Babylona Lehibe — Ny fianjerany sy ny fitsarana azy
“NIANJERA! nianjera Babylona Lehibe, izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany!” “Nianjera Babylona Lehibe, ka tonga fonenan’ny demonia sy fieren’ny fanahy maloto rehetra ary akanin’ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina!” — Apokalypsy 14:8, MN; 18:2, MN.
Faminaniana manaitra re izany! ‘Nianjera Babylona Lehibe!’ Mahavariana ny mpianatra ny Baiboly io fanambarana ara-panoharana io hatramin’ny taonjato maro. Nahoana moa no tokony ho liana amin’izany ianao? Satria, araka ny faminanian’ny Baiboly, ny anjaran’i Babylona Lehibe dia hisy fiantraikany tsy ho ela eo amin’ny olombelona rehetra. Araka ny nanazavan’ny fanontana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 sy 15 jolay azy, dia azo atao ny mampitovy mazava ny empira manerana izao rehetra izaon’ny fivavahan-diso tarihin’i Satana amin’io vehivavy janga manan-kery ioa.
Nefa amin’ny heviny ahoana moa no nianjera Babylona Lehibe, ary oviana?
Babylona: nianjera nefa tsy fongotra
Mba hahazoana amin’ny fomba feno ny hevitry ny hoe fianjeran’i Babylona Lehibe, dia tokony ho takatsika izay nitranga rehefa nianjera ilay tanànan’i Babylona fahiny tamin’ny 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Tamin’izany fotoana izany, ny Isiraelita, vahoakan’Andriamanitra, dia tany amin’ny fahababoana efa ho hatramin’ny 70 taona. Nanantena ny hafahana izy izao, mifanaraka amin’ny tenin’ireo mpaminany (Jeremia 25:11, 12; 29:10). Toy inona moa ny tsy maintsy ho fifalian’izy ireo rehefa nanjera an’i Babylona i Kyrosy Persiana ary nanafaka ny Isiraelita mba handehanany amin’ny lalana lavitra miverina mankany Jerosalema, tanàna masin’izy ireo! — Isaia 45:1-4.
Kanefa, raha tapaka ny zioga babyloniana nitambesatra tamin’ny Jiosy, dia tsy nilaza faran’ilay Babylona fahiny izany akory. Ao amin’ny bokiny hoe Babylona (anglisy), ilay vehivavy mpanao tantara atao hoe Joan Oates dia manoratra hoe: “Niditra tamim-pandresena tao Babylona i Kyrosy. Norarany ny fandrobana ny tanàna ary nanendry governora persiana iray izy, ka tsy nanova na tamin’inona na tamin’inona ireo fikambanana ara-pivavahana sy ny fitondrana. (...) Raha ny marina, ny fiainana manokan’ny olom-pirenena babyloniana raha vao tazanina dia tsy nahita afa-tsy fanovana tena maivana teo ambany fanapahana persiana. Nohazonina ireo fanompoam-pivavahana samy hafa. Raha ny amin’ny varotra, dia niroborobo izany.” Araka izany, na dia tao aza ny fianjerany, Babylona dia mbola nisy ihany, nefa nisy fiovana lehibe nitranga: ny Isiraelita, vahoakan’Andriamanitra, dia tsy babo tao intsony. Niverina tany Jerosalema izy ireo mba hanorina indray tany ny fanompoam-pivavahana madio.
Rehefa niditra tao Babylona ny jeneraly grika atao hoe Aleksandra Lehibe tany amin’ny taona 331 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nandray azy tamin-kafanam-po ny mponina. Nanapa-kevitra ny hanao izany ho ny renivohiny any atsinanana izy, nefa maty izy talohan’ny nahafahany nanatanteraka ny fanirian-dazany. Araka izany, Babylona dia mbola niroborobo hatrany tamin’io fotoana io.
Tsy nilaza farany ho azy àry ny fianjeran’i Babylona tamin’ny 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Mbola nisy izy nandritra ny taonjato maro. Mifanandrify amin’inona moa izany amin’ny fahatanterahana maoderin’ireo faminaniana mahakasika an’i Babylona Lehibe?
