Toko faha-21
Ny Andro Fitsarana sy izay hanaraka izany
1. Ahoana mandrakariva no fiheverana ny Andro Fitsarana?
AHOANA no fakanao sary an-tsaina ny Andro Fitsarana? Misy mieritreritra seza fiandrianana lehibe iray ka mitandahatra eo anoloany ireo tafatsangana amin’ny maty. Ny olona tsirairay avy izay mandalo eo anoloan’io seza fiandrianana io dia tsaraina araka ny asany taloha voasoratra ao amin’ny bokin’ilay Mpitsara. Arakaraka izay nataony, dia alefa any an-danitra na any amin’ny afobe mirehitra izy.
2. a) Iza no nametra io Andro Fitsarana io? b) Iza no notendreny ho mpitsara?
2 Hafa dia hafa noho izany anefa no filazalazana omen’ny Baiboly ny amin’ny Andro Fitsarana. Mariho izay lazaina ny amin’Andriamanitra: “Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny.” (Asan’ny apostoly 17:31). Mazava ho azy fa Jesosy Kristy io mpitsara voatendrin’Andriamanitra io.
3. a) Nahoana no afaka matoky isika fa hitsara araka ny hitsiny Kristy? b) Hifototra amin’inona ny fitsarana ny olona?
3 Afaka matoky isika fa hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny i Jesosy. Manamarina izany ny faminaniana iray momba azy ka voasoratra ao amin’ny Isaia 11:3, 4. Araka izany, mifanohitra amin’ny hevitry ny maro, ny hitsarany ny olona dia tsy ho araka ny fahotany taloha izay natao tao anatin’ny tsy fahalalana ny ankamaroany. Manazava ny Baiboly fa eo amin’ny fahafatesany ny olona dia afaka amin’ny fahotany. Izao no lazainy: “Fa izay efa maty dia afaka amin’ny ota.” (Romana 6:7) Milaza izany fa ilay hatsangana amin’ny maty dia hotsaraina araka izay hataony mandritra ny Andro Fitsarana, fa tsy arakaraka izay nataony talohan’ny nahafatesany.
4. a) Haharitra toy inona ny Andro Fitsarana? b) Iza no hiara-hitsara amin’i Kristy?
4 Ny Andro Fitsarana àry dia tsy andro iray 24 ora. Manaporofo izany mazava ny Baiboly rehefa miresaka ny amin’ireo izay hampiarahina amin’i Kristy ao amin’ny fitsarana (I Korintiana 6:1-3). Izao no nolazain’ilay mpanoratra ao amin’ny Baiboly: “Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy.” Ireny mpitsara ireny dia ny mpianatra voahosotra mahatoky izay ‘velona ka miara-manjaka amin’i Kristy arivo taona’. Haharitra arivo taona àry ny Andro Fitsarana. Izany dia ny arivo taona koa hanjakan’i Kristy sy ireo mpianany mahatoky voahosotra 144 000 amin’ny maha-“lanitra vaovao” eo amin’ny “tany vaovao”. — Apokalypsy 20:4, 6; II Petera 3:13.
5, 6. a) Ahoana no ilazalazan’ny mpanao salamo ny “Andro Fitsarana”? b) Hanao ahoana ny toe-piainana amin’ny Andro Fitsarana?
5 Jereo ireo sary ireo. Omeny ny faminavinana ny amin’ny hoe hanao ahoana ny Andro Fitsarana ho an’ny olombelona. Milazalaza ny amin’izany toy izao ny mpanao salamo: “Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; dia hihoby amin’izay ny hazo rehetra any an-ala eo anatrehan’i Jehovah, fa avy Izy, — eny, avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy ary ny firenena amin’ny fahamarinany.” — Salamo 96:12, 13.
6 Amin’ny Andro Fitsarana, ireo ho tafita velona ao Haramagedona dia hanova ny tany ho paradisa ka handray ao ireo hatsangana amin’ny maty (Lioka 23:43, MN). Ho toy inona moa ny fifalian’ireo fianakaviana nosarahin’ny fahafatesana ka ho tafahaona indray! Hahafinaritra aoka izany ny hiaina ao anatin’ny fiadanana, hanana fahasalamana tsara sy handray fampianarana ny amin’ny fikasan’Andriamanitra! Izao no lazain’ny Baiboly: “Raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao [amin’ny tany mahavokatra, MN].” (Isaia 26:9). Amin’ny Andro Fitsarana, ny olona rehetra dia hianatra hahafantatra an’i Jehovah, hankatò azy sy hanompo azy.
