Ekeo ny Fampanantenan’Andriamanitra Amin’ny Fanehoana Finoana
“Izany no nahatanterahany [ Jehovah Andriamanitra] amintsika ireo [ fampanantenana, NW ] sady soa no lehibe indrindra”. — 2 PETERA 1:4.
1. Inona no mahatonga antsika ho afaka haneho finoana marina?
MANIRY ny hanehoantsika finoana ny fampanantenany i Jehovah. Na dia izany aza, dia “tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra”. (2 Tesaloniana 3:2). Io toetra io dia vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra, na heriny miasa. (Galatiana 5:22, 23, NW ). Noho izany, dia ireo izay tarihin’ny fanahin’i Jehovah ihany no afaka maneho finoana.
2. Ahoana no amaritan’ny apostoly Paoly ny atao hoe “finoana”?
2 Inona anefa no atao hoe finoana? Ny apostoly Paoly dia miantso azy io hoe “fampisehoana miharihary ny zavatra tena izy na dia tsy tazana aza”. Ny porofon’ireny zavatra tena izy tsy hitan’ny maso ireny dia mahery aoka izany, hany ka ampitovina amin’izany ny finoana. Lazaina koa fa ny finoana dia “fiandrasana azo antoka ny zavatra antenaina” satria manana antoka ireo izay manana io toetra io, fa ny zava-drehetra nampanantenain’i Jehovah Andriamanitra dia azo antoka aoka izany, hany ka toy ny hoe efa tanteraka mihitsy izy ireo. — Hebreo 11:1, NW.
Ny finoana sy ireo fampanantenan’i Jehovah
3. Inona no ho azon’ireo Kristiana voahosotra raha maneho finoana izy ireo?
3 Mba hampifaliana an’i Jehovah, dia tsy maintsy maneho finoana ireo fampanantenany isika. Nasehon’ny apostoly Petera izany tao amin’ny taratasiny faharoa ara-tsindrimandry, izay nosoratana tamin’ny 64 am.f.i. tany ho any. Nohazavainy fa raha naneho finoana ireo Kristiana voahosotra namany, dia hahita ny fahatanterahan’ny “teny fikasana [“fampanantenana”, NW ] sady soa no lehibe indrindra” avy amin’Andriamanitra. Ho vokatr’izany, dia ho “tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra” izy ireo, ho mpiara-mandova amin’i Jesosy Kristy any amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Noho ny finoana sy ny fanampian’i Jehovah Andriamanitra, dia afaka tamin’ny fanandevozan’ireo fahazarana sy fanao simba ara-pitondran-tenan’itỳ tontolo itỳ izy ireo. (2 Petera 1:2-4). Ary alao sary an-tsaina ange e! Ireo izay maneho finoana marina dia manana io fahafahana sarobidy io amin’izao andro izao.
4. Toetra tsara inona avy no tokony hanampintsika ny finoantsika?
4 Ny finoana ireo fampanantenan’i Jehovah sy ny fankasitrahana ny fahafahana nomen’Andriamanitra antsika dia tokony hanosika antsika hanao izay farany azontsika atao mba ho tonga Kristiana fakan-tahaka. Hoy i Petera: “Amin’ny fanaovanareo ny ezaka mafy rehetra ho setrin’izany, dia ampio hatsaran-toetra ny finoanareo, ampio fahalalana ny hatsaran-toetranareo, ampio fifehezan-tena ny fahalalanareo, ampio fiaretana ny fifehezan-tenanareo, ampio fifikirana amin’Andriamanitra ny fiaretanareo, ampio firaiketam-pon-drahalahy ny fifikiranareo amin’Andriamanitra, ampio fitiavana ny firaiketam-pon-drahalahy anananareo.” (2 Petera 1:5-7, NW ). Araka izany, i Petera dia manome antsika lisitra iray izay fahendrena ny hitadidiantsika azy. Aoka isika handinika akaiky kokoa ireo toetra tsara ireo.
Ireo foto-javatra tena ilaina amin’ny finoana
5, 6. Inona no atao hoe hatsaran-toetra, ary ahoana no ahafahantsika manampy azy io amin’ny finoantsika?
