Toko 38
Derao i Jah Noho ny Didim-pitsarany!
1. Inona no teny ren’i Jaona “tahaka ny feo mafy nataon’ny vahoaka be tany an-danitra”?
EFA tsy eo intsony i Babylona Lehibe! Tena vaovao mahafaly izany. Tsy mahagaga raha nandre fiderana tany an-danitra i Jaona! “Ary taorian’izany, dia nahare feo tahaka ny feo mafy nataon’ny vahoaka be tany an-danitra aho. Hoy ireo: ‘Miderà an’i Jah! An’Andriamanitsika ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery, satria marina sy mahitsy ny fitsarany. Fa izy nampihatra ny didim-pitsarany tamin’ilay mpivaro-tena lehibe, izay nanimba ny tany tamin’ny fijangajangany, ary namaly faty ny ran’ny mpanompony nalatsaky ny tanan-dravehivavy.’ Dia niteny fanindroany avy hatrany ireo hoe: ‘Miderà an’i Jah! Ary miakatra mandrakizay mandrakizay ny setroka avy amin’i Babylona.’ ”—Apokalypsy 19:1-3.
2. a) Midika ho inona ny nandrenesan’i Jaona ny hoe “Miderà an’i Jah!”, na Haleloia, indroa hatreto? b) Iza no omem-boninahitra noho ny nandringanana an’i Babylona Lehibe? Hazavao.
2 Tokony hoderaina tokoa i Jah. Fanafohezana ny hoe Jehovah ny “Jah.” Tsaroantsika eto tokoa ny fampirisihan’ilay mpanao salamo hoe: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia [na Miderà an’i Jah].” (Salamo 150:6) Indroa i Jaona hatreto no nandre ilay feo falifaly mihira hoe “Miderà an’i Jah!”, na hoe Haleloia. Midika izany fa mbola misy fahamarinana nahariharin’Andriamanitra taminy. Iray ihany ilay Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina sy ny Soratra Hebreo, ary Jehovah no anarany. Mitsara sy mandringana an’i Babylona Lehibe izao ilay Andriamanitra nampianjera an’i Babylona fahiny. Omeo azy ny voninahitra rehetra noho izany fandresena izany! Azy mantsy ny hery nampianjera an’i Babylona, fa tsy an’ireo firenena izay fitaovana nampiasainy fotsiny. I Jehovah irery no mpanome famonjena.—Isaia 12:2; Apokalypsy 4:11; 7:10, 12.
3. Nahoana ilay mpivaro-tena lehibe no tena mendrika ny didim-pitsarana azy?
3 Nahoana no mendrika izany didim-pitsarana izany i Babylona Lehibe? Araka ny lalàn’i Jehovah ho an’i Noa, sy ho antsika rehetra, dia tokony hovonoina ho faty izay mandatsa-dra tsy amin’antony. Naverina indray izany tao amin’ny Lalàna nomena ny Israely. (Genesisy 9:6; Nomery 35:20, 21) Teo ambany Lalàn’i Mosesy koa, dia mendrika ho faty izay manitsakitsa-bady, ara-panahy sy ara-bakiteny. (Levitikosy 20:10; Deoteronomia 13:2-6) Meloka ho nandatsa-dra i Babylona Lehibe sady nijangajanga be, nandritra ny an’arivony taona. Ohatra, raran’ny Eglizy Katolika tsy hanambady ny pretra, ka lasa naloto fitondran-tena ny ankamaroany, ary tsy vitsy no voan’ny SIDA. (1 Korintianina 6:9, 10; 1 Timoty 4:1-3) Ny fijangajangana ara-panahy anefa no fahotana lehibe indrindra nataon’i Babylona Lehibe, ary ‘miavosa hatrany amin’ny lanitra’ izany. Mijangajanga ara-panahy tokoa izy, satria mampianatra lainga, ary mitsabaka amin’ny politika. (Apokalypsy 18:5) Nosazina izy rehefa ela ny ela, ka re fanindroany tany an-danitra ilay hoe “Miderà an’i Jah.”