7. Amin’ny Andro Fitsarana, inona no hitranga amin’ireo izay mifidy ny hanompo an’Andriamanitra sy ireo izay tsy mety manao izany?
7 Ao anatin’ny paradisa toy izany Jesosy Kristy sy ireo mpanjaka lefiny 144 000 no hitsara ny olombelona. Ireo izay ho nifidy ny hanompo an’i Jehovah dia hahazo ny fiainana mandrakizay. Nefa na dia ao anatin’izany toe-piainana faran’izay tsara izany aza, dia hisy tsy hety hanompo an’Andriamanitra, araka ny lazain’ny Soratra masina hoe: “Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; eny, na dia ao amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany.” (Isaia 26:10). Araka izany, rehefa avy nanana ny fotoana nilaina rehetra mba hanovana ny lalany sy hianarana ny rariny ny ratsy fanahy toy izany dia haringana. Ny sasany aza hovonoina alohan’ny fahataperan’ny Andro Fitsarana (Isaia 65:20). Tsy havela mbola ho velona ihany mba hanimba ny paradisa izy ireny.
8. Nanao ahoana moa ny toe-pitondrantenan’ireo lehilahy tany Sodoma?
8 Tombontsoa lehibe marina tokoa ny hoe hatsangana eto an-tany mandritra ny Andro Fitsarana lehiben’i Jehovah. Lazain’ny Baiboly anefa fa izany dia tombontsoa izay tsy ho azon’ny rehetra. Hevero, ohatra, ny mponina tao Sodoma fahiny. Milaza ny Baiboly fa ireo lehilahin’i Sodoma dia nitady hanana firaisana ara-nofo tamin’ “ireo lehilahy” izay nitsidika an’i Lota. Tafahoatra aoka izany ny fahalotoam-pitondrantenany ka na dia rehefa natao tonga jamba tamin’ny fomba mahagaga aza izy ireo, dia mbola “nanasa-tena nitady ny varavarana hidirana” tao amin’ilay trano ihany mba hananany firaisana tamin’ireo mpitsidika an’i Lota. — Genesisy 19:11, MN.
9, 10. Inona no asehon’ny Soratra masina momba ny fahatsinjovana fitsanganana ho an’ireo olona ratsy fanahy tany Sodoma?
9 Moa ve ny olona mahatsiravina sy ratsy fanahy toy izany hatsangana mandritra ny Andro Fitsarana? Mampiseho ny Soratra masina fa toa tsy hatsangana izy ireo. Ohatra, ny iray tamin’ireo mpianatr’i Jesosy nahazo tsindrimandry, i Joda, dia nanoratra momba ireo anjely izay nandao ny fonenany tany an-danitra mba hanana firaisana tamin’ireo zanakavavin’ny olona aloha. Avy eo dia hoy ny nanampiny: “Ary toy izany koa Sodoma sy Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ny iaretany fijaliana [sazy ara-pitsarana, MN] amin’ny afo maharitra mandrakizay.” (Joda 6, 7; Genesisy 6:1, 2) Eny, noho ny fahalotoam-pitondrantenany tafahoatra, ny mponina tao Sodoma sy tao amin’ny tanàna nanodidina dia niharan’ny fandringanana izay toa tsy hitsanganan’izy ireo intsony mihitsy. — 2 Petera 2:4-6, 9, 10.
10 Jesosy koa dia nampiseho fa mety tsy hatsangana ireo Sodomita. Rehefa niresaka an’i Kapernaomy, iray tamin’ireo tanàna nanaovany fahagagana izy, dia niteny hoe: “Fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao [Kapernaomy], dia ho naharitra ambaraka andro-any izy. Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ny tany Sodoma amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminao.” (Matio 11:22-24) Eto i Jesosy dia nanantitrantitra ny naha-meloka ny mponina tao Kapernaomy tamin’ny filazana fa ho moramora kokoa ny amin’ireo Sodomita fahiny izay, tamin’ireo Isiraelita nihaino azy, dia tsy mendrika velively ny fitsanganana amin’ny Andro Fitsarana.
