Mitandrema Amin’ny ‘Feon’olon-tsy Fantatra’
“Tsy hanaraka olona tsy fantany mihitsy ireo, fa handositra azy kosa, satria tsy fantany ny feony.”—JAONA 10:5.
1, 2. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Maria rehefa niantso azy i Jesosy, ary inona ilay tenin’i Jesosy hamarinin’io zava-nitranga io? b) Inona no manampy antsika hanaraka tsara hatrany ny dian’i Jesosy?
NANDINIKA vehivavy iray nijoro teo akaikin’ilay fasana tsy nisy na inona na inona i Jesosy, izay nitsangana tamin’ny maty. Fantany tsara io vehivavy io. Maria Magdalena no anarany. Namoaka demonia taminy i Jesosy, roa taona teo ho eo talohan’izay. Nanaraka azy sy ny apostoliny foana i Maria nanomboka hatreo, ka nikarakara izay nilain’izy ireo isan’andro. (Lioka 8:1-3) Nitomany sy nalahelo mafy anefa i Maria tamin’io fotoana io, satria hitany ny nahafatesan’i Jesosy, ary na ny fatiny aza nanjavona! Nanontany azy àry i Jesosy hoe: “Nahoana no mitomany ianao, ravehivavy? Fa iza no tadiavinao?” Noheverin’i Maria fa ny mpanao zaridaina izy, ka novaliany hoe: “Mba lazao amiko, tompoko, izay nametrahanao azy hakako azy, raha ianao no naka azy.” Hoy i Jesosy avy eo: “Maria!” Tsaroan’i Maria avy hatrany izany fomba fiantson’i Jesosy azy izany, ka faly erỳ izy namaly hoe: “Mpampianatra!”, sady namihina azy.—Jaona 20:11-18.
2 Manamarina ny tenin’i Jesosy tany aloha kokoa io tantara mampihetsi-po io. Nohariny tamin’ny mpiandry ondry ny tenany, ary toy ny ondry ny mpanara-dia azy. Nilaza izy tamin’izay fa miantso ny ondriny amin’ny anarany avy ny mpiandry, ary mahafantatra ny feony izy ireo. (Jaona 10:3, 4, 14, 27, 28) Nahafantatra an’i Kristy Mpiandry azy tokoa i Maria, toy ny ondry mahalala ny feon’ny mpiandry azy. Sahala amin’izany koa ny mpanara-dia an’i Jesosy ankehitriny. (Jaona 10:16) Mahay manavaka ny feon’olona samihafa ny ondry, ka izany no manampy azy hijanona eo akaikin’ny mpiandry azy foana. Tahaka izany koa fa mahay manavaka ny fahamarinana ara-baiboly isika, ka izany no manampy antsika hanaraka tsara hatrany ny dian’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry Tena Tsara.—Jaona 13:15; 1 Jaona 2:6; 5:20.
3. Inona no fanontaniana sasany aterak’ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay valan’ondry?
3 Hitantsika ao amin’io fanoharana io koa anefa fa noho ny ondry mahay mamantatra feon’olona, dia fantany hoe iza no namany, ary iza no fahavalony. Zava-dehibe izany, satria misy mpanohitra mamitaka antsika. Iza izy ireo? Ahoana no fomba fiasany? Ahoana no iarovantsika tena? Mba hahitana ny valin’izany, dia hojerentsika ny zavatra hafa nolazain’i Jesosy, tao amin’ilay fanoharana momba ilay valan’ondry.
