Ny Fanahy sy ny Saintsika no Manaporofo fa Zanak’Andriamanitra Isika
“Ny fanahin’Andriamanitra sy ny saintsika dia miara-manaporofo fa zanak’Andriamanitra isika.”—ROM. 8:16.
1-3. Inona avy ireo zava-nitranga nampiavaka ny Pentekosta, ary nahoana izany no mifandray amin’izay voalazan’ny Soratra Masina mialoha? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)
ALAHADY maraina tamin’izay, ary tamin’ny sivy ora teo ho eo. Andro miavaka ho an’ny olona tao Jerosalema izy io, satria sady fety no sabata. Oviana izany? Tamin’ny Pentekosta taona 33. Azo inoana fa efa avy nanolotra ny fanatitra fanao isa-maraina ny mpisorona tao amin’ny tempoly. Nisomebiseby ny rehetra, rehefa niomana hanolotra ny fanatitra ahetsiketsika ny mpisoronabe. Mofo roa vita tamin’ny varimbazaha vaovao ilay izy ary nasiana lalivay. (Lev. 23:15-20) Io fanatitra io no famantarana fa manomboka ny fijinjana varimbazaha.
2 Nandritra izany fotoana izany, dia nisy Kristianina 120 teo ho eo nivory tao amin’ny efitra iray ambony rihana tao Jerosalema, ary “naharitra nivavaka.” (Asa. 1:13-15) Hisy zavatra lehibe lavitra noho ilay tao amin’ny tempoly hitranga tsy ho ela amin’izy ireo, ary mifandray akaiky amin’izay nataon’ny mpisoronabe isaky ny Pentekosta ilay izy. Tanteraka tamin’io koa ny faminaniana nosoratan’i Joela mpaminany, 800 taona teo ho eo talohan’izay. (Joela 2:28-32; Asa. 2:16-21) Fa inona ilay zava-nitranga tena lehibe?
3 Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:2-4. Nilatsaka tamin’ireo Kristianina vitsivitsy tafavory tao amin’ilay efitra ambony rihana ny fanahy masin’Andriamanitra. (Asa. 1:8) Nanomboka naminany izy ireo, izany hoe nitory momba ny zava-mahagaga hitany sy reny. Vetivety dia nisy vahoaka nitangorona, ka nohazavain’ny apostoly Petera tamin’izy ireo ny dikan’ilay zava-nitranga. Hoy izy avy eo: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo tsirairay, mba hahazoanareo famelan-keloka. Ary hahazo ilay fanomezana maimaim-poana ianareo, dia ny fanahy masina.” Olona 3000 teo ho eo no nanaiky an’io fanasan’i Petera io. Natao batisa tamin’io andro io izy ireo ary nahazo ny fanahy masina koa.—Asa. 2:37, 38, 41.
4. a) Nahoana no tokony ho zava-dehibe amintsika ny Pentekosta? b) Inona ilay zavatra lehibe nitranga, ka nety ho nitovy tamin’ny datin’ny Pentekosta ny fotoana nitrangany? (Jereo ny fanamarihana any amin’ny faran’ny lahatsoratra.)
4 Nahoana no tena zava-dehibe amintsika ny Pentekosta taona 33? Tsy noho ilay zava-nitranga tao amin’ny tempolin’i Jerosalema akory, fa noho ny zavatra nataon’i Jesosy Kristy tamin’io andro io.[1] Antsoina hoe Mpisoronabe ambony izy, ary mifanitsy aminy ilay mpisoronabe nanolotra mofo roa misy lalivay ho an’i Jehovah. Mifanitsy amin’ireo Kristianina voahosotry ny fanahy kosa ireo mofo roa. Nalaina avy tamin’ny olombelona mpanota izy ireo ary natsangan’Andriamanitra ho zanany ara-panahy. Antsoina hoe “voaloham-bokatra” izy ireo, ary ho any an-danitra mba hiara-manjaka amin’i Jesosy ao amin’ilay Fanjakana. Hampiasa an’io Fanjakana io i Jehovah mba hanomezana fitahiana be dia be ho an’ny olona mankatò azy. (Jak. 1:18; 1 Pet. 2:9) Zava-dehibe amintsika àry izay nitranga tamin’io andro io, na manantena ho any an-danitra isika, na hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.
