Toko 35
Fandringanana An’i Babylona Lehibe
1. Inona no nolazain’ilay anjely momba ilay bibidia mena midorehitra, ary inona no karazam-pahendrena ilaina mba hahazoana ny hevitr’ireo fanoharana ao amin’ny Apokalypsy?
NANOME tsipiriany hafa momba ilay bibidia mena midorehitra voalazan’ny Apokalypsy 17:3 ilay anjely. Hoy izy tamin’i Jaona: “Eto no ilana fahiratan-tsaina ombam-pahendrena: Tsy inona ny loha fito fa tendrombohitra fito, ka eo an-tampony no ipetrahan-dravehivavy. Ary misy mpanjaka fito: Efa lavo ny dimy, ary ny iray mbola eo, fa ny iray kosa mbola tsy tonga, nefa rehefa tonga izy, dia tsy maintsy hitoetra kelikely.” (Apokalypsy 17:9, 10) Fahendrena avy any ambony no nampitain’ilay anjely. Io no hany fahendrena ahafahana mahazo ny hevitr’ireo fanoharana ao amin’ny Apokalypsy. (Jakoba 3:17) Noho io fahendrena io, dia nanjary azon’ireo voahosotra toa an’i Jaona sy ireo namany fa izao no fotoana tokony hanaovan-javatra. Nanjary zava-dehibe tamin’izy ireo koa ny didim-pitsarana hampiharin’i Jehovah tsy ho ela. Nanjary nanana tahotra an’i Jehovah koa izy ireo, araka ny voalazan’ny Ohabolana 9:10 hoe: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.” Inona no ahariharin’ny fahendrena avy amin’Andriamanitra momba ilay bibidia?
2. Manondro inona ny loha fiton’ilay bibidia mena midorehitra, ary inona no dikan’ilay hoe “efa lavo ny dimy, ary ny iray mbola eo”?
2 Tsy inona ny loha fiton’io bibidia masiaka io fa “tendrombohitra” fito, na “mpanjaka” fito. Samy manondro fanjakana ireo teny ireo ao amin’ny Soratra Masina. (Jeremia 51:24, 25; Daniela 2:34, 35, 44, 45) Firenena matanjaka enina no resahin’ny Baiboly fa tafiditra tamin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra: Ejipta, Asyria, Babylona, Media sy Persa, Gresy, ary Roma. Efa tsy teo intsony ny dimy, rehefa nahazo fahitana momba ny Apokalypsy i Jaona. I Roma kosa no firenena natanjaka indrindra tamin’izany. Izay no dikan’ilay hoe “efa lavo ny dimy, ary ny iray mbola eo.” Ahoana kosa ny amin’ilay “iray” mbola ho avy?
3. a) Ahoana no nahatonga ny Fanjakana Romanina hizarazara? b) Inona no nitranga tany Andrefana? d) Inona no azo lazaina momba ny Fanjakana Romanina Masina?
3 Nitatra sy naharitra nandritra ny taonjato maro taorian’ny andron’i Jaona, ny Fanjakana Romanina. Tsy i Roma intsony no nataon’i Constantin Mpanjaka ho renivohitra tamin’ny taona 330, fa i Byzance, izay nomeny anarana vaovao hoe Constantinople. Nizara roa ny Fanjakana Romanina tamin’ny taona 395, ka lasa Fanjakana Atsinanana sy Andrefana. Resin’i Alaric mpanjakan’ny Visigoths i Roma, tamin’ny taona 410. (Ny Visigoths dia foko zermanika niova ho “Kristianina” mpanaraka ny fampianaran’i Arius.) Azon’ny foko zermanika, izay niova ho “Kristianina” koa, i Espaina sy ny ampahany lehibe tamin’ny faritanin’i Roma tany Afrika Avaratra. Nisy hotakotaka sy korontana ara-politika ary fiovana isan-karazany tany Eoropa, nandritra ny taonjato maro. Nisy mpanjaka nalaza maro tany Andrefana. Anisan’izany i Charlemagne, izay nanao fifanekena tamin’ny Papa Léon III tamin’ny taonjato faha-9, sy Frédéric II, izay nanjaka tamin’ny taonjato faha-13. Nantsoina hoe Fanjakana Romanina Masina ny faritra nanjakan’izy ireo. Kely kokoa anefa izy io, raha oharina amin’ilay Fanjakana Romanina natanjaka taloha. Tsy tena fanjakana vaovao koa izy io, fa namerina na nanohy fotsiny an’ilay fanjakana taloha.
