Tadidinao Ve?
Nandinika tamim-pitandremana ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana ve ianao? Raha izany no izy, dia ho hitanao fa mahaliana ny mitadidy ireto manaraka ireto:
◻ Nahoana no tsy azon’ny saina ekena ny foto-pinoana momba ny lahatra?
Raha fantatr’Andriamanitra mialoha no sady efa voatendriny fa ho latsaka amin’ny fahotana i Adama, dia i Jehovah no ho rangory fototry ny afo nahatonga ny ota, fony izy nanao ny olombelona ary ho tompon’andraikitra amin’ny fisian’ny faharatsiana sy ny fijalian’olombelona rehetra izy. Tsy mifanaraka amin’ny hoe i Jehovah dia Andriamanitra fitiavana izay mankahala ny faharatsiana, izany. (Salamo 33:5; Ohabolana 15:9, 1 Jaona 4:8) — 15/4, pejy 7, 8.
◻ Ho fahatanterahan’ny Isaia 2:2-4, inona no ataon’ny olona avy amin’ny firenena maro?
Rehefa mitanjozotra mankany amin’ny trano fanaovana fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah izy ireo, dia mitan-tena koa mba ‘tsy hianatra ady’, satria mametraka ny fitokisany amin’ny fiarovan’ireo tafik’Andriamanitra any an-danitra izay vonona handringana ny fahavalon’ny fiadanana rehetra. — 15/4, pejy 30.
◻ Iza moa izany maherin’Andriamanitra resahina ao amin’ny Joela 4:10, 11 izany?
Ao amin’ny Baiboly dia im-280 eo ho eo no iantsoana ilay Andriamanitra marina hoe “Jehovah, Tompon’ny maro” na Jehovah Tompon’ny tafika. (2 Mpanjaka 3:14). Tsy iza akory izany tafika izany fa ireo tafik’anjely mahery any an-danitra, izay vonona hanefa izay lazain’i Jehovah. — 1/5, pejy 24.
◻ Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’ny nitakian’i Jehovah tamin’i Joba ny hivavahany ho an’ireo izay nanota taminy? (Joba 42:8).
Talohan’ny namerenan’i Jehovah an’i Joba tamin’ny toe-piainany teo aloha, dia notakiny taminy ny hivavahany ho an’ireo izay nanota taminy. Izany dia mampiseho fa takin’i Jehovah ny hamelantsika an’ireo izay nanota tamintsika, alohan’ny hahafahana hamela ny fahotantsika. (Matio 6:12; Efesiana 4:32). — 1/5 pejy 31.
◻ Inona no tian’i Jakoba holazaina rehefa nilaza izy hoe: “Aoka ny fiaretana hanana ny asany feno”? (Jakoba 1:4, NW ).
Manana ‘asa’ tokony hatao ny fiaretana. Ny anjara asan’izy io dia ny fanaovana izay hahatonga antsika ho feno amin’ny lafiny rehetra. Noho izany, raha avelantsika handalo ny fisedrana, ka tsy manandrana mampiasa fomba tsy araka ny Soratra Masina isika mba hifaranan’izy ireny haingana, dia ho voazaha toetra sy ho voadio ny finoantsika. — 15/5, pejy 16.
◻ Nahoana Andriamanitra no niandry ela be toy izao mba handaminana ny zava-manahirana ny olombelona?
Tsy mitovy amin’ny antsika ny fahitan’i Jehovah ny fotoana. Ho an’ilay Andriamanitra mandrakizay, ny fe-potoana nanomboka tamin’ny namoronana an’i Adama ka hatramin’ny ankehitriny dia tsy misy herinandro akory. (2 Petera 3:8). Kanefa, na manao ahoana na manao ahoana ny fahitantsika ny fotoana, ny andro tsirairay mandalo dia mampanakaiky antsika hatrany ny andro hanamarinan’i Jehovah ny tenany. — 1/6, pejy 5, 6.
◻ Inona no manosika ny Vavolombelon’i Jehovah?
