Toko 39
Mandresy Amin’ny Hara-magedona Ilay Mpanjaka Mpiady
Fahitana 13—Apokalypsy 19:11-21
Foto-kevitra: Mitarika ny tafiky ny lanitra i Jesosy, mba handringana ny tontolon’i Satana
Fotoana fahatanterahany: Aorian’ny fandravana an’i Babylona lehibe
1. Inona no dikan’ilay teny hoe Hara-magedona, ary inona no hitranga alohan’izy io?
MAMPIHORON-KODITRA ny olona ny teny hoe Hara-magedona, fa ho an’ireo tia ny fahamarinana kosa, dia andro nandrasany hatry ny ela io, hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarana farany amin’ireo firenena. Tsy adin’ny olombelona izy io, fa “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra”, hamaliany ny mpitondra eto an-tany. (Apokalypsy 16:14, 16; Ezekiela 25:17) Hanomboka ny fahoriana lehibe, rehefa horavana i Babylona Lehibe. Avy eo dia hanafika ny vahoakan’i Jehovah ilay bibidia mena midorehitra sy ny tandrony folo, noho ny fampirisihan’i Satana. Tezitra mafy amin’ilay vehivavy, na ny fandaminan’Andriamanitra, ny Devoly ka hampiasa an’ireo voafitany mba hiady hatramin’ny farany amin’ny sisa amin’ny taranak’ilay vehivavy. (Apokalypsy 12:17) Izay no fotoana azony hararaotina farany hiadiana amin’ny taranak’ilay vehivavy!
2. Iza i Goga avy any Magoga, ary inona no ataon’i Jehovah hitaomana azy hanafika ny vahoakany?
2 Mitantara ny fanafihan’ny Devoly ny Ezekiela toko faha-38. Antsoina hoe “Goga avy any amin’ny tany Magoga” i Satana ao. Toy ny hoe manisy faraingo eo amin’ny valanoranon’i Goga i Jehovah, ary mitarika azy sy ny tafiny hiady. Ataony mantsy izay hiheveran’i Goga ny Vavolombelony ho toy ny vahoaka tsy manam-piarovana, izay “nangonina avy tany amin’ny jentilisa sady nihary omby sy fananana, dia ireo mitoetra ao amin’ny foi-ben’ny tany.” Toy ny hoe eo afovoan’ny tany izy ireo, satria izy ireo ihany no tsy nanaiky hivavaka amin’ilay bibidia sy ny sariny. Romotra i Goga noho ny finoana matanjaka ananan’izy ireo sy ny fitahiana be dia be azony. Mirongatra hamono azy ireo àry i Goga sy ny tafiny, anisan’izany ilay bibidia nipoitra avy tao amin’ny ranomasina sy ny tandrony folo. Harovan’Andriamanitra anefa ny vahoakany madio, tsy toa an’i Babylona Lehibe!—Ezekiela 38:1, 4, 11, 12, 15; Apokalypsy 13:1.
3. Ahoana no hanafoanan’i Jehovah ny tafik’i Goga?
3 Ahoana no hanafoanan’i Jehovah an’i Goga sy izay rehetra miaraka aminy? Hoy izy: “Hiantso sabatra Aho hamely azy eny amin’ny tendrombohitro rehetra, hoy Jehovah Tompo: ary hifamely sabatra amin’ny namany avy izy rehetra.” Tsy hisy hilana fitaovam-piadiana niokleary na fitaovam-piadiana hafa amin’io ady io, fa hoy i Jehovah: “Hamaly azy amin’ny areti-mandringana sy ny ra sy ny ranonorana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin’ny miaramilany mbamin’ny firenena maro izay miaraka aminy Aho. Ka dia hasehoko ny fahalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ny firenena maro Aho; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.”—Ezekiela 38:21-23; 39:11; ampitahao amin’ny Josoa 10:8-14; Mpitsara 7:19-22; 2 Tantara 20:15, 22-24; Joba 38:22, 23.
Ilay “Mahatoky sy Marina”
4. Ahoana no ilazan’i Jaona an’i Jesosy Kristy vonona hiady?
4 Hiantso sabatra i Jehovah. Iza no mitana an’ilay sabatra? Mamaly izany ny fahitana iray ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Hitan’i Jaona nisokatra ny lanitra, mba hampiseho zava-mahatalanjona: I Jesosy Kristy, efa vonona hiady! Hoy i Jaona: “Ary nahita ny lanitra nisokatra aho, ary indro nisy soavaly fotsy. Ary antsoina hoe Mahatoky sy Marina ilay nitaingina azy, ary nitsara sy niady mandrakariva araka ny fahamarinana izy. Lelafo ny masony, ary nisy diadema maro teo amin’ny lohany.”—Apokalypsy 19:11, 12a.
