Manohiza miaina toy ny zanak’Andriamanitra
“Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.” — I JAONA 3:10.
1, 2. Ao amin’ny tohin’ny fianarantsika ny taratasy voalohany nosoratan’i Jaona, torohevitr’ilay apostoly inona no hodinihintsika?
JEHOVAH dia manana fianakaviana eo amin’izao rehetra izao, ary misy olombelona sasany anisany dieny izao. Zanak’Andriamanitra izy ireny. Fa amin’ny ahoana izy ireny no tsy mitovy amin’ny olombelona hafa?
2 Ao amin’ny taratasiny voalohany ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, ny apostoly Jaona dia mampahafantatra ireny olona ireny, iharam-pankasitrahana lehibe dia lehibe. Omeny koa ny torohevitra izay manampy azy ireny hanohy hiaina tahaka ny zanak’Andriamanitra. Izay nosoratany dia mahasoa koa ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra izay nanolo-tena ho Azy.
Ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra
3. Ahoana no ahatongavan’ny sasany ho “zanak’Andriamanitra”, ary ahoana no fiheveran’izao tontolo izao azy?
3 Resahin’i Jaona ny fanantenan’ireo kristiana voahosotra (vakio I Jaona 3:1-3). Niharihary fa naneho fitiavana hafa dia hafa i Jehovah tamin’ny fananganana azy ireo ho zanaka ara-panahy, ka nanao azy ho “zanak’Andriamanitra”. (Romana 5:8-10.) “Izao tontolo izao”, izany hoe ny fitambaran’olona tsy marina, dia tsy mitovy fitiavam-pivavahana sy zava-kendrena ary fanantenana amin’izy ireny. Halany Kristy sy ireo mpianany, nefa koa ny Ray (Jaona 15:17-25). Fantany angamba ireo kristiana voahosotra amin’ny maha-isam-batan’olona, kanefa tsy manaiky azy ireny amin’ny maha-zanak’Andriamanitra izy satria ‘tsy mahalala’ an’i Jehovah. — I Korintiana 2:14.
4. Inona no tokony hataon’izay rehetra manana fanantenana ny hiaina any an-danitra?
4 Zanak’Andriamanitra dieny izao ireo kristiana voahosotra. “Nefa, hoy ny nanampin’i Jaona, tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay”; tsy alohan’ny hahafatesan’izy ireo tsy hivadika sy hananganana azy ho amin’ny fiainana any an-danitra miaraka amin’ny tena ara-panahy (Filipiana 3:20, 21). Kanefa, rehefa “hiseho” Andriamanitra, dia ho “tahaka Azy” izy ireo ary ‘ho hitany, araka izay tena endriny tokoa’ Izy, dia “Jehovah Fanahy”. (II Korintiana 3:17, 18, MN.) Izay rehetra manana “izany fanantenana” ny hiaina any an-danitra izany dia tokony hahatsiaro ho voatosika hanadio tena, “mba hadio tahaka Azy [Jehovah]”. Na dia mbola tsy tanteraka aza ireo kristiana voahosotra dia tokony hanana fiainana madio, mifanaraka amin’ny fanantenany hahita ilay Andriamanitra madio sy masina any amin’ny faritry ny lanitra. — Salamo 99:5, 9; II Korintiana 7:1.
Aoka isika hampihatra ny rariny
5, 6. Araka ny fiheveran’Andriamanitra, inona no ataon’izay zatra manota? Inona anefa no azo lazaina ny amin’ireo izay mitoetra ‘ao amin’i’ Jesosy Kristy?
5 Ny hoe miaina toy ny zanak’Andriamanitra dia milaza koa fanaovana izay marina (vakio I Jaona 3:4, 5). “Izay rehetra manota no mandika ny lalàna” raha ny amin’i Jehovah; mandika ireo lalàn’Andriamanitra ny mpanota (Isaia 33:22; Jakoba 4:12). Ny ‘fahotana rehetra dia fandikana ny lalàna’; mandika ny lalàn’Andriamanitra izany. Ny fahazarana manota dia mifanohitra amin’ny toe-tsaina kristiana, ary velom-pankasitrahana isika noho ny ‘nampisehoana’ an’i Jesosy ho olombelona mba “hanaisotra ny ota”. Koa satria “tsy mba misy ota ao aminy”, dia azony atao ny manolotra amin’Andriamanitra ny hany sorona noho ny fahotana izay manavotra amin’ny fomba feno. — Isaia 53:11, 12; Hebreo 7:26-28; I Petera 2:22-25.