5 Nilaza i Petera fa ny hatsaran-toetra, ny fahalalana, ny fifehezan-tena, ny fiaretana, ny fifikirana amin’Andriamanitra sy ny firaiketam-pon-drahalahy ary ny fitiavana dia tokony hampifanampiana eo amin’izy samy izy, ary tokony hanampiana ny finoantsika. Tokony hiezaka mafy isika mba hahatonga ireo toetra tsara ireo ho foto-javatra tena ilaina amin’ny finoantsika. Ny hatsaran-toetra, ohatra, dia tsy toetra asehontsika ivelan’ny finoana. Ilay mpanazava hevi-teny atao hoe W. E. Vine dia nanamarika fa ao amin’ny 2 Petera 1:5, “ny hatsaran-toetra dia nampiana ho toy ny toetra tena ilaina eo amin’ny fanehoana finoana”. Ny tsirairay amin’ireo toetra tsara hafa notononin’i Petera dia tokony ho foto-javatra amin’ny finoantsika koa.
6 Voalohany indrindra, dia tsy maintsy manampy hatsaran-toetra amin’ny finoantsika isika. Ny hoe manana hatsaran-toetra dia midika hoe manao izay tsara eo imason’Andriamanitra. Misy fandikan-teny sasany mampiasa ny “hatsaram-po” ho dikan’ilay teny grika nadika eto hoe “hatsaran-toetra”. (New International Version; The Jerusalem Bible; Today’s English Version). Ny hatsaran-toetra dia manosika antsika hanalavitra ny fanaovan-dratsy na ny fitondrana fahavoazana ho an’ireo mpiara-belona amintsika. (Salamo 97:10). Izy io koa dia mahatonga fanehoana herim-po eo amin’ny fanaovana izay tsara ho tombontsoa ara-panahy sy ara-batana ary ara-pihetseham-pon’ny hafa.
7. Nahoana isika no tokony hanampy fahalalana amin’ny finoantsika sy ny hatsaran-toetrantsika?
7 Nahoana i Petera no mampirisika antsika hanampy fahalalana amin’ny finoantsika sy ny hatsaran-toetrantsika? Eo am-piatrehantsika zava-tsarotra vaovao tsy maintsy resen’ny finoantsika, dia mila fahalalana isika mba hahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy. (Hebreo 5:14). Hampitombo ny fahalalantsika isika amin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly sy ny fanandraman-javatra eo amin’ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra, ary amin’ny fanehoana fahendrena azo ampiharina eo amin’ny fiainana andavanandro. Ho setriny, izany kosa dia mahatonga antsika ho afaka hitana ny finoantsika sy hanohy hanao izay tsara rehefa ao anatin’ny fitsapana. — Ohabolana 2:6-8; Jakoba 1:5-8.
8. Inona no atao hoe fifehezan-tena, ary ahoana no ifandraisany amin’ny fiaretana?
8 Mba hanampiana antsika hiatrika ireo fitsapana amim-pinoana, dia mila manampy fifehezan-tena amin’ny fahalalantsika isika. Ilay teny grika nadika hoe “fifehezan-tena” dia milaza fahaizana mitana ny tenantsika. Io vokatry ny fanahin’Andriamanitra io dia manampy antsika hampiseho fifehezana eo amin’ny eritreritra sy ny teny ary ny fitondran-tena. Amin’ny fikirizana mampiseho fifehezan-tena, dia manampy fiaretana amin’izy io isika. Ny teny grika mifanitsy amin’ny hoe “fiaretana” dia midika hoe fifaharana amin-kerim-po, fa tsy fizakana amin’alahelo ny zava-tsarotra tsy azo ialana. Noho ilay fifaliana napetraka teo anoloany no niaretan’i Jesosy ny hazo fijaliana. (Hebreo 12:2). Ny tanjaka omen’Andriamanitra, miaraka amin’ny fiaretana dia manamafy ny finoantsika ary manampy antsika hifaly amin’ny fahoriana, hanohitra fakam-panahy, ary hanalavitra ny fanekena lembenana rehefa voaenjika — Filipiana 4:13.
9. a) Inona no atao hoe fifikirana amin’Andriamanitra? b) Nahoana isika no tokony hanampy firaiketam-pon-drahalahy amin’ny fifikirantsika amin’Andriamanitra? d) Ahoana no ahafahantsika manampy fitiavana amin’ny firaiketam-pon-drahalahy ananantsika?
