Ny andron’ny Tompo: Inona no ho hevitr’izany ho anao?
“Manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao.” — SALAMO 110:2.
1-3. a) Nahoana no fotoam-pifandrafiana ny fiandohan’ny andron’ny Tompo, ary inona avy ireo fandresena sasantsasany azon’i Jesosy? b) Ahoana no ‘hamitan’i Jesosy ny fandreseny’?
TAMIN’NY 1914 no nahazo ny fahefan’ny Mpanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra Jesosy ka nanomboka ny andron’ny Tompo. Tsy maintsy niatrika fanoherana mahery vaika avy hatrany avy tamin’i Satana Devoly sy ireo irany tetỳ an-tany ilay Mpanjaka vaovao (Salamo 2:1-6). Ireo taona voalohany tamin’ny andron’ny Tompo àry dia vanim-potoam-pifandrafiana ka mandritra izany no ‘hanapahan’i Jesosy eo amin’ny fahavalony’. — Salamo 110:2.
2 Nahazo fandresena miezinezina io Mpanjaka vaovao io. Taorian’ny 1914, dia nanandrana ‘nandrapaka’ ilay Fanjakana vao teraka Satana, nefa voaroaka tany an-danitra izy tamin’ny fahafaham-baraka lehibe (Apokalypsy 12:1-12). Na dia “lasa nandeha hiady” tamin’ireo sisa amin’ny kristiana voahosotra aza izy avy eo, dia tsy afaka nanakana azy ireny tsy ‘hijoro tamin’ny tongony’ tamin’ny 1919 na nandrombaka ilay “boky kely” teny an-tanan’i Jesosy Kristy (Apokalypsy 10:8-11; 11:11, 12; 12:17). Tsy afa-nanakana ny fanangonana ireo mpikambana farany amin’ny 144 000 na ny an’ny olona betsaka (avy tamin’ny firenena rehetra), izay ‘manompo andro aman-alina eo amin’ny tempolin’i Jehovah’ koa izy. — Apokalypsy 7:1-3, 9-15.
3 Eny, hatramin’ny 1914 Jesosy dia “nivoaka (...) ka naharesy”. Nefa betsaka no mbola tokony hataony: tsy maintsy ‘mamita ny fandreseny’ izy. Tsy maintsy mbola hamafa ny marika rehetra amin’ny fandehan-javatra maneran-tanin’i Satana izy (Apokalypsy 6:1, 2; 19:11-21). Inona no ho hevitr’izany fandraisana anjara malaza izany ho an’ny tsirairay avy amintsika?
Ahanjahanja ampahibemaso Babylona
4. Amin’ny endriky ny inona moa no ilazalazan’ny Apokalypsy ny fivavahan-diso?
4 Ny fandringanana ny izao tontolo izaon’i Satana dia manomboka amin’ny fandevonana ny fivavahan-diso. Ny Apokalypsy dia milazalaza ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso — anisan’izany ny fivavahana lazaina fa kristiana — amin’ny endriky ny vehivavy janga iray, Babylona Lehibe, izay manana firaisana amin’ireo mpanjakan’ny tany sady mahaleo ny olombelona amin’ny fijangajangany. Io vehivavy janga io, mahamenatra tokoa! dia leon’ny ran’ireo mpanompon’Andriamanitra (Apokalypsy 17:1-6). Ny Apokalypsy koa dia milazalaza ny fandravana an’io anti-bavy janga maharikoriko io. Ho takatsika tsara kokoa ny ho hevitry ny fiafarany, amin’ny fandinihana izay nitranga tamin’ny vehivavy janga hafa iray ara-pivavahana tamin’ny taonjato faha-7 alohan’ny fanisan-taona iraisana.
5, 6. Nahoana no nantsoina hoe vehivavy janga ilay Jerosalema nivadika, ary noho ny fitondrantenany, didim-pitsarana inona no nampiharin’i Jehovah taminy?
