Ny Andro fitsarana — Fotoam-panantenana!
RAHA mahatahotra anao ny hevitra ny amin’ny andro fitsarana, nahoana no tsy mandinika izay lazain’ny Baiboly momba azy io? Ohatra, marina ve fa rehefa mampihatra ny fitsarany amin’ny mpanota Andriamanitra, dia atsipy any amin’ny afobe izy ireny?
Ny ohatra voatantara voalohany momba ny fitsaran’Andriamanitra dia voafaritra ho teo am-piandohan’ny tantaran’olombelona. Nanana fahafahana ny hiaina mandrakizay tao amin’ny paradisa an-tany iray i Adama sy i Eva. (Genesisy 1:26-28; 2:7-9, 15-25). Nanota anefa izy ireo ary niharan’ny fitsarana fanamelohan’Andriamanitra. Ny vokany? Nesorin’Andriamanitra taminy ny fanomezam-piainana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia maty izy ireo. Hoy Andriamanitra tamin’izy ireo: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” — Genesisy 3:16-19.
Didim-pitsarana hentitra izany, nefa ara-drariny. Ary azo antoka fa tsy nahakasika afobe izany. Nony injay maty i Adama sy i Eva, dia niverina ho amin’ny vovoka. Nitsahatra ny fisiany. Tsy misy na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly mahatonga hihevitra fa nisy tapany tamin’i Adama na tamin’olombelona hafa na iza na iza, velona hatrany taorian’ny fahafatesany mba hampijaliana mandrakizay doria any ho any. Izao kosa no vakintsika: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” — Mpitoriteny 9:5.
Fantatrao ve fa izany no lazain’ny Baiboly? Fantatrao koa ve fa tsy mampiasa na oviana na oviana ny fitenenana hoe “fanahy tsy mety maty” ny Baiboly? Mifanohitra amin’izany, fa izao no lazainy: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4). Mifanaraka tanteraka amin’ity fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ity izany: “Fahafatesana no tambin’ny ota.” (Romana 6:23). Mihatra amintsika rehetra io didim-pitsarana io. Taranak’i Adama mpanota avokoa isika rehetra, noho izany dia manota daholo ary mandray ny tambin’ny ota, dia ny fahafatesana izany, araka ny lazain’ny Baiboly hoe: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romana 5:12). Anisan’ny tapany iray lehibe amin’ny fandaharan’Andriamanitra natao hamonjena antsika avy amin’izany tarehin-javatra izany ny Andro fitsarana.
Ny fototra iorenan’ny Andro fitsarana
Araka ny voalazan’ny Baiboly, dia efa ho 2 000 taona lasa izao no nanorenan’Andriamanitra ny fototra ho an’izay hitranga amin’ny andro fitsarana. Izany dia fony i Jesosy tonga tetỳ an-tany ka nanome ny ain’olombelona lavorary nananany ho tombontsoantsika. I Jesosy mihitsy no nanazava toy izao: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” — Jaona 3:16.
Raha maneho finoana an’i Jesosy isika, dia mandray soa avy amin’io sorona io dieny izao, amin’ny heviny ara-panahy. Mamela ny helotsika Andriamanitra ary mamela antsika hanatona azy. (Jaona 14:6; 1 Jaona 2:1, 2). Nefa mbola tsy tanteraka sy mpanota isika, ary amin’ny maha-izany antsika dia mbola marary ara-batana isika ary maty amin’ny farany. Mbola tsy manana ny fiainana mandrakizay nampanantenain’i Jesosy isika. Ho avy izany, ho toy ny fiafaran’ny Andro fitsarana.
Ny Andro fitsarana
Nahazo fahitana ny amin’ny Andro fitsarana ny apostoly Jaona, ary nilazalaza izany toy izao manaraka izao: “Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana; ary novelarina ny [ireo, Dikan-tenin’ny mpanjaka Jacques] boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny [ireo, MJ] boky, araka ny asany.” — Apokalypsy 20:11, 12.
Eny, araka ny fahitana azon’i Jaona, dia hotarihin’Andriamanitra mihitsy ny Andro fitsarana. Nefa misy olona hafa tafiditra amin’izany. Nanazava toy izao ny apostoly Paoly: “[Andriamanitra] efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny.” (Asan’ny apostoly 17:31). Iza moa izany lehilahy izany? I Jesosy, izay nilaza mihitsy toy izao: “Ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka.” (Jaona 5:22). I Jesosy àry no ho Mpitsara voatendrin’Andriamanitra amin’ny Andro fitsarana.