4. Iza no faritany azon’ilay fanjakana tany atsinanana, nefa inona no nitranga tamin’ny faritra maro nofehezin’ny Romanina fahiny tany Afrika Avaratra sy Espaina ary Syria?
4 Tsy tena nifandray tsara ny Fanjakana Romanina tany andrefana sy ilay tany atsinanana, izay nanana an’i Constantinople ho renivohiny. Azon’i Justinien I, mpanjaka tany atsinanana, indray ny ampahany lehibe tamin’i Afrika Avaratra tamin’ny taonjato fahenina, ary nitady haka an’i Espaina sy Italia koa izy. Tamin’ny taonjato fahafito koa, dia azon’i Justinien II ny faritra tany Macédoine izay nalain’ny foko slavy. Lasan’ny fanjakana vaovaon’ny Silamo anefa ny faritra maro nofehezin’ny Romanina fahiny tany Afrika Avaratra sy Espaina ary Syria tamin’ny taonjato fahavalo, ka tsy nofehezin’i Constantinople sy Roma intsony.
5. Na dia resy tamin’ny 410 aza ny tanànan’i Roma, nahoana no taonjato maro tatỳ aoriana vao rava tanteraka ny Fanjakana Romanina?
5 Naharitra ela ny tanànan’i Constantinople, na dia nanafika azy matetika aza ny Persanina, Arabo, Boligara, ary Rosianina. Resy ihany anefa ilay tanàna tamin’ny 1203, saingy tsy ny Silamo no nandresy azy fa ny mpanao ady masina avy tany Andrefana. Lasa teo ambany fifehezan’i Mehmed II, filoha otomanina silamo, anefa i Constantinople tamin’ny 1453, ary tsy ela dia lasa renivohitry ny Fanjakana Otomanina na Tiorka. Hita avy amin’izany àry fa na dia tamin’ny taona 410 aza no resy ny tanànan’i Roma, dia taonjato maro tatỳ aoriana vao rava tanteraka ny Fanjakana Romanina. Na izany aza anefa dia mbola hita taratra ny herin’io fanjakana io eo amin’ny lafiny ara-pivavahana, any amin’ireo faritra fehezin’ny papa any Roma sy ny fiangonana ortodoksa tatsinanana.
6. Iza avy ireo fanjakana vaovao niforona, ary iza no nahomby indrindra?
6 Nisy fanjakana vaovao nanitatra ny faritany nofeheziny anefa tamin’ny taonjato faha-15. Tsy nisy nifandraisany tamin’ny Fanjakana Romanina ireny fanjakana vaovao ireny, na dia tany amin’ny faritany nofehezin’i Roma fahiny aza no nisy azy. Samy nanjanaka firenena maro i Portogaly sy Espaina sy Frantsa ary Holandy, fa i Grande-Bretagne no nahomby indrindra. Nidadasika be mantsy ny faritany azony, ka nisy faritra azon’ny tara-masoandro foana tao amin’ilay fanjakana. Izany no nahatonga an’ilay fitenenana hoe ‘tsy nilentika mihitsy ny masoandro’ tao amin’ny fanjakana britanika. Nitatra hatrany Amerika Avaratra, Afrika, Inde, Azia Atsimoatsinanana, ary Pasifika Atsimo izany.
7. Ahoana no nampisy an’ilay fanjakana mitambatra izay lasa firenena matanjaka indrindra, ary hanjaka hafiriana ilay “loha” fahafito, na firenena matanjaka fahafito?
