Havaozina ny Zavatra Rehetra—Araka ny Nambara Mialoha
“Hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: (...) Mahatoky sy marina ireo teny ireo.”—APOKALYPSY 21:5.
1, 2. Nahoana no ara-dalàna raha misalasala handinika izay hoentin’ny hoavy ny olona maro?
EFA mba nilaza na nieritreritra toy izao ve ianao: ‘Iza no mahalala izay havoakan’ny ampitso?’ Takatrao àry izao ny antony isalasalan’ny olona haminavina izay havoakan’ny ampitso, na ny antony isalasalany hitoky amin’ireo mety ho sahy mihambo ho mahay manambara ny hoavy. Tsy ananan-dRaolombelona tsotra izao ny fahaiza-milaza mialoha araka ny marina ny zavatra hitranga amin’ireo volana na taona ho avy.
2 Nanokana nomerao iray niompana tamin’ny fotoana ny gazetiboky Forbes ASAP. Nanoratra toy izao, tao amin’izy io, i Robert Cringely, mpanentana amina fandaharana famelabelarana ny zava-misy, ao amin’ny televiziona: “Mampitsanga-menatra antsika rehetra ny fotoana amin’ny farany, nefa tsy misy ampijalin’ny fotoana mihoatra noho ireo mpanambara ny hoavy. Saika tsy mahomby foana isika rehefa mitady haminavina ny hoavy. (...) Na izany aza, dia mbola manohy milaza ny hoavy ireo lazaina fa manam-pahaizana.”
3, 4. a) Zavatra tsara manao ahoana no andrandrain’ny sasany momba ilay taonarivo vaovao? b) Inona no ampoizin’ny hafa momba ny hoavy, araka ny zava-misy hitany?
3 Voamarikao angamba fa mifantoka betsaka amin’ny taonarivo vaovao ny saina, ka toa mihamaro ny olona mieritreritra ny amin’ny hoavy. Teo am-piandohan’ny taon-dasa, dia nilaza toy izao ny gazetiboky Maclean’s: “Ho an’ny ankamaroan’ny Kanadianina, dia mety ho taona iray hafa fotsiny eo amin’ny kalandrie ny taona 2000, nefa mety ho amin’io taona io koa no hanombohan-javatra tena vaovao.” Nanome izao antony tokony hiandrandrana zavatra tsara izao ny Profesora Chris Dewdney, ao amin’ny Oniversiten’i York: ‘Ilay taonarivo vaovao dia midika fa afaka tamin’ny taonjato iray tena nahatsiravina isika.’
4 Toa nofinofy fotsiny ve izany? Nasehon’ny fitsapan-kevitra iray natao tany Kanada fa 22 isan-jato monja tamin’ireo olona namaly tamin’io fitsapan-kevitra io no “mino fa hitondra fiandohana vaovao ho an’izao tontolo izao ny taona 2000”. Efa ho ny antsasany, raha ny marina, no “manampo” fa, ato anatin’ireo 50 taona ho avy, dia “hisy ady lehibe hafa iray”—ady haneran-tany. Mazava fa tsapan’ny ankamaroan’ny olona hoe tsy afaka hanaisotra ny zava-manahirana antsika ny taonarivo vaovao iray, ka hoe hanavao ny zavatra rehetra. Nanoratra toy izao i Sir Michael Atiyah, prezidàn’ny Fikambanana Britanikan’i Londres teo aloha: ‘Haingana ny fizotran’ny fiovana ka midika izany fa hitondra zava-tsarotra lehibe ho an’ny sivilizasionantsika manontolo ny taonjato faha-21. Efa mianjady amintsika ary tsy maintsy karakaraina maika ny olana momba ny fitomboan’ny isan’ny mponina, ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, ny fandotoana ny tontolo iainana, ary ny fahantrana miely patrana.’