‘Tsy miditra eo amin’ny vavahady izy’
4. Iza no arahin’ny ondry ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy, ary iza no tsy arahiny?
4 Hoy i Jesosy: “Izay miditra eo amin’ny vavahady kosa no mpiandry ondry. Izy no vohan’ny mpiandry vavahady, ary ny ondry mihaino ny feony. Dia antsoiny amin’ny anarany avy ny ondriny, ka tarihiny hivoaka. Koa rehefa tafavoakany avokoa ny ondriny rehetra, dia mandeha eo alohan’ireo izy, ary ny ondry manaraka azy, satria fantatr’ireo ny feony. Tsy hanaraka olona tsy fantany mihitsy ireo, fa handositra azy kosa, satria tsy fantany ny feony.” (Jaona 10:2-5) Mariho fa intelo i Jesosy no nampiasa ilay teny hoe ‘feo.’ Feon’ny mpiandry ondry ny roa voalohany, ary ‘feon’olon-tsy fantatra’ ilay fahatelo. Inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe olon-tsy fantatra?
5. Nahoana isika no tsy mandray ilay olon-tsy fantatra resahina ao amin’ny Jaona toko faha-10?
5 Tsy ireo vahiny tokony horaisintsika tsara no nolazain’i Jesosy hoe olon-tsy fantatra, tao amin’ilay fanoharany. (Hebreo 13:2) Tsy vahiny nasaina ilay izy, satria ‘tsy miditra eo amin’ny vavahadin’ny valan’ondry, fa mananika any an-toeran-kafa. Mpangalatra sy mpandroba’ kosa izy io. (Jaona 10:1) Iza àry no lazain’ny Tenin’Andriamanitra fa lasa mpangalatra sy mpandroba voalohany? Tsy iza fa i Satana Devoly. Mahita porofon’izany isika ao amin’ny Genesisy.
Oviana no nandrenesana voalohany ny feon’olon-tsy fantatra?
6, 7. Nahoana no mety ny hampitoviana an’i Satana amin’ny olon-tsy fantatra sy mpangalatra?
6 Tantarain’ny Genesisy 3:1-5 ny nandrenesana voalohany ny feon’olon-tsy fantatra tetỳ an-tany. Voalaza ao fa nampiasa bibilava i Satana mba hiresahana tamin’i Eva, ilay vehivavy voalohany, ka namitaka azy. Marina fa tsy antsoina hoe ‘olon-tsy fantatra’ i Satana ao amin’io fitantarana io. Kanefa, hita amin’ny zavatra nataony fa maro ny lafiny mampitovy azy amin’ilay olon-tsy fantatra ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy, ao amin’ny Jaona toko faha-10. Diniho ny sasantsasany amin’ireo fitoviana ireo.
7 Nilaza i Jesosy fa mijoko ny rembiny ao amin’ilay vala ilay olon-tsy fantatra. Tsy nanatona nivantana an’i Eva koa i Satana, fa nampiasa bibilava. Miharihary amin’izany hafetseny izany, fa mpamitaka toy ilay olon-tsy fantatra tokoa izy. Ankoatra izany, dia mitady haka an-keriny an’ireo ondry ilay olon-tsy fantatra. Mbola ratsy noho ny mpangalatra aza izy, satria ny ‘hamono sy handringana’ no kendreny. (Jaona 10:10) Mpangalatra i Satana, satria nataony izay hahatonga an’i Eva hivadika amin’ilay tena tompony, dia Andriamanitra. Mpamono olona koa izy, satria ny nataony no nahatonga ny olon-drehetra ho faty.
8. Ahoana no nanovan’i Satana ny tenin’i Jehovah sy nanendrikendrehany azy ho ratsy fanahy?
8 Hita fa mpamitaka i Satana, satria nanova ny tenin’i Jehovah, sady nilaza fa antony ratsy no nahatonga azy hanome didy ny mpivady voalohany. Nanontany an’i Eva mantsy izy hoe: “Hay va re Andriamanitra nanao hoe: Aza mihinana amin’ny hazo rehetra?” Mody gaga i Satana tamin’izay, ka toy ny niteny hoe: ‘Fa nahoana Andriamanitra no hentitra be toy izany?’ Nilaza koa izy hoe: “Fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo amin’izany, dia hisokatra ny masonareo.” Mariho ilay teniny hoe: “Fantatr’Andriamanitra.” Toa te hilaza izy hoe: ‘Fantatro ange izay fantatr’Andriamanitra e! Ary fantatro fa antony ratsy no mahatonga azy hanome anareo an’io didy io.’ (Genesisy 2:16, 17; 3:2, 5, Fandikan-teny Katolika) Mampalahelo fa tsy nanda tsy hihaino ny feon’io olon-tsy fantatra io i Eva sy Adama. Nanaraka ny teniny kosa izy ireo, ka nitondra loza ho an’ny tenany sy ny taranany.—Romanina 5:12, 14.
