-
Boky, IFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Heviny an’ohatra. Anisan’ireo “boky” an’ohatra ny ‘boky [nosoratan’Andriamanitra]’ (Ek 32:32), “boky fahatsiarovana” (Ml 3:16), ary “bokin’ny fiainana” (Fi 4:3; Ap 3:5; 20:15). Toa boky iray ihany ireo, dia ny “boky” fahatsiarovan’Andriamanitra. Ao no anoratany ny anaran’ireo homeny fiainana mandrakizay (any an-danitra na eto an-tany). Mbola azo ‘vonoina’ anefa ny anarana ao amin’ilay boky. (Ek 32:32, 33; Ap 3:5) Ny anaran’izay olona tsy mivadika ihany àry no ho tavela ao.—Jereo FIAINANA.
-
-
FandringananaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Mety ho ringana mandrakizay ny olona sasany noho ny zavatra ataony mandritra ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. Rehefa nanontanian’ny mpianany i Jesosy hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?”, dia nilaza an’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy izy. (Mt 24:3; 25:31-46) Hoy ilay Mpanjaka any an-danitra amin’ireo olona oharina amin’ny “osy”: “Mialà amiko ianareo voaozona, ka mandehana any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voaomana ho an’ny Devoly sy ny anjeliny.” Hoy koa izy: “Ho any amin’ny fandringanana [gr.: kôlasin; a.b.t.: fandrantsanana] mandrakizay ireo, fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.” (Mt 25:46) Hahazo fiainana àry ny olo-marina. Mifanohitra amin’izany kosa ny hanjo ny “osy” satria ho ringana mandrakizay izy ireo noho izay ataony.
-