Ahoana no Ahafahantsika Manampy Hatsaran-toetra Amin’ny Finoantsika?
“Ampio hatsaran-toetra ny finoanareo”. — 2 PETERA 1:5, NW.
1, 2. Nahoana isika no tokony hanampo ny hanaovan’ny vahoakan’i Jehovah izay zavatra mampiseho hatsaran-toetra?
MANAO zavatra amin-katsaran-toetra foana i Jehovah. Manao izay marina sy tsara izy. Noho izany, dia afaka nilaza an’Andriamanitra ho ilay niantso ny Kristiana voahosotra “tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany” i Petera. Nasehon’ny fahalalana marina an’ilay Rainy tsara toetra any an-danitra tamin’izy ireo izay nilaina mba hananana fiainana tena mifikitra amin’Andriamanitra. — 2 Petera 1:2, 3.
2 Nampirisika ny Kristiana mba ‘hanahaka an’Andriamanitra tahaka ny zanaka malala’ ny apostoly Paoly. (Efesiana 5:1). Sahala amin’ilay Rainy any an-danitra, ireo mpivavaka amin’i Jehovah dia tokony hanao izay zavatra mampiseho hatsaran-toetra amin’ny tarehin-javatra rehetra. Inona anefa no atao hoe hatsaran-toetra?
Ny atao hoe hatsaran-toetra
3. Ahoana no namaritana ny atao hoe “hatsaran-toetra”?
3 Ireo rakibolana amin’izao andro maoderina izao dia mamaritra ny atao hoe “hatsaran-toetra” ho “fahatsarana ara-pitondran-tena; hatsaram-po”. Izy io dia “fanaovan-javatra sy fisainana mahitsy; toetra feno hatsaram-po”. Ny olona iray tsara toetra dia marina. Nofaritana ho “fanarahana fari-pitsipika momba izay mahitsy” koa ny hatsaran-toetra. Mazava ho azy fa, ho an’ny Kristiana, ilay “fari-pitsipika momba izay mahitsy” dia nofaritan’Andriamanitra ary voazava ao amin’ny Teniny Masina, ny Baiboly.
4. Toetra tsara inona avy, voalaza ao amin’ny 2 Petera 1:5-7 (NW ), no tsy maintsy iezahan’ny Kristiana mafy mba hampitomboina?
4 Manaraka ny fari-pitsipika marina noferan’i Jehovah Andriamanitra ny tena Kristiana, ary mamaly ny fampanantenany sarobidy izy ireo amin’ny fanehoana finoana. Arahiny koa ny torohevitr’i Petera hoe: “Amin’ny fanaovanareo ny ezaka mafy rehetra ho setrin’izany, dia ampio hatsaran-toetra ny finoanareo, ampio fahalalana ny hatsaran-toetranareo, ampio fifehezan-tena ny fahalalanareo, ampio fiaretana ny fifehezan-tenanareo, ampio fifikirana amin’Andriamanitra ny fiaretanareo, ampio firaiketam-pon-drahalahy ny fifikiranareo amin’Andriamanitra, ampio fitiavana ny firaiketam-pon-drahalahy anananareo.” (2 Petera 1:5-7, NW ). Tsy maintsy miezaka mafy ny Kristiana iray mba hampitomboana ireo toetra tsara ireo. Tsy vita ao anatin’ny andro na taona vitsivitsy izany fa mitaky ezaka mitohy mandritra ny androm-piainana. Ny fanampiana hatsaran-toetra amin’ny finoantsika fotsiny aza dia efa asa mitaky zavatra betsaka!
5. Inona no atao hoe hatsaran-toetra araka ny fiheveran’ny Soratra Masina?
5 Nilaza ilay mpanazava hevi-teny atao hoe M. R. Vincent fa ny hevitra klasika tany am-boalohany nananan’ilay teny grika nadika hoe “hatsaran-toetra” dia nilaza “karazana hatsarana rehetra”. Nampiasa ny endriny milaza maro i Petera rehefa nilaza fa tsy maintsy nambara teny rehetra teny ireo ‘hatsarana’, na hatsaran-toetran’Andriamanitra. (1 Petera 2:9). Araka ny fiheveran’ny Soratra Masina, ny hatsaran-toetra dia tsy lazalazaina ho tsy mihetsika fa ho “fahefana ara-pitondran-tena, hery ara-pitondran-tena, tanjaky ny fanahy” kosa. Rehefa nanonona ny hatsaran-toetra i Petera dia tao an-tsainy ilay hatsarana ara-pitondran-tena feno herim-po izay antenaina fa hasehon’ny mpanompon’Andriamanitra ary hazoniny. Koa satria tsy tanteraka anefa isika, tena afaka manao zavatra mampiseho hatsaran-toetra eo imason’Andriamanitra tokoa ve isika?
