ISA
Tsy tarehimarika ny isa hebreo fahiny fa nosoratana manontolo. Taorian’ny sesitany tany Babylona, dia litera indray no nilazan’ny Jiosy ny isa, na dia tsy ahitana an’izany aza ny Baiboly sora-tanana amin’ny teny hebreo taorian’ny sesitany. Anisan’ny soratra hebreo tranainy indrindra ilay soratra eo amin’ny tionelin-dranon’i Siloama (angamba tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka [745-717 T.K.]), ary tsy tarehimarika fa nosoratana manontolo ny refy eo. Marina sy azo antoka kokoa ny sora-tanana mirakitra ny Soratra Hebreo, izay natao dika mitovy imbetsaka, satria tsy tarehimarika fa nosoratana manontolo ny isa ao. Mora kokoa mantsy ny mandiso tarehimarika noho ny mandiso soratra.
Teny atambatra ny isa mihoatra ny 10 amin’ny teny hebreo, toy ny 12 (roa sy folo) (Ge 14:4), afa-tsy ny 20 (10 amin’ny endriny milaza maro); 30 (teny amin’ny endriny milaza maro avy amin’ny 3); 40 (teny amin’ny endriny milaza maro avy amin’ny 4), ary toy izany hatrany. Teny tokana ny 100, ary amin’ny endriny milaza roa ny 200. Teny roa kosa ny 300, 400, sy ny toy izany. Ny 20 000 (10 000 amin’ny endriny milaza roa) no isa be indrindra soratana amin’ny teny tokana. Teny atambatra kosa ny isa mihoatra an’io, toy ny hoe 44 760 (1Ta 5:18), izay efapolo sy efatra arivo sy fitonjato ary enimpolo, raha soratana ara-bakiteny. Soratana hoe arivo arivo ny 1 000 000. (2Ta 14:9) Nitso-drano an’i Rebeka toy izao ny fianakaviany: “Ry anabavinay ô, ho tonga an’alinalina inarivoarivo [a.b.t.: an’arivony an’aliny] anie ianao.” (Lasa an-tapitrisany maro tokoa ny taranak’i Rebeka.) (Ge 24:55, 60) “Iray alina ampitomboina iray alina [a.b.t.: iray alina an’aliny]” no nijoro teo anatrehan’i Jehovah, tao amin’ny fahitan’i Daniela.—Da 7:10.
Misy isa noboriborina fotsiny, ohatra hoe ny halavan’ny androm-piainan’ny olona (Sl 90:10), na ireo 7000 tsy niankohoka tamin’i Bala (1Mp 19:18) sy ireo Etiopianina 1 000 000 resin’i Asa (2Ta 14:9).
Nosoratana manontolo koa ny isa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Toy izany ny isa manondro ny “bibidia” ao amin’ny sora-tanana Sinaiticus sy Alexandrinus.—Ap 13:18.
Tsy misy ifandraisany amin’ny asan’ny maizina ny isa ao amin’ny Baiboly. Mirakitra tantara sy faminaniana ny Baiboly ka miresaka isa ara-bakiteny na an’ohatra, arakaraka ny teny manodidina. An’ohatra ny isa sasany matetika, ka ilaina fantarina ny dikany mba hahazoana ny hevitr’ilay andininy. Tsy hoatran’ny fandinihana ny hevitry ny tarehimarika (rehefa ampiarahina sy atambatra) ataon’ny mpanao asan’ny maizina anefa izany. Toa avy tany Babylona fahiny ny fandinihana toy izany sy ny sikidy isan-karazany, ary melohin’Andriamanitra.—De 18:10-12.
