LAHATSORATRA FIANARANA 27
Miareta Foana Hoatran’i Jehovah
“Raha miaritra ianareo dia ho voavonjinareo ny ainareo.”—LIOKA 21:19.
HIRA 114 Miezaha Hanam-paharetana
HO HITANAO ATOa
1-2. Nahoana no manampy antsika mba tsy ho kivy ny tenin’i Jehovah ao amin’ny Isaia 65:16, 17?
TENA nampientanentana ny foto-kevitry ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2017 hoe “Aza Kivy!” Nohazavaina tamin’izay hoe inona no azontsika atao mba hahavitantsika hiaritra ny olana mianjady amintsika. Efa-taona izay no lasa, nefa mbola miaritra olana eto amin’ity tontolo ity foana isika hatramin’izao.
2 Inona no tsy maintsy niaretanao tato ho ato? Nisy fianakavianao na namanao maty ve? Sa ianao marary mafy ka atahorana ho faty? Mafy ve ny mahazo anao noho ianao mihantitra? Sa ianao mijaly satria nisy rivo-doza na loza hafa hoatr’izany tany aminareo? Niharan’ny herisetra ve ianao, na nenjehina? Sa nisy vokany taminao ny olana samihafa naterak’ilay valanaretina COVID-19 na aretina mahery vaika hafa? Tsy andrintsika izay hahafoana an’ireny olana rehetra ireny. Ho afaka tanteraka ao an-tsaintsika izy ireny amin’ny hoavy, sady tsy hitranga intsony.—Vakio ny Isaia 65:16, 17.
3. Inona no tsy maintsy ataontsika amin’izao fotoana izao, ary nahoana?
3 Sarotra ny fiainana eto amin’ity tontolo ity, ary mety mbola hiatrika olana mafy kokoa aza isika amin’ny hoavy. (Mat. 24:21) Mila miezaka foana àry isika mba hahay hiaritra kokoa. Fa maninona? Satria izao no nolazain’i Jesosy: “Raha miaritra ianareo dia ho voavonjinareo ny ainareo.” (Lioka 21:19) Miatrika olana mitovy amin’ny antsika koa ny hafa, dia tsara raha mieritreritra ny fomba iatrehan’izy ireo an’izany isika. Hanampy antsika hahavita hiaritra kokoa izany.
4. Nahoana isika no milaza fa i Jehovah no modely tsara indrindra amin’ny fiaretana?
4 Iza no modely tsara indrindra amin’ny fiaretana? I Jehovah Andriamanitra. Gaga amin’izany angamba ianao. Eritrereto anefa izao: Eo ambany fahefan’ny Devoly ity tontolo ity, ka be dia be ny olana. Manana hery hanafoanana an’izany rehetra izany ao anatin’ny indray mipy maso i Jehovah. Mbola miandry anefa izy, satria efa misy fotoana voatondrony hanaovana an’izany. (Rom. 9:22) Miaritra foana ilay Andriamanitsika mandra-pahatongan’izay. Handinika zavatra sivy iaretany isika izao.
INONA AVY NO IARETAN’I JEHOVAH?
5. Nahoana no afa-baraka ny anaran’Andriamanitra? Ary ahoana ny fihetseham-ponao amin’izany?
5 Misy manala baraka ny anarany. Tian’i Jehovah ny anarany, ary tiany hanaja azy io ny rehetra. (Isaia 42:8) Nalana baraka anefa io anarany io, ary efa 6 000 taona teo ho eo no naharetan’izany. (Sal. 74:10, 18, 23) Tany amin’ny zaridainan’i Edena izany no nanomboka, rehefa nanendrikendrika an’Andriamanitra ny Devoly. Nilaza izy hoe nisy zavatra tokony hahasambatra an’i Adama sy Eva, nefa tsy nomen’Andriamanitra azy ireo. (Gen. 3:1-5) Nanomboka tamin’izay, dia nendrikendrehiny i Jehovah hoe tsy manome an’izay tena ilain’ny olona. Tena nalahelo i Jesosy nahita hoe nalana baraka ny anaran’ny Rainy. Izay no nahatonga azy hampianatra ny mpianany hivavaka hoe: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!”—Mat. 6:9.