AHOANA NO ANOSORANA FANAHY MASINA AN’ILAY OLONA?
5. Inona no porofo fa tsy mitovy ny fomba anosorana fanahy masina an’ireo voahosotra?
5 Aoka hatao hoe anisan’ireo mpianatra 120 ianao, ka nisy afo kely teo ambony lohanao. Azo inoana fa tsy ho hadinonao mihitsy iny andro iny. Tonga dia natoky ianao hoe voahosotry ny fanahy masina, indrindra raha lasa nahay teny vahiny tampoka teo. (Asa. 2:6-12) Tsy mahatsapa na mahita zavatra miavaka be toy izany daholo anefa ny voahosotra, rehefa hosorana fanahy masina. Nisy olon-kafa nohosorana fanahy masina tao Jerosalema tamin’io andro io, nefa tsy nisy afo teo ambonin’izy ireo. Rehefa natao batisa kosa izy ireo no nahazo ny fanahy masina. (Asa. 2:38) Nisy koa anefa tsy tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy no lasa voahosotry ny fanahy. Taoriana kelin’ny nanaovana batisa azy, ohatra, ny Samaritanina vao nohosorana fanahy masina. (Asa. 8:14-17) Ry Kornelio mianakavy indray talohan’ny batisany dia efa nohosorana fanahy masina.—Asa. 10:44-48.
6. Inona no omen’ny fanahy masina an’ireo voahosotra, ary inona no vokatr’izany eo amin’izy ireo?
6 Tsy mitovy àry ny fomba anosoran’i Jehovah fanahy masina an’ireo voahosotra. Ny sasany tonga dia mahatakatra hoe voantso ho any an-danitra izy, fa ny hafa kosa elaela vao mahatsapa sy manaiky an’izany. Samy mahatsapa an’ity voalazan’ny apostoly Paoly ity anefa izy rehetra: “Tamin’ny alalany koa no nanisiana tombo-kase anareo rehefa nino ianareo, dia ny tombo-kasen’ny fanahy masina nampanantenaina, izay antoka mialoha ny amin’ny lovantsika.” (Efes. 1:13, 14) Ny fanahy masina àry no manome antoka na porofo marim-pototra azy ireo fa voafidy ho any an-danitra izy ireo. Resy lahatra tanteraka ilay Kristianina hoe voahosotra izy, noho io antoka io.—Vakio ny 2 Korintianina 1:21, 22; 5:5.
7. Inona no tsy maintsy ataon’ny voahosotra tsirairay mba hahazoany ny valisoany?
7 Tonga dia azo antoka hoe ho any an-danitra ve izay rehetra lasa voahosotra? Tsia. Marina fa azon’ilay olona antoka hoe voasa ho any izy. Raha tsy mivadika hatramin’ny farany ihany anefa izy vao hahazo an’ilay valisoany any an-danitra. Hoy i Petera momba izany: “Noho izany, ry rahalahy, dia vao mainka tokony hanao izay rehetra azonareo atao ianareo mba ho azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Tsy ho lavo mihitsy ianareo, raha manao ireo zavatra ireo foana. Toy izany, raha ny marina, no hamelana anareo hiditra amim-boninahitra ao amin’ilay fanjakana mandrakizay, dia ny fanjakan’i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika.” (2 Pet. 1:10, 11) Tsy maintsy miezaka mafy mba tsy hivadika hatramin’ny farany àry ny voahosotra tsirairay, raha tsy izany dia ho very ilay valisoany.—Heb. 3:1; Apok. 2:10.
AHOANA NO AHALALANY HOE VOAHOSOTRA IZY?
