Ny Fampiasan’i Jehovah “Fahadalana” mba Hamonjena Izay Mino
“Satria, na dia naseho aza ny fahendren’Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’ [izay torina, “NW”] no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino”. — 1 KORINTIANA 1:21.
1. Amin’ny heviny ahoana i Jehovah no hampiasa “fahadalana”, ary ahoana no ahafantarantsika fa tsy tonga tamin’ny fahalalana an’Andriamanitra izao tontolo izao?
AHOANA hoe? Hampiasa fahadalana hoe i Jehovah? Tsy dia izany loatra! Kanefa afaka mampiasa izay miseho ho fahadalana amin’izao tontolo izao izy, ary tena manao izany tokoa. Manao izany mba hamonjena ny olona izay mahalala sy tia azy izy. Amin’ny alalan’ny fahendren’ny tenany, izao tontolo izao dia tsy afaka ny ho tonga amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Nampiseho izany mazava tsara i Jesosy Kristy rehefa nilaza toy izao tamin’ny vavaka: “Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao”. — Jaona 17:25.
2. Amin’ny ahoana no toa hoe miara-mandeha ireo lalan’i Jehovah sy ny an’izao tontolo izao, kanefa inona no tena zava-misy?
2 Ireo tenin’i Jesosy ireo dia mampiseho fa tsy mitovy amin’ny an’izao tontolo izao ireo lalan’i Jehovah. Etỳ ivelany, dia mety hiseho ho toy ny miara-mandeha ny fikasan’Andriamanitra sy ny an’ity tontolo ity. Mety ho toa mahazo ny fitahian’Andriamanitra ireo zava-kendren’ity tontolo ity. Ny Baiboly, ohatra, dia milaza fa hanorina fitondram-panjakana marina iray izay hitondra fiainana ao anatin’ny fiadanana, fahasambarana ary fanambinana ho an’ny taranak’olombelona eto an-tany, Andriamanitra. (Isaia 9:5, 6; Matio 6:10). Mitovy amin’izany koa, izao tontolo izao dia mampanakoako ny fikasany hanome fiadanana, fanambinana ary fitondram-panjakana tsara amin’ny alalan’ilay antsoiny hoe fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao. Tsy mitovy anefa ireo fikasan’Andriamanitra sy ny an’izao tontolo izao. Ny fikasan’i Jehovah dia ny hanamarina ny tenany amin’ny maha-Tompom-piandrianana Fara Tampony azy. Izany no hataony amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana any an-danitra iray izay hanafoana ireo fitondram-panjakana rehetra eto an-tany. (Daniela 2:44; Apokalypsy 4:11; 12:10). Tsy manana na inona na inona ifandraisana amin’ity tontolo ity àry Andriamanitra. (Jaona 18:36; 1 Jaona 2:15-17). Izany no antony iresahan’ny Baiboly momba ny karazana fahendrena roa — “ny fahendren’Andriamanitra” sy “ny fahendren’izao tontolo izao”. — 1 Korintiana 1:20, 21.
Ny tsininy fototra amin’ny fahendren’izao tontolo izao
3. Na dia toa manaitra aoka izany aza ny fahendren’izao tontolo izao, nahoana no tsy hahafa-po na oviana na oviana ny fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao ampanantenain’ny olombelona?
3 Ho an’ireo izay tsy tarihin’ny fahendren’Andriamanitra, dia toa manaitra aoka izany ny fahendren’izao tontolo izao. Eo ireo filozofian’izao tontolo izao izay toa mendri-kaja sady mambabo ny saina. Misy trano fampianarana an’arivony maro manome fahalalana avy amin’izay heverin’ny maro ho ny saina ambony indrindra eo amin’ny olombelona. Feno hipoka ny fahalalana nangonina avy tamin’ny fanandraman-javatra hitan’ny olombelona hatramin’ny taonjato maro ireo trano famakiam-boky lehibe. Na dia eo aza anefa izany, ilay fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao atolotr’ireo mpanapaka eo aminy dia ho fanapahana tarihin’olona tsy tanteraka, voaloton’ny ota ary mety maty, ihany. Noho izany, dia ho fandehan-javatra tsy tanteraka izany, ka hamerina indray ireo fahadisoana maro tamin’ny lasa ary tsy hanome fahafaham-po na oviana na oviana amin’ireo zavatra rehetra ilain’ny olombelona. — Romana 3:10-12; 5:12.