Tsy tanteraka fa tsara toetra
6. Na dia tsy tanteraka aza isika, nahoana no azo lazaina hoe azontsika atao izay zavatra mampiseho hatsaran-toetra eo imason’Andriamanitra?
6 Nandova tsy fahatanterahana sy ota isika, koa mety hanontany tena isika ny amin’ny fomba azontsika anaovana tokoa izay zavatra mampiseho hatsaran-toetra eo imason’Andriamanitra. (Romana 5:12). Azo antoka fa mila ny fanampian’i Jehovah isika raha ta hanana fo madio izay afaka mamoaka eritreritra sy teny ary fanaovan-javatra mampiseho hatsaran-toetra. (Ampitahao amin’ny Lioka 6:45.) Rehefa avy nanota tamin’i Batseba i Davida mpanao salamo izay nibebaka, dia nitalaho toy izao: “Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.” (Salamo 51:10). Nahazo ny famelan’Andriamanitra sy ny fanampiana nilaina mba hanarahana lalan’ny hatsaran-toetra i Davida. Noho izany, raha nanao fahadisoana lehibe isika kanefa nanaiky tamim-pibebahana ny fanampiana nomen’Andriamanitra sy ny loholona ao amin’ny kongregasiona, dia afaka miverina eo amin’ny lalan’ny hatsaran-toetra isika ka hitoetra eo amin’izany. — Salamo 103:1-3, 10-14; Jakoba 5:13-15.
7, 8. a) Raha te hitoetra ho tsara toetra isika, dia inona no ilaina? b) Fanampiana inona no ananan’ny Kristiana mba ho tsara toetra?
7 Noho ny fahotana nolovana, dia tsy maintsy manohy manao ady anaty tsy an-kijanona isika mba hanaovana izay takin’ny lalan’ny hatsaran-toetra amintsika. Raha te hitoetra ho tsara toetra isika, dia tsy afaka mamela ny tenantsika ho tonga andevon’ny ota mihitsy. Tsy maintsy tonga “mpanompon’ny fahamarinana” kosa isika, mieritreritra sy miteny ary manao zavatra amin’ny fomba feno hatsaran-toetra mandrakariva. (Romana 6:16-23). Marina aloha fa mahery ny fanirian’ny nofontsika sy ny fironantsika ratsy. Ary miatrika fifanoherana eo amin’izy ireo sy ny zavatra mampiseho hatsaran-toetra izay takin’Andriamanitra amintsika isika. Koa inona àry no tsy maintsy atao?
8 Voalohany, dia ilaintsika ny manaraka ny fitarihan’ny fanahy masin’i Jehovah, na heriny miasa. Tokony hanaraka ny torohevitr’i Paoly àry isika: “Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.” (Galatiana 5:16, 17). Eny, manana ny fanahin’Andriamanitra ho hery ho amin’ny fahamarinana isika, ary manana ny Teniny ho mpitari-dalana ho amin’ny fitondran-tena mety. Manana ny fanampiana feno fitiavana avy amin’ny fandaminan’i Jehovah koa isika, mbamin’ny torohevitry ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Noho izany, dia afaka manao ady amim-pahombiazana amin’ny fironan-dratsy isika. (Romana 7:15-25). Mazava ho azy fa raha misy eritreritra maloto tonga ao an-tsaina, dia tsy maintsy mandroaka izany haingana isika ary mangataka ny fanampian’Andriamanitra amin’ny vavaka mba hahatohitra izay mety ho fakam-panahy hanao zavatra tsy misy hatsaran-toetra, na amin’ny fomba ahoana izany na amin’ny fomba ahoana. — Matio 6:13.
