Toko 40
Torotoroina ny Lohan’ilay Menarana
Fahitana 14—Apokalypsy 20:1-10
Foto-kevitra: Atsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana; ny Fanjakana Arivo Taona; ny fitsapana farany; ary ny fandringanana an’i Satana
Fotoana fahatanterahany: Amin’ny faran’ny fahoriana lehibe ka hatramin’ny fandringanana an’i Satana
1. Ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana voalohany?
TADIDINAO ve ny faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly? I Jehovah Andriamanitra no nilaza azy io tamin’ilay Menarana hoe: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15) Tanteraka hatramin’ny farany izany! Narahintsika ny fizotran’ny adin’i Satana amin’ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, izay toy ny vehivavy. (Apokalypsy 12:1, 9) Ny taranak’ilay Menarana eto an-tany, izany hoe ny fivavahan-diso sy ny politika ary ny raharaham-barotra, dia nanenjika mafy ny taranak’ilay vehivavy, izany hoe i Jesosy Kristy sy ny voahosotra 144 000. (Jaona 8:37, 44; Galatianina 3:16, 29) Nataon’i Satana nijalijaly i Jesosy vao maty. Toy ny hoe voditongotra naratra fotsiny anefa izany, satria natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty ilay zanany nahatoky, tamin’ny andro fahatelo.—Asan’ny Apostoly 10:38-40.
2. Ahoana no hanorotoroana an’ilay Menarana, ary hanao ahoana ny taranany eto an-tany?
2 Ary hanao ahoana ny Menarana sy ny taranany? Nanoratra ho an’ny Kristianina tany Roma ny apostoly Paoly tamin’ny taona 56 tany ho any, ka nampahery azy ireo hoe: “Ary tsy ho ela ilay Andriamanitra izay manome fiadanana dia hanorotoro an’i Satana eo ambany tongotrareo.” (Romanina 16:20) Tsy hoe haratra ivelany fotsiny i Satana, fa ho torotoro mihitsy! Ilay teny grika hoe syn·triʹbo nampiasaina eto, dia midika hoe manapotika atao malemy, manitsakitsaka, manorotoro mba ho potika tanteraka. Mandritra ny andron’ny tompo no hiharan’izany amin’ny olombelona taranak’ilay Menarana, ary ny fahoriana lehibe no hamarana izany, rehefa torotoroina tanteraka i Babylona lehibe sy ny rafitra ara-politika, mbamin’ny mpanohana azy ara-bola sy ara-tafika. (Apokalypsy toko 18 sy 19) Toy izany no hamaranan’i Jehovah ilay fifandrafiana. Ho resin’ny Taranak’ilay vehivavy ny taranak’ilay Menarana, ka ho foana tanteraka!
Natsipy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana
3. Inona no hanjo an’i Satana?
3 Inona no miandry an’i Satana sy ny demoniany? Hoy i Jaona: “Ary hitako fa nisy anjely nidina avy tany an-danitra, ary ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka sy rojo vy lehibe no teny an-tanany. Ary nosamboriny ilay dragona, ilay menarana tany am-boalohany, dia ny Devoly sy Satana, ka nofatorany arivo taona, dia natsipiny mafy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Ary nohidian’ilay anjely sy nasiany tombo-kase ilay lavaka, mba tsy hahafahan’ilay dragona hamitaka ny firenena intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona. Aorian’izany, dia tsy maintsy hovahana vetivety izy.”—Apokalypsy 20:1-3.
4. Iza ilay anjely manana ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka, ary ahoana no ahalalantsika izany?
4 Iza ilay anjely? Matanjaka be izy matoa maharesy an’io fahavalon’i Jehovah lehibe indrindra io. Manana ny “lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka sy rojo vy lehibe” izy. Tsy mampahatsiahy antsika fahitana teo aloha ve izany? Nantsoina hoe “anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka” ilay mpanjakan’ny valala. (Apokalypsy 9:11) Hitantsika eto koa i Jesosy Kristy, ilay Mpanamarina ny zon’i Jehovah hitondra. Izy no nanipy an’i Satana avy tany an-danitra, sy nitsara an’i Babylona Lehibe, ary nandringana ny “mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny” amin’ny Hara-magedona. Tsy izy mihitsy àry no hihataka ka hamela anjely ambany kokoa, hanipy an’i Satana ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka.—Apokalypsy 12:7-9; 18:1, 2; 19:11-21.