4. Eo ambanin’inona ilay fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao atolotra, ary inona no vokany?
4 Ilay fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao atolotry ny olona dia tsy vitan’ny hoe eo ambanin’ny fahalemen’ny olombelona, fa eo ambanin’ny fitaoman’ireo zavaboary ara-panahy ratsy koa — eny, i Satana Devoly sy ireo demoniany. Nanajamba ny sain’ny olona i Satana, hany ka tsy mino ny “vaovao tsara be voninahitra momba an’i Kristy” izy ireo. (2 Korintiana 4:3, 4, NW; Efesiana 6:12). Noho izany, dia mijaly noho ny aretina misesy izao tontolo izao. Miady mafy izy no sady mijaly noho ny vokatr’izany eo amin’ny fiezahany tsy mahomby mba hanapa-tena tsy misy ny fanampian’Andriamanitra na firaharahana ny sitrapon’Andriamanitra. (Jeremia 10:23; Jakoba 3:15, 16). Noho izany, araka ny nolazain’ny apostoly Paoly, “ny fahendreny dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’Andriamanitra”. — 1 Korintiana 1:21, NW.
5. Inona no tsininy fototra amin’ny fahendren’ity tontolo ity?
5 Inona àry no tsininy fototra amin’ny fahendren’ity tontolo ity, anisan’izany ireo volavolan-keviny ny amin’ny fandehan-javatra vaovao iray ho an’izao tontolo izao? Izany dia ny tsy firaharahan’ity tontolo ity izay tsy azo odian-tsy hita na oviana na oviana ka hahitana fahombiazana — ny fiandrianana fara tampon’i Jehovah Andriamanitra. Mandà amim-piavonavonana tsy hanaiky ny fiandrianan’Andriamanitra izy. Minia mamela an’i Jehovah ho any ivelan’ireo volavolan-keviny izao tontolo izao ary miankina amin’ny fahaizana sy ny tetiky ny tenany. (Ampitahao amin’ny Daniela 4:28-31; Jaona 18:37.) Mampiseho mazava tsara ny Baiboly fa “ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”. (Ohabolana 9:10; Salamo 111:10). Kanefa, izao tontolo izao dia tsy nianatra io fepetra fototra ho amin’ny fahendrena io akory. Rehefa tsy manana ny fanohanan’Andriamanitra àry izy, ahoana no ahafahany mahomby? — Salamo 127:1.
Ny fitoriana momba ilay Fanjakana — Feno fahadalana sa feno fahendrena?
6, 7. a) Inona no torin’ireo izay tarihin’ny fahendren’Andriamanitra, kanefa ahoana no fomba fijerin’izao tontolo izao azy io? b) Araka ny fahendren’iza no itorian’ny klerjin’ny Fitambaran’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ary inona no vokany?
6 Etsy an-danin’izany, ireo izay mahalala an’Andriamanitra dia maneho ny fahendren’Andriamanitra ary mifidy ny hotarihiny. Araka ny nolazain’i Jesosy mialoha, izy ireo dia mitory “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity (...) amin’ny tany onenana manontolo”. (Matio 24:14, NW; 28:19, 20). Moa ve izany fitoriana izany mampiseho fahendrena ankehitriny, amin’izao tanintsika feno ady, fandotoana, fahantrana ary fijalian’olombelona, izao? Ho an’ireo hendry araka an’izao tontolo izao, izany fitoriana momba ny Fanjakan’Andriamanitra izany dia toa fahadalana tsotra izao, sady tsy maneho fahendrena. Mihevitra ireo mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra ho toy ny mpandrebireby izay manakantsakana ny asan’ny Fanjakan’izy ireo sady mampiadana ny fandrosoana ho amin’ny fitondram-panjakana ara-politika heveriny ho tonga lafatra, izy ireo. Amin’izany izy ireo dia manana ny fanohanan’ny klerjin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana, izay manao fitoriana araka ny fahendren’ity tontolo ity, fa tsy milaza amin’ny olona izay ilain’izy ireo ho fantatra momba ny tontolo vaovaon’Andriamanitra sy ny fanapahan’ny Fanjakany, na dia io aza no fampianaran’i Kristy lehibe indrindra. — Matio 4:17; Marka 1:14, 15.
