Sambatra Ireo Izay Mitoetra ho Mifoha!
“Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay [mitoetra ho mifoha, NW ] ka miaro ny fitafiany”. — APOKALYPSY 16:15.
1. Koa satria antomotra ny andron’i Jehovah, inona no azontsika ampoizina?
ANTOMOTRA ny andro lehiben’i Jehovah, ary milaza ady izany! Tao amin’ny fahitana no nahitan’ny apostoly Jaona “fanahin’ny demonia” tahaka ny sahona, nankany amin’ny “mpanjaka”, na mpanapaka ny tany. Mba hanao inona? “Mba hanangona azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”! Nanampy teny toy izao i Jaona: “Nangoniny ho any amin’ny tany atao amin’ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.” — Apokalypsy 16:13-16.
2. Iza moa i Goga avy any amin’ny tany Magoga, ary inona no hitranga rehefa hanafika ny vahoakan’i Jehovah izy?
2 Tsy ho ela i Jehovah dia hanosika ny tapany ara-politikan’itỳ fandehan-javatra itỳ handrava an’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 17:1-5, 15-17). Avy eo, i Goga avy any amin’ny tany Magoga, i Satana Devoly naetry ho etỳ amin’ny manodidina ny tany, dia handamina an’ireo antokon’olony, ka hanafika araka izay fara heriny ny vahoakan’i Jehovah mandry feizay sy toa tsy manam-piarovana. (Ezekiela 38:1-12). Hanao zavatra anefa Andriamanitra mba hamonjena ny vahoakany. Izany no hanamarika ny fipoahan’ilay “andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina”. — Joela 3:4; Ezekiela 38:18-20.
3. Ahoana no hilazalazanao ny fisehoan-javatra nambara mialoha ao amin’ny Ezekiela 38:21-23?
3 Eny, hamonjy ny vahoakany i Jehovah, ary handrava izay mety ho soritra farany amin’ny fandehan-javatr’i Satana, rehefa ho tonga amin’ilay tarehin-javatra maneran-tany antsoina hoe Haramagedona, isika. Vakio ny teny ara-paminaniana ao amin’ny Ezekiela 38:21-23, ary alao sary an-tsaina ilay fisehoan-javatra. Mampiasa ny heriny i Jehovah mba hahatonga oram-be manafotra sy havandra vaventy mandrava zavatra sy afo mitsoriaka ary areti-mandringana. Manerana ny tany ny sahotaka rehefa ho tafalatsaka ao anatin’ny fisafotofotoana ireo antokon’olon’i Goga, ka hifamely. Haringana izay mety ho fahavalon’ilay Andriamanitra Tsitoha rehetra sisa tsy maty, satria mampiasa fomba hafa dia hafa i Jehovah mba hamonjena ny mpanompony. Rehefa tapitra ilay “fahoriana lehibe” nambara mialoha, dia tsy hisy zavatra ho tavela amin’ny fandehan-javatr’i Satana tsy tia an’Andriamanitra. (Matio 24:21). Na dia ao amin’ny fanaintainany eo am-pahafatesana aza anefa, dia ho fantatry ny ratsy fanahy hoe iza no tompon’andraikitra amin’ny loza manjo azy. Milaza toy izao mihitsy ilay Andriamanitsika mpandresy: “Ho fantany fa Izaho no Jehovah.” Hitranga amin’izao androntsika izao, mandritra ny fanatrehan’i Jesosy, ireo fisehoan-javatra tsy fahita ireo.
Avy toy ny mpangalatra
4. Amin’ny fomba ahoana no hahatongavan’i Jesosy mba handrava itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ?
4 Hoy i Jesosy Kristy Tompo nomem-boninahitra: “Indro, avy toy ny mpangalatra Aho.” Ny fiaviana toy ny mpangalatra dia tampoka, amin’ny fotoana tsy ampoizina, rehefa sondrian-tory ny ankamaroan’ny olona. Rehefa ho avy toy ny mpangalatra i Jesosy mba handrava itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ, dia hotsimbininy ireo izay mifoha marina tokoa. Hoy izy tamin’i Jaona: “Sambatra izay [mitoetra ho mifoha, NW ] ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.” (Apokalypsy 16:15). Inona no maha-zava-dehibe ireo teny ireo? Ary ahoana no hahafahantsika hitoetra ho mifoha amin’ny lafiny ara-panahy?