11. Nahoana no ho moramora kokoa ho an’ny “marina” noho ny ho an’ny “tsy marina” amin’ny Andro Fitsarana?
11 Azo antoka àry fa tokony hanao izay rehetra azontsika atao isika mba hanana fiainana hahatonga antsika ho mendrika ny fitsanganana. Nefa mbola azo atao koa ny manontany hoe: Ho sarotra kokoa amin’ny sasany amin’ireo hatsangana amin’ny maty noho ny amin’ny hafa ve ny hianatra sy hampihatra ny fahamarinana? Hevero ange: Talohan’ny hahafatesan’ny olona “marina” toa an-dry Abrahama, Isaka, Joba, Debora, Rota ary Daniela, izy rehetra ireo dia samy niandry mafy ny fahatongavan’ny Mesia. Endrey ny ho fifalian’izy ireo mandritra ny Andro Fitsarana hianatra momba azy, sy hahafantatra fa efa manapaka any an-danitra izy! Koa ho mora lavitra amin’ireo olona “marina” ireo àry ny hanao ny fahamarinana amin’izay fotoana izay noho ny amin’ireo “tsy marina” izay hatsangana. — Asan’ny apostoly 24:15, MN.
NY FITSANGANANA “HO FIAINANA” SY “HO FITSARANA”
12. Araka ny Jaona 5:28-30, iza no hanana anjara amin’ny “fitsanganana ho fiainana”, ary iza no hanana anjara amin’ny “fitsanganana ho fitsarana”?
12 Izao no nolazain’i Jesosy: “Izay rehetra ao am-pasana fahatsiarovana dia handre ny feony ka hivoaka, ireo izay nanao zavatra tsara, ho amin’ny fitsanganana ho fiainana, ireo izay zatra nanao zavatra ratsy, ho amin’ny fitsanganana ho fitsarana. (...) Mitsara araka izay reko aho; ary marina ny fitsarana ataoko, satria ny tadiaviko dia tsy ny sitrapoko, fa ny sitrapon’ilay naniraka ahy.” (Jaona 5:28-30, MN). Inona moa no atao hoe “fitsanganana ho fiainana” sy “fitsanganana ho fitsarana”? Ary iza no mandray soa amin’izany?
13. Inona no dikan’ny hoe manana anjara amin’ny “fitsanganana ho fiainana”?
13 Araka ny efa hitantsika, ireo hatsangana amin’ny maty dia hotsaraina, tsy araka ny nataony taloha, fa araka izay hataony amin’ny Andro Fitsarana. Koa rehefa miresaka ny amin’ireo “izay nanao zavatra tsara” sy ireo “izay zatra nanao zavatra ratsy” izy dia manisy fitenenana ny amin’ny zavatra tsara sy ratsy atao mandritra ny Andro Fitsarana. Noho izy ireo hanao tsara, dia tafatsangana amin’ny maty maro be no handroso ho amin’ny fahatanterahana izay ho tratrany amin’ny faran’ny arivo taona. Araka izany, ny fiverenan’izy ireny ho amin’ny fiainana dia ho “fitsanganana ho fiainana”, satria ho tonga amin’ny fiainana tanteraka tsy misy ota izy ireny.
14. Inona no dikan’ny hoe manana anjara amin’ny “fitsanganana ho fitsarana”?
14 Ahoana ny amin’ireo “izay zatra nanao zavatra ratsy” mandritra ny Andro Fitsarana? Ny fiverenany ho amin’ny fiainana dia ho “fitsanganana ho fitsarana”. Milaza inona izany? Fanamelohana ho faty. Araka izany, izy ireny dia haringana mandritra na amin’ny faran’ny Andro Fitsarana. Ny antony dia ny fahazarany manao ratsy; nikiry tsy nety nianatra sy nampihatra ny rariny izy ireny.
RAHOVIANA NO MANOMBOKA NY ANDRO FITSARANA?