Ny hatsaran-toetra sy ny eritreritsika
9. Mitaky karazam-pisainana manao ahoana ny fitondran-tena mampiseho hatsaran-toetra?
9 Ny hatsaran-toetra dia manomboka amin’ny fomba fisainan’ny olona iray. Mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia tsy maintsy misaina zavatra marina sy tsara ary mampiseho hatsaran-toetra isika. Hoy i Paoly: “Ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy [hatsaran-toetra, NW ], ary raha misy dera, dia hevero izany.” (Filipiana 4:8). Mila mampifantoka ny saintsika amin’ny zavatra marina sy madio isika, ary tsy tokony hanintona antsika izay zavatra rehetra tsy mampiseho hatsaran-toetra. Afaka niteny toy izao i Paoly: “Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko”. Raha sahala amin’i Paoly isika — izany hoe tsara toetra amin’ny fisainana sy ny fiteny ary ny atao — dia ho namana tsara ifaneraserana isika sady ho ohatra dia tsara eo amin’ny fiainana kristiana, ary ‘ho eo amintsika ilay Andriamanitry ny fiadanana’. — Filipiana 4:9.
10. Amin’ny ahoana ny fampiharana manokana ny 1 Korintiana 14:20 no hanampy antsika hitoetra ho tsara toetra?
10 Raha irintsika ny hitoetra ho tsara toetra amin’ny fisainana, ary amin’izany dia hampifaly ny Raintsika any an-danitra, dia ilaina ny hampiharantsika ilay torohevitr’i Paoly hoe: “Aza mba ho zaza amin’ny fahalalana; raha amin’ny [faharatsiana, NW ] dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin’ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.” (1 Korintiana 14:20). Midika izany fa, amin’ny maha-Kristiana antsika, dia tsy mitady fahalalana na fanandramana ny faharatsiana isika. Tsy hamela ny saintsika ho simba amin’izany fomba izany isika fa hifidy amim-pahendrena kosa ny hitoetra ho tsy ampy fanandraman-javatra sy tsy hanan-tsiny toy ny zaza bodo amin’izany lafiny izany. Amin’izay fotoana izay ihany, isika dia mahalala tanteraka fa ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fanaovan-dratsy dia haratsian-toetra eo imason’i Jehovah. Hitondra soa ho antsika ny faniriana feno fahatsorana lalina ny hampifaly azy amin’ny fisehoana ho tsara toetra. Izany dia hanosika antsika hanalavitra ireo karazam-pialam-boly maloto sy ireo fitaomana hafa manimba ara-tsaina eo amin’ity tontolo mipetraka eo ambany fahefan’i Satana ity. — 1 Jaona 5:19.
Ny hatsaran-toetra sy ny fitenintsika
11. Mitaky karazam-pitenenana inona ny hoe tsara toetra, ary amin’io lafiny io, dia ohatra inona avy no ananantsika eo amin’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy?
11 Raha mampiseho hatsaran-toetra ny fisainantsika, dia tokony hisy heriny lalina eo amin’izay lazaintsika izany. Ny hoe tsara toetra dia mitaky fitenenana madio, mahasoa, marina ary mampandroso. (2 Korintiana 6:3, 4, 7). “Andriamanitry ny fahamarinana” i Jehovah. (Salamo 31:5). Mahatoky izy amin’izay fifampiraharahana rehetra ataony, ary azo antoka ny fampanantenany satria tsy mahay mandainga izy. (Nomery 23:19; 1 Samoela 15:29; Titosy 1:2). “Feno fahasoavana sy fahamarinana” i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. Fony izy teto an-tany, dia niteny mandrakariva ny fahamarinana araka izay noraisiny tamin-dRainy izy. (Jaona 1:14; 8:40). Ambonin’izany, i Jesosy dia “tsy nanota akory sady tsy nisy fitaka teo am-bavany”. (1 Petera 2:22). Raha tena mpanompon’Andriamanitra sy i Kristy marina isika, dia ho marina eo amin’ny fitenenana sy hahitsy eo amin’ny fitondran-tena, toy ny hoe ‘misikina fahamarinana’. — Efesiana 5:9; 6:14.
12. Raha te ho tsara toetra isika, karazam-pitenenana inona no tsy maintsy halavirintsika?
12 Raha tsara toetra isika, dia misy karazam-pitenenana izay hohalavirintsika. Hanapaka antsika ny torohevitr’i Paoly hoe: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra”. “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.” (Efesiana 4:31; 5:3, 4). Ho hitan’ny sasany fa mamelombelona ny miaraka amintsika satria manosika antsika hanalavitra ny fitenenana tsy kristiana ny fontsika marina.