Vaovao tsara ho an’ny olombelona izany. Ny Filazantsara dia mampiharihary an’i Jesosy ho olona iray be fangorahana. Tsy mba miavonavona izy na mitaky be loatra fa “malemy fanahy sady tsy miavona am-po”. (Matio 11:29; 14:14; 20:34). Sambatra isika fa eo ambany fiahian’ny mpitsara toy izany.
Rahoviana izany?
Rahoviana anefa ny Andro fitsarana? Milaza ny Apokalypsy fa hitranga izany rehefa ‘handositra ny tany sy ny lanitra’. Mampahatsiahy antsika an’ireto tenin’ny apostoly Petera ireto izany: “Izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.” (2 Petera 3:7). Ny tany ara-bakiteny ve no hodorana? Tsia, mazava ny voalazan’ny Baiboly ny amin’io raharaha io. Tsy ho levona na oviana na oviana ny tany ara-bakiteny. “Ny tany (...) tsy hohetsehina mandrakizay.” (Salamo 104:5, MJ). Ny teny manodidina an’ilay tenin’i Petera dia mampiseho fa ity fandehan-javatra maneran-tany tsy tia an’Andriamanitra ankehitriny ity no holevonina. Ireo olona tsy tia an’Andriamanitra no ho fongana fa tsy ny planeta Tany. — Jaona 12:31; 14:30; 1 Jaona 5:19.
Haringana ireo olona tsy tia an’Andriamanitra ireo ao amin’ilay antsoin’ny Baiboly hoe adin’i Haramagedona, izay, araka ny asehon’ity gazety ity matetika, dia hitranga tsy ho ela. (Apokalypsy 16:14, 16). Aorian’izay, i Satana mihitsy dia hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ka hosakanana tsy hanelingelina ny olombelona mandritra ny arivo taona, ary io arivo taona io no tena faharetan’ny Andro fitsarana. (Apokalypsy 19:17–20:3). Hanao ahoana ny mahatoky rehefa ringana ao Haramagedona ny olona tsy tia an’Andriamanitra? Hiditra velona mivantana ao amin’ny Andro fitsarana izy ireo. Izao no vakintsika: “Ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao [amin’ny tany]; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany.” — Ohabolana 2:21, 22.
Ho fanamafisana izany, ny Baiboly dia miresaka amintsika ny amin’ny “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” izay ho hita eto an-tany alohan’i Haramagedona. “Avy tamin’ny fahoriana lehibe” izy ireo; raha lazaina amin’ny teny hafa, dia ho tafita velona izy ireo amin’ny faran’ity tontolo tsy tia an’Andriamanitra ity, tsy misy hafa amin’ny nahatafita velona an’i Noa tamin’ny faran’ilay tontolo tamin’ny androny. (Apokalypsy 7:9-17; 2 Petera 2:5). Fantatrao ve fa efa misy sahady ankehitriny izany olona betsaka maneran-tany voaforon’ny kristiana marisika izany? Manantena ny ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe sy hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo. Porofo azo antoka ny amin’ny maha-akaiky ny Andro fitsarana ny fisian’izy ireo.
Iza no hotsaraina?
Hotsaraina ireo olona betsaka ireo amin’ny Andro fitsarana. Nefa tsy izy ireo irery akory. Mitohy toy izao ilay fitantaran’i Jaona: “Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny afobe namoaka ny maty tao aminy: ary notsaraina araka ny asany ny olona rehetra.” (Apokalypsy 20:13, MJ). Io dia porofo fanampiny fa tsy hijaly mandrakizay any amin’ny afobe akory ny olona. Raha toa ny afobe mamoaka ny maty ao aminy, ahoana no ahafahana mitoetra any mandrakizay doria? Raha ny marina, ny afoben’ny Baiboly dia ny fasana iombonan’ny taranak’olombelona izay itoeran’ny maty tsy mahatsiaro tena eo am-piandrasana ny fananganana amin’ny maty. Amin’ny andro fitsarana, dia tsy maintsy hofoanana tanteraka tsy hisy ny maty tao aminy ny afobe. — Mpitoriteny 9:10.
Iza no hatsangana amin’ny maty amin’ny Andro fitsarana? Hoy ny apostoly Paoly: “Hisy ny fitsanganan’ny maty, dia ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny apostoly 24:15, MJ). Noho izany, ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky, “ny marina”, dia hatsangana. Nefa ho toy izany koa ny hafa maro be, “ny tsy marina”. Miharihary fa ny fananganana amin’ny maty dia hahafaoka ireo rehetra efa maty ka mbola any am-pasana, afa-tsy izay rehetra nanao fahotana lehibe ka efa voatsaran’Andriamanitra fa tsy mendrika tanteraka ny fiainana. — Matio 12:31.
