PERGAMOSY
(Pergamôsy) [Tanàna Voaro Mafy eny An-tampon-kavoana].
Tanàna tany Mysia, teo amin’ny ilany avaratrandrefana amin’i Torkia (Azia Minora). Tany ny iray tamin’ireo fiangonana fito nanoratan’ny apostoly Jaona taratasy, izay tantarain’ny bokin’ny Apokalypsy. (Ap 1:11; 2:12-17) Tokotokony ho 80 km tany avaratr’i Smyrna (Izmir ankehitriny) no nisy an’ilay tanàna, ary 25 km teo ho eo niala ny morontsiraky ny Ranomasina Égée. Eo akaikin’ny toerana nisy an’i Pergamosy fahiny no misy an’i Bergama ankehitriny. Tamin’ny voalohany i Pergamosy dia tanàna voaro mafy teo an-tehezan-kavoana nijidina be. Nitokana teo anelanelan’ny renirano roa io havoana io. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia nitatra hatreny amin’ilay lohasaha teny ambany ilay tanàna, ary lasa toerana voaro mafy ilay havoana.
Tantarany. Na dia tsy tena fantatra aza ny fiavian’ny mponin’i Pergamosy, dia misy porofo milaza hoe avy any Akaia any Gresy izy ireo. Nanefy vola madinika ilay tanàna tamin’ny 420 T.K., ary niresaka momba an’ilay tanàna i Xénophon ny taonjato nanaraka. Rehefa maty i Aleksandra Lehibe, dia lasa anisan’ny faritanin’i Lysimaque i Pergamosy. I Filetera, lietnà tao amin’ny tafik’i Lysimaque, no lasa mpitondra an’ilay tanàna sy ny manodidina, ka izy no voalohany tamin’ireo tarana-mpanjaka grika avy tamin’i Attale, tao Pergamosy. Lasa tanàna lehibe sady nanan-karena àry i Pergamosy rehefa io tarana-mpanjaka io no nitondra. Niandany tamin’ny Romanina, ohatra, ny mpanjaka Attale I (241-197 T.K.) fa tsy tamin’ny Masedonianina. Nandimby azy i Eumène II, ilay nanorina trano fitehirizam-boky lehibe, izay tsy mena-mitaha tamin’ilay trano fitehirizam-boky nalaza tany Aleksandria. Toa tamin’izay no noforonina voalohany tany Pergamosy ny horonam-boky vita tamin’ny hodi-biby malefaka (pergamena charta). Efa ho ny ilany andrefan’i Azia Minora no nofehezin’i Pergamosy tamin’izay. Rehefa ho faty i Attale III (133 T.K.), dia nomeny an’i Roma i Pergamosy, ka lasa renivohitr’i Azia, faritany romanina. (Jereo AZIA.) Tsy renivohitra intsony i Pergamosy tatỳ aoriana, nefa mbola foibe nisahanana ny raharaham-panjakana ihany.
Fivavahana tao Pergamosy. Tena nanjaka tao Pergamosy ny fanompoan-tsampy. Toa ireo mpanandro kaldeanina nandositra avy tany Babylona no nanangana tao ny foiben’ny sekolin’izy ireo. Nanorina alitara lehibe vita tamin’ny marbra ho an’ilay andriamanitra nantsoina hoe Zeosy i Eumène II, ho fankalazana ny nandreseny an’ireo Gôloa. Hita tamin’ilay alitara efa rava fa voaravaka sary mivohitra lehibe izy io, dia sarin’ireo andriamanitra miady amin’ireo goavam-be. (SARY, Boky Faha-2, p. 945) Nisy tempolin’i Esculape (andriamanitry ny fahasitranana sy ny fitsaboana) koa tao Pergamosy, ka nirohotra nankany ny marary nanerana an’i Azia.
