Fandraisan-tsoa Amin’ny “Varin’ny Lanitra”
NAFAHANA tamin’ny fomba mahagaga avy tany Ejipta ny Isiraelita. Fotoana fohy taorian’izay, dia nampiseho tsy fahampiam-pinoana lehibe an’i Jehovah Mpanafaka azy, izy ireo. Vokatr’izany, dia nampirenireny azy ireo tany an’efitr’i Sinay, nandritra ny 40 taona, i Jehovah. Nandritra izany fotoana rehetra izany, ny Isiraelita sy ireo vahiny “maro samy hafa firenena” niaraka tamin’izy ireo dia nihinana sy nisotro ka ‘voky’ tokoa. (Eksodosy 12:37, 38). Lazain’ny Salamo 78:23-25 amintsika hoe ahoana no netezan’izany: “Nandidy ny rahona tany ambony Izy [Jehovah], ary ny varavaran’ny lanitra no novohany, dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin’ny lanitra no nomeny azy. Ny fihinan’ny mahery no nohanin’ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.”
Anisan’ny nihinana tamin’ilay mana i Mosesy, ka nolazalazainy ny amin’io sakafo tsy manam-paharoa io. Nosoratany fa tamin’ny maraina, nony “niala ny ando, dia, (...) nisy zava-madinika boribory teny amin’ny efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany. Ary rehefa hitan’ny Zanak’Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony?”, na hoe “man huʼ?” (NW, fanamarihana ambany pejy), raha lazaina ara-bakiteny amin’ny teny hebreo. Azo inoana fa io teny io no niandohan’ilay teny hoe “Mana”, anarana nomen’ireo Isiraelita ilay sakafo. Hoy i Mosesy: “Tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely.” — Eksodosy 16:13-15, 31.
Tsy araka ny filazan’ny sasany, fa tsy sakafo vokatry ny asan’ny natiora akory ny mana. Hery tsy araka ny lalàn’ny natiora no nandray anjara tamin’ny nanomezana azy io. Tsy voafetra, ohatra, ny toerana na ny fizaran-taona, nisian’izy io. Niteraka olitra sy nanomboka maimbo izy io raha notahirizina niloaka alina. Ilay anjara avo roa heny nangonin’ny fianakaviana tsirairay tamin’ny andro talohan’ny Sabata isan-kerinandro anefa, dia tsy simba na dia niloaka alina aza, hany ka azo nohanina tamin’ny Sabata — ilay andro tsy nisian’ny mana. Azo antoka fa fandaharana mahagaga ny mana. — Eksodosy 16:19-30.
Ny firesahana momba ny “mahery” na “anjely”, ao amin’ny Salamo 78, dia toa manondro fa nety ho nampiasa anjely i Jehovah rehefa nanome ny mana. (Salamo 78:25, NW, fanamarihana ambany pejy). Na ahoana na ahoana, dia nanana ny antony rehetra tokony hisaorana an’Andriamanitra noho ny hatsaram-panahiny, ilay vahoaka. Ny ankamaroany anefa dia tsy nampiseho fankasitrahana an’Ilay nanafaka azy ireo avy tamin’ny fahandevozana tany Ejipta. Isika koa dia mety tsy hanisy vidiny firy ireo fandaharana nataon’i Jehovah, na hanjary tsy hanana fankasitrahana mihitsy aza, raha toa isika ka tsy misaintsaina momba ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana. Koa afaka ny ho velom-pankasitrahana àry isika, satria nampidirin’i Jehovah ho “fianarantsika” io fitantarana momba ny nanafahana ny Isiraelita io, sy ireo fisehoan-javatra nanaraka izany. — Romana 15:4.
Andraisan’ny Kristianina soa ny lesona iray nomena ny Isiraely
Rehefa nanome ny mana i Jehovah, dia tsy ny fanomezana fahafaham-po tamin’ny zavatra nilain’ireo Isiraelita tokony ho telo tapitrisa fotsiny akory no tao an-tsainy, fa nisy zavatra hafa koa. Ta ‘hampanetry tena azy ireo sy hizaha toetra azy ireo’ izy mba hanadiovana sy hifehezana azy ireo, ka handraisan’izy ireo soa. (Deoteronomia 8:16; Isaia 48:17). Raha nandray tsara izany fanadiovana sy fifehezana izany izy ireo, dia ho faly ‘hanisy soa azy ireo i Jehovah any am-parany’, ka hanome azy ireo fiadanana sy fanambinana ary fahasambarana, ao amin’ilay Tany Nampanantenaina.
Ny zava-dehibe iray nilaina nianaran’izy ireo dia ny hoe “tsy mofo ihany no iveloman’ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona”. (Deoteronomia 8:3). Ho faty mosary ilay vahoaka raha tsy nandidy ny hilatsahan’ny mana i Jehovah. Niaiky avy hatrany ny amin’izany izy ireo. (Eksodosy 16:3, 4). Ireo Isiraelita velom-pankasitrahana dia nahazo fampahatsiahivana isan’andro ny amin’ny hoe nila niankina tanteraka tamin’i Jehovah izy ireo. Voatosika hanetry tena izy ireo, noho izany. Rehefa tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina izay heniky ny zavatra ara-nofo izy ireo, dia tsy azo inoana loatra ny hanadinoany an’i Jehovah sy ilay niankinany taminy.