15. Inona no tokony hialoha ny Andro Fitsarana?
15 Hitan’ny apostoly Jaona tamin’ny fahitana izay tokony hialoha ny Andro Fitsarana. “Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany (...). Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana (...); ary ny maty dia notsaraina.” (Apokalypsy 20:11, 12). Alohan’ny hanombohan’ny Andro Fitsarana àry, dia tokony hanjavona ny fandehan-javatra ankehitriny voaforon’ny ‘lanitra sy ny tany’. Ireo mpanompon’Andriamanitra ihany no ho tafita velona; haringana ao Haramagedona ny ratsy fanahy rehetra. — I Jaona 2:17.
16. a) Afa-tsy ny “maty”, iza koa no hotsaraina mandritra ny Andro Fitsarana? b) Araka ny inona no hitsarana azy ireny?
16 Hotsaraina mandritra ny Andro Fitsarana: ireo “maty” tafatsangana, ireo “velona” ho tafita velona ao Haramagedona sy ireo zanaka haterak’izy ireny (II Timoty 4:1). Ahoana no fomba hitsarana azy ireny? Izao no lazain’i Jaona: “Ary novelarina ny boky [ireo boky, MN] (...); ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo amin’ny boky [anatin’ireo boky, MN], araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.” — Apokalypsy 20:12, 13.
17. Inona moa ny “boky” izay araka izany no hitsarana ny “velona” sy ny “maty”?
17 Inona moa ireo “boky” izay hovelarina mba hitsarana “ny maty” sy “ny velona”? Miharihary fa izany dia soratra hanampy ny Baiboly Masina. Izany dia boky ara-tsindrimandry mirakitra ireo lalàna sy toromarik’i Jehovah. Amin’ny famakiana izany, ny olona rehetra dia hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra. Rehefa avy eo ny tsirairay avy dia hotsaraina araka ireo lalàna sy toromarika ao amin’izany “boky” izany. Ireo izay hanaraka izany torolalana izany dia handray soa amin’ny sorom-panavotan’i Kristy ka handroso tsikelikely ho amin’ny fahatanterahan’olombelona.
18. a) Hanao ahoana ny tarehin-javatra amin’ny faran’ny Andro Fitsarana? b) Amin’ny fomba ahoana no hahatongavan’ny “maty” amin’ny fiainana amin’ny faran’ny arivo taona?
18 Amin’ny faran’ny Andro Fitsarana arivo taona, dia tsy hisy olona horahonan’ny fahafatesana vokatry ny fahotan’i Adama intsony. Raha ny marina, ny tsirairay avy dia tena ho tonga amin’ny fiainana tokoa, araka ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Fa ny sisa amin’ny maty [ireo tsy anisan’ny 144 000 mankany an-danitra] dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona.” (Apokalypsy 20:5). Ny fitenenana hoe “ny sisa amin’ny maty” dia tsy milaza akory fa hisy olon-kafa hatsangana amin’ny maty amin’ny faran’ny Andro Fitsarana arivo taona, fa milaza kosa hoe ho tonga eo amin’ny fiainana ny rehetra amin’ny heviny hoe ho nahatratra ny fahatanterahana nananan’i Adama sy Eva tao amin’ny saha Edena izy ireo amin’ny farany. Inona no hitranga amin’izay?
IZAY HANARAKA NY ANDRO FITSARANA
19. Inona no hataon’i Kristy amin’ny faran’ny Andro Fitsarana?
19 Rehefa nahatanteraka ny adidy nankinin’Andriamanitra taminy Jesosy Kristy dia “hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana”. Hitranga izany amin’ny faran’ny vanim-potoam-pitsarana arivo taona. Amin’izay fotoana izay dia ho efa nofoanana ny fahavalo rehetra. Ny farany amin’izy ireny, ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama, dia hofoanana. Amin’izay ilay Fanjakana dia hanjary ho fananan’i Jehovah izay ho hany Mpanjaka ao. — I Korintiana 15:24-28.
20. a) Ahoana no hameran’i Jehovah izay tokony hosoratana ao amin’ny “bokin’ny fiainana”? b) Nahoana no mety ny hampiharana fitsapana farany amin’ny olombelona?
