FANANTENANA
Ireto avy no mety ho dikany: Fananana toky sy zavatra azo ianteherana; faniriana zavatra iray sady fiandrasana mafy azy io na finoana fa mety ho azo izy io; olona iray iankinan’ny zavatra antenaina; izay mahatonga fanantenana na izay mampanantena; ilay zavatra antenaina mihitsy koa. Matetika no midika hoe ‘miandry’ mafy an’izay andrandraina ny matoanteny fototeny hebreo hoe kavah, izay niavian’ireo teny nadika hoe “fanantenana.” (Ge 49:18) Midika hoe “miandrandra zavatra tsara” ilay teny grika hoe elpisʹ (fanantenana) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.
Tsy misy ny tena fanantenana raha tsy eo Andriamanitra. Ambony lavitra noho ny faniriana ilay tena fanantenana resahin’ny Baiboly, satria ny faniriana mety tsy ho marim-pototra. Tsara kokoa noho ny fiandrandrana zavatra fotsiny koa izy io, satria mety tsy ho zavatra tsara no andrandraina. Asehon’ny Baiboly fa tsy manana fanantenana tena marim-pototra ny ankamaroan’ny olona eto amin’ity tontolo ity. Tsy maintsy ho faty ny olombelona ka raha tsy mahalala ny zavatra efa nomanin’Andriamanitra izy dia tsy misy antenaina ny hoaviny. Nilaza i Solomona fa tsy misy dikany ny fiainan’ny olombelona raha tsy misy an’Andriamanitra. Hoy izy: “Tena zava-poana! ... Zava-poana ny zava-drehetra.”—Mpto 12:8; 9:2, 3.
Nilaza i Joba fa misy fanantenana na ho an’ny hazo aza, satria mbola mety hitsimoka izy io, fa ny olona kosa tsy ho hita intsony rehefa maty. Nanantena sady naniry ny hotsarovan’Andriamanitra anefa io loham-pianakaviana tsy nivadika io. Ny tiany holazaina àry dia hoe tsy misy fanantenana ho an’ny olombelona raha tsy eo ny fanampian’Andriamanitra. (Jb 14:7-15) Nilaza tamin’ny Kristianina koa ny apostoly Paoly mba ‘tsy halahelo tahaka ny hafa izay tsy manana fanantenana’, satria eo ny fanantenana fa mbola hatsangana ny maty. (1Te 4:13) Hoy i Paoly tamin’ireo Kristianina hafa firenena: “Tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra ianareo, teo amin’izao tontolo izao.” (Ef 2:12) Nilaza izany izy satria tafasaraka tamin’ilay firenena nifandray tamin’Andriamanitra izy ireo taloha, fony izy ireo mbola tsy nahalala ny zavatra nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy.
Misy kosa tsy mba manantena an’Andriamanitra sy tsy manantena fa hatsangana ny maty. Mitovitovy toe-tsaina amin’izy ireo ny olona tsy nankatò tao Jerosalema izay tsy nibebaka na nalahelo rehefa nomelohin’Andriamanitra horavana ilay tanàna, fa vao mainka aza nanaram-po tamin’ny fahafinaretana. Hoy izy ireo: “Andao hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (Is 22:13) Nampitandrina an’ireo Kristianina àry i Paoly sao hifindran’ny toe-tsain’ny olona tsy manana fanantenana toy izany izy ireo.—1Ko 15:32, 33.
Fanantenana sandoka. Niaiky i Paoly fa mety hanana fanantenana marim-pototra sy mendri-kaja ihany ny olona eto amin’ity tontolo ity. Nasehony anefa fa tsy misy dikany ny fanantenana, ary ho zava-poana ihany izany amin’ny farany, raha tsy eo Andriamanitra.
Misy zavatra antenain’ny olona eo amin’ny fiainana andavanandro, ary mety ho zavatra madinidinika na mahazatra na ara-dalàna izy ireny. Misy koa anefa zavatra ratsy antenain’ny olona, ary fanirian-dratsy no mahatonga azy hanantena izany. Toa tanteraka ireny fanantenana ireny, nefa mandalo ihany izany raha ny marina, satria hoy ny ohabolana: “Mitondra fifaliana ny fanantenan’ny marina, fa ho foana kosa ny fanantenan’ny ratsy fanahy.” (Oh 10:28) Izao koa no voalaza: “Foana ny fanantenan’ny ratsy fanahy rehefa maty izy, ary ho foana koa ny fanantenan’izay miantehitra amin’ny herin’olombelona.” (Oh 11:7) Tsy maintsy ho diso fanantenana àry izay tia tena ka tsy mieritreritra afa-tsy ny hahazo zavatra fotsiny, na ireo mametraka ny fanantenany amin’ny harena, fahefana, fampanantenan’olombelona, lainga, na asa ratsy.
