Antomotra ny tontolo vaovao iray!
NIRESAKA betsaka ny amin’ny fandaharan-javatra vaovao iray haneran-tany araka ny fiheverany azy ireo mpitondra fanjakana. Manisy firesahana ny amin’ny fanafoanana ny tontolon’ny tahotra sy ny fefy misakana ny fiaraha-miasan’ny vahoaka sy ny fanjakana izy ireo. Nefa vitan’ny olombelona ve ny hampisy tontolo vaovao iray?
Nanana taonjato maro hanorenana tontolo hanjakan’ny fiadanana sy filaminana ny olombelona. Tsy isalasalana fa maro be no tena tso-po tamin’ny fiezahana toy izany. Na inona anefa na inona rafi-pitondrana novolavolain’ny olombelona mba hanatanterahana zava-kendrena toy izany, dia voaporofo ny fahamarinan’ity teny ao amin’ny Baiboly ity: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany.” — Jeremia 10:23.
Tontolo vaovao iray nampanantenaina
Mbola manome antoka io teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra io ihany fa hisy tontolo vaovao iray. Rehefa avy nanambara mialoha ny faran’ny fandehan-javatra tranainy iray i Petera, apostoly kristiana, dia nanambara hoe: “Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” — 2 Petera 3:10-13.
Fampanantenan’iza izy io? Tsy misy afa-tsy i Jehovah, “Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra”, no nanome an’io. (Salamo 83:18). Hanatanteraka izay tsy azon’ny olombelona tanterahina izy. Eny, hampisy tontolo vaovao iray i Jehovah Andriamanitra. Nefa rahoviana?
Tontolo vaovao iray efa tena akaiky!
Alohan’ny hahatongavan’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra ho tena zava-misy amin’ny fomba feno, dia tsy maintsy hofaranana aloha ity “tontolo” na “fandehan-javatra” ankehitriny ity. Momba izany no nanontanian’ny mpianatr’i Jesosy Kristy hoe: “Lazao aminay, rahoviana no hahatongavan’izany zavatra izany? ary inona no ho famantarana ny fiavianao sy ny faran’izao tontolo izao? (Matio 24:3, Dikan-tenin’ny mpanjaka Jacques). Araka ny ilazan’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao azy mazava kokoa, dia nanontany toy izao ireo mpanara-dia an’i Jesosy: “Lazao aminay, Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?”
Mba hamaliana izany, i Jesosy dia nanambara mialoha lafin-javatra maro mahaforona ny famantarana ny fanatrehany tsy hita maso amin’ny maha-persona ara-panahy azy ao amin’ny herin’ny Fanjakana any an-danitra. (1 Petera 3:18). Niteny toy izao izy, ohatra: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa.” Hatramin’ny “fiandohan’ny fahoriana” tamin’ny 1914, “izao taranaka izao” izay notondroin’i Jesosy mazava dia nahita ady nitohy sy mosary ary horohorontany, ho toy ny ampahany amin’ny famantarana ny fanatrehany tsy hita maso. — Matio 24:7, 8, 34.
Namely ity taranaka ity mbola tsy nisy toy izany ny ady hatramin’ny taona 1914. Namoizana ain’olona notombanana ho 14 tapitrisa ny Ady lehibe voalohany. Nandritra ny Ady lehibe faharoa, dia miaramila sy sivily 55 tapitrisa no maty. Hatramin’ny 1914, dia maherin’ny 100 tapitrisa ny aina nafoy tamin’ny ady! Azo antoka fa anisan’ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy ireo porofo ireo.