7 Ilay mpanoratra tantara atao hoe H. G. Wells dia nisarika ny saina ho amin’io zavatra tsy nataon’ny klerjin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana io. Nanoratra toy izao izy: “Miavaka aoka izany ny toerana lehibe nomen’i Jesosy ho an’ny fitoriana ilay nantsoiny hoe Fanjakan’ny Lanitra, sy ny toerana tsy misy vidiny raha oharina amin’izany, tanan’izy io ao amin’ny zavatra ataon’ny ankamaroan’ireo fiangonana kristiana sy ny fampianaran’izy ireo.” Kanefa, mba hahafahan’ny olona amin’ity taranaka ity hahazo ny fiainana, dia tsy maintsy mahare momba ilay Fanjakan’Andriamanitra tafaorina izy ireo aloha, ary mba hahatongavana amin’izany, dia tsy maintsy misy olona mitory ny vaovao tsara momba azy io. — Romana 10:14, 15.
8. Nahoana ny fitoriana ny vaovao tsaran’Andriamanitra no zavatra maneho fahendrena indrindra azo atao amin’izao andro izao, kanefa fanaovan-javatra inona no tsy hitondra soa maharitra?
8 Ny fitoriana ny vaovao tsaran’Andriamanitra àry no zavatra maneho fahendrena indrindra azo atao amin’izao andro izao. Izany no izy satria ny hafatra momba ilay Fanjakana dia manome fanantenana marina izay mameno fifaliana ny fon’ny olombelona amin’izao andro farany ‘sarotra, tsy mora setraina’ izao. (2 Timoty 3:1-5, NW; Romana 12:12; Titosy 2:13). Tsy azo antoka sady fohy ny fiainana eto amin’ity tontolo ity, fa ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra kosa dia ho mandrakizay, eo anivon’ny fifaliana, ny fahatondrahana ary ny fiadanana eto an-tany mihitsy. (Salamo 37:3, 4, 11). Araka ny nolazain’i Jesosy Kristy, “inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?” Raha mamoy ny zony hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ny olona iray, inona moa no soa ho azony avy amin’ity tontolo izay hanjavona ity? Ny fankafizan’izany olona izany ireo zavatra ara-nofo ankehitriny dia ho very maina foana, tsy hisy vokany ary hihelina. — Matio 16:26; Mpitoriteny 1:14; Marka 10:29, 30.
9. a) Rehefa nangataka ny hampihemotra fotoana ny olona iray nasaina mba ho mpanara-dia an’i Jesosy, inona moa no natoron’i Jesosy azy mba hataony? b) Tokony hanao ahoana ny vokatra entin’ny valin-tenin’i Jesosy eo amintsika?
9 Hoy ny lehilahy iray nasain’i Jesosy mba ho mpanara-dia azy: “Aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.” Inona no natoron’i Jesosy azy mba hataony? Fantatr’i Jesosy fa nampihemotra ny fanaovana asa tena lehibe iray mba hiandrasana ny fahafatesan’ny ray aman-dreniny fotsiny ilay lehilahy. Namaly toy izao àry izy: “Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa hianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 9:59, 60). Ireo izay maneho fahendrena amin’ny fankatoavana an’i Kristy dia tsy afaka ny hiala amin’ny fanatanterahana ilay asa nanirahana azy hataony, dia ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ny fahendren’Andriamanitra dia mahatonga azy ireo hahatsapa fa voaheloka ity tontolo ity sy ireo mpanapaka eo aminy. (1 Korintiana 2:6; 1 Jaona 2:17). Ireo mpanohana ny fiandrianan’Andriamanitra dia mahalala fa ny hany fanantenana marina ho an’ny olombelona dia miankina amin’ny fandraisan’Andriamanitra anjara sy amin’ny fanapahany. (Zakaria 9:10). Koa na dia tsy mino ny Fanjakan’Andriamanitra aza ireo izay manana ny fahendren’ity tontolo ity sady tsy mila io fitondram-panjakana any an-danitra io, ireo olona tarihin’ny fahendren’Andriamanitra kosa dia manao izay tena mitondra soa marina ho an’ireo mpiara-belona aminy, amin’ny fanomanana azy ireo ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’i Jehovah. — Jaona 3:16; 2 Petera 3:13.