5, 6. Midika ho inona: a) ilay “soavaly fotsy”? b) ilay anarana hoe “Mahatoky sy Marina”? d) ny maso toy ny “lelafo”? e) ny “diadema maro”?
5 Ady araka ny marina no dikan’ilay “soavaly fotsy”, toy ilay tao amin’ny fahitana momba ny mpitaingin-tsoavaly efatra. (Apokalypsy 6:2) Iza amin’ny zanak’Andriamanitra anefa no ho marina kokoa noho ilay Mpiady mahery? Azo antoka fa i Jesosy Kristy “ilay vavolombelona mahatoky sy marina” io, matoa antsoina hoe “Mahatoky sy Marina.” (Apokalypsy 3:14) Miady izy, mba hampiharana ny didim-pitsarana marin’i Jehovah, satria Mpitsara voatendrin’i Jehovah sy “Andriamanitra Mahery” izy. (Isaia 9:5) Mampahatahotra ny masony toy ny “lelafo”, ka midika izany fa mitazana ny handringanan’ny afo ny fahavalony izy.
6 Misy diadema maro eo amin’ny lohan’ilay Mpanjaka Mpiady. Nisy diadema folo teo amin’ny lohan’ilay bibidia hitan’i Jaona nivoaka avy tao amin’ny ranomasina, ka midika izany fa nanana fahefana vetivety teto an-tany ilay bibidia. (Apokalypsy 13:1) “Diadema maro” kosa no teo amin’ny lohan’i Jesosy, izany hoe izy no mpanjaka be voninahitra indrindra, satria “Mpanjakan’izay manjaka sy Tompon’ny tompo.”—1 Timoty 6:15.
7. Inona ilay anaran’i Jesosy voasoratra?
7 Hoy koa i Jaona: “Izy dia nanana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala afa-tsy ny tenany ihany.” (Apokalypsy 19:12b) Anarana iantsoana an’ilay Zanak’Andriamanitra ny hoe Jesosy, Imanoela, ary Mikaela. Ilay “anarana” eto anefa, dia toa manondro ny toerana sy andraikitra tanan’i Jesosy mandritra ny andron’ny Tompo. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 2:17.) Hoy i Isaia rehefa nilaza ny mombamomba an’i Jesosy aorian’ny 1914: “Ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana.” (Isaia 9:5) Nampifandray ny anaran’i Jesosy sy ny andraikitra lehibe tanany koa ny apostoly Paoly. Hoy izy: ‘Nanandratra azy ho amin’ny toerana ambony kokoa Andriamanitra ary nanome azy tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra.’—Filipianina 2:9, 10.
8. I Jesosy irery no mahalala ilay anarana voasoratra. Nahoana? Ary iza no nizarany io andraikiny lehibe io?
8 Tsy manan-tsahala ny andraikitra tanan’i Jesosy. Izy ihany, ankoatra an’i Jehovah, no mahafantatra hoe midika ho inona ny fananana toerana ambony be toy izany. (Ampitahao amin’ny Matio 11:27.) Izy irery àry no zavaboarin’Andriamanitra mahalala tsara ny dikan’io anarana io. Nozarain’i Jesosy tamin’ny vadiny anefa ny andraikiny. Nampanantena izy hoe: “Izay mandresy, dia ... hosoratako eo aminy ... ilay anarako vaovao.”—Apokalypsy 3:12.
9. Midika ho inona: a) ny hoe manao “akanjo ivelany voafafy ra” i Jesosy? b) ny fiantsoana an’i Jesosy hoe “Ny Tenin’Andriamanitra”?
