeferana sy toetra tsara maro hafa koa. — Jereo Jakoba 1:2-4.
Mampahery antsika koa ny fahafantarana fa hifarana indray andro any izany vanim-potoam-piofanana izany. Izany no antony nananaran’i Petera ireo namany kristiana tamin’ny filazana hoe: “Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo, dia Izy no hahatanteraka [hahatomombana ny fampiofanana anareo, MN ] sy hampiorina ary hampitoetra anareo.” (I Petera 5:10). Ireo teny ireo dia mihatra amin-kery toy izany koa amin’ny “olona betsaka” izay manantena hanana ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany voaova ho paradisa.
Izany hevitra izany fotsiny dia efa tokony hanampy antsika hanaiky amim-paharetana izany fampiofanana izany ka ho tapa-kevitra ny tsy hanaiky lembenana mihitsy. Ho tsapantsika amin’izany ny fahamarinan’ity fampaherezan’i Paoly ity: “Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika, fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” — Galatiana 6:9.