6. Fa maninona i Jehovah no miandry ela be mba hanaporofoana hoe izy no manan-jo hitondra?
6 Misy manohitra ny zony hitondra. I Jehovah irery no manan-jo hitondra ny lanitra sy ny tany, ary ny fomba fitondrany no tsara indrindra. (Apok. 4:11) Niezaka namitaka ny anjely sy ny olombelona anefa ny Devoly, mba hahatonga an-dry zareo hieritreritra hoe tsy manana an’izany zo izany Andriamanitra. Mila fotoana vao ho voaporofo fa i Jehovah no manana zo hitondra. Hendry izy ka nomeny fotoana ampy tsara ny olombelona, mba hahitan-dry zareo hoe mila ny Mpamorona ry zareo fa tsy afaka mitondra samirery ny fiainany. (Jer. 10:23) Noho i Jehovah manam-paharetana, dia ho voalamina indray mandeha tsy miverina izany olana izany. Ho voaporofo hoe ny fitondran’i Jehovah no tsara indrindra, ary ny Fanjakany ihany no hitondra ny tena fiadanana sy fandriampahalemana eto an-tany.
7. Iza no nikomy tamin’i Jehovah, ary hataony ahoana ry zareo?
7 Nikomy ny zanany sasany. Namorona anjely sy olombelona Andriamanitra, ary nataony lavorary ireo zanany ireo. Nikomy taminy anefa ny anjely iray antsoina hoe Satana (izany hoe “Mpanohitra”), ary nitarika an’i Adama sy Eva mba hanao hoatr’izany koa. Nisy anjely sy olombelona hafa koa nikomy niaraka tamin-dry zareo. (Joda 6) Na ny olona sasany anisan’ny firenen’Israely aza nivadika tamin’i Jehovah sy nanompo andriamani-kafa. Ry zareo anefa vahoaka nofidiny. (Isaia 63:8, 10) Rariny raha nahatsiaro ho voafitaka i Jehovah! Niaritra anefa izy ary mbola hiaritra foana, mandra-pahatongan’ny fotoana handringanany ny mpikomy rehetra. Ho faly erỳ amin’izay ny mpanompony tsy mivadika, izay niaritra ny faharatsiana teto amin’ity tontolo ity niaraka taminy.
8-9. Inona no lainga miely momba an’i Jehovah, ary inona no azontsika atao amin’izany?
8 Mandainga momba azy ny Devoly. Nanendrikendrika an’i Joba sy ny mpanompon’i Jehovah hafa tsy mivadika rehetra i Satana Devoly. Nolazainy hoe fitiavan-tena fotsiny no antony anompoan-dry zareo an’i Jehovah. (Joba 1:8-11; 2:3-5) Mbola manendrikendrika ny olombelona foana izy hatramin’izao. (Apok. 12:10) Inona no azontsika atao mba hanaporofoana hoe diso ny laingany? Mila miaritra isika rehefa manana olana, ary tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy satria tia azy. Hamaly soa antsika i Jehovah amin’izay, hoatran’ny nataony tamin’i Joba.—Jak. 5:11.
9 Mampiasa ny mpitondra fivavahana i Satana mba hanelezana lainga hoe ratsy fanahy i Jehovah, ary izy no mahatonga ny olona hijaly. Misy aza milaza fa rehefa misy ankizikely maty, dia Andriamanitra no naka azy satria tsy ampy, hono, ny anjely any an-danitra. Tena fanevatevana an’Andriamanitra izany! Fantatsika tsara anefa hoe tsy hoatr’izany izy. Tsy manome tsiny an’ilay Andriamanitsika mihitsy isika, rehefa marary mafy na rehefa misy havantsika maty. Matoky kosa isika fa hanafoana ny aretina sy hanangana ny maty izy amin’ny hoavy. Lazaintsika amin’izay rehetra vonona hihaino hoe Andriamanitra be fitiavana i Jehovah. Ho vitany tsara amin’izay ny hamaly an’ilay manaratsy azy.—Ohab. 27:11.
10. Inona no ianaranao momba an’i Jehovah, ao amin’ny Salamo 22:23, 24?
10 Mijaly ny mpanompony tsy foiny. Andriamanitra mangoraka i Jehovah. Tena malahelo izy rehefa maheno antsika mitaraina noho ny fijaliana iaretantsika, ohatra hoe rehefa enjehina, na marary, na kivy satria tsy lavorary. (Vakio ny Salamo 22:23, 24.) Tsapan’i Jehovah tsara ny fahoriantsika. Tiany hofoanana ireny, ary tena hanao an’izany izy. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 3:7, 8; Isaia 63:9.) ‘Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika’ indray andro any, “ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”—Apok. 21:4.