Ny fianjeran’i Babylona Lehibe
Ireo fisehoan-javatra ireo dia mahita ny mifanitsy aminy ao amin’ny fianjeran’ilay Babylona ara-panoharana, ny empira manerana izao rehetra izaon’ny fivavahan-diso. Teo amin’ny fanombohan’ny taonjato faha-20, talohan’ny 1919, ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana tamin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy maintsy nafahana tamin’ny karazam-pahababoana ara-panahy iray. Voababon’ny hevitra sy ny fanaon’ny fivavahan-diso tokoa izy ireo. Na dia nandà ireo hevi-diso inoana, toy ny amin’ny Trinite sy ny tsy fahafatesan’ny fanahy aza izy ireo, dia mbola nandoto tena tamin’ny fanao nanam-piandohana babyloniana ihany. Maro no nifikitra tamin’ny fitomboan’ny toetra ary namboly avy amin’izany fironana ho afa-po amin’ny tenany. Nanome voninahitra ny zavatra voaforona ny sasany: Charles Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower, dia nifantohan’ny fanompoam-pivavahana amin’olona izay narahin’izy ireo. Tsy nisy antony ara-Baiboly akory, dia nankalaza ny Noely sy ny fitsingerenan’ny nahaterahana izy ireo. Mbola naka toerana lehibe tao an-tsainy ny vokovoko. Ny sasany aza nitondra teo amin’ny potrabozon’akanjony famantarana mampiseho vokovoko sy satro-piandrianana, raha mbola nitady ny fanajana ny tenany nifanaraka tamin’ireo fepetra noferan’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny hafa. Avy eo, tamin’ny 1917, fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Russell, dia nanomboka niseho ny fiovana lehibe.
Tamin’io taona io, ny Fikambanana Watch Tower dia namoaka fanazavana iray momba ny bokin’ny Apokalypsy mitondra ny lohateny hoe Le mystère accompli. Nanala sarona ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana io boky io, ka nampiharihary ankoatra ny zavatra hafa ny anjara asany tao amin’ny Ady Lehibe, izay tao anatin’ny heriny rehetra tany Eoropa tamin’izay. Ny mpikambana sasany amin’ny klerjy protestanta, iray amin’ireo antokony mampiseho an’i Babylona Lehibe any Kanada, dia nampahafantatra ireo fanambarana ireo tamin’ireo sakaizany ara-politika ao amin’ny fitondram-panjakana kanadiana ary niampanga ny Mpianatra ny Baiboly ho manao fikomiana. Tamin’izany, tamin’ny 12 febroary 1918, no nandrarana ny asan’ny Fikambanana Watch Tower tany Kanada.
Tany Etazonia, ireo mpikambana amin’ny klerjy dia dodona nanaraka ny ohatra nomen’ireo namany kanadiana: tao anatin’ireo andro nanaraka, dia nisy boky natontan’ny Fikambanana Watch Tower nalain’ny fanjakana tany Los Angeles (Californie). Avy eo, tamin’ny may 1918, dia nisy didy navoaka nisamborana an’i Joseph Rutherford, prezidà vaovaon’ny Fikambanana Watch Tower, sy tompon’andraikitra fito hafa. Tamin’ny jona, tamim-pahafainganana mahagaga, ireo kristiana ireo dia notarihina teo anatrehan’ny fitsarana ary nambara fa meloka. Nomelohina 20 taona an-tranomaizina ny fito tamin’izy ireo, ary ny iray hafa nahazo famaizana 10 taona. Nanao ahoana ny fihetsiky ny klerjy? Ao amin’ny bokiny hoe Ny fivavahana amerikana maoderina: ny fanesoana tanteraka (anglisy), Martin Marty dia manambara hoe: “Ny klerjy dia nifotitra tamin’ireo Russellistes [fantatra tatỳ aoriana tamin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah] ary nitehaka rehefa nahafantatra fa nisy mpitarika Vavolombelon’i Jehovah nomelohina ho amin’ny sazy 20 taona an-tranomaizina.” Nampihomehy tokoa an’ireo solontenan’i Babylona Lehibe izany, nefa nohadinoin’izy ireo ity fitenenana ity: hihomehy tsara izay hihomehy farany.
Araka izany, tamin’ny 1918, ny fahababoana babyloniana ara-panoharana dia niova koa ho an’ny mpanompon’i Jehovah sasany ho fanaovana an-tranomaizina ara-bakiteny. Nisy onjam-panenjehana namely ireo Mpianatra ny Baiboly tany Etazonia, tany Kanada ary tany an-tany hafa. Tao amin’ny tanàna sasany, dia nisy mpitondra fivavahana tia tanindrazana nampitranga tabatabam-bahoaka mba handroahana ireny kristiana ireny. Nisy Mpianatra ny Baiboly nohosorana tara (goudron) sy norakofana volom-borona. Nisy hafa nokapohina tamin’ny langilangy. Fihetsika maro tsy ara-drariny sy mahamenatra no natao toy izany tamin’ireo kristiana tso-po vitsy an’isa ireob.
