Tafaray ao Amin’ny Fatoram-pitiavana Tanteraka
‘Aoka ianareo ho tafakambana amin’ny fomba mirindra ao amin’ny fitiavana’. — KOLOSIANA 2:2, NW.
1, 2. Fitaomana mampisaratsaraka inona no tsapa amin’izao andro izao indrindra?
HENOY! Injany misy feo mahery iray manakoako manerana ny lanitra manao hoe: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apokalypsy 12:12). Isaky ny mandalo ny taona iray dia mihamiseho ho fambara loza ho an’ny mponina amin’ny tany io hafatra io.
2 Efa fantatra hatramin’ny ela ho mpanohitra (Satana) sy ho mpanendrikendrika (Devoly) ilay fahavalon’i Jehovah lehibe. Kanefa io mpamitaka io ankehitriny dia nandray anjara asa hafa mahatahotra — tonga andriamanitra misafoaka izy! Nahoana? Satria noroahin’i Mikaela sy ireo anjeliny avy tany an-danitra izy tamin’ilay ady izay nanomboka tany an-danitra tamin’ny 1914. (Apokalypsy 12:7-9). Fantatry ny Devoly fa tsy manana afa-tsy fotoana fohy izy mba hanaporofoana ilay fihaikany hoe afaka mampiala ny olona rehetra amin’ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra izy. (Joba 1:11; 2:4, 5). Tampi-dalan-kaleha izy sy ireo demoniany ka tahaka ny andian-tantely iray misafoaka izay manampatra ny faharomotany amin’ny sarambaben’ny olona misamboaravoara. — Isaia 57:20.
3. Inona no vokatry ny nampietrena an’i Satana tamin’izao androntsika izao?
3 Ireny zava-mitranga ireny, izay tsy hitan’ny mason’ny olombelona, dia manazava ny antony isian’ny firodanana ara-pitondran-tena amin’ny ankapobeny eo anivon’ny taranak’olombelona ankehitriny. Manome fanazavana koa izy ireny ny amin’ny fiezahana ataon’ny olona amim-pikoropahana mba hampihavanana amin’ny fomba tandrametaka ireo firenena misaratsaraka, izay tsy afaka tsotra izao miaina ao anatin’ny firindrana. Mifamely amin-kalozana ireo foko sy antokom-pirazanana, ka miteraka ny fisian’ny olona an-tapitrisany maro tsy manan-kialofana sy voatery mifindra monina. Tsy mahagaga raha mitombo amin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toy izany ny tsy fankatoavan-dalàna! Araka ny nambaran’i Jesosy mialoha, dia ‘mihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro’. Na aiza na aiza jerenao, dia manamarika ny taranak’olombelona misamboaravoara amin’izao andro izao ny tsy firindrana sy ny tsy fananam-pitiavana. — Matio 24:12.
4. Nahoana no tandindomin-doza manokana ny vahoakan’Andriamanitra?
4 Rehefa heverina ny tarehin-javatra eo amin’izao tontolo izao, dia manana heviny lalina kokoa ilay vavaka nataon’i Jesosy ho an’ireo mpanara-dia azy hoe: “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ilay ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:15, 16, fanamarihana ambany pejy). Amin’izao andro izao, “ilay ratsy” dia manampatra indrindra ny fahatezerany amin’ireo “izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy”. (Apokalypsy 12:17). Raha tsy teo ny fiahian’i Jehovah amim-pitandremana sy amim-pitiavana, dia ho lany ringana ireo Vavolombelony mahatoky. Miankina amin’ny fanararaotantsika an’ireo fandaharana rehetra izay ataon’Andriamanitra mba hiarovana sy hahasoa antsika ara-panahy ny fiainantsika. Izany dia mahafaoka ny fiezahantsika fatratra mifanaraka amin’ny fiasan’ny heriny amin’ny alalan’i Kristy, araka ny ampirisihan’ilay apostoly ao amin’ny Kolosiana 1:29.
5, 6. Inona no tsapan’ny apostoly Paoly momba ireo Kristiana tany Kolosia, ary nahoana no mifanentana ny teny fototra ho an’ny taona 1995?