5. Aiza no ahitantsika fanazavana azo itokisana mahakasika ny hoavintsika?
5 Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Tsy afaka milaza mialoha ny hoentin’ny hoavy ny olombelona, koa tsy tokony tsy horaharahaina fotsiny ve izany ny hoavy?’ Tsia no valiny. Marina aloha fa tsy afaka manambara mialoha araka ny marina ny hoavy ny olombelona, kanefa tsy tokony hihevitra isika hoe tsy misy afaka manao izany. Iza àry no afaka manao izany, ary nahoana isika no tokony hiandrandra zavatra tsara momba ny hoavy? Afaka mahita valiny mahafa-po ianao, ao amina faminaniana efatra voafaritra tsara. Izy ireo dia voarakitra an-tsoratra ao amin’ilay boky be mpanana indrindra sy be mpamaky indrindra, nefa koa tsy be mpahazo indrindra sy be tsy mpiraharaha indrindra, dia ny Baiboly. Na inona na inona eritreretinao momba ny Baiboly, ary na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho fahafantaranao tsara azy io, dia hahasoa anao ny mandinika ireo andinin-teny fototra efatra ireo. Manambara mialoha hoavy tena mamirapiratra izy ireo, raha ny marina. Ankoatra izany, dia milaza koa ny mety ho hoavinao sy ny an’ireo havan-tianao ireo faminaniana fototra efatra ireo.
6, 7. Oviana no naminanian’i Isaia, ary tamin’ny ahoana no tanteraka tamin’ny fomba mahagaga ny faminaniany?
6 Ny voalohany dia ao amin’ny Isaia toko faha-65. Alohan’ny hamakiana azy io, dia ataovy ao an-tsaina ny toe-javatra manodidina azy io, izany hoe ny fotoana nanoratana azy sy ny tarehin-javatra noresahiny. I Isaia mpaminanin’Andriamanitra, izay nanoratra ireo teny ireo, dia velona tany amin’ny zato taona mahery talohan’ny nifaranan’ny fanjakan’ny Joda. Tonga ny farany rehefa tsy niaro intsony an’ireo Jiosy tsy nahatoky i Jehovah, ka namela ny Babylonianina handrava an’i Jerosalema sy hanao sesitany ny mponina tao. Nitranga izany rehefa afaka zato taona mahery taorian’ny nanambaran’i Isaia azy mialoha.—2 Tantara 36:15-21.
7 Raha ny zava-nitranga ara-tantara manodidina ny fahatanterahan’ilay faminaniana no asian-teny, dia tsarovy fa nahazo ny fitarihan’Andriamanitra i Isaia, ka nanambara mialoha ny anaran’ilay Persanina mbola tsy teraka akory, dia i Kyrosy, izay nampianjera an’i Babylona tamin’ny farany. (Isaia 45:1). Nanomana ny lalana hiverenan’ny Jiosy tany an-tanindrazany tamin’ny 537 al.f.i. i Kyrosy. Mahagaga fa efa nanambara mialoha io fiverenana io i Isaia, araka ny vakintsika ao amin’ny toko faha-65. Nifantoka tamin’ny toe-javatra hisy an’ireo Isiraelita tafaverina an-tanindrazana, i Isaia.
8. Inona no hoavy sambatra nambaran’i Isaia mialoha, ary teny inona no mahaliana antsika manokana?
8 Izao no vakintsika ao amin’ny Isaia 65:17-19: “Indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin’ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.” Azo antoka fa tsara lavitra noho ny toe-piainana nisy ny Jiosy tany Babylona ilay toe-piainana nolazalazain’i Isaia. Nanambara mialoha ny hisian’ny fifaliana sy ny faharavoravoana izy. Mariho ilay teny hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao”. Io no voalohany amin’ireo andininy efatra ahitana an’io teny io ao amin’ny Baiboly, ary mifandray mivantana amin’ny hoavintsika izy efatra ireo, eny, manambara mialoha ny hoavintsika mihitsy aza.
9. Ahoana no nahatanterahan’ny Isaia 65:17-19, teo amin’ireo Jiosy fahiny?
9 Teo amin’ireo Jiosy fahiny no tanteraka voalohany ny Isaia 65:17-19. Araka ny naminanian’i Isaia azy araka ny marina, dia tena niverina tany an-tanindrazany tokoa ny Jiosy, ka nanorina indray ny fanompoam-pivavahana madio. (Ezra 1:1-4; 3:1-4). Takatrao anefa, mazava ho azy, fa teto amin’ity planeta ity ihany ilay tanindrazana niverenan’izy ireo, fa tsy tany an-toeran-kafa ivelan’ny tany akory. Ny fahatakarana izany dia afaka manampy antsika hahazo izay tian’i Isaia holazaina tamin’ny hoe lanitra vaovao sy tany vaovao. Tsy voatery haminavina tahaka ny sasany isika, ny amin’ireo faminaniana manjavozavo nataon’i Nostradamus, na olona hafa mpanambara ny hoavy. Ny Baiboly mihitsy no manazava ny tian’i Isaia holazaina.
