Mandehana hatrany ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra
Rehefa hianarana ao anatin’ny kongregasiona ity lahatsoratra ity sy ireo roa hanaraka, izay hitarika ny fianarana dia hampamaky ireo tapany amin’ny taratasy voalohany nosoratan’i Jaona arakaraka ny fisian’ny fotoana.
“Andriamanitra dia mazava.” — I JAONA 1:5.
1, 2. Oviana ary taiza moa i Jaona no nanoratra ny taratasiny voalohany, ary mihatra amin’iza izany?
VELOM-PANKASITRAHANA ny Vavolombelon’i Jehovah satria ao anatin’ny fahazavan’Andriamanitra, ary mikasa tokoa ny handeha amin’izany hatrany izy. Tsy mora anefa akory izany, satria na dia ireo mpianatr’i Jesosy Kristy voalohany aza dia nifanehatra tamin’ny fivadiham-pinoana. Nanohitra ny fitaran’izany anefa ireo apostoliny nahatoky. Ny apostoly Jaona no anankiray tamin’ireo izay ‘nisakana’ izany. (II Tesaloniana 2:1-12.) Tany amin’ny 98, rehefa be taona tokoa izy ka nonina tany Efesosy, na teo akaikin’io tanàna io, dia nanoratra ny voalohany tamin’ireo taratasiny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra i Jaona. Ireo torohevitra raketiny dia nanampy ny kristiana tamin’ny taonjato I hanohy handeha ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra. Ary isika?
2 Ilain’ny kristiana amin’izao taonjato faha-20 izao koa ny tenin’i Jaona. Koa rehefa hianatra manokana ity lahatsoratra ity sy ireo roa hanaraka ianao, dia aza hadinoina ny mamaky ny tapany rehetra amin’ny taratasiny voalohany tondroina. Ao amin’io taratasy io sy ao amin’ireo fanazavana homenay, ny mpisolo anarana hoe “izahay” na “isika” dia matetika no manondro ireo mpianatr’i Jesosy voahosotry ny fanahy. Mahakasika ireo kristiana manantena ny hiaina eto an-tany koa anefa ireo fotopoto-pitsipika lehibe momba ny rariny, ny fitiavana, ny finoana sy ny toetra hafa koa.
Fananana anjara mitondra fifaliana
3. Inona no porofo ananantsika fa velona ny Zanak’Andriamanitra, nijaly ary maty tamin’ny naha-olombelona? Nahoana moa izy no nantsoina hoe “Teny fiainana”?
3 Ny taratasin’i Jaona voalohany dia miresaka ny amin’ny ‘fananana anjara’ mahafaly (vakio I Jaona 1:1-4, MN ). Jesosy, “Teny fiainana”, dia niaraka tamin’i Jehovah “hatramin’ny voalohany” tamin’ny naha-zavaboariny voalohany azy ka tamin’ny alalany no “nahariana ny zavatra rehetra”. (Kolosiana 1:15, 16.) Ny mpivadi-pinoana sasany tamin’ny taonjato voalohany dia nihambo ho tsy nanana ota ary tsy nety nanome ho an’i Jesosy ny toerana ara-dalàna tokony ho azy tao anatin’ny fandaharan’Andriamanitra. Nihaino an’i Jesosy anefa ireo apostoly; nandinika azy tamim-pitandremana sy nikasika azy izy ireo, ary fantany fa niasa tamin’ny alalany ny herin’Andriamanitra. Nisy vavolombelona nahita maso àry izay afaka nanantitrantitra fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesosy ary velona, nijaly sy maty tamin’ny naha-olombelona. Jesosy no “Teny fiainana” satria ‘ny fiainana [mandrakizay] naseho’ tamin’ny alalany, nanomezan’Andriamanitra ny avotra. — Romana 6:23; II Timoty 1:9, 10.
