Tsy maintsy manoa foana ve?
“RENAO ve izany teniko izany?” hoy ny antsoantson-dreniny raha mivoaka ny trano i Lita kely. Tsia, tsy manontany ny fahafahan’ny sofiny mandre izy tsy akory fa ta-hahazo toky fotsiny fa hanoa azy tokoa ilay kely, ka hody ara-potoana.
Zavatra roa tena tsy mifankaiza tokoa mantsy ny mahare sy ny manoa. Koa tsy mahagaga àry raha misy fifandraisana amin’ny teny hoe “mihaino” ny teny enti-milaza ny “manoa” ao amin’ireo fiteny nanoratana ny Baiboly. Iza anefa no tokony hohenoina? Tokony hotoavina daholo ve izay rehetra mitaky izany? Na, amin’ny teny hafa, tsy maintsy manoa foana ve na oviana na oviana?
Rahoviana no tokony hanoa?
Na oviana na oviana isika dia tokony hanoa an’Ilay Nahary, Jehovah Andriamanitra. Noho Izy Mpamorona sy Loharanon’aina, dia tokony ho Izy no hotoavintsika voariny, alohan’ny zavatra rehetra (Salamo 95:6, 7). Fanampin’izany, amin’ny maha-Andriamanjaka tampony an’i Jehovah, dia misy hafa koa, izay manaraka ny aingam-pitsipiny, nampitany fahefana, ka noho izany dia tokony hotoavintsika koa. Jesosy Kristy no voalohany amin’ireo hafa ireo. Nanomboka tamin’ny 1914, dia izy no mpanjaka notinendrin’Andriamanitra ao amin’ny Fanjakana any an-danitra, “mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra” azy. (Daniela 7:13, 14.) Etsy an-daniny koa, noho izy Filohan’ny kongregasiona kristiana, dia misy hafa nomen’i Jesosy fahefana, dia olombelona mpiandry lefitra izay rariny tokoa raha toavintsika. — Hebreo 13:17.
Nanome fepetra ihany koa Jehovah, raha ny amin’ny fankatoavana eo anivon’ny fianakaviana. Entaniny ny ankizy mba ‘hanaiky ny ray sy ny reniny ao amin’ny Tompo’, ary ny vehivavy mba ‘hanaiky ny vadiny tahaka ny anekena ny Tompo’. (Efesiana 5:21 ka hatramin’ny 6:3) Didiany ny kristiana mba “hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa” azy ho filoha. (Titosy 3:1.) Nefa moa ve amin’ireo lafiny rehetra ireo isika tsy maintsy manaiky tanteraka hatrany? Moa ve tokony hanoa foana?
Rahoviana no tokony tsy hanoa?
Mampidi-doza ny mihaino an’izay tsy nahazo fahefana avy tamin’i Jehovah. Adama, lehilahy voalohany, dia “nihaino” ny feon’i Eva ka nihinana tamin’ilay voankazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy tahaka azy (Genesisy 3:17). Noho izay no “nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ny olona iray”. (Romana 5:19.) Izany antambo izany no naiditr’i Adama noho ny fihainoany am-badiny, zavatra tsy tokony ho nataony.
Etsy an-daniny, moa ve tokony hohainoana foana ireo olombelona nahazo fahefana? Tsia, raha ohatra izy mitady hampiasa an’io fahefana io amim-pomba tsy mifanaraka amin’ireo fameperan’Andriamanitra. Ohatra, ny aingam-pitsipika milaza ny tokony hanekena ny ‘tompontsika araka ny nofo’ dia mitaona antsika hanaiky ny mpampiasa. Kanefa, ahoana no ho fihetsitsika raha ampanaoviny zavatra mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra Tsitoha? Hazavain’i Paoly ny fitondrantena tokony harahina, rehefa milaza izy hoe: “Aza manompo eo imaso fotsiny, toy ny mila sitraka amin’olombelona, fa toy ny mpanompon’i Kristy, manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo tokoa.” (Efesiana 6:5, 6, Kat.). Nisy koa fotoana hafa nanambaran’i Petera sy ny apostoly sasany hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” — Asa. 5:29.
Toy izany koa no izy ao amin’ny fianakaviana. Raha misy kristiana manam-bady lehilahy tsy manaiky ireo aingam-pitsipik’Andriamanitra, dia mety hotoherin’io ny hamonjeny tsy tapaka an’ireo fivorian’ny kongregasiona. Hataontsika izao hoe, ilàny vaniny ravehivavy ka mety hoveleziny mihitsy aza — toy ny miseho tokoa indraindray — mba tsy hamonjen’io fivoriana, dia inona no tokony hataony? Raha manaiky lembenana io dia mety hampidi-doza ny fahasalamany ara-panahy mbamin’ny an’ny ankohonany ka dia hamoy ny fanantenany hiaina mandrakizay. Tsy aleony àry ve izany manoa an’i Jehovah, sady feno toky fa tsy misy olombelona mihitsy, na ny vadiny aza, manana zo hanohitra ny didy mibaiko ‘tsy hahafoy ny fiarahantsika miangona’? — Hebreo 10:25.