9 Ny fiaretantsika dia tsy maintsy ampiantsika fifikirana amin’Andriamanitra — dia fanajana lalina sy fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ary fanompoana azy. Mitombo ny finoantsika arakaraka ny ifikirantsika amin’Andriamanitra sy ahitantsika ny fomba ifampiraharahan’i Jehovah amin’ny vahoakany. Na dia izany aza, mba hanehoana fitiavana an’Andriamanitra, dia mila firaiketam-pon-drahalahy isika. Raha dinihina tokoa, “izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany?” (1 Jaona 4:20). Ny fontsika dia tokony hanosika antsika haneho tena firaiketam-po marina amin’ireo mpanompon’i Jehovah hafa, sy hitady izay hahasoa azy ireo amin’ny fotoana rehetra. (Jakoba 2:14-17). Nahoana anefa isika no asaina manampy fitiavana amin’ny firaiketam-pon-drahalahy ananantsika? Miharihary fa te hilaza i Petera hoe tsy maintsy maneho fitiavana amin’ny olona rehetra isika, fa tsy amin’ireo rahalahintsika ihany. Aseho indrindra io fitiavana io amin’ny fitoriana ny vaovao tsara sy amin’ny fanampiana ny olona eo amin’ny ara-panahy. — Matio 24:14, NW; 28:19, 20.
Vokany mifanohitra
10. a) Ahoana no ho fihetsitsika raha ampiana hatsaran-toetra, fahalalana, fifehezan-tena, fiaretana, fifikirana amin’Andriamanitra sy firaiketam-pon-drahalahy ary fitiavana ny finoantsika? b) Inona no mitranga raha tsy manana ireo toetra tsara ireo ny olona iray milaza tena ho Kristiana?
10 Raha manampy hatsaran-toetra, fahalalana, fifehezan-tena, fiaretana, fifikirana amin’Andriamanitra, firaiketam-pon-drahalahy ary fitiavana amin’ny finoantsika isika, dia hieritreritra sy hiteny ary hanao zavatra amin’ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra. Etsy an-danin’izany, raha tsy mampiseho ireo toetra ireo ny olona iray milaza tena ho Kristiana, dia manjary jamba ara-panahy izy. ‘Manakimpy ny masony eo anoloan’ny fahazavana’ avy amin’Andriamanitra izy ary manadino fa nodiovina tamin’ny fahotana taloha. (2 Petera 1:8-10, NW; 2:20-22). Enga anie isika tsy ho lavo amin’izany fomba izany mihitsy ka hanary amin’izany ny finoana ireo fampanantenan’Andriamanitra.
11. Inona no azontsika antenaina ara-drariny avy amin’ireo voahosotra tsy mivadika?
11 Manam-pinoana an’ireo fampanantenan’i Jehovah ny Kristiana voahosotra mahatoky, ary mikely aina izy ireo mba hahatonga ny fiantsoany sy ny fifidianany azy ireo ho azo antoka. Na inona na inona vato mahatafintohina eo amin’ny lalan’izy ireo, dia afaka manantena ny hanehoan’izy ireo toetra araka an’Andriamanitra isika. Ho an’ireo voahosotra mahatoky, dia ‘homena azy ireo malalaka ny fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay, izay an’i Jesosy Kristy’, amin’ny alalan’ny fitsanganan’izy ireo ho amin’ny fiainana ara-panahy any an-danitra. — 2 Petera 1:11.
12. Ahoana no tokony handraisantsika ireo teny ao amin’ny 2 Petera 1:12-15?
12 Takatr’i Petera fa ho faty tsy ho ela izy, ary nanantena ny hahazo fananganana ho amin’ny fiainana any an-danitra izy any aoriana any. Raha mbola velona koa anefa izy, tao “amin’ity trano-lay ity” — ny vatany amin’ny maha-olombelona — dia niezaka nanorina finoana tao amin’ireo mpiray finoana taminy izy, ary nanentana azy ireo tamin’ny fampahatsiarovana azy ny amin’ireo zavatra nilaina mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Taorian’ny fahalasanany ho amin’ny fahafatesana, dia afaka nanamafy ny finoany ireo rahalahy sy anabavin’i Petera ara-panahy, tamin’ny fitadidiana ny teniny. — 2 Petera 1:12-15.
