Onjam-piovana mahery ara-pivavahana: vokatra farany
MIPOAPOAKA ny afom-pifaliana, manjelanjelatra ny afomanga ka mandoko mena, manga sy mavo ary maitso ny lanitra. Mihinana ovy nandrahoina tamin-kodiny ny olona. Fihomehezana sy antsoantso no re tampoka. Fitsingerenan’ny tsy fahombiazan’ny Fiokoan’ny vanja, tany Angletera izany.
NY mpiasa dia nahita, tamin’ny kisendrasendra tanteraka, taolan’olona 25 nalevina tamim-pitandremana, ny sandriny natao nifanapaka. Tamin’izany no nahatongavan’ny mpanao tantara teo anoloan’ny lalana miafina iray, izay niandoha taonjato roa eo ho eo izay. Québec, Kanada.
Ireo tantara kely roa toa tsy misy ifandraisana ireo dia manana fototra iombonana: ny Fanavaozana.
ARAKA ny nanazavana azy tao amin’ny gazetinay tamin’ny 1 janoary, tamin’ny taonjato faha-16 dia tonga toerana nisehoan’ny fikorontanana goavana ara-pivavahana izay nahakasika tapany hafa teto amin’izao tontolo izao tato aoriana, i Eoropa. Endriny maro tamin’ny fiainantsika no novan’ny ranon’ny Fanavaozana. Angamba aza izany manan-kery eo amin’ny fahazaranao isan’andro. Ny tena mbola zava-dehibe kokoa anefa, isika izao dia eo an-tokonan’ny loza aman’antambo ara-pivavahana farany izay, azo antoka, fa hisy vokany eo amin’ny fizotran’ny fiainanao. Fantatrao ve ny antony?
Aoka hojerentsika aloha ny marika navelan’ny Fanavaozana tao amin’ireto firenena manaraka ireto:
Alemaina: Nolazaina fa tao amin’izao tontolo izao miteny anglisy dia tsy nisy nanana fitaomana mahery teo amin’ny kolon-tsaina noho izay nananan’i Luther tany Alemaina. Ny fandikan-teniny amin’ny Soratra Masina dia anisan’ireo Baiboly alemana ekena indrindra. Luther dia nandray anjara lehibe tamin’ny fandraiketana ny lalàna mifehy ny fiteny sy nanoritra ny fitsipika lehibe tamin’ny fiainana ara-tsosialy alemana. Nitarika ny Fanjakana mba hanaiky ny ilàna hanomezana fampianarana ho an’ny rehetra izy, ka nanandratra tamin’izany ny anjara asan’ny mpampianatra.
Kanada: Tamin’ny fotoan’ny fanjanahan-tany, Grande-Bretagne sy Frantsa dia nifamely fatratra ka izany dia nanamarika manokana provansa iray: Québec. Nozanahin’ny katolika frantsay teo am-boalohany Québec ary lasan’ny Britanika, protestanta, tamin’ny 1763. Fotoana fohy talohan’io fisehoan-javatra io no nandevenana tamin’ny fomba miafina an’ireo faty voaresaka tetsy am-piandohan’ity lahatsoratra ity, teo akaikin’ny mandan’ny tanàna. Nahoana no tamin’ny fomba miafina? Satria toa protestanta izy ireo ary voarara tamin’izany fotoana izany ny mandevina tao amin’ny fasana katolika. Québec dia mbola manda fiarovana miteny frantsay ho an’ny fivavahana katolika foana, ka amin’izao androntsika izao izany dia niteraka ireo fihetsiketsehana mitaky fahaleovantena.