4. Midika ho inona ilay hoe “miakatra mandrakizay mandrakizay” ny setrok’i Babylona Lehibe?
4 Dorana toy ny tanàna resy i Babylona Lehibe, ary “miakatra mandrakizay mandrakizay” ny setroka avy aminy. Miakatra foana ny setroky ny tanàna nodoran’ny mpandresy fahiny, raha mbola mafana ny lavenona. May àry izay mitady hanangana azy indray, raha mbola midona-tsetroka izy. Hiakatra “mandrakizay mandrakizay” ny setrok’i Babylona Lehibe. Midika izany fa ho rava tanteraka io tanàna ratsy toetra io, ka tsy hisy hanangana azy intsony. Hanjavona mandrakizay ny fivavahan-diso. Miderà an’i Jah!—Ampitahao amin’ny Isaia 34:5, 9, 10.
5. a) Inona no ataon’ny anti-panahy 24 sy ny zavamananaina efatra, ary inona no lazainy? b) Nahoana no kanto lavitra noho ny Haleloia ataon’ny antoko mpihiran’ny Kristianisma Anarana ilay fiderana an’i Jah ao amin’ny Apokalypsy?
5 Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana teo aloha fa nanodidina ny seza fiandrianana ny zavamananaina efatra sy ny anti-panahy 24, izay tsy iza fa ireo handova ilay Fanjakana eo amin’ny toeran’izy ireo any an-danitra. (Apokalypsy 4:8-11) Hitan’i Jaona indray izy ireo izao mampanakoako ilay “Miderà an’i Jah!” fanintelony, rehefa ringana i Babylona Lehibe: “Ary ny anti-panahy efatra amby roapolo sy ny zavamananaina efatra dia niankohoka sy nivavaka tamin’Andriamanitra, izay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: ‘Amena! Miderà an’i Jah!’ ” (Apokalypsy 19:4) Fanampin’ilay “hira vaovao” hiderana ny Zanak’ondry ilay hoe “Miderà an’i Jah!” eto. (Apokalypsy 5:8, 9) Manao ilay hiram-pandresena kanto izy ireo izao, ka i Jehovah Tompo Fara Tampony no omeny ny voninahitra rehetra, satria nandresy tanteraka an’i Babylona Lehibe, ilay mpivaro-tena lehibe. Izany fiderana izany dia mbola kanto lavitra noho ny Haleloia ataon’ny antoko mpihiran’ny Kristianisma Anarana, izay manala baraka sy manamavo an’i Jehovah, na i Jah. Tsy ho re intsony ireny hira manala baraka ny anaran’i Jehovah ireny!
6. An’iza ilay “feo” re, ary mampirisika hanao inona ilay izy, ary iza koa no manao ilay hira?
6 Nanomboka namaly soa an’ireo ‘matahotra ny anarany, na kely na lehibe’, i Jehovah tamin’ny 1918. Ny voahosotra maty nahatoky no novalian-tsoa voalohany, ka natsangany sy nomeny toerana any an-danitra miaraka amin’ny anti-panahy 24. (Apokalypsy 11:18) Misy hafa koa miara-midera aminy, satria hoy i Jaona: “Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianana, nanao hoe: ‘Derao mandrakariva ilay Andriamanitsika, ry mpanompony rehetra izay matahotra azy, na kely na lehibe.’ ” (Apokalypsy 19:5) Io “feo” io, dia an’i Jesosy Kristy, Zanak’i Jehovah sy Mpitondra teniny, izay mijoro eo “akaikin’ny seza fiandrianana.” (Apokalypsy 5:6) Mihira koa ny “mpanompony rehetra” any an-danitra sy eto an-tany, ka ny voahosotra no mitarika ny eto an-tany. Faly be ry zareo miara-mankatò ilay hoe: “Derao mandrakariva ilay Andriamanitsika”!