5. Inona no fandaharana nisy momba ny fanompoana tao amin’ny tempoly fony teto an-tany i Jesosy?
5 Tamin’ny ankapobeny, dia tsy nampitanjahina ny mpiambina iray raha resin-tory teo am-panaovana ny asany. Tena nitranga anefa izany tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, fony teto an-tany i Jesosy, ary nisy antokona mpisorona sy Levita nanompo tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Tamin’ny taonjato faha-11 al.f.i. no nandaminan’i Davida Mpanjaka ireo mpisorona an-jatony maro sy ireo Levita an’arivony maro mpanampy azy ireo, teo amin’ny Isiraely, mba ho tonga fandaminana iray voaforona antokony 24. (1 Tantara 24:1-18). Ny antokony tsirairay voaforona mpiasa tsara ofana maherin’ny arivo, dia nanao ny anjarany tamin’ny fikarakarana ireo lafim-panompoana tao amin’ny tempoly, indroa isan-taona fara fahakeliny, nandritra ny herinandro maninjitra isaky ny nandeha. Tamin’ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo anefa, dia teo avokoa mba hiasa ireo antokony 24. Nilaina koa ny fanampiana amboniny tamin’ny andro firavoravoana tamin’ny Paska.
6. Nety ho te hilaza tsy nivantana ny amin’inona i Jesosy fony izy niteny hoe: “Sambatra izay [mitoetra ho mifoha, NW ] ka miaro ny fitafiany”?
6 Rehefa niteny i Jesosy hoe “Sambatra izay [mitoetra ho mifoha, NW ] ka miaro ny fitafiany”, dia nety ho te hilaza tsy nivantana izy ny amin’ny fomba narahina tamin’izany fotoana izany, izay nahatafiditra ny asa fiambenana tao amin’ny tempoly. Hoy ny Mishnah jiosy: “Niandraikitra ny fiambenana tao amin’ny toerana telo amin’ny Tempoly ny mpisorona: tao amin’ny Efitranon’ny Abtinas, tao amin’ny Efitranon’ny Lelafo, sy tao amin’ny Efitranon’ny Fatana; ary ny Levita dia tao amin’ny toerana iraika amby roapolo: dimy tao amin’ny vavahady dimy amin’ny Tendrombohitry ny Tempoly, efatra tao amin’ny zorony efatra anatiny, dimy tao amin’ny vavahady dimin’ny Kianjan’ny Tempoly, efatra tao amin’ny zorony efatra ivelany, iray tao amin’ny Efitranon’ny Fanatitra, iray tao amin’ny Efitra Lamba, ary iray tao ambadiky ny Fitoeran’ny Famindram-po [tany ivelan’ny rindrina ambadiky ny Masina Indrindra]. Nanao ny fisafoany an’ireo mpiambina rehetra ny komandin’ny Tendrombohitry ny Tempoly, nitondra fanilo nirehitra teo anoloany, ary raha nisy mpiambina tsy nitsangana ary nilaza taminy hoe ‘Ry komandin’ny Tendrombohitry ny Tempoly ô, ho aminao anie ny fiadanana!’, ary raha niharihary fa sondrian-tory izy, dia hokapohiny amin’ny tehiny ilay mpiambina, ary nanana zo izy handoro ny fitafiany.” — Mishnah, Middoth (“Measurements”), 1, fehintsoratra 1-2, nadikan’i Herbert Danby.
7. Nahoana no nila nitoetra ho nifoha ireo mpisorona sy Levita nanao ny fiambenana tao amin’ny tempoly?
7 Ireo Levita sy mpisorona maro anisan’ny antokony nanompo, dia nitoetra ho nifoha nandritra ny alina manontolo mba hiambina sy hisakana ny olona tsy nadio tsy hiditra tao amin’ireo kianjan’ny tempoly. Koa satria “ny komandin’ny Tendrombohitry ny Tempoly”, na “ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly” nanao ny fisafoana an’ireo toeram-piambenana rehetra 24, nandritra ny fiambenana tamin’ny alina, dia tsy maintsy nitoetra ho nifoha teo amin’ny toerany ny mpiambina tsirairay, raha tsy tiany ny ho tratra nanao tsirambina ny asany. — Asan’ny Apostoly 4:1.
