LAHATSORATRA FIANARANA 46
Manome Antoka i Jehovah fa Hisy ny Paradisa
‘Izay mangataka fitahiana ho an’ny tenany eny ambonin’ny tany, dia hotahin’ilay Andriamanitry ny fahamarinana.’—ISAIA 65:16.
HIRA 3 Ianao no Tokinay
HO HITANAO ATO:a
1. Inona ny hafatra nampitain’i Isaia ho an’ny Israelita?
NILAZA i Isaia mpaminany fa “Andriamanitry ny fahamarinana” i Jehovah. Ilay teny nadika hoe “fahamarinana” dia midika ara-bakiteny hoe “amena.” (Isaia 65:16, f.a.p.) Ilay hoe “amena” kosa midika hoe “ho tanteraka anie izany” na “ho izany tokoa anie.” Rehefa mifandray amin’i Jehovah sy Jesosy no ampiasana an’ilay hoe “amena” ao amin’ny Baiboly, dia antoka izany hoe marina ny zavatra iray. Mazava àry ny hafatra tian’i Isaia hampitaina amin’ny Israelita hoe: Azo itokisana foana izay lazain’i Jehovah mialoha. Noporofoin’i Jehovah izany rehefa notanterahiny ny fampanantenany tsirairay.
2. Nahoana isika no afaka matoky ny fampanantenan’i Jehovah momba ny hoavintsika, ary inona no hodinihintsika ato?
2 Afaka matoky ny fampanantenan’i Jehovah momba ny hoavintsika koa ve isika? Nanazava ny apostoly Paoly hoe nahoana no azo itokisana foana ny fampanantenan’Andriamanitra. Izao no nolazainy, efa ho 800 taona taorian’ny andron’i Isaia: “Tsy hain’Andriamanitra andaingana” izany. (Heb. 6:18) Ny loharano iray izao tsy afaka mamoaka rano mamy no sady mamoaka rano masira. Hoatr’izany koa i Jehovah, ilay Loharanon’ny fahamarinana. Tsy afaka mandainga izy. Afaka matoky tanteraka ny zavatra tsirairay lazain’i Jehovah àry isika, anisan’izany ny fampanantenany rehetra momba ny hoavintsika. Handinika an’ireto isika ato: Inona no nampanantenain’i Jehovah hoe homeny antsika amin’ny hoavy? Inona no antoka nomeny fa ho tanteraka ny fampanantenany?
INONA NO AMPANANTENAIN’I JEHOVAH?
3. a) Inona ilay fampanantenana tena tian’ny mpanompon’Andriamanitra? (Apokalypsy 21:3, 4) b) Ahoana no ataon’ny sasany rehefa maheno an’io fampanantenana io?
3 Tena tian’ny mpanompon’Andriamanitra eran-tany ilay fampanantenana hodinihintsika. (Vakio ny Apokalypsy 21:3, 4.) Mampanantena i Jehovah hoe indray andro any, dia “tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” Betsaka amintsika no mampiasa an’io andinin-teny mampahery momba ny fiainana any amin’ny Paradisa io rehefa mitory. Ahoana no ataon’ny olona rehefa resahintsika aminy io fampanantenana io? Mety hisy hiteny hoe: “Tsara loatra izany ka sarotra inoana.”
4. a) Inona no fantatr’i Jehovah sy hitany mialoha? b) Inona koa no nataon’i Jehovah ankoatra an’ilay hoe mampanantena?
4 Nasain’i Jehovah nosoratan’ny apostoly Jaona ilay fampanantenana momba ny fiainana ao amin’ny Paradisa. Mazava ho azy fa tamin’izany dia efa fantatr’i Jehovah hoe hiresaka an’io fanantenana io amin’ny olona isika, rehefa mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. Efa hainy koa hoe ho sarotra amin’ny olona maro ny hino an’ilay fampanantenana hoe hisy “zava-baovao.” (Isaia 42:9; 60:2; 2 Kor. 4:3, 4) Inona àry no azontsika atao mba hahatonga antsika sy ny olon-kafa hatoky hoe tena hisy ilay fitahiana resahin’ny Apokalypsy 21:3, 4? Andao isika handinika an’izany. Tsy vitan’ny hoe manohina ny fo mantsy ilay fampanantenana avy amin’i Jehovah, fa nomeny antony marim-pototra koa isika mba hahatonga antsika hatoky an’ilay izy.