Irlande: Tsy nihontsina tamin’ny Fanavaozana ny nosy Emeraude ary tsy nanatona. Nefa, tatỳ aoriana, dia nita ny ranomasin’i Irlande ny fitaomana protestanta ka nahazo an’i Angletera ho any amin’ireo provansa any avaratra. Noho izany dia voazara roa Irlande ankehitriny. Isaky ny fahavaratra any Irlande Avaratra, dia misy filaharana alamina ho fahatsiarovana ireo fandresena protestanta tamin’ny lasa. Ireny fankalazana ireny amin’ny ankapobeny dia mitarika fanorenana fanampenan-dalana, famonoana amin’ny alalan’ny baomba sy fifampitifirana amin’ny bala plastika. Tamin’ny jolay 1986, dia nisy olona 160 naratra tamin’ny fankalazana ny fitsingerenan’ny nandresen’ny mpanjaka Guillaume d’Orange ny mpanjaka katolika anglisy farany, Jacques II, efa ho taonjato telo lasa izay, fandresena izay nampahatanjaka ny fivavahana protestanta tany Grande-Bretagne.
Etazonia: “[Ny] fahasamihafan’ireo finoana avy tany Eoropa dia anisan’ny nandray anjara lehibe tamin’ny fanorenana ny fahalalahana ara-pivavahana tany Amerika”, hoy ny nosoratan’i A. Stokes ao amin’ny bokiny hoe Ny Eglizy sy ny Fanjakana any Etazonia (anglisy). Tamin’ny fotoan’ny fanjanahan-tany Etazonia dia nifidy ny hanaraka ny fivavahana protestanta. Ireo zavatra nampianarin’i Calvin dia nekena teo amin’izao tontolo izao ara-pivavahana, ara-politika sy ara-barotra. Ny finoana fototra dia ny hoe ny olona tsirairay avy dia tompon’andraikitra mivantana eo anatrehan’ny Mpamorona azy, tsy mila fanelanelanan’ny pretra. Izany idealy izany dia nanome olona tapa-kevitra handray an-tanana ny ho anjarany manokana sy hijinja ny vokatry ny asany.
Ao amin’ny bokiny hoe Eo am-pikarohana ny Tantara (anglisy), T. White dia mampahatsiahy fa 13 isan-jato monja tamin’ny Amerikana no katolika teo am-piandohan’ny taonjato. Io fatra io dia niakatra ho 25 isan-jato mahery tamin’ny 1960. Na dia tamin’izany aza anefa, dia vitsy ihany ny katolika nomena andraikitra lehibe ara-politika. Manohy toy izao T. White: “Teo amin’ny laharana ambony indrindra, tao amin’ny Antenimieran-doholona, izay toerana nanapahana ny ady sy ny fandriampahalemana, izay namolavolana ny fifanarahana sy ny politika ny amin’ny raharaham-bahiny ary izay nanamafisana ny fanendrena ny mpitsara tao amin’ny Fitsarana tampony, dia naleon’ny Amerikana foana nahita protestanta mpitana ny fomban-drazana manao ny anjara asan’ny mpitahiry ny zava-nokendren’ny firenena.” Tapaka izany fanao izany rehefa tonga prezida katolika voalohany tany Etazonia i John Kennedy.
Ho ohatra fanampiny momba ny tany hafa dia jereo ny faritra voafefy ao amin’ny pejy faha-29.
Faritra tondraka
Teo ambanin’ny fivavahana protestanta dia nitombo ny ady hevitra ara-teolojia; nanomboka nitsinkafona teny ambonin’ny rano mitombon’ny fahalalana sy ny fahafahan’ny tsirairay mamoaka ny heviny manokana ny fandikan-teny sy ny fanazavana ny Baiboly. Kanefa, araka ny fandehan’ny fotoana koa, ny fahalalana dia nampipoitra ny fanakianana ny Baiboly. Nekena ny hevi-baovao; tonga fitsipika ny fahafahana mamoaka ny hevitry ny tena. Tsy nitopatopa malefaka intsony ny fiovana fa toy ny forohondrohon’ny onja mahery. Nifaoka ny fanorenan’ny foto-pampianarana kristiana nenti-paharazana mihitsy ny ranom-panavaozana mahery. Toy ny tapa-kazo, dia natsipy teny amoron-drano ny hevi-baovao hafa, toy ny fivoarana miandalana, ny fanafahana ny vehivavy sy ny ‘fitondrantena vaovao’, vavolombelona manginan’ny tafio-drivotra. Tao amin’ny tany protestanta sasany, ny fivavahana nampifanarahina tamin’ny hevitry ny tsirairay dia nampihitsoka ny isam-batan’olona teo amin’ny nosikelin’ny finoany.
