-
Fanontaniana Efatra Momba ny FaranyNy Tilikambo Fiambenana—2010 | 1 Aogositra
-
-
Mandraisa lesona avy amin’izay nitranga fahiny. Hoy i Petera: ‘Tsy niahotra Andriamanitra nanasazy an’ilay tontolo fahiny, fa niaro kosa an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito hafa, fony izy nahatonga safodrano teo amin’ny tontolon’ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra.’ (2 Petera 2:5) Hoy koa izy momba ireo tsy nino: “Minia tsy mahalala izy ireo fa efa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany nifatratra tsara nipoitra avy tao anaty rano sady teo afovoan’ny rano, noho ny tenin’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ireo no nandravana ilay tontolo tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano. Tehirizina ho amin’ny afo amin’ny alalan’izany teny izany koa anefa ny lanitra sy ny tanyb ankehitriny, ka atokana ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.”—2 Petera 3:5-7.
-
-
Fanontaniana Efatra Momba ny FaranyNy Tilikambo Fiambenana—2010 | 1 Aogositra
-
-
b Tsy tany ara-bakiteny no tian’i Petera holazaina eo. Tsy niresaka tany ara-bakiteny koa i Mosesy, rehefa nilaza hoe: ‘Mbola nampiasa fiteny iray ny tany manontolo.’ (Genesisy 11:1) Tsy ity planeta ity mantsy no mampiasa “fiteny iray”, ka noho izany tsy izy ity no ho potika na ho ringana. Ireo tsy matahotra an’Andriamanitra kosa no horinganina, hoy i Petera.
-