Ny mosary nambaran’i Jesosy mialoha koa dia nandripaka tany maro be taorian’ny tsirairay avy tamin’ireo ady lehibe roa ireo. Na dia eo aza ireo fandrosoana ara-tsiansa, dia efa ho ny ampahefatr’izao tontolo izao no noana amin’izao andro izao. Isan-taona, dia ankizy an-tapitrisany maro sy hafa betsaka koa no maty noho ny faharatsian-tsakafo. Hoy ny The World Book Encyclopedia: “Zara raha manana sakafo ampy ho an’ny mponina ao aminy ny ankamaroan’ireo firenena eo an-dalam-pandrosoana any Afrika sy Azia ary Amerika Latina. An-tapitrisany maro any amin’ireo tany ireo no mosarena. Rehefa mitotongana tsy amin’ny antony ny famokarana na fanafarana sakafo, dia mety hamely ny mosary ary olona an’arivony maro na an-tapitrisany maro no mety ho faty.”
Namoizana aina maro be koa ny horohorontany nandritra ity taranaka manamarika ny “andro farany” ity. (Daniela 12:4). Miovaova ny tombantombana natao ny amin’ny loza vokatry ny horohorontany. Nefa hatramin’ny 1914, dia niitatra nanerana ny tany ny faharavana vokatry ny horohorontany, ary izany dia naka ain’olona ana hetsiny maro. Raha niresaka ny amin’ny roa monja tamin’izy ireny ny Yorkshire Post, tamin’ny 19 Oktobra 1989, dia nanambara toy izao: “Tamin’ny 1920, ny horohorontany iray tany amin’ny provans’i Jiangsu, any Shina, dia nahafaty olona 180 000, ary tamin’ny 28 Jolay 1976, i Shina dia nianjadian’ny horohorontany ratsy indrindra nisy teo amin’ny tantarany amin’ny andro ankehitriny. Fara fahakeliny, dia 240 000 no maty rehefa saika rava tanteraka noho ny horohorontany iray mirefy 7, 8 eo ho eo amin’ny fandrefesana Richter ny tanàna tany avaratra atsinanan’i Tangshan. Nanome lisitry ny horohorontany lehibe hafa maherin’ny 30 tao anatin’ny taonjato faha-20 ilay gazety.
Nambara mialoha ho iray amin’ireo lafin-javatra mahaforona ny famantarana ny fanatrehana tsy hita mason’i Jesosy koa ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Hoy izy tamin’ireo mpianany nanontany azy: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN). Araka ny nambaran’i Jesosy mialoha, dia tontosain’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 4 000 000 any amin’ny tany 212 manerana izao tontolo izao ankehitriny io asa fitoriana io.
Ny fahatanterahan’ireo sy ny faminaniana maro hafa ankehitriny dia manaporofo fa miaina amin’ny “andro farany” tokoa isika. (2 Timoty 3:1-5, MN). Efa eo anoloantsika ilay “fahoriana lehibe” nambaran’i Jesosy Kristy mialoha ihany koa. Ho tanteraka ao amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ao Haramagedona izy io, ary hamarana ity fandehan-javatra ratsy ankehitriny ity. (Matio 24:21; Apokalypsy 16:14-16). Hanjary zavatra tena hisy avy eo ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra.a
Fitahiana tsy azon’ny olombelona entina
Mirehareha ny amin’ny fandaharan-javatra vaovao iray haneran-tany araka ny iheveran’izy ireo azy manokana ireo mpitondra fanjakana. Nefa i Jehovah, ilay Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, dia tsy nangataka olombelona na oviana na oviana hanolo ny fandehan-javatra ankehitriny amin’ny tontolo vaovao iray. Izy mihitsy no hanao izany amin’ny andro sy ny ora izay tsy misy mahalala afa-tsy ny tenany ihany. (Matio 24:34, 36). Ny apostoly Jaona efa zokiolona dia nahazo fahitana mialoha toy izao ny amin’izay hataon’Andriamanitra fa tsy ny olombelona:
“Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny. Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra [tranolain’Andriamanitra, MN] dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” — Apokalypsy 21:1-5.
