Toko Faharoapolo
Tadidio Tsara ny Andron’i Jehovah
1. Inona no tsapanao rehefa fantatrao fa akaiky ny fanafahana amin’ireo zavatra mankarary fo eo amin’izao tontolo izao?
ANISAN’NY zavatra voalohany nianaranao tao amin’ny Baiboly ny fikasan’i Jehovah hanova ny tany ho paradisa. Tsy hisy ao amin’io tontolo vaovao io intsony ny ady, asan-jiolahy, fahantrana, aretina sy fanaintainana ary fahafatesana. Ho velona indray na dia ny maty aza. Hahafinaritra tokoa izany! Efa akaiky izany, satria manatrika amin’ny fomba tsy hita maso, sady efa Mpanjaka, i Kristy, nanomboka tamin’ny 1914. Nanomboka tamin’izay koa ny andro faran’ity tontolo ratsy ity. Hopotehin’i Jehovah ity tontolo ity, amin’ny faran’izao andro farany izao, ary haoriny kosa ilay tontolo vaovao nampanantenainy!
2. Inona ilay “andron’ny Tompo”?
2 Antsoin’ny Baiboly hoe “andron’ny Tompo” io fandringanana ho avy io. (2 Petera 3:10) “Andro fahatezeran’i Jehovah” amin’ny tontolon’i Satana manontolo izy io. (Zefania 2:3) Fara tampon’izy io ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha . . . atao amin’ny teny Hebreo hoe Hara-magedona”, ka horinganina amin’izany “ny mpanjaka amin’izao tontolo izao.” (Apokalypsy 16:14, 16) Hita amin’ny fomba fiainanao ve ny finoanao mafy hoe akaiky io andron’i Jehovah io?—Zefania 1:14-18; Jeremia 25:33.
3. a) Rahoviana no ho tonga ny andron’i Jehovah? b) Nahoana no mahasoa ny tsy nilazan’i Jehovah “izany andro na ora izany”?
3 Tsy lazain’ny Baiboly amintsika ny daty hahatongavan’i Jesosy Kristy hanatanteraka ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ny tontolon’i Satana. Hoy i Jesosy: “Ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.” (Marka 13:32) Hanemotra an’io andron’i Jehovah io ao an-tsainy ny olona tsy tena tia azy, ka hifantoka amin’ny zavatra tsy ara-pivavahana. Hanompo an’i Jehovah amin’ny fanahiny rehetra kosa ireo tena tia azy, na rahoviana na rahoviana no ho tonga ny faran’ity tontolo ratsy ity.—Salamo 37:4; 1 Jaona 5:3.
4. Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy?
4 Hoy i Jesosy nampitandrina an’ireo tia an’i Jehovah: “Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana.” (Marka 13:33-37) Nampirisihiny isika mba tsy hifantoka loatra amin’ny fihinanana sy fisotroana na ny “fiahiahian’izao fiainana izao”, ka hanjary tsy ho tsapantsika fa akaiky ny farany.—Lioka 21:34-36; Matio 24:37-42.
5. Inona no hoentin’ny andron’i Jehovah, araka ny nohazavain’i Petera?
5 Nampirisika antsika koa i Petera mba hitadidy “ny hihavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra.” Horinganina “ny lanitra”, na ny mpitondra olombelona rehetra, sy ny “tany”, na ny olombelona ratsy fanahy amin’ny ankapobeny, ary ny “tenan’ny zavatra rehetra”, na ny hevitra sy asan’ity tontolo ratsy ity, toy ny toe-tsainy tsy tia miankina amin’Andriamanitra sy ny fahalotoam-pitondran-tenany ary ny fitiavam-bolany. Hisolo an’ireo kosa ny “lanitra vaovao [Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra] sy tany vaovao [fitambaran’olona vaovao eto an-tany], izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:10-13) Amin’ny andro sy ora tsy ampoizina no hanombohan’ireo fisehoan-javatra hanozongozona an’izao tontolo izao ireo.—Matio 24:44.
Mariho tsara ireo famantarana
6. a) Nihatra tanteraka tamin’ny tontolo jiosy ve ny valin-teny nomen’i Jesosy ny mpianany? b) Inona tamin’ny valin-tenin’i Jesosy no miresaka betsaka ireo fisehoan-javatra sy toetra hita nanomboka tamin’ny 1914?
6 Tokony ho fantatsika tsara ny tsipirian’ireo famantarana mampiavaka ny andro farany, na ny “fahataperan’izao tontolo izao.” Nisy fanontaniana napetraky ny mpianany tamin’i Jesosy, ao amin’ny Matio 24:3. Tadidio fa efa tanteraka kely tamin’ny tontolo jiosy tamin’ny taona 33 ka hatramin’ny 70 ny valin-teniny eo amin’ny andininy faha-4 ka hatramin’ny faha-22. Nanomboka tamin’ny 1914, fotoana ‘fihavian’i Kristy sy fahataperan’izao tontolo izao’, anefa, vao tena tanteraka ireo faminaniany. Voalazan’ny Matio 24:23-28 ny zavatra hitranga nanomboka tamin’ny taona 70 ka hatramin’ny fotoana fanatrehan’i Kristy. Mitranga mandritra ny fotoan’ny farany ireo zavatra voalazan’ny Matio 24:29–25:46.