11. Fa maninona i Jehovah no malahelo ny mpanompony tsy mivadika efa maty?
11 Maty ny namany ka tafasaraka amin-dry zareo izy. Tsy andrin’i Jehovah ny hahita an’ireo lehilahy sy vehivavy tsy mivadika efa maty. (Joba 14:15) Eritrereto ange ny alahelony an’i Abrahama namany e, na i Mosesy, ilay “niresaka nifanatrika” taminy! (Eks. 33:11; Jak. 2:23) Azo antoka koa hoe tsy andriny ny hihaino ny hira fiderana tsara be hataon’i Davida sy ny mpanao salamo hafa. (Sal. 104:33) Tsy manadino an’ireny namany ireny i Jehovah, na dia tsy eo intsony aza ry zareo. (Isaia 49:15) Tadidiny tsara ny tsipiriany rehetra amin’ny toetran’izy ireo. Hoatran’ny hoe mbola “velona daholo” izy ireo aminy. (Lioka 20:38) Hovelominy indray ry zareo indray andro any, dia hihaino ny vavaka vokatry ny fo hataon-dry zareo izy sady hanaiky ny fanompoany. Enga anie mba hampahery sy hampionona anao ireo hevitra ireo, raha nisy havanao na namanao maty.
12. Inona no tena mampahory an’i Jehovah amin’izao andro farany izao?
12 Mampijaly ny hafa ny ratsy fanahy. Rehefa nitranga ilay fikomiana tany Edena, dia fantatr’i Jehovah hoe tsy maintsy hiharatsy aloha ny fiainana vao hihatsara. Halan’i Jehovah ny faharatsiana sy ny tsy rariny, ary ny herisetra misy amin’izao fotoana izao. Tena mangoraka ny olona tsy misy mpiahy foana izy hatramin’izay, anisan’izany ny kamboty sy ny maty vady. (Zak. 7:9, 10) Tena mampahory an’i Jehovah koa rehefa ny mpanompony tsy mivadika no ampijalina na gadraina. Matokia fa tiany daholo ianareo rehetra izay miara-miaritra aminy.
13. Inona no zavatra faran’izay ratsy hitan’i Jehovah ataon’ny olona, ary havelany amin’izao ve izany?
13 Vao mainka ratsy fitondran-tena ny olona. Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona, izany hoe mba hanahaka azy. Tian’i Satana hanao ratsy anefa ny olona. Rehefa “hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona teto an-tany” tamin’ny andron’i Noa, ‘dia nanenina izy noho ny nanaovany ny olona ambonin’ny tany, ka nalahelo ny fony.’ (Gen. 6:5, 6, 11) Niova ve ny olombelona taorian’izay? Vao mainka aza niharatsy! Tsy maintsy hoe faly be izao ny Devoly mahita hoe be dia be ny olona lasa ratsy fitondran-tena, ary isan-karazany mihitsy ny zava-dratsy ataon’izy ireo. Misy, ohatra, lehilahy sy vehivavy manao firaisana mamoafady. Misy koa lehilahy miray amin’ny lehilahy, na vehivavy miray amin’ny vehivavy. (Efes. 4:18, 19) Vao mainka faly i Satana rehefa ny mpanompon’i Jehovah no voataonany hanota. Rehefa mifarana ny faharetan’i Jehovah, dia hasehony hoe tena halany ireny fitondran-tena ratsy ireny. Horinganiny daholo mantsy ny olona ratsy fitondran-tena nefa tsy manaiky hiova.
14. Ataon’ny olona ahoana ny tany sy ny zavaboary?
14 Simba ny tany sy ny zavaboary eo aminy. ‘Manjakazaka amin’ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy.’ (Mpito. 8:9) Tsy vitan’izany fa tsy mikarakara ny tany sy ny biby nankinin’i Jehovah taminy koa ry zareo. (Gen. 1:28) Nampitandrina ny manam-pahaizana sasany fa noho ny ataon’ny olombelona, dia biby sy zavamaniry maherin’ny iray tapitrisa no atahorana ho lany tamingana ato anatin’ny taona vitsivitsy ho avy. Tsy mahagaga raha mampanahy ny olona ny hoavin’ny tontolo iainana. Soa ihany i Jehovah fa nampanantena hoe ‘handringana an’izay manimba ny tany’, ary hanova ny tany manontolo ho paradisa.—Apok. 11:18; Isaia 35:1.
INONA NO IANARANTSIKA AVY AMIN’NY FIARETAN’I JEHOVAH?
15-16. Inona no tokony hahatonga antsika hiaritra miaraka amin’i Jehovah? Hazavao amin’ny ohatra.
