Tena Miandry ny Andron’i Jehovah ve Ianao?
“Olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra!”—2 PETERA 3:11, 12.
1, 2. Hazavao amin’ny ohatra ny dikan’ny hoe miandry ny andron’i Jehovah.
ALAO sary an-tsaina ny fianakaviana iray miandry vahiny hisakafo. Kely sisa dia ho avy ireo vahiny ireo. Mikeninkenina mamita ny sakafo ramatoa. Manampy azy koa rangahy vadiny sy ny zanany, mba ho vonona ny zava-drehetra. Efa tsindrian-daona erỳ izy mianakavy. Miandry mafy izay hahatongavan’ny vahiny tokoa izy rehetra. Tsy andriny koa izay hihinanana ilay sakafo matsiro sy hiarahana mikorana.
2 Miandry fisehoan-javatra lehibe kokoa noho izany isika Kristianina. Inona izany? Miandry ny ‘andron’i Jehovah’ isika rehetra! Mila manahaka an’i Mika mpaminany isika, mandra-pahatongan’izy io. Hoy i Mika: “Izaho kosa dia hanandrandra an’i Jehovah, eny, hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho.” (Mika 7:7) Midika ve izany fa tsy mila manao na inona na inona isika? Tsia. Betsaka ny asa tokony hatao.
3. Inona no toe-tsaina tokony hananan’ny Kristianina, araka ny 2 Petera 3:11, 12?
3 Manampy antsika hanana ny toe-tsaina mety eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah, ny apostoly Petera. Hoy izy: “Olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra!” (2 Petera 3:11, 12) Mariho fa tsy nametraka fanontaniana i Petera teo. Tsy nisalasala izy hoe tokony hanao ahoana ny fitondran-tenantsika. Nohazavainy tao amin’ireo taratasy roa ara-tsindrimandry nosoratany hoe tokony ho karazana olona manao ahoana ny Kristianina. Nampirisihiny koa izy ireo hanana hatrany ‘fitondran-tena masina sy toe-panahy araka an’Andriamanitra’, na haneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, araka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Mbola tsy maintsy nitandrina foana ny Kristianina, na dia efa 30 taona teo ho eo aza no lasa, hatramin’ny nanomezan’i Jesosy Kristy ilay famantarana “ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 24:3) Tsy maintsy ‘nanantena sy nampahafaingana ny hihavian’ny andron’i Jehovah’ izy ireo.
4. Inona no dikan’ny hoe ‘mampahafaingana ny hihavian’ny andron’i Jehovah’?
4 Ao amin’ny Baiboly hafa, dia nadika hoe “manao an-tsaina foana” ilay teny grika nadika hoe “mampahafaingana.” Mazava ho azy fa tsy afaka “mampahafaingana” ara-bakiteny ny andron’i Jehovah isika. Isika aza ‘tsy mahafantatra ny andro na ny ora’ hahatongavan’i Jesosy Kristy, mba handringana ny fahavalon’ny Rainy. (Matio 24:36; 25:13) Hazavain’ny boky iray fa ny matoanteny niavian’ilay hoe “mampahafaingana”, dia midika hoe “‘manao izay hahavitana faingana’, ka mifandray amin’ny hoe ‘mazoto, miasa, mampifantoka ny saina amin’ny zavatra iray.’” Araka izany, dia nampirisika ny mpiara-manompo taminy i Petera, mba ‘haniry mafy’ ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah. Nanao izany izy ireo, rehefa nanao an-tsaina hatrany an’io andro io. (2 Petera 3:12, fanamarihana ambany pejy) Tokony hanana izany toe-tsaina izany koa isika, satria tena efa akaiky ny “andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.”—Joela 3:4.
Manàna “fitondrantena masina” eo am-piandrasana
5. Ahoana no hampisehoantsika fa “maniry mafy” ny hahita ny ‘andron’i Jehovah’ isika?
5 Raha “maniry mafy” ny ho tafavoaka velona amin’ny andron’i Jehovah isika, dia hampiseho izany amin’ny “fitondrantena masina” sy ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. Ilay teny hoe “fitondrantena masina” dia mety hampahatsiahy antsika ny fananaran’i Petera hoe: “Tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsi-fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘Ho masina hianareo, satria masina Aho.’”—1 Petera 1:14-16.
6. Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho masina isika?
6 Tsy maintsy madio hatrany eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsaina, ara-pitondran-tena, ary ara-panahy isika, raha te ho masina. Miomana ho amin’ny ‘andron’i Jehovah’ ve isika, ka miezaka ny ho masina hatrany, satria mitondra ny anarany? Tsy mora ny manao izany ankehitriny, satria miharatsy foana ny fitsipi-pitondran-tena arahin’ity tontolo ity. (1 Korintiana 7:31; 2 Timoty 3:13) Mihamiavaka amin’ny an’ity tontolo ity ve ny fitsipi-pitondran-tena arahintsika? Tokony hanahy isika, raha tsy izany no izy. Miharatsy tsikelikely ve ny fitsipika arahintsika, na dia ambony kokoa noho ny an’izao tontolo izao aza? Raha izany no izy, dia mila manao zavatra hentitra isika hanitsiana ny tenantsika, mba hampifaliana an’Andriamanitra.
7, 8. a) Inona no mety hahatonga antsika hanadino fa zava-dehibe ny “fitondrantena masina”? b) Inona no fanitsiana mety ho tsy maintsy atao?
7 Ahitana sary vetaveta ao amin’ny Internet amin’izao fotoana izao, ary afaka mijery izany irery ao an-tranony ny olona. Tsy afaka nijery sary mamoafady toy izany ny sasany taloha, nefa afaka mahita “sary tsy hita isa momba ny filan’ny nofo” izy ireo izao, hoy ny dokotera iray. Raha mikaroka ireny sary maloto ao amin’ny Internet ireny isika, dia tena manao tsinontsinona ilay didin’ny Baiboly hoe: “Aza mikasika izay maloto.” (Isaia 52:11) Tena ataontsika ao an-tsaina foana ve ny andron’i Jehovah, raha manao izany isika? Sa mety hampihemotra an’io andro io ao an-tsaintsika ve isika, ary hihevitra fa na dia mandoto saina amin’ny sary vetaveta aza isika, dia mbola manam-potoana hanadiovana ny tenantsika avy eo? Raha manana olana amin’io lafiny io isika, dia tena mila mitalaho haingana amin’i Jehovah mba ‘hampivily ny masontsika tsy hijery zava-poana, ka hamelona antsika amin’ny lalany’!—Salamo 119:37.
8 Manaraka hatrany ny fitsipi-pitondran-tena ambony omen’Andriamanitra ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah, na tanora izy na antitra. Manalavitra ny fakam-panahy avy amin’ity tontolo ity izy ireo, mba tsy ho voatarika haloto fitondran-tena. Manana “fitondrantena masina” hatrany izy ireo, satria fantany fa efa akaiky ny farany, ary fantany koa ilay fampitandreman’i Petera hoe “ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo.” (2 Petera 3:10) Porofoiny amin’ny zavatra ataony fa ‘manantena sady manao an-tsaina foana ny andron’i Jehovah’ izy ireo.a
Manehoa fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra eo am-piandrasana
9. Tokony hanosika antsika hanao inona ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra?
9 Tena mila mahafoy tena ho an’Andriamanitra koa isika, raha tiantsika hatao an-tsaina foana ny androny. Tafiditra amin’izany ny fanajana lalina an’Andriamanitra, izay manosika antsika hampifaly azy. Ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah no mahatonga antsika hahafoy tena ho azy. Ny sitrapony dia ny ‘hahavoavonjy ny olona rehetra, ka hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina.’ (1 Timoty 2:4) “Tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (2 Petera 3:9) Raha mahafoy tena ho an’Andriamanitra àry isika, moa ve izany tsy tokony hanosika antsika hiezaka bebe kokoa hanampy ny olona hianatra momba an’i Jehovah sy hanahaka azy?—Efesiana 5:1.