7 Nisaraka tamin’i Grande-Bretagne ny zanataniny sasany tany Amerika Avaratra tamin’ny taonjato faha-19, ka nanangana an’i Etazonian’i Amerika. Nisy tsy fifanarahana foana teo amin’io firenena vaovao io sy i Grande-Bretagne tamin’izany. Nanjary nifandray tsara anefa izy ireo tamin’ny Ady Lehibe I, satria hitany fa nitovy ny tanjony. Nanomboka teo àry dia ny fanjakana mitambatra anglisy-amerikanina no natanjaka indrindra, izany hoe i Etazonian’i Amerika, ilay firenena manankarena indrindra eran-tany, sy Grande-Bretagne, ilay fanjakana midadasika indrindra eran-tany. Io fanjakana mitambatra io ilay “loha” fahafito, na firenena matanjaka fahafito, izay mbola hisy hatramin’ny fotoan’ny farany. Tao amin’ny faritra nofeheziny no nisian’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany amin’ny andro ankehitriny. Nanjaka ela be ilay loha fahenina, fa ny fahafito kosa “hitoetra kelikely” fotsiny, mandra-pandravan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny firenena rehetra.
Mpanjaka laharana fahavalo
8, 9. Ahoana no iantsoan’ilay anjely an’ilay bibidia mena midorehitra, ary nahoana no lazaina fa avy tamin’ireo loha fito izy io?
8 Hoy koa ilay anjely tamin’i Jaona: “Ary ilay bibidia izay efa teo nefa tsy eo izao, dia mpanjaka ihany koa. Eny, mpanjaka laharana fahavalo izy nefa avy tamin’ireo fito ihany, ary ho any amin’ny fandringanana izy.” (Apokalypsy 17:11) Ilay bibidia mena midorehitra dia “avy tamin’ireo” loha fito, izany hoe nipoitra avy tamin’ireo lohan’ilay “bibidia ... avy tao amin’ny ranomasina.” Sarin’ilay bibidia avy tao amin’ny ranomasina ilay bibidia mena midorehitra. Nahoana no lazaina fa avy tamin’ireo loha fito ilay bibidia mena midorehitra? Ny fanjakana anglisy-amerikanina no loha nanjaka tamin’ny 1919. Efa lavo ny loha enina teo aloha, ka io loha misy fanjakana roa mitambatra io no lasa firenena matanjaka indrindra. Io loha fahafito io indray izao no solontenan’ireo firenena matanjaka rehetra. Io fanjakana anglisy-amerikanina io no nandray anjara lehibe tamin’ny fananganana ny Fikambanam-pirenena. Izy io koa no tena manohana ny Firenena Mikambana sy manampy azy ara-bola. Toy ny hoe “avy tamin’ireo” loha fito ihany àry ilay bibidia mena midorehitra, na ilay mpanjaka laharana fahavalo. Mitombina tsara izany, satria hitantsika teo aloha fa ilay bibidia manan-tandroka roa tahaka ny an’ny zanak’ondry (ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, na ny loha fahafiton’ilay bibidia voalohany) no nampanao ny sarin’ilay bibidia mena midorehitra sy nanome aina azy io.—Apokalypsy 13:1, 11, 14, 15.
9 Ankoatra izany, dia anisan’ny niditra voalohany tao amin’ny Fikambanam-pirenena niaraka tamin’i Grande-Bretagne, ireo firenena tany amin’ny faritra nanjakan’ireo loha sasany, toa an’i Gresy, Iran (Persa), Italia (Roma). Nanjary nanohana ny sarin’ilay bibidia koa tatỳ aoriana ireo fitondram-panjakana tany amin’ny faritra nofehezin’ireo firenena matanjaka enina teo aloha. Izany koa no antony ilazana fa avy tamin’ireo firenena matanjaka fito ilay bibidia mena midorehitra.
10. a) Nahoana no azo lazaina hoe “mpanjaka ihany koa, eny, mpanjaka laharana fahavalo” ilay bibidia mena midorehitra? b) Ahoana no nanohanan’ny filoha iray tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha ny Firenena Mikambana?
