Manameloka izao tontolo izao amin’ny finoanao ve ianao?
“Finoana no nanamboaran’i Noa sambo-fiara hamonjena ny ankohonany (. . .); koa izany no nanamelohany izao tontolo izao.” — HEBREO 11:7.
1, 2. Mampianatra antsika inona moa ny fiainan’i Noa?
NOMEN’I Jehovah tombontsoa ny ho hany olombelona tafita velona tamin’ny safo-drano i Noa sy ny ankohonany, tsy nihoatra ny olona valo. Nanaisotra ny ain’ireo niara-belona tamin’i Noa rehetra izy tamin’ny fandentehana azy ireo tao anaty rano. Koa satria razambe iombonantsika i Noa, dia tokony ho tena velom-pankasitrahana azy isika noho ny finoana nasehony.
2 Afaka mianatra zavatra betsaka avy amin’ny fiainan’i Noa isika. Ambaran’ny Soratra masina amintsika hoe nahoana Andriamanitra no nanome azy famonjena nefa nandringana ny olona tamin’ny taranaka nisy azy. Aseho mazava tsara ao amin’ireo soratra avy amin’Andriamanitra ireo ihany fa hiharan’ny fitsarana mitovy amin’izany ny taranaka misy antsika. Izao no nambaran’i Jesosy mikasika izany: “Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Matio 24:21). Afaka mamelona fanantenana azo antoka ny ho tafita velona amin’ny fandringanana efa antomotra ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny isika raha manana finoana mitovy amin’ny an’i Noa. — Romana 15:4; jereo Hebreo 13:7.
3. Nahoana Jehovah no nahatonga safo-drano?
3 Nandritra ireo 1656 taona nampisaraka ny famoronana an’i Adama tamin’ny safo-drano, dia vitsy tokoa ny olona naneho fironana ho amin’ny tsara. Nidina aoka izany ny fari-pitondrantena. “Ary hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro” (Genesisy 6:5). Ny herisetra, ny fikatsahana fahafinaretana ary ny naha teo an’ireo anjely nitafy nofo nanambady vehivavy ka niteraka taranaka goavana, dia samy anton-javatra nitarika ho amin’ny fanatanterahana ny fitsaran’Andriamanitra teo amin’io tontolo tranainy io. Nilaza tamin’i Noa i Jehovah nanao hoe: “Ny faran’ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria heni-doza ny tany noho ny amin’ny olona.” Tonga teo amin’ny fetra farany ny faharetan’ny Mpamorona, ilay “Mpitsara ny tany rehetra”. — Genesisy 6:13; 18:25.
Niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Noa
4. a) Ahoana no niheveran’i Jehovah an’i Noa, ary nahoana? b) Na dia nitaky ny fandringanana ny ratsy fanahy aza ny fahamarinany, ahoana no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany an’i Noa sy ny ankohonany?
4 Tsy nitovy tanteraka tamin’ireo niara-belona taminy i Noa. “Fa Noa kosa nahita fitia teo imason’i Jehovah. (. . .) Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa”. (Genesisy 6:8, 9.) Nahoana no azo lazaina fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Noa? Satria nanao ny tsara izy: ohatra, nitory mba hiarovana ny fahamarinana izy ary nanorina tamim-pinoana sy tamim-pankatoavana ny sambo fiara. Noho izany, na dia nandrava ny tontolo fahiny izay ratsy tanteraka aza Andriamanitra, dia “namonjy an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny Safodrano tamin’ny ratsy fanahy teo amin’izao tontolo izao”. (2 Petera 2:5.) Tsia, tsy nandringana ny marina niaraka tamin’ny ratsy fanahy akory i Jehovah Andriamanitsika marina sady be fitiavana. Nandidy an’i Noa hanorina sambo fiara lehibe izy mba hitsimbinana ny ainy sy ny an’ny ankohonany ary ny an’ny biby sasantsasany mba hisian’ny mponina indray eto an-tany aorian’ny safo-drano. Izao no voalaza mikasika an’i Noa: “Dia nataon’i Noa izany.” — Genesisy 6:22.
