Hanohy handeha araka ny fahamarinana ve ianao?
“TSY MANANA antony hahavelom-pankasitrahana ahy mihoatra noho izao aho, dia raha (. . .) manohy mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.” (3 Jaona 4, MN ) Izany no nolazain’ny apostoly Jaona tany amin’ny faramparan’ny fiainany lava dia lava. Ny fiaretana nitohy nasehon’ny ‘zanany’, izany hoe ireo izay nampahafantariny “ny fahamarinana”, dia nitondra fifaliana lehibe ho azy. Mifaly toy izany koa i Jehovah rehefa mitoetra ao anatin’ny fahamarinana ireo mpanompony. Endrey ny haravoana tsy maintsy tsapany ankehitriny mahita fandaminana lehibe iray, misy mpikambana an-tapitrisany maro, manaraka izany fomba fiaina feno fahendrena izany! — Ohabolana 27:11.
Kanefa, raha mifikitra amin’ny fahamarinana amin’ny fomba tsy azo hozongozonina ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny ankapobeny, dia misy kristiana tsirairay mampiadana ny diany na mandao ny fanompoam-pivavahana marina mihitsy aza. Tsy hoe tsy tokony hampoizina izany, satria efa nitranga koa ny zavatra toy izany tamin’ny taonjato voalohany. (2 Timoty 4:10; Hebreo 2:1) Na dia izany aza, ny fisian’ny sasantsasany mampiadana ny diany dia manamafy ny ilàn’ny rehetra hitandrina akaiky ny fahasalamana ara-panahin’ny tenany manokana. Nampirisika ny kristiana rehetra toy izao i Paoly: “Aza mitsahatra mizaha toetra ny tenanareo.” (2 Korintiana 13:5, MN ) Tokony hanontany tena toy izao ny kristiana tsirairay avy: ‘Ahoana no ahazoako antoka fa hanohy handeha araka ny fahamarinana aho?’
Nampiadana ny diany na nitsahatra tsy nandeha araka ny fahamarinana mihitsy aza ny sasany satria kivy — angamba noho ny zava-manahirana ara-pahasalamana na ny tsy fifanarahan’ny toetra. Ny hafa kosa dia nampiadana ny diany satria voavilin’ny zavatra hafa ny sainy. Maniry ny hankafỳ vokatra sasantsasany avy amin’ity fandehan-javatra ity izy ireo raha mbola maharitra koa izany. Ahoana no ahafahantsika tsy hampiadana ny diantsika? Mba hamaliana izany, dia aoka isika handinika ny ohatra navelan’i Jesosy ho antsika.
Araho ny ohatr’i Jesosy
Niatrika tarehin-javatra sarotra maro i Jesosy. Tsy maintsy nandamina tsy fifanarahan’ny toetra teo amin’ireo mpanara-dia azy izy, ary koa niaritra ny fankahalana sy ny fanarabian’ireo fahavalony. Tsy maintsy nanohitra ireo fakam-panahy avy amin’ity tontolo ity ihany koa izy. Marina tokoa fa notolorana harena sy laza izy tamin’ny lafiny izay vitsy ihany no nahita izany hatramin’izay. (Matio 4:8-11; Jaona 6:14, 15) Kanefa naharitra tamin’ny fandehanana araka ny fahamarinana i Jesosy. Inona no nanampy azy hanao izany?
Nambaran’ny apostoly Paoly antsika izany rehefa nanoratra izy hoe: “Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.” (Hebreo 12:1, 2) Raha ny amin’i Jesosy, dia ny fitadidiana tao an-tsaina “ny fifaliana napetraka teo anoloany”, dia ireo valisoa lehibe dia lehibe niandry azy, no nanampy azy hanohy handeha araka ny fahamarinana. Io “fifaliana napetraka teo anoloany” io dia lehibe lavitra noho ireo fahakiviana na fampiviliana ny sainy tsy maintsy natrehiny.
Ny fitadidiana hatrany ao an-tsaina ilay valisoa dia hanampy antsika hiaritra, toy ny nataon’i Jesosy mihitsy. (Apokalypsy 22:12) Mba hanazavana tsara izany, dia eritrereto ny mpandeha iray manaraka lalana sarotra eny an-tendrombohitra. Mihareraka sy kivy izy. Mitaky fiezahana ny dingana tsirairay ataony, ary toa tsy mety mifarana ilay lalana. Avy eo izy dia tonga eo an-tampon’ny havoana iray ary mahita erỳ lavitra erỳ ilay tanàna tiany hotratrarina. Tampotampoka eo dia toa mora kokoa ny fandehanana. Manampy azy hanadino ny fahavizanany ny fahitana mazava ilay toerana tiany hahatongavana. Ho hitan’ny kristiana iray fa ho mora kokoa toy izany ny fanohizana handeha araka ny fahamarinana raha tadidiny mazava tsara hatrany ao an-tsaina ny toerana tiany hahatongavana.
Tahafo ny apostoly Paoly
Ny olona hafa iray izay niaritra zavatra maro nety ho nahakivy azy dia ny apostoly Paoly. Tsy maintsy nandamina fisaratsarahana sy tsy fifanarahan’ny toetra teo amin’ireo rahalahy izy, ary koa niaritra zava-nanahirana ara-pahasalamana lehibe, fanenjehana, zava-tsarotra ara-batana maro, ary zava-nanahirana sy fanoherana mihitsy aza tao anatin’ny kongregasiona. (1 Korintiana 1:10; 2 Korintiana 10:7-12; 11:21-29; 12:7-10) Nahoana i Paoly no tsy nanjary kivy ka hoe nijanona tsy nanohy intsony? Hoy ny fanazavany: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” (Filipiana 4:13) Tsy nanandrana ny hitondra ny entany irery izy. Niantehitra tamin’i Jehovah kosa izy mba hanohana azy. — Salamo 55:22.