Nanizingizina ny vadin’i Miyoko fa “mandanilany” ny karamany fotsiny ramatoa mamonjy an’ireny fivoriana kristiana ireny, izay tsy ankasitrahany. Tamin’ny farany, dia tsy nomeny azy intsony ny volan’ny tokantrano, hany ka voatery Miyoko nandeha an-tongotra hankany amin’ny Efitrano Fanjakana, izay lavitra handehanana an-tongotra adiny iray.
Nampiato azy ve izany? Tsia. Nivavaka tamin’i Jehovah izy sady nandinika ny toe-javatra. Satria nazava tamin’i Miyoko ny anton’ny fanoheram-badiny, dia tapa-kevitra izy hitady asa: fanaterana gazety an-tranon’olona izany. Nanaiky ralehilahy, raha nomena azy ny antsasa-karama.
Nivavahan’i Miyoko indray Jehovah mba, raha sitrapony, dia enga anie izy homena faritany akaikikaikin’ny fonenany. Mazàna iandrasana herintaona vao tanteraka ny faniriana toy izany; kanjo toy inona ny fahagagany fa tsy ampy herinandro enina akory izy dia nahazo faritany akaikin’ny tranony. Nentanin’ny hevitra fa nihaino ny vavaka nataony Jehovah, dia nanomboka niasa izy isa-maraina anelanelan’ny 4 ora sy sasany sy ny 6 ora maraina. Nahita izany rangahy ka niova fihetsika tsikelikely ary tena tony tokoa izy ankehitriny. Isika koa, raha manahaka an’i Miyoko, izay manao fitoriana maharitra mpanampy isam-bolana, ka mamakafaka amim-bavaka ny toe-javatra misy antsika ary tsy malaina manao zavatra, dia hahazo tokoa ny fitahian’i Jehovah.
Mazava ho azy fa misy antony sendra angatahana lehilahy tsy mpino am-badiny mba tsy hamonjy fivoriana singany iray ka tsy misy amin’izany tsy akory fiezahany hanimba ny fanompoam-pivavahan’io amin’i Jehovah. Rehefa mazava tsara amin’io vehivavy kristiana io tsara ny aingam-pitsipika tafiditra, dia ho afaka hanapaka hevitra mifanitsy amin’ny toe-javatra manokana misy azy izy.
Ankoatr’izany, ahoana no ho fihetsika vehivavy raran’ny vadiny tsy hitondra ny ankizy hamonjy fivoriana? Fantany mazava tsara aloha fa, na dia tsy manaiky an’i Kristy ho filoha aza ralehilahy, dia mbola izy ihany no filohan’ny fianakaviana (1 Korintiana 11:3). Etsy an-daniny kosa, izy dia mihevitra ny fahasalamana ara-panahin-janany sady maniry hanoa an’i Jehovah. Tsorina fa tena hisedra tokoa ny finoany ny toe-javatra toy izany, izay mitaky azy hanefa ny adidiny rehetra; nefa tsy ho afaka ny tsy hanampy azy ny vavaka hangatahany an’i Jehovah mba hanome azy fahendrena sy fahazavan-tsaina (Jakoba 1:5; Filipiana 4:6, 7). Sady mety handravona an’io tsy fifankahazoana io angamba izy raha miresaka amim-badiny amin’ny fomba manambitamby sy tsy mahatohina, ka mitafy fanahy tony sady malefaka. — Kolosiana 4:6; 1 Petera 3:1-5, MN.
Misy vehivavy kristiana monina any Yamato, Japon, niantefan’ny fisehoan-javatra toy izany: voararan’ny vadiny tsy hitondra ny zanany telo hamonjy fivoriana. Inona àry no azony natao? Nikirizany nampianarina tao an-trano ny ankizy, ka ireo, rehefa ampy taona mba hanapaka hevitra ho an’ny tenany no niandany tamin’i Jehovah ary nanomboka namonjy fivoriana. Romotra ralehilahy ka nandroaka azy mianakavy avy tao an-trano.
Nahita asa io vehivavy kristiana io ary nisy rahavaviny amin’ny finoana nampiantrano azy vonjimaika. Kanefa moa izy tsy nianina tamin’izay fa dia niverina tsy tapatapaka mba hampirina ny trano sy hahandro ny sakafom-badiny. Tamin’ny farany, dia nampody azy io, rehefa afaka iray volana, ary nitsahatra tsy nanohitra intsony ny fanompan-drizareo. Voavaly soa tokoa ny fitondrantena nahatoky nasehon’io kristiana io.