4. Milaza tsy mivantana inona moa ny ‘fananana anjara’ andraman’ireo kristiana voahosotra?
4 Tamin’izay nambarany sy nosoratany, ireo apostoly dia ‘nanao fanambarana’ ny amin’i Jesosy Kristy, lehilahy tsy nanana ota. ‘Nanambara’ izany zavatra izany i Jaona mba hahatonga ireo kristiana voahosotra ‘hanana anjara’ na iombona amin’ireo mpandova ilay Fanjakana hafa, amin’ny Ray sy amin’ny Zanany. Izany ‘fananana anjara’ izany dia milaza tsy mivantana firaisan-tsaina ka mitondra fifaliana lehibe (Salamo 133:1-3; Jaona 17:20, 21). Ireo mpivadi-pinoana izay mankahala ireo namany taloha tao amin’ny asan’i Jehovah dia tsy manandrana intsony izany firaisana amin’Andriamanitra sy Kristy izany.
“Andriamanitra dia mazava”
5. Inona moa no “hafatra” noraisin’ireo apostoly avy tamin’i Jesosy, ary inona no herin’izany teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
5 Ireo tenin’i Jaona nanaraka dia “hafatra” noraisin’ireo apostoly avy tamin’i Jesosy (vakio I Jaona 1:5-7). Izao izany: “Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina [fahalotoana, lainga na faharatsiana] akory ao aminy.” Arian’ny Vavolombelon’i Jehovah àry ny fanao ratsy rehetra miaraka amin’ny maizina (Joba 24:14-16; Jaona 3:19-21; Romana 13:11-14; II Korintiana 6:14; I Tesaloniana 5:6-9). Koa satria ny mpivadi-pinoana sasany nino fa tsy nisy ota, dia tao anatin’ny maizina ara-panahy izy ireny. Nihambo ho nitana fahalalana miafina izy ireny, kanefa mazava Andriamanitra; tsy mifono zava-miafina na maizina izy. Ireo vavolombelony mahatoky ihany anefa no omeny fahazavana ara-panahy. — Matio 5:14-16; I Petera 2:9.
6. fitahiana inona no raisintsika raha ‘manaraka ny fahamarinana’ isika?
6 Raha milaza isika fa manana “anjara” miaraka amin’Andriamanitra isika, kanefa manohy “mandeha amin’ny maizina” izay mitarika ho amin’ny fiainana feno ota, dia “mandainga isika ka tsy manao ny marina”, na tsy miaina mifanaraka amin’izany isika. Nefa kosa, raha manaraka fitsipi-pitondrantena mifanaraka amin’ny fahamarinana isika, dia ao amin’ny mazava, tahaka an’Andriamanitra. Amin’izany isika dia manana “anjara” miaraka amin’ireo rahalahintsika kristiana, satria ny rehetra ampiraisin’ny fampianarana iray ihany, ny fiheverana ny zavatra ara-panahy mitovy, ny asa fanaovana mpianatra iray ihany sy ny lafiny hafa amin’ny fanompoam-pivavahana madio.
7. Nahoana moa ny ran’i Jesosy no afaka ‘manadio antsika amin’ny fahotana rehetra’?
7 Mifanohitra amin’ny mpivadi-pinoana sasany tamin’ny taonjato I, isika izay “mandeha eo amin’ny mazava” dia mahalala fa maloto ny ota. “Manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” ny ran’i Jesosy satria isika tsy mpanota an-tsitrapo (Matio 12:31, 32). Velom-pankasitrahana an’Andriamanitra isika noho ny nisehoany ho be famindrampo amin’ireo kristiana nanao fahadisoana, kanefa mibebaka. — Salamo 103:8-14; Mika 7:18, 19.
Ny fototry ny fanavotana
8, 9. a) Mifototra amin’inona moa no amelan’i Jehovah ny helotsika? b) Inona no nolazain’ny mpivadi-pinoana sasany ny amin’ny fahotana, ary nahoana izy ireny no tao anatin’ny fahadisoan-kevitra?