8. Inona ireo fitafiana ara-panoharana anaovan’ny Kristiana?
8 Ireo Kristiana voahosotra sy ireo mpanompo namany dia mila mitoetra ho mifoha amin’ny lafiny ara-panahy ary manao hatrany ny fitafiany ara-panoharana. Ireny fitafiana ireny dia ny porofo ivelany mampiseho ny fanendrena antsika ho amin’ny fanompoana ao amin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah. Ho fanekena izany, dia manana ny fanahy masina, na ny hery miasan’Andriamanitra isika, hanampy antsika hanao ny adidintsika, sy hanatontosa ny tombontsoantsika amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana antsika. Raha resin-tory isika eo amin’ny asa maha-minisitr’Andriamanitra antsika, dia mananontanona ny loza ny amin’ny hahatratraran’i Jesosy Kristy, ilay Lehiben’ny tempoly ara-panahy lehibe antsika. Raha sondrian-tory amin’ny lafiny ara-panahy isika amin’izay fotoana izay, dia hampitanjahina amin’ny heviny ara-panoharana isika, ary hodorana ny fitafiantsika ara-panoharana. Koa ahoana àry no ahafahantsika mitoetra ho mifoha amin’ny lafiny ara-panahy?
Ny fomba ahafahantsika mitoetra ho mifoha
9. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fianarana ny Baiboly miaraka amin’ny fanampian’ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana?
9 Mandrisika mba hifoha amin’ny lafiny ara-panahy ny fianarana amim-pahazotoana ny Soratra Masina miaraka amin’ny fanampian’ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana. Ny fianarana toy izany dia hanomana antsika ho amin’ny fanompoana, hanampy antsika hiatrika ireo fotoan-tsarotra, sy hanoro antsika ny lalana mitarika ho amin’ny fahasambarana mandrakizay. (Ohabolana 8:34, 35; Jakoba 1:5-8). Tokony hatao amin’ny fomba feno sy miandalana ny fianarantsika. (Hebreo 5:14–6:3). Afaka manampy antsika hifoha sy ho marisika hatrany ny sakafo tsara hohanina tsy tapaka. Afaka misakana ny faharendremana izay mety ho famantarana ny tsy fahampian-kanina izany. Tsy misy antony tokony haha-tsy ampy hanina sy hampatoritory antsika amin’ny lafiny ara-panahy, satria Andriamanitra dia manao fandaharana tondraka mba hanomezana sakafo ara-panahy amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” voahosotra. (Matio 24:45-47, NW ). Ny fandraisana sakafo ara-panahy tsy tapaka amin’ny alalan’ny fianarana manokana sy ny fianaram-pianakaviana dia fomba iray hitoerana ho mifoha sy ho “salama amin’ny finoana”. — Titosy 1:13, fanamarihana ambany pejy.
10. Amin’ny ahoana ireo fivoriana sy fivoriambe kristiana no manampy antsika mba hitoetra ho mifoha amin’ny lafiny ara-panahy?
10 Manampy mba hitanana antsika ho mifoha amin’ny lafiny ara-panahy, ireo fivoriana sy fivoriambe kristiana. Izy ireny dia manome fampaherezana sy fahafahana “hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara”. Vao mainka aza tokony hivory tsy tapaka isika satria ‘hitantsika fa mihantomotra ny andro’. Efa antomotra marina tokoa izany andro izany ankehitriny. Izany dia ny “andron’i Jehovah” izay hanamarinany ny fiandrianany. Raha tena zava-dehibe amintsika tokoa izany andro izany — ary tokony ho izany no izy — dia tsy ‘hahafoy ny fiarahantsika mivory’ isika. — Hebreo 10:24, 25, NW; 2 Petera 3:10.