6 “Izay rehetra mitoetra ao aminy [ny Zanaka] dia tsy manota [tsy zatra manota, MN ].” (Vakio I Jaona 3:6). Noho isika tsy tanteraka, dia mety hanota isika indraindray, kanefa ireo izay mitoetra ao amin’ny Zanaka hatrany ary noho izany dia ao amin’ny Ray dia tsy manao ny fahotana ho fahazarana. Ireo zatra manota dia tsy “nahita” an’i Jesosy tamin’ny mason’ny finoana. Ireny mpanota za-dratsy ireny, toy ny mpivadi-pinoana, dia tsy tonga koa amin’ny ‘fahalalana’ na ny fankasitrahana an’i Kristy ho “Zanak’ondrin’Andriamanitra” izay manao fanavotana noho ny ota. — Jaona 1:36.
7, 8. Araka ny I Jaona 3:7, 8, avy amin’iza moa izay zatra minia manota? Noho ny fikendrena inona moa no ‘nampisehoana’ ny Zanak’Andriamanitra?
7 Mampitandrina antsika i Jaona mba tsy hahavoatarika antsika hivily lalana (vakio I Jaona 3:7, 8). “Aza avela hisy hamitaka anareo”, hoy ilay apostoly; ary dia nampiany hoe: “Izay manao ny marina [amin’ny fitandremana ny lalàn’Andriamanitra] no marina; eny, marina tahaka Azy [Jesosy Kristy].” Noho isika mpanota, dia tsy afaka ny ho marina amin’ny ambaratongan’ilay Ohatra faka tahaka tsara indrindra isika. Kanefa, noho ny fahasoavan’i Jehovah, dia azon’ireo mpianatr’i Jesosy voahosotry ny fanahy atao dieny izao ny manohy miaina toy ny zanak’Andriamanitra.
8 Izay rehetra zatra minia manota dia “avy amin’ny devoly” izay manota “hatramin’ny voalohany” niasany tamin’ny naha-zavaboary nikomy tamin’i Jehovah. ‘Naseho’ anefa ny Zanak’Andriamanitra mba “handrava” ny ‘asan’i’ Satana ikendrena ny hampitomboana ny fahotana sy ny ratsy. Izany dia milaza, ankoatra ny zavatra hafa, fanafoanana ny vokatry ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama noho ny fanavotana amin’ny fahotana nataon’i Kristy, ny fananganana ny maty voatana ao amin’ny Sheola (na Hadesy) sy ny fanorotoroana ny lohan’i Satana (Genesisy 3:15; I Korintiana 15:26). Eo am-piandrasana, na anisan’ny sisa voahosotra isika na anisan’ny “olona betsaka”, dia ilaintsika ny hitandrin-tena amin’ny fahotana sy ny tsy fahamarinana.
Aoka isika hitandrina ny lalàn’Andriamanitra
9. Amin’ny heviny ahoana moa ny kristiana ateraky ny fanahy no ‘tsy afaka ny ho zatra manota’, ary nahoana no toy izany no izy?
9 Rehefa avy eo i Jaona dia manao fanavahana an’ireo zanak’Andriamanitra sy ireo an’ny Devoly (vakio I Jaona 3:9-12). Izay rehetra “naterak’Andriamanitra no tsy manota [tsy zatra manota, MN]”. Ny ‘voa’ avy amin’i Jehovah, ny fanahiny masina izay manome ho an’ny kristiana iray ‘fahaterahana indray’ ho amin’ny fanantenana ny ho any an-danitra, dia mitoetra ao aminy raha tsy manohitra na “mampalahelo” ny fanahy izy ka esorin’Andriamanitra aminy izany fanahy izany (I Petera 1:3, 4, 18, 19, 23; Efesiana 4:30). Mba hitoerana ho anankiray amin’ireo zanak’Andriamanitra, ny kristiana nateraky ny fanahy dia “tsy afaka ny ho zatra manota”. Noho izy “olom-baovao” manana “toetra vaovao”, dia miady amin’ny fahotana izy. “Afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana” izy, ary tsy manosika azy hanjary ho zatra manao ratsy ny fony. — II Korintiana 5:16, 17; Kolosiana 3:5-11; II Petera 1:4.