Avy eo, tamin’ny 1919, dia nisy fiovan’ny tarehin-javatra tsy nampoizina nitranga. Nifarana tamin’ny novambra 1918 ny Ady Lehibe. Nangatahina ny famerenam-pitsarana momba ireo fanamelohana izay nitambesatra tamin’ireo mpitondra tao amin’ny Fikambanana Watch Tower, ka nambara fa izany dia fahadisoana ara-pitsarana. Nafahana Rutherford sy ireo namany, ka fahadisoam-panantenana lehibe ho an’ireo fahavalony ara-pivavahana izany. Araka ny nolazain’i Martin Marty, dia “tsy misy olona mifaly eo anivon’ireo fivavahana mahazatra”. Tamin’ny farany dia nafahana tanteraka ny voampanga rehetra. Ny mpitsara katolika atao hoe Martin Marton, izay nataon’ny papa Pie XI “Chevalier de l’Ordre de Saint Grégoire le Grand” tatỳ aoriana, dia nandà ny hanafaka eo ambany fiantohana an’ireo Vavolombelona valo, ka izany dia nahatonga azy ireo hatao an-tranomaizina tsy ara-drariny nandritra ny sivy volana. Tamin’ny 1939, ny fanagadrana an’io mpitsara niangatra io dia nampiharihary tamin’ny tena endriny ireo fotopoto-pitsipika narahin’io lehilahy io: nangataka tsolotra izy!
Rehefa nafahana izy ireo tamin’ny 1919, Rutherford sy ireo namany dia niverina tany amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower, tany Brooklyn. Natombok’izy ireo tamin’izay ny fifandaminana indray ho fitsinjovana nyfampielezana midadasika indrindra ny fitoriana ilay Fanjakana fantatr’izao tontolo izao hatramin’izay. Notapahin’ny Mpianatra ny Baiboly ireo fatoran’ny tahotra olona, ary tsapany mazava nanomboka hatreo ny toerany teo anoloan’ny fivavahan-diso rehetra. Babylona Lehibe no fahavalon’izy ireo tsy namindra fo; tokony haharihary ny fianjerany ary haverina indray eo amin’ireo firenena ny fanompoam-pivavahana marina.
Nanamafy ny fanompoany isan-trano ireny kristiana tsy natahotra ireny. Nilahatra teny amin’ny arabe koa izy ireny ka nampiharihary ny fivavahan-diso tamin’ny alalan’ny taratasy apetaka nolanjaina izay namakiana hoe: “Fandrika sy famitahana ny fivavahana” ary “Manompoa an’Andriamanitra sy Kristy Mpanjaka”. Toy ny naha-izany an’ilay tanànan’i Babylona fahiny, ny fivavahan-diso dia mbola nisy ihany sy niroborobo, nefa raha ampitahaina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, Babylona Lehibe dia nianjera tamin’ny 1919. Afaka tamin’izay rehetra nety ho fanakantsakanana babyloniana izy ireny!
Mihena ny herin’i Babylona
Ankehitriny, 70 taona atỳ aoriana, dia miharihary fa nihena ny herin’i Babylona Lehibe amin’ny faritra maro eto an-tany. Marina fa toa miroborobo ny fivavahana any Etazonia izay anohinan’ireo evanjelistra mpiteny ao amin’ny televiziona sy ny mpandinika toe-tsaina ny fihetseham-po ara-pivavahana, ka anambakan’izy ireo ny sasany amin’ny vahoaka, dia izay manana toe-tsaina amam-pientanam-po mora tohina indrindra. Kanefa, na dia ny sasany amin’ireny mpamitaka tia fatratra ny zavatra ara-nofo ireny aza dia nalana sarona tsy ela izay ary nofenoina henatra. Toa miroborobo koa ny fivavahana any amin’ny Repoblikan’i Korea, izay isalovanan’ireo Fiangonana amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana lalina amin’ny politika. Miharihary fa na dia “nianjera” aza Babylona Lehibe, dia mbola misy foana izy.