5. Ahoana no ilazalazan’ny Soratra masina ny fahamarinana sy ny finoan’i Noa?
5 Niteny tamin’i Noa toy izao Andriamanitra rehefa vita ny sambo fiara: “Midira ao anatin’ny sambo-fiara hianao mbamin’ny ankohonanao rehetra, satria hianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’izao olona miara-belona aminao izao.” Mitantara ireo fisehoan-javatra ireo i Paoly amin’izao teny izao: “Finoana no nanamboaran’i Noa sambo-fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.” — Genesisy 7:1; Hebreo 11:7.
6. Ahoana moa no nanamelohan’i Noa tamin’ny finoany an’izao tontolo izao niainany?
6 Nanana finoana niavaka i Noa. Nino izay nolazain’Andriamanitra taminy izy: hofoanany io taranaka io. Nahatsapa tahotra mahasoa ny tsy hahazo sitraka amin’i Jehovah izy ka nankatò azy tamin’ny fanamboarana ny sambo fiara nifanaraka tamin’ny baiko izay noraisiny. Ankoatra izany, dia niresaka tamin’ny mpiara-belona taminy ny amin’ny fandravana ho tonga tsy ho ela ambonin’ny tany io mpitory ny fahamarinana io. Marina fa tsy nihaino azy izy ireo, nefa na dia izany aza, dia tsy nanaiky ‘hiditra ao anatin’ny lasitry ny rehetra’ i Noa. (Romana 12:2, Parole vivante.) Mifanohitra amin’izany fa, noho ny finoany, dia nanameloka ny tontolo ratsy i Noa ary nasehony fa mendrika ny fandringanana io tontolo io. Nasehon’ny fankatoavany sy ny asam-pahamarinana nataony fa nety ho tafita sahala aminy sy ny ankohonany ny olombelona hafa raha nivonona hanova ny fomba fiainany izy ireo. Eny, noporofoin’i Noa fa, na dia teo aza ny herin’ny nofony tsy tanteraka sy ny an’izao tontolo izao ratsy nanodidina azy ary ny an’ny Devoly, dia afaka nanana fiainana nankasitrahan’Andriamanitra ny olombelona.
Nahoana Andriamanitra no handrava ny fandehan-javatra ankehitriny?
7. Ahoana no ahafantarantsika fa miaina amin’ny andro farany isika?
7 Ny folo taona tsirairay amin’izao taonjato faha-20 izao dia nahita an’izao tontolo izao nilentika lalina kokoa ao amin’ny faharatsiana, indrindra hatramin’ny fiandohan’ny Ady Lehibe voalohany. Tsy misy toy izany ny fahalotoam-pitondrantena, ny heloka bevava, ny herisetra, ny ady, ny fieremana ary ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny ra ka manontany tena ireo tia ny rariny raha mety hiharatsy kokoa ny toe-javatra. Efa nambaran’ny Baiboly anefa ny faharatsiana fara tampony hitan’ny taranaka misy antsika, ka nanome tamin’izany porofo fanampiny fa miaina amin’ny “andro farany” isika. — 2 Timoty 3:1-5, MN; Matio 24:34.
8. Fanambarana inona no natao mikasika ny fiheverana ny amin’ny fahotana?
8 Amin’izao vanim-potoana misy antsika izao, ny ankamaroan’ny olona dia tsy mahafantatra ny hevitry ny fahotana intsony. Maherin’ny 40 taona lasa izay, dia nanao izao fanamarihana izao ny papa Pie XII: “Ny fahotan’ity taonjato ity, dia ny fahaverezan’ny hevitry ny teny hoe fahotana.” Lavin’ny taranaka ankehitriny ny fiheverana ny amin’ny fahotana sy ny fahatsiarovan-tena ho meloka. Nanoratra izao tao amin’ny bokiny hoe Inona no niafaran’ny fahotana? (angl.) i Karl Menninger: “Ilay teny hoe ‘fahotana’ mihitsy (. . .) no azo lazaina hoe nanjavona - ilay teny sy ny heviny. Inona no antony? Moa ve satria tsy misy olona manota intsony?” Maro no nanary ny fahaizany manavaka ny tsara sy ny ratsy. Tsy mahagaga antsika anefa izany satria efa nambaran’i Jesosy io toe-javatra io rehefa nanome ‘ny famantarana ny amin’ny fanatrehany’ izay tokony hanamarika ny “andro farany” izy. — Matio 24:3, MN; Daniela 12:4.