10. Inona no fomba mahatonga ho afaka hanavaka ireo zanak’Andriamanitra amin’ireo an’ny Devoly?
10 Izao no fomba iray fanavahana ireo zanak’Andriamanitra amin’ireo an’ny Devoly: “Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina.” Mampiavaka tokoa ireo zanaky ny Devoly ny tsy fahamarinana, hany ka “tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany”. Izany no tian’ireo mpivadi-pinoana hatao amin’ireo kristiana mahatoky. — Ohabolana 4:14-16.
11. a) Fomba hafa inona koa no ananantsika mba hamantarana ireo izay tsy zanak’Andriamanitra? b) Tokony hanosika antsika hanao inona ny fandinihana ny fihetsika narahin’i Kaina?
11 Ambonin’izany, dia “tsy mba avy amin’Andriamanitra [koa] (...) izay tsy tia ny rahalahiny”. Marina tokoa fa ny “hafatra” rentsika “hatramin’ny voalohany” tamin’ny fiainantsika amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah dia ny ‘hifankatiavantsika’. (Jaona 13:34.) Isika àry dia tsy manao “tahaka an’i Kaina”, izay nampiseho fa “avy tamin’ilay ratsy” izy ‘tamin’ny famonoana ny rahalahiny’ tao anatin’ny fipoahan’ny herisetra mampiavaka ny fihetsik’i Satana, mpamono olona (Genesisy 4:2-10; Jaona 8:44). Namono an’i Abela i Kaina “satria ratsy ny asany, fa marina ny an’ny rahalahiny”. Azo antoka fa ny fieritreretana ny amin’ny fihetsik’i Kaina dia tokony hanosika antsika hanary izay rehetra mety ho fankahalana sahala amin’izany an’ireo rahalahintsika ara-panahy.
Aoka isika ho tia “amin’ny asa sy amin’ny marina”
12. Ahoana no ‘ahafantarantsika fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana’ isika, ary inona no dikan’izany?
12 Raha sanatria isika ka manahaka an’i Kaina, dia ho faty ara-panahy (vakio I Jaona 3:13-15). Nankahala aoka izany ny rahalahiny izy ka tamin’ny farany dia namono nahafaty azy. Tsy gaga isika raha mankahala antsika izao tontolo izao, satria nanambara izany i Jesosy (Marka 13:13). Kanefa “fantatsika [na matoky isika] fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana [ara-panahy] ho amin’ny fiainana [mandrakizay] isika satria tia ny rahalahy”, dia ireo namantsika Vavolombelon’i Jehovah. Noho isika maneho izany fitiavan-drahalahy izany sady mampiseho finoana an’i Kristy koa, dia tsy ‘maty’ intsony ao amin’ny fahadisoantsika sy ny fahotantsika isika, fa nesorin’Andriamanitra tsy ho amintsika ny fanamelohany. Natsangana avy tamin’ny fahafatesana ara-panahy isika, ary nahazo fanantenana ny fiainana mandrakizay (Jaona 5:24; Efesiana 2:1-7). Tsy manana izany fanantenana izany ireo mpivadi-pinoana tsy manam-pitiavana, satria “izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana [ara-panahy]”.
13. Raha mankahala ny rahalahintsika isika, nahoana moa no tokony hataontsika antom-bavaka izany?
13 Raha ny marina, “izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona”. Angamba tsy nisy famonoana olona ara-bakiteny akory (tsy sahala amin’i Kaina izay namono an’i Abela noho ny fialonana sy ny fankahalana), kanefa izay mankahala ny rahalahiny ara-panahy dia ho tia kokoa ny tsy hahavelona an’io. Ny olona toy izany dia melohin’Andriamanitra izay mamaky ao am-po (Ohabolana 21:2; jereo Matio 5:21, 22). Tsy misy mihitsy “mpamono olona” tsy mibebaka na olona mankahala ny rahalahiny kristiana ka “manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny”. Koa raha mahatsiaro fankahalana ny anankiray amin’ireo rahalahintsika Vavolombelon’i Jehovah isika, moa ve isika amin’izay tsy tokony hivavaka amin’i Jehovah mba hanampy antsika hanova izany fihetsehampo izany ho fitiavan-drahalahy?