9 Hoy koa i Jaona: “Nanao akanjo ivelany voafafy ra izy, ary ny anarana niantsoana azy dia hoe Ny Tenin’Andriamanitra.” (Apokalypsy 19:13) ‘Ran’iza’ io? Mety ho ny ra nalatsak’i Jesosy hamonjena ny olombelona izany. (Apokalypsy 1:5) Eto anefa izy io dia mety ho ny ran’ny fahavalony, izay nalatsaka rehefa nampiharina tamin’izy ireo ny didim-pitsaran’i Jehovah. Tsaroantsika angamba ilay fahitana momba ny voaloboky ny tany, izay nojinjaina sy nohitsakitsahina tao amin’ilay famiazam-boaloboka lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra. Nisy ra nivoaka, ary “tafakatra hatreo amin’ny lamboridin-tsoavaly.” Midika izany hoe nandresy an’ireo fahavalony Andriamanitra. (Apokalypsy 14:18-20) Koa ny hoe voafafy ra ny akanjon’i Jesosy, dia manamafy fa hahazo fandresena tanteraka izy. (Ampitahao amin’ny Isaia 63:1-6.) Milaza indray i Jaona avy eo hoe ilay anarana malaza hoe “Ny Tenin’Andriamanitra”, no iantsoana an’i Jesosy. Midika izany fa io Mpanjaka Mpiady io no Mpitondra Teny Lehibe ampiasain’i Jehovah, sady Mpiaro ny fahamarinana.—Jaona 1:1; Apokalypsy 1:1.
Ireo mpiady miaraka amin’i Jesosy
10, 11. a) Inona no tenin’i Jaona mampiseho fa tsy miady irery i Jesosy? b) Inona no dikan’ireo soavaly fotsy sy ny mpitaingin-tsoavaly nitafy “lamba rongonimbazaha fotsy sy madio ary tena tsara”? d) Iza avy no ao amin’ny ‘tafiky’ ny lanitra?
10 Tsy miady irery i Jesosy. Hoy i Jaona: “Ary nanaraka azy koa ny tafika tany an-danitra, nitaingina soavaly fotsy sady nitafy lamba rongonimbazaha fotsy sy madio ary tena tsara.” (Apokalypsy 19:14) Manondro ady araka ny marina ny hoe soavaly “fotsy.” Mety tsara ho an’ny mpitaingin-tsoavalin’ny Mpanjaka koa ny ‘lamba rongonimbazaha tena tsara.’ Fotsy sy madio sady mamiratra izy io, ka midika fa madio sy marina eo imason’i Jehovah izy ireo. Ary iza avy no ao amin’ilay “tafika”? Azo antoka fa ireo anjely masina. I Mikaela sy ny anjeliny no nanipy an’i Satana sy ny demoniany avy tany an-danitra, teo am-piandohan’ny andron’ny Tompo. (Apokalypsy 12:7-9) Hiaraka amin’i Jesosy koa ny “anjely rehetra”, rehefa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany hitsara ny firenena sy ny olona izy. (Matio 25:31, 32) Azo antoka koa fa hiaraka aminy ny anjeliny amin’ilay ady farany, rehefa hampiharina hatramin’ny farany ny didim-pitsaran’Andriamanitra.
11 Misy olon-kafa koa anefa handray anjara amin’io ady io, araka ny fampanantenan’i Jesosy tamin’ny fiangonan’i Tyatira hoe: “Izay mandresy ka manatanteraka ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana amin’ireo firenena. Ary hiandry ny olona toy ny ataon’ny mpiandry ondry izy ireo, ka hiandry ireny amin’ny tehim-by, dia ho potipotika toy ny vilany tanimanga ireny. Eny, homeko fahefana izy, tahaka izay noraisiko avy tamin’ny Raiko.” (Apokalypsy 2:26, 27) Azo antoka fa ireo rahalahin’i Kristy efa any an-danitra, dia handray anjara amin’ny fiandrasana ny olona sy ny firenena amin’io tehim-by io, rehefa tonga ny fotoana.
12. a) Handray anjara amin’ny ady Hara-magedona ve ny mpanompon’Andriamanitra? b) Nahoana anefa izy ireo no lazaina fa voakasika amin’ilay ady?
12 Ary ahoana ny amin’ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany? Tsy handray anjara amin’ilay ady amin’ny Hara-magedona, na ireo voahosotra, na ireo namany tsy mivadika, izay mirohotra avy any amin’ny firenena rehetra, ho ao amin’ny tranon’i Jehovah an’ohatra, dia ny fanompoam-pivavahana aminy. Efa nanefy ny sabany ho fangady ireny olona tia fihavanana ireny. (Isaia 2:2-4) Ho voakasika amin’ilay ady anefa izy ireo! Efa noresahintsika mantsy hoe ny vahoakan’i Jehovah toa tsy manam-piarovana no hotafihin’i Goga sy izay rehetra miaraka aminy. Izay anefa no andrasan’ilay Mpanjaka Mpiadin’i Jehovah sy ny tafiny any an-danitra, mba hanombohan’izy ireo ny ady handringanana an’ireo firenena. (Ezekiela 39:6, 7, 11; ampitahao amin’ny Daniela 11:44–12:1.) Ny vahoakan’Andriamanitra no mpitazana, ka hifantoka tsara. Hidika ho famonjena azy ireo ny Hara-magedona, ary hiaina mandrakizay izy ireo rehefa avy nanatri-maso an’ilay ady lehibe nanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra.