5 Na dia azo inoana aza fa tsy nifanatri-tava tamin’izy ireo mihitsy i Paoly, dia tiany ireo rahalahiny tany Kolosia. Hoy izy tamin’izy ireo: “Tiako ho takatrareo ny halalin’ny tebitebiko noho ny aminareo.” (Kolosiana 2:1, The New Testament in Modern English, nataon’i J. B. Phillips). Koa satria tsy naman’izao tontolo izao ireo mpanara-dia an’i Jesosy, “ilay ratsy” dia hiezaka hatrany ny handrava ny firaisan-tsain’ireo rahalahy amin’ny famafazana ny toe-tsain’izao tontolo izao eo amin’izy ireo. Nasehon’ilay vaovao nentin’i Epafra avy tany Kolosia fa efa nitranga tamin’ny fetra sasany izany.
6 Azo fintinina amin’ireto teny ireto ny iray tamin’ireo fiahian’i Paoly lehibe indrindra an’ireo rahalahiny kristiana: ‘Aoka ianareo ho tafakambana amin’ny fomba mirindra ao amin’ny fitiavana’. Manana heviny manokana ireo teniny ireo amin’izao andro izao, eto amin’ny tontolo iray feno tsy firaisan-kina sy tsy fananam-pitiavana. Raha mandray am-po ny torohevitra nomen’i Paoly isika, dia hahazo ny fikarakaran’i Jehovah. Hahatsapa ny herin’ny fanahiny eo amin’ny fiainantsika koa isika, ny fanahiny izay hanampy antsika hanohitra ny faneren’izao tontolo izao. Mampiseho fahendrena toy inona moa io torohevitra io! Araka izany, dia ny Kolosiana 2:2 (NW ) no ho teny fototra hampiasaintsika ho an’ny taona 1995.
7. Firindrana inona no tokony ho hita eo anivon’ireo Kristiana marina?
7 Tao amin’ny taratasy iray taloha kokoa ho an’ireo Korintiana, ilay apostoly dia nampiasa ny tenan’olombelona ho toy ny fanoharana. Nanoratra izy hoe “mba tsy hisy fisarahana” eo amin’ny kongregasionan’ny Kristiana voahosotra fa “mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra”. (1 Korintiana 12:12, 24, 25). Fanoharana mahavariana re izany! Mifampiankina ireo rantsambatantsika, ka ny tsirairay avy dia mikambana amin’ny sisa amin’ny tenantsika. Izany fotopoto-pitsipika izany ihany no mihatra amin’ny fikambanan’ny mpirahalahy maneran-tany misy antsika, voaforon’ireo voahosotra sy ireo olona an-tapitrisany maro izay manantena ny hiaina ao amin’ny tany zary paradisa. Tsy tokony hampisaraka ny tenantsika amin’ilay fikambanan’ireo namana kristiana isika mba hiaina amin’ny fomba tsy miankina! Ny fanahin’Andriamanitra, izay miasa amin’ny alalan’i Kristy Jesosy, dia mirotsaka amintsika amin’ny ampahany lehibe amin’ny alalan’ny fiarahantsika amin’ireo rahalahintsika.
Mifamatotra amin’ny fahalalana ny firindrana
8, 9. a) Inona no zava-dehibe ho an’ny fandraisantsika anjara amin’ny firindrana ao amin’ny kongregasiona? b) Ahoana no nahazoanao ny fahalalana momba an’i Kristy?
8 Iray tamin’ireo hevi-dehibe nasongadin’i Paoly ny hoe ny firindrana kristiana dia mifamatotra amin’ny fahalalana, indrindra fa ny fahalalana izay mahakasika an’i Kristy. Nanoratra i Paoly fa ireo Kristiana dia tokony “[ho tafakambana amin’ny fomba mirindra ao, NW ] amin’ny fitiavana sy ho amin’ny haren’ny fahatokiana be avy amin’ny fahazavan-tsaina, ho amin’ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an’Andriamanitra, dia Kristy”. (Kolosiana 2:2). Nandray fahalalana — izay zava-misy — isika hatramin’ny fotoana nanombohantsika nianatra ny Tenin’Andriamanitra. Anisan’ny fahazoana fahatakarana ny fomba ifanarahan’ny maro amin’ireny zava-misy ireny amin’ny fikasan’Andriamanitra ny fahatakarantsika ny anjara asa lehibe tanan’i Jesosy, “Izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.” — Kolosiana 2:3.