8, 9. a) Nahoana no tsy azon’ny ankamaroan’ny olona ny zava-mitranga amin’ny olona iray lasa voahosotra? b) Ahoana no ahalalan’ny olona iray fa voantso ho any an-danitra izy?
8 Tsy azon’ny ankamaroantsika hoe inona no mitranga amin’ny olona iray rehefa lasa voahosotra izy. Ara-dalàna izany satria tsy iainantsika ilay izy. Nataon’Andriamanitra hiaina mandrakizay eto an-tany ny olombelona. (Gen. 1:28; Sal. 37:29) Tsy nieritreritra ny hifidy olona vitsivitsy ho any an-danitra mba ho mpanjaka sy mpisorona izy. Fandaharana vao nataony tatỳ aoriana izany. Lasa miova be ny fomba fisainan’ny olona iray sy ny toe-tsainy ary ny fanantenany rehefa lasa voahosotra izy.—Vakio ny Efesianina 1:18.
9 Ahoana anefa no ahalalan’ny olona iray hoe nahazo an’ilay antoka izy ka voantso ho any an-danitra? “Voantso ho olona masina”, ohatra, ny Kristianina tany Roma. Mariho izay nolazain’i Paoly tamin’izy ireo: “Tsy mitondra anareo ho amin’ny fanandevozana ny fanahin’Andriamanitra, sady tsy mampisy tahotra, fa mahatonga anareo hatsangana ho zanaka kosa. Ary io fanahy io no mahatonga antsika hiantso mafy hoe: ‘Aba, Ray ô!’ Ny fanahin’Andriamanitra sy ny saintsika dia miara-manaporofo fa zanak’Andriamanitra isika.” (Rom. 1:7; 8:15, 16) Mampiasa ny fanahiny masina àry Andriamanitra mba hampahafantarana amin’ilay olona hoe voasa mba handova an’ilay Fanjakana any an-danitra izy.—1 Tes. 2:12.
10. Inona no dikan’ilay hoe “tsy mila ampianarin’olona” ny voahosotra?
10 Andriamanitra no manasa an’ilay voahosotra ho any an-danitra, ka tsy mila vavolombelona hafa hanaporofo aminy an’izany izy. Tsy mila olona hanamarina izy hoe voahosotra tokoa sa tsia, fa efa ataon’i Jehovah izay hahatonga azy tsy hisalasala mihitsy. Hoy ny apostoly Jaona momba azy ireo: “Mahazo fanosorana avy amin’ilay masina ianareo, ary manana fahalalana daholo ianareo rehetra.” Hoy koa izy: “Fa ny aminareo kosa, dia mitoetra ao aminareo ny fanosorana noraisinareo taminy, ka tsy mila ampianarin’olona ianareo. Koa satria ilay fanosorana avy aminy no mampianatra anareo ny zava-drehetra, ary marina sady tsy misy lainga ilay fanosorana, dia aoka ianareo ho tafaray foana aminy, araka ny nampianarina anareo.” (1 Jaona 2:20, 27) Mila ny fampianaran’i Jehovah ny voahosotra, toy ny olon-kafa rehetra. Tsy mila olona mba hanaporofo anefa izy hoe tena voahosotra tokoa. Efa ilay hery matanjaka indrindra eo amin’izao rehetra izao no mandresy lahatra azy.
“ATERAKA INDRAY”
11, 12. Inona no mety hoeritreretin’ny Kristianina voahosotra, nefa inona no atokisany tanteraka?
11 Misy fiovana goavana eo amin’ny Kristianina iray rehefa lasa voahosotra izy. Nilaza i Jesosy fa “ateraka indray” izy.[2] (Jaona 3:3, 5) Hoy i Jesosy: “Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo. Mitsoka any amin’izay tiany ny rivotra, ary renao ny feony, saingy tsy fantatrao hoe avy aiza izy, na ho aiza. Dia toy izany koa izay rehetra ateraky ny fanahy.” (Jaona 3:7, 8) Tsy tena hazava tsara amin’ny olona tsy voahosotra àry ny zavatra tsapan’ny voahosotra.