Ny “tany” protestanta dia voavolavolan’ny fironana hitsikera ny fitsipika naorina. Ampianarina ho tia fandrosoana, fahafahana sy hitaky ny zon’olombelona ny olona. Max Weber, sosiology sy manam-pahaizana momba ny toe-karena alemana, izay namoaka boky fandinihana ny fivavahana protestanta sy ny kapitalisma tamin’ny 1904, dia nanambara fa tsy vokatry ny Fanavaozana fotsiny ny kapitalisma. Tsikariny fa tao amin’ireo tany kapitalista mandroso izay niarahan’ny fivavahana maro niaina, ny ankamaroan’ny tompon-tany, ny mpitondra sy ny olona mahay dia protestanta. Araka ny Fischer Weltalmanach, ny roa ampahatelony amin’ireo loka Nobel 540 nomena hatramin’ny 1985, dia natolotra ho an’ny olom-pirenena nahazo fampianarana protestanta. Ny 20 isan-jato monja no azon’ireo olona avy amin’ny tany katolika. Amin’ireo firenena 20 voalohany raha ny amin’ny vokatra manontolon’ny firenena isan’olona, dia sivy no protestanta ary roa katolika. Etsy an-daniny, amin’ireo tany 10 eo an-dalam-pandrosoana be trosa indrindra, dia dimy no katolika ary tsy misy protestanta mihitsy.
Araka ny gazety alemana mivoaka isan-kerinandro Der Spiegel, ny idealin’i Calvin dia nandrisika an’i Grande-Bretagne, hany ka tonga herim-panjakana iray eo amin’ny sehatra voalohany izy. Hatramin’ny taonjato faha-19, ny hery mitombo ara-politikan’i Etazonia, Alemaina ary Grande-Bretagne dia tonga ny hery manosika ho amin’ny fanavaozana ara-tsosialy. Nomena lanjany lehibe ny fitovian-jo. Ny sasany dia nahita tao amin’ireo hotakotaka nentin’ny ranon’ny Fanavaozana, famantarana mialoha ny sosialisma amin’izao andro izao. Ny fandraisana andraikitra ara-politika ny amin’ny raharaha ara-tsosialy dia nanokatra ny lalana ho amin’ny politikan’ny Fanjakana mpiaro. Teo anivon’ny protestanta indrindra, ny fahefana sivily dia nandray an-tanana tsikelikely ny endrika ara-dalànan’ny fiterahana, ny fahafatesana, ny fanambadiana, ny fisarahana ary ny fandovana. Raha ny amin’ny fisaraham-panambadiana sy ny fanalana zaza ara-dalàna, ny toerana raisin’ny tany katolika amin’izao fotoana izao dia matetika no samy hafa tanteraka noho izay tanan’ny tany protestanta.
Ireo manda roa miaro ny fivavahana protestanta, i Etazonia sy Grande-Bretagne, dia nivelatra niaraka mba hahaforona ilay biby manan-tandroka roa nambaran’ny Baiboly (Apokalypsy 13:11). Ankoatr’izany, dia fitarihana avy amin’ny protestanta no niavian’ny hery ara-politika goavan’izao taonjato faha-20 izao, dia ny Fandaminan’ny Firenena mikambana izany, izay nitondra ny anarana hoe Fikambanam-pirenena tamin’ny voalohany.