7. Iza no hidera an’i Jehovah rehefa ringana i Babylona Lehibe?
7 Anisan’ireo mpanompo ireo koa ny vahoaka be. Nivoaka avy tao amin’i Babylona Lehibe izy ireo nanomboka tamin’ny 1935, ary tanteraka taminy ilay fampanantenana hoe: “Hotahiny izay matahotra an’i Jehovah, na ny kely na ny lehibe.” (Salamo 115:13) An-tapitrisany aminy no ‘hidera ilay Andriamanitsika mandrakariva’ miaraka amin’ny voahosotra sy ny anjely any an-danitra, rehefa ringana i Babylona lehibe. Hihira fiderana an’i Jah koa ireo hatsangana ho eto an-tany, rehefa fantany fa efa nanjavona mandrakizay i Babylona Lehibe. (Apokalypsy 20:12, 15) Deraina tokoa i Jehovah noho ny nandreseny an’io mpivaro-tena efa hatry ny ela io!
8. Mandrisika antsika hanao inona ny hira fiderana ren’i Jaona, dieny mbola tsy ringana i Babylona Lehibe?
8 Tena mandrisika antsika hiasa bebe kokoa ho an’Andriamanitra izany rehetra izany! Enga anie ny mpanompon’i Jah rehetra hazoto be hitory ny didim-pitsarany sy ny fanantenana momba ilay Fanjakana, dieny izao, eny, dieny mbola tsy miongana sy ringana i Babylona Lehibe.—Isaia 61:1-3; 1 Korintianina 15:58.
‘Miderà an’i Jah, fa efa manjaka izy!’
9. Nahoana ilay “Miderà an’i Jah” farany no feno sy tena miavaka?
9 Mahafaly koa izao lazain’i Jaona izao: “Ary izaho nahare feo tahaka ny feon’ny vahoaka be sy tahaka ny feon’ny rano be ary tahaka ny feon’ny kotroka mafy, nanao hoe: ‘Miderà an’i Jah, satria efa nanomboka nanjaka i Jehovah Andriamanitsika, ilay Mahery Indrindra.’ ” (Apokalypsy 19:6) Ilay “Miderà an’i Jah” eto no fahefatra farany, sy mahatonga azy rehetra ho feno toy ny efamira, na manana lafiny mitovy tsara. Feo mafy tany an-danitra izy io, ary kanto lavitra noho ny feon’antoko mpihira, mahafinaritra kokoa noho ny riandrano, ary mampahatahotra kokoa noho ny oram-baratra. “Efa nanomboka nanjaka i Jehovah Andriamanitsika, ilay Mahery Indrindra”, ka mankalaza izany ny feon’anjely maro any an-danitra.
10. Nahoana no lazaina hoe manomboka manjaka i Jehovah rehefa rava i Babylona Lehibe?
10 Nahoana no hoe manomboka manjaka i Jehovah, nefa efa nolazaina ela be taloha hoe: “Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay”? (Salamo 74:12) Satria tsy hanana rafy intsony izy rehefa ringana i Babylona Lehibe, ka tsy hisy hitarika ny olona tsy hankatò azy, na tsy hanaiky azy ho Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Tsy hisy fivavahan-diso handrisika ny mpitondra eto an-tany hanohitra azy intsony. Re tao Ziona izao fanambarana izao, rehefa resy i Babylona fahiny ka tsy firenena natanjaka intsony: “Mpanjaka Andriamanitrao!” (Isaia 52:7) Nanambara toy izao koa ny anti-panahy 24, rehefa teraka ilay Fanjakana tamin’ny 1914: “Misaotra anao izahay, Jehovah Andriamanitra ô, ... satria noraisinao ny fahefanao lehibe ka efa nanomboka nanjaka ianao.” (Apokalypsy 11:17) Re indray ilay hoe: “Efa nanomboka nanjaka i Jehovah”, rehefa rava i Babylona Lehibe. Tsy hisy andriamanitra nataon’olombelona intsony hanohitra ny zon’i Jehovah Andriamanitra hitondra!
Efa akaiky ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry!
11, 12. a) Ahoana no niantsoan’i Jerosalema fahiny an’i Babylona, ary ahoana koa no azon’i Jerosalema Vaovao iantsoana an’i Babylona Lehibe? b) Inona no hirain’ny anjely sy ambarany, rehefa resy i Babylona Lehibe?