5 Ny tanànan’i Jerosalema izany vehivavy janga izany. Tokony ho foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah teto an-tany izy io, nefa hoy Andriamanitra taminy: “Ny ra izay nalatsakao no nahameloka anao.” (Ezekiela 22:4). Tokony ho nadio koa izy tamin’ny lafiny ara-panahy, nefa nijangajanga izy tamin’ny nifanarahany tamin’ireo firenena. Izany no nahatonga an’i Jehovah hihiaka taminy toy izao: ‘Akory ny fahamaimain’ny fonao! Tamin’ny nanaovanao ireo rehetra ireo, dia ny fanaon’ny janga tsivalahara!’ — Ezekiela 16:30; 23:1-21; Jakoba 4:4.
6 Noho izany, dia nanonona izao didim-pitsarana manaraka izao tamin’io vehivavy janga io Jehovah. “Indro, hovoriko ireny lehilahinao rehetra ireny, izay mankamamy anao sy izay tianao rehetra [ireo firenena] (...); dia hendahany koa ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao soa, ka havelany hitanjaka sy hiboridana hianao. Ary hodorany amin’ny afo ny tranonao.” (Ezekiela 16:37, 39, 41; 23:25-30). Mampahafantatra antsika ny Tantara fa tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana dia niakatra namely an’i Jerosalema ny Babyloniana ka namabo azy tanteraka. Nentiny tany Babylona ny mponina sy ny hareny. Noravana izany tanàna izany, nodorana ny tempoliny ary navela ho lao ny tany. — 2 Tantara 36:17-21.
7. Inona no miandry an’i Babylona Lehibe?
7 Babylona Lehibe dia hahita fiafarana mitovy amin’izany. Mandefa izao fampitandremana izao tokoa ny Apokalypsy: Ireo “mpanjaka” amin’ny andro ankehitriny, izany hoe ireo mpitondra niarahan’i Babylona Lehibe nanao fijangajangana ara-panahy, dia “hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.” (Apokalypsy 17:2, 16.) Izay nitranga tamin’ilay Jerosalema fahiny dia ahafahantsika mahatakatra ny hevitr’ireo teny ireo. Ny fivavahan-diso dia horavan’ireo fitondram-panjakana izay ‘nitia’ azy taloha. Hendahana aminy ireo hareny ka hodorana izy, haringana tanteraka. Izany dia fiafarana mendrika tsara an’io fandaminana maharikoriko io!
Mihamaizina ny lanitra
8. Ho karazana vanim-potoana hanao ahoana moa ny fahoriana lehibe ho an’ny olombelona?
8 Ny faharavan’i Babylona Lehibe dia hilaza fiandohan’ny “fahoriana lehibe” nambaran’i Jesosy (Matio 24:21; Apokalypsy 7:14). Momba izany vanim-potoana izany dia izao no vakina ao amin’ny Apokalypsy: “Nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon’osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra avokoa ny volana. Ary ny kintana tamin’ny lanitra dia niraraka tamin’ny tany.” (Apokalypsy 6:12, 13). Izany horohorontany lehibe izany dia mifanitsy amin’ny “horohoro mafy any amin’ny tanin’ny Isiraely” nambaran’i Ezekiela (Ezekiela 38:18, 19; Joela 4:14-16). Izany dia ho fandringanana tanteraka ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Nefa moa ve hisy zavatra hitranga marina amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana amin’izany fotoana izany?
9, 10. Faminaniana inona no nolazain’i Ezekiela momba an’i Egypta ary ahoana no nahatanterahan’izany?
9 Raha nanambara ny fahantomoran’ny fianjeran’i Egypta, firenena mahery tany atsimon’ny Isiraely i Ezekiela, dia nilaza hoe: “Ary raha hovonoiko ny fahazavanao [ny an’i Farao], dia hosaronako ny lanitra: hotafiako lamba fisaonana ny kintany; ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana. Eny, ireny fanazavana eny amin’ny lanitra ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho ny aminao, ary hosaronako aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo.” — Ezekiela 32:7, 8.