Hisondrotra ny ranomasina
Ny ranomasina misintona dia mamela marika eny amoron-tsiraka mampahatsiahy fa tsy ho ela dia hisondrotra izy. Dia tahaka izany koa, fa ny Fanavaozana tamin’ny taonjato faha-16 dia namela marika izay mbola hita ankehitriny. Kanefa, ny zava-drehetra dia manondro fa isika izao dia eo an-katoky ny fitosahan’ny onjam-piovana farany ara-pivavahana izay hihoatra lavitra ny fikorontanana rehetra nisy teo aloha ka hifaoka mandrakizay ny fivavahan-diso ary hahakasika ny olombelona rehetra. Ho voatsimbina amin’io fisehoan-javatra io ve ianao? Maneran-tany dia lehibe ny tsy fahafaliana manoloana ny fivavahana voalamina, na eo amin’ny vahoaka izany na eo amin’ny fitondram-panjakana. Inona no antony?
Matetika dia mihoatra ny asa nanirahana azy ara-panahy ny fivavahana ka mampifangaro ny fahefana amin’ny fanompoana, ny satroboninahitra amin’ny satroky ny eveka, ny tehim-panjakana amin’ny lakroa. Taona vitsivitsy lasa izay, ny gazety mpivoaka isan’alahady Observer dia nametra-panontaniana raha vonona hanala amin’ireo pretra ny fitarihana ny raharaham-pirenena ny mpanao politika irlanday. Momba ny fitsabahan’ny fivavahana amin’ny politika, dia nanao izao fanamarihana izao ny mpitantana ny raharaham-panjakana alemana tandrefana teo aloha, Helmut Schmidt: “Tsy heveriko ho azo leferina tsy misy farany izao zavatra izao.” Ny gazety pariziana mivoaka isan’andro Le Figaro dia niampanga ny Eglizy ho “mitsabaka amin’ny politika” aoka izany hany ka “mametraka ny tenany eo amin’ny toerana hahitany ny politika hitsabaka amin’ny fivavahana”. Hatrany India mankany Egypta sy Etazonia, hatrany Pologne ka hatrany Nicaragua, avy any Malaisie mankany Chili, ny ady mampangirifiry ifanaovan’ny politika sy ny fivavahana dia mihamafy.
Tsy mahagaga mihitsy izany tarehin-javatra izany; tsy vaovao koa izany. Ny toko faha-17 amin’ny Apokalypsy dia milazalaza ny amin’ny fivavahan-diso amin’ny fitambarany amin’ny endriky ny vehivavy janga iray, “Babylona Lehibe”, izay mijangajanga amin’ny mpanao politika eto an-tany. Ny andininy faha-4 dia mampiseho azy koa ho toy ny ‘miravaka volamena sy vato soa ary périla’. Tsy mety afa-po ny empira ara-pivavahana, mifaly ao anatin’ny rendrarendra sady mpanefohefo izy. Tamin’ny taonjato faha-16, dia be mpitsiriritra ny vata fitehirizam-bola mamirapiratry ny Eglizy katolika, ary amin’izao taonjato faha-20 misy antsika izao, ny fitiavana rendrarendra mampiavaka ny fivavahana rehetra dia mitondra vokany mitovy amin’izany.
Ny fitondram-panjakana dia efa manopy maso amim-pitsiriritana amin’izany harena be dia be izany. I Albanie dia tsy nampiasa ho amin’ny fivavahana intsony na nandrava ny moskeny sy Eglizy ary trano fivavahana hafa 2 000 mahery. Tamin’ny 1984, ny Sunday Times dia nilaza fa ny fitondram-panjakana ao Malte dia “nanomboka liana tamin’ireo haren’ny Eglizy” ary nampihena ny fanampiany ireo sekolim-pinoana. Rehefa nanontaniana ny amin’ny fomba hamenoan’ny Eglizy izany fatiantoka izany izy, ny minisitra iray tao amin’ny governemanta dia namaly hoe: “Raha ilaina izany, dia ampy ho azy ny mampiempo ny lakroany volamena sy ny alitarany volafotsy.” Tany Grèce, ny Eglizy ortodoksa dia nanohitra fatratra ny lalàna iray nolanian’ny Parlemanta teo am-piandohan’ity taona ity, lalàna izay milaza fa raisin’ny Fanjakana ho fananana ny tany midadasika an’ny Eglizy (10 isan-jato eo ho eo amin’ny velaran-tanim-pirenena).