10 Mariho anefa fa “mpanjaka ihany koa” ilay bibidia mena midorehitra, “eny, mpanjaka laharana fahavalo.” Toy ny fomba fiasan’ny fanjakana iray mantsy ny fomba fiasan’ny Firenena Mikambana. Nandefa tafika mihitsy aza izy indraindray mba handaminana ady, toy ny tany Korea, Afrika, Liban, ary tany amin’ny Saikinosin’i Sinay. Tsy tena mpanjaka anefa izy io fa sariny fotsiny, tsy misy hafa amin’ny sary masina ihany, ka tsy tena manana hery na fahefana ankoatra izay omen’ireo namorona azy sy mivavaka aminy. Tsy mahomby io bibidia io indraindray, nefa mbola tsy nandao azy tanteraka ireo mpanohana azy. Ny Fikambanam-pirenena no efa niharan’izany, rehefa niala taminy ireo mpitondra jadona, ka lasa tany amin’ny lavaka mangitsokitsoka izy. (Apokalypsy 17:8) Nisy filoha nalaza iray tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, izay nanana firehan-kevitra hafa tanteraka. Nanohana ny ONU koa anefa izy io tamin’ny 1987, niaraka tamin’ireo papa tany Roma. Nangatahany mihitsy aza ny hananganana “rafi-piarovana iraisam-pirenena” miorina amin’ny ONU. Nampahafantarina an’i Jaona fa ho avy ny fotoana hampiharan’ny ONU fahefana lehibe. Avy eo dia “ho any amin’ny fandringanana” koa izy io.
Mpanjaka folo hanjaka adiny iray
11. Inona no nolazain’ilay anjelin’i Jehovah momba ny tandroka folon’ilay bibidia mena midorehitra?
11 Nandraraka ny tao anatin’ny vilian’ny fahatezeran’Andriamanitra ny anjely fahenina sy fahafito, araka ny voalazan’ny Apokalypsy toko faha-16. Angonina ho amin’ny adin’Andriamanitra ireo mpanjakan’ny tany amin’ny Hara-magedona, ary ‘tsarovana eo imason’Andriamanitra i Babylona Lehibe.’ (Apokalypsy 16:1, 14, 19) Handinika bebe kokoa momba ny fampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany amin’izy ireo isika izao. Henoy indray izay nolazain’ilay anjely tamin’i Jaona. “Tsy inona ny tandroka folo efa hitanao fa mpanjaka folo, izay mbola tsy nahazo fanjakana, nefa mahazo fahefana hanjaka adiny iray miaraka amin’ilay bibidia izy ireo. Ary miray saina ireo, ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibidia. Ary hiady amin’ny Zanak’ondry ireo. Haharesy an’ireo anefa ny Zanak’ondry satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka izy. Ary haharesy koa izay voantso sy voafidy ary mahatoky miaraka aminy.”—Apokalypsy 17:12-14.
12. a) Inona ireo tandroka folo? b) Nahoana no lazaina fa “mbola tsy nahazo fanjakana” ny tandroka folo? d) Nahoana no lazaina fa mahazo “fanjakana” ny tandroka folo amin’izao andro izao, ary haharitra hafiriana izany?
12 Ny tandroka folo dia ireo fitondrana ara-politika rehetra eto an-tany amin’izao andro izao, izay manohana ny sarin’ilay bibidia. Vitsy amin’ireo firenena misy ankehitriny no fantatra tamin’ny andron’i Jaona. Ary izay fantatra tamin’ny androny, toa an’i Ejipta sy Persa (Iran), dia manana rafitra ara-politika hafa tanteraka amin’izao fotoana izao. “Mbola tsy nahazo fanjakana” àry ny “tandroka folo”, tamin’ny taonjato voalohany. Mahazo “fanjakana” na fahefana ara-politika anefa izy ireo amin’izao andron’ny Tompo izao. Firenena vaovao maro no niforona rehefa rava ireo fanjakana lehibe mpanjana-tany, indrindra taorian’ny Ady Lehibe II. Hiara-manjaka amin’ilay bibidia mandritra ny “adiny iray”, izany hoe fotoana fohy, ireny firenena vaovao ireny sy ireo fanjakana efa nisy hatramin’ny ela, alohan’ny hamaranan’i Jehovah ny fitondrana ara-politika rehetra amin’ny Hara-magedona.
13. Nahoana no lazaina fa “miray saina” ireo tandroka folo, ary hanao ahoana ny fihetsiny amin’ny Zanak’ondry?
13 Samy te hanindrahindra ny fireneny ireo tandroka folo ankehitriny. “Miray saina” izy ireo satria te hiaro ny zony hitondra ny fireneny, ary tsy te hanaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany no antony nidirany tao amin’ny Fikambanam-pirenena sy ny Firenena Mikambana. Te hiaro ny fitondrany mantsy izy ireo, ka miezaka mitandro ny fandriampahalemana eran-tany. Azo antoka àry fa hanohitra an’ilay Zanak’ondry, ilay “Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka”, ireo tandroka ireo, satria tsy ho ela dia hosoloan’i Jehovah an’ilay Fanjakan’i Jesosy Kristy ireo fanjakana rehetra ireo.—Daniela 7:13, 14; Matio 24:30; 25:31-33, 46.