Loharanon’ny fanantenana. I Jehovah Andriamanitra no Loharanon’ny tena fanantenana, ary mahavita manatanteraka ny fampanantenany rehetra sy ny fanantenan’ireo mitoky aminy izy. Nanome ‘fampiononana sy fanantenana tsara’ ho an’ny olombelona izy noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. (2Te 2:16) Efa hatramin’ny ela ny olo-marina no nanantena an’Andriamanitra. Nantsoina hoe “fanantenan’ny Israely” sy ‘fanantenan’ny razan’izy ireo’, ohatra, i Jehovah (Je 14:8; 17:13; 50:7), ary imbetsaka ny Soratra Hebreo no miresaka momba ny fanantenana, na fatokisana azy. Naneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’ny vahoakany i Jehovah na dia efa hatao sesitany noho ny tsy fankatoavana aza izy ireo. Hoy mantsy izy tamin’izy ireo: “Fantatro tsara ny zavatra efa noeritreretiko hatao aminareo ... Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza, mba hahatonga anareo hanana ny hoavinareo sy hanana fanantenana.” (Je 29:11) Namelombelona ny finoana sy ny fanantenan’ireo Israelita tsy nivadika, nandritra ny sesitany tany Babylona, ny fampanantenan’i Jehovah. Tena nanatanjaka olona maro toa an-dry Ezekiela sy Daniela izany, satria hoy i Jehovah: “Misy fanantenana ny hoavinao ... ka hiverina tokoa ao amin’ny faritra nisy azy ny zanakao.” (Je 31:17) Tanteraka izany fanantenana izany tamin’ny 537 T.K., rehefa nody tany amin’ny taniny ireo Jiosy tsy nivadika, mba hanorina indray an’i Jerosalema sy ny tempoliny.—Ezr 1:1-6.
Tsy ratsy ny manantena valisoa. Tsy tia tena ny mpanompon’Andriamanitra raha manantena valisoa. Raha tena mahalala an’Andriamanitra mantsy ny olona iray, dia fantany fa toetra tena mampiavaka an’Andriamanitra ny hatsaram-panahy feno fitiavana sy ny fahalalahan-tanana. Tsy ampy ny mino hoe misy Andriamanitra, fa tsy maintsy inoana koa hoe “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy” izy. (He 11:6) Manampy ny Kristianina hahay handanjalanja sy hanompo an’i Jehovah foana ny fanantenana, satria matoky izy ireo fa hanome izay ilain’izy ireo isan’andro izy. Niresaka momba izany ny apostoly Paoly, rehefa nampiasa ny toro lalana avy amin’izao lalàna ao amin’ny Deoteronomia 25:4 izao: “Aza asiana fehivava ny omby miasa eny am-pamoloana.” Hoy izy avy eo: “Tena noho isika no nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ny fanantenana ny hahazo vokatra, ary izay miasa eny am-pamoloana dia tokony hanao izany amin’ny fanantenana ny hahazo ny anjarany.”—1Ko 9:9, 10.
Tena ilaina mba hananana finoana. Tena ilaina koa ny fanantenana mba hananana finoana. Izy io no fototra iorenan’ny finoana. (He 11:1) Ny finoana kosa mahatonga ny fanantenana ho velombelona sy hihamafy. Niresaka momba an’i Abrahama ny apostoly Paoly mba hampaherezana ny Kristianina. Raha araka ny fomba fijerin’olombelona, dia toa tsy nisy azo nantenaina intsony ny hiterahan’i Abrahama sy Saraha. Izao anefa no voalaza: “Nanantena i Abrahama, na dia toa tsy nisy azony nantenaina intsony aza, ka nino fa mety ho tonga rain’ny firenena maro izy, araka izay voalaza hoe: ‘Ho tahaka izany ny taranakao.’” Fantatr’i Abrahama fa “toy ny efa maty” ny vatany sy ny an’i Saraha, ka tsy afaka miteraka intsony. Tsy nihena anefa ny finoany. Nahoana? Satria “efa nampanantena ... Andriamanitra, ka tsy nisalasala noho ny tsy finoana i Abrahama, fa nanjary nahazo hery kosa noho ny finoany.”—Ro 4:18-20.
Nilaza i Paoly fa nanam-pinoana sy fanantenana i Abrahama, ka mendrika ny hotahafin’ny Kristianina. Hoy izy: “Aoka àry isika hifaly noho ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra. ... ary ny fanantenana tsy mba mitondra fahadisoam-panantenana, satria ny fitiavan’Andriamanitra efa naidina ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny fanahy masina, izay nomena antsika.”—Ro 5:2, 5.