13. Nahoana isika no milaza fa tsy manohitra ny fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah?
13 Midika ve izany hoe manohitra ny fanjakan’olombelona ny Vavolombelon’i Jehovah? Tsia! Ankatoavin’izy ireo ilay torohevitra hoe: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana.” Fantany fa raha mbola maharitra ny rafitr’ity tontolo ity, dia mbola avelan’Andriamanitra ho eo ny “manam-pahefana” mba hampisy filaminana. Koa mandoa hetra sy mankatò lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, manao izay fanoratana anarana takin’ny fanjakana, ary manaja ny lalàn’ny fifamoivoizana sy ny lalàna hafa. (Romanina 13:1, 6, 7) Manaraka ny toro lalan’ny Baiboly koa izy ireo, ka manao ny marina, tia ny mpiara-belona aminy, miezaka hanana fianakaviana tafaray sy tsara fitondran-tena, ary mampiofana ny zanany mba ho olom-pirenena modely. Amin’izany izy ireo dia ‘mandoa amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.’ (Lioka 20:25; 1 Petera 2:13-17) Milaza ny Baiboly fa mihelina ihany ny fahefan’ny fanjakan’ity tontolo ity, ka miomana ho amin’ny tena fiainana ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho azon’izy ireo tsy ho ela izany rehefa tonga ny Fanjakan’i Kristy. (1 Timoty 6:17-19) Tsy handray anjara amin’ny fanonganana an’ireo fanjakan’ity tontolo ity izy ireo, kanefa ekeny sy hajainy izay lazain’ny Baiboly momba ny didim-pitsarana hampiharin’i Jehovah tsy ho ela, amin’ny Hara-magedona.—Isaia 26:20, 21; Hebreo 12:28, 29.
Mizotra mankamin’ilay ady farany!
14. Inona no dikan’ilay “sabatra maranitra lava lela” mivoaka avy eo amin’ny vavan’i Jesosy?
14 Iza no manome fahefana an’i Jesosy hamita ny fandreseny? Hoy i Jaona: “Ary nisy sabatra maranitra lava lela nivoaka avy tamin’ny vavany mba hamelezany ny firenena. Ary hiandry azy ireo toy ny ataon’ny mpiandry ondry izy, eny, hiandry azy amin’ny tehim-by.” (Apokalypsy 19:15a) Ilay “sabatra maranitra lava lela”, dia midika fa nomen’Andriamanitra fahefana izy, mba handidy ny handringanana an’izay tsy mety manohana ny Fanjakan’Andriamanitra. (Apokalypsy 1:16; 2:16) Mitovy amin’izay nolazain’i Isaia koa izany: “[Nataon’i Jehovah] tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin’ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy, ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho.” (Isaia 49:2) Izay ataon’i Isaia eto dia manondro ny zavatra hataon’i Jesosy, izay manambara sy mampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra, toy ny hoe mampiasa zana-tsipìka mahavoa izay kendreny.
15. Iza no ho efa nalana sarona sy notsaraina amin’izay fotoana izay, ary ho fanombohan’ny inona izany?
15 Ho efa tanterak’i Jesosy amin’izay fotoana izay ny tenin’i Paoly hoe: “Amin’izay tokoa vao haharihary ilay tsy tan-dalàna, izay haringan’i Jesosy Tompo amin’ny fofonain’ny vavany, ary hofoanany amin’ny alalan’ny fisehoan’ny fanatrehany.” Nalana sarona sy notsaraina ilay tsy tan-dalàna, na ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana, ary izany no porofo fa efa nanomboka tamin’ny 1914 ny fanatrehan’i (grika: pa·rou·siʹa) Jesosy. Vao mainka hiharihary ny fanatrehany rehefa hanatanteraka an’ilay didim-pitsarana ny tandroka folon’ilay bibidia mena midorehitra, ka handringana ny Kristianisma Anarana, mbamin’ny sisa amin’i Babylona Lehibe. (2 Tesalonianina 2:1-3, 8) Izany no ho fanombohan’ny fahoriana lehibe! Avy eo, dia hifantoka amin’ny sisa amin’ny fandaminan’i Satana i Jesosy, araka ilay faminaniana hoe: “Hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, ary ny fofonain’ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.”—Isaia 11:4.