10. Ahoana no tokony handraisantsika ny hevitr’ilay teny hoe “tany” vaovao nambaran’i Isaia mialoha?
10 Tsy manondro foana ity tany misy antsika ity akory ny teny hoe “tany”, ao amin’ny Baiboly. Milaza ara-bakiteny toy izao, ohatra, ny Salamo 96:1: “Mihirà ho an’i Jehovah, ry tany rehetra.” Fantatsika fa tsy afaka mihira ny planetantsika, izany hoe ny tany maina sy ny ranomasimbe midadasika. Ny olona no mihira. Eny, manondro ny olona eto ambonin’ny tany ny Salamo 96:1.a Miresaka koa ny amin’ny “lanitra vaovao” anefa ny Isaia 65:17. Raha sary mampiseho fitambaran’olona vaovao tao an-tanindrazan’ny Jiosy ilay “tany”, dia inona kosa ilay “lanitra vaovao”?
11. Manondro inona ilay teny hoe “lanitra vaovao”?
11 Manambara toy izao ny Cyclopædia of Biblical, Theological, and Ecclesiastical Literature, nataon’i M’Clintock sy i Strong: ‘Isaky ny misy firesahana lanitra ao amin’ny sehatra isehoan’ny fahitana ara-paminaniana iray, ny lanitra dia manondro ireo fahefana mpanapaka, amin’ny fitambarany, satria sady ambony noho ny olom-peheziny izy ireo no mpanapaka azy koa, tahaka ny lanitra ara-bakiteny izay sady eo ambonin’ny tany no manan-kery eo amin’ny tany koa.’ Hazavain’ilay Cyclopædia fa rehefa miaraka ilay teny hoe “lanitra sy tany”, dia ‘manondro ny toerana ara-politika tanan’ny olona samy hafa saranga izy io, amin’ny fiteny ara-paminaniana. Tsy inona akory ny lanitra fa ny fahefana, fa ny tany kosa dia ny olona entina, izay eo ambany fanapahan’ny lehibe’.
12. Tamin’ny ahoana no nisy “lanitra vaovao sy tany vaovao” teo amin’ireo Jiosy fahiny?
12 Rehefa niverina tany an-tanindrazany ny Jiosy, dia nahazo an’izay azo antsoina hoe fandehan-javatra vaovao. Nisy fitambara-mpanapaka vaovao teo amin’izy ireo, ka i Zerobabela, taranak’i Davida Mpanjaka, no governora, ary i Josoa no mpisoronabe. (Hagay 1:1, 12; 2:21; Zakaria 6:11). Ireo no “lanitra vaovao”. Ambony noho ny inona izy io? Ilay “lanitra vaovao” dia teo ambonin’ny “tany vaovao” iray, izany hoe ilay fitambaran’olona voadio tafaverina tany amin’ny taniny mba hanorina indray an’i Jerosalema sy ny tempoliny izay hanolorana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah. Tamin’io heviny io àry, dia tena nisy lanitra vaovao sy tany vaovao tokoa, rehefa tanteraka teo amin’ireo Jiosy tamin’izany fotoana izany ilay faminaniana.
13, 14. a) Aiza koa ny andinin-teny hafa isehoan’ilay teny hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao” izay tokony hodinihintsika? b) Nahoana no mahaliana antsika manokana amin’izao fotoana izao ilay faminanian’i Petera?
13 Tandremo anefa sao tsy azonao ilay hevitra tena tiana hampitaina. Tsy fanazaran-tena eo amin’ny filazana ny hevitry ny Baiboly no ataontsika eto, no sady tsy topy maso fotsiny momba ny tantara fahizay. Ho takatrao izany raha mifindra amin’ny andininy hafa iray isehoan’ilay teny hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao” ianao. Ho hitanao ao amin’ny 2 Petera toko faha-3 izy io, ary jereo fa mifandray amin’izy io ny hoavintsika.