13. Nahoana ny Kristiana no tsy maintsy mifehy ny lela?
13 Ny faniriana hampifaly an’Andriamanitra sy hilaza zavatra mampiseho hatsaran-toetra dia hanampy antsika hifehy ny lela. Noho ny fironan-dratsy, dia tafintohina amin’ny teny isika rehetra indraindray. Na dia izany aza, dia milaza amintsika i Jakoba mpianatra fa “raha asiantsika lamboridy amin’ny vavan’ny soavaly”, dia handeha amim-pankatoavana any amin’izay itarihantsika azy izy. Noho izany, dia tokony hiezaka mafy mba hanisy lamboridy ny vava isika ary hiezaka tsy hampiasa azy io afa-tsy amin’ny fomba maneho hatsaran-toetra ihany. Ny lela iray tsy voafehy dia “faharatsiana tsy hita lany”. (Jakoba 3:1-7). Ampifandraisina amin’ny lela tsy voafolaka avokoa ny karazana toetoetra ratsy rehetra eo amin’ity tontolo ratsy ity. Izy io dia tompon’andraikitra amin-javatra manimba toy ny fiampangana lainga sy ny fanamavoana ary ny fanaratsiana. (Isaia 5:20; Matio 15:18-20). Ary rehefa manao fanamarihana feno fanendrikendrehana, mandratra, na manaratsy ny lela iray tsy voafehy, dia feno poizina mahafaty izy io. — Salamo 140:3; Romana 3:13; Jakoba 3:8.
14. Fitenenana roa sosona inona no tsy maintsy halavirin’ny Kristiana?
14 Araka ny nasehon’i Jakoba, dia fanaovan-javatra tsy mifanaraka ny ‘fisaorana an’i Jehovah’ amin’ny filazana zavatra tsara momba an’Andriamanitra, kanefa avy eo dia hampiasa ny lela mba ‘hanozonana ny olona’ amin’ny fiantsoana loza ho amin’izy ireo. Ho fahotana toy inona moa ny fihirana fiderana ho an’Andriamanitra any amin’ireo fivoriana, ary avy eo dia mivoaka ka manaratsy ny mpiray finoana! Tsy afaka miboiboika avy amin’ny loharano iray ihany ny rano mamy sy mangidy. Raha manompo an’i Jehovah isika, dia manana zo hanantena ny hilazantsika zavatra mampiseho hatsaran-toetra ny hafa, fa tsy hilaza teny manafintohina. Aoka àry isika hanalavitra ny fitenenana ratsy ka hiezaka hilaza zavatra izay hitondra soa ho an’ireo olona ifaneraserantsika sy hampandroso azy ireo ara-panahy. — Jakoba 3:9-12.
Ny hatsaran-toetra sy izay ataontsika
15. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny hanalavirana ny fampiasana fomba feno hafetsifetsen-dratsy?
15 Koa satria tsy maintsy tsara toetra ny Kristiana eo amin’ny fisainana sy ny fiteny, dia ahoana ny amin’izay ataontsika? Ny hatsaran-toetra eo amin’ny fitondran-tena no hany fomba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Tsy misy mpanompon’i Jehovah afaka manary ny hatsaran-toetra ary mampiasa hafetsifetsen-dratsy sy fitaka, ka hieritreritra ara-drariny fa eken’Andriamanitra ny zavatra toy izany. Hoy ny Ohabolana 3:32: “Satria fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny [olona fetsifetsy ratsy, NW ], fa ao amin’ny marina kosa ny fisakaizany.” Raha mandala ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra isika, ireo teny mampieritreritra ireo dia tokony hanakana antsika tsy hanao teti-dratsy na izay mety ho hafetsifetsen-dratsy. Amin’ireo fahavetavetana fito ho an’ny fanahin’i Jehovah, dia eo ny “fo mamoron-tsain-dratsy”! (Ohabolana 6:16-19). Noho izany, dia aoka isika hanalavitra ny fanaovan-javatra toy izany, ary hanao izay zavatra mampiseho hatsaran-toetra mba handraisan’ireo mpiara-belona amintsika soa sy ho voninahitry ny Raintsika any an-danitra.