16. Ahoana no ilazana ny asan’ilay Mpanjaka Mpiady voatendrin’i Jehovah, ao amin’ny Salamo sy ny Jeremia?
16 Ilay Mpanjaka Mpiady no voatendrin’i Jehovah hanavaka an’ireo tsy ho faty sy ireo ho faty. Hoy i Jehovah amin’ilay Zanany, ao amin’ny faminaniana: “Hotorotoroinao amin’ny tehimby izy [ny mpitondra eto an-tany]: Toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.” Ary hoy i Jeremia amin’ireo mpitondra fanjakana tia kolikoly ireo sy ny mpomba azy: “Midradradradrà, hianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; eny, mihosinkosena, hianareo zokiny amin’ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo; ary hampieleziko hianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara.” Tsara erỳ izy ireny eo imason’ity tontolo ratsy ity, kanefa ho toy ny vazy tsara tarehy montsamontsana izy ireny, raha voavely indray mandeha monja amin’ny tehim-by ampiasain’ilay Mpanjaka. Ho tanteraka ny faminanian’i Davida momba an’i Jesosy Tompo hoe: “Ny tehin’ny herinao havoak’i Jehovah avy ao Ziona; manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao. Ny Tompo eo an-kavananao dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ny andron’ny fahatezerany. Hitsara any amin’ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any.”—Salamo 2:9, 12; 83:17, 18; 110:1, 2, 5, 6; Jeremia 25:34.
17. a) Inona no ataon’ilay Mpanjaka Mpiady rehefa mampihatra ny didim-pitsarana? b) Milazà faminaniana mampiseho fa ho andro hitondra loza ho an’ireo firenena ny andro fahatezeran’Andriamanitra.
17 Miseho indray ilay Mpanjaka Mpiady, ao amin’ny fahitana manaraka: “Nohitsakitsahiny koa ny famiazam-boaloboky ny fisafoaky ny fahatezeran’Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra.” (Apokalypsy 19:15b) Efa hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana teo aloha ny nanitsakitsahana ny ‘famiazam-boaloboky ny fahatezeran’Andriamanitra.’ (Apokalypsy 14:18-20) Miresaka momba ny famiazam-boaloboka tahaka an’io koa i Isaia. Misy mpaminany hafa koa milaza fa ho andro hitondra loza ho an’ireo firenena ny andro fahatezeran’Andriamanitra.—Isaia 24:1-6; 63:1-4; Jeremia 25:30-33; Daniela 2:44; Zefania 3:8; Zakaria 14:3, 12, 13; Apokalypsy 6:15-17.
18. Inona no nolazain’i Joela momba ny fitsaran’i Jehovah ny firenena rehetra?
18 Ampifandraisin’i Joela mpaminany ny famiazam-boaloboka sy ny fahatongavan’i Jehovah “hitsara ny jentilisa rehetra avy eny manodidina eny.” I Jehovah no mandidy an’i Jesosy, izay Mpitsara miaraka aminy, mbamin’ny tafiny any an-danitra, hoe: “Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra; Avia hianareo, ka manosihose, fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany. He izany vahoaka mireondreona ao amin’ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah ao amin’ny lohasaha fitsarana. Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra. Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra; fa Jehovah no fialofan’ny olony sy fiarovana mafy ho an’ny Zanak’Isiraely. Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.”—Joela 4:12-17.
19. a) Inona no ho valin’ilay fanontaniana ao amin’ny 1 Petera 4:17? b) Inona no anarana voasoratra eo amin’ny akanjon’i Jesosy, ary nahoana no mety tsara ilay anarana?
