-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana—2015 | 15 Mey
-
-
Iza kosa ilay “Goga sy Magoga” voalazan’ny Apokalypsy 20:8? Tsy iza izany fa izay rehetra mikomy amin’i Jehovah sy manafika ny vahoakany mandritra ilay fitsapana farany amin’ny faran’ny 1 000 taona. Hankahala ny vahoakan’i Jehovah koa mantsy izy ireo, tsy misy hafa amin’i Goga avy any Magoga, izany hoe ireo firenena nanafika ny vahoakan’Andriamanitra taloha kelin’ny Hara-magedona. Hitovy ny hiafaran’izy rehetra ireo, satria samy haringana mandrakizay. (Apok. 19:20, 21; 20:9) Mety tsara àry raha antsoina hoe “Goga sy Magoga” ireo rehetra mikomy, any amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona.
-