8 Manaraka izany, dia lazalazain’i Jaona ny fototra izay mahatonga ho afaka hanadio amin’ny fahotana (vakio I Jaona 1:8 ka hatramin’ny 2:2). Raha milaza isika hoe: “Tsy manana ota isika”, dia lavintsika ny hoe mpanota daholo ny olona tsy tanteraka rehetra, ary “ny marina tsy ato anatintsika”. (Romana 5:12.) “Mahatoky” anefa Andriamanitra ary mamela ny helotsika izy “raha miaiky [aminy] ny fahotantsika isika” ka manaraka fihetsika mibebaka izay manosika antsika hiala amin’ny ratsy (Ohabolana 28:13). Ny amin’ireo izay voaray ao anatin’ny fanekena vaovao, dia hoy Andriamanitra: “Tsy hotsarovako intsony ny fahotany.” (Jeremia 31:31-34; Hebreo 8:7-12). Tamin’ny famelana ny helok’izy ireo, dia niseho ho tsy nivadika tamin’io fampanantenana io izy.
9 Ambonin’izany, Andriamanitra dia “marina”; manaraka mandrakariva ireo marika mampiavaka ny fahamarinana omeny izy. Nahatanteraka ny fahamarinana izy tamin’ny alalan’ny avotra ary afaka “mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra” raha miaiky ny maha-mpanota antsika isika ka maneho finoana ny soron’i Jesosy (Hebreo 9:11-15). Tamin’ny fahafatesany, dia nitondra ny fahotana ny Mesia, tsy misy hafa amin’ny osilahy nitondra ny fahotan’ny vahoaka ka rehefa avy eo dia nalefa ho any an’efitra tamin’ny Andro Fanavotana (Levitikosy 16:20-22; Isaia 53:5, 8, 11, 12; I Petera 2:24). Nilaza ny mpivadi-pinoana sasany hoe: “Tsy nanota izahay”, ka izany dia nitovy tamin’ny ‘fiheverana an’i Jehovah ho mpandainga’. “Tsy mahay mandainga” anefa Andriamanitra, ary asehon’ny Teniny fa tena manota tokoa ny olombelona rehetra tsy tanteraka (Titosy 1:2; Mpitoriteny 7:20; Romana 3:23). Raha milaza isika hoe: “Tsy manana ota isika”, dia manambara izany fa “tsy ato anatintsika” ny tenin’Andriamanitra, fa tsy ao am-pontsika izany. — Hebreo 8:10.
10. Tamin’ny heviny ahoana moa i Jesosy no “sorom-panavotana”?
10 Nosoratan’i Jaona “izany zavatra izany” mahakasika ny fahotana, ny famelan-keloka sy ny fanadiovana mba tsy hizarantsika hanota. Ny teniny dia tokony hanosika antsika hanao fiezahana mafy mba tsy hanota (I Korintiana 15:34). Raha “manota” anefa isika ary raha mibebaka, dia manana “Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina” izay miaro antsika eo anatrehan’Andriamanitra (Hebreo 7:26; jereo Jaona 17:9, 15, 20). Jesosy dia “avotra”. Manatanteraka ny rariny ny fahafatesany ary manome ho an’Andriamanitra fahafahana haneho ny famindrampony sy hanaisotra ny enta-mavesatra, dia ny fahotana eo amin’ireo Isiraelita ara-panahy, nefa koa ny ‘fahotan’izao tontolo izao’, anisan’izany ny “olona betsaka”. (Romana 6:23; Galatiana 6:16; Apokalypsy 7:4-14.) Lehibe ny fankasitrahantsika noho io sorona io.
Aoka isika hankatò an’Andriamanitra sy haneho fitiavana
11. Ahoana no ahalalantsika fa ‘ao amin’Andriamanitra’ isika?
11 Mba hanohizana handeha ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra, dia ilaina ny mankatò an’i Jehovah (vakio I Jaona 2:3-6). Fantatsika fa nianatra ny ‘hahalala’ an’Andriamanitra isika, hahafantatra azy sy ireo toetrany, raha manohy ‘mitandrina ny didiny’. Izay rehetra mihambo ho mahalala an’i Jehovah, kanefa tsy mankatò azy dia “mpandainga”. Nefa kosa, raha mitandrina ny teniny isika, dia ‘tanteraka (na feno) ao amintsika marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra’. “Izany”, amin’izany porofo izany fa mankatò an’Andriamanitra isika ary tia azy, no ahafantarantsika fa “ao aminy isika”. Ary manana adidy hanahaka ny Zanaka isika amin’ny asa fanaovana mpianatra, eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa, ets.