10 Tsy nihamaizina akory ny lanitra hita maso rehefa nofongorana Farao sy ny tafiny. Ny hoavin’i Egypta kosa dia nihananjombona aoka izany. Araka ny nomarihin’i Carl Keil, mpandinika Baiboly, dia “mampiseho tarehin-javatra mampamoifo tanteraka ny haizina nanaraka [ny fianjeran’i Farao]”. Hatreo dia niongana tamin’ny laharan’ny herim-panjakana mahaleo tena Egypta ka latsaka teo ambany fahefan’ireo herim-panjakana nifandimby avy eo. Amin’izao androntsika izao dia tapahin’ny firenena arabo iray ny tapany lehibe amin’ny faritanin’ilay herim-panjakana tranainin’i Farao.
11. a) Nampiseho inona moa izay nahazo an’i Egypta? b) Amin’ny heviny ahoana no ho maizina tanteraka ny hoavin’izao tontolo izaon’i Satana amin’ny fahoriana lehibe?
11 Nefa dia manana heviny malalaka kokoa ny faminanian’i Ezekiela araka ny hevitr’i Carl Keil. Izao no nosoratany: “Ny fanonganana an’io herim-panjakana io [Egypta] dia fambara, marika mialoha ny fanonganana ny fitondram-panjakana ratsy rehetra amin’ny andro fitsarana farany.” Amin’ny ambangovangony dia marina izany fanambarana izany. Araka ny anehoan’ny Apokalypsy azy, amin’ny fahoriana lehibe ny fahatsinjovan-javatra ny amin’ny hoavin’ny olombelona manohitra an’Andriamanitra dia hanjombona tahaka ny nahatongavan’izany ho an’i Egypta. Ho toy ny tsy nanome hazavana amin’ny antoandro intsony ny masoandro, ary ho toy ny tsy manazava ny lanitra amin’ny alina intsony ny diavolana mahafinaritra sy ny famirapiratry ny kintana mampitony. Ireo izay mandà ny hanaja ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah dia ho faty ka tsy hanana fandevenana mihaja akory aza rehefa hamita ny fandreseny ilay mpitaingin-tsoavaly fotsy (Apokalypsy 19:11, 17-21; Ezekiela 39:4, 17-19). Tsy mahagaga àry raha hihiaka amin’ny “tendrombohitra sy ny vatolampy” ireo ratsy fanahy hoe: “Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin’ny tavan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry; fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’ireo, ka iza no mahajanona?” — Apokalypsy 6:16, 17; Matio 24:30.
Ady tsy mitsahatra
12. Amin’ny fomba ahoana no anehoan’i Satana ny fankahalany an’i Jesosy Kristy mandritra ny andron’ny Tompo?
12 Ary ny kristiana, ao anatin’ny tarehin-javatra manao ahoana no misy azy mandritra ny andron’ny Tompo? Nijaly mafy noho ny ady tsy mitsahatra mampifanohitra an’i Satana sy ilay Mpitaingin-tsoavaly fotsy izy ireo. Koa satria tsy afaka mamely an’i Jesosy mihitsy Satana dia nisafoaka tamin’ny sisa amin’ireo kristiana voahosotra ary tato aoriana, tamin’ny olona betsaka amin’ireo ondry hafa izay niangona nanodidina azy. Araka ny nampiomanan’i Jesosy azy ireo, ireny kristiana ireny dia ‘halan’ny firenena rehetra noho ny anarany’. (Matio 24:9.) Satana dia miady amin’izy ireny, amin’ny fampiasana ny fitaovana rehetra eo am-pelatanany, anisan’izany ny famelezan’ny vahoaka, ny fampidirana an-tranomaizina sy ny fampijaliana ary ny famonoana ho faty. — 2 Timoty 3:12.
13. Amin’ny fomba ahoana no ampiasan’i Satana hafetsena amin’ny ady ataony amin’ny vahoakan’Andriamanitra?
13 Mampiasa hafetsena koa Satana (Efesiana 6:11). Amin’ny alalan’ny “fitaky ny harena” dia mitarika ny kristiana sasany izy hampihena ny fandraisany anjara amin’ny fanompoana masina na hamela izany mihitsy (Matio 13:22; 1 Timoty 6:9, 10). Mamporisika ny hafa hanaraka fitondrantena maloto sy ratsy izy (1 Korintiana 5:1, 2). Hararaotiny ny maha-betsaka an’ireo izay variana amin’ny “fiahiahian’izao fiainana izao” mba hanandramana ‘hanavesatra’ azy ireny. (Lioka 21:34.) Mampiala ny kristiana hafa amin’ny “zavatra tsara indrindra” izy amin’ny fanararaotana ny tsy fitovian-toetra na ny fironana hikomy. — Filipiana 1:10; 1 Korintiana 1:11, 12; Jakoba 4:1-3.