11. Nahoana no azo atao ny milaza fa tena ilaina mba hifohazana amin’ny lafiny ara-panahy ny fanompoana kristiana?
11 Tena ilaina mba hifohazana amin’ny lafiny ara-panahy ny fandraisana anjara amin’ny fo manontolo amin’ny fanompoana kristiana. Mihazona antsika ho marisika hatrany ny fandraisana anjara tsy tapaka sy amin-jotom-po amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Ny fanompoantsika dia manome antsika fahafahana maro hiresaka amin’ny olona momba ny Tenin’Andriamanitra, sy ny Fanjakany, ary ny fikasany. Ahitana fahafaham-po ny fanaovana fanambarana isan-trano, ny fanaovana fiverenana mitsidika, sy ny fitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano amin’ny zavatra vita an-tsoratra toy ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Ireo loholona tao Efesosy fahiny dia afaka nanaporofo fa nampianatra azy “teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano”, i Paoly. (Asan’ny Apostoly 20:20, 21). Mazava ho azy, fa ny Vavolombelon’i Jehovah mahatoky sasany dia manan-java-manahirana ara-pahasalamana lehibe izay somary manakantsakana ny fanompoany, kanefa mahita fomba izy ireo mba hiresahana amin’ny hafa momba an’i Jehovah sy ny maha-mpanjaka azy, ary mahita fifaliana lehibe amin’ny fanaovana izany. — Salamo 145:10-14.
12, 13. Noho ny antony inona avy no tokony hanalavirantsika ny fanaranam-po amin’ny sakafo sy ny zava-pisotro?
12 Hanampy antsika hitoetra ho mifoha amin’ny lafiny ara-panahy ny fanalavirana ny fanaranam-po. Rehefa niresaka momba ny fanatrehany i Jesosy, dia nampirisika mafy an’ireo apostoliny toy izao: “Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny [fihinanana tafahoatra sy ny fisotroana tafahoatra, ary ny fanahiana amin’ny fiainana, NW ], ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany.” (Lioka 21:7, 34, 35). Tsy mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny hatendan-kanina sy ny fimamoana. (Deoteronomia 21:18-21, NW ). Hoy ny Ohabolana 23:20, 21: “Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena; fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.” — Ohabolana 28:7, NW.
13 Na dia tsy tonga hatramin’izany fetra izany aza anefa ny fihinanana sy ny fisotroana tafahoatra, dia mety hahatonga ny olona iray ho rendremana, ho kamo sy hanao tsirambina mihitsy eo amin’ny fanatontosana ny sitrapon’Andriamanitra. Mazava ho azy, fa hisy ny fanahiana izay mahatafiditra ny fiainana sy ny fahasalaman’ny fianakaviana, sy ny toy izany. Kanefa, ho sambatra isika raha mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainana, ary manana fatokiana fa hanome izay hilaintsika ilay Raintsika any an-danitra. (Matio 6:25-34). Raha tsy izany, dia ho avy tampoka amintsika tahaka “ny fandrika” “izany andro izany”, angamba ho tahaka ny fandrika nafenina izay hahavoa tampoka antsika, na ho toy ny fandrika nasiana hanin-jono, izay manintona ireo biby tsy maodimaody, ary avy eo dia misambotra azy ireo. Tsy hitranga izany raha mitoetra ho mifoha isika, mahalala tsara fa miaina amin’ny “andro farany” isika. — Daniela 12:4.
14. Nahoana isika no tokony hivavaka amim-pahatsorana?
14 Fanampiana hafa iray mba hifohazana amin’ny lafiny ara-panahy ny vavaka atao amim-pahatsorana. Tao amin’ilay faminaniany lehibe i Jesosy dia mbola nampirisika mafy toy izao: “Fa [mifohaza hatrany, NW ] ka mivavaha mandra-kariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” (Lioka 21:36). Eny, aoka hivavaka isika mba hitoerantsika foana eo amin’ny andaniny misy an’i Jehovah, ka hahazo toeram-pankasitrahana rehefa ho tonga mba handrava itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ i Jesosy, ilay Zanak’olona. Mba ho tombontsoantsika sy ho tombontsoan’ireo mpiray finoana amintsika izay tsaroantsika ao amin’ny vavaka, dia ilaintsika ny ‘mitoetra ho mifoha ao amin’ny vavaka’. — Kolosiana 4:2, NW; Efesiana 6:18-20.