MANOME ANTOKA I JEHOVAH
5. Inona avy ny antony mahatonga antsika hatoky an’ilay Paradisa ampanantenain’Andriamanitra? Aiza no misy an’ireo antony ireo?
5 Ao amin’ny andininy manaraka no misy an’ireo antony mahatonga antsika hatoky an’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hisy Paradisa. Izao no voalaza ao: “Hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana: ‘Ataoko vaovao ny zava-drehetra.’ Hoy koa izy: ‘Soraty fa azo antoka sady marina ireo teny ireo.’ Hoy ihany izy tamiko: ‘Efa tanteraka izany! Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana.’”—Apok. 21:5, 6a.
6. Nahoana ny Apokalypsy 21:5, 6 no vao mainka mahatonga antsika hatoky ny fampanantenan’Andriamanitra?
6 Fa maninona ireo andininy ireo no mahatonga antsika hatoky kokoa ny fampanantenan’Andriamanitra? Izao no resahin’ny boky Apokalypsy momba an’izany: “Toy ny hoe manao sonia antoka iray i Jehovah, momba ireo fitahiana ho avy ireo.”b Voasoratra ao amin’ny Apokalypsy 21:3, 4 ilay fampanantenan’Andriamanitra. Hoatran’ny manao sonia i Jehovah avy eo, eo amin’ny andininy faha-5 sy faha-6 mba hanomezana antoka hoe tena ho tanteraka ny fampanantenany. Andao hohalalinintsika ny teny nampiasain’i Jehovah ao amin’io antoka io.
7. Inona no mampiavaka ny fiantombohan’ilay antoka, ary nahoana izany no zava-dehibe?
7 Izao no fiantombohan’ilay antoka avy amin’Andriamanitra: “Hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana.” (Apok. 21:5a) Intelo ihany ny bokin’ny Apokalypsy no milaza hoe miteny ao anatina fahitana i Jehovah, ary iray amin’izany izy io. Tsy anjely mahery àry na hoe i Jesosy natsangana tamin’ny maty no nanome an’ilay antoka, fa i Jehovah mihitsy! Miharihary amin’izany fa tena azo antoka izay holazainy aorian’izay. Fa maninona? Satria i Jehovah “tsy mahay mandainga.” (Tit. 1:2) Izany no manaporofo fa azo itokisana tanteraka izay voalazan’ny Apokalypsy 21:5, 6.
“ATAOKO VAOVAO NY ZAVA-DREHETRA”
8. Ahoana no anasongadinan’i Jehovah hoe azo itokisana ny fampanantenany? (Isaia 46:10)
8 Izao no resahin’ilay andininy avy eo: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.” (Apok. 21:5b) Marina hoe zavatra mbola amin’ny hoavy no lazain’i Jehovah eo, fa aminy anefa dia tena azo antoka io fampanantenana io ka ataony hoatran’ny hoe efa mitranga mihitsy ilay izy.—Vakio ny Isaia 46:10.
9. a) Inona ireo zavatra roa ataon’i Jehovah mba hanatanterahana an’ilay hoe “ataoko vaovao ny zava-drehetra”? b) Hatao ahoana ilay “lanitra” sy “tany” amin’izao?