9. Nahoana isika no tokony hanampo handre feon’olon-tsy fantatra ankehitriny?
9 Sahala amin’izany ihany no fomba amitahan’i Satana ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. (Apokalypsy 12:9) “Rain’ny lainga” izy, ary zanany izay manahaka azy, ka mitady hamitaka ny mpanompon’Andriamanitra. (Jaona 8:44) Andeha hojerentsika ny fomba sasany andrenesana ny feon’ireny olon-tsy fantatra ireny amin’izao andro izao.
Ahoana no andrenesana ny feon’olon-tsy fantatra ankehitriny?
10. Ahoana no fomba iray andrenesana ny feon’olon-tsy fantatra?
10 Hevitra mamitaka. Hoy ny apostoly Paoly: “Aza mety ho voataonan’ny fampianarana maro samihafa sy ny fampianarana hafahafa.” (Hebreo 13:9) Inona izany fampianarana izany? Koa satria ‘mety hahataona antsika’ ilay izy, dia midika izany fa fampianarana mampiala antsika tsikelikely amin’ny fahamarinana no tian’i Paoly holazaina. Avy amin’iza izany fampianarana hafahafa izany? Hoy i Paoly tamin’ny anti-panahy kristianina maromaro: “Avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asan’ny Apostoly 20:30) Mitady hamitaka ny ondry, toy ny tamin’ny andron’i Paoly, ny olona sasany tsy anisan’ny fiangonana kristianina intsony ankehitriny. “Manolana hevi-teny” izy ireo, izany hoe milaza zavatra tsy tena marina na mandainga tsotra izao. Manao “teny mamitaka” izy ireo, hoy ny apostoly Petera, izany hoe milaza zavatra mitovitovy amin’ny fahamarinana, saingy tsy misy dikany toy ny vola sandoka.—2 Petera 2:3.
11. Ahoana no fomba fiasan’ny mpivadi-pinoana ary inona no tanjony, araka ny 2 Petera 2:1, 3?
11 Mbola manala sarona ny fomba fiasan’ny mpivadi-pinoana ihany i Petera, rehefa nilaza fa “hampiditra mangingina sekta manimba” izy ireo. (2 Petera 2:1, 3) Manatona antsika an-tsokosoko izy ireo, toy ilay mpangalatra izay tsy miditra “eo amin’ny vavahadin’ny valan’ondry, fa mananika any an-toeran-kafa.” (Galatianina 2:4; Joda 4) Inona no tanjon’ireny mpivadi-pinoana ireny? Hoy koa i Petera: ‘Hanararaotra anareo izy ireny.’ Ny “hangalatra sy hamono ary handringana” àry no tanjon’ny mpivadi-pinoana, na dia mety handa mafy izany aza izy ireo. (Jaona 10:10) Koa mitandrema amin’ireny olon-tsy fantatra ireny!
12. a) Ahoana no mety handrenesantsika feon’olon-tsy fantatra avy amin’olona ifaneraserantsika? b) Inona no itovian’ny tetik’i Satana sy ny an’ny olon-tsy fantatra amin’izao andro izao?