14. Ahoana no ananarana antsika mba haneho fitiavan-drahalahy?
14 Raha tiantsika ny hanohy hiaina toy ny zanak’Andriamanitra, dia tokony haneho izany fitiavan-drahalahy izany amin’ny teny sy amin’ny atao isika (vakio I Jaona 3:16-18, MN ). Tokony ho azo atao izany, satria “izao no ahafantarantsika ny fitiavana, (...) Izy [Jesosy Kristy] no nanolotra ny ainy hamonjy antsika”. Koa satria tonga hatramin’izany ny fitiavan’i Jesosy antsika, dia tokony haneho fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika (agapê amin’ny teny grika) toy izany amin’ireo rahalahintsika kristiana isika. Ao anatin’ny vanim-potoana misy fanenjehana, ohatra, dia “tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy” isika, sahala amin’i Prisila sy Akoila izay ‘nanolotra ny tendany hamonjy ny ain’ny’ apostoly Paoly. — Romana 16:3, 4; Jaona 15:12, 13.
15. Raha sahirana ny rahalahy iray ary “manam-pananana amin’izao fiainana izao” isika, mitaky ny hanaovantsika inona ny fitiavana?
15 Raha vonona isika ny hanome ny aintsika ho an’ireo rahalahintsika rehefa ilaina izany, dia tokony ho vonona ny hanao zavatra tsy mafy kokoa noho izany ho azy ireny isika. Aoka hatao hoe “manam-pananana amin’izao fiainana izao” isika: vola, sakafo, fitafiana sy zavatra hafa mety hatolotr’izao tontolo izao ankehitriny. Mety “mahita” rahalahy iray sahirana isika, tsy amin’ny kisendrasendra akory fa noho isika efa nandinika ny tarehin-javatra sarotra hitany. Izany angamba dia hanosika antsika hamoha “ny varavaran’ny” ‘fangoraham-pontsika feno fitiavana’, na ny fihetseham-pontsika lalina indrindra. Fa inona no holazaina raha toa rehefa avy eo ka akatontsika tampoka izany ‘varavarana’ izany amin’ny famelana ny fitiavan-tenantsika hanohitra ny fikasantsika voalohany hanampy azy? ‘Ahoana, raha izany no izy, no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra’ ao amintsika? Tsy ampy ny miresaka ny amin’ny fitiavan-drahalahy. Amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, dia tokony haneho izany fitiavana izany “amin’ny asa sy amin’ny marina” isika. Koa raha noana ny rahalahy iray, dia mila sakafo izy fa tsy teny fotsiny. — Jakoba 2:14-17.
Fo tsy manameloka antsika
16. a) Amin’ny heviny ahoana moa ‘Andriamanitra no lehibe noho ny fontsika’? b) Araka ny filazan’i Jaona, nahoana moa Jehovah no mihaino ny vavaka ataontsika?
16 Asehon’i Jaona manaraka izany izay manome antoka ny maha-zanak’i Jehovah antsika (vakio I Jaona 3:19-24). “Izany”, izany hoe amin’ny fanehoantsika fitiavan-drahalahy, no “hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika” ary tsy iharam-pahavoazana noho ny hevi-dravin’ireo mpivadi-pinoana. Amin’izany no ‘ampahatokiantsika ny fontsika’ eo anatrehan’Andriamanitra (Salamo 119:11). Raha manameloka antsika kosa anefa ny fontsika, angamba noho isika mahatsapa fa tsy ampy fanehoam-pitiavana ireo mpiara-manompo amintsika, dia aoka hotsaroantsika fa Andriamanitra dia “lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra”. Mamindra fo izy satria fantany ny “fitiavan-drahalahy tsy mihatsaravelatsihy” ananantsika, ny ady ataontsika ho fanoherana ny ota ary ny fiezahantsika mba hiaina amin’ny fomba ankasitrahany (I Petera 1:22, MN; Salamo 103:10-14). Nefa kosa, “raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika”, satria porofointsika amin’ny asa ny fitiavantsika rahalahy ary tsy meloka ho nanao fahotana miafina mihitsy isika, dia “manana fahasahiana eo anatrehan’Andriamanitra isika” rehefa mivavaka aminy (Salamo 19:12). Mihaino ny vavaka ataontsika izy “satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika”.