7. a) Nahoana isika isam-batan’olona no tokony hanamarika ny fisehoan’ireo famantarana eo amin’ny zava-mitranga ankehitriny? b) Valio ireo fanontaniana eo amin’ny faran’ity fehintsoratra ity, mba hampisehoana fa tanteraka nanomboka tamin’ny 1914 ireo famantarana.
7 Tokony homarihintsika isam-batan’olona ny fisehoan-javatra sy toetra anisan’ireo famantarana. Hahatadidy tsara ny andron’i Jehovah isika, raha mampifandray azy ireny amin’ny faminanian’ny Baiboly. Hahay handresy lahatra ny olona koa isika, rehefa mampitandrina azy ireny fa akaiky io andro io. (Isaia 61:1, 2) Tadidio ireo zava-kendrena ireo, ka valio ireo fanontaniana etsy ambany. Manasongadina ireo anisan’ireo famantarana voalazan’ny Matio 24:7 sy ny Lioka 21:10, 11 izy ireo.
Inona no mampiseho fa tena tanteraka nanomboka tamin’ny 1914 ilay hoe ‘firenena hitsangana hamely firenena sy fanjakana hamely fanjakana’, nambara mialoha? Ahoana no fandehan’ny ady nanomboka tamin’izay?
Inona no areti-mandringana tamin’ny 1918, namono olona maro kokoa noho ny Ady Lehibe I? Inona avy no aretina mbola mamono olona an-tapitrisa, na dia mandroso aza ny fitsaboana?
Inona no vokatry ny mosary maneran-tany, na dia nisy fandrosoana aza nandritra ny taonjato faha-20?
Misy fomba fiaina tanisain’ny 2 Timoty 3:1-5, 13. Inona no mampiaiky anao fa tsy fomba fiaina hatramin’izay ireo, fa mampiseho kosa ny fitomboan’ny faharatsiana, noho isika mandroso ho amin’ny faran’ny andro farany?
Fampisarahana ny olona
8. a) Inona koa no nampifandraisin’i Jesosy tamin’ny faran’ity tontolo ity, araka ny Matio 13:24-30, 36-43? b) Inona no dikan’io fanoharan’i Jesosy io?
8 Nisy zava-dehibe hafa nampifandraisin’i Jesosy tamin’ny faran’ity tontolo ity koa. Anisan’izany ny fampisarahana ny “zanaky ny fanjakana” amin’ny “zanak’ilay ratsy.” Niresaka momba izany i Jesosy tao amin’ny fanoharany momba ny tanimbary namafazan’ny fahavalo tsimparifary. Ny Kristianina marina voahosotra no “vary” ao amin’io fanoharana io. Ny “tsimparifary” kosa dia ireo milaza ho Kristianina, nefa hita fa “zanak’ilay ratsy”, satria miandany amin’izao tontolo izao fehezin’ny Devoly. Sarahina amin’ireo ‘zanaky ny fanjakan’Andriamanitra’ izy ireo, ary asiana mariky ny fandringanana. (Matio 13:24-30, 36-43) Efa nitranga ve izany?
9. a) Ahoana no nampisarahana mazava an’ireo milaza ho Kristianina, taorian’ny Ady Lehibe I? b) Ahoana no nampisehoan’ny Kristianina voahosotra fa tena mpanompon’ilay Fanjakana izy ireo?
9 Niavaka tsara ho antoko roa ireo nilaza ho Kristianina, taorian’ny Ady Lehibe I: 1) Ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana sy ny mpanara-dia azy. Nanohana mafy ny Fikambanam-pirenena (Firenena Mikambana ankehitriny) izy ireo, sady tia tanindrazana nafana fo. 2) Ireo Kristianina marina taorian’io ady io. Nanohana tanteraka ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra kosa izy ireo, fa tsy ny firenen’ity tontolo ity. (Jaona 17:16) Voaporofo ho tena mpanompon’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, satria nanao ny asa fitoriana “ity filazantsaran’ny fanjakana ity” naneran-tany. (Matio 24:14) Inona no vokany?
10. Inona no vokatra voalohany azo tamin’ny fitoriana ilay Fanjakana?
10 Nangonina aloha ny sisa tamin’ireo voahosotry ny fanahin’Andriamanitra, manantena ny hiaraka amin’i Kristy amin’ny Fanjakany any an-danitra. Tafaray ao anatin’ny fandaminana iray izy ireo, na dia avy amin’ny firenen-tsamihafa aza. Kely sisa dia ho vita ny fanisiana tombo-kase an’ireo voahosotra ireo.—Apokalypsy 7:3, 4.