Tahaka ireo Isiraelita, ny Kristianina dia tsy maintsy mahatsiaro hatrany fa mila miankina amin’Andriamanitra izy ireo mba hahazoana ireo zavatra ilainy eo amin’ny fiainana, na ara-batana izany na ara-panahy. (Matio 5:3; 6:31-33). Ho setrin’ny iray tamin’ireo fakam-panahy nentin’ny Devoly, i Jesosy Kristy dia nanonona ireo tenin’i Mosesy, hita ao amin’ny Deoteronomia 8:3, ka nanao hoe: “Voasoratra hoe: ‘Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra’.” (Matio 4:4). Eny, mivelona amin’ny famakiana ireo fanambaran’i Jehovah hita ao amin’ny Teniny, ireo mpivavaka marina amin’Andriamanitra. Fanampin’izany, dia mihamatanjaka ny finoan’izy ireo rehefa tsapany eo amin’ny fiainany ireo voka-tsoa entin’ireny fanambaran’Andriamanitra ireny, raha mbola miara-mandeha amin’Andriamanitra sy mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany koa izy ireo.
Ny olombelona tsy lavorary dia mety tsy hankasitraka intsony ireo zavatra efa zary fahazarana eo amin’ny fiainana, na dia taratry ny fiahian’i Jehovah amim-pitiavana aza ireny zavatra ireny. Ohatra, ny nanomezana ny mana tamin’ny fomba mahagaga, dia sady nahazendana ireo Isiraelita no nahafa-po azy ireo tany am-boalohany. Maro tamin’izy ireo anefa no nitaraina, arakaraka ny fandehan’ny fotoana. “Mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony”, hoy ny fimonomononan’izy ireo tsy nisy fanajana. Nilaza izany fa nanomboka ‘niala tamin’Andriamanitra velona’ izy ireo. (Nomery 11:6; 21:5; Hebreo 3:12). “Fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao” àry ny ohatr’izy ireo. — 1 Korintiana 10:11.
Ahoana no ahafahantsika mandray am-po an’io ohatra fampitandremana io? Izao no fomba iray: Tsy avelantsika na oviana na oviana hanjary ho zava-mahazatra na zavatra tsy manaitra intsony ireo fampianaran’ny Baiboly na ireo fandaharana raisintsika amin’ny alalan’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina. (Matio 24:45). Raha vao manomboka tsy manisy vidiny firy ireo fanomezan’i Jehovah isika na manjary tsy liana amin’izy ireny, dia efa manomboka mihamangatsiaka izay ny fifandraisantsika aminy.
Misy antony tsara matoa i Jehovah tsy manototra antsika tsy an-kijanona amin’ny zava-baovao mampientam-po. Mandefa miandalana fahazavana mihamitombo kosa izy, momba ny Teniny. (Ohabolana 4:18). Izany dia mamela ny vahoakany handray tsara ireo zavatra nianarany sy hampihatra izany. Nanaraka ny ohatry ny Rainy i Jesosy rehefa nampianatra ireo mpianany tany am-boalohany. I Jesosy tokoa mantsy dia nanazava ny Tenin’Andriamanitra tamin’izy ireo “araka izay hainy hohenoina”, na araka izay “takany”, araka ny ilazan’ny fandikan-teny sasany azy. — Marka 4:33; ampitahao amin’ny Jaona 16:12.
Ampitomboy ny fankasitrahanao ireo fandaharana nataon’Andriamanitra
Nampiasa famerimberenana koa i Jesosy. Mazava ho azy fa ny saina dia mety hahatakatra avy hatrany hevitra iray — foto-pitsipika ara-baiboly, ohatra. Mety hitaky fotoana lava kokoa anefa ny fandraisana izany ao am-po sy ny fanaovana izany ho anisan’ilay “toetra vaovao” kristianina, indrindra fa raha efa lalim-paka ireo fomba sy fihetsika taloha araka an’izao tontolo izao. (Efesiana 4:22-24). Izany tokoa no nitranga tamin’ireo mpianatr’i Jesosy, raha ny amin’ny fandresena ny fiheveran-tena ho zavatra, sy ny fambolena fanetren-tena. Voatery nampianatra azy ireo imbetsaka mahakasika ny fanetren-tena i Jesosy, ka io hevitra fototra io ihany no nasehony tamin’ny fomba samy hafa, isaky ny nandeha, mba hampilentika tsara ilay fianarana, ary izany tokoa no nitranga, tatỳ aoriana. — Matio 18:1-4; 23:11, 12; Lioka 14:7-11; Jaona 13:5, 12-17.