Ny fampianaran’i Jehovah dia namokatra olona miavaka, nampianarina hifankatia sy ho tia ny mpiara-belona aminy tahaka ny tenany. (Isaia 54:13). Ny fitiavana no manosika ny Vavolombelon’i Jehovah hanohy hitory na dia eo aza ny tsy firaharahana sy ny fanoherana ankapobe. (Matio 22:36-40; 1 Korintiana 13:1-8). — 15/6, pejy 20.
◻ Inona no tiana holazaina tamin’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Miseseha hiditra amin’ny varavarana èty hianareo”? (Lioka 13:24).
Ireo tenin’i Jesosy ireo dia milaza tolona, fikelezana aina. Izy ireo koa dia mampiseho fa ny sasany dia mety hitady ‘hiditra amin’ilay varavarana’, kanefa araka izay mety aminy ihany, amin’ny filasilasiana araka ny itiavany azy. Koa afaka manontany tena toy izao ny tsirairay amintsika: ‘Miezaka mafy amim-pahazotoana sy amim-pahavitrihana ve aho?’ — 15/6, pejy 31.
◻ Amin’ny fomba ahoana no ‘hotsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany’, ireo hatsangana amin’ny maty? (Apokalypsy 20:12).
Tsy ny firaketana an-tsoratra izay nataon’izy ireo tamin’ny lasa akory ireo boky ireo; tamin’ny fotoana nahafatesany, dia afaka madiodio tamin’ny ota nataony nandritra ny androm-piainany izy ireo. (Romana 6:7, 23). Mbola ho eo ambanin’ny fahotana avy tamin’i Adama anefa ny taranak’olombelona hatsangana amin’ny maty. Noho izany, ireo boky ireo dia tsy maintsy boky hanazava ny toromarik’Andriamanitra izay tsy maintsy harahin’ny rehetra mba handraisan-tsoa feno avy amin’ny soron’i Jesosy Kristy. — 1/7, pejy 22.
◻ Lesona inona no noraketina ho antsika ao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay Samaritana tsara fanahy? (Lioka 10:30-37).
Asehon’ilay fanoharan’i Jesosy fa ny olona iray tena mahitsy dia tsy vitan’ny hoe mankato ny lalàn’Andriamanitra fotsiny, fa manahaka ny toetrany koa. (Efesiana 5:1). Asehon’izy io koa fa tokony handresy ny sakana rehetra ara-pirenena sy ara-kolontsaina ary ara-pivavahana ny fitiava-namana. (Galatiana 6:10). — 1/7, pejy 31.
◻ Inona avy ireo lafin-javatra telo izay mety hahafantaranao ny zanakao sy hanomezanao azy tari-dalan-dray aman-dreny?
1) Ampio ny zanakao hifidy izay karazan’asa mifanentana aminy; 2) omano izy hiatrika ny fihenjanana ara-pihetseham-po any an-tsekoly na any am-piasana; 3) asehoy azy ny fomba hahazoana fahafaham-po amin’izay ilainy ara-panahy. — 15/7, pejy 4.
◻ Noho ny zava-kendrena inona no nahatonga an’Andriamanitra hitsahatra tamin’ny “andro fahafito”? (Genesisy 2:1-3).
Tsy noho ny harerahana akory no nahatonga an’Andriamanitra hitsahatra. Niato tsy nanao asa momba ny tany kosa izy, mba hamelana ny asa tanany hiroso tsikelikely ho amin’ny voninahitra feno, ho fiderana sy fankalazana azy. — 15/7, pejy 18.
◻ Inona avy ireo fomba telo azo anehoana ny rariny?
Voalohany, dia tsy maintsy manaraka ny fari-pitsipika ara-pitondran-tenan’Andriamanitra isika. (Isaia 1:17). Faharoa, dia manao ny rariny isika rehefa mitondra ny hafa amin’ny fomba tiantsika hitondran’i Jehovah antsika. (Salamo 130:3, 4). Fahatelo, dia maneho rariny araka an’Andriamanitra isika rehefa manao amin-jotom-po ny asa fitoriana. (Ohabolana 3:27). — 1/8, pejy, 15, 16.