‘Aoka hotsapaina ny teny ara-tsindrimandry’
Ahoana no tokony ho fandray ny fahefana eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra? Tsy misy hambahamba fa tsy maintsy toavina tokoa ireo manana andraikitra ao amin’ny kongregasiona kristiana, noho izy voatendrin’ny fanahy masina sady mampiorina ny toro-heviny amam-pampiomanana amin’ny Tenin’Andriamanitra (Asa. 20:28; Hebreo 13:17). Kanefa koa tsy takina akory ny kristiana hanaiky tsy misy fieritreretana akory.
Toy izao tokoa mantsy ny torohevitry ny apostoly Jaona: “Aza mino izay rehetra ara-tsindrimandry, mba hahitanareo raha avy amin’Andriamanitra no niaviany.” (1 Jaona 4:1, MN ). Tsy tian’i Jaona holazaina tsy akory fa hoe tsy maintsy hotsipahina daholo izay rehetra rentsika; kanefa dia tadidiantsika ny tenin’i Paoly ara-tsindrimandry ao amin’ny Galatiana 1:8: “Na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara aminareo afa-tsy izay notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.”
Moa ve izato fampianarana atolotra antsika miavaka amin’ilay efa voaraitsika tamin’ny alalan’ilay “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”? Ny anaran’i Jehovah ve sa ny tenany no itadiavan’ilay olona mampiely izany voninahitra? Moa ny toriny mifanaraka amin’ny fitambaran’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly? Fanontaniana samy hanampy antsika ireo mba ‘hisedra’ izay filazana rehetra rentsika toa mampisalasala. Manentana antsika ny Tenin’Andriamanitra mba ‘hizaha toetra ny zavatra rehetra, ka hitana izay tsara’. — Matio 24:45; 1 Tesaloniana 5:21, Kat.
Amin’izany lafin-javatra izany, dia ahitantsika ohatra mahavariana Gideona mpitsara. Mba hananany toky fa hiady ho azy Jehovah dia nanonona fisedrana izy: “Indro, hapetrako eo amin’ny famoloana ity volon’ondry iray manontolo ity, hoy izy tamin’i Jehovah, ka raha ny volon’ondry ihany no lenan’ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tànako no hamonjenao ny Isiraely.” Nataon’i Jehovah àry ny nangatahiny, kanefa mbola nila toky fanampiny Gideona: “Aoka ny volon’ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa ho lenan’ny ando.” — Mpitsara 6:37-39.
Diso malina loatra ve Gideona sa tsy natoky olona? Toa tsy dia izany loatra matoa neken’i Jehovah indroa ny nangatahiny sady nefainy. Ta-hahazo toky fotsiny Gideona fa ny Tenin’Andriamanitra teo am-pelatanana tahaka antsika, dia fisedrana toa an’io no fomba nandaitra mba ‘hananany antoka’. Avy eo kosa, rehefa azony ny antoka nilainy, dia notoaviny tamin’ny fomba hentitra tokoa ireo baikon’i Jehovah, na dia toa hataon’olombelona ho famonoan-tena aza izany hoe, telonjato lahy monja no neti-manafika toby miaramila nisy 135000 lahy (Mpitsara 7:7; 8:10). Maneho toe-tsaina toy izany ve isika, ka mikaroka ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny tena sitrapon’i Jehovah ary avy eo dia miraikitra amin’izany?
Ny safidy mampiseho fahendrena indrindra
Jehovah akory tsy mitaky antsika hino an-jamba be izao na ny hanoa azy toy ny hoe mpamola-biby mitana lamboridy aman-kotopia izy. Izay no ilazany amin’i Davida hoe: “Aza manahaka ny soavaly sy ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy.” (Salamo 32:9). Tsia, fa nomeny kosa saina mahadinika sy mamakafaka isika ho enti-manoa azy sady mahatakatra ny ataontsika.
Ny teny japoney hoe kikou (mihaino) dia manan-kevitra tsy hoe mahare sy manoa fotsiny, fa ao koa ny hoe mitsara zavatra ho soa na ratsy. Toy izany no tokony ho fihetsitsika rehefa misy miteny amintsika mba tsy hoe manoa isika satria minomino avy hatrany fotsiny fa satria izany tokoa no efa tena hevitra tsapatsika. Rehefa misy lazain’ny Raintsika any an-danitra, Jehovah, antsika, na amin’ny alalan’ny Teniny, ny Baiboly izany, na amin’ny alalan’ny fandaminany eto an-tany, dia zava-dehibe indrindra ny hihainoantsika sy hanoavantsika; amin’izay isika dia ho hita ho mpanompo mankatò izay nandatsaka am-po ny fampahatsiahivany feno fitiavana hoe: “Renao ve izany teniko izany?”
[Sary, pejy 29]
Iza no tokony hohenoiko?
[Sary, pejy 31]
Nitady hahafantatra ny sitrapon’i Jehovah i Gideona sady nanoa Azy.