Ny tena nampiavaka ny fivavahana tao Pergamosy dia ny fivavahan’izy ireo tamin’ny mpanjaka. Nisy tempoly tsara tarehy naorina tao an-tanàna mba hivavahana tamin’i Aogosto Kaisara. I Pergamosy àry no tanàna voalohany nanana tempoly natao hivavahana tamin’ny mpanjaka. Mbola nisy tempoly roa nitovy tamin’io koa naorina tao Pergamosy, tamin’ny andron’ny mpanjaka Trajan sy Severus. Izany no mahatonga ny boky iray hiantso an’i Pergamosy hoe “foiben’ny fivavahana tamin’ny mpanjaka, tany am-piandohan’ny Fanjakana Romanina.” (Ny Rakipahalalana Britannica, 1959, Boky Faha-17, p. 507) Natao hampiraisana an’ireo firenen-tsamihafa azon’ny Romanina angamba ny fivavahana tamin’ny mpanjaka romanina, mba hisian’ny andriamanitra iombonan’izy ireo. Tsy maintsy nivavaka tamin’ny mpanjaka mantsy izy rehetra ankoatr’ireo andriamanitra notompoin’izy ireo tany amin’ny taniny.
“Ao amin’izay misy ny seza fiandrianan’i Satana.” Voalazan’i Jaona tao amin’ilay taratasiny ho an’ny fiangonana tao Pergamosy fa ‘teo amin’izay nonenan’i Satana’ no nisy an’ilay tanàna, ka noho izany dia nonina ‘tao amin’izay nisy ny seza fiandrianan’i Satana’ ny Kristianina tao. (Ap 2:13) Hoy ny boky iray: “Ny fitambaran’ireo fivavahana tamin’ny sampy isan-karazany no voaresaka eo, ... kanefa azo inoana fa ny fivavahana tamin’ny mpanjaka no tena tiana holazaina. Noheverina ho andriamanitra mihitsy mantsy ny mpanjaka ka nasaina nivavahan’ny vahoaka, mba hahitana ny tsy fivadihan’izy ireo tamin’ny fitondrana, tamin’ny andron’i Domitien.” (Ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly, nataon’i J. Douglas, 1985, p. 912) Angamba noho i Antipasy tsy nety nivavaka tamin’i Kaisara no namonoana azy ho maritiora. Andininy iray ihany mantsy no miresaka ny namonoana azy sy ilay hoe “ny seza fiandrianan’i Satana.”
Ny antony nilazana koa angamba hoe “ao amin’izay misy ny seza fiandrianan’i Satana” no misy an’i Pergamosy, dia satria toerana nalaza nivavahana tamin’i Zeosy na Jopitera tao. I Zeosy no lehibe indrindra tamin’ireo andriamanitra sy andriamanibavy rehetra nivavahan’ny mpanompo sampy. Milaza ny angano fa teo amin’ny havoana nanorenana an’i Pergamosy ny andriamanitra sasany no nitazana ny nahaterahan’i Zeosy, ary ilay alitara lehibe naorina teo tatỳ aoriana dia heverina ho zava-bita niavaka tamin’izany. Afaka nivavaka tamin’ny andriamani-kafa ny olona nanompo an’i Zeosy, nefa tsy maintsy nihevitra an’ireny andriamanitra ireny hoe ambany kokoa noho i Zeosy izy ireo. Noderaina ny Kristianina tao Pergamosy, satria na teo ‘amin’izay nisy ny seza fiandrianan’i Satana’ aza izy ireo, dia i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ihany no notompoiny, ary tsy nolavin’izy ireo ny finoany.
“Fampianaran’i Balama.” Nitady hitaona ny hafa teo anivon’ilay fiangonana anefa “ireo mitana mafy ny fampianaran’i Balama.” (Ap 2:14) Mampahatsiaro ny zavatra nataon’i Balama mpaminany avy tany Mezopotamia izany. Niezaka mafy nanozona ny Israely izy, nefa tsy nahavita. Nampirisihiny àry ireo vehivavy mpanompo sampy mba hitarika an’ireo lehilahy israelita haloto fitondran-tena sy hivavaka tamin’ny andriamani-diso. Israelita 24 000 no maty vokatry ny fitondran-tena maloto sy ny fanompoan-tsampy. (No 25:1-18; 1Ko 10:8; jereo BALAMA.) Toa tsy nampaninona an’ireo ‘nitana mafy ny fampianaran’i Balama’ teo anivon’ny fiangonana tao Pergamosy ny fijangajangana.—Jd 4, 11; 2Pe 2:14, 15.
Voatariky ny fampianaran’ny “sektan’i Nikoleo” ny olona sasany teo anivon’ilay fiangonana, ka nampirisihina hibebaka.—Ap 2:15, 16.