16. Nahoana ny Kristiana no tsy tokony hiditra amin’ny fanaovan-javatra mampiseho fihatsarambelatsihy?
16 Ny fanehoana hatsaran-toetra dia mitaky ny hanaovantsika ny marina. (Hebreo 13:18). Tsy tsara toetra ny olona iray mihatsaravelatsihy izay manao zavatra tsy mifanaraka amin’ny teniny. Ny teny grika nadika hoe “mpihatsaravelatsihy” (hy·po·kri·tesʹ) dia midika hoe “ilay mamaly” ary milaza koa mpilalao an-tsehatra iray. Koa satria nanisy saron-tava ireo mpilalao an-tsehatra grika sy romana, io teny io dia nanjary nampiasaina ara-panoharana hanondroana olona iray misalotra fisehoana sandoka. Tsy “mahatoky” ny mpihatsaravelatsihy. (Ampitahao ny Lioka 12:46 sy ny Matio 24:50, 51.) Mety hilaza haratsiam-panahy sy hafetsifetsena koa ny fihatsarambelatsihy (hy·poʹkri·sis). (Matio 22:18; Marka 12:15; Lioka 20:23). Mampalahelo toy inona moa rehefa misy olona matoky voafitaky ny tsiky sy ny fandokafana ary ny fanaovan-javatra izay fisehoana sandoka fotsiny! Etsy an-danin’izany anefa, dia mahafaly ny fo ny mahafantatra fa mifampiraharaha amin’ny Kristiana mendri-pitokiana isika. Ary mitahy antsika Andriamanitra noho isika tsara toetra sy tsy mihatsaravelatsihy. Mitoetra eo amin’ireo izay mampiseho “firaiketam-pon-drahalahy tsy mihatsaravelatsihy” sy manana “finoana tsy mihatsaravelatsihy” ny fankasitrahany. — 1 Petera 1:22, NW; 1 Timoty 1:5.
Ny hatsaran-toetra dia hatsaram-po arahina asa
17, 18. Rehefa maneho ilay vokatry ny fanahy hoe hatsaram-po isika, dia amin’ny fomba ahoana no hifampiraharahantsika amin’ny hafa?
17 Raha manampy hatsaran-toetra amin’ny finoantsika isika, dia hiezaka mafy mba tsy hieritreritra sy hiteny ary hanao zavatra izay tsy azon’Andriamanitra ekena. Ny fanehoana ny hatsaran-toetra kristiana koa anefa dia mitaky ny hanehoantsika hatrany hatsaram-po arahina asa. Raha ny marina, ny hatsaran-toetra dia nofaritana ho hatsaram-po. Vokatry ny fanahy masin’i Jehovah ny hatsaram-po, fa tsy vokatry ny ezaka ataon’olombelona fotsiny. (Galatiana 5:22, 23, NW ). Rehefa maneho ilay vokatry ny fanahy hoe hatsaram-po isika, dia ho voatosika hieritreritra zavatra tsara momba ny hafa, ary hidera azy ireo noho ny toetra tsara ananany na dia eo aza ny tsy fahatanterahany. Nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro ve izy ireo? Raha izany, dia tokony haneho fanajana azy sy hilaza zavatra tsara momba azy sy ny fanompoany an’Andriamanitra isika. Mahamarika ny fitiavana nasehon’izy ireo ho an’ny anarany sy ny asam-pinoany nampiseho hatsaran-toetra ny Raintsika any an-danitra. Koa tokony hanao toy izany koa isika. — Nehemia 13:31b; Hebreo 6:10.
18 Mahatonga antsika hanana faharetana sy fahatakarana ny fihevitry ny hafa ary fangoraham-po ny hatsaran-toetra. Raha miaritra fahoriana na fahaketrahana ny namana iray mpivavaka amin’i Jehovah, dia hiresaka aminy amin’ny fomba mampionona isika, ary hitady izay hanomezana azy fiononana, toy ny ampiononan’ny Raintsika be fitiavana any an-danitra antsika. (2 Korintiana 1:3, 4; 1 Tesaloniana 5:14, NW ). Isika dia miaraka ory amin’ireo izay malahelo, angamba noho ny famoizana olon-tiana iray tao amin’ny fahafatesana. Raha afaka manao zavatra na inona na inona mba hanamaivanana fahoriana isika, dia hanao izany satria ny toe-tsaina feno hatsaran-toetra dia manosika ho amin’ny fanaovan-javatra feno fitiavana sy fahavononana hanao ny tsara.