14 Nanoratra ny taratasiny ny apostoly Petera rehefa afaka 500 taona mahery taorian’ny niverenan’ny Jiosy tany an-tanindrazany. Anisan’ny apostolin’i Jesosy i Petera, ka nanoratra ho an’ireo mpanara-dia an’i Kristy, dia ilay “Tompo” resahina ao amin’ny 2 Petera 3:2. Eo amin’ny andininy faha-4 i Petera dia manintona ny saina ho amin’ny fiavian’i Jesosy, na ilay ‘fanatrehany nampanantenaina’ (NW), izay mahatonga an’ilay faminaniana ho tena mahakasika izao androntsika izao. Misy porofo maro be mampiseho fa nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, dia manatrika i Jesosy, amin’ny heviny hoe Mpanapaka nahazo fahefana ao amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izy. (Apokalypsy 6:1-8; 11:15, 18). Manjary misy heviny manokana izany, rehefa heverina ny zavatra hafa nambaran’i Petera mialoha ao amin’io toko io.
15. Ahoana no ahatanterahan’ilay faminanian’i Petera momba ny “lanitra vaovao”?
15 Izao no vakintsika ao amin’ny 2 Petera 3:13: “Isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” Mety ho efa fantatrao fa i Jesosy any an-danitra no Mpanapaka lehibe indrindra ao amin’ny “lanitra vaovao”. (Lioka 1:32, 33). Milaza anefa ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly fa tsy manapaka irery izy. Nampanantena i Jesosy fa hanan-toerana any an-danitra ireo apostoly sy ny olon-kafa sasany toa azy ireo. Ao amin’ny bokin’ny Hebreo, dia lazalazain’ny apostoly Paoly ho “mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra” ny olona toy izany. Ary nilaza koa i Jesosy fa hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra, miaraka aminy, ireo anisan’io antokon’olona io. (Hebreo 3:1, izahay no manao sora-mandry; Matio 19:28; Lioka 22:28-30; Jaona 14:2, 3). Ny tiana holazaina dia hoe misy olon-kafa miara-manjaka amin’i Jesosy, ka anisan’ny lanitra vaovao. Inona àry no tian’i Petera holazaina tamin’ilay teny hoe “tany vaovao”?
16. “Tany vaovao” inona no efa misy?
16 Toy ny tamin’ny fahatanterahany fahiny, izany hoe ny niverenan’ny Jiosy tany an-tanindrazany, dia misy ifandraisany amin’ny olona manaiky ny fanapahan’ny lanitra vaovao ny fahatanterahan’ny 2 Petera 3:13 ankehitriny. Afaka mahita olona an-tapitrisany maro izay faly manaiky an’io fanapahana io ianao ankehitriny. Mandray soa amin’ny fandaharam-pampianaran’io fanapahana io izy ireo, ary miezaka mafy mba hanaraka ny lalàn’izy io hita ao amin’ny Baiboly. (Isaia 54:13). Izy ireo no fototra iorenan’ny “tany vaovao”, amin’ny heviny hoe mahaforona fitambaran’olona iray maneran-tany, avy amin’ny firenena sy ny fiteny ary ny firazanana rehetra, izy ireo, ary miara-miasa sy manaiky an’i Jesosy Kristy Mpanjaka, izay efa eo amin’ny fitondrana. Ary ny tsara homarihina dia izao: Afaka ny ho anisan’izy ireo ianao!—Mika 4:1-4.
17, 18. Nahoana ireo teny ao amin’ny 2 Petera 3:13 no manome antony antsika hibanjinana ny hoavy?
17 Aza mihevitra anefa hoe izay fotsiny no izy, ka tsy misy zavatra takatsika amin’ny an-tsipiriany momba ny hoavy. Raha ny marina, eo am-pandinihanao ny teny manodidina ny 2 Petera toko faha-3, dia ho hitanao fa milaza fiovana lehibe ho avy izy io. Eo amin’ny andininy faha-5 sy faha-6 i Petera dia manoratra momba ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, dia ilay Safo-drano namaranana ny tontolo ratsy tamin’izany fotoana izany. Eo amin’ny andininy faha-7 i Petera dia miresaka fa “izao lanitra sy tany ankehitriny izao”, izany hoe ireo fanapahana sy ireo vahoaka, dia tahirizina “ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy”. (Izahay no manao sora-mandry.) Hamafisin’izany fa ilay teny hoe “izao lanitra sy tany ankehitriny izao” dia manondro ny olombelona sy ny fanapahany, fa tsy izao rehetra izao hita maso akory.