Amin’izao andro ankehitriny izao, dia manaraka ny ohatr’i Jesosy ireo fivoriana kristianina sy ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower, ka mampiasa famerimberenana voahevitra tsara. Koa aoka àry isika hankasitraka izany ho toy ny fisehoan’ny fiahian’Andriamanitra antsika amim-pitiavana, ary aoka tsy hankaleo antsika na oviana na oviana ny zavatra raisintsika, toy ny nahaleon’ny mana ireo Isiraelita. Eny tokoa, rehefa milofo amim-paharetana mandray ireo fampahatsiahivana omen’i Jehovah tsy tapaka isika, dia hahita vokany tsara dia tsara eo amin’ny fiainantsika. (2 Petera 3:1). Izany fihetsika feno fankasitrahana izany dia tena mampiseho fa “mahalala” ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra isika, ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika. (Matio 13:15, 19, 23). Amin’izany lafiny izany, dia ohatra tsara dia tsara ho antsika i Davida mpanao salamo, izay, na dia tsy nanana ireo sakafo ara-panahy isan-karazany raisintsika amin’izao andro izao aza, dia nilazalaza ny lalàn’i Jehovah ho “mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra”! — Salamo 19:10.
“Mana” manome fiainana mandrakizay
“Izaho no mofon’aina”, hoy i Jesosy tamin’ny Jiosy. “Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany. (...) Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; (...) ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” (Jaona 6:48-51). Ny mofo na mana ara-bakiteny dia sady tsy nanome fiainana mandrakizay no tsy afaka manome izany rahateo. Ireo maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy anefa, dia hahazo fitahiana amin’ny farany, dia ny fiainana mandrakizay. — Matio 20:28.
Ny ankamaroan’ireo mandray soa amin’ny soron’i Jesosy dia hiaina mandrakizay eto amin’ny tany ho zary paradisa. Ny “olona betsaka” anisan’izy ireo, izay naseho tandindona tamin’ireo vahiny “maro samy hafa firenena” niaraka tamin’ny Isiraelita, tamin’ilay fifindrany rodobe avy tany Ejipta, dia ho tafita velona amin’ilay “fahoriana lehibe” ho avy, izay hanaisotra amin’ny tany ny faharatsiana rehetra. (Apokalypsy 7:9, 10, 14; Eksodosy 12:38). Valisoa lehibe lavitra no azon’ireo nanana ny Isiraelita ho tandindona. Nolazalazain’ny apostoly Paoly ho mahaforona ny Isiraelin’Andriamanitra ara-panahy izy ireo, izay miisa 144 000. Ny fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana any an-danitra no valisoan’izy ireo eo amin’ny fahafatesany. (Galatiana 6:16; Hebreo 3:1; Apokalypsy 14:1). Homen’i Jesosy karazana mana manokana izy ireo any.
Ny hevitra fonosin’ilay “mana miafina”
“Izay maharesy dia homeko mana miafina”, hoy i Jesosy natsangana tamin’ny maty, tamin’ny Isiraely ara-panahy. (Apokalypsy 2:17). Io mana miafina ara-panoharana io dia mampahatsiahy ilay mana nandidian’Andriamanitra an’i Mosesy mba hotahirizina tao anaty vilany volamena, tao anatin’ilay fiaran’ny fanekena masina. Notahirizina tao amin’ny Masina Indrindra tamin’ny tabernakely io Fiara io. Nitoetra ho tsy taza-maso izy io tao, azo lazaina hoe niafina. Notahirizina mba ho fahatsiarovana io santionana mana io, ary tsy nety simba izy io raha mbola tao anatin’ilay Fiara koa. Sary tena nety mba hampisehoana sakafo tsy mety simba àry izy io. (Eksodosy 16:32; Hebreo 9:3, 4, 23, 24). Ny fanomezan’i Jesosy an’ilay mana miafina, ho an’ireo 144 000, dia fanomezany antoka fa hahazo ny tsy fahafatesana sy ny tsy fahalovana izy ireo, amin’ny maha zanak’Andriamanitra ara-panahy azy ireo. — Jaona 6:51; 1 Korintiana 15:54.
“Ao aminao [Jehovah] no misy loharanon’aina”, hoy ny mpanao salamo. (Salamo 36:9). Manamafy tsara izany fahamarinana fototra izany ny fanomezana mana, na mana ara-bakiteny izany na ara-panoharana! Ilay mana nomen’Andriamanitra ny Isiraely fahiny, sy ilay mana ara-panoharana tamin’ny endriky ny nofon’i Jesosy izay nomeny ho antsika, ary ilay mana miafina ara-panoharana nomen’Andriamanitra ireo 144 000, tamin’ny alalan’i Jesosy, dia samy mampahatsiahy antsika rehetra fa mila miankina tanteraka amin’Andriamanitra isika mba hahazoana fiainana. (Salamo 39:5, 7). Aoka hekentsika hatrany amim-panetren-tena fa mila miankina aminy isika mba hahazoana fiainana. I Jehovah kosa dia ‘hanisy soa antsika any am-parany’. — Deoteronomia 8:16.
[Sary, pejy 26]
Miankina amin’ilay “mofo velona nidina avy tany an-danitra” ny fahazoan’ny olombelona rehetra fiainana mandrakizay
[Sary, pejy 28]
Taratry ny fankasitrahantsika ireo fampahatsiahivan’i Jehovah ny fanatrehana ny fivoriana kristianina rehetra