Finoana ny teny faminaniana
13. Ahoana no nanomezan’Andriamanitra porofo manatanjaka finoana mikasika ny fiavian’i Kristy?
13 Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nanome porofo manatanjaka finoana mikasika ny maha-azo antoka ny fiavian’i Jesosy “amin-kery sy voninahitra lehibe”. (Matio 24:30; 2 Petera 1:16-18). Noho ny tsy fananana porofo, dia nanao tantara lainga momba ireo andriamaniny ny mpisorona mpanompo sampy, fa i Petera sy i Jakoba ary i Jaona kosa dia vavolombelona nanatri-maso ny voninahitr’i Kristy tamin’ilay fiovan-tarehy. (Matio 17:1-5). Nahita azy nomem-boninahitra izy ireo, ary nandre ny feon’ny tenan’Andriamanitra nanaiky an’i Jesosy ho Zanany malala. Izany fanekena izany sy ilay fisehoana namirapiratra nomena an’i Kristy tamin’izay dia fanomezana haja sy voninahitra azy. Noho io fanambaran’Andriamanitra io, dia nantsoin’i Petera hoe “tendrombohitra masina” ilay toerana, izay azo inoana fa teo amin’ny tehezany iray amin’ny tendrombohitra Hermona. — Ampitahao amin’ny Eksodosy 3:4, 5.
14. Ahoana no tokony ho fiantraikan’ny fiovan’i Jesosy tarehy eo amin’ny finoantsika?
14 Ahoana no tokony ho fiantraikan’ny fiovan’i Jesosy tarehy eo amin’ny finoantsika? Hoy i Petera: “Koa noho izany, isika dia manana ny teny faminaniana natao azo antoka kokoa; ary manao ny tsara ianareo amin’ny fandinihana izany toy ny jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizimaizina, mandra-pahazavan’ny andro sy mandra-piposaky ny fitarikandro, ao am-ponareo.” (2 Petera 1:19, NW ). “Ny teny faminaniana” dia toa nahafaoka, tsy ny faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo momba ny Mesia ihany, fa ny filazan’i Jesosy ny amin’ny fiaviany “amin-kery sy voninahitra lehibe” koa. Tamin’ny ahoana ilay teny no “natao azo antoka kokoa” tamin’ilay fiovan-tarehy? Io fisehoan-javatra io dia nanamarina ny teny faminaniana mikasika ny fiavian’i Kristy be voninahitra ao amin’ny herin’ny Fanjakana.
15. Inona no voafaoka amin’ny hoe fandinihana ilay teny faminaniana?
15 Mba hanatanjahana ny finoantsika, dia tsy maintsy mandinika ilay teny faminaniana isika. Izany dia mahatafiditra ny fianarana izany teny izany, ny firesahana izany any amin’ireo fivoriana kristiana, ary ny fampiharana ny torohevitra omeny. (Jakoba 1:22-27). Tsy maintsy mamela azy io ho tonga “jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizimaizina” isika mba hanazavany ny fontsika. (Efesiana 1:18, NW ). Amin’izay ihany izy io vao hitarika antsika mandra-pihariharin’ilay “fitarikandro”, na ilay “Kintana mamirapiratra fitarika andro”, i Jesosy Kristy ao amin’ny voninahitra. (Apokalypsy 22:16). Izany fampiharihariana izany dia hidika ho fandringanana ho an’ireo tsy manam-pinoana, ary fitahiana ho an’ireo maneho finoana. — 2 Tesaloniana 1:6-10.
16. Nahoana isika no afaka mino fa ho tanteraka avokoa ireo fampanantenana ara-paminaniana rehetra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?
16 Tsy olona nahira-tsaina nanao filazana mialoha feno fahendrena fotsiny akory ireo mpaminanin’Andriamanitra, satria hoy i Petera: “Ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” (2 Petera 1:20, 21). Niteny toy izao, ohatra, i Davida: “Ny Fanahin’i Jehovah no mampiteny ahy”. (2 Samoela 23:1, 2). Ary i Paoly dia nanoratra hoe: “Ny Soratra Masina rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra”. (2 Timoty 3:16, DIEM ). Koa satria nahazo tsindrimandry tamin’ny alalan’ny fanahiny ireo mpaminanin’Andriamanitra, dia afaka mino isika fa ho tanteraka avokoa ireo fampanantenana rehetra ao amin’ny Teniny.