Ny fampiharana ny didim-pitsarana tamin’ny andron’i Noa: modely iray
9. Fampitahana inona no nataon’i Jesosy mikasika ny andron’i Noa sy izay tokony hitranga mandritra ny Fanatrehany?
9 Nampifanandrifin’i Jesosy tamin’ireo fisehoan-javatra tamin’ny andron’i Noa izay tokony hitranga nanomboka tamin’ny 1914, mandritra ny Fanatrehany ao amin’ny herin’ny fanjakany. Hoy izy: “Fa tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona [Jesosy]. Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.” — Matio 24:37-39.
10. Ahoana no anehoan’ny ankamaroan’ny olona ny tsy fahafantarany ireo fisehoan-javatra misy heviny mifamatotra amin’ny fanatrehan’i Kristy?
10 Marina tokoa fa, toy ny tamin’ny andron’i Noa, amin’izao vanim-potoana misy antsika izao ny olona dia tsy mahafantatra na inona na inona. Variana amin’ny asany andavanandro sy amin’ireo zava-kendreny feno fitiavan-tena izy ireo ka mandà tsy hiaiky fa hafa tanteraka amin’izay nisy fahiny ny toe-javatra ankehitriny ary mifanitsy marina amin’izay tokony hanamarika ny andro farany, araka ny filazan’i Jesosy. Hatramin’ny taona maro ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampahafantatra ny taranaka ankehitriny fa ny fanatrehan’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka mesianika any an-danitra dia nanomboka tamin’ny 1914, ary izany dia mifanindry amin’ny ‘fifaranan’ny fandehan-javatra’. (Matio 24:3, MN.) Tsy miraharaha ny hafatr’ilay Fanjakana ny ankamaroan’ny olona, nefa, na dia izany fihetsika izany aza dia efa voambara. Nanoratra toy izao tokoa ny apostoly Petera: “Fa fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza.” — 2 Petera 3:3, 4.
11. Nahoana moa no tsy hanana fialan-tsiny mihitsy ny taranaka ankehitriny rehefa hipoaka ny fahoriana lehibe?
11 Tsy hanana fialan-tsiny anefa ireo anisan’ny taranaka ankehitriny rehefa ho tonga ny fahoriana lehibe. Inona no antony? Satria fitantarana maro ao amin’ny Baiboly no milaza ny fampiharana didim-pitsaran’Andriamanitra fahiny ka mahaforona modely ny amin’izay hataon’Andriamanitra amin’izao vanim-potoana diavintsika izao (Joda 5-7). Ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly izay tanteraka eo ambany masony dia manamarina hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fandehan’ny fotoana. Tsy azon’ny taranaka ankehitriny odian-tsy hita ny asa fitoriana tanterahin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny tsy fivadihana tanany amin’ny toe-javatra rehetra, sahala amin’i Noa.
12. Raha fintinina, fampitahana inona no nataon’i Petera mikasika ny fandringanana an’izao tontolo izao tamin’ny andron’i Noa sy ilay hihatra amin’izao “lanitra sy tany ankehitriny izao”?
12 Manazava ny hanjo an’izay tsy miraharaha ireo fisehoan-javatra ireo i Petera. Toa an’i Jesosy, dia nampahatsiaro izay nitranga tamin’ny andron’i Noa ilay apostoly. Izao no nosoratany: “Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin’ny tenin’Andriamanitra, ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ny nanasaforany azy; fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.” — 2 Petera 3:5-7.
13. Noho ny fisehoan-javatra lehibe ho avy, torohevitr’i Petera inona no tokony harahina?
13 Koa satria azo antoka sady antomotra ny fampiharana io didim-pitsaran’Andriamanitra io, dia aoka isika tsy hanaiky ho voafitaka na hampitahorin’ireo mpaniratsira. Tsy misy manery antsika hitovy anjara aminy. Manome izao torohevitra izao i Petera: “Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra! Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao izay itoeran’ny fahamarinana.” — 2 Petera 3:11-13.