9 Zavatra roa ataon’i Jehovah no tiana horesahina amin’ilay hoe “ataoko vaovao ny zava-drehetra”, ao amin’io toko io. Inona avy izany? Manolo sy manavao. Fa inona aloha ilay hosoloan’i Jehovah? Izao no resahin’ny Apokalypsy 21:1: “Efa lasa ny lanitra taloha sy ny tany taloha.” Ny fitondram-panjakana fehezin’i Satana sy ny demoniany no tiana holazaina amin’ilay hoe “lanitra taloha.” (Mat. 4:8, 9; 1 Jaona 5:19) Azo ilazana ny mponina etỳ an-tany kosa ilay hoe “tany” ao amin’ny Baiboly. (Gen. 11:1; Sal. 96:1) Ny olombelona ratsy fanahy amin’izao àry ilay hoe “tany taloha.” Tsy hoe hanamboatra na hanatsara ny “lanitra” sy “tany” amin’izao fotsiny i Jehovah, fa hesoriny tanteraka mihitsy ireny dia hosoloany. Hosoloany “lanitra vaovao sy tany vaovao” ilay lanitra sy tany amin’izao, izany hoe hosoloany fanjakana vaovao sy vahoaka vaovao.
10. Inona no hataon’i Jehovah vaovao?
10 Hitantsika ao amin’ny Apokalypsy 21:5 avy eo ilay zavatra lazain’i Jehovah hoe hataony vaovao. Mariho fa tsy nilaza izy hoe: “Manao ny zavatra vaovao rehetra aho”, fa izao kosa no nolazainy: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.” Hataon’i Jehovah hoatran’ny hoe vaovao ny tany sy ny olombelona, satria haveriny ho lavorary. Ho lasa zaridaina tsara tarehy mitovy amin’i Edena ny tany manontolo, araka ny efa nolazain’i Isaia mialoha. Hoatran’ny hoe hataon’i Jehovah vaovao koa isika satria hositraniny isika tsirairay, anisan’izany ny malemy, ny jamba, ny marenina, ary na ny maty aza hatsangany.—Isaia 25:8; 35:1-7.
“AZO ANTOKA SADY MARINA IREO TENY IREO. ... EFA TANTERAKA IZANY!”
11. Inona ilay didy nomen’i Jehovah an’i Jaona, ary inona no antony?
11 Tsy izay ihany ny antoka omen’i Jehovah. Izao no nolazainy tamin’i Jaona: “Soraty fa azo antoka sady marina ireo teny ireo.” (Apok. 21:5) Tsy nanome baiko fotsiny i Jehovah hoe “soraty.” Nolazainy koa ny antony tokony hanaovana an’izany: “Fa azo antoka sady marina ireo teny ireo.” Midika izany fa azo itokisana sy marina tsara ny tenin’Andriamanitra. Soa ihany i Jaona fa nankatò an’ilay didy hoe “soraty.” Lasa afaka mamaky an’ilay fampanantenana Paradisa nomen’Andriamanitra mantsy isika, sady afaka misaintsaina ny fitahiana tsara be miandry antsika.
12. Maninona no mety tsara raha milaza i Jehovah hoe “Efa tanteraka izany!”
12 Izao no lazain’Andriamanitra aorian’izay: “Efa tanteraka izany!” (Apok. 21:6) Fa maninona i Jehovah no milaza fa hoatran’ny hoe efa tanteraka daholo ny fampanantenany momba ny Paradisa? Mety tsara raha milaza an’izany izy, satria tsy misy mahasakana azy tsy hanatanteraka ny fikasany. Misy toky ngezabe momba an’ilay fampanantenany koa omeny antsika ao amin’io antoka io. Inona izany?
“IZAHO NO ALFA SY OMEGA”
13. Nahoana i Jehovah no nilaza hoe: “Izaho no Alfa sy Omega”?
13 Efa noresahintsika terỳ aloha hoe intelo i Jehovah no niteny tao amin’ny fahitana nomeny an’i Jaona. (Apok. 1:8; 21:5, 6; 22:13) Nilaza foana izy tamin’ireo fotoana ireo hoe: “Izaho no Alfa sy Omega.” Alfa no voalohany amin’ny abidy grika, ary omega no farany. Inona àry no tian’i Jehovah holazaina tamin’ilay hoe izy no “Alfa sy Omega”? Hoe rehefa manomboka zavatra iray izy, dia vitainy hatramin’ny farany izany.