Nino ny fampanantenan’Andriamanitra izy ireo
17. Fampanantenana inona no fototra ho an’ny finoan’i Abela?
17 Ny fampanantenan’i Jehovah dia fototra niorenan’ny finoan’ireo vavolombelony ‘maro be toy ny rahona’ talohan’ny andro kristiana. (Hebreo 11:1–12:1). I Abela, ohatra, dia nino ny fampanantenan’Andriamanitra mikasika “taranaka” iray izay hanorotoro ilay “menarana” eo amin’ny lohany. Nisy porofon’ny fahatanterahan’ilay fanamelohan’Andriamanitra ny ray aman-drenin’i Abela. Tany ivelan’i Edena, dia nihinana hanina tamin’ny hatsembohan’ny tavany i Adama sy ny fianakaviany satria namokatra tsilo sy hery ny tany voaozona. Azo inoana fa voamarik’i Abela ny fanirian’i Eva fatratra ny vadiny, ary hitany fa nanjakazaka taminy i Adama. Azo antoka fa niresaka ny amin’ny fanaintainan’ny fananany anaka i Eva. Ary ny fidirana tao amin’ny zaridainan’i Edena dia nambenan’ny kerobima sy ny lelafon’ny sabatra iray nihebiheby. (Genesisy 3:14-19, 24, NW ). Izany rehetra izany dia nahaforona “fampisehoana miharihary” izay nanome antoka an’i Abela fa ho avy amin’ny alalan’ilay Taranaka nampanantenaina ny famonjena. Nanao zavatra tamim-pinoana i Abela, ka nanolotra ho an’Andriamanitra, fanatitra izay hita fa mendrika kokoa noho ny an’i Kaina. — Hebreo 11:1, 4, NW.
18, 19. Tamin’ny fomba ahoana avy i Abrahama sy i Saraha no naneho finoana?
18 Nino ny fampanantenan’i Jehovah koa i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba patriarka. I Abrahama dia naneho finoana an’ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe hotahina amin’ny alalany ny fianakaviana rehetra eto an-tany, ary ny taranany dia homena tany iray. (Genesisy 12:1-9; 15:18-21). I Isaka zanany sy i Jakoba zafikeliny dia “mpiara-mandova izany teny fikasana [“fampanantenana”, NW ] izany aminy”. Noho ny finoana, i Abrahama dia ‘nivahiny tao amin’ny tany nolazain’ny teny fikasana’ ary niandry ilay “tanàna misy fanorenana”, dia ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany izy eo ambanin’ny fanapahan’io Fanjakana io. (Hebreo 11:8-10). Manam-pinoana toy izany ve ianao?
19 Sahabo ho 90 taona i Saraha vadin’i Abrahama, ary efa nandao ela ny taona fananana anaka, rehefa naneho finoana ny fampanantenan’Andriamanitra ary nomena hery “hanan-anaka” ka niteraka an’i Isaka. Araka izany, avy tamin’i Abrahama 100 taona “izay efa toy ny maty” raha ny amin’ny fananahana, “no nihavian’ny maro toy ny kintana eny amin’ny lanitra” tamin’ny farany. — Hebreo 11:11, 12; Genesisy 17:15-17; 18:11; 21:1-7.
20. Na dia tsy nahita ny fahatanterahana fenon’ny fampanantenana nomen’Andriamanitra azy aza ireo patriarka, dia inona no nataon’izy ireo?
20 Maty tsy nahita ny fahatanterahana fenon’ireo fampanantenana nomen’Andriamanitra azy ireo patriarka nahatoky. Na dia izany aza, dia “nahatazana azy [ireo zavatra nampanantenaina] eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany izy”. Taranaka maro no nandalo vao tonga fananan’ny taranak’i Abrahama ny Tany Nampanantenaina. Nandritra ny fiainany anefa ireo patriarka natahotra an’Andriamanitra dia naneho finoana ny fampanantenan’i Jehovah. Noho ny tsy nanariany mihitsy ny finoany, tsy ho ela izy ireo dia hatsangana ho amin’ny fiainana, eo amin’ny faritra eto an-tanin’ilay “tanàna”, ilay Fanjakana Mesianika, izay efa nomanin’Andriamanitra ho azy ireo. (Hebreo 11:13-16). Amin’ny fomba mitovy amin’izany, ny finoana dia afaka mitana antsika tsy hivadika amin’i Jehovah na dia tsy mahita ny fahatanterahan’ireo fampanantenany mahatalanjona rehetra avy hatrany aza isika. Hanosika antsika hankato an’Andriamanitra koa ny finoantsika, toy ny nataon’i Abrahama. Ary toy ny namindrany lova ara-panahy tamin’ny taranany, dia afaka manampy ny zanatsika koa isika mba haneho finoana ny fampanantenana sarobidy nomen’i Jehovah. — Hebreo 11:17-21.
Finoana iankinan’ny aina ho an’ny Kristiana
21. Mba ho azon’Andriamanitra ekena amin’izao andro izao, dia inona no tsy maintsy tafiditra amin’ny fanehoantsika finoana?