5. Inona no ataon’ilay anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka amin’i Satana, ary nahoana?
5 Rehefa natsipy avy tany an-danitra ilay dragona lehibe, dia nantsoina hoe “ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina.” (Apokalypsy 12:3, 9) Hosamborina izy izao, ka hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka, ary antsoina indray hoe “ilay dragona, ilay menarana tany am-boalohany, dia ny Devoly sy Satana.” Io mpandrapaka gaigilahy, sady mpamitaka, mpanendrikendrika, ary mpanohitra io, dia hatsipy ao amin’ilay “lavaka mangitsokitsoka”, izay nohidiana mafy sy nasiana tombo-kase, ‘mba tsy hamitahany ny firenena intsony.’ Hohidiana ao arivo taona i Satana, ka tsy hanan-kery eo amin’ny olona intsony, fa ho toy ny ao amin’ny lavaka figadrana. Esorin’ilay anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana, mba tsy hanana fifandraisana intsony amin’ilay Fanjakan’ny fahamarinana. Fanamaivanana ho an’ny olombelona izany!
6. a) Inona no porofo fa hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka koa ny demonia? b) Inona no hanomboka aorian’izay, ary nahoana?
6 Ary atao ahoana ireo demonia? ‘Notahirizina ho amin’ny fitsarana’ koa izy ireo. (2 Petera 2:4) Antsoina hoe “Belzeboba lehiben’ny demonia” i Satana. (Lioka 11:15, 18; Matio 10:25) Efa ela ny demonia no niara-niasa tamin’i Satana, ka hitovy amin’ny an’i Satana ihany ny didim-pitsarana hampiharina aminy. Efa ela koa izy ireo no natahotra ny lavaka mangitsokitsoka. Nifanandrina tamin’izy ireo i Jesosy indray mandeha. ‘Niangavian’izy ireo izy mba tsy handidy ny handefasana azy ireo ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka.’ (Lioka 8:31) Rehefa atsipy ao anefa i Satana, dia azo antoka fa hiara-hatsipy aminy koa ny anjeliny. (Ampitahao amin’ny Isaia 24:21, 22.) Hanomboka ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy rehefa lasa ao izy ireo.
7. a) Hanao ahoana i Satana sy ny demoniany ao amin’ilay lavaka, ary ahoana no ahalalantsika izany? b) Mitovy ihany ve ny fasana sy ny lavaka mangitsokitsoka? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
7 Mbola ho afaka hanao zavatra ve i Satana sy ny demoniany ao amin’ilay lavaka? Tadidio fa “efa hiakatra avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka” ilay bibidia mena midorehitra, nanan-doha fito sy tandroka folo, izay “efa teo, fa tsy eo izao.” (Apokalypsy 17:8) ‘Tsy teo’ izy, rehefa tao amin’ilay lavaka, izany hoe tsy afa-niasa sy tsy afa-nihetsika, ary toy ny hoe maty. Hoy koa i Paoly momba an’i Jesosy: “ ‘Iza no hidina any amin’ny lavaka mangitsokitsoka?’, izany hoe mba hampiakatra an’i Kristy avy any amin’ny maty.” (Romanina 10:7) Maty i Jesosy tao amin’io lavaka io.a Toy ny maty koa àry i Satana sy ny demoniany ao, mandritra ny arivo taona. Vaovao tsara izany ho an’ireo tia ny fahamarinana!
Mpitsara mandritra ny Arivo Taona
8, 9. Inona no lazain’i Jaona momba ireo mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, ary iza izy ireo?
8 Havoaka vetivety i Satana, aorian’ny arivo taona. Fa nahoana? Tsy mamaly avy hatrany i Jaona, fa resahiny vetivety aloha ny fiandohan’ny arivo taona: “Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, dia nomena fahefana hitsara izy ireo.” (Apokalypsy 20:4a) Iza ireo mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, sy manjaka any an-danitra miaraka amin’i Jesosy ireo?
9 Ireo no ‘olo-masina’ resahin’i Daniela hoe mpanjaka miaraka amin’Ilay “toy ny zanak’olona.” (Daniela 7:13, 14, 18) Tsy iza ireo fa ny anti-panahy 24 eo amin’ny seza fiandrianana, eo anatrehan’i Jehovah. (Apokalypsy 4:4) Anisan’izy ireo ny apostoly 12, izay nilazan’i Jesosy hoe: “Amin’ny fotoan’ny fanavaozana, dia hipetraka eo ambony seza fiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona. Amin’izay fotoana izay dia hipetraka eo ambony seza fiandrianana roa ambin’ny folo koa ianareo izay efa nanaraka ahy, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.” (Matio 19:28) Anisan’ireo olona masina koa i Paoly sy ny Kristianina nahatoky tany Korinto. (1 Korintianina 4:8; 6:2, 3) Anisany koa ny mpikambana nandresy tao amin’ny fiangonan’i Laodikia.—Apokalypsy 3:21.