17. Inona moa ireo fepetra roa takin’ny ‘didin’Andriamanitra’?
17 Raha irintsika ny hihainoana ny vavaka ataontsika, dia tokony hotandremantsika ny ‘didin’Andriamanitra izay mahafaoka ireto fepetra roa ireto: 1) Mino ny “anaran’i” Jesosy, amin’ny fanekena ny avotra natolony sy amin’ny fanekena ny fahefana nomen’Andriamanitra ny Zanany (Filipiana 2:9-11); 2) ‘mifankatia’ araka ny nandidian’i Jesosy (Jaona 15:12, 17). Izay rehetra manana finoana ny anaran’i Kristy dia tsy maintsy tia ny olon-kafa rehetra izay manana izany finoana izany koa.
18. Ahoana no ahafantarantsika fa “mitoetra ao amintsika” Andriamanitra?
18 Ny kristiana izay mitandrina ny didin’Andriamanitra dia “mitoetra ao aminy”, ao amin’i Jehovah (jereo Jaona 17:20, 21). Fa ahoana no “ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika” Andriamanitra? Noho ny “Fanahy [masina] Izay nomeny antsika.” Ny fananana ny fanahy masin’Andriamanitra sy ny fahafahana haneho ireo vokany, indrindra fa ny fitiavan-drahalahy, dia manaporofo fa ao amin’i Jehovah isika. — Galatiana 5:22, 23.
Aoka isika hitandrina
19, 20. Nahoana moa no tokony ‘hozahan-toetra ny teny ara-tolotsaina’, ary inona no fanampiana omen’i Jaona antsika amin’io lafiny io?
19 Asehon’i Jaona manaraka izany fa tokony hitandrina isika (vakio I Jaona 4:1, MN ). Tsy tokony hinoana ny fanahy rehetra na ny “teny ara-tolotsaina” rehetra fa tokony ‘hozahan-toetra ny teny ara-tolotsaina mba hahitana raha avy amin’Andriamanitra izany’. Nahoana? “Satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao.” Ny sasantsasany amin’ireny mpampianatra mamitaka ireny, fara faharatsiny, dia mifindrafindra toerana, mankao amin’ny kongregasiona samihafa sy mitady “hitaona ny mpianatra hanaraka azy”. (Asan’ny apostoly 20:29, 30; II Jaona 7.) Tokony hitandrina àry ireo kristiana nahatoky.
20 Tamin’ny taonjato I, ny kristiana dia nanana “fahaiza-manavaka ireo fanambarana ara-tsindrimandry”, izany hoe fahaizana mahagaga nampitaina tamin’ny alalan’ny hery miasan’Andriamanitra izay nahatonga azy ireny ho azo inoana fa nahay namantatra raha avy amin’i Jehovah na tsia ireo teny ara-tolotsaina (I Korintiana 12:4, 10). Ny fampitandreman’i Jaona anefa dia toa mihatra amin’ny kristiana amin’ny ankapobeny, ary ilaina izany rehefa misy mpivadi-pinoana mitady handrodana ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fanomezan’ny fanahy mahatonga ho afaka ‘hahay hanavaka ireo fanambarana ara-tolotsaina’ dia nitsahatra, kanefa ny tenin’i Jaona dia manome ny fomba famantarana na avy amin’ny fanahin’Andriamanitra na avy amin’ny herin’ny demonia ny fampianarana toy izao na izao.
21. Inona moa no fomba iray fitsapana ireo “teny ara-tolotsaina”?
21 Izao no fomba iray fitsapana izany fanambarana izany (vakio I Jaona 4:2, 3). “Ny fanahy [teny ara-tolotsaina, MN ] rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’Andriamanitra.” Ekentsika fa taloha i Jesosy dia velona tamin’ny naha-olombelona ary Zanak’Andriamanitra izy. Ny finoantsika dia manosika antsika hampianatra fahamarinana toy izany amin’ny hafa (Matio 3:16, 17; 17:5; 20:28; 28:19, 20). “Ary ny fanahy [teny ara-tolotsaina, MN ] rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy dia tsy mba avy amin’Andriamanitra.” Izany no “fanahin’ny [teny ara-tolotsain’ny, MN ] antikristy”, dia teny izay manohitra an’i Kristy sy mifanohitra amin’ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly mahakasika azy. Miharihary tokoa fa i Jaona sy ireo apostoly hafa dia nampitandrina ny kristiana fa tonga “ny teny ara-tolotsain’ny antikristy” (II Korintiana 11:3, 4; II Petera 2:1). Koa satria nisy mpampianatra sandoka nahatandindomin-doza ny kristiana marina, dia afaka nilaza toy izao i Jaona: “Efa eo amin’izao tontolo izao sahady izy.”