Mba hahatafita velona, dia aoka hotahafintsika ny finoan’i Noa
14. Fanontaniana inona avy no mety hanampy antsika handini-tena?
14 Amin’izao androntsika izao, dia tsy maintsy miatrika fihaikana mitovy amin’ny an’i Noa sy ny ankohonany isika mba hananana sy hihazonana fanantenana ny ho tafita velona. Toa an’i Noa, dia manameloka izao tontolo izao amin’ny finoany hamafisin’ny asa tsara ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety hanontany tena toy izao anefa ny tsirairay amintsika: ‘Manao ahoana ny toerako manokana? Raha hipoaka rahampitso ny fahoriana lehibe, hihevitra ahy ho mendrika ny ho tafita velona ve Andriamanitra? Sahala amin’i Noa izay “tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy”, moa ve aho manana herim-po hiavaka amin’izao tontolo izao? Sa kosa sarotra indraindray ny manavaka ahy amin’olona eo amin’izao tontolo izao noho ny fihetsiko sy ny fomba fiteniko na fitafiko?’ (Genesisy 6:9). Nilaza izao momba ny mpianany i Jesosy: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” — Jaona 17:16; jereo 1 Jaona 4:4-6.
15. a) Araka ny 1 Petera 4:3, 4, ahoana no tokony hiheverantsika ny toe-tsaina sy ny fitondrantena mampiavaka an’izao tontolo izao izay nananantsika taloha? b) Inona no tokony hataontsika raha manaratsy antsika ireo sakaizantsika taloha teo amin’izao tontolo izao?
15 Nanome izao torohevitra izao i Petera: “Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa tamin’ny nandehanana tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; ary amin’izany dia gaga izy ireo satria tsy miara-mihazakazaka aminy hianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy.” (1 Petera 4:3, 4). Angamba manaratsy anao ireo sakaizanao fahiny teo amin’izao tontolo izao satria miara-mandeha amin’Andriamanitra ianao ary tsy miara-mihazakazaka amin’izy ireny amin’ny ratsy intsony. Nefa, sahala amin’i Noa, dia afaka manameloka azy ireo ianao amin’ny finoanao sy ny asa tsara atao amim-panetren-tena. — Mika 6:8.
16. Ahoana no niheveran’Andriamanitra an’i Noa, ary fanontaniana inona avy no afaka manampy antsika hamakafaka ny eritreritsika sy ny fitondrantenantsika?
16 Nihevitra an’i Noa ho marina Andriamanitra. “Nahita fitia teo imason’i Jehovah” io patriarka nahatoky io. (Genesisy 6:8.) Rehefa mamakafaka ny eritreritrao sy ny fitondrantenanao amin’ny fahazavan’ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ianao, moa ve ianao mahatsapa fa ankasitrahany izay ataonao? Eritrereto, ohatra, ny toerana falehanao. Moa ve ianao mikasika indraindray ireo fialam-boly mampietry izay miely fatratra amin’izao fotoana izao? Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa izay madio sy mahasoa ary mampandroso no tokony hitana ny saintsika (Filipiana 4:8). Mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra ve ianao mba ‘hananana saina zatra miasa tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy’? (Hebreo 5:14.) Moa ve ianao manary ny naman-dratsy ary tia lalina ny mifanerasera amin’ny mpanompon’i Jehovah hafa amin’ny fivoriana kristiana sy amin’ny fotoana hafa? — 1 Korintiana 15:33; Hebreo 10:24, 25; Jakoba 4:4.
17. Isika izay Vavolombelon’i Jehovah, ahoana no hahafahantsika manahaka an’i Noa?
17 Rehefa avy niresaka ny amin’ny fanorenana ny sambo fiara ny Soratra masina, dia milaza hoe: “Dia nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.” (Genesisy 6:22). Niseho ho vavolombelon’i Jehovah be zotom-po koa io lehilahy tia fivavahana io tamin’ny fiasana mafy amin’ny fitoriana. Sahala amin’i Noa, dia afaka ny ho mpiaro tsy azo hozongozonina izay mahitsy ianao amin’ny fahatongavana ho mpitory ny fahamarinana tsy tapatapaka. Na dia vitsy aza no mihaino, dia ampiomany amim-paharetana hatrany ny amin’ny faran’izao tontolo izao ratsy ny mpiara-belona aminao. Miaraha miasa amim-piraisan-kina amin’ireo namanao kristiana mba ho vita alohan’ny farany ny asa fanaovana mpianatra. — Matio 28:19, 20.
18. Mifototra amin’inona moa no amaritan’i Jehovah amin’izao fotoana izao izay ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe?