Ny “lanitra vaovao” dia ny Fanjakan’i Jesosy Kristy any an-danitra. Ny “tany vaovao” dia tsy bolantany hafa iray akory fa fitambaran’olona vaovao iray eto amin’ity planeta ity, ka izy rehetra dia vahoaka mankatòn’ny Fanjakan’i Kristy, tsy misy fizarazarana ara-pirazanana, na firenena na fiteny. (Ampitahao amin’ny Salamo 96:1.) Ny lanitra sy tany ara-panoharana ankehitriny, izany hoe ny fandehan-javatry ny Devoly sy ny rafi-pitondrany eo ambany hery mitaonan’i Satana sy ireo demoniany, dia hofongorana. (1 Jaona 5:19). Na dia ho tavela aza ny ranomasina ara-bakiteny, dia hanjavona kosa ny ranomasina ara-panoharana voaforon’ny olombelona misamboaravoara sady ratsy. Ireo mpiara-manapaka amin’i Jesosy any an-danitra no mahaforona an’i Jerosalema vaovao ary rehefa tafaray aminy, dia mahaforona fandaminana lehibe iray izay hanapaka ny fitambaran’ny olombelona marina. ‘Handrakotra amin’ny tranolainy’ ny olombelona mankatò Andriamanitra, sady hampihavanina tanteraka aminy amin’ny alalan’i Kristy izy ireo mandritra ny andro fitsarana arivo taona. — Apokalypsy 14:1-4; 20:6.
Hisy antony maro be tokony hahasambatra eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakana. Ny alahelo sy ny fitarainana ary ny fanaintainana vokatry ny aretina sy ny fahoriana ary ny toy izany dia ho zavatra efa lasa. Na dia ny fahafatesana izay nifindra tamin’ny taranak’olombelona avy amin’ny ray aman-drenintsika voalohany, i Adama mpanota, aza dia tsy hisy intsony. (Romana 5:12). Endrey izany fifaliana hanjaka rehefa ho foana mandrakizay io antony maneran-tany mahatonga ranomaso io!
Tsy olombelona mety maty fa Andriamanitra mihitsy no manome antoka ny amin’ireo fitahiana ireo. Izy no Ilay iray milaza hoe: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” Eny, mbola niteny toy izao tamin’ny apostoly Jaona koa i Jehovah Andriamanitra: “Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.”
Homena fahafahampo tanteraka ireo filàna fototra
Ao amin’ny tontolo vaovao haorin’Andriamanitra, dia ho tonga paradisa ny tany amin’ny farany. Azo antoka izany satria nampanantena toy izao ny jiolahy iray torotoro fo nohomboana teo anilany izy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio, hiaraka amiko ao amin’ny paradisa ianao.” (Lioka 23:43, MN). Eo anatin’ireo toe-piainana paradisa, dia homena amin’ny fomba feno ireo zavatra ilain’ny olombelona toy ny sakafo sy ny trano hipetrahana.
Amoizana ain’olona an-tapitrisany maro ny mosary amin’izao andro izao. Na dia tsara aza ny fiezahana mety hatao mba hamahanana ny noana, dia manakana ny olombelona tsy hahavaha ny olana toy izany ny fitiavan-karena sy ny antony maro hafa. Mitantara toy izao, ohatra, ny Saturday Star, gazety iray any Johannesburg, atsy Afrika Atsimo: “Ireo fifanoherana ara-politika sy ny fisondrotan’ny vidin-tsolitany sy ny karazany (carburants) ary ny faharerahana amin’ny ankapobeny miampy ireo fifandrafiana toa tsy hisy farany atỳ Afrika, dia mitambatra mba hampihemotra ny fotoam-panamaivanana (...) Atsy Soudan, iray amin’ireo tany iharam-pahavoazana indrindra, dia olona 5 tapitrisa ka hatramin’ny 6 tapitrisa no hiatrika tsy fahampian-tsakafo amin’ny taona 1991.” Hohadinoina anefa ny mosary ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakana, dia “hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.” — Salamo 72:16.