9 Izany ve no tsapanao momba an’i Jesosy sy ny anjara asany ao amin’ny fikasan’Andriamanitra? Olona maro ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no mailaka ny hiresaka momba an’i Jesosy, amin’ny fihamboana fa efa nanaiky azy ary efa voavonjy. Kanefa tena mahalala azy ve izy ireo? Tsy izany velively, satria mino ilay foto-pampianarana tsy araka ny Soratra Masina momba ny Trinite, ny ankamaroan’izy ireo. Tsy vitan’ny hoe tena mahalala ny fahamarinana momba izany ianao fa azo inoana fa manana saika ny fahalalana ankapobeny momba izay nolazain’i Jesosy sy izay nataony. Olona an-tapitrisany maro no nampiana tamin’izany tamin’ny alalan’ny fianarana nanovozam-pahalalana nampiasana ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Kanefa mila ny mandalina hatrany ny fahalalantsika momba an’i Jesosy sy ny lalany isika.
10. Amin’ny fomba ahoana no azontsika andraisana ny fahalalana nafenina?
10 Ilay filazana fa ‘voafina’ ao amin’i Jesosy “ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra” dia tsy midika fa tsy takatry ny saintsika izany fahalalana izany. Somary tahaka ny lavaka fihadiana mineraly iray mitanatana kosa izany. Tsy voatery hikaroka manodidina ny faritra midadasika iray isika ka hanontany tena hoe aiza no hanomboka handavaka. Efa fantatsika izany — manomboka amin’izay ampahafantarin’ny Baiboly momba an’i Jesosy Kristy ny fahalalana marina. Arakaraka ny ahatakarantsika amin’ny fomba feno kokoa ny anjara asan’i Jesosy ao amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah no ahazoantsika ireo rakitry ny tena fahendrena sy ny fahalalana araka ny marina. Koa izay ilaintsika atao dia ny mandavaka lalina kokoa hatrany, mamoaka maro kokoa amin’ireo vatosoa na zava-tsarobidy izay azo raisina avy ao amin’io loharano efa nandavahantsika io. — Ohabolana 2:1-5.
11. Ahoana no mety hampitomboantsika ny fahalalantsika sy ny fahendrentsika amin’ny fisaintsainana momba an’i Jesosy? (Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra ny amin’ny nanasan’i Jesosy ny tongotr’ireo mpianany, na mampiasà ohatra hafa.)
11 Ohatra, mety ho fantatsika fa nanasa ny tongotr’ireo apostoliny i Jesosy. (Jaona 13:1-20). Efa nosaintsainintsika anefa ve ilay fianarana nomeny tamin’izay sy ilay toe-tsaina nasehony? Amin’ny fanaovana izany, isika dia mety hamoaka rakitry ny fahendrena, izay mahatonga antsika — eny, manosika antsika — hanova ny fomba itondrantsika ny rahalahy na ny anabavy iray izay nanorisory antsika naharitra ela ny toetra maha-izy azy. Na rehefa tendrena hanao asa izay tsy tiantsika loatra isika, dia mety handray izany amin’ny fomba hafa rehefa azontsika ny hevitra fenon’ny Jaona 13:14, 15. Toy izany no fomba ananan’ny fahalalana sy ny fahendrena heriny eo amintsika. Inona no mety ho vokany eo amin’ny hafa rehefa mampifanaraka akaiky kokoa ny tenantsika amin’ny fahalalana an’i Kristy mihamitombo hatrany isika? Azo inoana fa ‘ho tafakambana amin’ny fomba mirindra kokoa ao amin’ny fitiavana’ ny andian’ondry.a
Afaka manimba ny firindrana ny fanelingelenana
12. Mahakasika ny fahalalana inona no ilantsika hitandremana?
12 Raha manamora ny ‘fikambanantsika amin’ny fomba mirindra ao amin’ny fitiavana’ ny fahalalana araka ny marina, dia inona no vokatra azo avy amin’izay “atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy”? Ny mifanohitra amin’izany indrindra — fifandirana sy tsy fifanarahana ary faniasiavana amin’ny finoana. Koa tsy maintsy mitandrina amin’izany fahalalana tsy izy izany isika, araka ny nampitandreman’i Paoly an’i Timoty. (1 Timoty 6:20, 21). Nanoratra toy izao koa i Paoly: “Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ny teny toa marina. Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.” — Kolosiana 2:4, 8.