19 Ho andro fanamelohana an’ireo firenena tsy mankatò io, fa andro fanamaivanana kosa ho an’ireo mialoka amin’i Jehovah sy ilay Mpanjakany Mpiady! (2 Tesalonianina 1:6-9) Ho vita ny fitsarana izay nanomboka tao amin’ny tranon’Andriamanitra, tamin’ny 1918, ka ho voavaly ilay fanontaniana ao amin’ny 1 Petera 4:17 hoe: “Hanao ahoana no hiafaran’ireo tsy mankatò ny vaovao tsaran’Andriamanitra?” Ho efa nanitsakitsaka an’ilay famiazam-boaloboka hatramin’ny farany ilay Mpandresy be voninahitra, ka nampiseho fa izy Ilay nasandratra izay nolazain’i Jaona hoe: “Ary nisy anarana voasoratra teo amin’ny akanjony ivelany, teo amin’ny feny, hoe: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.” (Apokalypsy 19:16) Ho voaporofo fa mahery lavitra noho izay mpitondra eto an-tany na mpanjaka sy tompo olombelona, izy. Ambony lavitra ny haja amam-boninahiny, ary hitaingin-tsoavaly izy mba hampitoerana ny “marina sy ny fahalemem-panahim-pahamarinana.” Handresy mandrakizay izy! (Salamo 45:4) Voasoratra eo amin’ny akanjony voafafy ra ilay anarany avy tamin’i Jehovah Tompo Fara Tampony, ary efa avy nanamarina ny zon’Andriamanitra hitondra izy!
Ny sakafo hariva lehibe nataon’Andriamanitra
20. Ahoana no ilazan’i Jaona ny “sakafo hariva lehibe nataon’Andriamanitra”? Ary mampahatsiahy faminaniana inona izany?
20 Ao amin’ny fahitan’i Ezekiela, dia asaina ho amin’ny sakafo be ny vorona sy ny bibidia, aorian’ny fandringanana ny vahoakan’i Goga! Hohanin’ireny ny fatin’ny fahavalon’i Jehovah, ka ho voadio ny tany. (Ezekiela 39:11, 17-20) Mampahatsiahy an’io faminaniana io ny tenin’i Jaona, hoe: “Hitako koa fa nisy anjely nijoro teo amin’ny masoandro, ary niantsoantso mafy izy ka nilaza tamin’ny vorona rehetra nanidina teny afovoan’ny lanitra hoe: ‘Avia atỳ ka miangòna ho amin’ny sakafo hariva lehibe nataon’Andriamanitra, mba hihinananareo ny nofon’ny mpanjaka sy ny nofon’ny mpitari-tafika sy ny nofon’ny lehilahy mahery sy ny nofon’ny soavaly mbamin’izay mitaingina azy ary ny nofon’ny rehetra, na olona afaka na mpanompo, na kely na lehibe.’ ”—Apokalypsy 19:17, 18.
21. Midika ho inona: a) ilay anjely ‘mijoro eo amin’ny masoandro’? b) ireo faty avela eny amin’ny tany? d) ny sokajin’ireo olona maty miampatrampatra eny amin’ny tany? e) ilay teny hoe “sakafo hariva lehibe nataon’Andriamanitra”?
21 “Nijoro teo amin’ny masoandro” ilay anjely, izany hoe eo amin’ny toerana ahitan’ny vorona azy ka ahafahany manome baiko azy ireo. Asainy izy ireo mba ho vonona hihinana ny nofon’ireo olona haripak’ilay Mpanjaka Mpiady sy ny tafiny any an-danitra. Ho afa-baraka ireo olona ripaka, satria havela eny amin’ny tany eny ny fatiny fa tsy halevina, toy ny natao tamin’i Jezebela. (2 Mpanjaka 9:36, 37) Hita avy amin’ny sokajin’ireo olona maty miampatrampatra eny, hoe tsy misy fanavakavahana fa haringana daholo na mpanjaka, na mpitari-tafika, na lehilahy mahery, na olona afaka, na mpanompo. Tsy ho hita soritra intsony ilay tontolo nanohitra an’i Jehovah. Tsy hisy intsony ny antokon’olona misamboaravoara toy ny ranomasina. (Apokalypsy 21:1) “Sakafo hariva lehibe nataon’Andriamanitra” izany, satria i Jehovah no manasa an’ireo vorona.
22. Ahoana no namintinan’i Jaona ny fizotran’ilay ady farany?
22 Nofintinin’i Jaona toy izao ny fizotran’ilay ady farany: “Ary hitako fa nivondrona ilay bibidia sy ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny mba hiady tamin’ilay nitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny. Ary nosamborina ilay bibidia mbamin’ilay mpaminany sandoka, izay nanao famantarana teo anatrehan’ny bibidia, dia famantarana namitahany an’izay nandray ny mariky ny bibidia sy izay nivavaka tamin’ny sariny. Koa samy natsipy velona tao amin’ny farihy afo arehitry ny solifara izy ireo. Fa ny sisa kosa novonoina tamin’ilay sabatra lava lela nivoaka avy tamin’ny vavan’ilay mitaingin-tsoavaly. Ary voky ny nofon’izy ireny ny vorona rehetra.”—Apokalypsy 19:19-21.
