Miandrasa Amim-paharetana
ILAY mpiandry ondry izay namerimberina niantsoantso hoe “Amboadia e!”, nefa tsy nisy amboadia akory, dia nahita fa nitohy tsy nisy nanoina ny antso vonjy nanaraka nataony. Mitovy amin’izany koa ankehitriny, maro ny olona no tsy maneho fiheverana ny fahantomoran’ny andron’i Jehovah, noho izy ireo efa nahare fampitandremana tsy hita isa izay voaporofo fa fanairana sandoka. Manararaotra ireo olona maro be izay tsy mahay manavaka hoe inona no fampitandremana marina tokony harahina, i Satana, ilay fahavalo lehiben’Andriamanitra, izay miseho ho “anjelin’ny mazava”. — 2 Korintiana 11:14.
Mety hampidi-doza ny tsy firaharahana na dia ho an’ireo efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny fotoana elaela aza. Nahoana? Diniho ny fampitandremana nomen’ny apostoly Petera tamin’ny taonjato voalohany.
Misaina mazava
Ny taratasy faharoa ara-tsindrimandry nosoratan’i Petera dia fampahatsiahivana ho an’ireo Kristiana tany am-boalohany, ary toy izany koa izy io ho antsika. “Ry malala”, hoy no nosoratany, “itỳ izao no taratasy faharoa soratako ho anareo, ka toy ny tao amin’ilay ahy voalohany, dia manaitra ny fahaizanareo misaina mazava amin’ny alalan’ny fampahatsiahivana aho”. (2 Petera 3:1, NW ). Inona no nahatonga an’i Petera hanana an’izany fanahiana izany? Nasongadin’i Petera ny fisian’ireo mpaniratsira izay, noho ny faniratsirany, dia manamaivana ny ilana fahatsapana fahadodonana mahakasika ny fotoana iainan’ireo mpanompon’Andriamanitra. Izao no fotoana tokony hitandreman-tena mba tsy ho voafitak’ireo mpaniratsira. I Petera, araka izany, dia nampirisika mafy an’ireo mpamaky azy mba ‘hahatsiaro ny teny voalazan’ny mpaminany masina rahateo’. (2 Petera 3:2; Asan’ny Apostoly 3:22, 23). Inona no nolazain’ireo mpaminany?
Imbetsaka ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky no nanintona ny saina ho amin’ny fomba namaranan’ireo didim-pitsaran’Andriamanitra ny faharatsiana. Nampahatsiahivin’i Petera an’ireo mpamaky azy ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, izay fomba nampiasain’Andriamanitra mba hisalovanana, fony feno faharatsiana ny tany. Tena namarana ny tontolo tamin’izany fotoana izany tokoa ny Safo-drano iray nandriaka. Kanefa, Andriamanitra dia niaro an’i Noa sy ny fianakaviany tao anatin’ny sambo fiara iray, niaraka tamin’ny santionan’ny zavamananaina, “dia ny nofo rehetra”. Ireo angano maneran-tany dia manaporofo ny fahamarinan’ilay fitantarana ara-baiboly.a — Genesisy 6:19; 2 Petera 3:5, 6.
I Petera dia niantso an’io fisalovanan’Andriamanitra io ho ‘zava-nisy tsy noheverin’ny olona’ sasany. Tetsy an-danin’izany, ny hafa dia norotsirotsin’ireo mpaniratsira tamin’izany andro izany tao anatin’ny tsy firaharahana. Isika kosa anefa dia tsy tokony hanadino na oviana na oviana izay efa nataon’i Jehovah. Milaza amintsika toy izao i Petera: “Fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.” (2 Petera 3:7). Eny, mbola hisy fisalovanan’Andriamanitra indray.