18 Mifototra amin’ireo fitsipika marina izay nasainy nohajaina tamin’ny andron’i Noa, dia faritan’Andriamanitra amin’izao fotoana izao izay tokony ho tafita velona sy izay tokony ho faty mandritra ny fahoriana lehibe. Noharin’i Jesosy tamin’izay nataon’ny mpiandry ondry iray manavaka ny ondry amin’ny osy ny asa fanavahana izay atao amin’izao fotoana izao (Matio 25:31-46). Tsy maniry ny hanjavonan’izao tontolo izao ankehitriny ireo izay mampifantoka ny fiainany amin’ny faniriana sy zava-kendrena feno fitiavan-tena. Tsy ho tafita velona izy ireo. Mifanohitra amin’izany fa ireo izay mitandrin-tena amin’ny fahalotoan’izao tontolo izao sy mihazona finoana matanjaka ka mitory hatrany ny hafatr’ilay Fanjakana sady manambara amin’ny mpiara-belona aminy ny fahakekezan’ny fitsaran’i Jehovah dia hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ka ho tafita velona. Nilaza i Jesosy hoe: “Ary amin’izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.” — Matio 24:40, 41; 2 Tesaloniana 1:6-9; Apokalypsy 22:12-15.
Mandovà soa maro be eo anilan’i Noa
19. Famoriana inona no nambaran’i Isaia sy i Mika ho an’ny andro farany?
19 Ao amin’ny faminaniana mifanitsy sy teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra no samy nilazalazan’i Isaia sy Mika ny amin’izay hitranga mandritra ny andro farany. Nanambara izay hitantsika tanteraka ankehitriny izy: vahoaka manana fahitsiana lalina izay mivoaka avy ao amin’ny tontolo iray madiva ho faty ary miakatra any amin’ny tendrombohitra ara-panoharan’ny fanompoam-pivavahana marina. Mandefa izao fanasana izao izy ireo: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.” (Isaia 2:2, 3; Mika 4:1, 2). Moa ve ianao miara-mandeha amin’io vahoaka falifaly io?
20. Soa inona no horaisin’ireo izay manameloka izao tontolo izao amin’ny finoany?
20 Nanonona ny soa horaisin’ireo izay manameloka izao tontolo izao amin’ny finoany koa ry Isaia sy Mika. Hanjaka eo aminy ny tena fiadanana sy ny rariny, ary tsy hianatra ady intsony izy ireo. Hanana fanantenana azo antoka ny handray lova avy amin’i Jehovah izy ireo ary “samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny”. Tokony hanao fanapahan-kevitra hentitra anefa ny olona tsirairay, satria misokatra eo anoloany ny lalana roa araka ny anehoan’i Mika azy amin’izao teny izao: “Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy; fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” — Mika 4:3-5; Isaia 2:4.
21. Ahoana no hahafahanao handray anjara amin’ny fitahiana mahatalanjona, dia ny fiainana mandrakizay eto an-tany?
21 Asehon’ny Soratra masina mazava tsara fa ilaina ny finoana matanjaka mba hahatafita velona amin’ny fahoriana lehibe. Nanana finoana toy izany i Noa. Mba toy izany koa ve ny aminao? Raha eny, dia ho tonga, sahala aminy, “mpandova ny fahamarinana araka ny finoana” koa ianao. (Hebreo 11:7.) Tafita velona tamin’ny fandringanan’Andriamanitra ny taranaka nisy azy i Noa. Tsy vitan’ny hoe mbola niaina 350 taona taorian’ny safo-drano fotsiny izy fa tsy maintsy hatsangana amin’ny maty koa izy amin’ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Fitahiana mahatalanjona re izany (Hebreo 11:13-16)! Ianao koa dia afaka ny hanana anjara amin’io fitahiana io eo anilan’i Noa sy ny ankohonany ary olona an-tapitrisany maro hafa tia ny rariny. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny faharetana hatramin’ny farany sy amin’ny fanamelohana izao tontolo izao amin’ny finoanao.
Tadidinao ve?
◻Nahoana no zava-dehibe ho an’ny kristiana ny andinihana akaiky ny fiainan’i Noa
◻Inona moa no tsy fantatr’ireo mpiara-belona amintsika ka hahatonga azy ireo ho ringana?
◻Sahala amin’i Noa, ahoana no hahafahantsika manameloka izao tontolo izao?
◻Ahoana no hahafahantsika ho tonga mpitory ny fahamarinana toa an’i Noa?