12 Mety ho lasa saina ny voahosotra hoe: ‘Fa maninona no izaho no voafidy fa tsy olon-kafa?’ Mety hieritreritra mihitsy aza izy hoe tsy mendrika ny ho voahosotra. Matoky tanteraka anefa izy hoe nofidin’i Jehovah. Faly be izy sady mankasitraka an’ilay tombontsoa nomena azy. Mitovy amin’izay tsapan’i Petera no tsapany. Nasain’i Jehovah nanoratra i Petera hoe: “Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, satria araka ny haben’ny famindram-pony, dia naterany indray ho amin’ny fanantenana velona isika, tamin’ny nananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, eny, naterany indray ho amin’ny lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra, izay voatahiry any an-danitra ho anareo.” (1 Pet. 1:3, 4) Resy lahatra ny voahosotra rehefa mamaky an’ireo teny ireo fa izy ireo no iresahan’ilay Rainy any an-danitra.
13. Inona no miova eo amin’ny olona iray rehefa lasa voahosotra izy, ary nahoana izy no miova?
13 Nanantena hiaina eto an-tany ny voahosotra iray talohan’ny nanasan’i Jehovah azy ho any an-danitra. Tsy andriny tamin’izany ny hanovan’i Jehovah ny tany ho Paradisa, ary naniry hahita an’izany izy. Nety ho efa nalainy sary an-tsaina mihitsy aza hoe hitsena ny havany mitsangana amin’ny maty izy. Tsy andriny koa ny hanamboatra trano sy hipetraka ao, ary efa nanantena izy hoe hamboly voankazo sy hihinana an’izany. (Isaia 65:21-23) Nahoana anefa izy no niova? Tsy hoe lasa tsy tiany intsony ireo rehetra ireo. Tsy hoe nikorontan-tsaina koa izy na kivy be ka niova hevitra. Tsy hoe leo miaina eto an-tany izy, satria hoe handreraka sy hankaleo be ny hiaina mandrakizay eto. Tsy hoe mba te hiaina any an-danitra koa izy. Nanova azy kosa ny fanahy masina. Tsy niantso azy ho any an-danitra fotsiny izy io, fa nanova ny fisainany sy ny fanantenany koa.
14. Ahoana no fahitan’ny voahosotra ny fiainany eto an-tany?
14 Midika ve izany fa te ho faty ny voahosotra? Nasain’i Jehovah nanoratra i Paoly hoe: “Mitoloko tokoa isika ato amin’ity tranolay ity sady mitondra ny mavesatra. Tsy ny hanala azy ity mantsy no tiantsika hatao fa ny hitafy ilay iray. Amin’izay dia ny fiainana no hisolo an’ilay mety maty.” (2 Kor. 5:4) Tsy hoe leo an’izao fiainana izao izy ireo ka te ho faty haingana. Mbola te hanompo an’i Jehovah isan’andro miaraka amin’ny havany sy ny namany kosa izy ireo. Tsaroany foana anefa ilay fitahiana miavaka ampanantenain’i Jehovah azy amin’ny hoavy.—1 Kor. 15:53; 2 Pet. 1:4; 1 Jaona 3:2, 3; Apok. 20:6.
VOANTSO ÀRY VE IANAO?