Fanantenan’ny Kristianina. Miankina amin’i Jesosy Kristy ny fanantenan’ny Kristianina sy ny an’ny olombelona rehetra. Tsy mbola afaka nanantena fiainana mandrakizay any an-danitra na eto an-tany ny olombelona, raha tsy rehefa tonga i Kristy Jesosy “nanambara mazava tamin’ny alalan’ny vaovao tsara, ny momba ny fiainana sy ny tsy fetezan-ko lo.” (2Ti 1:10) Nilazana ireo rahalahin’i Kristy nateraky ny fanahy fa manana fanantenana ny ho any an-danitra izy ireo noho ny famindram-pon’Andriamanitra, satria “naterany indray ho amin’ny fanantenana velona [izy ireo], tamin’ny nananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.” (1Pe 1:3, 4; Kl 1:5, 27; Tit 1:1, 2; 3:6, 7) Ho tanteraka io fanantenana mahafaly io “rehefa haharihary i Jesosy Kristy.” (1Pe 1:13, 21; Tit 2:13) Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “fanantenantsika” àry i Kristy Jesosy.—1Ti 1:1.
Manantena ny hiaina mandrakizay sy homena vatana tsy mety lo ireo “nahazo fiantsoana ho any an-danitra.” (He 3:1) Tena marim-pototra sy azo antoka izany fanantenany izany, noho ireto zavatra roa tsy mety miova sady tsy hain’Andriamanitra andaingana ireto: Ny fampanantenany sy ny fianianany. Miankina amin’i Kristy koa io fanantenana io. Efa any an-danitra sy tsy mety maty intsony anefa izy, ka izany no ilazana an’ilay fanantenana hoe “vatofantsiky ny aintsika, sady azo antoka no mafy orina, ary miditra ao ambadiky ny ridao. Tao koa no niditra ho antsika ny mpialoha lalana, dia i Jesosy, izay tonga mpisoronabe mandrakizay tahaka an’i Melkizedeka.”—He 6:17-20.
Tsy maintsy hamafisina sy velombelomina foana. Averimberin’ny Baiboly fa tokony hifikitra amin’ilay “fanantenana” tokana ny Kristianina. (Ef 4:4) Tokony hazoto foana àry izy ireo, ary ho sahy hiteny sy ‘hirehareha’ ny amin’io fanantenana io. (He 3:6; 6:11) Mihamafy ny fanantenan’ny Kristianina rehefa miaritra fahoriana izy, ary izany indray avy eo no mahatonga azy hankasitrahan’ilay Andriamanitra manome fanantenana. (Ro 5:2-5) Tanisaina miaraka amin’ny finoana sy ny fitiavana ny fanantenana, ary ireo toetra telo ireo no mampiavaka ny fiangonana kristianina rehefa nitsahatra ireo fahaizana mahagaga nomen’ny fanahy tamin’ny taonjato voalohany.—1Ko 13:13.
Manatsara toetra sy mahasoa. Tena mila fanantenana ny Kristianina. Tononina miaraka amin’ny fifaliana sy ny fiadanana ary ny herin’ny fanahy masina izy io. (Ro 15:13) Izy io no mahatonga ny olona ho sahy hiteny rehefa miangavy an’Andriamanitra mba hanehoany hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy famindram-po. (2Ko 3:12) Izy io koa no mahatonga ny Kristianina ho faly rehefa miaritra fahoriana, na inona izany na inona. (Ro 12:12; 1Te 1:3) Toy ny fiarovan-doha miaro ny lohan’ny miaramila ny fanantenana famonjena, satria miaro ny sain’ny Kristianina izy io mba tsy hivadihany. (1Te 5:8) Manatanjaka ny voahosotra ny fanantenana raha mbola eto an-tany izy ireo, izany hoe mbola tsy mahazo ny valisoany any an-danitra. Mahery be mantsy ny faniriany sy ny fanantenany ka maharitra miandry an’ilay zavatra antenainy izy ireo na dia mafy aza ny fitsapana sy ny fahasahiranana diaviny.—Ro 8:24, 25.
Manampy ny Kristianina hadio amin’ny lafiny rehetra ny fanantenana. Fantany mantsy fa madio Andriamanitra sy Kristy, izay iankinan’ny fanantenany. Fantany koa fa tsy afaka ny hanantena ny hitovy amin’Andriamanitra izy na hahazo ny valisoany raha zatra manao fahalotoana na manao ny tsy marina. (1Jn 3:2, 3) Mifandray akaiky koa ny fanantenana sy ny fitiavana, ilay toetra lehibe indrindra, satria raha tena tia an’Andriamanitra ny olona iray dia manantena ny fampanantenany rehetra. Manantena ny tsara indrindra ho an’ireo mpiray finoana aminy koa izy, ary tia azy ireo sy matoky fa tso-po izy ireo matoa Kristianina.—1Ko 13:4, 7; 1Te 2:19.