“Fahadalana amin’izay ho very”
10. a) Rehefa avy niova finoana i Saoly avy tany Tarsosy, asa inona no nataony, ary ahoana no fomba fijeriny azy io? b) Nalaza noho ny inona ireo Grika fahizay, kanefa ahoana no fomba fijerin’Andriamanitra ny fahendren’izy ireo?
10 I Saoly avy any Tarsosy, izay tonga Paoly apostolin’i Jesosy Kristy, dia nanao io asa famonjena aina io. Azo ekena ve ny fieritreretana fa, rehefa nampiova finoana an’i Saoly i Jesosy Kristy, dia nanendry azy hanao asa feno fahadalana iray? Tsy nino izany i Paoly. (Filipiana 2:16). Tamin’izany fotoana izany, ireo Grika dia noheverina ho ny olona nanam-pahaizana indrindra teto an-tany. Nirehareha izy ireo noho ireo filozofa lehibe sy ireo olon-kendry teo aminy. Na dia niteny Grika aza i Paoly, dia tsy nanaraka ny filozofia sy ny fampianarana grika. Fa nahoana? Satria fahadalana ho an’Andriamanitra izany fahendrena araka an’izao tontolo izao izany.a Nikatsaka ny fahendren’Andriamanitra, izay nanosika azy hitory ny vaovao tsara isan-trano, i Paoly. Nanome ny ohatra ny amin’izany ilay Mpitory lehibe indrindra teto an-tany, dia i Jesosy Kristy, ary nampianatra azy mba hanao io asa io koa. — Lioka 4:43; Asan’ny Apostoly 20:20, 21; 26:15-20; 1 Korintiana 9:16.
11. Inona no votoatin’ny teny nolazain’i Paoly momba ny fitoriana nanirahana azy hataony sy ny fahendren’izao tontolo izao?
11 Izao no lazain’i Paoly momba ny fitoriana nanirahana azy hataony: “Kristy (...) naniraka ahy (...) hitory ny filazantsara, tsy tamin’ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian’i Kristy. Fa ny teny ny amin’ny hazo fijaliana [sorom-panavotan’i Jesosy] dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. Fa voasoratra hoe: ‘Hofoanako ny fahendren’ny hendry, ary holaviko ny fahalalan’ny mahalala’. Aiza ny hendry [toy ireo filozofa]? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy nampodin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao? Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren’Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’[izay torina, NW ] no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino”. — 1 Korintiana 1:17-21.
12. Inona no tanterak’i Jehovah amin’ny alalan’ny “fahadalan’izay torina”, ary hanao ahoana ny fihetsik’ireo izay maniry “ny fahendrena izay avy any ambony”?
12 Na dia toa tsy azo inoana aza izany, ireo izay antsoin’izao tontolo izao hoe adala mihitsy no ampiasain’i Jehovah ho mpitory ny teniny. Eny, amin’ny alalan’ny fahadalan’ny fanompoan’ireo mpitory ireo, Andriamanitra dia mamonjy ireo izay mino. Mitari-draharaha amin’ny fomba izay tsy hahafahan’ireo mpitory io “fahadalana” io hankalaza ny tenany, na hahafahan’olombelona hafa hankalaza ara-drariny ireo izay nandrenesany ny vaovao tsara, i Jehovah. Izany no izy “mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra”. (1 Korintiana 1:28-31; 3:6, 7). Marina fa manana anjara lehibe ilay mpitory, kanefa ilay hafatra nanirahana azy hotoriny no miasa ho amin’ny famonjena ny olona iray mino izany. Ireo izay maniry “ny fahendrena izay avy any ambony” dia tsy hanamavo ny hafatr’ilay mpitory satria hoe toa adala sy ambanimbany, enjehina ary mandeha isan-trano izany mpitory izany. Ireo mpandefitra dia hanaja kosa ny mpitory momba ilay Fanjakana iray amin’ny maha-mpitory nirahin’i Jehovah sy tonga amin’ny anaran’Andriamanitra, azy. Hihevitra ho zava-dehibe ilay hafatra entin’ilay mpitory amin’ny alalan’ny teny sy ny soratra, izy ireo. — Jakoba 3:17; 1 Tesaloniana 2:13.