Maneran-tany dia mandiso fanantenana tokoa ny fivavahana. Tsy mampiray izy fa mampisaraka kosa. Ny gazety alemana mivoaka isan’andro iray dia nanamarika fa “ny fifandrafiana eo amin’ny katolika sy ny protestanta dia mitovy amin’ny fankahalana”. Araka ny Frankfurter Allgemeine Zeitung, na dia ny fihetsiketsehana eokomenika aza, izay natao hamenoana ny hantsana mampisaraka ireo Fiangonana, dia miorina amin’ “ny tsy fifampatokiana sy ny tsy fifankatiavana tsy azo ahena izay mampifanohitra ny katolika sy ny protestanta”. Ny gazety alemana hafa iray mivoaka isan’andro dia namerina ireto tenin’i Elie Wiesel, nahazo ny loka Nobel ho an’ny fandriampahalemana tamin’ny 1986 ireto: “Matetika aho no mieritreritra fa tsy nahomby isika. Tamin’ny 1945, raha nilazana isika fa hirongatra indray ny ady ara-pivavahana saika ao amin’ny kontinanta rehetra (...) dia tsy ho nino izany isika.” Ny fivavahana izay mamporisika ny tabataba, mahatonga na mankasitraka ny ady, dia fivavahan-diso. Noho izany ny Mpamorona dia efa nanapa-kevitra hatramin’ny ela fa hampanjavona azy ireny.
Ny toko faha-17 amin’ny Apokalypsy tokoa dia tsy mamela ny hisian’ny fisalasalana mihitsy raha ny amin’ny anjara miandry ny fivavahan-diso rehetra. Izao no vakintsika eo amin’ny andininy faha-16: “Ary ny tandroka folo [ireo hery ara-politika mpikambana ao amin’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana] sy ny bibidia [Firenena mikambana] izay efa hitanao, — dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga [ny fivavahan-diso] ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.”
Inona no toeranao?
Na dia toa mahagaga tokoa aza izany, dia eo am-bavahoana ny fivavahan-diso. Ny fanaony, ny fombafombany, ny lovantsofiny ary ny tombotsoany dia ho anisan’ny lasa rehefa afaka kelikely. Angamba koa izany toa tsy mampino anao tahaka ny filentehan’ny Eglizy katolika tao amin’ny ranon’ny Fanavaozana tamin’ireo olona tamin’ny taonjato faha-16. Tsy hay notoherina anefa ny rano voaresaka. Lasan’ny vahoaka ny haren’ny Eglizy, ny fahefany teo an-tanan’ny mpanjaka. Amin’izao androntsika izao ireo firenena dia ho tonga hatramin’ny fandaminana mihitsy ny fandravana farany ny fivavahan-diso.
Inona no hevitr’izany ho anao? Diniho ny Fiangonana misy anao. Moa ve ny toerany mifanaraka tanteraka amin’ny Baiboly? Raha tsy izany no miseho dia anisan’i “Babylona Lehibe”, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, izy. Araho àry ny baiko omena ao amin’ny Apokalypsy 18:4, manao hoe: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, (...) mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.”
Aza hadinoina izao: ny onja mahery hitarika ny fandringanana tanteraka ny fivavahan-diso dia manatona amin’ny fomba tsy azo ialana. Manangasanga eny amin’ny faravodilanitra izy. Aiza no hisy anao rehefa hianjera toy ny varatra izany? Ao amin’ny lohasahan’ny tsy firaikana ve? Eny amin’ny havoana iray ve, fandaminan’izao tontolo izao ankehitriny? Sa eny an-tendrombohitr’i Jehovah? Tsy misy afa-tsy toerana tokana no azo antoka.