13, 14. a) Nahoana ireo rahalahy tany Kolosia no notandindomin-doza raha ny momba ny fahalalana? b) Nahoana no mety hihevitra ny sasany amin’izao andro izao fa tsy tandindomin-doza toy izany izy?
13 Ireo Kristiana tany Kolosia dia voahodidin’ny fitaomana namitak’izay natao hoe fahalalana, kanjo tsy izy. Olona maro tao Kolosia sy teny amin’ny manodidina no nanana fiheverana ambony ny amin’ireo filozofia grika. Tao koa ireo mpihazona ny Jodaisma (fivavahana jiosy), izay naniry ny hanarahan’ireo Kristiana ny Lalàn’i Mosesy, toy ny amin’ny andro firavoravoana sy ny zavatra takina ara-tsakafo. (Kolosiana 2:11, 16, 17). Tsy nanohitra ny fahazoan’ireo rahalahiny fahalalana marina i Paoly, kanefa nilain’izy ireo ny nitandrina fandrao hisy hahalasa azy ireo ho babo, amin’ny fampiasana teny toa marina mba handresena lahatra azy ireo hanana fomba fijery araka ny an’olombelona ihany momba ny fiainana sy ny atao. Afaka mahatakatra ianao fa raha toa ny sasany ao amin’ny kongregasiona ka mamela ny fisainany sy ny fanapahan-keviny hotarihin’ny fiheverana sy ny toe-tsaina tsy araka ny Soratra Masina toy izany momba ny fiainana, dia hanohitra ny firindrana sy ny fitiavana eo anivon’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona izany.
14 ‘Eny e’, hoy ny mety ho eritreritrao, ‘hitako ny loza izay natrehin’ireo Kolosiana, kanefa tsy mety ho voan’ny fitaoman’ireo fiheverana grika aho, toy ny amin’ny fanahy tsy mety maty na ny amin’ny andriamanitra trinite iray; sady tsy hitako koa izay mety ho loza ny amin’ny hoe ho voataonan’ireo fetin’ny mpanompo sampy ao amin’ny fivavahan-diso izay efa nialako aho.’ Tsara dia tsara izany. Tsara ny hiekena mafy ny amin’ny maha-ambony ny fahamarinana fototra nampahafantarina tamin’ny alalan’i Jesosy, fahamarinana izay azo raisina ao amin’ny Soratra Masina. Kanefa mety hotandindomin’ny filozofia na ny hevitr’olombelona hafa mahazo vahana amin’izao andro izao ve isika?
15, 16. Fomba fijery inona momba ny fiainana no mety hisy heriny eo amin’ny fisainan’ny Kristiana iray?
15 Efa nisy hatramin’ny ela ny toe-tsaina toy izany: “Aiza itỳ fampanantenàn’ny Tompo momba ny fiaviany? Efa nodimandry manko ny razantsika, kanefa ny zavatra rehetra dia maharitra tsy miova”. (2 Petera 3:4, DIEM ). Mety holazaina amin’ny teny hafa izany fihetseham-po izany, kanefa mitovy ihany ilay fomba fijery. Ohatra, mety hanjohy hevitra toy izao ny olona iray: ‘Fony aho nianatra voalohany ny fahamarinana am-polony taona maro lasa izay, dia “efa antomotra kely” ny farany. Kanefa mbola tsy tonga ihany izany, ary iza no mahalala ny fotoana hiaviany?’ Marina fa tsy misy olona mahalala ny fotoana hahatongavan’ny farany. Kanefa, mariho ny fomba fihevitra izay nampirisihan’i Jesosy mba hananana: “Mijere hatrany, mifohaza hatrany, satria tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro.” — Marka 13:32, 33, NW.
16 Mahatandindomin-doza toy inona moa ny hanarahana ilay fiheverana fa, noho ny tsy fahafantarana ny fotoana hiavian’ny farany, isika dia tokony hanao planina ho amin’ny fiainana ampoky ny fanandraman-javatra sy “ara-dalàna”! Izany toe-tsaina izany dia mety hiseho amin’ilay fanjohian-kevitra hoe: ‘Mety ho ahy ny hanaovako zavatra izay hamela ahy (na ny zanako) hanana asa mendri-kaja izay hahazoana karama tena tsara ary hanome fahafahana ahy hanana fiainana mampiadana. Mazava ho azy fa hanatrika ireo fivoriana kristiana aho ary handray anjara amin’ny asa fitoriana, kanefa tsy misy antony tokony hiezahako fatratra na hanaovako sorona lehibe.’ — Matio 24:38-42.