13. a) Nanao ahoana ny fomba fijerin’ny Jiosy sy ny Grika ny fitoriana an’i Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana? b) Avy amin’ny antokon’olona iza avy no tsy nisy maro nantsoina mba ho mpanara-dia an’i Jesosy, ary nahoana?
13 Nanohy ny famelabelarany momba ireo lalan’Andriamanitra i Paoly ka nanao hoe: “Ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena, fa izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin’ny Jiosy ary fahadalana amin’ny jentilisa, fa amin’izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra. Fa ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen’Andriamanitra mahery noho ny olona. Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery”. — 1 Korintiana 1:22-27; ampitahao amin’ny Isaia 55:8, 9.
14. a) Raha angatahina hampiseho ny taratasy fanamarinana ho an’ny tenany ny Vavolombelon’i Jehovah, inona moa no asehony? b) Nahoana i Paoly no nanda tsy haneho ny fahendren’izao tontolo izao mba hampifaliana ireo Grika?
14 Fony teto an-tany i Jesosy, dia nangataka famantarana avy tany an-danitra ny Jiosy. (Matio 12:38, 39; 16:1). Nanda tsy hanome famantarana anefa i Jesosy. Toy izany koa, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia tsy mampiharihary famantarana ho toy ny taratasy fanamarinana ho an’ny tenany. Manondro ny fanirahana azy hitory ny vaovao tsara kosa izy ireo, araka ny voarakitra ao amin’ny andinin-teny toy ny Isaia 61:1, 2, NW; ny Marka 13:10, NW; ary ny Apokalypsy 22:17. Ireo Grika fahizay dia nitady fahendrena, fahaizana ambony, teo amin’ireo zavatra teo amin’ity tontolo ity. Na dia nobeazina araka ny fahendren’ity tontolo ity aza i Paoly, dia nanda tsy haneho izany mba hampifaly ireo Grika. (Asan’ny Apostoly 22:3). Niteny sy nanoratra tamin’ny fiteny grika fampiasan’ny sarambabem-bahoaka andavanandro izy fa tsy tamin’ny fiteny grika klasika. Nilaza toy izao tamin’ireo Korintiana i Paoly: “Raha tonga tany aminareo [aho], dia tsy tonga tamin’ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an’Andriamanitra. (...) Ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ny teny fahendrena mahataona, fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy ny hery, mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.” — 1 Korintiana 2:1-5.
15. Inona no ampahatsiahivin’i Petera an’ireo mpaniratsira ny vaovao tsara, ary amin’ny ahoana ny tarehin-javatra ankehitriny no mitovy amin’ny tarehin-javatra tamin’ny andron’i Noa?
15 Amin’izao andro farany izao, ireo mpaniratsira ny vaovao tsara momba ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ho avy sy ny faran’ity tontolo ity mihamanakaiky, dia ampahatsiahivin’ny apostoly Petera fa ny tontolo tamin’ny andron’i Noa dia ‘niharan’ny fandravana tamin’ny rano’. (2 Petera 3:3-7). Teo anoloan’izany fiafarana tamin’ny alalan’ny safodrano izany, inona moa no nataon’i Noa? Olona maro no mihevitra azy ho toy ny mpanamboatra sambo fiara fotsiny. Milaza anefa i Petera fa, fony Andriamanitra nahatonga ny Safodrano tamin’ilay tontolo fahizay, dia “namonjy an’i Noa, mpitory ny fahamarinana”, izy. (2 Petera 2:5). Noho ny fahendreny araka an’izao tontolo izao, ireny olona ratsy fanahy niaina talohan’ny Safodrano ireny dia tsy isalasalana fa nanebaka ny zavatra notorin’i Noa ary niantso azy hoe adala, tsy nihevitra ny zava-misy ary tsy naneho fahendrena. Amin’izao andro izao, dia miatrika tarehin-javatra mitovy amin’izany ireo Kristiana marina, satria nampitaha ny taranaka misy antsika tamin’ny taranaka tamin’ny andron’i Noa i Jesosy. Na dia eo aza anefa ireo mpanebaka, ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana dia mihoatra noho ny resaka atao fotsiny. Toy ny fitoriana nataon’i Noa, izy io dia midika ho famonjena ho an’ilay mpitory sy ho an’ireo izay mihaino azy! — Matio 24:37-39; 1 Timoty 4:16.