14. Nahoana no azo lazaina fa miady amin’ny Zanak’ondry ireo mpitondra eto an-tany, ary ahoana no hiafaran’ilay ady?
14 Mazava ho azy fa tsy afaka miady amin’i Jesosy mivantana ireo mpitondra eto an-tany, satria any an-danitra izy. Mbola eto an-tany anefa ireo rahalahin’i Jesosy, izany hoe ny sisa amin’ny taranak’ilay vehivavy, ary toa tsy misy mpiaro izy ireo. (Apokalypsy 12:17) Tandroka maro no efa nanenjika azy ireo, ka toy ny hoe niady tamin’ny Zanak’ondry. (Matio 25:40, 45) Tsy ho ela anefa dia ‘hanorotoro sy handevona an’ireo fanjakana rehetra ireo’ ny Fanjakan’Andriamanitra. (Daniela 2:44) Ho hitantsika fa tsy hitsahatra hiady amin’ny Zanak’ondry ireo mpanjakan’ny tany. (Apokalypsy 19:11-21) Azontsika antoka anefa fa tsy handresy izy ireo. “Miray saina” izy ireo sy ilay bibidia mena midorehitra, na ny ONU, kanefa tsy haharesy an’ilay “Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka.” Tsy ho resy koa ireo mpianany voahosotra mbola eto an-tany, izay “voantso sy voafidy ary mahatoky miaraka aminy”, satria tsy hivadika mihitsy izy ireo, ka hanaporofo fa diso ny fiampangan’i Satana.—Romanina 8:37-39; Apokalypsy 12:10, 11.
Fandringanana an’ilay mpivaro-tena
15. Inona no nolazain’ilay anjely momba ilay mpivaro-tena, ary inona no hataon’ny tandroka folo sy ilay bibidia aminy?
15 Tsy ny vahoakan’Andriamanitra ihany no iadian’ireo tandroka folo. Niresaka momba ilay mpivaro-tena indray ilay anjely, nanao hoe: “Ary hoy izy tamiko: ‘Tsy inona ny rano efa hitanao, izay ipetrahan’ilay mpivaro-tena, fa olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny. Ary ny tandroka folo efa hitanao, sy ilay bibidia, dia hankahala an’ilay mpivaro-tena ka handroba izay ananany rehetra sy hampitanjaka azy, ary hanapitra ny nofony sy handoro azy tanteraka amin’ny afo.’ ”—Apokalypsy 17:15, 16.
16. Nahoana no tsy ho afaka hanampy an’i Babylona Lehibe ireo reniranony, rehefa hamely azy ny fitondrana ara-politika?
16 Natoky ny fisian’ireo renirano niaro azy i Babylona fahiny. Matoky ny fisian’ireo “olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny” manohana azy koa i Babylona Lehibe ankehitriny. Niresaka momba izany ilay anjely, ary avy eo dia nilaza fa hisy zavatra tsy hampoizina: Hamely tampoka an’i Babylona Lehibe ireo fitondrana ara-politika eto an-tany. Inona no hataon’ireo “olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny” rehetra amin’izay? Mampitandrina an’i Babylona Lehibe ny vahoakan’Andriamanitra fa ho ritra ny reniranon’i Eofrata. (Apokalypsy 16:12) Ho ritra tanteraka ny ranony, ka tsy ho afaka hanampy an’ilay mpivaro-tena maharikoriko, amin’ny fotoana tena ilany fanampiana.—Isaia 44:27; Jeremia 50:38; 51:36, 37.
17. a) Nahoana no tsy hahavonjy an’i Babylona Lehibe ny harenany? b) Hanao ahoana ny ho fiafaran’i Babylona Lehibe? d) Iza koa no handringana an’i Babylona Lehibe, ankoatra an’ireo tandroka folo, na ny fitondram-panjakana?
17 Azo antoka fa tsy hahavonjy an’i Babylona Lehibe koa ny harem-beny. Mety hanafaingana ny fandringanana azy mihitsy aza izany. Voalazan’ilay fahitana mantsy fa hanaisotra ny akanjo marevaka sy ny firavaka rehetra anaovany ilay bibidia sy ny tandroka folo, rehefa hamely azy. Horobain’izy ireo ny fananany. “Hampitanjaka” azy koa izy ireo, izany hoe hampiharihary ny toetra ratsiny. Hidiran-doza tokoa izy sady ho afa-baraka tanteraka! Handringana azy sy “hanapitra ny nofony” ilay bibidia sy ny tandroka folo, ka ho taolana sisa no hiafarany. ‘Hodorana tanteraka amin’ny afo izy’ amin’ny farany. Hodorana toy ny fatin’olona misy areti-mifindra izy, ka tsy halevina akory! Tsy ny fitondram-panjakana, na ny tandroka folo, ihany no handringana an’ilay mpivaro-tena lehibe, fa “ilay bibidia” koa, na ny ONU, izay hankasitraka ny fandravana ny fivavahan-diso. Maro amin’ireo firenena maherin’ny 190 ao amin’ny Firenena Mikambana no efa nilaza ny fankahalany ny fivavahana, indrindra fa ny Kristianisma Anarana.
18. a) Inona no zava-nitranga ahitana taratra fa mety hivadika amin’i Babylona Lehibe ireo firenena? b) Avy amin’iza ny fandringanana an’ilay mpivaro-tena lehibe raha ny tena marina?
18 Nahoana ireo firenena no hampidi-doza an’ilay sakaiza ratsiny taloha? Efa hita taratra fa mety hivadika amin’i Babylona Lehibe izy ireo, raha ny zava-nitranga vao haingana no jerena. Notoherin’ny fanjakana ny fivavahana, tany Chine sy tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, ka nihena be ny fahefany. Toy ny maty mihitsy ny fivavahana any amin’ny faritra protestanta any Eoropa, satria mihabetsaka ny tsy miraika sy misalasala, ka tsy mandeha miangona intsony. Tsy mitovy hevitra koa ny samy Katolika, ary mikomy ny mpiangona, nefa tsy mahavaha izany olana izany ny mpitondra fivavahana. Tsy tokony hohadinointsika anefa fa fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’i Babylona lehibe, na ilay mpivaro-tena lehibe, ilay fandringanana azy.
Hevitr’Andriamanitra no tanterahin’izy ireo
19. a) Hazavao fa toy ny nampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany tamin’i Jerosalema nivadi-pinoana tamin’ny 607 T.K. no hataony amin’ilay mpivaro-tena lehibe. b) Rava sy tsy nisy mponina i Jerosalema, taorian’ny 607 T.K. Iza no hitovy amin’izany amin’ny androntsika?
19 Ahoana no hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany? Toy ny fomba nanasaziany ny vahoakany nivadi-pinoana fahiny ihany. Hoy mantsy izy: “Tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina: mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tànan’ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin’ny faharatsiany; eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’i Gomora.” (Jeremia 23:14) Nampiasa an’i Nebokadnezara i Jehovah tamin’ny 607 T.K., mba ‘hanendaka ny lamba sy hanaisotra ny firavaka soa’ ka ‘hilaozana mitanjaka sy mihanjahanja’ ilay tanàna nivadi-pinoana. (Ezekiela 23:4, 26, 29) Mitovy amin’i Jerosalema tamin’izany fotoana izany ny Kristianisma Anarana ankehitriny. Hosazin’i Jehovah toa an’i Jerosalema koa àry izy io sy ny sisa amin’ny fivavahan-diso, araka ny hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana teo aloha. Rava sy tsy nisy mponina i Jerosalema, taorian’ny 607 T.K. Ho toy izany no hanjo ny Kristianisma Anarana, rehefa horobaina ny harenany ka hampitanjahina izy. Izany koa no hihatra amin’ny sisa amin’i Babylona Lehibe.
20. a) Ahoana no nilazan’i Jaona fa hampiasa mpitondra olombelona indray i Jehovah rehefa hampihatra ny didim-pitsarany? b) Inona ilay hoe ‘hevitr’Andriamanitra’? d) Ahoana no hanatanterahan’ireo firenena ny ‘hevitra tokana iombonany’, nefa ny hevitr’iza no hotanterahiny raha ny marina?