15. Inona no zavatra mety hitranga amin’ny Kristianina iray nefa tsy manaporofo hoe voahosotry ny fanahy izy?
15 Angamba ianao misalasala hoe voantso ho any an-danitra sa tsia. Saintsaino àry ireto: Mahatsapa ve ianao fa mazoto manompo kokoa noho ny olon-kafa? Mazoto mianatra ny Tenin’Andriamanitra ve ianao sady tia mikaroka momba “ny zava-dalin’Andriamanitra”? (1 Kor. 2:10) Hitanao ve hoe tena tahin’i Jehovah ny fanompoanao? Tena maniry hanao ny sitrapony ve ianao? Maniry mafy hanampy olona hanompo azy ve ianao? Misy zava-mitranga eo amin’ny fiainanao ve manaporofo fa manampy anao i Jehovah? Raha eny daholo no navalinao an’ireo, midika ve izany fa voantso ho any an-danitra ianao? Tsia, tsy izany mihitsy! Nahoana? Satria tsy ny voahosotra ihany no mahatsapa an’ireo. Samy omen’i Jehovah fanahy masina daholo ny mpanompony, ary mitovy ihany ny herin’izy io eo amin’izy ireo, na ho any an-danitra ilay olona na ho eto an-tany. Raha mbola misalasala àry ianao hoe voantso ho any an-danitra sa tsia, dia midika izany fa tsy voantso ho any ianao. Tsy misalasala mihitsy ny olona iray voantso hoe voantso izy sa tsia. Tonga dia azony antoka ilay izy.
16. Inona no manaporofo fa tsy izay rehetra mahazo ny fanahin’Andriamanitra no voantso ho any an-danitra?
16 Maro ny olona tsy mivadika resahin’ny Baiboly hoe nahazo fanahy masina. Tsy nanantena ho any an-danitra anefa izy ireny. Anisan’izany i Jaona Mpanao Batisa. Noderain’i Jesosy izy, nefa nilaza i Jesosy avy eo fa tsy ho lasa mpanjaka any an-danitra izy. (Mat. 11:10, 11) Niasa tamin’i Davida koa ny fanahy masina. (1 Sam. 16:13) Nahalala zava-dalina momba an’i Jehovah izy, sady nasainy nanoratra ampahany maromaro amin’ny Baiboly. (Mar. 12:36) Nilaza anefa i Petera tamin’ny Pentekosta fa “tsy niakatra tany an-danitra” i Davida. (Asa. 2:34) Nahavita zavatra miavaka ireo olona ireo rehefa nahazo fanahy masina. Tsy voafidy ho any an-danitra anefa izy ireo. Tsy midika izany hoe tsy mendrika izy ireo na tsy mahafeno fepetra ho any. Hatsangan’i Jehovah mba hiaina ao amin’ilay Paradisa eto an-tany kosa izy ireo.—Jaona 5:28, 29; Asa. 24:15.
17, 18. a) Inona no fanantenan’ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
17 Tsy voantso ho any an-danitra ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Manantena hiaina eto an-tany izy ireo, toa an’i Davida sy Jaona Mpanao Batisa ary ny lehilahy sy vehivavy hafa tsy nivadika fahiny. Mitovy amin’i Abrahama izy ireo, satria tsy andriny ny hiaina eto an-tany rehefa hanjaka etỳ ilay Fanjakana. (Heb. 11:10) Efa vitsy kely sisa ny voahosotra eto an-tany, amin’izao andro farany izao. (Apok. 12:17) Midika izany fa efa maty ny ankamaroan’ny 144000 ary efa any an-danitra.
18 Ahoana àry no tokony hiheverantsika an’ireo milaza fa voantso ho any an-danitra? Inona no tsy tokony hataonao raha misy olona eo anivon’ny fiangonanao mihinana amin’ny mofo sy divay, isaky ny Sakafo Harivan’ny Tompo? Tokony hiady saina ve ianao rehefa mahita hoe mitombo ny isan’ireo milaza fa voantso ho any an-danitra? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo.
^ [1] (fehintsoratra 4) Nety ho nitovy ny datin’ny Pentekosta sy ny daty nanomezan’i Jehovah ny Lalàna tao Sinay. (Eks. 19:1) Raha izany no izy, dia nifanitsy ny zava-nitranga tao Sinay sy tamin’ny Pentekosta. I Mosesy no mpanelanelana rehefa nanao ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny Israelita i Jehovah. I Jesosy Kristy kosa no mpanelanelana, rehefa nanao ny fifanekena vaovao tamin’ny Israely ara-panahy i Jehovah, tamin’ny Pentekosta taona 33.
^ [2] (fehintsoratra 11) Manazava bebe kokoa momba ny hoe ateraka indray Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2009, pejy 3-11.