10. a) Inona no lazain’i Jaona momba ireo mpanjaka 144 000? b) Iza no anisan’izy ireo, araka ny efa nolazain’i Jaona?
10 Efa voaomana ny seza fiandrianana 144 000 ho an’ireo voahosotra mpandresy, izay ‘novidina avy teo amin’ny olombelona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.’ (Apokalypsy 14:1, 4) Hoy koa i Jaona: “Eny, hitako izay novonoina ho faty [tamin’ny famaky, fanamarihana ambany pejy] noho izy nitory momba an’i Jesosy sy niresaka momba an’Andriamanitra. Tsy nivavaka tamin’ilay bibidia na tamin’ny sariny izy ireo sady tsy nandray ilay marika ho eo amin’ny handriny sy ho eo amin’ny tanany.” (Apokalypsy 20:4b) Anisan’ireo mpanjaka ireo àry ny Kristianina voahosotra maty maritiora. Rehefa nosokafana ny tombo-kase fahadimy, dia nanontany izy ireo hoe rahoviana vao hovalian’i Jehovah ny nandatsahana ny ran’izy ireo. Nomena akanjo fotsy lava izy ireo, ary nasaina mbola hiandry kely ihany. Natao àry ny famaliana ny ran’izy ireo, rehefa naringan’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo i Babylona Lehibe sy ireo firenena, ary natsipiny tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana.—Apokalypsy 6:9-11; 17:16; 19:15, 16.
11. a) Inona no dikan’ny hoe ‘novonoina ho faty tamin’ny famaky’? b) Nahoana no azo lazaina hoe maty ho sorona daholo ny 144 000?
11 Tena ‘novonoina ho faty tamin’ny famaky’ tokoa ve ireo 144 000? Angamba vitsivitsy taminy ihany. Azo antoka fa miresaka momba ny voahosotra rehetra maty maritiora tamin’ny fomba isan-karazany io teny io.b (Matio 10:22, 28) Azo inoana fa tian’i Satana raha novonoina tamin’ny famaky daholo ny rahalahin’i Kristy voahosotra. Tsy maty maritiora daholo anefa izy ireo, fa maro taminy no matin’ny aretina na ny fahanterana. Anisan’ilay antokon’olona hitan’i Jaona anefa izy ireo. Azo lazaina hoe maty ho sorona àry izy rehetra. (Romanina 6:3-5) Tsy nisy anisan’izao tontolo izao koa izy ireo, ka halan’izao tontolo izao ary toy ny hoe maty eo imasony. (Jaona 15:19; 1 Korintianina 4:13) Tsy nivavaka tamin’ilay bibidia na ny sariny izy ireo sady tsy nanana ny marik’ilay bibidia, rehefa maty, fa mpandresy daholo.—1 Jaona 5:4; Apokalypsy 2:7; 3:12; 12:11.
12. Ahoana, hoy i Jaona, momba ireo mpanjaka 144 000, ary rahoviana izy ireo no ho velona indray?
12 Velona indray ireo mpandresy ireo! Hoy i Jaona: “Ary velona ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona.” (Apokalypsy 20:4d) Tsy hatsangana amin’ny maty ve izany ireo mpitsara ireo, raha tsy efa ringana ireo firenena ary lasa ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ny demoniany? Tsia. Efa velona ny ankamaroany, satria efa nitaingin-tsoavaly niaraka tamin’i Jesosy namely an’ireo firenena tamin’ny Hara-magedona. (Apokalypsy 2:26, 27; 19:14) Nanomboka ny fananganana azy ireo, hoy i Paoly, raha vao nanomboka kelikely ny fanatrehan’i Jesosy tamin’ny 1914. Ary tsy miaraka hatsangana izy ireo. (1 Korintianina 15:51-54; 1 Tesalonianina 4:15-17) Mandritra ny fotoana lavalava àry ny fananganana azy ireo, satria izy ireo tsy miara-mandray ny valisoany, dia ny fiainana mandrakizay any an-danitra.—2 Tesalonianina 1:7; 2 Petera 3:11-14.