21 Mazava ho azy fa misy zavatra bebe kokoa noho ny fatokiana ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah amin’ny finoana. Nandritra ny tantaran’ny olombelona, dia nilaina ny naneho finoana an’Andriamanitra tamin’ny fomba isan-karazany raha ta hahazo sitraka aminy isika. Nanazava i Paoly fa “raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy [Jehovah Andriamanitra]; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy”. (Hebreo 11:6). Mba ho azon’i Jehovah ekena amin’izao andro izao, ny olona iray dia tsy maintsy maneho finoana an’i Jesosy Kristy sy ny sorom-panavotana izay nomen’Andriamanitra tamin’ny alalany. (Romana 5:8; Galatiana 2:15, 16). Izany dia araka ilay nolazain’i Jesosy mihitsy hoe: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao[n’olombelona]: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.” — Jaona 3:16, 36.
22. Hahatonga ny fahatanterahan’ny fampanantenana inona ny Fanjakana Mesianika?
22 I Jesosy dia manana anjara asa lehibe eo amin’ny fanatanterahana ny fampanantenan’Andriamanitra momba ilay Fanjakana izay angatahin’ny Kristiana amin’ny vavaka. (Isaia 9:5, 6; Daniela 7:13, 14; Matio 6:9, 10). Araka ny nasehon’i Petera, ny fiovan-tarehy dia nanamarina ilay teny faminaniana momba ny fiavian’i Jesosy ao amin’ny hery sy ny voninahitr’ilay Fanjakana. Ilay Fanjakana Mesianika dia hahatonga fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra hafa iray, satria nanoratra toy izao i Petera: “Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13). Nisy faminaniana mitovy amin’izany tanteraka fony tafaverina indray tany amin’ny taniny ny Jiosy babo tany Babylona tamin’ny 537 al.f.i., teo ambanin’ny fitondran’i Zerobabela governora sy i Josoa mpisoronabe. (Isaia 65:17). Nanondro fotoana amin’ny hoavy anefa i Petera, rehefa hanapaka ny “lanitra vaovao” — ny Fanjakana Mesianika any an-danitra — eo amin’ny “tany vaovao”, dia ny fitambaran’olona marina miaina eto amin’ity bolantany ity. — Ampitahao amin’ny Salamo 96:1.
23. Fanontaniana inona avy momba ny hatsaran-toetra no hodinihintsika amin’ny manaraka?
23 Noho isika mpanompo tsy mivadika amin’i Jehovah sy mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, Zanany malala, dia maniry mafy ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra isika. Fantatsika fa akaiky izy io, ary mino isika fa ho tanteraka avokoa ireo fampanantenan’i Jehovah sarobidy rehetra. Mba handehanana amin’ny fomba azo ekena eo anatrehan’Andriamanitsika, dia tsy maintsy manatanjaka ny finoantsika isika amin’ny fanampiana azy io amin’ny hatsaran-toetra, fahalalana, fifehezan-tena, fiaretana, fifikirana amin’Andriamanitra, firaiketam-pon-drahalahy, ary fitiavana.a Eto, dia azo atao ny manontany hoe: Ahoana no ahafahantsika mampiseho hatsaran-toetra? Ary amin’ny ahoana ny hatsaran-toetrantsika no mitondra soa ho antsika sy ho an’ny hafa, indrindra fa ireo namantsika kristiana izay namaly ny fampanantenan’Andriamanitra tamin’ny fanehoana finoana?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Dinihina ato amin’ity nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana ity ny finoana sy ny hatsaran-toetra. Hodinihina feno kokoa ao amin’ireo nomerao ho avy ny fahalalana, ny fifehezan-tena, ny fiaretana, ny fifikirana amin’Andriamanitra sy ny firaiketam-pon-drahalahy ary ny fitiavana.
Inona no Havalinao?
◻ Ahoana no azo amaritana ny atao hoe “finoana”?
◻ Araka ny 2 Petera 1:5-7 (NW ), dia tokony hampiana toetra tsara inona avy ny finoantsika?
◻ Vokany inona no tokony hoentin’ny fiovan’i Jesosy tarehy eo amin’ny finoantsika?
◻ Oha-pinoana inona avy no nomen’i Abela, i Abrahama sy i Saraha ary ny hafa taloha?
[Sary, pejy 15]
Fantatrao ve hoe amin’ny ahoana ny fiovan’i Jesosy tarehy no mety hisy fiantraikany eo amin’ny finoan’ny olona iray?