Tsy ela loatra akory Andriamanitra
An’arivony taona maro izay no efa lasa. Nahoana Andriamanitra no niandry ela be toy izao mba handaminana ny zava-manahirana ny olombelona? Mampifantoka ny saina ho amin’ny zava-misy hafa iray indray i Petera. Hoy izy: “Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.” (2 Petera 3:8). Tsy mitovy amin’ny antsika ny fahitan’i Jehovah ny fotoana. Ho an’ilay Andriamanitra mandrakizay, ny fe-potoana nanomboka tamin’ny namoronana an’i Adama ka hatramin’ny ankehitriny dia tsy misy herinandro akory. Kanefa, na manao ahoana na manao ahoana ny fahitantsika ny fotoana, ny arivo taona tsirairay sy ny andro tsirairay mandalo dia mampanakaiky antsika hatrany ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah.
Ny fiandrasana fotsiny fitrangan-javatra iray dia toa mampanalavitra ny fahatongavany. Kanefa, i Petera dia manoro hevitra mba ‘hiandry sy hitadidy tsara ao an-tsaina ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah’. (2 Petera 3:12, NW ). Ahoana no hahafahantsika hamboly toe-tsaina izay hihazona antsika ho mailo raha ny amin’ny fahantomoran’ny fotoana hisalovanan’Andriamanitra?
Misy lanjany kokoa ny asa noho ny teny
Mampifantoka ny saina ho amin’ny asa sy ny fitondran-tena i Petera. Manisy firesahana ny amin’ny “fitondran-tena masina” izy ary koa ny amin’ny “asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra”. (2 Petera 3:11, NW ). Inona no tafiditra amin’izany?
Ny tena mpanompon’Andriamanitra dia mitondra tena amin’ny fomba izay mampifaly azy. Hita taratra amin’ny fitondran-tenany ny finoan’izany mpivavaka marina izany. Izany dia mampiavaka azy amin’ireo izay miresaka fotsiny ny amin’ny finoana an’Andriamanitra sy ny fampanantenany. Angamba ianao nahamarika fa mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanompoana ampahibemaso ataony. Mitsidika any an-tranonao izy ireo mba hanintonana ny saina ho amin’ireo fampanantenan’Andriamanitra voasoritra ao amin’ny Baiboly. Afa-tsy izany koa anefa, dia ambarany ny fanantenany sy ny zavatra inoany na aiza na aiza izy ireo no mihaona amin’ny olona.
Ny Vavolombelona iray izay mihazona ny tenany ho be atao amin’ny fanambarana amin’ny hafa ny finoany dia hanamafy sy hanatanjaka ireo zavatra inoany. Misy vokany lalina ao amin’ny tena ny teny lazaina, no sady mitondra fifaliana anaty sy fahafaham-po. Rehefa manambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra isika dia mampifaly an’i Jehovah koa. Fantatsika fa izy dia ‘tsy mba tsy marina hanadino ny asantsika sy ny fitiavana izay nasehontsika ho voninahitry ny anarany’, araka ny nambaran’i Paoly, apostoly tahaka an’i Petera. — Hebreo 6:10; Romana 10:9, 10.
Inona no vokatr’izany fiahiana ny amin’ny fampielezana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izany mandritra ny andro farany ho an’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ? Olona tso-po ana hetsiny maro no mianatra ny fomba hananana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah sy handraisana soa avy amin’ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory ary hahitana fahasambarana marina amin’ny fanantenana fiainana mandrakizay eo amin’ny tany paradisa.
Fahalalana mialoha
Na dia fantatsika avy amin’ny Baiboly aza fa hisalovana amin’ny fotoana mety aminy i Jehovah Andriamanitra, dia mila manaraka ilay fampitandremana fanampiny nomen’i Petera isika. “[Ianareo manana izany fahalalana mialoha izany, NW ], (...) dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo”. — 2 Petera 3:17.
Azo antoka fa fantatr’i Jehovah mialoha fa ireo izay tsy manana finoana matanjaka dia mety hanjary ho kivy noho ny toa fahelan’ny fisalovanan’Andriamanitra. Afa-tsy izany koa, dia fantany fa mety hanimba ireo tena mpanompony ny fitaoman’ireo olona tsy tia an’Andriamanitra na, fara faharatsiny, hampihena ny finoan’izy ireo fa akaiky ny fotoana hanamasinana ny anaran’Andriamanitra. Hampalahelo toy inona moa ny ho latsaka ao amin’ny tsy fahatokiana amin’izao andro farany izao!