13. a) Ara-bakiteny ve ny arivo taona hanjakan’ireo 144 000, ary nahoana? b) Ahoana no fiheveran’i Papias ny arivo taona? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
13 Hanjaka sy hitsara mandritra ny arivo taona izy ireo. Arivo taona ara-bakiteny ve io, sa fotoana lava be fotsiny? Mety hidika ho isa tsy voafetra ny “arivo”, araka ny 1 Samoela 21:12. Ara-bakiteny anefa izy eto, satria miseho intelo ao amin’ny Apokalypsy 20:5-7, ary indroa eo amin’ireo andininy ireo no voafaritra “ny arivo taona.” Nantsoin’i Paoly hoe “andro iray” io fotoam-pitsarana io. Hoy izy: “Izy [Andriamanitra] efa nanondro andro iray izay kasainy hitsarana ny tany onenana, eny, hitsarany azy araka ny marina.” (Asan’ny Apostoly 17:31) Ny iray andro amin’i Jehovah anefa dia toy ny arivo taona, hoy i Petera. Ara-dalàna àry ny ilazana fa arivo taona ara-bakiteny io Andro Fitsarana io.c—2 Petera 3:8.
Ny sisa tamin’ny maty
14. a) Ahoana koa hoy i Jaona momba ny “sisa tamin’ny maty”? b) Inona no tenin’i Paoly manampy antsika hahatakatra ny dikan’ilay hoe “velona”?
14 Iza no hotsarain’ireo mpanjaka raha “(mbola tsy velona ny sisa tamin’ny maty mandra-pahatapitry ny arivo taona)”, araka ny teny nanampin’i Jaona? (Apokalypsy 20:5a) Ny teny manodidina koa no mamaritra ny dikan’ny hoe “velona” eto, satria miovaova ny dikan’io teny io. Hoy i Paoly, ohatra, momba ny voahosotra namany: “Ianareo no novelomin’Andriamanitra na dia fony mbola maty tao amin’ny helokareo sy ny fahotanareo aza.” (Efesianina 2:1) ‘Novelomina’ ny voahosotra, na dia tamin’ny taonjato voalohany aza, izany hoe nambara fa marina, noho ny finoany ny soron’i Jesosy.—Romanina 3:23, 24.
15. a) Ahoana no fahitan’Andriamanitra an’ireo vavolombelony talohan’ny andro kristianina? b) Ahoana no ‘hahaveloman’ny’ ondry hafa, ary rahoviana izy ireo vao tena handova ny tany?
15 Nambara fa marina koa ny vavolombelon’i Jehovah talohan’ny andro kristianina, satria sakaizan’Andriamanitra, ary lazaina fa “velona” i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, na dia maty aza. (Matio 22:31, 32; Jakoba 2:21, 23) Tsy maintsy mbola hatao lasa lavorary anefa izy ireo, sy ny olon-kafa hatsangana amin’ny maty, sy ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa izay tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona, ary ny zanaka aterak’izy ireo ao amin’ny tontolo vaovao. Mandritra ny Andro Fitsarana arivo taona i Kristy sy ireo mpanjaka sady mpisorona namany no hanao izany, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Ho efa “velona” ny “sisa tamin’ny maty”, izany hoe ho lavorary, rehefa hifarana io Andro io. Mbola ho hitantsika fa handalo fitsapana farany izy ireo. Efa lavorary izy ireo amin’izay. Raha tafavoaka amin’ilay fitsapana izy ireo, dia hambaran’Andriamanitra hoe mendrika hiaina mandrakizay sady tena olo-marina. Ho tanteraka amin’ny fomba feno amin’izy ireo ilay fampanantenana hoe: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29) Hoavy tsara izany miandry ny olona mankatò izany!
Fitsanganana voalohany
16. Fitsanganana fahafiry ny an’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy, ary nahoana?
16 Hoy koa i Jaona momba an’ireo ‘velona sy niara-nanjaka tamin’i Kristy’: “Izany no fitsanganana voalohany.” (Apokalypsy 20:5b) Nahoana no hoe voalohany? Satria io no “fitsanganana voalohany” raha ny fotoana no jerena. “Voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry” mantsy ireo natsangana. (Apokalypsy 14:4) Lazaina hoe voalohany koa io fitsanganana io, satria tena zava-dehibe. Hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra mantsy ireo hatsangana amin’izay, sady hitsara ny olona. Voalohany amin’ny hatsarana koa izy io, satria ankoatra an’i Jesosy Kristy dia ireo nahazo ny fitsanganana voalohany ihany no resahin’ny Baiboly hoe tsy mety maty.—1 Korintianina 15:53; 1 Timoty 6:16.