22. Inona no fomba hafa iray koa fitsapana ny “teny ara-tolotsaina”?
22 Ny fomba hafa iray koa fitsapana “ny teny ara-tolotsaina” dia ny fandinihana hoe iza no mihaino azy (vakio I Jaona 4:4-6). Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika dia “naharesy” ireo mpampianatra sandoka isika; notoherintsika tamim-pandresena ny fanandramany nampanalavitra antsika ny fahamarinan’Andriamanitra. Afaka nahazo izany fandresena ara-panahy izany isika satria Andriamanitra izay ‘ao amin’ireo’ kristiana mahatoky dia “lehibe noho izay [ny Devoly] ao amin’izao tontolo izao”, dia ny fitambaran’olona tsy marina (II Korintiana 4:4). Koa satria ireo mpivadi-pinoana “isan’izao tontolo izao” ary manana ny sainy ratsy, “dia miteny araka an’izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao”. Kanefa noho isika afaka mahazo ny fanahin’i Jehovah, dia afaka mamantatra ny tsy maha-araka ny fanahy ny ‘teniny ara-tolotsaina’ isika, ka noho izany dia mandà izany.
23. Iza no mihaino antsika sy mahalala fa tarihin’ny fanahin’Andriamanitra isika?
23 Fantatsika fa ‘avy amin’Andriamanitra isika’ satria ‘izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino antsika’. Ireo olona azo ampitahaina amin’ny ondry dia mahatsapa fa mampianatra ny fahamarinana miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra isika (jereo Jaona 10:4, 5, 16, 26, 27). Miharihary tokoa fa ‘izay tsy avy amin’Andriamanitra tsy mba mihaino antsika’. Ireo mpaminany sandoka na mpampianatra sandoka dia tsy nihaino an’i Jaona na ireo kristiana hafa “avy amin’Andriamanitra” izay nampita fampianarana ara-panahy tsara. “Izany no ahafantarantsika ny fanahin’ny fahamarinana sy ny fanahin’ny fampiviliana.” Isika izay anisan’ny fianakaviana mpivavaka amin’i Jehovah, dia miteny amin’ny “fiteny madio”, izany hoe ny fahamarinana araka ny Baiboly ampitain’ny fandaminan’Andriamanitra (Zefania 3:9, MN ). Rehefa heverina amin’izay lazaintsika, dia miharihary amin’ny “ondry” fa tarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra isika.
24. Inona no hasehon’i Jaona manaraka izany?
24 Eo amin’io faritra amin’ny taratasiny io dia efa notononin’i Jaona ny fepetra tena lehibe vitsivitsy tokony hofenointsika raha tiantsika ny hanohy hiaina amin’ny maha-zanak’Andriamanitra. Hasehony manaraka izany fa tokony haneho fitiavana sy finoana foana isika.
Ahoana no valinteninao?
◻ Ahoana no ahatongavan’ny sasany ho “zanak’Andriamanitra?”
◻ Ahoana no azo anavahana ireo zanak’Andriamanitra amin’ny an’ny Devoly?
◻ Hanosika antsika hanao inona ny fieritreretana ny fihetsik’i Kaina?
◻ Amin’ny ahoana no tokony hanehoantsika fitiavan-drahalahy?
◻ Ahoana no azo itsapana ny “teny ara-tolotsaina”?
[Sary, pejy 18]
Ny fieritreretana ny amin’ny fihetsik’i Kaina dia tokony hanosika antsika hanary izay rehetra mety ho fankahalana ny anankiray amin’ireo rahalahintsika.
[Sary, pejy 20]
Ireo mpivavaka amin’i Jehovah dia miteny amin’ny fiteny madio, izany hoe ny fahamarinana araka ny Baiboly ampitaina amin’ny alalan’ny fandaminan’Andriamanitra.