14. a) Oviana i Jehovah no toy ny nilaza hoe “Alfa”, ary rahoviana izy no toy ny hilaza hoe “Omega”? b) Inona ny antoka ao amin’ny Genesisy 2:1-3?
14 Rehefa avy namorona an’i Adama sy Eva i Jehovah, dia nolazainy ny fikasany momba ny olombelona sy ny tany. Izao no resahin’ny Baiboly: ‘Nitso-drano azy ireo Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: “Miteraha maro, dia mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.”’ (Gen. 1:28) Hoatran’ny nilaza i Jehovah tamin’izay hoe “Alfa.” Noteneniny mazava tsara mantsy ny fikasany hoe: Hisy olombelona lavorary sy mankatò taranak’i Adama sy Eva hameno ny tany, ary hanova azy io ho Paradisa. Rehefa tonga izay fotoana izay, dia hoatran’ny hilaza indray i Jehovah hoe “Omega.” Nanome antoka ny amin’izany izy, taorian’ny namoronany “ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra eo aminy.” Ao amin’ny Genesisy 2:1-3 no misy an’izany. (Vakio.) Nolazain’i Jehovah hoe masina ny andro fahafito. Inona no dikan’izany? Hoe natokany mba hanatanterahana ny fikasany momba ny olombelona sy ny tany io andro io. Rehefa nilaza àry izy hoe masina izy io, dia antoka avy aminy izany fa ho tanteraka an-tsakany sy an-davany izay nokasainy amin’ny faran’ny andro fahafito.
15. Nahoana no hoatran’ny hoe vitan’i Satana ny nandrava ny fikasan’Andriamanitra?
15 Lasa mpanota i Adama sy Eva rehefa avy nikomy, ka nandova ota sy fahafatesana ny taranany. (Rom. 5:12) Toa vitan’i Satana ny nandrava ny fikasan’Andriamanitra hoe hofenoiny olombelona lavorary sy mankatò ny tany. Hoatran’ny hoe vitany àry ny nampangina an’i Jehovah mba tsy hitenenany mihitsy hoe “Omega.” Mety ho nieritreritra izy hoe tsy hahita vahaolana firy Andriamanitra, ka ny hamono an’i Adama sy Eva angamba no azony atao, dia hamorona mpivady hafa lavorary mba hanatanterahana an’ilay fikasany. Raha nanao an’izany anefa i Jehovah, dia ho nendrikendrehin’ny Devoly ho mpandainga. Fa maninona? Satria nilaza tamin’i Adama sy Eva i Jehovah ao amin’ny Genesisy 1:28 hoe ny taranak’izy ireo no hameno ny tany.
16. Nahoana i Satana no mety ho nieritreritra hoe azony nendrikendrehina ho tsy mahavita azy i Jehovah?
16 Inona indray no vahaolana hafa mety ho noeritreretin’i Satana hoe hitan’Andriamanitra? Mety ho nieritreritra izy hoe havelan’i Jehovah hiteraka olombelona mpanota i Adama sy Eva, nefa tsy afaka ny ho lavorary intsony ry zareo. (Mpito. 7:20; Rom. 3:23) Raha izay indray anefa no nitranga, dia ho nendrikendrehin’ny Devoly i Jehovah hoe tsy mahavita azy. Fa maninona? Satria io vahaolana iray io tsy hahavita hanatanteraka an’ilay fikasan’Andriamanitra hoe hofenoina olombelona lavorary sy mankatò taranak’i Adama sy Eva ny tany paradisa.
17. Ahoana no nandaminan’i Jehovah ny fikomian’i Satana sy ny an’ny olombelona voalohany, ary inona no ho vokatr’izany amin’ny farany? (Jereo koa ny sary.)