17. a) Inona no fitahiana ho azon’ireo voahosotra? b) Inona ny “fahafatesana faharoa”, ary nahoana izy io no tsy “manam-pahefana” amin’ireo mpandresy?
17 Fitahiana goavana no ho azon’ireo voahosotra! Hoy i Jaona: “Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany. Tsy manam-pahefana amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa.” (Apokalypsy 20:6a) Nampanantena an’ireo Kristianina tany Smyrna i Jesosy, fa hahazo “fitsanganana voalohany” izy ireo, ary tsy ho azon’ny “fahafatesana faharoa”, na ny fandringanana tanteraka tsy misy fanantenana fitsanganana. (Apokalypsy 2:11; 20:14) Ny fahafatesana faharoa dia tsy “manam-pahefana” amin’ireo mpandresy ireo, satria efa nitafy ny tsy mety lo sy tsy mety maty izy ireo.—1 Korintianina 15:53.
18. Inona no nolazain’i Jaona momba ireo mpanjaka vaovao, ary inona no hataon’izy ireo?
18 Tsy mba toy izany ireo mpanjakan’ny tany, eo ambany fahefan’i Satana! Nanjaka 50 na 60 taona monja izy ireo raha be indrindra, ary ny ankamaroany aza taona vitsy monja, sady nampijaly ny olombelona. Inona no soa ho azo raha miovaova toy izany ny mpitondra sy ny fomba fitondrana? Hoy kosa i Jaona momba an’ireo mpitondra vaovao: “Tsy manam-pahefana amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy arivo taona.” (Apokalypsy 20:6b) Izy ireo sy Jesosy no ho ao anatin’ilay fanjakana tokana mandritra ny arivo taona. Ho mpisorona izy ireo, ka hampihatra ny vidin’ny soron’i Jesosy, ary hahatonga ny olona mankatò ho lavorary eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pitondran-tena ary ara-batana. Ho mpanjaka koa izy ireo, ka hahatonga ny olombelona rehetra hanahaka ny fahamarinan’i Jehovah sy ny fahamasinany. Ary ho mpitsara mandritra ny arivo taona miaraka amin’i Jesosy izy ireo, ka hitarika ny olona mankatò ho amin’ny fiainana mandrakizay.—Jaona 3:16.
Ilay fitsapana farany
19. Hanao ahoana ny tany sy ny olombelona amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona, ary inona no hataon’i Jesosy, aorian’izay?
19 Ho paradisa toa an’i Edena ny tany manontolo, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona. Tsy hila mpisoronabe hanelanelana azy amin’Andriamanitra intsony ny olona lavorary, satria efa nesorina ny soritry ny fahotana avy tamin’i Adama, ary efa nofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany. Efa notanterahin’ny Fanjakan’i Kristy ny fikasan’Andriamanitra hampiray izao tontolo izao eo ambany fitondrana iray. “Hanolotra ny fanjakana amin’Andriamanitra Rainy” i Jesosy amin’izay.—1 Korintianina 15:22-26; Romanina 15:12.
20. Inona no hitranga, rehefa tonga ny fitsapana farany?
20 Hanomboka ny fitsapana farany. Hijoro tsy hivadika ve ireo olona lavorary, sa kosa hanao toa an’ireo olona voalohany tao Edena? Hoy i Jaona amintsika: “Raha vantany vao tapitra ny arivo taona, dia hovahana avy ao amin’ny fonja nitoerany i Satana, ka hivoaka hamitaka an’ireo firenena any amin’ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ireo ho amin’ny ady. Tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isan’izy ireo. Ary niroso namakivaky ny sakan’ny tany izy ireo ka nanodidina ny tobin’ny olona masina sy ilay tanàna malala.”—Apokalypsy 20:7-9a.
21. Ahoana no hataon’i Satana amin’ilay ezaka farany, ary nahoana no tsy mahagaga raha misy olona manaraka azy, aorian’ny Fanjakana Arivo Taona?
21 Hanao ahoana ny ezaka farany hataon’i Satana? Hofitahiny “ireo firenena any amin’ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga”, ary hotarihiny ho amin’ny “ady.” Mety hisy hanaraka an’i Satana ve aorian’ny arivo taona feno fifaliana teo ambanin’ilay fitondran’Andriamanitra? Tadidio fa lavorary sy nankafy ny fiainana tao amin’ny Paradisa i Adama sy Eva, nefa voafitak’i Satana. Nisy anjely voataonany koa, na dia efa nahita ny voka-dratsin’izany fikomiana izany aza. (2 Petera 2:4; Joda 6) Tsy mahagaga àry raha hisy olona lavorary ho voafitak’i Satana, na dia aorian’ny arivo taona nahafinaritra nitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra aza.
