Fanehoam-pitiavana Amin’ireo Sahirana
MANANA adidy sy tombontsoa haneho fitiavana amin’ireo rahalahiny sy anabaviny sahirana ny Kristiana. (1 Jaona 3:17, 18). Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” (Galatiana 6:10). Vao haingana izay, dia nahita ny fitiavan’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristiana ny rahalahy iray nanompo an’i Jehovah hatramin’ny efa ho efapolo taona izao. Izany dia nandritra ny nahararian’ny vadiny sy ny nahafatesany taorian’izay. Nanoratra toy izao izy:
“Koa satria nikarakara ny vadiko tao an-trano nandritra ny naharariany aho, dia tsy afaka nanao asa fivelomana nandritra ny efa ho roa volana. Maivamaivana erỳ aho rehefa tonga nanampy anay an-tsitrapo ireo namana tao amin’ny kongregasiona! Nahonitra ireo vola tsy maintsy naloa isam-bolana sy ny volan’ny jiro sy rano ary ireo fandaniana hafa, ny fanomezana ara-bola maro — izay narahin’ny cartes nilaza hoe ‘mba hanampiana amin’ireo fandaniana amboniny’.
“Tapa-bolana talohan’ny nahafatesan’ny vadiko, dia namangy ka nampahery anay ny mpiandraikitra ny fizaran-taninay. Nasehony mihitsy aza ireo sary diapositives izay hojeren’ny kongregasiona tamin’ny faran’ny herinandro. Afaka nihaino ireo fivoriana tamin’ny alalan’ny telefaonina izahay, anisan’izany ireo fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha notarihin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Tamin’ny iray tamin’ireny fivoriana ireny, dia nasainy niara-nanao hoe ‘manahoana’ tamin’ny vadiko ireo rehetra nanatrika teo. Noho izany, dia tsy nahatsiaro tena ho irery mihitsy ny vadiko, na dia tafasaraka tamin’ny rehetra ara-batana aza.
“Tao anatin’ny adiny iray taorian’ny nahafatesany, dia saika ny loholona rehetra no tonga tao an-tranoko. Rahalahy sy anabavy maherin’ny zato no namangy tamin’io andro io fotsiny. Nipoitra ‘tamin’ny fomba nahagaga’ teo an-databatra ny sakafo ho an’izay rehetra tonga teo. Tsy haiko tanisaina ireo fanomezana sy fanehoana fiaraha-miory sy teny fampiononana ary vavaka rehetra natao ho ahy. Tena nanatanjaka mihitsy izy ireny! Farany, dia voatery aho nangataka ireo rahalahy mba hampitsahatra ny fanomezany sakafo sy fanampiana teo amin’ny fanadiovan-trano!
“Aiza, ankoatra ny ao amin’ny fandaminan’i Jehovah, isika no afaka mahita fanehoana fangorahana sy fiahiana ary fitiavana tsy misy fitiavan-tena toy izany? Azo isaina amin’ny rantsantanana ilany monja ny isan’ireo tena namana, ho an’ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao. Nitahy antsika i Jehovah tamin’ny nanomezany fianakaviam-ben’ny mpirahalahy sy mpirahavavy ara-panahy!” — Marka 10:29, 30.