17, 18. Fiheverana inona no nampirisihan’i Jesosy sy ireo apostoly antsika mba hananana?
17 Tsy azo lavina anefa fa nanoro hevitra antsika i Jesosy sy ireo apostoliny mba hiaina amin’ny fahatsapana ny maha-maika ny itoriana ny vaovao tsara, amin’ny fiezahantsika fatratra sy amin’ny fahavononantsika hanao sorona. Nanoratra toy izao i Paoly: “Izao no lazaiko, ry rahalahy, mihafohy ny fotoana sisa tavela. Koa amin’izany, aoka izay manambady ho toy ny tsy manana, (...) ary izay mividy zavatra ho toy ny tsy manan-javatra, ary izay mampiasa izao tontolo izao ho toy ny tsy mampiasa azy amin’ny fomba feno; fa eo am-piovana ny sehatr’itỳ tontolo itỳ.” — 1 Korintiana 7:29-31, NW; Lioka 13:23, 24; Filipiana 3:13-15; Kolosiana 1:29; 1 Timoty 4:10; 2 Timoty 2:4; Apokalypsy 22:20.
18 Tsy nanipy hevitra velively i Paoly ny amin’ny hanaovantsika ho zava-kendrentsika ny hananana fiainana mampiadana, fa nanoratra toy izao kosa izy teo ambanin’ny tsindrimandry: “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany. (...) Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay [fanambarana ampahibemaso, NW ] tsara teo imason’ny vavolombelona maro.” — 1 Timoty 6:7-12.
19. Inona no vokany eo amin’ny kongregasiona iray rehefa manaiky ny fiheverana momba ny fiainana izay ampirisihan’i Jesosy ireo anisan’izy io?
19 Rehefa voaforona Kristiana be zotom-po izay miezaka mafy ‘manao fanambarana ampahibemaso tsara’ ny kongregasiona iray, dia tonga ho azy ny firindrana. Tsy manaiky ho resin’ilay toe-tsaina hoe: ‘Manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro hianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia’, izy ireo. (Lioka 12:19). Tafaray ao amin’ny fiezahana iray ihany kosa izy ireo, vonona ny hanao sorona mba handray anjara feno araka izay azo atao amin’io asa tsy haverina intsony io. — Ampitahao amin’ny Filipiana 1:27, 28.
Mitandrina ny amin’ireo teny toa marina
20. Lafiny hafa inona no mety hahavoafitaka ireo Kristiana?
20 Mazava ho azy fa misy fomba hafa mety ‘hampahadiso hevitra an’ireo Kristiana amin’ny teny toa marina’ na famitahana foana izay manembantsembana ny ‘fikambanana amin’ny fomba mirindra ao amin’ny fitiavana’. Nanoratra toy izao ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Alemaina: “Ny tarehin-javatra iray dia nitarika ho amin’ny fifandirana, ka niandanian’ireo mpitory ary na dia ireo loholona mihitsy aza tamin’ny andaniny iray na ilay hafa tamin’ilay ady hevitra momba ireo karazana fitsaboana ampiasain’ny rahalahy iray.” Nanampy teny toy izao izy ireo: “Noho ny hamaroan’ny karazana fomba ampiasaina sy ny habetsahan’ireo marary tsaboina, dia lafiny iray izay mahatonga fifandirana izy io ary, raha mifono spiritisma ireo fomba fitsaboana, dia mety hampidi-doza.” — Efesiana 6:12.
21. Ahoana no mety hamoizan’ny Kristiana iray ny zavatra tena ampifantohana ny saina amin’izao andro izao?
21 Tian’ireo Kristiana ny ho velona sy ny ho salama hatrany mba hahafahany hanolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra. Na dia izany aza, eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ dia iharan’ny fahanterana sy ny aretina izay vokatry ny tsy fahalavorariana isika. Tokony hifantoka amin’ny tena fanafodiny ho antsika sy ho an’ny hafa isika, toy izay hanantitrantitra ireo raharaha momba ny fahasalamana. (1 Timoty 4:16). I Kristy no votoatin-kevitr’izany fanafodiny izany, toy ny naha-votoatin’ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo Kolosiana azy. Kanefa tadidio fa nasehon’i Paoly fa mety ho tonga miaraka amin’ny “teny toa marina” ny sasany amin’ny fampiviliana ny saintsika hiala amin’i Kristy, angamba hampitodika azy io any amin’ireo fomba famantarana aretina sy fitsaboana ary fitandremana ara-tsakafo. — Kolosiana 2:2-4.