Madiva ho tapitra ny fotoana
15. Inona no tontosain’ny fanompoantsika amin’ny maha-mpitory ny fahamarinana antsika?
15 Eo am-piandrasantsika ny andro lehiben’i Jehovah, dia tsy isalasalana fa irintsika ny hanao izay rehetra azontsika atao eo amin’ny fanompoana azy. Raha mivavaka aminy amim-pahatsorana momba izany isika, dia mety hivoha ho antsika ny ‘varavarana lehibe hahazoana miasa tsara’. (1 Korintiana 16:8, 9). Amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra, i Jesosy dia hitsara ka hanavaka ny “ondry” marina, mendrika ny fiainana mandrakizay amin’ny “osy” tsy tia an’Andriamanitra, mendrika ny fandringanana mandrakizay. (Jaona 5:22). Tsy isika no manavaka ny ondry amin’ny osy. Ny fanompoantsika kosa, amin’ny maha-mpitory ny fahamarinana antsika ankehitriny, dia manome fahafahana ny olona mba hifidy fiainana misy fanompoana an’Andriamanitra, ka amin’izay dia hanana fanantenana ny havahana ho amin’ny fiainana rehefa ‘ho tonga amin’ny voninahiny’ i Jesosy. Ny fahafohezan’ny fotoana sisa tavela ho an’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia manamafy ny ilana asa atao amin’ny fo manontolo rehefa mikaroka ireo ‘mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’ isika. — Matio 25:31-46; Asan’ny Apostoly 13:48, NW.
16. Nahoana isika no tokony ho mpitory ilay Fanjakana be zotom-po?
16 Tapitra ny fotoana ho an’ilay tontolo tamin’ny andron’i Noa, ary ho tapitra tsy ho ela koa ny an’itỳ fandehan-javatra itỳ. Koa aoka àry isika ho mpitory ilay Fanjakana be zotom-po. Miroborobo ny asa fitoriantsika satria isan-taona dia olona ana hetsiny maro no atao batisa ho mariky ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra. Tonga anisan’ny fandaminan’i Jehovah mandray fitahiana izy ireo — dia “olony sy ondry fiandriny.” (Salamo 100:3). Fifaliana toy inona moa ny mandray anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana izay mitondra fanantenana ho an’ny olona maro aoka izany alohan’ny “andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina”!
17, 18. a) Rehefa mitory isika, inona no fihetsika tokony hampoizintsika avy amin’ny olona sasany? b) Inona no azo antoka fa handringana ireo mpaniratsira?
17 Sahala amin’i Noa, dia manana ny fanohanana sy ny fiarovan’Andriamanitra isika. Eny, tsy maintsy ho naneso an’i Noa noho ny hafatra nentiny ny olona sy ireo anjely nitafy nofo ary ireo Nefilima, kanefa tsy nisakana azy izany. Amin’izao andro izao, dia maneso ny sasany rehefa asehontsika mazava ny porofo tondraka fa miaina amin’ny “andro farany” isika. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Izany faniratsirana izany dia fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly mahakasika ny fanatrehan’i Kristy, satria nanoratra toy izao i Petera: “Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza [ny fanatrehany nampanantenaina, NW ]? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza.” — 2 Petera 1:16, NW; 3:3, 4, izahay no manao sora-mandry.
18 Mety hieritreritra toy izao ireo mpaniratsira amin’izao andro izao: ‘Tsy nisy zavatra niova hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao. Mitohy ny fiainana, ary mihinana sy misotro sy manambady ary mitaiza ankohonana ny olona. Na dia manatrika aza i Jesosy, dia tsy amin’izao androko izao no hampiharany didim-pitsarana.’ Diso hevitra toy inona moa izy ireo! Raha tsy maty noho ny antony hafa izy mandra-pahatongan’izany, dia ilay andro mahatsiravin’i Jehovah no azo antoka fa handringana azy, toy ny nandringanan’ny loza tamin’ny Safo-drano an’ilay taranaka ratsy fanahy tamin’ny andron’i Noa. — Matio 24:34.
Ataovy izay hitoerana ho mifoha!