15 Eritrereto ny olana rehetra mahakivy niaretan’ilay Raintsika any an-danitra, nandritra an’izay an’arivony taona izay. (Jereo ilay hoe “Inona avy no Iaretan’i Jehovah?”) Vitan’i Jehovah ny mandringana an’ity tontolo ratsy ity, na rahoviana na rahoviana no tiany hanaovana an’izany. Manam-paharetana anefa izy, ary mandray soa avy amin’izany isika. Manampy antsika hahazo an’izany ity ohatra ity: Bevohoka ny vehivavy iray, ary nilazana izy mivady hoe manana aretina lehibe ilay zaza ka hijaly. Mbola kely, hono, izy dia ho faty. Faly anefa izy mivady rehefa teraka ilay zaza, na dia ho sarotra be aza ny hikarakara azy. Tian-dry zareo be izy, ka vonona hiaritra an’izay olana rehetra hitranga ry zareo mba ho faran’izay tsara ny fiainan’ilay zanany.
16 Vao teraka koa isika taranak’i Adama sy Eva dia efa tsy lavorary daholo, ka azo lazaina hoe mitovy amin’ilay zaza ao amin’ilay ohatra. Na izany aza, dia tena tia antsika sy mikarakara antsika i Jehovah. (1 Jaona 4:19) Sady izy tsy mitovy amin’ilay mpivady ao amin’ilay ohatra, fa mahavita manafoana ny fijalian’ny zanany. Efa nifidy fotoana izy mba hanafoanana an’izay rehetra mampahory ny olombelona. (Mat. 24:36) Tsy tsapanao ve hoe tena tia anao izy? Tsy tokony handrisika anao ve izany mba hiara-miaritra aminy, na hafiriana na hafiriana izany no ilaina?
17. Nahoana no mandrisika antsika hiaritra foana izay voalazan’ny Hebreo 12:2, 3 momba an’i Jesosy?
17 I Jehovah no modely tonga lafatra amin’ny fiaretana. Nahavita nanahaka ny Rainy i Jesosy. Niaritra ‘teny fanoherana sy henatra ary hazo fijaliana’ izy tamin’izy tetỳ an-tany, mba hahasoa antsika. (Vakio ny Hebreo 12:2, 3.) Azo antoka hoe nahazo hery i Jesosy ka nahavita niaritra, rehefa nieritreritra ny fiaretan’ny Rainy. Afaka manome antsika hery hiaretana koa ny modely omen’i Jehovah.
18. Inona no vokatry ny faharetan’i Jehovah, raha jerena ny 2 Petera 3:9?
18 Vakio ny 2 Petera 3:9. Fantatr’i Jehovah ny fotoana mety indrindra mba handringanana an’ity tontolo ratsy ity. Noho izy manam-paharetana, dia be dia be ny olona lasa nahafantatra azy. An-tapitrisany izao no manompo sy midera azy. Tena faly ry zareo hoe niaritra nandritra ny fotoana ela i Jehovah. Raha tsy izany mantsy, dia tsy ho teraka akory ry zareo ka tsy ho afaka nianatra ho tia an’i Jehovah sy nanokan-tena ho azy. Ho voaporofo tsara any aoriana any hoe rariny i Jehovah raha niaritra, satria an-tapitrisany isika no hahavita hiaritra hatramin’ny farany. Ho faly hamaly soa antsika i Jehovah amin’izay.
19. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika, ary inona no valisoa ho azontsika?
19 Ianarantsika avy amin’i Jehovah hoe afaka ny ho faly isika na dia miaritra aza. Mbola “Andriamanitra falifaly” foana mantsy izy, na dia betsaka aza ny zavatra nandratra fo sy ny fijaliana nitranga vokatry ny ataon’i Satana. (1 Tim. 1:11) Marina fa mbola amin’ny hoavy i Jehovah vao hanamasina ny anarany, hanamarina ny zony hitondra, hamarana ny faharatsiana rehetra, ary hanafoana ny olana rehetra mahazo antsika. Afaka ny ho faly hoatr’azy anefa isika eo am-piandrasana an’izany. Enga anie àry isika ho tapa-kevitra hiaritra, ary hitadidy fa miaritra koa ilay Raintsika any an-danitra. Hampahery antsika izany. Raha manao an’izany koa isika, dia ho tanteraka amintsika tsirairay ny voalazan’ny Jakoba 1:12 hoe: “Sambatra izay olona miaritra hatrany rehefa iharam-pitsapana, satria rehefa ankasitrahana izy, dia hahazo ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’i Jehovah an’ireo tia azy foana.”
HIRA 139 Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao
a Manana olana daholo isika. Betsaka amin’izy ireny no tsy misy vahaolana amin’izao, fa tsy maintsy miaritra isika. Tsy isika irery anefa no miaritra. Miaritra olana maro koa i Jehovah. Hiresaka sivy amin’izany isika ato. Hodinihintsika koa hoe inona no vitan’i Jehovah noho izy miaritra, ary ahoana no hanahafantsika azy.