22. Toe-tsaina voalanjalanja inona no tokony hananantsika raha ny amin’ny hamaroan’ireo fihamboana mahakasika ireo fomba famantarana aretina sy fitsaboana?
22 Voasakan’ireo dokam-barotra sy teny fanamarinana ny soa noraisina tamin’izao karazana fitsaboana sy fomba famantarana aretina rehetra izao ny olona maneran-tany. Ny sasany amin’izy ireny dia ampiasaina sy ekena hatraiza hatraiza; ny hafa dia kianina na ahiahina hatraiza hatraiza.b Tompon’andraikitra amin’ny fanapahana izay hataony mahakasika ny fahasalamany ny olona tsirairay. Kanefa ireo izay manaiky ny torohevitra nomen’i Paoly hita ao amin’ny Kolosiana 2:4, 8, dia hahazo fiarovana mba tsy hampahadiso hevitra azy ny “teny toa marina” na ny “famitahana foana” izay mampiala ny maro izay manao zavatra amim-pamoizam-po mba hahazoana fanamaivanana, noho izy tsy manana ilay fanantenana momba ilay Fanjakana. Na dia miaiky aza ny Kristiana iray fa toa tsara ho azy ny fitsaboana sasany, dia tsy tokony hampiely hevitra ny amin’izany eo amin’ireo rahalahy kristiana izy, satria mety ho lasa foto-kevitra mahatonga ady hevitra sy fifandirana miitatra izany. Araka izany, dia afaka mampiseho izy fa manaja fatratra ny maha-zava-dehibe ny firindrana ao amin’ny kongregasiona.
23. Nahoana no isika indrindra no manana antony tokony hifaliana?
23 Nohamafisin’ny apostoly Paoly fa ny firindrana kristiana no fototry ny tena fifaliana. Tamin’ny androny, ny isan’ireo kongregasiona dia azo antoka fa vitsy kokoa noho ny amin’izao andro izao. Kanefa afaka nanoratra toy izao ho an’ireo Kolosiana izy: “Na dia tsy manatrika anareo amin’ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin’ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan’ny finoanareo an’i Kristy.” (Kolosiana 2:5; jereo koa ny Kolosiana 3:14, NW.) Vao mainka lehibe toy inona moa ny antony mahafaly antsika! Isika dia afaka mahita ny tena porofon’ny firindrana sy ny filaminana ary ny tsy fiovan’ny finoana ao amin’ny kongregasionantsika manokana, izay mampiseho taratry ny tarehin-javatra amin’ny ankapobeny misy ny vahoakan’Andriamanitra maneran-tany. Koa amin’izao fotoana fohy sisa tavela ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny izao, dia aoka isika tsirairay avy ho tapa-kevitra ny “ho tafakambana amin’ny fomba mirindra ao amin’ny fitiavana”.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Na dia maro be aza ireo zavatra azontsika andraisana fianarana, dia jereo, avy amin’ireto ohatra manaraka ireto, izay azon’ny tenanao manokana ianarana momba an’i Jesosy, fianarana izay afaka mandray anjara amin’ny firindrana ao amin’ny kongregasionanao: Matio 12:1-8; Lioka 2:51, 52; 9:51-55; 10:20; Hebreo 10:5-9.
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Desambra 1982, pejy faha-18-24.
Nomarihinao Ve?
◻ Inona no teny fototra ho an’ny taona 1995 ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah?
◻ Nahoana ireo Kristiana tany Kolosia no nila ny ho tafakambana tamin’ny fomba mirindra tao amin’ny fitiavana, ary nahoana isika no mila ny ho toy izany amin’izao andro izao?
◻ Fomba fijery ny fiainana mamitaka inona no ilan’ireo Kristiana indrindra ny hitandremana amin’izao andro izao?
◻ Nahoana no tokony ho mailo ireo Kristiana mba tsy ho voafitaky ny teny toa marina mahakasika ny fahasalamana sy ireo fomba famantarana aretina?
[Sary, pejy 17]
Mifantoka amin’ny fanatrehan’i Jesosy ve ireo planina omaninao ho amin’ny hoavy?