11 “Ry fahavaloko”! Izany no niantsoan’i Jerosalema, izay nisy ny tempolin’i Jehovah, an’i Babylona mpanompo sampy. (Mika 7:8) Mety koa raha miantso an’i Babylona Lehibe hoe fahavalo ilay “tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao”, na ireo 144 000. (Apokalypsy 21:2) Niharan-doza sy ringana anefa ilay mpivaro-tena lehibe rehefa ela ny ela. Tsy nahavonjy azy ny filalaovany ody sy ny mpanandrony. (Ampitahao amin’ny Isaia 47:1, 11-13.) Fandresena lehibe ho an’ny fivavahana marina tokoa izany!
12 Ringana tanteraka i Babylona Lehibe, ilay mpivaro-tena maharikoriko, ka ilay virjiny madio ampakarin’ny Zanak’ondry indray izao no ifantohan’ny maso! Faly mihira fiderana an’i Jehovah toy izao ny anjely: “Aoka isika hifaly sy hiravoravo, ary aoka isika hanome voninahitra azy, fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry sady efa niomana ny vadiny. Eny, navela hitafy lamba rongonimbazaha mamirapiratra sy madio ary tena tsara ravehivavy. Tsy inona ilay lamba rongonimbazaha tena tsara fa ny asa marina nataon’ny olona masina.”—Apokalypsy 19:7, 8.
13. Inona no fanomanana efa nataon’ny Zanak’ondry hatramin’ny ela?
13 Efa nanomana an’io fanambadiana any an-danitra io hatramin’ny ela be i Jesosy. (Matio 28:20; 2 Korintianina 11:2) Nodioviny ny 144 000, na Israely ara-panahy, “hanolorany azy io ho an’ny tenany ihany ho fiangonana ao anatin’ny famirapiratany, sy tsy misy pentina na ketrona na zavatra toy izany, fa mba ho fiangonana masina sy tsy misy tsiny kosa.” (Efesianina 5:25-27) Mba hahazoana “ny lokan’ny fiantsoana avy any ambony, izany hoe ny fiantsoan’Andriamanitra,” dia mila manaisotra ny toetra taloha ny voahosotra tsirairay, ka mitafy toetra vaovao, ary manao ny marina “amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah.”—Filipianina 3:8, 13, 14; Kolosianina 3:9, 10, 23.
14. Inona no nataon’i Satana, mba hisarihana an’ireo ho vadin’ny Zanak’ondry?
14 Nampiasa an’i Babylona Lehibe i Satana nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, mba hisarihana an’ireo ho vadin’ny Zanak’ondry. Efa nampidirany fanaon’ny fivavahana tany Babylona teo anivon’ny fiangonana, tamin’ny faran’ny taonjato voalohany. (1 Korintianina 15:12; 2 Timoty 2:18; Apokalypsy 2:6, 14, 20) Hoy i Paoly momba ireo nanimba ny finoan’ny sasany: “Fa apostoly sandoka ireny, mpiasa mamitaka, ka miseho ho toy ny apostolin’i Kristy. Ary tsy mahagaga izany fa i Satana aza miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava.” (2 Korintianina 11:13, 14) Tatỳ aoriana, dia nanao toy ny sisa amin’i Babylona Lehibe ny Kristianisma nivadi-pinoana, ka ‘nitafy lamba volomparasy sy mena midorehitra sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla.’ (Apokalypsy 17:4) Niaraka akaiky tamin’ny mpanjaka mpandatsa-dra, toa an’i Constantin sy Charlemagne ny mpitondra fivavahana sy ireo papa. Tsy nitafy “asa marina nataon’ny olona masina” mihitsy ny Kristianisma Anarana. Misandoka ho vadin’ny Zanak’ondry izy, ary tena mpamitaka ampiasain’i Satana. Hanjavona mandrakizay izy amin’ny farany!