10. Nahoana isika no tokony hitandrina amin’ny “fitaky ny harena”?
10 Hazoto hahafoy tena ho an’Andriamanitra isika, raha ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainantsika ny Fanjakany. (Matio 6:33) Midika izany fa mila mahay mandanjalanja eo amin’ny resaka vola sy harena isika. Hoy i Jesosy: “Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ny fieremana hianareo; fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.” (Lioka 12:15) Mety hihevitra isika fa tsy ho jamban’ny fitiavam-bola. Tokony ho takatsika anefa fa mety ‘hangeja’ ny tenin’Andriamanitra ny “fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena.” (Matio 13:22) Mety tsy ho mora ny mitady fivelomana. Noho izany, dia maro no mihevitra fa tsy maintsy mifindra any amin’ny tany manankarena kokoa izy ireo, mba hanatsarana ny fiainany. Mety handao ny fianakaviany mandritra ny taona vitsivitsy izy ireo amin’izany. Mihevitra toy izany na dia ny mpanompon’Andriamanitra sasany aza. Ho afaka handefa fitaovana maoderina ho an’ny fianakaviany angamba izy ireo, rehefa mandeha any an-tany hafa. Mety hanao ahoana anefa ny fahasalamana ara-panahin’ireo havan-tiany ireo? Raha tsy misy loham-pianakaviana hitarika ao an-trano, moa ve hanana ny tanjaka ara-panahy ilaina mba ho tafavoaka velona amin’ny andron’i Jehovah izy ireo?
11. Ahoana no nampisehoan’ny lehilahy iray nandeha niasa tany ivelany, fa zava-dehibe noho ny harena ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra?
11 Nandeha niasa tany Japon ny lehilahy iray avy any Philippines. Nianatra ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tany. Rehefa nahafantatra ny andraikitry ny loham-pianakaviana voalaza ao amin’ny Soratra Masina izy, dia azony fa mila manampy ny fianakaviany ho lasa mpanompon’i Jehovah izy. (1 Korintiana 11:3) Nanohitra mafy ny finoany vaovao ny vadiny, tany Philippines. Tiany hijanona tany Japon sy handefa vola ralehilahy, fa tsy hody ka hampianatra azy mianakavy ny zavatra inoany miorina amin’ny Baiboly. Nody ihany anefa ilay rangahy vadiny, satria niaiky izy fa efa akaiky ny farany, ary niahy an’ireo havan-tiany. Naneho faharetana sy fitiavana hatrany tamin’ny mpianakaviny izy, ka novalian-tsoa. Nanjary tafaray ao amin’ny fivavahana marina izy mianakavy, ary nirotsaka ho mpanompo manontolo andro ny vadiny.
12. Nahoana no tokony hataontsika loha laharana ny zavatra ara-panahy?
12 Azo oharina amin’ny olona ao anaty trano mirehitra isika. Ho fahendrena ve ny hitotototoana haka ireo entana ao anatin’ilay trano midonaka afo sy efa hirodana? Tsy ho zava-dehibe kokoa ve ny hamonjy aina, dia ny aintsika sy ny ain’ny mpianakavintsika ary ny olon-kafa ao amin’ilay trano? Efa hirodana koa ity tontolo ratsy ity, ary tandindomin-doza ny ain’olona. Raha miaiky izany isika, dia tena tokony hanao ny zavatra ara-panahy ho loha laharana, ary hifantoka sady hazoto amin’ilay asa famonjena aina, dia ny fitoriana ilay Fanjakana.—1 Timoty 4:16.
Tokony ‘tsy hisy pentina’ isika
13. Ahoana no tokony ho fahitana antsika rehefa tonga ny andron’i Jehovah?
13 Nohamafisin’i Petera fa mila manana toe-tsaina tsara isika, eo am-piandrasana. Hoy izy: “Satria miandry izany zavatra izany ianareo ry malala, dia ataovy izay rehetra azonareo atao mba ho [hitan’Andriamanitra], amin’ny farany, fa tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana ianareo.” (2 Petera 3:14, NW) Tsy nampirisika ny Kristianina hanana fitondran-tena masina sy hahafoy tena ho an’Andriamanitra fotsiny i Petera. Nantitranteriny koa fa tokony ho hitan’i Jehovah, amin’ny farany, hoe voadion’ny ra sarobidin’i Jesosy isika. (Apokalypsy 7:9, 14) Midika izany fa tsy maintsy mino ny soron’i Jesosy isika, ary manolo-tena hanompo an’i Jehovah, sy atao batisa.
