-
FanatrehanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Manana toe-po ratsy sady diso hevitra momba ny fanatrehan’i Kristy ny olona sasany. Hisy haneso toy izao “amin’ny andro farany”: “Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo? Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razantsika no tsy niova ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.”—2Pe 3:2-4, ampit. 1:16.
-
-
ManesoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Hisy mpaneso amin’ny “andro farany.” Anisan’ilay famantarana ny “andro farany” ny hoe hisy “mpaneso [a.b.t.: mpananihany (manesoeso)] ho tonga haneso, sady mandeha araka ny faniriany [“faniriany zava-dratsy”; Joda 17, 18], ka milaza hoe: ‘Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo? Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razantsika no tsy niova ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.’” (2Pe 3:3, 4) Hita amin’izany fa nanaraby an’i Jehovah izy ireo, na dia efa nampitandrina aza ny Isaia 28:21, 22 fa tena hahita loza izay manao izany.
-