Niomana ny vadin’ny Zanak’ondry
15. Ahoana no fomba nanisiana tombo-kase ny voahosotra, ary inona no tsy maintsy ataon’izy ireo?
15 Efa vonona izao ny vadin’ny Zanak’ondry, dia ny voahosotra rehetra 144 000. Oviana izy no azo lazaina hoe “efa niomana”? Natao miandalana ny fanisiana “tombo-kasen’ny fanahy masina nampanantenaina” ny voahosotra, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, mba hanomanana azy ireo ho amin’ny “andro fanafahana amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.” Hoy ny apostoly Paoly: “Nanisy tombo-kase teo amintsika koa [Andriamanitra] sady nanome antsika ilay antoka ny amin’izay ho avy, dia ny fanahy, ao am-pontsika.” (Efesianina 1:13; 4:30; 2 Korintianina 1:22) “Voantso sy voafidy” ny voahosotra tsirairay, ary efa nampiseho fa “mahatoky.”—Apokalypsy 17:14.
16. a) Oviana no vita ny fanisiana tombo-kase an’i Paoly, ary ahoana no ahalalantsika izany? b) Rahoviana ny vadin’ny Zanak’ondry no ho vita omana?
16 Notsapaina nandritra ny am-polony taona i Paoly, ka afaka nilaza hoe: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho. Manomboka izao, dia tahirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana. Ny Tompo, ilay mpitsara marina, no hanome ahy izany ho valisoa amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.” (2 Timoty 4:7, 8) Efa voaisy tombo-kase izy, araka izany, na dia mbola nofo aza, ary mbola tsy maintsy ho faty maritiora. Ho voaisy tombo-kase koa ny tsirairay amin’ny 144 000 eto an-tany, rehefa mandeha ny fotoana, ka ho fananan’i Jehovah. (2 Timoty 2:19). Hitranga izany rehefa vita omana ny vadin’ny Zanak’ondry, izany hoe rehefa nahazo valisoa any an-danitra ny ankamaroan’ny 144 000, ary rehefa nankasitrahana sy voaisy tombo-kase hoe mahatoky ireo mbola eto an-tany.
17. Rahoviana no azo atao ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry?
17 Hovahan’ny anjely ny rivotra efatry ny fahoriana lehibe amin’izay fotoana izay, izany hoe rehefa voaisy tombo-kase daholo ny 144 000. (Apokalypsy 7:1-3) Voalohany aloha, dia haringana i Babylona Lehibe. Tsy ela aorian’izay, dia hataon’i Kristy ny ady Hara-magedona handringanany ny sisa amin’ny fandaminan’i Satana eto an-tany. Ary farany, dia hatsipiny ao anaty lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ny demoniany. (Apokalypsy 19:11–20:3) Tsy ela aorian’ny fandresen’i Kristy, dia handray ny valisoany any an-danitra izay voahosotra mety ho mbola eto an-tany, ka hiaraka amin’ny anisan’ny vadin’ny Zanak’ondry toa azy. Hatao amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, aorian’izay, ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry!
18. Ahoana ny filaharan’ny zavatra hiseho manodidina ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, araka ny hamafisin’ny Salamo 45?
18 Milaza ny filaharan’ny zavatra hiseho ny faminaniana ao amin’ny Salamo 45. Voalohany, handresy ny fahavalony i Kristy Mpanjaka. (Andininy 1-7) Avy eo, dia hatao ny fanambadiany: Any an-danitra ilay ampakarina, fa otronin’ny virjiny namany, na ny vahoaka be, eto an-tany. (Andininy 8-15) Lasa manan-taranaka izy ireo avy eo: Ireo hatsangana amin’ny maty izay hatao ho lasa lavorary eo ambany fiandraiketan’ny “mpanapaka eny amin’ny tany rehetra.” (Andininy 16, 17) Hitondra fitahiana tokoa ilay fanambadian’ny Zanak’ondry!
Sambatra izay asaina
19. Inona ny fahefatra amin’ny zavatra fito mahasambatra voalazan’ny Apokalypsy, ary iza avy no faly sy sambatra?
19 Ny fahefatra amin’ny zavatra fito mahasambatra izao no lazain’i Jaona: “Ary hoy ilay anjely tamiko: ‘Soraty izao: Sambatra izay nasaina ho amin’ny sakafo hariva amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.’ Ary hoy koa izy tamiko: ‘Tena tenin’Andriamanitra izany.’ ” (Apokalypsy 19:9)a Ireo anisan’ny ampakarina no nasaina ho amin’ny “sakafo hariva amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.” (Ampitahao amin’ny Matio 22:1-14.) Faly sy sambatra daholo ny voahosotra anisan’ny ampakarina, satria nasaina. Efa lasa any an-danitra ny ankamaroany, fa any no hatao ilay sakafo hariva. Faly sy sambatra koa ireo mbola eto an-tany, satria nasaina. Azo antoka ny toerany ao amin’ilay sakafo hariva. (Jaona 14:1-3; 1 Petera 1:3-9) Hiaraka amin’ny Zanak’ondry amin’izany fanambadiana sambatra izany ny ampakarina rehetra, rehefa hatsangana ho any an-danitra daholo.
20. a) Inona no dikan’ilay hoe: “Tena tenin’Andriamanitra izany”? b) Ahoana no nataon’i Jaona rehefa nandre ny tenin’ilay anjely, ary ahoana hoy ilay anjely?
20 Hoy koa ilay anjely: “Tena tenin’Andriamanitra izany.” Midika hoe “marina” na “azo atokisana” ilay teny grika a·le·thi·nosʹ nadika hoe “tena” eto. Marina sy azo atokisana ireo teny ireo, satria avy amin’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny 1 Jaona 4:1-3; Apokalypsy 21:5; 22:6.) Anisan’ny nasaina koa i Jaona, ka tsy maintsy ho faly be nandre izany sy nandinika ny fitahiana ho azon’ny ampakarina. Nihetsi-po be mihitsy izy, ka voatery nanarin’ilay anjely. Hoy i Jaona: “Tamin’izay dia niankohoka teo an-tongotr’ilay anjely aho mba hivavaka taminy. Fa hoy izy tamiko: ‘Tandremo! Aza manao izao! Fa mpanompo toa anao ihany aho, ary mpanompo toa an’ireo rahalahinao izay manao ny asa fitoriana momba an’i Jesosy. Andriamanitra no ivavaho.’ ”—Apokalypsy 19:10a.
21. a) Inona no ampahafantarin’ny Apokalypsy momba ny anjely? b) Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny anjely?
21 Porofoin’ny bokin’ny Apokalypsy fa mahatoky sy mazoto miasa ny anjely. Nampiasaina hampiharihariana ny fahamarinana izy ireo. (Apokalypsy 1:1) Niara-niasa tamin’ny olona izy ireo teo amin’ny fitoriana sy ny fandrarahana ireo loza an’ohatra. (Apokalypsy 14:6, 7; 16:1) Niady teo anilan’i Jesosy izy ireo, rehefa noroahina avy tany an-danitra i Satana sy ny anjeliny. Mbola hiady eo anilany koa izy ireo amin’ny Hara-magedona. (Apokalypsy 12:7; 19:11-14) Afaka mankeo anatrehan’i Jehovah mihitsy izy ireo. (Matio 18:10; Apokalypsy 15:6) Mpanompo manetry tena anefa ny anjely. Tsy mivavaka amin’ny anjely, na amin’ny alalan’ny anjely sy ny olo-masina, ny tena mpivavaka. (Kolosianina 2:18) I Jehovah ihany no tompoin’ny Kristianina sy ivavahany amin’ny anaran’i Jesosy.—Jaona 14:12, 13.