Kanefa, taorian’ireo ady naneran-tany, tao amin’ny tany toa an’i Alemaina, Danemarika, Soeda ary Grande-Bretagne, ireo fivavahana nahazatra dia namoy ny fanohanana ankapobeny izay nananany teo aloha. Na dia ao amin’ny tany katolika toa an’i Italia, Espaina ary Frantsa aza, dia mihena hatrany ny olona manatrika ny lamesa sy mikonfesy, fanao roa nahazatra teo amin’ny katolisisma. Nihena tamin’ny fomba mahatalanjona ny isan’ny seminarista, ary ny fahatsapan’ny papa ankehitriny ny ilàna hanaovana dia manerana izao tontolo izao mihoatra noho ny teo alohany rehetra dia ampy ho famantarana ny amin’ny Eglizy iray mandalo fahasahiranana.
Fanampin’izany, hatramin’ny 1917, ny ankamaroan’ny tany sosialista dia nametraka ny fivavahana ho eo amin’ny toerana faharoa ary nanafoana ny fitaomana ara-politika nampihariny teo aloha. Amin’ny ambaratonga maneran-tany, ireo fivavahana mahazatra dia mbola loharanon’ny fankahalana sy ny fandatsahan-dra, hany ka olona maro mieritreritra no miala amin’ny karazam-pivavahana rehetra, na tandrefana izany na tatsinanana. Ireo rano ara-panoharana ipetrahan’i Babylona Lehibe, ireo vahoaka izay notapahiny, dia tena ritra tokoa. Eo an-dalam-pitsarana azy Babylona Lehibe, ary akaiky ny famonoana azy. — Apokalypsy 16:12; 17:1, 15.
Tsaraina Babylona — Nahoana?
Antony inona moa no ananan’i Jehovah mba hitsarana ny empira manerana izao rehetra izaon’ny fivavahan-diso? Ny sasany angamba hiteny fa mba tokony hihevitra amin’ny maso tsara ny hôpitaly rehetra sy ny sekoly nosokafan’ny fivavahana samihafa ary koa ny asa fanasoavana alaminy, izy. Nefa inona moa izany rehetra izany raha ampitahaina amin’ireo fiampangana lehibe apetrak’i Jehovah amin’ny fivavahana? Aoka isika handinika fohy izay iampangana azy, ary aoka hoheverintsika ny fitondrantenanyc.
“Ary tonga ny anjely anankiray tamin’izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin’ny rano maro, dia ilay nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany, sady natao leon’ny divain’ny fijangajangany ny mponina tamin’ny tany.” (Apokalypsy 17:1, 2). Araka ny nasehon’ny nomerao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 sy 15 jolay 1989 mazava tsara, ny firaisana tsikombakomba nisy tao anatin’ireo taonjato teo amin’ny fivavahana sy ireo filohan’ny firenena, “ny mpanjakan’ny tany”, ary izany dia nitondra fahavoazana ho an’ny vahoaka, dia azo ampitovina amin’ny fitondrantena tia tenan’ny vehivavy janga iray. Nefa tsy mijanona eo ny asa fiampangana.
“Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon’ny ran’ny olona masina sy ny ran’ny martioran’i Jesosy”. “Ary teo anatiny no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 17:6; 18:24). Tao anatin’ireo taonjato, Babylona Lehibe dia nanjary meloka ho nandatsa-dra tamin’ny famonoana ny kristiana marina, anisan’izany ny sasany amin’ireo izay nanana herim-po nandika ny Baiboly ho amin’ny fitenin’ny vahoaka sy ny olona maro izay sahy nanana izany sy namaky azy. Babylona Lehibe dia tompon’andraikitra koa amin’ny famonoana ireo kristiana marina izay maty martiora vao haingana kokoa tao amin’ny tranomaizina sy ny toby fitanana, na teo ambany fanapahana nazia na fasista izany na teo ambany fitondrana tsy refesi-mandidy hafa. Homarihina fa ilay fiampangana dia miresaka an’“izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany”, ka izany dia tokony hahafaoka ireo olona an-jatony tapitrisa maro maty nanerana izao tontolo izao nandritra ny ady sy ny valifaty izay nampifanohitra olona milaza ho manana fivavahana tao anatin’ny Tantara. — Jereo Matio 23:34-36; 2 Timoty 3:5.
Ny lafiny iray hafa mahameloka an’i Babylona Lehibe dia resahina ao amin’ity fitsarana tononin’Andriamanitra aminy ity: “Fa ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.” (Apokalypsy 18:23). Ny teny grika nadika hoe ‘ody ratsy’ dia pharmakia; ny “heviny tany am-boalohany dia hoe fampiasana fanafody, zavatra mahadomelina, fandraikiraikena; avy eo, dia fanapoizinana; manaraka izany, dia famosavianad”. Amin’ny heviny ara-panahy, ny fivavahan-diso dia nanapoizina ireo firenena: nandiso lalana azy ireo izy tamin’ny fitarihana azy hino andriamani-diso sy fampianarana mandainga, ka nampiala tamin’izany ny fiheveran’izy ireo tsy ho amin’i Jehovah sy ny raharaha ny amin’ny fiandrianana manerana izao rehetra izao. Tamin’ny fampianarana ny hevi-diso ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ny fivavahan-diso dia namelona ny tahotra ny maty sy ny fivavahana amin’ny razana, ka nametraka tamin’izany ny fototry ny karazana fanaovana ody ratsy sy famosaviana rehetra. Ara-drariny tanteraka ny fanamelohan’Andriamanitra an’i Babylona Lehibe. Araka ny nosoratan’ny apostoly Jaona, “ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.” — Apokalypsy 18:5.
Inona no tokony hataontsika?
Rehefa jerena ny fianjeran’i Babylona Lehibe sy ny fitsarana mihatra aminy, inona moa ankehitriny no tokony hataon’ny olona tia ny fahamarinana? Ny faminanian’i Isaia mikasika an’i Babylona fahiny dia mihatra amin-kery bebe kokoa ihany amin’ny fivavahan-diso amin’ny androntsika: “Mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah.” (Isaia 52:11). Izany antso mandodona izany dia mifanitsy amin’ilay alefa ao amin’ny Apokalypsy 18:4 hoe: “Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: “Mialà aminy [Babylona Lehibe] hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.”
Eny, fotoana tokony hanapahana ny fifandraisana rehetra amin’ny fivavahan-diso izao. Nefa raha mivoaka avy amin’i Babylona Lehibe ny tena, aiza no tokony hitodihana? Any amin’ny fanompoam-pivavahana marina, dia ny amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra tokony hivavahana amin’ny fikambanana amin’ireo Vavolombelony. Olona an-tapitrisany maro amin’ny firenena rehetra eto an-tany no efa mitanjozotra mankany amin’ny “tendrombohitr’i Jehovah” ara-panoharana. Manasa anao izahay, dia ianao koa, hianatra ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy hiaraka amin’izy ireo eo amin’ny fanarahana ny fanompoam-pivavahana marina. — Isaia 2:2-4; 43:10-12.
Mitoetra izao fanontaniana manaraka izao: Raha nianjera Babylona Lehibe ary notsaraina, inona izao no tehirizin’ny fitadidianandron’Andriamanitra ho antsika? Inona no hitranga amin’ny empira manerana izao rehetra izaon’ny fivavahan-diso tarihin’i Satana? Ny nomerao manaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, ny an’ny 15 aogositra, dia handinika io raharaha io mifandray amin’ireo faminanian’ny Baiboly.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy mety hampiseho ny fandehan-javatra ara-politika sy ny varotra lehibe Babylona Lehibe, satria izy ireo aseho eo am-pitomaniana noho ny fianjerany (Apokalypsy 18:9-11). Ny hany tapany lehibe indrindra hafa amin’ny fandehan-javatr’i Satana dia ny fandehan-javatra ara-pivavahana. Ny fatorana mampiray an’i Babylona Lehibe sy ny spiritisma dia manamarina fa tena ny tapany ara-pivavahana tokoa izy io. — Apokalypsy 18:23.
b Mba hahazoana tsipiriany bebe kokoa momba izany fanenjehana izany, dia jereo ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1975, pejy faha-94 ka hatramin’ny 119.
c Ho fandinihana lalina io raharaha io, dia jereo ny boky La Révélation: le grand dénouement est proche! navoakan’ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny 1988, pejy faha-235 ka hatramin’ny 271.
d Diksionera milaza ny hevitry ny teny ao amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy), nataon’i W. Vine, boky faha-4, pejy faha-51, 52.
[Sary, pejy 7]
Na dia teo aza ny fianjerany tamin’ny 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana, Babylona dia mbola nisy ihany tamin’ny naha-tanàna nandritra ny taonjato maro.