14, 15. Ahoana no mety hahazoantsika fandresena an’i Satana?
14 Tsy maintsy maneho fiaretana àry ny kristiana mandritra ny andron’ny Tompo. Lavo ny sasany ary ny fialana tsirairay dia sahala amin’ny fandresena kely ho an’i Satana (1 Petera 5:8). Ny ankamaroany anefa dia tsy manadino izao fampanantenana nomen’i Jesosy izao: “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:13). Omban’ny fanampian’i Jehovah izy ireny dia mandresy ka mampifaly ny fony. — Ohabolana 27:11; 1 Jaona 2:13, 14.
15 Na iza na iza amintsika dia tsy maniry hanome fahafaham-po an’i Satana mahita antsika mandao an’i Jehovah! Aoka àry isika hanaraka ny torohevitr’i Paoly, ary aoka handray ny fahamarinana sy ny rariny ary ny finoana isika ho fiadiana sady mitory ny vaovao tsara amin-jotom-po no mianatra mba hitehirizana finoana mafy orina. Aoka isika hivavaka tsy tapaka ka hiambina hatrany. Amin’ny fanaovana an’izany dia “tsy hanan-tsiny amin’ny andron’i Jesosy Kristy Tompontsika” isika. (1 Korintiana 1:8; Efesiana 6:10-18; 1 Tesaloniana 5:17; 1 Petera 4:7.) Hitondra fitahiana lehibe ho antsika amin’izay ny andron’ny Tompo.
Tombontsoam-panompoana kanto
16. Nahoana no nahazo baiko mba tsy handray an-tsoratra izay nolazain’ny kotrokorana fito Jaona, ary inona no hevitr’izany raha ny amin’ireo kristiana voahosotra tamin’ny 1919?
16 Ao amin’ny Apokalypsy 10:3, 4, Jaona dia milaza fa nampandre ny feony ny “kotrokorana fito”. Naniry hanao an-tsoratra ny teniny izy, nefa, araka ny filazany dia “nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase izay efa notononin’ny kotrokorana fito, fa aza soratana.” Toa tsy mbola tonga ny fotoana hampahafantarana ireny. Nahazo baiko handray sy hihinana ilay horonamboky kely kosa anefa Jaona. Ny kotrokorana fito dia toa mampiseho ny fisehoan’ireo fikasan’i Jehovah amin’ny fomba feno (Salamo 29:3; Jaona 12:28, 29; Apokalypsy 4:5). Tamin’ny 1919, rehefa nihinana an’ohatra ny horonamboky kely ny kristiana voahosotra, dia tsy mbola tonga ho azy ireo ny fotoana handraisana ny fahatakarana fenon’ireo fikasan’i Jehovah (jereo Daniela 12:8, 9). Kanefa dia niroso tamim-pahasahiana izy ireo tamin’ny fahalalana nananany ka niseho ho mendrika ny hahazo fanazavana lehibe kokoa.
17. Manonòna sasany amin’ireo fanazavana nomen’i Jehovah ny vahoakany hatramin’ny 1919.
17 Nanaraka izany, rehefa nandeha ireo taona dia nahazo fahalalana mazava miandalana ny sitrapon’i Jehovah izy ireo. Takany ohatra, fa ireo ondry voalazan’ny fanoharan’i Jesosy dia avahana amin’ny osy alohan’ny Haramagedona mihitsy (Matio 25:31-46). Nazava taminy tsara fa ny nahatanterahan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914 dia nanatanteraka ny Apokalypsy toko faha-12. Nahafantatra tsaratsara kokoa ny maha-lehibe ny anaran’i Jehovah izy ireo ary fantany ny hoe iza marina ny olona betsaka resahina ao amin’ny Apokalypsy toko faha-7. Toky toy inona moa no nomen’ireny fanambarana miandalana ireny ho an’ny vahoakan’Andriamanitra! — Ohabolana 4:18; 2 Petera 1:19.