Ny anjara toeran’i Jesosy ao amin’ny faminaniana
22. Inona no nolazain’ilay anjely tamin’i Jaona, ary inona no dikan’ny teniny?
22 Hoy ilay anjely avy eo: “Fa ny fitoriana momba an’i Jesosy no anton’ny faminaniana.” (Apokalypsy 19:10b) Midika izany fa noho i Jesosy sy ny anjara toerany ao amin’ny fikasan’i Jehovah no nampisy ny faminaniana rehetra. Mampanantena fiavian’ny taranaka iray ny faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly. (Genesisy 3:15) I Jesosy ilay Taranaka. Io fampanantenana io no fototry ny faminaniana hafa rehetra tatỳ aoriana. Hoy ny apostoly Petera tamin’i Kornelio: “Izy [Jesosy] no nambaran’ny mpaminany rehetra.” (Asan’ny Apostoly 10:43) Hoy koa ny apostoly Paoly, 20 taona tatỳ aoriana: “Na firy na firy ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tonga Eny ireny amin’ny alalan’ny Zanany.” (2 Korintianina 1:20) Mampahatsiahy antsika toy izao i Jaona, 43 taona taorian’izay: “Tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy ... ny fahamarinana.”—Jaona 1:17.
23. Tsy i Jehovah intsony ve no tokony hivavahana, satria manana fahefana sy toerana ambony i Jesosy?
23 Tsy i Jehovah intsony àry ve no tokony hivavahana? Tsia. Tadidio ilay fampitandreman’ny anjely hoe: “Andriamanitra no ivavaho.” Tsy niezaka handrombaka ny fahefan’i Jehovah mihitsy i Jesosy. (Filipianina 2:6) Marina fa nasaina “hiankohoka eo anatrehany” ny anjely rehetra, ary mila manaiky ny toerana ambony tanany ny zavaboary rehetra, mba ‘ho amin’ny anarany no handohalehan’ny lohalika rehetra.’ Mariho anefa fa atao “ho voninahitr’Andriamanitra Ray” izany, sady izy no nandidy ny hanaovana izany. (Hebreo 1:6; Filipianina 2:9-11) Avy tamin’i Jehovah ny fahefana ambony ananan’i Jesosy, ary manome voninahitra an’i Jehovah isika raha manaiky izany. Mandà an’i Jehovah Andriamanitra izay tsy manaiky ny fitondran’i Jesosy.—Salamo 2:11, 12.
24. Inona avy ireo zavatra roa andrandraintsika, ary inona no teny hotononintsika?
24 Andao àry hiara-manonona ny teny fanokafana ny Salamo 146 sy 150 hoe: “Haleloia [na Miderà an’i Jah]!” Hanakoako anie ny fiderana an’i Jah alohan’ny handreseny ny fivavahan-diso rehetra! Hitombo anie ny fifaliana fa efa akaiky ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo koa ny Apokalypsy 1:3; 14:13; 16:15.
[Efajoro, pejy 273]
“Epistily ho An’i Sodoma sy Gomora”
Izany no lohateny tao amin’ny gazety anglisy Telegrafy Isan’andro tamin’ny 12 Novambra 1987, izay nilaza fa nisy soso-kevitra naroso teo anatrehan’ny Synoda Lehiben’ny Eglizy Anglikanina mba handroahana ny “Kristianina” lehilahy miray amin’ny lehilahy. Hoy i Godfrey Barker, mpanao gazety: “Nalahelo ny Arsevekan’i Cantorbéry rehefa nilaza omaly hoe: ‘Mety hanontany tena isika hoe karazana epistily toy inona no nosoratan’i Santa Paoly ho an’ny Eglizy Anglikanina raha nanao izany izy.’ ” Hoy ihany Atoa Barker: “Ny valiny dia hoe Epistily ho an’i Sodoma sy Gomora. Nihevitra mantsy ny Dr Runcie [ilay arseveka] fa ho toy ny ao amin’ny Romanina Toko 1 izany.”
Naverin’ilay mpanoratra ny Romana 1:26-32 (Fandikan-teny Protestanta) hoe: ‘Nanolotra azy ho amin’ny filan-dratsy mahavoafady Andriamanitra, fa ny lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.’ Hoy izy avy eo: “Ny mpiangona no nampanahy an’i Santa Paoly, fa ny an’ny Dr Runcie kosa ny eny ambony polipitra.”