Ny fitsarana
Hanao ahoana anefa ny olona betsaka tafita velona sy ireo hatsangana amin’ny maty amin’ny Andro fitsarana? Hoy ny Baiboly: “Ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny [ireo, MJ] boky, araka ny asany.” Fotoana fandinihana izany. Ireo rehetra vonona ny hanao zavatra mifanaraka amin’‘izay zavatra voasoratra eo anatin’ireo boky’, izay miharihary fa ireo fepetra takin’Andriamanitra amin’ny olombelona amin’io fotoana io, dia ho voasoratra ao amin’ny “bokin’ny fiainana”. (Apokalypsy 20:12). Ho eo an-dalam-pahazoana ny fiainana mandrakizay izy ireo!
Amin’ny farany àry, dia hitondra soa ara-batana amin’izay ny sorom-panavotan’i Kristy! Tsy ho latsaka ao amin’ny aretina sy fahafatesana intsony ireo izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana amin’izany fotoana izany. Hiverina miandalana ho amin’ny fahatanterahan’olombelona kosa izy ireo, amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay nampanantenaina ireo izay maneho finoana an’i Jesosy. Fahatsinjovan-javatra miavaka re izany! Na dia izany aza, dia hiharihary fa hisy handa tsy hankatò ‘izay zavatra voasoratra eo anatin’ireo boky’. Hanao ahoana izy ireny? Tsy hahazo ny fiainana mandrakizay izy. Mifanohitra amin’izany fa hoy ny Soratra masina: “Na iza na iza tsy hita voasoratra tao anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo.” — Apokalypsy 20:15, MJ.
Moa ve izany ny afobe mirehitra resahin’ny fivavahana lazaina fa kristiana? Tsia, satria izao no vakintsika ao amin’ny andininy eo aloha: “Ary ny fahafatesana sy ny afobe dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa.” (Apokalypsy 20:14, MJ). Matoa ny afobe atsipy ao amin’ny farihy afo, dia tsy hety ho ilay afobe mirehitra mihitsy ny farihy. Ankoatra izany, ny fahafatesana dia tsy zavatra azo tsapain-tanana ka hety hobataina ary hatsipy etsy na eroa. Noho izany dia tsy maintsy ho ara-panoharana ny farihy afo. Fanoharana ny amin’inona? Hoy ny Baiboly: “Izany no fahafatesana faharoa.” Rehefa atsipy any amin’ny farihy afo ny fahafatesana sy ny Hadesy, dia “maty” izy ireo, tsy misy intsony. Mitovy amin’izany koa, ireo olombelona mpikomy izay tonga ao dia maty, na tsy misy intsony. Izany anefa no fahafatesana faharoa, tsy misy fanantenana fitsanganana.
Ny Andro fitsarana — Fotoam-panantenana
Rehefa mieritreritra ny Andro fitsarana àry isika, dia tsy tokony hatahotra na ho tsiravina. Ny Andro fitsarana dia fotoam-panantenana, fotoana hamerenana amin’ny taranak’olombelona ny fiainana mandrakizay narian’i Adama. Henoy ireo fitahiana homena an’ireo izay mahatoky tsaraina: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:3, 4.
Hatramin’ny faran’ny Andro fitsarana arivo taona, ireo olombelona mahatoky avy amin’ny faritra rehetra amin’ny tany, dia ho tanteraka amin’ny farany. Ho “tonga eo amin’ny fiainana” amin’ny heviny feno indrindra izy ireo, ary ho nahatratra ny zava-kendreny ny Andro fitsarana. (Apokalypsy 20:5, MN). Avy eo, dia milaza ny Baiboly fa havela ho eo amin’ny olombelona faramparany i Satana. (Apokalypsy 20:3, 7-10). Hahita ny fahatanterahana faran’ity fampanantenan’ny Baiboly ity ireo izay mahatohitra azy amin’io fotoana farany io: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay”. — Salamo 37:29.
Endrey izany fandaharana mahatalanjona momba ny Andro fitsarana! Ary tena miavaka tokoa fa afaka miomana ho amin’izany isika dieny izao, amin’ny fianarana ny Baiboly sy ny famantarana ny sitrapon’Andriamanitra ary ny fampiharana izany sitrapon’Andriamanitra izany eo amin’ny fiainantsika! Tsy mahagaga raha naneho hafaliana ny mpanao salamo teo am-pieritreretana ny fitsaran’Andriamanitra, rehefa nanoratra hoe: “Aoka ho faly ny lanitra, ary ho ravoravo ny tany; aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy. Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; dia hihoby amin’izay ny hazo rehetra any an-ala eo anatrehan’i Jehovah, fa ho avy Izy, — eny, avy hitsara ny tany Izy.” — Salamo 96:11-13.