20 Amin’ny fomba ahoana no hameran’i Jehovah hoe iza no tokony hosoratana ao amin’ny “bokin’ny fiainana”? (Apokalypsy 20:12, 15.) Amin’ny alalan’ny fitsapana hampiharina amin’ny olombelona. Tsarovy fa tsy nahomby Adama sy Eva tao anatin’ny fitsapana, fa tsy nivadika hatrany kosa Joba. Tsy mbola ho nosedraina toy izany mihitsy anefa ny finoan’ny ankamaroan’olona ho velona amin’ny faran’ny arivo taona. Talohan’ny nananganana azy ireo, dia tsy fantany ny fikasan’i Jehovah; “tsy marina” anisan’ny fandehan-javatr’i Satana izy ireny. Taorian’ny nananganana azy dia tsy ho sarotra taminy ny nanompo an’i Jehovah tao anatin’ny toe-piainana paradisa, tsy nisy fanoherana avy tamin’ny Devoly mihitsy. Nefa moa ve ireny olona an’arivony tapitrisa maro tonga amin’ny fahatanterahana ireny hanohy hanompo an’i Jehovah raha omena fahafahana hisakana azy tsy hanao izany Satana? Ho afaka hampiala azy ireny amin’Andriamanitra ve Satana?
21. a) Ahoana no hitsapan’i Jehovah ny olombelona? b) Rehefa vita ny fitsapana, inona no hitranga amin’ireo izay ho nampiharana izany?
21 Mba handaminana izany raharaha izany, dia hafahan’i Jehovah avy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa ho nanidiana azy nandritra ny arivo taona Satana sy ireo demoniany. Inona no hitranga? Ho afaka hampiala olona amin’i Jehovah Satana. Ho “tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany”, raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy ho voafetra. Aorian’izany fitsapana izany, Satana sy ireo demoniany mbamin’izay ho nanaraka azy ireo dia hatsipy any amin’ny “farihy afo” ara-panoharana, dia ny fahafatesana faharoa na fahafatesana mandrakizay (Apokalypsy 20:7-10, 15). Fa raha ny amin’ireo izay manana anarana voasoratra ao amin’ny “bokin’ny fiainana”, izy ireny dia hijanona eo amin’ny paradisa an-tany halaza. Ny mahavoasoratra ny anarany eo amin’io boky io dia milaza fa mihevitra azy ireny ho marina tanteraka amin’ny fo sy ny saina ary ny tena Jehovah, ka noho izany dia mendrika ny hiaina mandrakizay ao anatin’ny paradisa izy ho valisoa noho ny tsy fivadihany.
NY ANDRO FITSARANA ANKEHITRINY
22. Mba hahitana ny Andro Fitsarana sy hiharan’ny fitsapana farany hatao amin’ny olombelona, dia ilaina ny ho tafita velona amin’inona izao?
22 Araka izany, ny Baiboly dia manambara zavatra hiseho ao anatin’ireo arivo taona ho avy ary manome toky antsika raha ny amin’ny ho avy. Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe: Handray ireo soa tehirizin’Andriamanitra ho an’ny olona ve ianao? Izany dia hiankina amin’ny hahatafita velona anao amin’ny fitsarana iray mitranga atỳ aloha kokoa: ny “andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy” ankehitriny. — II Petera 3:7.
23. a) Miavaka ho kilasy roa izao ny olona, inona avy izany? b) Inona no hitranga amin’ny tsirairay avy amin’ireo kilasy ireo, ary nahoana?
23 Hatramin’ny nahatafaverina an’i Kristy sy nipetrahany eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra, dia mitsara ny olombelona izy. Izany “andro fitsarana” izany dia mialoha ny Andro Fitsarana arivo taona. Mandritra ny fitsarana ankehitriny, dia avahana ny olona: ny “osy” eo ankavian’i Kristy ary ny “ondry” eo ankavanany. Haringana ny “osy” satria tsy nanampy ireo ‘rahalahin’i Kristy’ voahosotra tao amin’ny fanompoany an’Andriamanitra. Amin’ny farany ireny “osy” ireny dia miharihary fa mpanota tsy mibebaka, ratsy fanahy mikiry amin’ny fanarahana ny tsy rariny. Ireo “ondry” kosa anefa dia handray ny fiainana eo ambanin’ilay Fanjakana satria nanohana tamim-pahatokiana ireo ‘rahalahin’i Kristy’. — Matio 25:31-46.
[Sary, pejy 178]
Nahoana i Jesosy no nilaza fa ho moramora kokoa ho an’ireo tany Sodoma amin’ny Andro Fitsarana?