Ireto avy ny dikan’ny isa sasany miverina imbetsaka ao amin’ny Baiboly:
Iray. Ilazana ny hoe tokana, tsy manan-tsahala, tafaray, mitovy tanjona, na miara-miasa. Hoy i Mosesy: “I Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” (De 6:4) Izy irery ihany no manan-jo hitondra. Tsy manan-tsahala koa izy ka tsy zarainy amin’ny hafa ny voninahiny, tsy toy ny an’ireo andriamanitra telo mitambatra. (As 4:24; Ap 6:10; Is 42:8) Iray ihany i Jehovah sy Jesosy Kristy satria mitovy tanjona sy miara-miasa. (Jn 10:30) Nofo iray ihany koa ny mpivady. (Ge 2:24; Mt 19:6; Ef 5:28-32) Tokony ho tafaray amin’Andriamanitra sy ny Zanany ary amin’ny Kristianina hafa ny mpianatr’i Kristy.—Jn 17:21; Ga 3:28.
Roa. Ampiasaina amin’ny resaka fitsarana matetika. Azo itokisana kokoa ny fanambaran’ny vavolombelona roa, raha mitovy. Tsy maintsy nisy vavolombelona roa na telo ny ady tany amin’ny fitsarana. Io toro lalana io no arahin’ny fiangonana kristianina (De 17:6; 19:15; Mt 18:16; 2Ko 13:1; 1Ti 5:19; He 10:28), sy narahin’Andriamanitra rehefa nambarany tamin’ny olona fa mpamonjy ny Zanany. Hoy i Jesosy: ‘Voasoratra ao amin’ny Lalànareo hoe: “Marina ny tenin’ny vavolombelona roa.” Izaho mijoro ho vavolombelon’ny tenako ary ny Ray izay naniraka ahy mijoro ho vavolombeloko.’—Jn 8:17, 18.
Nohamafisina hoe azo antoka sy marina ny teny na fahitana rehefa averina indroa (toy ny tao amin’ny nofin’i Farao izay nahitany ombivavy sy salohim-barimbazaha; Ge 41:32), na dia tsy tena mitovy amin’ilay voalohany aza. Ahitana hevitra mifanitsy be dia be lazaina amin’ny fomba samihafa ny tononkalo hebreo ao amin’ny Baiboly. Milentika kokoa ao an-tsaina sady mazava kokoa àry ny fahamarinana ampitain’izy ireny.—Jereo Sl 2; 44 sy ny hafa.
Tsy iza ilay biby nanana “tandroka roa” resahin’ny faminanian’i Daniela fa ny Fanjakana Medianina sy Persianina niara-nitondra.—Da 8:20, 21; ampit. Ap 13:11.
Telo. Porofo ampy mba hiampangana olona iray ny tenin’ny vavolombelona roa, mainka moa fa telo. Mety hilazana fanamafisana na fanantitranterana na zavatra mafy kokoa àry ny isa telo. “Ny tady randran-telo tsy mora tapahina.” (Mpto 4:12) Te hanamafy hevitra i Jesosy matoa nanontany an’i Petera intelo, rehefa avy nanda azy intelo i Petera. (Mt 26:34, 75; Jn 21:15-17) Nohamafisina tamin’i Petera fa azo hanina ny karazam-biby rehetra, na ny voalazan’ny Lalàna hoe maloto aza, matoa naverina taminy intelo ny fahitana iray. Takany kokoa tamin’izay hoe eken’Andriamanitra hanompo azy koa ny hafa firenena noheverin’ny Jiosy fa maloto. Hitany mantsy fa nandray ny vaovao tsara i Kornelio sy ny ankohonany.—As 10:1-16, 28-35, 47, 48.
Hamafisin’ireo anjely fa masina sy madio i Jehovah, satria hoy izy ireo: “Masina, masina, masina i Jehovah.” (Is 6:3; Ap 4:8) Hoy i Jehovah, rehefa hanongana ny mpanjaka farany taranak’i Davida izy: “Horavako, horavako, horavako izany, ary izany koa aza dia tsy ho lasan’iza na iza, mandra-pahatongan’ilay manan-jo ara-dalàna hahazo izany. Dia homeko azy izany.” Antitranterina eo fa tsy hisy mpanjaka taranak’i Davida hisolo tena an’i Jehovah intsony eo amin’ny seza fiandrianana ao Jerosalema, mandra-pahatongan’ny fotoana hanomezany fahefana ny Mesia ho Mpanjaka. (Ezk 21:27) Tena ho mafy ireo loza hanjo ny mponin’ny tany, matoa naverina intelo ny fanambarana hoe “loza.”—Ap 8:13.