20 Hampiasa mpitondra olombelona indray i Jehovah rehefa hampihatra ny didim-pitsarany. “Fa nataon’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo ny hanatanteraka ny heviny, dia ny hanatanterahan’izy ireo ilay hevitra tokana iombonan’ireo, izay tsy inona fa ny hanome ny fanjakany ho an’ilay bibidia, mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra.” (Apokalypsy 17:17) Inona izany ‘hevitr’Andriamanitra’ izany? Ataony miray hina ireo firenena mba handringana tanteraka an’i Babylona Lehibe. Marina aloha fa manana ‘hevitra tokana iombonany’ ireo mpitondra, ka ho fanatanterahana izany no mahatonga azy hamely an’i Babylona Lehibe. Hihevitra izy ireo fa hahasoa ny fireneny ny hamelezana an’ilay mpivaro-tena lehibe, satria toa manohintohina ny fitondrany ireo fivavahana ao amin’ny taniny. Ny hevitr’i Jehovah anefa raha ny marina no hotanterahin’ireo firenena. Izy no hitarika azy ireo handringana tanteraka an’ilay fahavalo mpivadi-pinoana!—Ampitahao amin’ny Jeremia 7:8-11, 34.
21. Koa satria hampiasaina handringanana an’i Babylona Lehibe ilay bibidia mena midorehitra, inona no hataon’ireo firenena amin’ny Firenena Mikambana?
21 Hampiasa an’ilay bibidia mena midorehitra, na ny Firenena Mikambana, ireo firenena rehefa handringana an’i Babylona Lehibe. Tsy hevitr’izy ireo manokana anefa izany, fa i Jehovah no hanao izany ao am-pony “mba hanatanterahan’izy ireo ilay hevitra tokana iombonan’izy ireo, izay tsy inona fa ny hanome ny fanjakany ho an’ilay bibidia.” Ho tsapan’ireo firenena fa tokony hohatanjahina ny Firenena Mikambana. Homeny fahefana sy hery àry izy io, mba hamelezana ny fivavahan-diso sy handresena azy, “mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra.” Ho vita hatreo ny amin’ilay mpivaro-tena, ary tsara ho azy koa izay!
22. a) Inona no nohamafisin’ilay anjely tao amin’ny teniny farany ao amin’ny Apokalypsy 17:18? b) Inona no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mazava tsara aminy ny hevitr’ilay zava-miafina?
22 Nohamafisin’ilay anjely fa tsy maintsy ho tanteraka ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ny fivavahan-diso rehetra. Izao no teniny farany: “Tsy iza ilay vehivavy efa hitanao fa ilay tanàna lehibe izay manana fanjakana mifehy an’ireo mpanjakan’ny tany.” (Apokalypsy 17:18) ‘Nolanjaina tamin’ny mizana’ i Babylona Lehibe, ‘ka indro latsa-danja’ toa an’i Babylona tamin’ny andron’i Belsazara. (Daniela 5:27) Fandringanana tanteraka sady tampoka no hihatra aminy. Inona no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mazava tsara aminy ny hevitr’ilay zava-miafina momba ilay mpivaro-tena lehibe sy ilay bibidia mena midorehitra? Mazoto mitory ny andro fitsaran’i Jehovah izy ireo, ary “teny mahafinaritra” no amaliany an’izay tso-po mitady ny fahamarinana. (Kolosianina 4:5, 6; Apokalypsy 17:3, 7) Ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka, fa mila manao zavatra haingana izay rehetra tsy te ho ringana miaraka amin’ilay mpivaro-tena lehibe. Tsy tokony hangataka andro izy ireo!
[Sary, pejy 252]
Ireo Firenena Matanjaka Fito Nifandimby
EJIPTA
ASYRIA
BABYLONA
MEDIA SY PERSA
GRESY
ROMA
ANGLISY-AMERIKANINA
[Sary, pejy 254]
‘Mpanjaka laharana fahavalo koa izy’
[Sary, pejy 255]
Mandà ny Zanak’ondry izy ireo, ary “manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibidia”
[Sary, pejy 257]
Ho rava toa an’i Jerosalema fahiny ny Kristianisma Anarana, izay ampahany lehibe indrindra ao amin’i Babylona Lehibe