12 Naman-dratsy. Mety ho avy amin’ny olona ifaneraserantsika no andrenesantsika ny feon’olon-tsy fantatra. Ny tanora indrindra indrindra no mety hidiran-doza, raha miaraka amin’ny naman-dratsy. (1 Korintianina 15:33) Tadidio fa i Eva no nataon’i Satana lasibatra, satria izy no tanora kokoa sy tsy nahalala zavatra loatra tamin’izy mivady. Noreseny lahatra i Eva hoe maneritery loatra ny fiainany i Jehovah, nefa mifanohitra amin’izany no marina. Tian’i Jehovah mantsy ny olombelona noforoniny, ary niahy izay hahasoa azy ireo izy. (Isaia 48:17) Ankehitriny koa ry tanora, dia misy olon-tsy fantatra mitady handresy lahatra anareo hoe maneritery loatra ny fiainanareo ny ray aman-dreninareo kristianina. Inona no mety ho vokatr’izany eo aminareo? Niaiky ny tovovavy kristianina iray hoe: “Nisy fotoana nahatsapako fa nampihena ny finoako ny mpiara-mianatra tamiko. Nilaza foana mantsy ry zareo hoe maneritery loatra ny fivavahako, sady hentitra be.” Tia anareo anefa ny ray aman-dreninareo, raha ny marina. Aza manaiky ho voafitaka tahaka an’i Eva àry, rehefa mitady handresy lahatra anareo ny mpiara-mianatra aminareo hoe aza matoky ny ray aman-dreninareo.
13. Ahoana no nanehoan’i Davida fahendrena, ary ahoana no azontsika anahafana azy?
13 Izao no nambaran’i Davida mpanao salamo, momba ny naman-dratsy: “Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ny olom-petsy.” (Salamo 26:4) Voamarikao eo indray ve ilay toetra mampiavaka ny olon-tsy fantatra? Fetsy izy, ka manafina ny maha izy azy, toa an’i Satana izay nampiasa bibilava, mba hanafenana ny maha izy azy. Manafina ny maha izy azy sy ny tena zava-kendreny koa ny olona sasany maloto fitondran-tena, rehefa mifandray amin’ny hafa amin’ny alalan’ny Internet. Mety hilaza mihitsy aza izy hoe mbola tanora, na dia efa lehibe aza, satria te hamandrika anao. Koa mitandrema fatratra re ry tanora, sao hidiran-doza.—Salamo 119:101; Ohabolana 22:3.
14. Ahoana no ampielezan’ny fampitam-baovao ny feon’olon-tsy fantatra indraindray?
14 Fiampangana lainga. Marina ny zavatra sasany lazain’ny fampitam-baovao momba ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa manaiky hampiely hevi-diso avy amin’ny olon-tsy fantatra ihany izy ireny indraindray. Nivoaka tamin’ny vaovao tany amin’ny tany iray, ohatra, fa nanohana ny fitondran’i Hitler ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny Ady Lehibe II, nefa tsy marina izany. Nendrikendrehina ho nanimba ny fiangonan’ny fivavahana hafa koa izy ireo tany an-tany hafa. Ary any amin’ny tany maromaro, dia miampanga ny Vavolombelona ny fampitam-baovao hoe tsy mety mitsabo ny zanany izy ireo, sady mody tsy mahita ny fahotana lehibe ataon’ny mpiara-mivavaka aminy. (Matio 10:22) Na izany aza anefa, dia eken’ny olona tso-po mahafantatra antsika, fa tsy marina ireny fiampangana ireny.
15. Nahoana no tsy fahendrena ny mino izay rehetra lazain’ny fampitam-baovao?
15 Inona no tokony hataontsika, raha mandre feon’olon-tsy fantatra manendrikendrika antsika isika? Tokony hanaraka izao torohevitra ao amin’ny Ohabolana 14:15 izao isika: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” Tsy fahendrena ny mino izay rehetra lazaina fa marina ao amin’ny fampitam-baovao. Tsy mandà izay rehetra lazainy isika, nefa manaiky fa ‘izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’—1 Jaona 5:19.
‘Fantaro raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra’ ilay feo
16. a) Ahoana no ataon’ny ondry, ka manamarina ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 10:4? b) Inona no ampirisihan’ny Baiboly hataontsika?
16 Ahoana anefa no anavahana ny namana amin’ny fahavalo? Nilaza i Jesosy fa manaraka ny mpiandry azy ny ondry, “satria fantatr’ireo ny feony.” (Jaona 10:4) Tsy ny bika aman’endrik’ilay mpiandry no mahatonga ny ondry hanaraka azy, fa ny feony. Tantaraina ao amin’ny boky iray momba an’i Palestina, fa nisy vahiny nilaza indray mandeha hoe ny akanjon’ny mpiandry ondry no amantaran’ny ondry azy, fa tsy ny feony. Namaly azy anefa ny mpiandry ondry iray fa ny feo mihitsy no fantatry ny ondry. Mba hanaporofoana izany, dia nifanakalo akanjo izy sy ilay vahiny. Niantso ireo ondry ilay vahiny avy eo, nefa tsy nihetsika izy ireo, satria tsy fantany ny feony. Rehefa niantso kosa ilay mpiandry ondry, dia nanatona azy avy hatrany ny ondriny, na dia akanjo hafa aza no nanaovany. Midika izany fa fantatry ny ondry hoe tsy mpiandry ondry ny olona iray, na dia mety hitovitovy aminy aza. Miezaka mamantatra ny feon’ilay miantso azy mantsy izy ireo, ka mampitaha izany amin’ny feon’ilay mpiandry ondry. Izany koa no asain’ny Tenin’Andriamanitra ataontsika, rehefa milaza izy hoe: “Fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia.” (1 Jaona 4:1; 2 Timoty 1:13) Inona no hanampy antsika hanao izany?
17. a) Ahoana no ahafantarantsika tsara ny feon’i Jehovah? b) Manampy antsika hanao inona ny fahalalana an’i Jehovah?
17 Ho haintsika kokoa àry ny hamantatra ny feon’olon-tsy fantatra, raha fantatsika tsara kokoa ny feon’i Jehovah, na ny hafany. Atoron’ny Baiboly antsika ny fomba ahazoana izany fahalalana izany. Hoy izy io: “Ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21) Avy amin’ny Tenin’Andriamanitra io “teny” ao ivohontsika io. Toy ny mandre ny feon’i Jehovah, ilay Mpiandry Lehibe, isika isaky ny mamaky ny Teniny. (Salamo 23:1) Arakaraka ny ianarantsika Baiboly àry no ahafantarantsika tsara kokoa ny feon’Andriamanitra. Izany fahalalana izany no hanampy antsika hamantatra avy hatrany ny feon’olon-tsy fantatra.—Galatianina 1:8.
18. a) Inona no dikan’ny hoe mahafantatra ny feon’i Jehovah? b) Nahoana isika no tokony hankatò ny feon’i Jesosy, araka ny Matio 17:5?
18 Midika ho inona koa ny hoe mahafantatra ny feon’i Jehovah? Midika hoe mankatò, fa tsy mandre fotsiny. Jereo indray ny Isaia 30:21. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ity no làlana.” Mandre ny toromarik’i Jehovah tokoa isika rehefa mianatra Baiboly. Mandidy koa izy hoe: ‘Io no andehano.’ Midika izany fa tian’i Jehovah ny hampiharantsika izay rentsika. Ary rehefa manao izany isika, dia mampiseho fa tsy nandre ny feony fotsiny, fa nihaino azy io mihitsy. (Deoteronomia 28:1) Midika hoe mankatò ny feon’i Jesosy koa ny hoe mankatò ny feon’i Jehovah, satria i Jehovah mihitsy no manasa antsika hanao izany. (Matio 17:5) Manasa antsika hanao inona i Jesosy, ilay Mpiandry Tena Tsara? Mandidy antsika hanao mpianatra sy hatoky ny “mpanompo mahatoky sy malina” izy. (Matio 24:45; 28:18-20) Hahazo ny fiainana mandrakizay isika, raha mankatò ny feony.—Asan’ny Apostoly 3:23.