18 Hazavain’i Petera avy eo fa hanao fanadiovana lehibe ilay andron’i Jehovah ho avy, ka hanokatra ny lalana ho an’ny lanitra vaovao sy tany vaovao, voalaza eo amin’ny andininy faha-13. Mariho ny faran’io andininy io, manao hoe: “Izay itoeran’ny fahamarinana”. Tsy milaza ve izany fa tsy maintsy hisy fiovana lehibe hitranga, ary fiovana ho amin’ny tsara kokoa? Tsy tsinjo avy amin’izany ve ny hisian’ny zavatra tena vaovao, ka amin’izay ny olombelona dia hankafy kokoa ny fiainana noho ny amin’izao andro izao? Raha mazava aminao izany, dia nahatakatra izay ambaran’ny Baiboly mialoha ianao, dia zavatra izay somary vitsy no mahatakatra azy.
19. Inona no toe-javatra manodidina ny firesahan’ny bokin’ny Apokalypsy ny amin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” mbola ho avy?
19 Andeha anefa isika hiditra lalindalina kokoa. Samy efa nojerentsika ireo andinin-teny isehoan’ilay teny hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao” ao amin’ny Isaia toko faha-65, sy ny ao amin’ny 2 Petera toko faha-3. Izao isika dia hivadika ao amin’ny Apokalypsy toko faha-21, izay ahitana koa an’io teny io ao amin’ny Baiboly. Eto indray koa, dia hanampy antsika ny fahatakarana ny toe-javatra manodidina azy io. Toko roa alohan’io, ao amin’ny Apokalypsy toko faha-19, dia ahitantsika filazalazana amin’ny teny fanoharana mazava tsara momba ny ady iray. Tsy ady ifanaovan’ny firenena mpifandrafy anefa izy io. Ny andaniny iray amin’io ady io dia “Ny Tenin’Andriamanitra”. Azo inoana fa takatrao hoe anaram-boninahitra anondroana an’i Jesosy Kristy izy io. (Jaona 1:1, 14). Any an-danitra izy, ary mampiseho azy ho miaraka amin’ny tafiky ny lanitra io fahitana io. Hiady amin’iza izy ireo? Miresaka “mpanjaka” sy “mpifehy arivo” ary olona avy amin’ny saranga samihafa, “na kely na lehibe”, ilay toko. Io ady io dia misy ifandraisany amin’ilay andron’i Jehovah ho avy, dia ny fanafoanana ny faharatsiana. (2 Tesaloniana 1:6-10). Ny toko manaraka, ny Apokalypsy toko faha-20, dia manomboka amin’ny filazalazana ny fanesorana ilay “menarana ela, ny devoly sy Satana”. Manomana ny lalana ho amin’ny fandinihana ny Apokalypsy toko faha-21 izany.
20. Fiovana lehibe inona no miandry antsika, araka ny asehon’ny Apokalypsy 21:1?
20 Manomboka an’io toko io amin’ireto teny mampientam-po ireto ny apostoly Jaona: “Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.” Izay hitantsika tao amin’ny Isaia toko faha-65 sy ny 2 Petera toko faha-3 no fototra iaingantsika, ka afaka matoky isika fa tsy te hilaza akory ireo teny ireo hoe hosoloana ny lanitra ara-bakiteny sy ny planetantsika, mbamin’ny rano lalina eo aminy. Araka ny asehon’ireo toko eo aloha, dia hesorina ny ratsy fanahy sy ny fanapahany, anisan’izany i Satana, ilay mpanapaka tsy hita maso. Eny, fandehan-javatra vaovao mahakasika ny olona eto an-tany no ampanantenaina eto.
21, 22. Fitahiana inona avy no anomezan’i Jaona toky antsika, ary midika ho inona ny famafana ny ranomaso?
21 Afaka matoky ny amin’izany isika, arakaraka ny andinihantsika an’io faminaniana mahatalanjona io. Ny faran’ny andininy faha-3 dia miresaka ny amin’ilay fotoana hitoeran’Andriamanitra eo amin’ny olombelona, sy hampitodihany ny sainy ho amin’ny olona manao ny sitrapony, ka hanaovany soa amin’izy ireo. (Ezekiela 43:7). Manohy ny teniny toy izao i Jaona eo amin’ny andininy faha-4 sy faha-5: “Hofafan[’i Jehovah] ny ranomaso rehetra amin’ny mason[’izy ireo]; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” Izany ka faminaniana mamelombelona!