19. Ahoana no azo inoana fa hitondran’ny hafa antsika raha tsara toetra isika eo amin’ny eritreritra sy ny teny ary ny atao?
19 Toy ny hiderantsika an’i Jehovah amin’ny filazana zavatra tsara momba azy, dia azo inoana fa hidera antsika koa ny hafa raha tsara toetra isika eo amin’ny eritreritra sy ny teny ary ny atao. (Salamo 145:10). Hoy ny ohabolana feno fahendrena iray: “Fitahiana no ho an’ny lohan’ny marina, fa raha ny vavan’ny ratsy fanahy, izy io dia mandrakotra herisetra.” (Ohabolana 10:6, NW ). Ny olona ratsy fanahy sy mahery setra iray dia tsy manana ilay hatsaran-toetra izay mahatonga azy hankamamin’ny hafa. Mijinja izay afafiny izy, satria ny olona dia tsy afaka hidera azy amin’ny filazana zavatra tsara momba azy. (Galatiana 6:7). Tsara lavitra toy inona moa ny toeran’ireo mieritreritra sy miteny ary manao zavatra amin-katsaran-toetra amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah! Izy ireo dia mahazo ny fitiavana sy ny fatokiana ary ny fanajan’ny hafa, izay voatosika hidera azy ireo sy hilaza zavatra tsara momba azy. Ambonin’izany, ny hatsaran-toetra araka an’Andriamanitra ananan’izy ireo dia mitondra ilay fitahiana sarobidy avy amin’i Jehovah. — Ohabolana 10:22.
20. Afaka mitondra vokany inona ao amin’ny kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah ny eritreritra sy ny fiteny ary ny fanaovan-javatra mampiseho hatsaran-toetra?
20 Azo antoka fa hitondra soa ho an’ny kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah ny eritreritra sy ny fiteny ary ny fanaovan-javatra mampiseho hatsaran-toetra. Rehefa manana eritreritra feno firaiketam-po sy fanajana eo amin’izy samy izy ireo mpiray finoana, dia hiroborobo eo amin’izy ireo ny fitiavan-drahalahy. (Jaona 13:34, 35). Ny fiteny mampiseho hatsaran-toetra, izay mahatafiditra ny fiderana sy ny fampaherezana amim-pahatsorana, dia mampitombo fahatsapana fiaraha-miasa sy firaisan-tsaina mafana. (Salamo 133:1-3). Ary mahafaly ny fo fa ny fanaovan-javatra mampiseho hatsaran-toetra dia manosika ny hafa hamaly amin’ny fomba mitovy amin’izany. Ambonin’izany rehetra izany, ny fanehoana hatrany ny hatsaran-toetra kristiana dia mitondra ny fankasitrahana sy fitahian’i Jehovah, Raintsika tsara toetra any an-danitra. Noho izany, dia enga anie isika hanao ho zava-kendrena ny hamaly ny fampanantenana sarobidin’Andriamanitra amin’ny fanehoana finoana. Ary aoka isika hanao ezaka amim-pahatsorana mba hanampiana hatsaran-toetra amin’ny finoantsika.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no hamaritanao ny atao hoe “hatsaran-toetra”, ary nahoana ny olona tsy tanteraka no afaka ny ho tsara toetra?
◻ Mitaky karazana eritreritra inona ny hatsaran-toetra?
◻ Ahoana no tokony ho fiantraikan’ny hatsaran-toetra eo amin’ny fitenintsika?
◻ Vokany inona no tokony hoentin’ny hatsaran-toetra eo amin’izay ataontsika?
◻ Inona no soa sasany entin’ny hatsaran-toetra?
[Sary, pejy 21]
Koa satria tsy afaka miboiboika avy eo amin’ny loharano iray ihany ny rano mamy sy mangidy, dia antenain’ny hafa ara-drariny ny hilazan’ny mpanompon’i Jehovah zavatra mampiseho hatsaran-toetra ihany