Tsy izao no fotoana hananana fisalasalana ny amin’izay hataon’i Jehovah. (Hebreo 12:1). Izao kosa no fotoana hampitomboana fankasitrahana ny amin’izay nentin’ny faharetan’i Jehovah — ny fanantenana famonjena ho an’ny olona an-tapitrisany maro izay tonga anisan’ny olona betsaka iraisam-pirenena ary miandrandra ny ho tafita velona amin’ilay fahoriana lehibe ho avy. (Apokalypsy 7:9, 14). Nampirisika toy izao i Petera: “Mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay.” — 2 Petera 3:18.
“Tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra”
Manolotra fiarovana ho antsika ny fananana zavatra betsaka atao eo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana sy amin’ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana kristiana natao hanolorana fanompoam-pivavahana sy hianarana ny Tenin’Andriamanitra. Amin’izany isika dia tsy hanana fotoana hanahiana tafahoatra ny amin’ny fikororosian’ny toe-piainana eo amin’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Tsy tokony hanapaka eo amin’ny fiainan’ny Kristiana marina ny tahotra sy ny fanahiana. (1 Korintiana 15:58). Arakaraka ny maha-be atao antsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah no mampandeha haingana kokoa ny fotoana.
I Joda, izay mpiara-belona tamin’i Petera sy rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, dia nampirisika antsika toy izao: “Hianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindrampon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.” (Joda 20, 21). Mariho ny maha-zava-dehibe ny hananana fihetsika manorina izay ampitomboin’ny faharetana amin’ny vavaka. (1 Tesaloniana 5:17). Avy eo i Joda dia nanampy hoe: “Amindrao fo ny sasany izay miahanahana; ary ny sasany kosa sariho avy amin’ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin’ny nofo aza.” (Joda 22, 23). Iankinan’ny aina toy inona moa ny hifampahatanjahana mandritra izao fotoan-tsarotra izao! Ary zava-dehibe toy inona moa ny tsy ho latsaka ao amin’ny fakam-panahy, ka hampiasa ny faharetan’izao “andro famonjena” izao ho toy ny fialan-tsiny ho amin’ny “fitondran-tena tsy voafehy”, izay manjaka aoka izany eo amin’izao tontolo izao ankehitriny simba ara-pitondran-tena. — Joda 4, NW; 2 Korintiana 6:1, 2.
Amin’ny fanarahana ny torohevitra feno fitiavana nomen’i Petera sy i Paoly ary i Joda, ary amin’ny fanaovana izay haha-be hatao ny tena, sy amin’ny faharisihana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, dia ho afaka ny hiandry amim-paharetana ny fisalovanan’i Jehovah ianao. Kanefa hanao izany ve ianao?
Aza misalasala mifandray amin’ireo Vavolombelona ao amin’ny toerana misy anao mba hanampiany anao hanatanjaka ny finoanao ny fampanantenana fiainana mandrakizay nomen’ny Mpamorona. Ianaro izay takina mba hahafenoana fepetra handraisana anjara amin’io asa fanambarana maneran-tany tsy hiverina intsony mihitsy io, izay hifarana amin’ny fahoriana lehibe mihamanatona. (Marka 13:10). Amin’izay ianao dia hanana fanantenana ny hiaina ao amin’ny tontolo vaovao hitoeran’ny fahamarinana nampanantenain’i Jehovah. (2 Petera 3:13). Araho ireo fampahatsiahivany! Miandrasa amim-paharetana! Manàna zavatra be atao!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo, aza fady, ilay boky hoe Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, pejy faha-116, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 7]
Dieny izao dia ianaro ny fampanantenan’Andriamanitra Paradisa
[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]
Amboadia: Animals/Jim Harter/Dover Publications, Inc.; mpiandry ondry tanora: Children: A Pictorial Archive from Nineteenth-Century Sources/Grafton/Dover Publications, Inc.