-
Nanampy An’ireo Rahalahy i GaioNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Mey
-
-
Mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana angamba i Gaio, saingy tsy miresaka an’izany ilay taratasy. Nidera azy i Jaona satria nampiantrano rahalahy tsy fantany akory izy. Nilaza i Jaona hoe hita amin’izany fa mendri-pitokisana izy. Nampiavaka ny mpanompon’i Jehovah foana mantsy hatramin’izay ny hoe tia mandray vahiny.—Gen. 18:1-8; 1 Tim. 3:2; 3 Jaona 5.
Nisy Kristianina nivezivezy matetika tany amin’ny toerana nisy an’i Jaona sy nisy an’ireo fiangonana tamin’izany, matoa i Jaona nilaza hoe tia nandray vahiny i Gaio. Azo inoana fa notantarain’izy ireny an’i Jaona izay hitany. Izany angamba no nahalalan’i Jaona ny zava-nisy tany amin’ireny fiangonana ireny.
Nisy hotely fatoriana ho an’ny mpanao dia lavitra teny an-dalana, tamin’izany. Nalaza ho ratsy anefa izy ireny, sady betsaka olona ratsy fitondran-tena tany. Tsy nahay nandray olona tsara koa izy ireny. Nitandrina àry ny olona sasany, dia tany amin’ny namany izy no nipetraka raha azo natao. Naleon’ny Kristianina kosa tany amin’ny mpiara-manompo.
-
-
Nanampy An’ireo Rahalahy i GaioNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Mey
-
-
Fahatelo, tokony hankasitraka sy hidera an’ireo Kristianina namantsika isika, rehefa hitantsika hoe tsy mivadika izy ireo na dia misy manohitra aza. Azo antoka fa nampahery an’i Gaio ny apostoly Jaona, ary nanome toky azy hoe mety ny nataony. Mila manao hoatr’izany koa ny anti-panahy. Tokony hampahery an’ireo mpiara-manompo izy ireo mba tsy ho kivy izy ireny.—Isaia 40:31; 1 Tes. 5:11.
-