Tsara kokoa noho ilay fanantenana avy tamin’ny Lalàna. Nanantena an’Andriamanitra ireo olona tsy nivadika, razamben’ny firenen’Israely, talohan’ny nanomezana ny Lalàna an’ilay firenena. (As 26:6, 7; Ge 22:18; Mi 7:20; 2Ti 1:3) Tian’izy ireo ho fantatra izay hataon’Andriamanitra mba hahafahan’izy ireo hiaina mandrakizay. Rehefa tonga ny Lalàna, dia noheverina fa izy io no hanatanteraka ny fanantenan’izy ireo. Nahariharin’ny Lalàna anefa fa mpanota ny olona rehetra eo anatrehan’Andriamanitra. Nampiharihary ny fandikan-dalàna ny Lalàna, ka nanameloka ho faty an’izay rehetra nofehezin’izy io. (Ga 3:19; Ro 7:7-11) Masina sy tsy misy maharatsy azy ary ara-drariny ny Lalàna, nefa izany indrindra no nampiharihary fa tsy lavorary ny olona nofehezin’izy io. (Ro 7:12) Efa nolazain’ireo mpaminany fa tsy maintsy hanome “fanantenana tsara kokoa” Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ka hofoanana ny Lalàna ary havela hanatona Azy izay mino an’i Kristy.—He 7:18, 19; 11:40; ampit. Je 31:31-34.
Fanantenana ho an’ny olombelona rehetra. Mifandray ilay fanantenana mahatalanjona ananan’ireo rahalahin’i Jesosy Kristy ara-panahy, izay voantso ho any an-danitra mba hiara-manjaka aminy (He 3:1) sy ny fanantenan’ny olombelona rehetra izay te hanompo an’Andriamanitra. Mampiharihary ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra izany. Hoy ny apostoly Paoly, rehefa avy nilaza ny fanantenan’ireo ho lasa “zanak’Andriamanitra” any an-danitra sady ho mpiara-mandova amin’i Kristy: “Ny zavaboary dia miandry fatratra ny fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra. Fa navela ho tonga zava-poana ny zavaboary, nefa tsy noho ny sitrapony fa noho ny sitrapon’ilay namela izany hitranga. Eny, navela hitranga izany, miorina amin’izao fanantenana izao: Ny zavaboary koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”—Ro 8:14, 17, 19-21.
Asehon’ny tenin’i Paoly ao amin’ny Romanina 8:20, 21 fa tsy naringan’i Jehovah Andriamanitra avy hatrany i Adama rehefa nanota, fa navelany hanan-taranaka. Lehilahy tsy lavorary àry no razamben’ny olombelona ka nanjary zava-poana ny fiainan’izy ireo, tsy noho izy ireo ninia nanao ratsy fa noho izy ireo nandova tsy fahalavorariana. Tsy navelan’Andriamanitra tamin’izao anefa izy ireo fa nomeny fanantenana tamin’ny alalan’ilay ‘taranaka’ nampanantenaina (Ge 3:15; 22:18), dia i Jesosy Kristy. (Ga 3:16) Efa nolazain’ny faminanian’i Daniela ny fotoana voalohany hahatongavan’ny Mesia. (Da 9:24-27) Rehefa nitory i Jaona Mpanao Batisa, dia efa niandriandry ny firenen’Israely. (Mt 3:1, 2; Lk 3:15) Nanatanteraka an’io fanantenana io i Jesosy, tamin’ny fanompoany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty. Miankina amin’ny Fanjakan’i Kristy anefa ny fanantenana lehibe indrindra andrandrain’ny olombelona rehetra, na ny velona na ny maty. Ho tanteraka izany rehefa ho mpanjaka sy mpisorona any an-danitra i Kristy sy ireo hiara-manjaka aminy. Ho afaka ny olona maneho finoana ka tsy ho simban’ny tsy fahalavorariana sy ny ota intsony, ary amin’izay izy vao ho tena “zanak’Andriamanitra.” Azo antoka kokoa ny fanantenan’izy ireo rehefa nanangana ny Zanany tamin’ny maty Andriamanitra, 1 900 taona mahery lasa izay.—As 17:31; 23:6; 24:15.
Misy fampianarana sy ohatra maro nomen’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny Teniny, mba hananan’ny olon-drehetra fanantenana. (Ro 15:4; 1Ko 10:11; 2Ti 3:16, 17) Tsy maintsy mitory an’io fanantenana io àry izay manana azy io, ka sady hamonjy ny tenany izy no hamonjy an’izay mihaino azy koa.—1Pe 3:15; 1Ti 4:16.