17 Tsy nahateny intsony angamba i Satana rehefa nahita ny fomba nandaminan’i Jehovah ny fikomiany sy ny an’ny olombelona voalohany. (Sal. 92:5) Noporofoin’i Jehovah mantsy hoe tsy mpandainga izy, ka navelany hanan-janaka i Adama sy Eva. Nasehony koa fa tsy hoe tsy mahavita azy izy, fa mandresy foana. Notanterahiny foana ny fikasany, ka nataony izay hisian’ny ‘taranaka’ iray hamonjy ny olombelona mankatò avy amin’ny taranak’i Adama sy Eva. (Gen. 3:15; 22:18) Tsy maintsy hoe nampiaiky an’i Satana ilay vidim-panavotana avy amin’i Jehovah! Fa maninona? Satria be fitiavana i Jehovah sady tsy tia tena matoa nanome azy io. (Mat. 20:28; Jaona 3:16) Tsy manana an’izany toetra izany i Satana. Inona àry no hitranga noho iny vidim-panavotana iny? Rehefa tapitra ny Fanjakana Arivo Taona, dia olombelona lavorary sy mankatò taranak’i Adama sy Eva no hipetraka eto amin’ny tany paradisa, araka ilay nokasain’i Jehovah tamin’ny voalohany mihitsy. Hoatran’ny hiteny i Jehovah amin’izay hoe “Omega.”
MIEZAHA HATOKY KOKOA AN’ILAY PARADISA AMPANANTENAIN’I JEHOVAH
18. Inona ireo toky telo nomen’Andriamanitra antsika? (Jereo koa ilay hoe “Antony Telo Atokisantsika ny Fampanantenan’i Jehovah.”)
18 Raha izay àry no jerena, dia inona no azontsika lazaina mba hahatonga an’izay misalasala hatoky hoe tena ho tanteraka ilay Paradisa ampanantenain’Andriamanitra? Voalohany, i Jehovah mihitsy no nilaza an’ilay fampanantenana. Izao no resahin’ny Apokalypsy: “Hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana: ‘Ataoko vaovao ny zava-drehetra.’” Ananan’i Jehovah na ny fahendrena, na ny hery, na ny faniriana ilaina mba hanatanterahana an’io fampanantenana io. Faharoa, tena azo antoka hoe ho tanteraka ilay fampanantenany, ka hoatran’ny hoe efa mitranga mihitsy ilay izy amin’i Jehovah. Mety tsara àry raha niteny izy hoe: “Azo antoka sady marina ireo teny ireo. ... Efa tanteraka izany!” Fahatelo, rehefa manomboka zavatra iray i Jehovah, dia vitainy hatramin’ny farany iny. Manamafy an’izany ilay hoe: “Izaho no Alfa sy Omega.” Hoporofoin’i Jehovah fa i Satana no tena mpandainga sy tsy mahavita azy!
19. Inona no azonao atao rehefa misy misalasala momba an’ilay Paradisa ampanantenain’Andriamanitra?
19 Tadidio hoe isaky ny hampahafantarinao amin’ny olona eny amin’ny fanompoana ilay antoka avy amin’Andriamanitra, dia vao mainka ianao matoky ny fampanantenany. Ahoana raha mamaky an’ilay fampanantenana mampahery momba ny Paradisa ao amin’ny Apokalypsy 21:4 ianao amin’ny manaraka, dia misy miteny hoe: “Tsara loatra izany ka sarotra inoana”? Ahoana no havalinao? Maninona raha vakina sy hazavaina aminy ny andininy faha-5 sy faha-6? Asehoy azy fa hoatran’ny hoe nanao sonia mihitsy i Jehovah mba ho antok’ilay fampanantenany.—Isaia 65:16.
HIRA 145 Mampanantena Paradisa Andriamanitra
a Hodinihintsika ato ny antoka nomen’i Jehovah mba hahatonga antsika hatoky hoe tena hisy ilay Paradisa ampanantenainy. Vao mainka isika matoky ny fampanantenany isaky ny mampahafantatra amin’ny hafa an’ilay antoka nomeny.
b Jereo ilay boky hoe Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka! p. 303, feh. 8-9.