14. Inona no dikan’ny hoe “tsy misy pentina”?
14 Nampirisihin’i Petera isika hanao izay rehetra azontsika atao mba ‘tsy hisy pentina.’ Toy ny fitafiana ny fitondran-tenantsika sy toetrantsika kristianina. Ataontsika foana ve izay hahatonga izany ho tsy hisy pentina, na tsy ho voaloton’ity tontolo ity? Raha mahita pentina amin’ny akanjontsika isika, dia manao izay hanesorana izany avy hatrany. Raha akanjo tena tiantsika ilay izy, dia vao mainka sasantsika tsara mihitsy. Miezaka mafy toy izany koa ve isika, raha toy ny misy tasy, na misy tsy mety amin’ny toetrantsika na ny fitondran-tenantsika kristianina?
15. a) Nahoana ny Isiraelita no tsy maintsy nanisy somotraviavy ny sisin’ny fitafiany? b) Nahoana no miavaka ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny?
15 Tsy maintsy nasian’ny Isiraelita “somotraviavy ny sisin’ny fitafiany”, ary ‘kofehy manga teo amin’ny somotraviaviny.’ Nahoana? Mba hahatsiarovany sy hankatoavany ny didin’i Jehovah, ary mba “ho masina” ho an’ny Andriamaniny izy. (Nomery 15:38-40) Miavaka amin’izao tontolo izao isika mpanompon’i Jehovah ankehitriny, satria manaraka ny lalàny sy ny toro lalany. Madio fitondran-tena hatrany isika, ohatra, ary manaja ny fahamasinan’ny ra, sy manalavitra ny karazana fanompoan-tsampy rehetra. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Maro no manaja antsika, noho isika tapa-kevitra ny tsy haloto mihitsy.—Jakoba 1:27.
Tokony ‘tsy hisy tsiny’ isika
16. Inona no ilaintsika hatao mba ‘tsy hisy tsiny’ isika?
16 Nilaza koa i Petera fa tokony ‘tsy hisy tsiny’ isika. Ahoana no hampety izany? Matetika no azo kosehina na diovina ny pentina, fa tsy toy izany kosa ny tsiny. Ny hoe tsiny kosa dia midika fa misy tsy mety amin’ny fomba fisainan’ny olona iray, na ny ao am-pony. Nananatra ny Kristianina tany Filipy ny apostoly Paoly hoe: “Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana [na adihevitra], mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao.” (Filipiana 2:14, 15) Raha manaraka izany torohevitra izany isika, dia hanalavitra ny fimonomononana sy ny adihevitra, ary ho antony tsara no hanosika antsika hanompo an’Andriamanitra. Ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika no hanosika antsika hitory ‘ny vaovao tsaran’ilay fanjakana.’ (Matio 22:35-40; 24:14) Hitory ny vaovao tsara hatrany koa isika, na dia mety tsy ho azon’ny ankabeazan’ny olona aza hoe nahoana isika no mahafoy fotoana hanampiana ny hafa hianatra momba an’Andriamanitra sy ny Teniny.
17. Inona no tokony hanosika antsika hiezaka hahazo tombontsoa eo anivon’ny fiangonana kristianina?
17 Tokony handinika ny antony manosika antsika hanao zavatra foana isika, satria tsy te ‘hanan-tsiny.’ Tsy tia tena intsony toy ny olona eo amin’izao tontolo izao isika, ka tsy mikatsaka harena na fahefana, ohatra. Raha miezaka hahazo tombontsoa eo anivon’ny fiangonana kristianina isika, dia aoka ho antony tsara no hanosika antsika hanao izany. Aoka ho ny fitiavana an’i Jehovah sy ny hafa foana no hanosika antsika hanao izany. Mahafinaritra ny mahita rahalahy tia zavatra ara-panahy sy maniry amim-pifaliana sy amim-panetren-tena ny asan’ny mpiandraikitra, izany hoe te hanompo an’i Jehovah sy ny mpiray finoana aminy. (1 Timoty 3:1; 2 Korintiana 1:24) Ireo mahafeno fepetra ho anti-panahy tokoa dia ‘miandry ny ondrin’Andriamanitra an-tsitrapo; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry.’—1 Petera 5:1-4.