‘Handositra azy izy ireo’
19. Inona no tokony hataontsika, raha mandre feon’olon-tsy fantatra isika?
19 Inona àry no tokony hataontsika, raha mandre feon’olon-tsy fantatra isika? Mila manahaka ny ataon’ny ondry isika. Hoy i Jesosy: “Tsy hanaraka olona tsy fantany mihitsy ireo, fa handositra azy.” (Jaona 10:5) Zavatra roa no mila ataontsika. Voalohany, tapa-kevitra isika fa ‘tsy hanaraka olon-tsy fantatra mihitsy.’ Milaza fandavana faran’izay mafy mantsy ilay teny grika nadika hoe “mihitsy” eto. (Matio 24:35; Hebreo 13:5) Faharoa, “handositra azy” isika. Izany ihany no tsara hatao, rehefa misy mampianatra zavatra mifanohitra amin’ny feon’ilay Mpiandry Tena Tsara.
20. Ahoana no tokony ho fihetsitsika manoloana a) ny mpivadi-pinoana mamitaka, b) ny naman-dratsy, ary d) ny hevi-diso aelin’ny fampitam-baovao?
20 Izao àry no lazain’ny Tenin’Andriamanitra fa tokony hataontsika, rehefa mitady hampita ny heviny amintsika ny mpivadi-pinoana: ‘Araho maso ireo mahatonga fisaratsarahana sy mampisy toe-javatra manafintohina, fa mifanohitra amin’ny fampianarana efa noraisinareo izany. Halaviro ireny.’ (Romanina 16:17; Titosy 3:10) Hanaraka ny torohevitra nomen’i Paoly an’ilay tovolahy atao hoe Timoty koa ny tanora kristianina. Hoy izy: “Andosiro ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora.” Ary hitadidy izao torohevitra hafa nomen’i Paoly an’i Timoty izao isika, rehefa mandre fiampangana lainga ao amin’ny fampitam-baovao: ‘Hivily ho amin’ny tantara tsy marina [ireo mihaino feon’olon-tsy fantatra]. Fa ianao kosa, aoka ianao ho mailo foana amin’ny zava-drehetra.’ (2 Timoty 2:22; 4:3-5) Na dia toa mahafinaritra be aza ny feon’ireny olon-tsy fantatra ireny, dia andosirantsika izay rehetra mety hampiala antsika amin’ny finoantsika.—Salamo 26:5; Ohabolana 7:5, 21; Apokalypsy 18:2, 4.
21. Inona no valisoa miandry izay mandà tsy hihaino feon’olon-tsy fantatra?
21 Manaraka ny tenin’ilay Mpiandry Tena Tsara ao amin’ny Lioka 12:32 ny Kristianina voahosotry ny fanahy, rehefa mandà tsy hihaino ny feon’olon-tsy fantatra. Hoy i Jesosy ao amin’io andininy io: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” Tsy andrin’ny “ondry hafa” koa ny hahare an’i Jesosy hilaza hoe: “Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay nomanina ho anareo hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.” (Jaona 10:16; Matio 25:34) Valisoa lehibe tokoa no miandry antsika, raha mandà tsy hihaino ‘feon’olon-tsy fantatra’ isika!
Tadidinao Ve?
• Nahoana i Satana no mitovy amin’ilay olon-tsy fantatra ao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay valan’ondry?
• Ahoana no andrenesana ny feon’olon-tsy fantatra ankehitriny?
• Ahoana no amantarantsika ny feon’olon-tsy fantatra?
• Inona no tokony hataontsika rehefa mandre feon’olon-tsy fantatra isika?
[Sary, pejy 15]
Nahafantatra an’i Kristy i Maria
[Sary, pejy 16]
Tsy manatona mivantana ny ondry ny olon-tsy fantatra
[Sary, pejy 18]
Inona no ataontsika rehefa mandre feon’olon-tsy fantatra isika?