22. a) Inona no dikan’ilay hoe “firenena any amin’ny vazan-tany efatra”? b) Nahoana ireo mpikomy no antsoina hoe “Goga sy Magoga”?
22 Antsoina hoe “firenena any amin’ny vazan-tany efatra” ireo mpikomy. Tsy hoe hozarazaraina ho firenen-tsamy hafa indray ny olombelona, fa midika hoe hiala tsy ho isan’ny olon’i Jehovah tsy mivadika sy marina ireo olona ireo, ary hampiseho toe-tsaina ratsy toy ny an’ireo firenena. “Hamoron-kevi-dratsy” toa an’i Goga avy any Magoga izy ireo, ary mikendry ny handrava ny fitondram-panjakana tarihin’Andriamanitra eto an-tany. (Ezekiela 38:3, 10-12) Antsoina hoe “Goga sy Magoga” àry izy ireo.
23. Inona no dikan’ny hoe ho “tahaka ny fasiky ny ranomasina” ny isan’ireo mpikomy?
23 Ho “tahaka ny fasiky ny ranomasina” ny isan’ireo hanaraka an’i Satana. Firy izany? Tsy voafaritra mialoha ny isany. (Ampitahao amin’ny Josoa 11:4; Mpitsara 7:12.) Ny isan’izy ireo dia hiankina amin’izay ataon’ny tsirairay rehefa fitahin’i Satana. Ho maro be anefa izy ireo, matoa mihevitra hoe ampy hery handresena “ny tobin’ny olona masina sy ilay tanàna malala.”
24. a) Inona ilay “tanàna malala”, ary ahoana no hanodidinana azy io? b) Manondro an’iza “ny tobin’ny olona masina”?
24 Azo antoka fa ilay tanàna noresahin’i Jesosy Kristy ao amin’ny Apokalypsy 3:12 io “tanàna masina” io, izany hoe ilay nantsoiny hoe “ny tanànan’Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao izay midina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitro.” Fandaminana any an-danitra anefa io, koa ho afaka ‘hanodidina’ azy ve ny olona eto an-tany? Eny, satria manodidina “ny tobin’ny olona masina” izy ireo. Any ivelan’ny tanàna ny toby. Koa any ivelan’ny lanitra izay misy an’i Jerosalema Vaovao koa àry “ny tobin’ny olona masina”, izay manondro ny olona eto an-tany manohana ny fitondran’i Jehovah. Tafihin’ireo mpikomy ampirisihin’i Satana ireny olona ireny, ary heverin’i Jesosy ho fanafihana azy izany. (Matio 25:40, 45) Hiezaka “ireo firenena” mba hanafoana ny zava-bitan’ilay Jerosalema Vaovao izay nanova ny tany ho paradisa. Koa toy ny hoe manafika an’ilay “tanàna malala” izy ireo rehefa manafika ny “tobin’ny olona masina.”
Ny farihy afo sy solifara
25. Hahomby ve ny fanafihan’ireo mpikomy “ny tobin’ny olona masina”, ary hidika ho inona ho an’i Satana izany?
25 Manao izay azony atao farany i Satana. Hahomby ve izy? Azo antoka fa tsy hahomby toy ilay fanafihana ataon’i Goga amin’ny Israely ara-panahy ankehitriny. (Ezekiela 38:18-23) Hoy i Jaona: “Nisy afo anefa nilatsaka avy tany an-danitra nandevona azy ireo. Ary ny Devoly izay namitaka azy dia natsipy mafy tao amin’ny farihy afo sy solifara, izay efa nisy an’ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka.” (Apokalypsy 20:9b-10a) Tsy atsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka fotsiny i Satana, ilay menarana tany am-boalohany, fa tena hotorotoroina sy horinganina ka ho levona tanteraka toy ny hoe main’ny afo.