18. Tombontsoam-panompoana mahavariana inona avy no nankinina tamin’ny vahoakan’i Jehovah nandritra ny andron’ny Tompo, ary antoka inona no omen’izany antsika?
18 Tao anatin’izany fotoana izany ihany, dia nanankina tombontsoam-panompoana miavaka tamin’ireo mpanompony teto an-tany Jehovah. Jaona dia nahita tao amin’ny fahitana, anjely nitory ny vaovao tsara mandrakizay tamin’ny olombelona sady nanambara taminy ny faharavan’i Babylona Lehibe sy nampitandrina azy tamin’ny mariky ny biby dia (Apokalypsy 14:6-10). Tsy azo lavina àry fa manara-maso ireo tombontsoam-panompoana nomen’Andriamanitra ny anjely, nefa, raha ny marina, etỳ an-tany dia olombelona, ny Vavolombelon’i Jehovah, no manambara ireny hafatra ireny amin’ny olombelona. Nahita an’i Jesosy nijinja “ny vokatry ny tany” koa Jaona. (Apokalypsy 14:14-16.) Kanefa dia amin’ny alalan’ny asa fitoriana ny Fanjakana sy fanaovana mpianatra, asa tanterahan’ireo vahoakan’io Fanjakana io eto an-tany, no anaovan’i Jesosy izany fijinjana izany (Matio 24:14; 28:19, 20). Endrey ny tombontsoa ananantsika miara-miasa amin’ny anjely sy ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy ao amin’io asa iankinan’ny aina io! Amin’ny fanatanterahana izany, isika dia mahatsapa marina fa miara-miasa amin’ireo zavaboary ara-panahy mahatoky, izay mahaforona ny fandaminana lehiben’i Jehovah tsy hita maso any an-danitra.
Ny fiarovan’Andriamanitra
19. a) Inona no hanamarika ny fara tampony amin’ny fankahalan’i Satana ny vahoakan’Andriamanitra? b) Iza no hahazo ny fandresena amin’ny ady farany?
19 Arakaraka ny anatonan’ny faran’izao tontolo izao ankehitriny dia milofo mafy hamely ireo kristiana Satana. Ny toko faha-38 sy faha-39 amin’ny bokin’i Ezekiela izay iantsoana ara-paminaniana an’i Satana ho Goga any Magoga, dia milazalaza ny fomba hitondrany ny fankahalany amin’ny fara tampony. Araka ny hampahafantarin’io faminaniana azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra io, Satana dia handefa ny fanafihany mafy dia mafy hamelezany ny vahoakan’i Jehovah mba hanandramana hanafoana azy tanteraka. Hahomby ve izy? Izao no valin-tenin’ny Apokalypsy: “Ary ny tandroka folo [Ny “mpanjaka” na mpitondra amin’izao androntsika izao] (...) dia hiady amin’ny Zanak’ondry ary ny Zanak’ondry haharesy azy, satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.” (Apokalypsy 17:12, 14). Ny kristiana marina dia haharesy tokoa raha mitoetra ho mahatoky eo anatrehan’ny Mpanjakany lehibe mandresy. Raha ny amin’ny tafik’i Goga kosa dia haringana tanteraka izy ireo. — Ezekiela 39:3, 4, 17-19; Apokalypsy 19:17-21.
20. Fitahiana inona avy no hoentin’ny andron’ny Tompo ho an’ny kristiana mahatoky mandritra ny fahoriana lehibe?
20 Ny andron’ny Tompo àry dia midika fanavotana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Azo antoka ny toeran’ireo kristiana voahosotra any an-danitra, izay mbola ho velona eto an-tany mandritra ny fahoriana lehibe, ary ho tapa-kevitra tanteraka ny tsy hivadika hatramin’ny fahafatesany izy (Apokalypsy 7:1-3; 2 Timoty 4:6-8). Raha ny amin’ireo anisan’ny olona betsaka, izy ireo koa dia ho tafita velona ary Jesosy dia “hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony”. (Apokalypsy 7:14, 17.) Valisoa kanto noho ny fiaretany sy ny fahatokiany tokoa re izany!