Nahoana ilay arseveka no manahy? Hoy ny lohateny tao amin’ny gazety anglisy Taratasy Isan’andro tamin’ny 22 Oktobra 1987: “ ‘Ny ampahatelon’ny vikera no lehilahy miray amin’ny lehilahy ... Hikatona ny Eglizy Anglikanina’ raha roahina izy ireny.” Voalaza fa niteny toy izao ny “reverà” sekretera jeneralin’ny Antoko Kristianin’ny Vehivavy Miray Amin’ny Vehivavy sy Lehilahy Miray Amin’ny Lehilahy: “Fantatry ny Arsevekan’i Cantorbéry fa ho rava ny Eglizy, raha lany ilay soso-kevitra. Lehilahy miray amin’ny lehilahy mantsy ny 30 ka hatramin’ny 40 isan-jaton’ny mpitondra fivavahana ato amin’ny Eglizy Anglikanina. ... Ireo no tena mpanetsiketsika eto anivon’ny Eglizy.” Hita amin’ny fihenan’ny mpiangona fa maharikoriko azy ireo ny habetsahan’ny mpitondra fivavahana miray amin’ny lehilahy toa azy.
Inona no hevitra tapak’ilay synoda? Hevitra moramorainy loatra no lanin’ny mpikambana 388, izany hoe ny 95 isan-jatony. Hoy ny gazety Toe-karena tamin’ny 14 Novambra 1987: “Manameloka ny firaisan’ny samy lehilahy ny Eglizy Anglikanina, saingy tsy tena manameloka firy. Nitsinjo an’ireo mpitondra fivavahana miray amin’ny lehilahy ny synoda, izay parlemantan’ny Eglizy, rehefa nanapa-kevitra tamin’ity herinandro ity hoe tsy ota toy ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady ny firaisan’ny samy lehilahy, fa ‘tsy fahatratrarana ny tonga lafatra’ fotsiny. Izao mantsy no tonga lafatra: ‘Ny firaisana ara-nofo dia atao rehefa misy fifanekena tanteraka fahita ara-dalàna eo amin’ny mpivady.’ ” Mba hampisehoana fa mifanohitra amin’ny tenin’i Paoly ao amin’ny Romana 1:26, 27 ny hevitry ny Arsevekan’i Cantorbéry, dia izao no voasoratra eo ambanin’ilay tenin’i Paoly: “Fantatr’i Santa Paoly izay nolazainy.”
Fantatr’i Jesosy Kristy koa izay nolazainy, ary nambarany mazava fa “ho mora kokoa ny hanjo ny tanin’i Sodoma amin’ny Andro Fitsarana” noho ny hanjo ny mpitondra fivavahana manamavo ny teniny. (Matio 11:23, 24) Nampitombo fomba filaza i Jesosy eo hampisehoana fa meloka kokoa noho ny mponin’i Sodoma ny mpitondra fivavahana nanda ny Zanak’Andriamanitra sy ny fampianarany. Lazain’ny Joda 7 fa “nosazina tamin’ny afo maharitra mandrakizay”, izany hoe naringana mandrakizay, ny mponin’i Sodoma. (Matio 25:41, 46) Ho tena mafy àry ny didim-pitsarana hihatra amin’ireo mpitarika milaza tena ho Kristianina nefa mitarika an-jambany ny ondry jamba hiala amin’ny fitsipi-pitondran-tena tsara, mba hanaraka fomba fiaina baranahiny sy maloton’ity tontolo ity! (Matio 15:14) Manao izao antso maika izao ilay feo avy tany an-danitra momba ny fivavahan-diso: “Mivoaha ao aminy, ry oloko, raha tsy tianareo ny hiombona ota aminy, ary raha tsy tianareo hisy hanjo anareo ny loza hanjo azy.”—Apokalypsy 18:2, 4.
[Sary, pejy 275]
Inefatra no manakoako any an-danitra ny hoe “Miderà an’i Jah”, noho ny nandreseny tanteraka an’i Babylona Lehibe