‘Aoka ho adala mba ho hendry’
16. Inona no hanjo ny fahendren’ity tontolo ity ao Haramagedona, ary iza no ho tafita velona ka hiditra ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra?
16 Tsy ho ela, ao Haramagedona, dia hanao izay hahafoana “ny fahendren’ny olon-kendry” rehetra i Jehovah Andriamanitra. Hanilika “ny fahalalan’ireo olona manam-pahalalana” rehetra izay nanao faminavinana momba ireo toe-piainana tsaratsara kokoa hoentin’ny fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao, natao ho an’ny olombelona, izy. “Ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” dia handevona amin’ny afo ny fahalalana an-kosoka, ny filozofia ary ny fahendrena rehetran’ity tontolo ity. (1 Korintiana 1:19; Apokalypsy 16:14-16). Ireo hany ho tafita velona amin’io ady io ka hahazo fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra dia ireo izay mankatò ilay antsoin’ity tontolo ity hoe fahadalana — eny, ny vaovao tsaran’ny Fanjakana be voninahitr’i Jehovah.
17. Amin’ny ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tonga “adala”, ary tapa-kevitra ny hanao inona ireo mpitory ny vaovao tsara nirahin’Andriamanitra?
17 Ny Vavolombelon’i Jehovah, tarihin’ny fanahiny, dia tsy menatra ny mitory ilay antsoin’izao tontolo izao hoe fahadalana. Tsy manandrana ny ho hendry araka an’izao tontolo izao izy ireo, fa tonga “adala” kosa. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanaovana ny asa fitoriana ilay Fanjakana mba hahatongavany ho hendry, araka ny nosoratan’i Paoly toy izao: “Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin’izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.” (1 Korintiana 3:18-20). Ireo mpitory ny vaovao tsara nirahin’i Jehovah dia mahafantatra fa mamonjy aina ny hafatra entiny. Hanohy hitory azy io tsy an-kijanona àry izy ireo hatramin’ny faran’ity tontolo ity sy ny an’ny fahendreny amin’ny adin’i Haramagedona. Tsy ho ela i Jehovah Andriamanitra dia hanamarina ny fiandrianany manerana izao rehetra izao ary hitondra fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra mino ankehitriny ka manao zavatra rehefa mahare “ny fahadalan’izay torina”.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Na dia teo aza ireo ady hevitra sy fikarohana filozofika rehetra nataon’ireo olon-kendry tany Grisia fahizay, ny soratra nataon’izy ireo dia mampiseho fa tsy nahita fototra marina ho amin’ny fanantenana izy ireo. Nanamarika toy izao ireo profesora atao hoe J. R. S. Sterrett sy Samuel Angus: “Tsy misy zavatra nosoratana feno fitarainana mampangorakoraka kokoa noho izany, momba ireo alahelo eo amin’ny fiainana, ny tsy faharetan’ny fitiavana, ny toetra mamitaky ny fanantenana ary ny tsy fiantran’ny fahafatesana.” — Funk and Wagnalls New “Standard” Bible Dictionary, 1936, pejy faha-313.
Inona avy no Valin-teninao?
◻ Inona avy ireo karazana fahendrena roa misy?
◻ Inona no tsininy fototra amin’ny fahendren’izao tontolo izao?
◻ Nahoana ny fitoriana ny vaovao tsara no zavatra mampiseho fahendrena indrindra azo atao?
◻ Inona no hanjo ny fahendren’izao tontolo izao tsy ho ela?
◻ Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy menatra ny mitory ilay antsoin’izao tontolo izao hoe fahadalana?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 23]
Nitady ny fahendren’izao tontolo izao ireo Grika ary nihevitra matetika ny fitorian’i Paoly ho toy ny fahadalana