Zavatra hafa ilain’ny olombelona tsy ho hitan’ny maro mihitsy ny trano hipetrahana sahaza azy amin’izao androntsika izao. An-tapitrisany maro no mipetraka amina trano kely tsizarizary na tsy manan-kialofana mihitsy. Araka ny voalazan’ny The New York Times, any amin’ny tany tatsinanana iray, “ao amin’ny fikambanam-barotra iray momba ny elektirônika (...), dia mpiasa maro feno 20 taona no tsy manantena hahazo trano hipetrahana raha tsy afaka 73 taona”, ary milaza ny tatitra iray avy amin’ny fitondram-panjakana fa misy olona sasany tsy maintsy mipetraka amina “trano fitahirizana entana na birao na trano fivoahana mihitsy aza.” Nefa ho toy inona ny fahasamihafan-javatra ao amin’ny tontolo vaovao! Ao amin’ny paradisa ho avy, dia “hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.” — Isaia 65:21, 22.
Ho foana ireo zava-manahirana momba ny tontolo iainana ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Tsy hisy intsony ny fandrahonana ny fahasalamana sy ny fandotoana ny rivotra mahatonga fahasimban’ny voly. Tsy handrahona intsony amin’izany ny fandotoana sy ny fanimbana ny toerana iainana ataon’ny olona izay mampidi-doza ho an’ny karazan-javamaniry sy biby maro be ankehitriny. Ary tsy hampidi-doza ho an’ny fiainana eto an-tany ny anton-javatra toy ny fihenan’ny sosona ôzônina. Afaka mahazo antoka isika fa hamaha izany olana rehetra izany i Jehovah, satria manome antoka antsika ny Teniny fa tsy ho ela izy dia ‘hanimba izay manimba ny tany’. — Apokalypsy 11:18.
Ao amin’ny tontolo vaovao, dia ho zavatra efa lasa koa ny ady, nefa tsy hoe satria nahomby ireo mpitondra fanjakana tamin’ny fanafoanana ny fitaovam-piadian’ireo firenena. Andriamanitra kosa no hanao zavatra rehefa tsy nahomby ireo mpanapaka ara-politika. Hitondra fiadanana ho an’ny olombelona mpankatò mifandray amin’izao tenin’ny mpanao salamo izao izy: “Avia, jereo ny asan’i Jehovah, Izay mahatonga faharavana etỳ an-tany. Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy ary mandoro ny sariety amin’ny afo.” (Salamo 46:8, 9). Ao amin’ny tontolo vaovao efa antomotra dia antomotra nampanantenain’Andriamanitra, dia tsy hiady intsony ny olona fa hifaly amin’ny tena fiadanana sy filaminana. — Mika 4:2-4.
Ho ao ve ianao?
Afaka matoky ilay tontolo vaovao nampanantenain’i Jehovah Andriamanitra ianao. Tsy mandainga izy. (Hebreo 6:17, 18). Ny Teniny, ny Baiboly, dia marina, ary tanteraka foana izay ampanantenainy. — Jaona 17:17.
Ny vaovao tsara momba ireo fitahiana mahatalanjona ho an’ny olombelona mpankatò no iezahan’ny Vavolombelon’i Jehovah zaraina amin’ny olona tso-po rehetra. Tokony hanao fiezahana ianao izao mba hahazo fahalalana momba ny fikasan’Andriamanitra, ary hanao zavatra mifanaraka amin’ireo fampanantenana kanto hita ao amin’ny Soratra masina. Izany lalana izany dia hitondra ho amin’ny fiainana tsy hanam-pahataperana, satria hoy i Jesosy: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Hanana tombontsoa àry ianao hiaina ny fotoam-pifaliana eo anoloanao, satria antomotra ny tontolo vaovaon’Andriamanitra!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny toko faha-17 sy faha-18 amin’ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.