21. Inona no hitranga eto an-tany amin’ny andron’ny Tompo aorian’ny fahoriana lehibe?
21 Amin’izay dia hiditra ao amin’ny tapany mahatalanjona amin’ny andron’ny Tompo isika: ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy (Apokalypsy 20:6, 11-15). Ny onin’ny ranon’aina ambara ao amin’ny Apokalypsy sy ao amin’ny bokin’i Ezekiela dia hiboiboika avy eo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah ka hikoriana mankeo amin’ny olombelona. Ny olona izay hisotro izany dia hotarihina tsikelikely ho amin’ny fahatanterahana (Ezekiela 47:1-12; Apokalypsy 22:1, 2). Hofoanana ny Hadesy ary hotolorana fahafahana hisotro amin’ny ranon’io ony io koa ny maty an-davitrisany maro. — Jaona 5:28, 29.
22. Fisehoan-javatra mendrika hotadidina inona moa no hiainan’ny olombelona amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy?
22 Amin’ny faran’ny arivo taona dia ho nahatratra ny fahatanterahana ny olombelona. Ho fotoana mety ho an’i Satana izany hanaovany ny fisehoany farany eo amin’ny sehatry ny tany. Mbola hanandrana indray mandeha hamitaka ny olombelona izy ary na dia amin’izay aza dia hanaraka azy ny sasany. Antsoina amin’ny fomba misy heviny hoe “Goga sy Magoga” izy ireny satria haneho toe-tsaina ratsy toy ny an’ny “olona maro ben’i Goga” resahina ao amin’ny faminanian’i Ezekiela. Kanefa dia hokosehina amin’ny tany mandrakizay ny fikomian’izy ireo rehefa, miaraka amin’i Satana sy ny demoniany, hatsipy ao amin’ny farihy afo ara-panoharana izy ireo (Apokalypsy 20:7-10; Ezekiela 39:11). Hoavy mamirapiratra tokoa àry no miandry ireo izay ho nitoetra ho mahatoky nandritra izany fisedrana farany izany, ary amin’izay ireo olona naverina ho amin’ny fahalavorariana dia hampiraisina amin’ny fandaminana marin’i Jehovah Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao, ka ‘ho zavatra rehetra amin’izy rehetra’ ny tenany. — 1 Korintiana 15:24, 28, MN; Apokalypsy 20:5.
23. Raha jerena ny fotoana misy antsika, torohevitr’i Paoly inona moa no tsara ny hanarahan’ny tsirairay avy amintsika azy?
23 Fitahiana tsy hay lazaina tokoa re no handramantsika raha maneho fiaretana isika! Aoka tsy hohadinointsika fa efa mandia ny andron’ny Tompo isika izao. Fisehoan-javatra mahagaga no nanomboka niseho sahady. Noho izany dia mety indrindra ireto tenin’i Paoly ireto: “Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa (...); fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” (Galatiana 6:9). Eny, ‘aoka isika tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa’ amin’ny andron’ny Tompo. Raha mampiseho fiaretana isika dia hitondra soa mandrakizay ho an’ny tsirairay avy amintsika izany andro izany.
Ho hainao ve ny hamaly?
◻ Hanomboka amin’ny inona moa ny fandringanana an’izao tontolo izaon’i Satana?
◻ Ahoana no ‘hamitan’i Jesosy ny fandresena’ ireo fahavalony?
◻ Ahoana no nanaovan’i Satana ady sesilany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mandritra ny andron’ny Tompo?
◻ Fitahiana miavaka inona avy no nandraman’ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’ny 1919?
◻ Raha jerena amin’ny toerana misy antsika eo amin’ny fandehan’ny fotoana, tapa-kevitra manokana hanao inona moa ianao?
[Sary, pejy 16]
Izay nahazo an’ilay Jerosalema fahiny dia manambara izay hanjo an’i Babylona Lehibe tsy ho ela.