Ny loharanon-kery avy amin’Andriamanitra nangatahin’i Paoly mba hanampy azy hiaritra dia azontsika raisina koa ankehitriny. Hoy ny Baiboly: “Mampahatanjaka ny reraka [i Jehovah], ary izay kely hery dia omeny hery be. Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.” (Isaia 40:29-31) Raha miantehitra amin’i Jehovah isika mba hanome antsika hery amin’ny alalan’ny fianarana manokana, ny fanatrehana fivoriana, ny asa kristiana amim-paharisihana, ary — indrindra indrindra — ny vavaka, dia ho afaka ny hiaritra ireo fakam-panahy sy fahakiviana mety hitranga indraindray. — Salamo 1:1-3; Romana 10:10; 1 Tesaloniana 5:16, 17; Hebreo 10:23-25.
Olona an-tapitrisany maro no miomana hiaina ao amin’ny paradisa
Satana no andriamanitr’ity fandehan-javatra ratsy ity, ary ny kristiana raha ny tena izy dia vahiny sy mpivahiny fotsiny ao. (2 Korintiana 4:4) Noho izany, dia tsy tokony ho gaga isika raha miatrika fahakiviana na fampiviliana ny saintsika indraindray. Izao no nosoratan’i Paoly ao amin’ny bokin’ny Hebreo: “Etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.” (Hebreo 13:14) Ny fitadidiana fa tsy eto amin’ity tontolo tranainy ity ny fanantenantsika fa ao amin’ilay ho avy dia manampy antsika koa mba tsy hampiadana ny diantsika.
Amin’ny fomba sasany, ny kristiana dia toy ireo mifindra fonenana izay mandao ny tanindrazany mba hitady fomba fiaina tsaratsara kokoa any an-toeran-kafa. Amin’ny ankapobeny, izany dia dingana sarotra atao. Tafiditra amin’izany ny fampirimana entana na ny famoizana ny fananany rehetra sy ny fanaovam-beloma ny tokantrano mahazatra iray ary koa ireo namana sy havana. Tafiditra amin’izany koa ny fankanesana any amin’ny tany hafa iray, ny fiaraha-miaina amin’olona izay mety tsy handray azy tsara, ary ny fianarana fiteny vaovao iray sy fomba fiaina tsy mahazatra iray. Kanefa, maro no manao izany fiovana izany noho ny fanantenana fotsiny ny hanatsara ny toerana misy azy eo amin’ny ara-nofo eto amin’ity tontolo ity.
Ireo izay toy ny hoe mifindra fonenana avy amin’ity fandehan-javatra tranainy ity, ka tonga anisan’ny vahoakan’Andriamanitra, dia miatrika zava-tsarotra toy izany. Mampifanaraka ny fahaizany ara-kolontsaina izy ireo mba hiaina araka ireo mari-pitondrantena madio ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary mianatra ny ‘fiteny madion’ny’ fahamarinana. (Zefania 3:9, MN; 1 Korintiana 6:9-11) Miasa mafy ihany koa izy ireo mba hanompoana an’ilay Mpanjaka lehibe ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe i Jesosy Kristy. Ambonin’izany, amin’ny toe-javatra maro, ny havany sy ny namany fahiny dia mihataka aminy, hany ka, raha ny tena marina, dia toy ny tsy maintsy manao veloma azy ireo izy.
Ny kristiana dia mahazo tombony maro lavitra noho ireo izay mifindra fonenana noho ny antony ara-toekarena. Voalohany aloha, dia tafiditra ao amin’ny fitambaran’olona izay tia azy sy miahy ny aminy izy ireo. (Lioka 18:29, 30) Ary ny zava-dehibe kokoa noho izany aza, izy ireo dia tafiditra ao anatin’ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah, ilay Andriamanitr’izao rehetra izao. Mahazo fiadanan-tsaina sy fatokiana ny amin’ny hoavy izy ireo eo am-piandrasana ny fahatanterahan’ireo fampanantenana tsara indrindra avy amin’Andriamanitra. (Filipiana 4:8, 9) Ireo izay manana fahatakarana tsara ireo zavatra ireo dia tsy hamela ny fampiviliana ny sainy na ny fahakiviana hampiadana ny diany amin’ny fomba maharitra. Tsy ho voavily hiala amin’ny lalana èty mitarika ho amin’ny fiainana izy ireo. — Matio 7:13, 14; 1 Jaona 2:15-17.
Karakarao ny fahasalamanao ara-panahy
Raha mikarakara ny fahasalamantsika ara-batana tsy tapaka isika, dia hahatohitra aretina kokoa. Ary na dia marary aza isika, dia ho sitrana haingana kokoa. Toy izany koa, raha miahy ny amin’ny fahasalamantsika ara-panahy isika, ka mitadidy mazava tsara hatrany ao an-tsaina ireo fitahiana azontsika izao sy ireo izay miandry antsika, ary raha mianatra ny miankina amin’ny herin’i Jehovah fa tsy amin’ny an’ny tenantsika isika, dia hahay kokoa handamina ireo zava-manahirana izay mitranga. Tsy afaka ny handositra tanteraka izay hampivily ny saintsika na tarehin-javatra mahakivy isika. Kanefa, raha nikarakara ny fahasalamantsika ara-panahy tamin’ny fomba nety talohan’ny fotoana isika, dia tsy handresy antsika ny zavatra toy izany.
Tadidio fa faly i Jehovah rehefa miaritra ny mpanompony. Koa aoka àry isika hampifaly ny fony ka hanohy handeha araka ny fahamarinana.