12. “Didy ela” inona no azon’ny kristiana, ary amin’ny heviny ahoana izany no “vaovao” koa?
12 Tena ilaina koa ny fitiavan-drahalahy (Vakio I Jaona 2:7, 8). Jaona dia nanoratra “didy ela” azon’ireo olo-mahatoky “hatramin’ny voalohany” tamin’ny fiainany amin’ny maha-kristiana. “Ela” io didy io satria taona maro talohan’izay no nanomezan’i Jesosy azy ireo izany rehefa nilaza tamin’ireo mpianany izy mba ‘hifankatia tahaka ny nitiavany azy ireo’. (Jaona 13:34.) “Vaovao” koa anefa izany satria mihoatra lavitra noho ny fitiavana ny namana notakin’ny Lalàna ary mitaky amin’ireo izay mitandrina izany mba ho vonona ny hahafoy ny ainy ho an’ireo rahalahiny mpino (Levitikosy 19:18; Jaona 15:12, 13). Koa satria ny fitiavantsika izay mety ho lasa hatramin’ny fanaovana sorona ny tena manaporofo fa ny fanekena an’io “didy vaovao” io ‘dia marina eo amin’i Kristy sy eo amintsika, dia miala ny maizina, ary mahazava sahady ny mazava marina’ eo amintsika.
13. Araka ny I Jaona 2:9-11, iza moa no “ao amin’ny mazava” ary iza no tsy toy izany?
13 Iza anefa no tena “ao amin’ny mazava”? (Vakio I Jaona 2:9-11.) “Izay milaza fa ao amin’ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny”, dia ao anatin’ny maizina ara-panahy “ankehitriny”. Nefa kosa, “izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy”. Ny teny grika ampiasaina eo dia mampahatsiahy ny amin’ny fandrika ho an’ny biby misy hanin-jono, noho izany dia zavatra mety hampahalatsaka ao amin’ny fahotana. Raha ny marina, izay rehetra milaza tena fa kristiana kanefa mankahala ny rahalahiny dia “tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony”. (Matio 13:13-15.) Moa ve io fampitandremana io hanosika anao hanalavitra ny maizina ara-panahy amin’ny tsy famelana ny tsy fifanarahana manokana, ny laingan’ireo mpivadi-pinoana, ary na inona na inona mety handrava ny fitiavanao ireo rahalahinao?
Ny fototry ny fitokisana
14. Iza moa ireo “ankizy madinika” sy ireo “ray” nitenenan’i Jaona?
14 Rehefa avy eo i Jaona dia naneho ny fitokisany an’ireo “ankizy madinika [na tanora]”, fitenenana izay azo inoana fa manondro ny kongregasiona manontolo (vakio I Jaona 2:12-14). Voavela ny helotsika ‘noho ny anaran’i Kristy’, satria tamin’ny alalany ihany no namelan’Andriamanitra ny famonjena hety (Asan’ny apostoly 4:12). Ireo kristiana voahosotra dia “mahalala ny Ray” noho izy niteraka azy ireo tamin’ny fanahiny. Ny sasany dia “ray”, azo inoana fa mpino be taona kokoa, nanana fanandraman-javatra kokoa sy nandroso ara-panahy. Fantatr’izy ireo Jesosy izay “hatramin’ny voalohany” amin’ny heviny hoe namorona azy talohan’ny zavatra hafa rehetra Andriamanitra.
15. a) Iza moa ireo “zatovo” nitenenan’i Jaona, ary tamin’ny fomba ahoana no ‘nandreseny ilay ratsy’? b) Manomeza ohatra ny amin’ny fomba azontsika ‘andresena’ an’i Satana amin’izao andro izao.
15 Ireo “zatovo” nitenenan’i Jaona angamba dia kristiana tanora kokoa sy tsy ampy fanandraman-javatra kokoa. “Naharesy ilay ratsy”, dia Satana, izy ireo, satria tsy lavo noho ny “fikasany” (II Korintiana 2:11, MN.) Amin’izao androntsika izao, izany dia milaza, ohatra, fanariana ny fialam-boly maloto, ny mozika manaitaitra ny filan’ny nofo sy ny sary maloto, samy zavatra mety hanimba ireo fotopoto-pitsipika kristiana sy hahalavo olona iray ao anatin’ny fahalotoam-pitondrantena. Mandresy an’i Satana ireo “zatovo” satria izy ireo “mahery” ary mitoetra ao aminy “ny tenin’Andriamanitra”. Aoka isika hanao izay hanahafana azy ireny amin’ny fanekena ireo fandaharana ara-panahy nataon’Andriamanitra, amin’ny fanariana ny fivadiham-pinoana sy amin’ny fanohizana mandeha ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra.
Fitiavana tokony hariantsika
16. fitiavana inona no tsy tokony hananantsika, ary inona no ho azo lazaina ara-drariny tokoa ny amintsika raha nanana hevitra na faniriana mampiavaka an’izao tontolo izao isika?
16 Na kristiana tanora isika na be taona, dia misy fitiavana tokony hariantsika (vakio I Jaona 2:15-17). Tsy tokony ho “tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao” isika. Tokony hitandrina mandrakariva kosa isika mba tsy hanaiky ho voaloton’ny faharatsian’ny fitambaran’olona tsy marina ankehitriny sy tsy hifoka ny ‘fanahiny’, izany hoe tsy hanaiky ho voataonan’ny fihetsika ratsy manapaka eo aminy (Efesiana 2:1, 2; Jakoba 1:27). Raha sanatria isika ka mitana hevitra na mamelona faniriana mampiavaka an’izao tontolo izao, dia tsy ho ao amintsika “ny fitiavana ny Ray” (Jakoba 4:4). Moa ve izany tsy zavatra tokony hoeritreretintsika ao amin’ny vavaka?
17. Faniriana inona avy mampiavaka izao tontolo izao moa no tsy tokony homen’ny kristiana fahafahampo?
17 Tsy avy amin’Andriamanitra “ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao”. Voafaoka amin’izany “ny filan’ny nofo” izay ny fanomezana fahafahampo azy dia mety hitarika ho resin’ny fironana mahery sy ratsy, toy ny faniriana maloto eo amin’ny lahy sy ny vavy (I Korintiana 6:15-20; Galatiana 5:19-21). Tokony hohalavirina koa ny ho resin’ny “filan’ny maso”. Sodokan’ny voankazo voarara hitany ho faniry i Eva. Fa i Davida kosa, dia ny fahitana an’i Batseba teo am-pandroana no nitarika azy hanao fahadisoana lehibe dia lehibe (Genesisy 3:6; II Samoela 11:2-17). Mba hanohizana mandeha ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra àry, dia tokony hohalavirintsika ireo fialam-boly mampietry mbamin’ny zavatra hafa rehetra mampiasa ny fanirian-dratsy sy manimba ny fo. — Ohabolana 2:10-22; 4:20-27.
18. Nahoana moa “ny fampiderana ny fananan’ny tena” no zava-poana, ary tsy mitondra inona izany?
18 Avy amin’izao tontolo izao koa “ny rehaka momba izao fiainana izao [ny fampiderana ny fananan’ny tena, MN ].” Ny olona mieboebo iray dia mety hirehareha noho ny harenany, ny fitafiany sy ny fananana hafa, dia zavatra samy mety hafoiny. Hanaitra ny sasany angamba izany “fampiderana” izany; mety hiteraka fiderana mihelina an’io olona io izany, fa tsy hitondra fitahian’Andriamanitra. — Matio 6:2, 5, 16, 19-21; Jakoba 4:16.
19. Inona no hanjo izao tontolo izao ankehitriny, ary amin’ny ahoana izany no tokony hisy heriny eo amintsika?
19 Aza hadinoina fa “mandalo izao fiainana izao” ary horavana izy (II Petera 3:6). Ny faniriany sy ny fanantenany dia hiara-hanjavona aminy sy ireo olona tia azy. “Fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”, hoy i Jaona. Koa aoka isika hibanjina hatrany ny fiainana mandrakizay amin’ny ‘fandavana ny filan’izao tontolo izao’ sy amin’ny fanohizana mandeha ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra. — Titosy 2:11-14.
Aoka isika ho maodimaody ny amin’ny fivadiham-pinoana
20. Ahoana no niantsoana ireo izay ‘nanohitra an’i Kristy’, ary nanaporofo inona ny fanatrehan’izy ireny?
20 Rehefa avy eo i Jaona dia mampitandrina antsika amin’ireo antikristy (vakio I Jaona 2:18, 19). Nampahatsiahy an’ireo rahalahiny kristiana izy ny amin’ny nahafantaran’izy ireo tamin’ireo apostoly fa “ho avy ny antikristy”. Ny fisehoan’ny ‘antikristy maro’ dia nanaporofo fa tonga ny “ora farany”, izany hoe ny tapany farany amin’ny andron’ny apostoly. Ireo izay ‘nanohitra an’i Kristy’ dia nahaforona “antikristy” mitambatra, kanefa teo amin’ny lafin’ny isam-batan’olona, dia antikristy maro no nihambo ho nivavaka tamin’Andriamanitra, nefa “tsy mba namantsika” ary niala tamin’ny tena kristianisma. Mahafaly antsika fa amin’izao andro izao ny fandehanan’ny olona toy izany na ny fandroahana azy dia miaro ny kongregasiona amin’ny faharatsiana.
21. Nahoana moa ireo kristiana nateraky ny fanahy no ‘manana fahalalana’, ary “fahamarinana” inona no fantany?
21 Mandà ny hevitry ny mpivadi-pinoana ireo kristiana voahosotra mahatoky. Koa satria ny “hosotra avy amin’Ilay Masina”, dia Jehovah, manampy azy ireo hahazo ny Teniny, dia ‘manana fahalalana’ izy rehetra. (Vakio I Jaona 2:20, 21.) Azo antoka fa fantatr’izy ireo ny “fahamarinana” ny amin’i Jesosy Kristy, nefa kosa ireo mpivadi-pinoana dia mamelona hevi-diso ny aminy. Koa satria ‘tsy misy lainga mihitsy avy amin’ny marina’, izay rehetra tia an’i Jehovah dia mandà ireny hevitra feno lainga ireny sy ireo izay manohana izany.
22. Inona moa no nataon’i Charles Russell rehefa nanomboka nanda ny avotra ny anankiray tamin’ireo mpiara-miasa taminy voalohany?
22 Rehefa dinihina tokoa, “iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy”, ho Voahosotr’Andriamanitra (vakio I Jaona 2:22-25)? ‘Izay mandà ny Ray sy ny Zanaka no antikristy’. Aoka homarihintsika fa rehefa nanda ny avotra ny anankiray tamin’ireo mpiara-miasa taminy voalohany, Charles Russell, mpianatra ny Baiboly, dia nanapaka izay rehetra nety ho fifandraisana taminy ka tamin’izay dia namoaka ny bokin’ny tenany izay nampahafantatra foana ny fahamarinana ny amin’ny niandohan’i Kristy, ny anjara asany tamin’ny naha-Mesia ary ny nataony tamim-pitiavana tokoa tamin’ny naha-“sorom-panavotana”.
23. Amin’ny heviny ahoana moa ny ‘fanekena an’i Kristy’ no misy heriny eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy amin’ny fanantenantsika?
23 Ireo mpivadi-pinoana izay mandà an’i Kristy dia tsy manana an’i Jehovah ho Sakaiza (Jaona 5:23). Nefa kosa, isika izay ‘manaiky [ampahibemaso] ny Zanaka dia manana ny Ray’; manana fifandraisam-pankasitrahana amin’Andriamanitra isika (Matio 10:32, 33). Ireo mpianatr’i Jesosy nahatoky voalohany dia nifikitra hatrany tamin’izay nianaran’izy ireo ny amin’ny Zanak’Andriamanitra “hatramin’ny voalohany” tamin’ny fiainan’izy ireo tamin’ny naha-kristiana. Raha mitoetra ao am-pontsika izany fahamarinana izany dia ‘hitoetra ao amin’Andriamanitra sy Kristy’ isika ka hahazo “ny teny fikasana [zavatra nampanantenaina, MN ]”, dia: ny fiainana mandrakizay. — Jaona 17:3.
Ampianarin’i Jehovah Andriamanitra
24. Iza moa no nahazo “hosotra” tamin’ny alalan’ny fanahy masina, ary nahoana ireny kristiana ireny no tsy ‘mila olona hampianatra azy’?
24 Mba handehanana ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra ka tsy hanekena ho voavilin’ny mpivadi-pinoana, dia ilaintsika ny fahaizana ara-panahy tsara (vakio I Jaona 2:26-29). Ireo kristiana nateraky ny fanahy dia manana “hosotra” amin’ny alalan’ny fanahy masina; nianatra ny hahafantatra an’Andriamanitra sy ny Zanany izy ireo ary “tsy mila hampianarin’olona [mpivadi-pinoana]”. Amin’ny alalan’ny fanahiny izay nanosotra azy ireo, Andriamanitra dia “mampianatra” ny Isiraelita ara-panahy “ny zavatra rehetra” ilaina mba hanompoana azy amin’ny fomba azo ekena (Jaona 4:23, 24; 6:45). Faly isika satria amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika dia mahazo fampianarana ara-panahy avy amin’Andriamanitra toy izany amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. — Matio 24:45-47.
25, 26. a) Nahoana moa ireo kristiana voahosotra no manana “fahasahiana”? b) Inona moa no dikan’ny hoe ‘manao ny marina’?
25 Jaona dia nananatra ireo kristiana voahosotra nampianarina tsara mba ‘hitoetra ao amin’Andriamanitra’. Ireo izay ‘ao amin’i Jehovah’ dia tafaray amin’izany fomba izany koa amin’ny Zanany (Jaona 14:19-21). Anoroana hevitra mafy ny hananana izany firaisana izany, “mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy [Kristy], ka tsy ho menatra eo anatrehany amin’ny fihaviany” [fanatrehany, MN ], na “Parousie”.
26 Koa satria isika ankehitriny miaina ao anatin’ny ‘fanatrehan’i Jesosy’, ahoana no mety hahazoantsika antoka fa tsy ho menatra mihitsy ka tena handeha ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra? Amin’ny ‘fanaovana ny marina’. ‘Raha fantatsika fa marina Andriamanitra, hoy ny fanazavan’i Jaona, dia fantatsika fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany.’ Ny hoe ‘manao ny marina’ dia ny mankatò ireo didin’Andriamanitra, manary ny tsy fahamarinana ary mandray anjara amin’ny asa tsara dia tsara, ohatra, manao mpianatra sy manampy ireo mpino hafa (Marka 13:10; Filipiana 4:14-19; I Timoty 6:17, 18). Ny dikan’ny hoe ‘naterak’Andriamanitra’ dia hoe ‘nateraka indray’ amin’ny maha-zanak’Andriamanitra ara-panahy. — Jaona 3:3-8.
27. Inona no nasehon’ilay apostoly nanaraka izany?
27 Nasehon’i Jaona ny fomba hanohizana handeha ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra. Nohazavainy nanaraka izany ny fomba hiainana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra sy izay takin’izany.
Ahoana no havalinao?
◻ Inona moa no porofo omen’i Jaona fa velona ny Zanak’Andriamanitra, nijaly ary maty tamin’ny naha-olombelona?
◻ Tamin’ny heviny ahoana moa i Jesosy no “sorom-panavotana”?
◻ Didy inona sady “ela” no “vaovao” moa no noraisin’ny kristiana?
◻ Inona no hitranga amin’izao tontolo izao ankehitriny, ary amin’ny ahoana izany toe-javatra izany no tokony hisy heriny eo amin’ny kristiana?
◻ Ahoana no mety hahazoan’ireo kristiana voahosotra antoka fa mandeha ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra izy ireo?
[Teny notsongaina, pejy 12]
Miseho ho velom-pankasitrahana ve ianao noho ny soron’i Jesosy?