26. Tsy toerana ara-bakiteny ny “farihy afo sy solifara.” Hazavao.
26 Efa hitantsika fa tsy toeram-pijaliana ara-bakiteny ny “farihy afo sy solifara.” (Apokalypsy 19:20) Raha hampijalina mandrakizay mantsy i Satana, dia toa midika izany fa mbola havelan’i Jehovah ho velona izy. Fanomezana anefa ny fiainana, fa tsy sazy. Ny fahafatesana no sazin’ny ota, ary tsy mahatsapa fijaliana ny maty, araka ny Baiboly. (Romanina 6:23; Mpitoriteny 9:5, 10) Vakintsika eo aoriana kely koa fa hatsipy any amin’io farihy afo sy solifara io ny zavatra tsy mahatsapa fijaliana, toy ny fahafatesana sy ny fasana.—Apokalypsy 20:14.
27. Manampy antsika hahatakatra ny hevitry ny hoe farihy afo sy solifara ny nanjo an’i Sodoma sy Gomora. Hazavao.
27 Tsy ara-bakiteny tokoa àry ny farihy afo sy solifara. Ny firesahana momba an’ireo koa dia mampahatsiahy ny niafaran’i Sodoma sy Gomora, izay naringana satria nanao ratsy be dia be. Tamin’izay dia nisy “solifara sy afo, avy tamin’i Jehovah tany an-danitra” nilatsaka “tamin’i Sodoma sy Gomora.” (Genesisy 19:24) Voalaza hoe “notsaraina ka nosazina tamin’ny afo maharitra mandrakizay” ireo tanàna roa ireo. (Joda 7) Tsy nijalijaly mandrakizay anefa izy ireo, fa nofoanana tanteraka niaraka tamin’ireo mponiny ratsy fitondran-tena. Tsy misy intsony ireo tanàna ireo izao, ary tsy misy mahafantatra ny tena toerana nisy azy.
28. Inona ny farihy afo sy solifara, ary inona no tsy itovizany amin’ny fahafatesana sy ny fasana ary ny lavaka mangitsokitsoka?
28 Mifanaraka amin’izany ny fanazavan’ny Baiboly ny dikan’ny hoe farihy afo sy solifara: “Tsy inona ny farihy afo fa fahafatesana faharoa.” (Apokalypsy 20:14) Mitovy amin’ny Gehena noresahin’i Jesosy izy io. Ringana mandrakizay ny ratsy fanahy ao amin’ny Gehena, fa tsy ampijalina mandrakizay. (Matio 10:28) Fandringanana tanteraka izy io, ka tsy misy fanantenana fitsanganana intsony. Voalaza fa misy lakile ny fahafatesana sy ny fasana ary ny lavaka mangitsokitsoka, fa tsy misy lakile kosa ny farihy afo sy solifara. (Apokalypsy 1:18; 20:1) Tsy havotsony intsony àry izay azony.—Ampitahao amin’ny Marka 9:43-47.
Ampijalina andro aman’alina mandrakizay
29, 30. Inona no lazain’i Jaona momba ny Devoly sy ilay bibidia ary ilay mpaminany sandoka, ary inona no hevitr’izany?
29 Hoy i Jaona momba ny Devoly sy ilay bibidia ary ilay mpaminany sandoka: “Ary hampijalina andro aman’alina mandrakizay mandrakizay ireo.” (Apokalypsy 20:10b) Inona no mety ho dikan’izany? Efa voalaza fa tsy afaka mijalijaly ara-bakiteny ny zavatra an’ohatra toa an’ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka, ary ny fahafatesana sy ny fasana. Tsy ara-dalàna koa àry ny hieritreretana hoe hijalijaly mandrakizay i Satana. Haringana kosa izy.
30 Ilay teny grika hoe ba·sa·niʹzo, no adika hoe “fijaliana” eto. Ny heviny voalohany, dia fisedrana hahitana raha tena izy ny metaly, ary ny heviny faharoa dia “famotorana arahina fampijaliana.” (Diksioneran’ny Testamenta Vaovao Grika-Anglisy Nataon’i Thayer) Ampiasaina io teny io eto hilazana fa izay manjo an’i Satana, no toy ny fisedrana hahitana fa mahitsy sy marina ny fitondran’i Jehovah. Ho voalamina indray mandeha tsy miverina ilay raharaha momba ny zo hitondra. Koa raha mbola misy fanoherana ny zon’i Jehovah, dia tsy ilaina hosedraina izany vao ho hita hoe tsy marina.—Ampitahao amin’ny Salamo 92:1, 15.
31. Manampy antsika hahafantatra ny sazin’i Satana ny teny grika roa mifandray amin’ilay nadika hoe “fijaliana.” Hazavao.