22 Miatoa kely mba hankafizana izay ambaran’ny Baiboly mialoha. ‘Hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo Andriamanitra.’ Tsy mety ho ranomaso ara-dalàna manasa ny masontsika mora andairan-javatra izany, ary tsy mety ho ranomasom-pifaliana koa. Tsia, ny ranomaso hofafan’Andriamanitra dia ny ranomaso ateraky ny fahoriana, ny alahelo, ny fahadisoam-panantenana, ny ratra ara-batana na ara-pihetseham-po, ary ny fijaliana mafy. Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka ny amin’izany? Io fampanantenana mahatalanjona nomen’Andriamanitra io dia mampifandray ny famafana ny ranomaso sy ny ‘tsy fisian’ny fahafatesana sy ny alahelo sy ny fitarainana ary ny fanaintainana intsony’.—Jaona 11:35.
23. Manome antoka ny hifaranan’ny toe-piainana manao ahoana avy ny faminanian’i Jaona?
23 Tsy manaporofo ve izany fa ho efa foana ny kansera, ny fahatapahan’ny lalandra, ny aretim-po, ary eny fa na ny fahafatesana koa aza? Iza amintsika no tsy namoy havan-tiana noho ny aretina, na ny loza, na ny voina nitranga? Mampanantena Andriamanitra eto fa tsy hisy intsony ny fahafatesana. Midika izany fa ireo zaza mety ho teraka amin’izany fotoana izany dia tsy ho voatery hanampo ny hihalehibe ary avy eo dia hihantitra, ka hoe ho faty amin’ny farany. Ny tian’io faminaniana io holazaina koa dia hoe tsy hisy intsony ny aretin-tsaina mpahazo ny zokinjokiny, ny fahosan’ny taolana, ny fivontosana ao amin’ny tranon-jaza, ny maso mihajamba, ary na dia ny katarakta aza, izay samy fahita matetika eo amin’ny fahanterana.
24. Amin’ny ahoana no ho fitahiana ilay “lanitra vaovao sy tany vaovao”, ary inona no mbola hodinihintsika?
24 Tsy isalasalana fa hanaiky ianao hoe hampihena ny alahelo sy ny fitarainana ny fanesorana ny fahafatesana sy ny fahanterana ary ny aretina. Ahoana anefa ny amin’ny fahantrana mahafadiranovana, ny fampijaliana ankizy, ny fanavakavahana ara-tsaranga na ara-bolon-koditra mampahory? Raha mbola hitohy ny zavatra toy izany, izay fahita ankehitriny, dia tsy ho afaka amintsika akory ny alahelo sy ny fitarainana. Tsy ho simban’ireo anton-javatra miteraka alahelo ankehitriny ireo àry ny fiainana eo ambanin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”. Izany ka tena fiovana! Hatreto anefa dia ny telo monja amin’ireo andininy efatra ao amin’ny Baiboly isehoan’ilay teny hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao” no nodinihintsika. Mbola misy andininy iray hafa isehoan’izy io, izay sady mifandray amin’ireo zavatra nodinihintsika no manasongadina koa ny antony tokony hiandrandrantsika ny fotoana sy ny fomba hanatanterahan’Andriamanitra ilay fampanantenany ‘hanavao ny zavatra rehetra’. Ny lahatsoratra manaraka dia hiresaka an’io faminaniana io sy ny heviny, ho fahasambarantsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Izao no ilazan’ny Fandikan-teny Katolika ny Salamo 96:1: “Mihirà ho an’Iaveh hianareo monina amin’ny tany rehetra.” Hoy kosa ny The New English Bible: “Mihirà ho an’ny TOMPO, ry olona rehetra eto ambonin’ny tany.” Izany dia mifanaraka amin’ilay hevitra hoe ny vahoakan’Andriamanitra tany an-tanindrazany no notondroin’i Isaia tamin’ny hoe “tany vaovao”.
Tadidinao Ve?
• Andininy telo aiza avy no anambaran’ny Baiboly mialoha ny amin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”?
• Tamin’ny ahoana no tanteraka teo amin’ireo Jiosy fahiny ny hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao”?
• Inona avy no fahatanterahan’ilay “lanitra vaovao sy tany vaovao” noresahin’i Petera?
• Amin’ny ahoana ny Apokalypsy toko faha-21 no manintona ny saintsika ho amin’ny hoavy mamirapiratra iray?
[Sary, pejy 10]
Tsy nisy hafa tamin’izay efa nambaran’i Jehovah mialoha, dia nanomana ny lalana hiverenan’ny Jiosy tany an-tanindrazany tamin’ny 537 al.f.i. i Kyrosy