Efatra. Indraindray ilazana zavatra misy hatraiza hatraiza na mifandanja tanteraka sy mafy orina. Hita intelo ny hoe “efatra” ao amin’ny Apokalypsy 7:1: Misy “anjely efatra” (ny anjely rehetra mihazona ny ‘rivotra efatra’ ary efa vonona handringana) mijoro eo amin’ny “vazan-tany efatra” (mety halefany mitsivalana na misompirana ny rivotra ka tsy hisy faritra amin’ny tany tsy ho voa). (Ampit. Da 8:8; Is 11:12; Je 49:36; Za 2:6; Mt 24:31.) “Efamira” i Jerosalema Vaovao, ka mitovy ny lavany sy ny sakany ary na ny haavony koa aza. (Ap 21:16) Manana heviny an’ohatra koa ny isa efatra ao amin’ny Zakaria 1:18-21; 6:1-3 sy Apokalypsy 9:14, 15.
Enina. Indraindray ilazana tsy fahalavorariana. “Isa nataon’olombelona” ny isa 666 izay isa manondro “ny bibidia.” Olona tsy lavorary sy mpanota mantsy no namorona an’io isa io, izay toa manondro koa fa tsy lavorary ilay “bibidia” an’ohatra. Miverina intelo ny isa enina, ho fanamafisana fa tena tsy lavorary sy tsy mahay ilay mifanitsy amin’ilay bibidia.—Ap 13:18.
Fito. Matetika no isa feno ny isa fito, ao amin’ny Baiboly. Indraindray koa izy io ilazana famitana asa hatramin’ny farany, na zavatra mitsingerina araka ny lamina napetrak’Andriamanitra na avelany hisy. Novitain’i Jehovah tao anatin’ny enina andro ny asa famoronany teto an-tany, ary nitsahatra izy tamin’ny andro fahafito. Ho fanahafana an’izany, dia natao fitsaharana koa ny Sabata, na isan-kerinandro izany, na isaky ny taon-jobily izay nanaraka ny fito taona impito. (Ek 20:10; Le 25:2, 6, 8) Samy naharitra fito andro ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay sy ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. (Ek 34:18; Le 23:34) Matetika no nasaina nanao zavatra impito na nanolotra biby fito ny Levita, rehefa nanao fanatitra (Le 4:6; 16:14, 19; No 28:11) sy nanadio.—Le 14:7, 8, 16, 27, 51; 2Mp 5:10.
Ny fiangonan’Andriamanitra rehetra eto an-tany ireo “fiangonana fito” izay samy manana ny mampiavaka azy, resahin’ny Apokalypsy.—Ap 1:20–3:22.
Manana “loha fito” ilay “bibidia.” (Ap 13:1) Midika izany fa fito ihany ireo firenena matanjaka indrindra eran-tany. Lazaina hoe mpanjaka “laharana fahavalo” ny “bibidia mena midorehitra”, kanefa avy amin’ireo mpanjaka fito ihany izy fa tsy hoe bibidia hafa ankoatra ilay manana loha fito. (Ap 17:3, 9-11) Avy amin’ireo mpanjaka fito koa ny “sarin’ilay bibidia.” (Ap 13:14) Miara-belona amin’ilay “bibidia” manana loha fito ny “bibidia” manana tandroka roa, izay miezaka manisy “marika” eo amin’ny olon-drehetra, dia ny marik’ilay bibidia manana loha fito.—Ap 13:11, 16, 17.
Nahari-po tamin’ny Israely i Jehovah, kanefa nampitandrina fa hofaiziny “impito” na hofaiziny tanteraka izy ireo raha tsy mihaino azy ka manota.—Le 26:18, 21, 28.
Ilazana fahafenoana na asa vita tanteraka ny isa fito matetika, ao amin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly. Nino sy nankatò tanteraka an’i Jehovah ny Israelita matoa nihodidina an’i Jeriko nandritra ny fito andro, ary mbola nihodidina impito ny andro fahafito. Nirodana ilay tanàna avy eo. (Js 6:2-4, 15) Nino tanteraka koa i Elia fa hohenoin’Andriamanitra ny vavaka nataony, matoa ny mpanompony nasainy nitazana ny lanitra impito teo an-tendrombohitra Karmela. Nahita rahona ilay mpanompo taorian’izay. (1Mp 18:42-44) Nasain’i Elisa mpaminany nandro impito tao amin’ny Reniranon’i Jordana i Namàna boka. Tsy maintsy nanetry tena be io jeneraly syrianina io mba hanaovana izany. Nandro ihany anefa izy ka nositranin’i Jehovah. (2Mp 5:10, 12) Oharina amin’ny volafotsy voadio eo amin’ny fatana fandrendrehana, ary voadio impito, ny tenin’i Jehovah satria madio, feno, tonga lafatra, ary tena tsara. (Sl 12:6) Tena mamindra fo i Jehovah satria hoy ny Ohabolana 24:16: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.” Mendrika ny fiderana rehetra i Jehovah, araka ny nolazain’ny mpanao salamo hoe: “Impito isan’andro no iderako anao.”—Sl 119:164.
Miverimberina ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ny isa fito, ohatra hoe momba ny zavatra ampiasain’Andriamanitra sy momba ny fiangonany, na momba ny zavatra ampiasain’i Satana Devoly, ilay fahavalony izay miezaka mafy manohitra Azy sy ny vahoakany.—Ap 1:4, 12, 16; 5:1, 6; 8:2; 10:3; 12:3; 13:1; 15:1, 7; 17:3, 10; sy andininy hafa.
Isa feno koa ny isa ampitomboina fito, toy ny isa 70 (10 x 7). Miresaka “fitopolo herinandro” an’ohatra ny faminanian’i Daniela momba ny fiavian’ny Mesia. (Da 9:24-27; jereo FITOPOLO HERINANDRO.) Lao 70 taona i Jerosalema sy Joda “mandra-panonitr’ilay tany [tanteraka] ny sabatany”, satria tsy nankatò an’Andriamanitra.—2Ta 36:21; Je 25:11; 29:10; Da 9:2; Za 1:12; 7:5.
Midika hoe “tsy voafetra” ny hoe 77 (7 miverina indroa). Asain’i Jesosy mamela ny rahalahiny im-77, ohatra, ny Kristianina. (Mt 18:21, 22) “Hiharan’ny valifaty avo fito heny” izay mamono an’i Kaina mpamono olona, hoy Andriamanitra. Toa namono olona koa i Lameka rehefa niaro tena, ka hoy izy: “Raha ampiharana valifaty avo fito heny izay mamono an’i Kaina, dia ho avo fito amby fitopolo heny kosa ny an’izay mamono an’i Lameka.”—Ge 4:15, 23, 24.
Valo. Fanamafisana an’izay efa feno ny isa valo (ampiana iray ny isa fito izay isa feno), ka indraindray ilazana hamaroana. Nanome toky i Jehovah fa hafahany amin’ny fanafihan’i Asyria ny vahoakany, ka hasiany “mpiandry fito” hanohitra an’ireo Asyrianina, “eny, [tsy fito fotsiny fa] andriana valo izay avy eo amin’ny olona.” (Mi 5:5) Rehefa vita ny Fetin’ny Trano Rantsankazo, izay fety farany tamin’ny taona ara-pivavahana, dia nety tsara raha natao fivoriambe masina manetriketrika ny andro fahavalo ka niala sasatra tanteraka ny olona.—Le 23:36, 39; No 29:35.
Folo. Isa feno, ary ilazana koa ny fitambaran’izay rehetra misy amin’ny zavatra iray. Rehefa ampiarahina anefa ny isa fito sy folo, dia ilazana zavatra ambony kokoa ny isa fito, fa ilazana zavatra ambany kokoa kosa ny folo.
Niharan’ny Loza Folo i Ejipta rehefa nampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany. Nalefany ireo loza rehetra ireo mba hanalam-baraka tanteraka an’ireo sampin’i Ejipta sy hanafahana ny vahoakan’Andriamanitra. Ny “Teny Folo” no fototry ny fifaneken’ny Lalàna. Fanampiny na fanazavana ny fampiharana an’ireo Didy Folo fotsiny àry ny lalàna 600 hafa eo ho eo. (Ek 20:3-17; 34:28) Ilazana zavatra manontolo na isa feno ny isa folo ao amin’ny fanoharan’i Jesosy maromaro.—Mt 25:1; Lk 15:8; 19:13, 16, 17.
Manana tandroka folo ny biby iray ao amin’ny fahitan’i Daniela, sy ny bibidia sasany resahin’ny Apokalypsy. Ilazana ny fanjakana na ny “mpanjaka” rehetra eto an-tany ireo tandroky ny bibidia ireo. (Da 7:7, 20, 24; Ap 12:3; 13:1; 17:3, 7, 12) Avelan’Andriamanitra hotsapaina tanteraka mandritra ny fe-potoana ampy tsara ny mpanompony, satria hoy ny Apokalypsy 2:10: “Aza matahotra an’izay fijaliana efa hiaretanao. Fa tsy hitsahatra hanao ny sasany aminareo any am-ponja ny Devoly. Amin’izay dia hozahan-toetra tanteraka ianareo, ary hiharam-pahoriana folo andro.”
Roa ambin’ny folo. Nisy 12 ny zanakalahin’i Jakoba, ary izy ireo no razamben’ny foko 12 teo amin’ny Israely. Lasa vahoakan’Andriamanitra ny taranak’izy ireo, rehefa nalaminy ho firenena ka nanaovany ny fifaneken’ny Lalàna. Toa isa feno koa àry ny isa 12, ary ilazana zavatra mifandanja sy voalamin’Andriamanitra. (Ge 35:22; 49:28) Miisa 12 ny apostoly nofidin’i Jehovah ho anisan’ny fototra iorenan’i Jerosalema Vaovao, izay aorina eo ambonin’i Jesosy Kristy. (Mt 10:2-4; Ap 21:14) Misy 12 koa ny fokon’ny “zanak’Israely [ara-panahy]”, ka 12 000 avy no anisan’ny foko tsirairay.—Ap 7:4-8.
Misy heviny lehibe koa indraindray ny isa ampitomboina 12, toy ny 24 (2 x 12). Nisy fizarana 24 ny mpisorona nifandimby nanompo tao amin’ny tempolin’i Solomona, araka ny lamina napetrak’i Davida. (1Ta 24:1-18) Azo fantarina àry hoe iza ireo “anti-panahy efatra amby roapolo” manao akanjo ivelany fotsy sady misatroka satroboninahitra volamena, mipetraka manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra. (Ap 4:4) Ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra ny mpianany, izay rahalahiny ara-panahy. Tsy ny apostoly 12 monja àry ireo anti-panahy ireo, fa ny 144 000 (mifanitsy amin’ireo mpisorona nisy fizarana 24 nanompo tao amin’ny tempoly), rehefa ‘mpisorona sady mpanjaka’ any an-danitra izy rehetra.—1Pe 2:9; Ap 7:4-8; 20:6.
Efapolo. Toa amaritana ny fotoana ampiharana didim-pitsarana na sazy, indraindray. (Ge 7:4; Ezk 29:11, 12) Nomena 40 andro i Ninive mba hibebahana. (Jo 3:4) Ilazana zava-nitranga nitovy teo amin’ny fiainan’i Mosesy sy Jesosy Kristy (mifanitsy amin’i Mosesy) koa ny isa 40. Samy nifady hanina 40 andro mantsy izy ireo.—Ek 24:18; 34:28; De 9:9, 11; Mt 4:1, 2.