Fandraisam-bahiny Kristiana eo Amin’ny Tontolo Iray Voazarazara
“Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.” — 3 JAONA 8.
1. Inona avy ireo fanomezana faniry indrindra nomen’ny Mpamorona ho an’ny olombelona?
“TSY misy mahasoa ny olona atỳ ambanin’ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin’ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen’Andriamanitra azy atỳ ambanin’ny masoandro.” (Mpitoriteny 8:15). Amin’ireo teny ireo no ilazan’ilay mpamory hebreo fahiny amintsika, fa i Jehovah Andriamanitra dia tsy vitan’ny hoe maniry ny hahafaly sy hahasambatra an’ireo olona noforoniny fotsiny, fa manome azy ireo koa ny hoenti-mahazo izany. Nandritra ny tantaran’ny olombelona manontolo, ny faniriana iray iombonan’ny rehetra hatraiza hatraiza, dia hita fa ny hampifalifaly tena sy ny handany fotoana mahafinaritra.
2. a) Ahoana no nanimban’ny olombelona izay nokasain’i Jehovah momba azy ireo? b) Inona no vokatr’izany?
2 Amin’izao andro izao, isika dia miaina ao amin’ny fitambaran’olona hedonista, izay ahitana olona revo amin’ny fikatsahana fahafinaretana sy fotoana mahafinaritra. Ny ankamaroany dia nanjary “tia tena, (...) tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra”, araka ny nambaran’ny Baiboly mialoha. (2 Timoty 3:1-4). Mazava ho azy, fa izany dia fanolanana mibaribary an’izay nokasain’i Jehovah Andriamanitra. Rehefa manjary tanjona voalohany ny fikatsahana fotoana mahafinaritra, na rehefa manjary hany zava-kendrena ny fampanaranam-po ny tena, dia tsy misy tena fahafaham-po, ary ‘manjary zava-poana sy misambo-drivotra izany rehetra izany’. (Mpitoriteny 1:14; 2:11). Vokatr’izany dia feno olona manirery sy kivy izao tontolo izao, ary izany indray dia mitarika ho amin’ireo zava-manahirana maro mahazo ny fitambaran’olona. (Ohabolana 18:1). Manjary mifampiahiahy ny olona, sady manjary voazarazara ara-pirazanana, ara-poko, ara-tsosialy ary ara-toe-karena.
3. Ahoana no mety hahitantsika tena fifaliana sy fahafaham-po?
3 Ho hafa toy inona moa ny toe-javatra raha manahaka ny fomba ifampiraharahan’i Jehovah amin’ny hafa ny olona — dia ny ho tsara fanahy sy halala-tanana ary ho tia mandray vahiny! Nasehony mazava tsara fa tsy ao amin’ny fiezahantsika hanome fahafaham-po ny fanirian’ny tenantsika manokana no misy ny tsiambaratelon’ny tena fahasambarana. Izao kosa no tsiambaratelon’izy io: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35). Mba hahitana tena fifaliana sy fahafaham-po, dia tsy maintsy mandresy ireo fefy sy fisaratsarahana izay mety hanakana antsika, isika. Ary tsy maintsy miezaka isika mba hanao zavatra ho an’ireo manompo an’i Jehovah miaraka amintsika. Tena ilaina ny hanarahantsika ilay torohevitra manao hoe: “Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.” (3 Jaona 8). Ny fanehoana fitiavana mandray vahiny amin’ireo mendrika izany, araka ny amelan’ny toe-javatra misy antsika, dia mahasoa amin’ny lafiny roa — samy mandray soa amin’izany na ny mpanome na ny mpandray. Koa iza àry no anisan’ireo mendrika ka tokony ‘horaisintsika amim-pitiavana mandray vahiny’?
‘Mamangia ny kamboty sy ny mpitondratena’
4. Inona no fiovana hita eo amin’ny firafitry ny fianakaviana, na dia eo anivon’ny olon’i Jehovah sasany aza?
4 Tsy fahita firy amin’izao andro izao ny fianakaviana tsy mihilangilana sy ny fanambadiana sambatra. Nampiova tamin’ny fomba nahery vaika ny fianakaviana araka ny nahafantarana azy, ny fisondrotry ny taham-pisaraham-panambadiana sy ny fitomboan’ny isan’ireo vehivavy miteraka tsy manambady maneran-tany. Vokatr’izany, dia maro amin’ireo tonga Vavolombelon’i Jehovah tao anatin’ireo taona faramparany, no avy amin’ny fianakaviana rava. Na misara-panambadiana izy ireo, na misara-toerana amin’ny vadiny, na miaina ao amin’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny. Afa-tsy izany, araka ny nambaran’i Jesosy mialoha, ny fahamarinana izay nampianariny dia niteraka fisaratsarahana tao amin’ny fianakaviana maro. — Matio 10:34-37; Lioka 12:51-53.
5. Inona no zavatra nolazain’i Jesosy ka mety ho loharanom-pampaherezana ho an’ireo manana fianakaviana voazarazara?
5 Manafana ny fontsika ny mahita olona vaovao miandany amin’ny fomba hentitra amin’ny fahamarinana, ary matetika isika dia mampionona azy ireo amin’ilay fampanantenana mampahery nolazain’i Jesosy manao hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao — dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ny fanenjehana — ary amin’ny ho avy dia fiainana mandrakizay.” — Marka 10:29, 30.
6. Ahoana no mety hahatonga antsika ho ‘rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka’ ho an’ny “kamboty sy ny mpitondratena” eo anivontsika?
6 Iza anefa ireo ‘rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka’ ireo? Ny fahitana fotsiny vahoaka maro be ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray, matetika misy olona zato na mihoatra, izay miantso ny tenany hoe rahalahy sy anabavy, dia tsy mahatonga ny olona iray hahatsapa avy hatrany fa ireo no rahalahiny, anabaviny, reniny sy zanany. Diniho itỳ hevi-dehibe itỳ: Mampahatsiahy antsika i Jakoba mpianatra fa mba hahatonga ny fanompoam-pivavahantsika ho azon’i Jehovah ekena, dia tsy maintsy ‘mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany isika sy miaro ny tenantsika tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’. (Jakoba 1:27). Midika izany fa isika dia tsy tokony hamela ny fihetsika araka an’izao tontolo izao mieboebo noho ny harena sy ny laharana ara-tsosialy, hanidy ny varavaran’ny fangoraham-pontsika amin’ireny “kamboty sy mpitondratena” ireny. Tsy maintsy manao ny dingana voalohany kosa isika mba hanehoana amin’izy ireny ny fisakaizantsika sy ny fitiavantsika mandray vahiny.
7. a) Inona no tena zava-kendren’ny fanehoana fitiavana mandray vahiny amin’ny “kamboty sy ny mpitondratena”? b) Iza koa no mety ho afaka handray anjara amin’ny fanehoana fandraisam-bahiny kristiana?
7 Ny fanehoana fitiavana mandray vahiny amin’ny “kamboty sy ny mpitondratena” dia tsy mahatafiditra foana ny fanomezana fahafaham-po izay zavatra ara-nofo mety ho tsy ampy eo amin’izy ireo. Tsy voatery ho sahirana mafy ara-bola ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny, na ireo ankohonana voazarazara ara-pivavahana. Kanefa, ny fiarahana mahasoa, sy ny rivo-piainana toy ny ao amin’ny fianakaviana, sy ny fisakaizana amin’ny olona samy hafa taona, ary ny fifampizarana zava-tsoa ara-panahy — ireo no lafin-javatra sarobidy eo amin’ny fiainana. Araka izany, rehefa tadidina fa tsy ny maha-be kojakojany an’ilay fisehoan-javatra akory no zava-dehibe, fa ny toe-tsaina mampiseho fitiavana sy firaisan-kina, dia zavatra tsara dia tsara toy inona moa ny hoe, indraindray, na dia “ny kamboty sy ny mpitondratena” aza dia afaka mandray anjara amin’ny fanehoana fitiavana mandray vahiny amin’ireo Kristiana tahaka azy! — Ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 17:8-16.
Misy hafa firenena ve eo anivontsika?
8. Inona no fiovana hita ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maro?
8 Isika dia miaina amin’ny fotoana isian’ny fifindra-monina be dia be ataon’ny olona. “Olona maherin’ny 100 tapitrisa maneran-tany no tsy olom-pirenen’ilay tany ipetrahany, ary 23 tapitrisa no nafindra toerana ao amin’ny taniny ihany”, hoy ny World Press Review. Ny vokatra mivantana naterak’izany dia izao: Any amin’ny toerana maro, indrindra indrindra fa any amin’ireo tanàna lehibe kokoa, ireo kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah izay voaforona olona iray firazanana na firenena tamin’ny ankamaroany taloha, dia misy olona avy amin’ny faritra samy hafa amin’ny tany, ankehitriny. Marina angamba izany ao amin’ny toerana misy anao. Ahoana anefa no tokony hiheverantsika an’ireny “vahiny” sy “hafa firenena” ireny, araka ny mety hiantsoan’izao tontolo izao azy, dia ireo izay manana fiteny sy fomba ary fomba fiaina samy hafa amin’ny antsika?
9. Fandrika lehibe inona no mety hahavoa antsika mahakasika ny fiheverantsika an’ireo “vahiny” sy “hafa firenena” tonga ao amin’ny kongregasiona kristiana?
9 Raha tsorina, isika dia tsy tokony hamela izay mety ho fironana hankahala vahiny, hahatonga antsika hihevitra fa na ahoana na ahoana, ny tenantsika dia mendrika kokoa ny hanana ny tombontsoa hahalala ny fahamarinana noho ireo izay avy any amin’ny tany hafa na tany lazaina fa mpanompo sampy; tsy tokony hihevitra koa isika fa hoe mihoa-pefy ireny vahiny vao tonga ireny, rehefa mampiasa ny Efitrano Fanjakana na ireo fananana hafa. Ny apostoly Paoly dia voatery nampahatsiahy an’ireo Kristiana jiosy sasany tamin’ny taonjato voalohany izay nanolokolo fihevitra toy izany, fa raha ny marina dia tsy misy olona na iza na iza mendrika; ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory no nahatonga hety ny fahazoan’ny olona, na iza na iza, famonjena. (Romana 3:9-12, 23, 24, NW ). Tokony hifaly isika satria ankehitriny ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory dia mahatratra olona maro aoka izany izay, tamin’ny fomba iray na hafa, dia tsy nomena fahafahana handre ny vaovao tsara. (1 Timoty 2:4). Ahoana no azontsika anehoana fa feno fahatsorana ny fitiavantsika azy ireo?
10. Ahoana no azontsika anehoana fa tena tia mandray ireo “hafa firenena” eo anivontsika marina isika?
10 Azontsika atao ny manaraka ny fananaran’i Paoly manao hoe: “Mifandraisa hianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra.” (Romana 15:7). Noho ny fahafantarana fa matetika no tsy ambinina ireo olona avy amin’ny tany na fiaviana hafa, dia tokony haneho hatsaram-panahy sy fiahiana amin’izy ireny isika rehefa afaka manao izany. Tokony horaisintsika tsara eo anivontsika izy ireny, hoentintsika “tahaka ny tompon-tany aminareo”, ary “ho tianao tahaka ny tenana[o]”. (Levitikosy 19:34). Mety ho tsy mora ny manao izany, kanefa hahomby isika raha mitadidy ilay torohevitra manao hoe: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” — Romana 12:2.
Mizarà amin’ny olona masina
11, 12. Inona no fiheverana manokana nomena an’ireo mpanompon’i Jehovah sasany a) teo amin’ny Isiraely fahiny b) tamin’ny taonjato voalohany?
11 Anisan’ireo tena mendrika ny fiheverantsika sy ny fitiavantsika mandray vahiny ireo Kristiana matotra izay miasa mafy ho tombontsoantsika ara-panahy. Nanao fandaharana manokana ho an’ny mpisorona sy ny Levita teo amin’ny Isiraely fahiny, i Jehovah. (Nomery 18:25-29). Tamin’ny taonjato voalohany, dia nampirisihina koa ny Kristiana mba hikarakara an’ireo izay nanompo tamin’ny fiantsorohana adidy manokana teo amin’izy ireo. Ilay fitantarana ao amin’ny 3 Jaona 5-8, dia manome antsika topy maso momba ny fatoram-pitiavana mafy nisy teo amin’ny Kristiana tany am-boalohany.
12 Noheverin’i Jaona, dia ilay apostoly be taona, ho tena sarobidy ny hatsaram-panahy sy ny fitiavana mandray vahiny nasehon’i Gaio tamin’ireo rahalahy mpitety faritany sasany izay nalefa hitsidika ny kongregasiona. Ireny rahalahy ireny — anisan’izany i Demetrio, ilay noheverina fa nitondra ilay epistily — dia samy vahiny avokoa, na tsy fantatr’i Gaio teo aloha. Noraisina tamim-pitiavana nandray vahiny anefa izy ireny, satria “noho ny Anarana [ny an’Andriamanitra] no niaingany”. Toy izao no nilazan’i Jaona izany: “Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.” — 3 Jaona 1, 7, 8.
13. Iza eo anivontsika, amin’izao andro izao, no mendrika indrindra indrindra ny ‘horaisina amim-pitiavana mandray vahiny’?
13 Amin’izao andro izao, ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah, dia misy olona maro mikely aina amin-kery ho tombontsoan’ny fitambaran-drahalahy manontolo. Tafiditra amin’izany ireo mpiandraikitra mpitety faritany izay mandany ny fotoanany sy ny heriny, isan-kerinandro isan-kerinandro, mba hampiorenana ny kongregasiona; ireo misionera izay mandao fianakaviana sy namana mba hitory any an-tany hafa; ireo manompo ao amin’ny Betela na ao amin’ny biraon’ny sampana, ka manolotra an-tsitrapo ny fanampiany mba hanohanana ny asa fitoriana maneran-tany; ary ireo ao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana ka mandany ny tapany lehibe amin’ny fotoanany sy ny heriny eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Amin’ny fotony, ireo olona rehetra ireo dia miasa mafy, tsy hoe mba hahazoan’ny tenany manokana voninahitra na tombontsoa, fa noho ny fitiavana ny firahalahiana kristiana sy ny fitiavany an’i Jehovah. Mendrika ny hotahafintsika izy ireo noho ny fandavan-tenany amin’ny fanahy manontolo ary mendrika ny ‘horaisina amim-pitiavana mandray vahiny’.
14. a) Amin’ny ahoana isika no tonga Kristiana tsaratsara kokoa rehefa maneho fitiavana mandray vahiny amin’ireo mahatoky? b) Nahoana i Jesosy no nilaza fa nifidy “ny anjara tsara” i Maria?
14 Rehefa ‘mandray tsara izay toy izany’ isika, dia “ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana”, hoy ny nasehon’ny apostoly Jaona mazava tsara. Amin’ny heviny iray, dia manjary Kristiana tsara kokoa isika ho vokatr’izany. Izany no izy satria tafiditra amin’ny asa kristiana ny fanaovana soa amin’ny mpiray finoana. (Ohabolana 3:27, 28; 1 Jaona 3:18). Misy valisoa amin’ny lafiny hafa koa. Rehefa nandray an’i Jesosy tao an-tranony i Maria sy i Marta, dia naniry ny ho mpandray vahiny tsara i Marta tamin’ny fanomanana zavatra “maro” ho an’i Jesosy. Naneho fitiavana nandray vahiny tamin’ny fomba hafa i Maria. “Nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo [izy] ka nihaino ny teniny”, ary noderain’i Jesosy izy noho ny nifidianany “ny anjara tsara”. (Lioka 10:38-42). Resaka sy dinika ifanaovana amin’ireo manana fanandraman-javatra hatramin’ny taona maro no lafin-javatra misongadina matetika amin’ny takariva iray iaraha-mandany amin’ireny olona ireny. — Romana 1:11, 12.
Amin’ireo fisehoan-javatra manokana
15. Fisehoan-javatra manokana inona avy no mety ho hita fa fotoana mahafinaritra ho an’ny vahoakan’i Jehovah?
15 Na dia tsy manaraka ireo fomba tiam-bahoaka, na mitandrina ireo fety sy andro firavoravoan’izao tontolo izao aza ny tena Kristiana, dia misy fisehoan-javatra izay mahatonga azy ireo hivory mba hiara-mifaly. Ohatra, i Jesosy dia nanatrika fanasana tamin’ny fampakaram-bady iray tao Kana, ary nandray anjara tamin’ny fifaliana naterak’ilay fisehoan-javatra izy, tamin’ny fanaovana ny fahagagany voalohany tao. (Jaona 2:1-11). Toy izany koa amin’izao andro izao, ny vahoakan’i Jehovah dia manana fotoana mahafinaritra iarahana, amin’ny fisehoan-javatra manokana mitovy amin’izany, ary manampy betsaka amin’ireny fisehoan-javatra ireny ny fankalazana sy lanonana mifanentana. Inona anefa no mifanentana?
16. Toro lalana inona avy no ananantsika mahakasika ny fitondran-tena mety na dia amin’ny fisehoan-javatra manokana aza?
16 Avy amin’ny fianarantsika ny Baiboly, isika dia mahafantatra hoe inona no fitondran-tena mifanentana amin’ny Kristiana, ary arahintsika izany amin’ny fotoana rehetra. (Romana 13:12-14; Galatiana 5:19-21; Efesiana 5:3-5). Ireo fiaraha-mikorana, na mifandray amin’ny fampakaram-bady izy ireny, na atao noho ny antony hafa, dia tsy manome antsika fahafahana hanary ireo fari-pitsipika kristiana arahintsika, na hanao zavatra izay tsy hataontsika amin’ny fotoana mahazatra; tsy voatery koa isika hanaraka ireo fomba rehetra ao amin’ilay tany ipetrahantsika. Maro amin’izy ireny no miorina amin’ny fanao ara-pivavahan-diso, na amin’ny finoanoam-poana, ary ny hafa dia mahatafiditra fitondran-tena izay miharihary fa tsy azon’ny Kristiana ekena. — 1 Petera 4:3, 4.
17. a) Anton-javatra inona avy no mampiseho fa voalamina tsara sady voara-maso araka ny tokony ho izy ilay fanasana tamin’ny fampakaram-bady tao Kana? b) Inona no manaporofo fa nankasitrahan’i Jesosy ilay fisehoan-javatra?
17 Amin’ny famakiantsika ny Jaona 2:1-11, dia tsy sarotra amintsika ny mahita fa be kojakojany ilay fisehoan-javatra ary nisy olona nasaina maro be ihany tao. Kanefa, vahiny ‘nasaina’ (NW ), i Jesosy sy ny mpianany; tsy tongatonga fotsiny izy ireo, na dia azo inoana aza fa mpihavana tamin’ilay tompom-panasana ny sasany taminy fara faharatsiny. Marihintsika koa fa teo ireo “mpanompo” ary koa “mpandahatra” iray izay nandahatra ny zavatra naroso, na natao. Izany rehetra izany dia manaporofo fa voalamina tsara sady voara-maso araka ny tokony ho izy, ilay raharaha. Ilay fitantarana dia mifarana amin’ny filazana fa tamin’izay nataony tao amin’ilay fanasana dia ‘naneho ny voninahiny’ i Jesosy. Ho nifidy an’io fisehoan-javatra io ve ny tenany mba hanaovana izany, raha toa ka lanonana iray feno kotaba sy tsy voafehy ilay izy? Tsy isalasalana fa tsia.
18. Inona no fiheverana lalina tsy maintsy omena an’izay mety ho fiaraha-mikorana?
18 Ahoana àry ny amin’izay mety ho fisehoan-javatra manokana andraisantsika vahiny? Tiantsika ny hitadidy fa ny zava-kendren’ny fandraisana olona amim-pitiavana mandray vahiny dia ny mba hahafahantsika rehetra ‘ho tonga mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana’. Araka izany, dia tsy ampy ny manome anarana fisehoan-javatra iray hoe fiaraha-mikorana ataon’ny “Vavolombelona”. Mety ho azo atao ny mametraka ilay fanontaniana hoe: ‘Moa ve izy io, raha ny marina, fanambarana momba ny hoe iza isika sy ny hoe inona no inoantsika?’ Isika dia tsy tokony handray mihitsy an’ireny fisehoan-javatra ireny ho toy ny fahafahana hahita hoe hatraiza isika no afaka mifaninana amin’izao tontolo izao sy ny fombany, ary hatraiza isika no afaka manaram-po amin’ny “filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao”. (1 Jaona 2:15, 16). Ireny fisehoan-javatra ireny kosa dia tsy maintsy manome taratra araka ny tokony ho izy, ny anjara asantsika amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, ary tokony ho azontsika antoka fa izay ataontsika dia manome haja amam-boninahitra an’i Jehovah. — Matio 5:16; 1 Korintiana 10:31-33.
‘Manehoa fitiavana mandray vahiny tsy misy fimonomononana’
19. Nahoana isika no mila ny ‘hifaneho fitiavana mandray vahiny tsy misy fimonomononana’?
19 Koa satria mihasimba hatrany ny toe-piainana eo amin’izao tontolo izao, ary manjary mihavoazarazara kokoa tsy misy toy izany ny olona, dia mila manao izay rehetra azontsika atao isika mba hanatanjahana ny fifandraisana akaiky misy eo amin’ny tena Kristiana. (Kolosiana 3:14). Noho izany, dia tsy maintsy ‘mifankatia tsara’ isika, araka ny fampirisihan’i Petera antsika. Avy eo, tamin’ny teny mora ampiharina dia nanampy izy hoe: “Mifanehoa fitiavana mandray vahiny tsy misy fimonomononana.” (1 Petera 4:7-9, NW ). Moa ve isika vonona hanao ny dingana voalohany mba ho tia mandray an’ireo rahalahintsika, hiezaka mafy mba ho tsara fanahy sy tia manampy? Sa isika mimonomonona rehefa mipoitra ny tarehin-javatra tokony hanaovana an’izany? Raha izany no izy, dia foanantsika ilay fifaliana mety ho azontsika ary afointsika koa ny valisoa, dia ny fahasambarana entin’ny fanaovan-tsoa. — Ohabolana 3:27; Asan’ny Apostoly 20:35.
20. Inona avy ireo fitahiana miandry antsika raha mizatra ny ho tia mandray vahiny isika eo amin’ny tontolo ankehitriny voazarazara?
20 Hitondra fitahiana tsy manam-petra ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo Kristiana tahaka antsika sy ny fifanehoana hatsaram-panahy sy fitiavana mandray vahiny. (Matio 10:40-42). Amin’ny olona toy izany dia nampanantena i Jehovah fa “hamelatra ny trano-lainy handrakotra azy [izy]. Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo”. Ny hoe ao amin’ny trano-lain’i Jehovah dia midika fahazoana ny fiarovany sy ny fitiavany mandray vahiny. (Apokalypsy 7:15, 16; Isaia 25:6). Eny, eo anoloantsika ny fahatsinjovana ny hifaly mandrakizay amin’ny fitiavana mandray vahiny hasehon’i Jehovah. — Salamo 27:4; 61:3, 4.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Inona no tsy tokony hataontsika tsirambina raha tiantsika ny hahita tena fifaliana sy fahafaham-po?
◻ Iza ireo ‘kamboty sy mpitondratena’, ary ahoana no tokony ‘hamangiantsika’ azy ireo?
◻ Ahoana no tokony hiheverantsika ireo “vahiny” sy “hafa firenena” eo anivontsika?
◻ Iza avy no mendrika ny fiheverana manokana amin’izao andro izao?
◻ Ahoana no tokony hanomezan’ireo fisehoan-javatra manokana taratry ny tena toe-tsaina tia mandray vahiny?
[Sary, pejy 16, 17]
Mandritra ireo fiaraha-mikorana isika dia afaka maneho fitiavana mandray vahiny amin’ireo hafa firenena, sy ireo kamboty, sy ireo ao amin’ny fanompoana manontolo andro ary ireo olona nasaina hafa