19. Ahoana no tokony hiheverantsika ny asa fanaovantsika mpianatra?
19 Raha nanolo-tena ho an’i Jehovah isika, dia enga anie isika tsy ho voarotsirotsin’ny fisainana tsy araka ny tokony ho izy, na oviana na oviana, ka hatory. Izao no fotoana tokony hitoerana ho mifoha, hanehoana finoana ny faminaniana avy amin’Andriamanitra ka hanatanterahana ny fanirahana antsika mba ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra’. (Matio 28:19, 20). Koa satria miatrika ny famaranana azy itỳ fandehan-javatra itỳ, dia tsy manana tombontsoa lehibe kokoa noho izao isika: Ny manompo an’i Jehovah Andriamanitra eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy, sy ny mandray anjara amin’ny asa fitoriana “itỳ vaovao tsaran’ilay Fanjakana itỳ” maneran-tany alohan’ny hahatongavan’ny farany. — Matio 24:14, NW; Marka 13:10, NW.
20. Inona no ohatra navelan’i Josoa sy i Kaleba, ary mampiseho inona amintsika ny lalam-pitondran-tena narahiny?
20 Ny sasany amin’ny vahoakan’i Jehovah dia efa nanompo azy hatramin’ny am-polony taona maro, angamba aza nandritra ny androm-piainana manontolo. Ary na dia vao haingana aza no nanekentsika ny fanompoam-pivavahana marina, dia enga anie isika ho sahala amin’i Kaleba isiraelita izay “tanteraka tamin’ny fanarahana an’i Jehovah”. (Deoteronomia 1:34-36). Tena niomana mba hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy sy i Josoa, fotoana fohy taorian’ny nanafahana ny Isiraely tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana. Tsy nanam-pinoana anefa ireo olon-dehibe isiraelita, tamin’ny ankapobeny, ka voatery nandany 40 taona tany an’efitra ary maty tany. Niara-niaritra zava-tsarotra tamin’izy ireo nandritra izany fotoana rehetra izany i Josoa sy i Kaleba, kanefa tamin’ny farany dia niditra tao amin’ilay tany nampanantenaina ireo lehilahy roa ireo. (Nomery 14:30-34; Josoa 14:6-15). Raha ‘tanteraka amin’ny fanarahana an’i Jehovah’ isika ka mitoetra ho mifoha amin’ny lafiny ara-panahy, dia hanana ny fifaliana hiditra ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra.
21. Inona ny zavatra hiainantsika raha mitoetra ho mifoha amin’ny lafiny ara-panahy isika?
21 Mampiseho mazava ny porofo fa miaina amin’ny fotoan’ny farany isika, ary antomotra ny andro lehiben’i Jehovah. Tsy izao no fotoana tokony haha-sondrian-tory ka hanaovana tsirambina ny fanatontosana ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy handray fitahiana isika raha tsy mitoetra ho mifoha amin’ny lafiny ara-panahy, ary miaro ny fitafiana izay mampahafantatra antsika ho minisitra kristiana sady mpanompon’i Jehovah. Enga anie isika ho tapa-kevitra ny ‘hitoetra ho mifoha, hiorina tsara amin’ny finoana, hitomban-dahy, sy hahery’. (1 Korintiana 16:13, NW ). Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika, enga anie ny tsirairay avy amintsika tsy hiova sy ho be herim-po. Amin’izay isika dia ho anisan’ireo vonona rehefa hamely ny andro lehiben’i Jehovah, manompo amim-pahatokiana eo amin’ny laharan’ireo sambatra fa mitoetra ho mifoha.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no hamaritanao ireo fitafiantsika ara-panoharana, ary ahoana no azontsika iarovana azy ireo?
◻ Inona avy no fomba sasany hitoerana ho mifoha amin’ny lafiny ara-panahy?
◻ Nahoana no tokony hampoizintsika ny fisian’ny mpaniratsira, ary ahoana no tokony hiheverantsika azy ireo?
◻ Ahoana no tokony hiheverantsika ny asa fanaovantsika mpianatra amin’izao andro farany izao?
[Teny notsongaina, pejy 16]
Manana ny fanahy masin’Andriamanitra ny Kristiana mba hanampy azy hitoetra ho mifoha sy hanatontosa ny adidiny
[Sary, pejy 15]
Tapa-kevitra ny hitoetra ho mifoha amin’ny lafiny ara-panahy sy hiaro ny fitafianao ara-panoharana ve ianao?