Tokony ho “ao amin’ny fihavanana” isika
18. Inona no toetra ahafantarana tsara ny Vavolombelon’i Jehovah?
18 Farany, dia nilaza i Petera fa tokony ho hita “ao amin’ny fihavanana” isika. Mahafeno io fepetra io isika, rehefa mihavana amin’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika. Nantitranterin’i Petera fa mila ‘mifankatia tsara’, na mifankatia fatratra isika, ary mihavana hatrany amin’ny Kristianina hafa. (1 Petera 2:17; 3:10, 11; 4:8; 2 Petera 1:5-7) Tsy maintsy mifankatia isika raha te hihavana hatrany. (Jaona 13:34, 35; Efesiana 4:1, 2) Tena misongadina ny fitiavana sy fihavanantsika mandritra ireo fivoriambe iraisam-pirenena ataontsika. Talohan’ny fivoriambe iray tany Costa Rica tamin’ny 1999, ohatra, dia tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina ireo Vavolombelona teo an-toerana, mba hitsena ireo solontena avy tany an-tany hafa. Nisy mpivarotra sosotra tamin’izay, satria takon’izy ireo ny fivarotany. Ny ampitso anefa dia hitany fa nifankatia sy nihavana ireo Vavolombelona, satria nandray ireo solontena tamin-kafanam-po, na dia tsy nahalala azy ireo akory aza. Tonga niarahaba ireo solontena koa àry ilay mpivarotra tamin’ny andro faran’ilay fivoriambe, ary nangataka hampianarina Baiboly.
19. Nahoana no tena ilaina ny mihavana hatrany amin’ny mpiray finoana amintsika?
19 Raha tsy tena miezaka hihavana hatrany amin’ireo mpiray finoana amintsika isika, dia mety hidika izany fa tsy miandry fatratra ny andron’i Jehovah sy ilay tontolo vaovao nampanantenainy isika. (Salamo 37:11; 2 Petera 3:13) Aoka hatao hoe sarotra amintsika ny mihavana amin’ny mpiray finoana iray. Afaka maka sary an-tsaina ny tenantsika miara-miaina aminy amim-pihavanana ao amin’ny Paradisa ve isika? Raha misy rahalahy manana alahelo amintsika, dia tokony ‘hanao izay hihavanana aminy’ haingana isika. (Matio 5:23, 24) Tena mila manao izany isika mba hihavanana amin’i Jehovah.—Salamo 35:27; 1 Jaona 4:20.
20. Ahoana avy no hampisehoantsika fa mahay miandry isika?
20 Moa ve isika tsirairay ‘manantena sady manao an-tsaina foana ny andron’i Jehovah’? Asehontsika fa maniry mafy ny hifaranan’ny faharatsiana isika, raha miezaka ny ho masina hatrany eto amin’ity tontolo ratsy fitondran-tena ity. Rehefa mahafoy tena ho an’Andriamanitra koa isika, dia hampiseho fa tena tsy andrintsika izay hahatongavan’ny andron’i Jehovah sy ny hiainana eo ambany fitondran’ilay Fanjakana. Hita koa fa manantena hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao misy fiadanana isika, raha miezaka hatrany ny hihavana amin’ny mpiray finoana amintsika dieny izao. Asehontsika amin’izany rehetra izany fa ‘manao an-tsaina foana ny andron’i Jehovah’ isika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2000, pejy 16, ary ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1997, pejy 51.
Tadidinao Ve?
• Inona no dikan’ny hoe ‘manao an-tsaina foana ny andron’i Jehovah’?
• Ahoana no hampisehoantsika amin’ny fitondran-tenantsika, fa mahay miandry isika?
• Nahoana no tena ilaina ny mahafoy tena ho an’Andriamanitra?
• Inona no tsy maintsy ataontsika mba ‘tsy hisy pentina sy tsy hisy tsiny ary ho ao amin’ny fihavanana’ isika eo anatrehan’i Jehovah?
[Sary, pejy 11]
Hita hoe mahay miandry isika raha manana fitondran-tena masina
[Sary, pejy 12]
Mamonjy aina ny fitoriana ilay Fanjakana
[Sary, pejy 14]
Aoka isika hihavana hatrany amin’ny hafa, eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah