-
Jaona, Taratasy Nosoratan’iFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
I Jaona no apostoly velona farany. Efa 30 taona mahery talohan’izay no nanoratana ny taratasy farany ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Kely sisa dia tsy hisy apostoly intsony. Taona maro talohan’izay mantsy i Paoly no nanoratra tamin’i Timoty fa kely sisa ny fotoana hahavelomany. (2Ti 4:6) Nampirisihiny àry i Timoty mba hihazona hatrany ny modelin’ny teny mahasoa, sy hanolotra an’izay reny taminy ho an’ireo lehilahy mendri-pitokisana, mba hampianarin’izy ireny ny hafa koa.—2Ti 1:13; 2:2.
Efa nampitandrina ny apostoly Petera fa hisy mpampianatra sandoka eo anivon’ny fiangonana, ary hampiditra sekta mampidi-doza izy ireny. (2Pe 2:1-3) Nilaza tamin’ny anti-panahin’ny fiangonan’i Efesosy (toerana nanoratana an’ireo taratasin’i Jaona) koa i Paoly, fa hisy “amboadia masiaka” hiditra eo amin’izy ireo, ary tsy hiantra ny ondry ireny. (As 20:29, 30) Hisy fivadiham-pinoana lehibe, hoy izy, ka hiharihary “ilay lehilahy mpandika lalàna.” (2Te 2:3-12) Hoy àry i Jaona tamin’ny taona 98: “Izao, anaka, no ora farany. Araka ny efa renareo, dia ho avy ny antikristy. Ary efa misy antikristy maro sahady izao. Izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.” (1Jn 2:18) Ara-potoana tsara àry ilay taratasy sady tena nampahery an’ireo Kristianina tsy nivadika mba hanoherany ny fivadiham-pinoana.
-
-
Lehilahy Mpandika LalànaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Efa am-perinasa tamin’ny andron’ny apostoly. “Efa miasa sahady ilay zava-miafina”, hoy i Paoly. (2Te 2:7) Nisy olona, ohatra, nanao fampianaran-diso ka nampikorontan-tsaina an’ireo teo anivon’ny fiangonan’i Tesalonika. Anisan’ny antony nanoratan’i Paoly ny taratasiny faharoa ho azy ireo izany. Efa nisy antikristy koa tamin’i Jaona nanoratra ny taratasiny, ary azo inoana fa talohan’izay aza. Niresaka momba ny “ora farany”, na ny fe-potoana farany nisian’ny apostoly, izy, ka nanao hoe: “Araka ny efa renareo, dia ho avy ny antikristy. Ary efa misy antikristy maro sahady izao ... Niala tamintsika izy ireny, fa tsy mba namantsika. Mbola ho niaraka tamintsika ihany mantsy izy raha namantsika. Niala anefa izy, mba haseho mazava fa tsy ny rehetra no namantsika.”—1Jn 2:18, 19; jereo ANTIKRISTY.
-