31 Ao amin’ny Baiboly koa, ilay teny mifandray aminy hoe ba·sa·ni·stesʹ, na “mpampijaly”, dia midika hoe ‘mpiambina fonja.’ (Matio 18:34) Higadra mandrakizay ao amin’ny farihy afo sy solifara àry i Satana, ka tsy hafahana intsony. Ary ilay teny hoe baʹsa·nos, izay mbola mifandray aminy ihany, dia manondro henatra mitarika ho amin’ny fahafatesana. Io baʹsa·nos io no ampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, izay fantatr’i Jaona tsara. (Ezekiela 32:24, 30) Manampy antsika izany hahita fa ny sazy mahamenatra hanjo an’i Satana, dia ny fahafatesana mandrakizay ao amin’ny farihy afo sy solifara. Ho foana miaraka aminy ny asany.—1 Jaona 3:8.
32. Inona no ho sazin’ireo demonia, ary ahoana no ahalalantsika izany?
32 Mbola tsy voaresaka eo amin’io andininy io koa ny demonia. Hafahana miaraka amin’i Satana ve izy ireo amin’ny faran’ny arivo taona, ary hosazina amin’ny fahafatesana mandrakizay miaraka aminy avy eo? Eny no valiny raha ny zava-misy no jerena. Nilaza i Jesosy ao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy, fa ny osy dia halefa any amin’ny “afo maharitra mandrakizay izay voaomana ho an’ny Devoly sy ny anjeliny.” (Matio 25:41) Azo antoka fa ny farihy afo sy solifara izay hanipazana an’i Satana no tondron’ilay “afo maharitra mandrakizay.” Niara-natsipy tamin’i Satana avy tany an-danitra ny anjeliny. Mazava àry fa niara-nalefa taminy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka koa izy ireo, tamin’ny fiandohan’ny Fanjakana Arivo Taona. Haringana miaraka aminy ao amin’ny farihy afo sy solifara koa àry izy ireo.—Matio 8:29.
33. Inona no tsipiriany farany amin’ny Genesisy 3:15 izay ho tanteraka, ary inona izao no ampitain’ny fanahin’i Jehovah amin’i Jaona?
33 Toy izany no hahatanterahan’ny tsipiriany farany amin’ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15. Ho faty toy ny bibilava notorotoroina teo amin’ny lohany tamin’ny voditongotra vy i Satana, rehefa atsipy ao amin’ny farihy afo sy solifara. Ho foana mandrakizay izy sy ny demoniany. Tsy voaresaka intsony ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy izy ireo. Zavatra mahaliana an’ireo manantena hiaina eto an-tany indray izao no nampitain’ny fanahin’i Jehovah, dia ny hoe: Hanao inona ho an’ny olona ny fanjakan’ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka” sy ireo “voantso sy voafidy ary mahatoky miaraka aminy”? (Apokalypsy 17:14) Miresaka indray momba ny fanombohan’ny Fanjakana Arivo Taona i Jaona, mba hamaliana izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy andininy milaza hoe tao am-pasana i Jesosy rehefa maty. (Asan’ny Apostoly 2:31) Tsy hoe mitovy foana anefa ny fasana sy ny lavaka mangitsokitsoka. Lazaina hoe lasa ao amin’io lavaka io i Satana sy ilay bibidia, fa ny olona ihany no lazaina hoe mankany am-pasana na any amin’ny Sheola, ka matory mandra-panangana azy.—Joba 14:13, fanamarihana ambany pejy; Apokalypsy 20:13.
b Toa fitaovana famonoana nentim-paharazana tany Roma ny famaky (grika: peʹle·kus). Sabatra kosa no fampiasa tamin’ny andron’i Jaona. (Asan’ny Apostoly 12:2) Midika hoe “novonoina” fotsiny àry ilay teny grika hoe pe·pe·le·kis·meʹnon (‘novonoina tamin’ny famaky’) eto.
c Nilaza i Eusèbe, mpahay tantara tamin’ny taonjato fahefatra, fa nino ny amin’ny Fanjakana Arivo Taona ara-bakiteny i Papias avy any Hierapolia. (Tena tsy niombon-kevitra taminy anefa i Eusèbe.) Mpianatr’i Jaona, mpanoratra ny Apokalypsy, no nahazoan’i Papias fahalalana ara-baiboly.—Ny Tantaran’ny Eglizy (anglisy), Eusèbe, III, 39.
[Sary, pejy 293]
Ny Ranomasina Maty. Teo angamba no nisy an’i Sodoma sy Gomora
[Sary, pejy 294]
“Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony”