NAMANA
Milaza ny Baiboly fa ny tena namana dia olona mifikitra kokoa noho ny rahalahy, tsy mamadika mihitsy, tia foana, manampy amin’ny fotoan-tsarotra, ary manoro hevitra amim-pahatsorana. (Oh 18:24; 17:17; 27:6, 9) Be namana ny mpanankarena sy izay mahatolotolotra. Maro amin’ireny anefa no namana raha misy patsa fotsiny. (Oh 14:20; 19:4, 6, 7) Rariny àry raha nanoro hevitra i Jesosy hoe ny olona tsy manan-kavaly no asao hisakafo, fa tsy ny namana afaka manasa hisakafo ho setrin’izany. (Lk 14:12-14) Nanome modely mihitsy i Jesosy, ka olona nohamavoin’ny fiaraha-monina no nampiany hifandray tsara tamin’Andriamanitra. Nantsoina hoe “naman’ny mpamory hetra sy ny mpanota” izy, noho izany. (Mt 11:19) Nasehon’i Jesosy anefa fa izay nankatò ny didiny ihany no tena namany. Nahafoy ny ainy ho azy ireo izy ho porofon’ny fitiavany, ary nampirisika azy ireo hifankatia toy izany koa.—Jn 15:12-14.
“Namana” no niantsoan’ny Kristianina voalohany ny mpiray finoana taminy, tamin’ny ankapobeny. (3Jn 14) Na izany aza anefa, dia mety hisy ihany hifandray am-po kokoa noho ny sasany teo anivon’ny fiangonana. Mpihavana angamba izy ireny, na lasa nifanerasera akaiky noho ny zava-nitranga teo amin’ny fiainana, na nitovy fiaviana sy zavatra tiana, na nitovy tadin-dokanga, na nifanerasera ka nanjary nahita toetra tsara tamin’ny andaniny sy ny ankilany. Nisy toetran’i Petera sy Jakoba ary Jaona nahatonga an’i Jesosy hitondra azy ireo hanatri-maso fotoan-dehibe sasany, toy ny fiovan-tarehy, ohatra. Mety ho nitsinjo ny hoavy i Jesosy ka efa nisy zavatra tao an-tsainy sy noeritreretiny hampiasana azy telo lahy teo amin’ny fanompoana.—Mr 9:1-10; 14:32, 33; Lk 8:51.
Manahaka an’i Jesosy ny Kristianina, ka tiany ny olon-drehetra tsy an-kanavaka. Ara-dalàna koa anefa raha izay naman’Andriamanitra ihany no ataony namana. Manasongadina izany ilay fanontaniana napetraka tamin’i Josafata Mpanjaka hoe: “Ny ratsy fanahy indray ve no tokony hampiana, ary izay mankahala an’i Jehovah ve no tokony ho tianao?” (2Ta 19:2) Mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra ny olona te ho naman’izao tontolo izao.—Jk 4:4.
I Davida sy Jonatana no mpinamana niavaka indrindra resahin’ny Soratra Hebreo. I Jonatana no tokony handova ny seza fiandrianan’i Saoly rainy. I Davida anefa no nofidin’i Jehovah. Tsy nankahala na nandrafy an’i Davida izy, na izany aza. Nekeny kosa aza ny safidin’i Jehovah, ary “nanjary niraiki-po be tamin’i Davida i Jonatana, ka tia azy toy ny tenany mihitsy.” (1Sa 18:1) Nitomany mafy i Davida rehefa maty tany an’ady i Jonatana. Hoy izy: “Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko, tena nahafinaritra ahy ianao. Ary nihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy ny fitiavanao ahy.” (2Sa 1:26) Mpinamana be izy ireo, satria samy zava-dehibe taminy ny tsy fivadihana tamin’i Jehovah Andriamanitra.
Tena ratsy ny fitondran-tenan’ny olona tamin’ny andron’i Mika mpaminany, ka voatery nampitandrina izy hoe: ‘Aza matoky namana akaiky.’ (Mi 7:5) Nilaza koa i Jesosy fa hivadika amin’ireo mpanara-dia azy na dia ny naman’izy ireo taloha aza, ka hanolotra azy ireo hovonoina.—Lk 21:16; jereo FITIAVANA.
Naman’Andriamanitra. Voninahitra lehibe ny antsoina hoe ‘naman’i Jehovah.’ Anisan’ireo fitahiana maro azon’i Abrahama izany, noho izy nanana finoana niavaka ka vonona mihitsy hanolotra an’i Isaka zanany ho sorona. Izany no fomba lehibe indrindra nanehoany ny finoany.—Is 41:8; 2Ta 20:7; Jk 2:21-23; jereo MANAMBARA HO MARINA.
Nohazavain’i Jesosy Kristy tao amin’ilay fanoharana momba ny mpanompo tsy marina fa izay mahay mampiasa ny “harena tsy marina”, dia mety ho lasa naman’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany, izay afaka mandray olona “any amin’ny fonenana mandrakizay.” (Lk 16:1-13) Nantsoin’i Jesosy hoe namana ny mpianany, ka lasa naman’ny Rainy koa. (Jn 15:13-15; 14:21) Hita ao amin’ny Salamo 15:1-5 ireo fepetra takina amin’izay te ho naman’i Jehovah ka hivahiny ao an-tranolainy.
Lasa fahavalon’Andriamanitra kosa izay minamana amin’izao tontolo izao. (Jk 4:4; 1Jn 2:15-17) Tafasaraka amin’Andriamanitra sady mandrafy azy ny olona amin’ny ankapobeny. Azon’izy ireo atao anefa ny mihavana aminy, saingy tsy maintsy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy noho ny fanompoana fampihavanana nasain’Andriamanitra nataon’ireo ambasadaoron’ny Zanany. Ny naman’Andriamanitra ihany no ho afaka hiaina mandrakizay, amin’ny farany.—2Ko 5:18-20; Ap 21:3, 4; Sl 37:29.
Naman’ny mpanjaka. Namana toy ny namana rehetra ihany no tian’ny Baiboly holazaina amin’io teny io, ary tsy lazainy koa hoe inona no andraikitry ny olona nantsoina hoe naman’ny mpanjaka. Hita amin’ny fomba fanao any amin’ny tany sasany anefa fa mety hanondro tandapa iray natokisan’ny mpanjaka izy io, na namana akaiky izay niaraka matetika taminy ary indraindray nanatanteraka iraka manokana.—Ge 26:26.
Nantsoina hoe “naman’ny mpanjaka” i Zaboda zanakalahin’i Natana. Anisan’ireo tandapan’i Solomona izy sy ny rahalahiny iray “filohan’ireo lehibem-paritra.” (1Mp 4:1-6) Nantsoina koa hoe “naman’i Davida” Mpanjaka, rain’i Solomona, i Hosay Arkita. Nasain’i Davida niverina tany Jerosalema izy mba hampandamòka ny tetik’i Ahitofela, tamin’i Absaloma naka ny seza fiandrianan’i Davida.—2Sa 15:32-37; 16:16-19.
Teo amin’ny fanjakana ejipsianina fahiny, dia nisy ambaratonga teo amin’ireo ‘naman’ny mpanjaka.’ Tsy natao hilazana andraikitra ilay hoe ‘naman’ny mpanjaka’, fa anarana fanajana fotsiny an’ireo tandapa izay nanana anaram-boninahitra hafa nahafantarana ny andraikiny. Voaresaka matetika ao amin’ny tantaran’ny fanjakana grika ny hoe ‘naman’ny mpanjaka.’ Nanontany an’ireny namany ireny ny mpanjaka, rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Nisy naman’ny mpanjaka koa teo amin’ny fanjakana persianina sy arabo ary etiopianina.
Naman’ny mpampakatra. Inon’ilay mpampakatra izy io? Lehilahy iray fantany tsara ary nisolo tena azy ara-dalàna sy tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fikarakarana ny fampakaram-badiny. Izy indraindray no nifanaraka tamin’ny ray aman-drenin-drazazavavy, ka nanome ny vodiondry ho an’ny rain-drazazavavy, ary nanolotra ny fanomezana tamin-drazazavavy. Izy no noheverina ho nampikambana ny ampakarina sy ny mpampakatra. Tamin’ny andro fampakaram-bady, dia nankao an-tranon’ny rain’ny mpampakatra na ny tranon’ilay mpampakatra ny mpivady vao sy ireo mpanotrona nanaraka azy. Tao no natao ny fanasambe, ary tao koa izy roa no lasa mpivady. Faly ny naman’ny mpampakatra nandre ny feon’ny mpampakatra niresaka tamin’ny ampakarina, ary afa-po koa izy satria tontosa an-tsakany sy an-davany ny andraikiny.—Jn 3:29.
Rehefa nanomana lalana ho an’ny Mesia i Jaona Mpanao Batisa, dia natolony an’i Jesosy ireo olona voalohandohany anisan’ny ‘ampakarin’i’ Jesosy Kristy. (2Ko 11:2; Ef 5:22-27; Ap 21:2, 9) Afaka nilaza àry i Jaona hoe: “Ianareo mihitsy no vavolombelona fa efa nilaza aho hoe: ‘Tsy izaho no Kristy, fa nirahina hialoha azy fotsiny aho.’ Izay manana ny ampakarina no mpampakatra. Na izany aza, dia faly be ny naman’ny mpampakatra rehefa mitsangana ka mandre ny feon’ny mpampakatra. Ary efa feno ankehitriny izany fifaliako izany.” Nahavita ny adidiny ny naman’ny mpampakatra hatreo, ka tsy olona niavaka intsony. Hoy koa àry i Jaona momba an’i Jesosy Kristy: “Tsy maintsy mitombo iny olona iny, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.”—Jn 3:27-30.
Iza kosa ireo “naman’ny mpampakatra” resahin’ny Matio 9:15? Namana hafa anisan’ireo olona nitandahatra nanaraka ny mpanambady ary anisan’ireo nasaina izy ireo.