[Teny notsongaina, pejy 27]
Nifaoka ny fanorenan’ny foto-pampianarana kristiana nentim-paharazana mihitsy ny ranom-panavaozana mahery. Toy ny tapa-kazo, dia natsipy teny amoron-drano ny hevi-baovao hafa, toy ny fivoarana miandalana, ny fanafahana ny vehivavy sy ny ‘fitondrantena vaovao’.
[Teny notsongaina, pejy 28]
Ny zava-drehetra dia manondro fa isika izao dia eo an-katoky ny fitosahan’ny onjam-piovana farany ara-pivavahana. Ho voatsimbina amin’io fisehoan-javatra io ve ianao?
[Teny notsongaina, pejy 29]
Tamin’ny 1945, raha nilazana isika fa hirongatra indray ny ady ara-pivavahana saika ao amin’ny kontinanta rehetra, dia tsy ho nino izany isika.
[Efajoro, pejy 29]
Afrika Atsimo: Ny fampianaran’i Calvin ny amin’ny fandaharan’Andriamanitra mialoha izay ho voavonjy, dia nanome fototra ara-teolojia ho an’ny fanavakavaham-bolon-koditra. Ny gazety alemana Frankfurter Allgemeine Zeitung dia nilaza an’ireo teolojiana ao amin’ny Nederduitse Gereformeerde Kerk (tonga anarana niantsoana ny Eglizy holanday nohavaozina any Afrika Atsimo) ho “mpamorona ny politikan’ny fanavakavaham-bolon-koditra”.
Soisa: Satria foiben’ny fihetsiketsehan’i Calvin Genève, dia nanintona mpitsoa-ponenana an’arivony izay nitondra ny fananany sy ny fahaizany ho an’io tanàna io. Ho vokatr’izany dia manao raharaha ambony ny amin’ny banky foana izy sy indostria mandroso momba ny fanamboarana famantaranandro.
India: Ny Fikambanan’ny mompera jesoita dia nitatra tao anatin’ny fihetsiketsehana nanohitra ny Fanavaozana natao hamelombelomana ny fivavahana katolika taorian’ny fahavoazana nanjo azy io noho ny Fanavaozana. Niorim-ponenana tao amin’ny faritanin’i Goa ireo anisan’io fikambanana io tamin’ny taonjato faha-16, taoriana kelin’ny nanjanahan’i Portugal an’io faritra io. Ny fitaoman’ny Eglizy dia mbola tsapa ao foana mandraka ankehitriny: Ao Goa, ny 30 isan-jaton’ny mponina dia katolika, raha 4 isan-jato monja no milaza tena ho kristiana any amin’ny faritra sisa ao India.
Angletera: Tamin’ny 1605, ny protestanta iray, Jacques I, dia niakatra teo amin’ny seza fiandrianana. Koa satria ny katolika nampahoriana mafy hatrany ihany tao amin’ilay tany, dia nisy fiokoana iray nokotrehina mba haharava ny Parlemanta sy hamonoana ny andriamanjaka. Ireo mpikomy, antokona katolika notarihin’i Guy Fawkes, dia tratra ka novonoina. Ankalazaina ny 5 novambra ny fitsingerenan’ny tsy fahombiazan’io fiokoana io. Ny fianakaviana sy ny sakaiza dia mivory foana mba hampirehitra afom-pifaliana amin’ny alina mangatsiaka ka mandoro “guy” iray, na sary tapak’ilay filohan’io fiokoana io.
[Sary, pejy 26]
Martin Luther sy Jean Calvin: ireo mpitari-dalana lehibe indrindra ho amin’ny Fanavaozana.