11. a) Inona ilay asa fanangonana mbola mitohy, ary inona no faminaniana momba izany? b) Inona no dikan’ny fahatanterahan’io faminaniana io?
11 Nanomboka teo ambany fitarihan’i Kristy indray avy eo ny fanangonana “olona betsaka . . . avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny.” Ireo no “ondry hafa” tsy ho faty amin’ny “fahoriana lehibe”, ka hiditra ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (Apokalypsy 7:9, 14; Jaona 10:16) Mbola mitohy hatramin’izao io asa fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra alohan’ny hahatongavan’ny farany io. Tsy mivadika ireo olona betsaka anisan’ny ondry hafa an-tapitrisa, fa manampy ny sisa voahosotra manambara an’io hafatra tena lehibe momba ilay Fanjakana io. Re any amin’ny firenena rehetra io hafatra io.
Inona indray ny manaraka?
12. Mbola betsaka ve ny fitoriana tokony hatao alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah?
12 Ireo zavatra rehetra voalaza ireo dia midika fa efa akaiky ny faran’ny andro farany, ka efa ho tonga ilay andron’i Jehovah. Misy faminaniana mbola tsy tanteraka ve anefa, alohan’io andro mahatahotra io? Eny, anisan’izany ny fanavahana ny olona miandany na tsia amin’ilay Fanjakana. Misy mpianatra vaovao maro, ohatra, any amin’ny tany sasany nisy fanoherana be nandritra ny taona maro. Mbola mamindra fo anefa i Jehovah, ka mandefa antsika hitory, na dia mandà ny vaovao tsara aza ny olona. Tohizo àry ilay asa! Manome toky antsika i Jesosy fa ho tonga ny farany, rehefa vita izy io.
13. Inona no fisehoan-javatra lehibe hitranga, araka ny 1 Tesaloniana 5:2, 3, ary inona no dikan’izy io ho antsika?
13 Milaza toy izao ny faminaniana tena lehibe hafa ao amin’ny Baiboly: “Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” (1 Tesaloniana 5:2, 3) Mbola ho hita eo ihany ny endrik’io fanambarana hoe “miadana sy mandry fahizay” io. Azo antoka anefa fa tsy hidika izy io hoe ho voavahan’ny mpitondra olombelona ireo olana mahazo ny olombelona. Tsy ho voafitak’izany fanambarana izany ireo mitadidy tsara ny andron’i Jehovah. Fantatr’izy ireo fa ho avy tampoka aorian’izay ny fandringanana.
14. Inona avy no hitranga mandritra ny fahoriana lehibe, ary ahoana no ho filaharan’izany?
14 Hasian’ireo mpitondra sy hopotehiny i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso maneran-tany, rehefa manomboka ny fahoriana lehibe. (Matio 24:21; Apokalypsy 17:15, 16) Handeha hamely an’ireo manohana ny fitondran’i Jehovah indray ireo firenena, aorian’izay, ka hahatezitra mafy an’i Jehovah amin’ireo mpitondra ara-politika sy ny mpanohana azy ireo. Ho ringana tanteraka izy ireo, noho izany. Izany no Hara-magedona, dia ny fara tampon’ny fahoriana lehibe. Halefa ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa i Satana sy ny demoniany aorian’izay, ka tsy ho afaka haka fanahy ny olona intsony. Ho tapitra amin’izay ny andron’i Jehovah, rehefa hisandratra ny anarany.—Ezekiela 38:18, 22, 23; Apokalypsy 19:11–20:3.
15. Nahoana no tsy fahendrena ny mihevitra fa mbola ho ela ny andron’i Jehovah?
15 Ho tonga ara-potoana, araka ny nandaharan’i Jehovah azy ny faran’ity tontolo ity. Tsy ho tara izany. (Habakoka 2:3) Tadidio ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70. Tonga tampoka tsy nampoizin’ny Jiosy izy io, rehefa nihevitra izy ireo fa efa lasa ilay loza. Ary i Babylona fahiny? Natanjaka sy natoky tena ary nanana manda mafy be ry zareo. Rava tao anatin’ny indray alina anefa ilay tanàna. Ho potika tampoka toy izany koa ity tontolo ratsy ankehitriny ity. Enga anie isika ho anisan’ireo tafaray amin’ny fivavahana marina, rehefa ho tonga izany, satria nitadidy tsara ny andron’i Jehovah isika.
Famerenana
• Nahoana no tena zava-dehibe ny mitadidy tsara ny andron’i Jehovah? Ahoana no hanaovantsika izany?
• Nahoana isika tsirairay no voakasik’ilay fampisarahana ny olona atao ankehitriny?
• Inona no mbola andrasana, alohan’ny hanombohan’ny andron’i Jehovah? Inona àry no tokony hataontsika tsirairay?
[Sary, pejy 180, 181]
Efa ho tapitra amin’ny alalan’ny fanapotehana ny tontolon’i Satana ny andro farany