23. a) Ara-bakiteny ve ilay hoe atao ao “Hara-magedona” ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra”? b) Inona no fampitandremana tsy narahin’ireo “mpanjakan’ny tany”, ary inona no ho vokany?
23 Taorian’ny nandrarahana ny tao anatin’ilay vilia fahenina nisy ny fahatezeran’i Jehovah, dia nilaza i Jaona fa notaomin’ny demonia ireo “mpanjakan’ny tany rehetra”, ka nangoniny ho amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra.” Atao ao Hara-magedona io ady io. Tsy toerana ara-bakiteny ny Hara-magedona fa manondro ny toe-javatra eran-tany, izay mitaky ny hampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah. (Apokalypsy 16:12, 14, 16) Hitan’i Jaona ireo tafika. Maka toerana avokoa ny “mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny” mba hiady amin’Andriamanitra. Tsy nety nanaiky an’ilay Mpanjaka notendren’i Jehovah izy ireo. Efa nampitandremany anefa ireo hoe: “Manoroha ny Zanaka, fandrao ho tezitra [i Jehovah], ka ho very eny an-dàlana hianareo.” Ho faty izy ireo satria tsy manaiky hofehezin’i Kristy.—Salamo 2:12.
24. a) Inona no didim-pitsarana hihatra amin’ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka, ary nahoana izy ireo no lazaina hoe mbola “velona”? b) Nahoana no tsy ara-bakiteny ilay “farihy afo”?
24 Manondro ny fandaminana ara-politikan’i Satana ilay bibidia manana loha fito sy tandroka folo. Ho hadino tanteraka izy io sy ilay mpaminany sandoka, dia ny firenena matanjaka indrindra fahafito. (Apokalypsy 13:1, 11-13; 16:13) Amin’izy ireo mbola “velona”, izany hoe mbola miray hina manohitra ny vahoakan’Andriamanitra, no atsipy any amin’ny “farihy afo.” Farihy afo ara-bakiteny ve io? Tsy ara-bakiteny izy io, tahaka ny tsy maha ara-bakiteny an’ilay bibidia sy ny mpaminany sandoka. Fandringanana tanteraka no dikan’izy io, izany hoe tsy miverina intsony izay lasa any. Mbola hatsipy any koa ny fahafatesana sy ny fasana ary ny Devoly. (Apokalypsy 20:10, 14) Azo antoka fa tsy afobe fampijaliana mandrakizay ny ratsy fanahy io, satria maharikoriko an’i Jehovah na dia ny mieritreritra toerana toy izany aza.—Jeremia 19:5; 32:35; 1 Jaona 4:8, 16.
25. a) Iza ireo “novonoina tamin’ilay sabatra lava lela nivoaka avy tamin’ny vavan’ilay mitaingin-tsoavaly”? b) Mbola hantenaina hitsangana ve izy ireo?
25 “Novonoina tamin’ilay sabatra lava lela nivoaka avy tamin’ny vavan’ilay mitaingin-tsoavaly” koa, izay rehetra tsy laitra anarina eto amin’ity tontolo ratsy ity, na dia tsy mitana toerana ao amin’ny fitondram-panjakana aza. Homelohin’i Jesosy ho faty izy ireo. Mbola hantenaina hitsangana ve anefa izy ireo satria tsy voalaza hoe ho any amin’ny farihy afo? Tsy misy filazana mihitsy hoe mbola hatsangana ireo hovonoin’ilay Mpitsara voatendrin’i Jehovah amin’izay fotoana izay. I Jesosy mihitsy no nilaza fa izay tsy “ondry” dia halefa “any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voaomana ho an’ny Devoly sy ny anjeliny”, izany hoe “any amin’ny fandringanana mandrakizay.” (Matio 25:33, 41, 46) Izany no hamarana ny “andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.”—2 Petera 3:7; Nahoma 1:2, 7-9; Malakia 3:19.
26. Lazao amin’ny teny fohy ny vokatry ny Ady Hara-magedona.
26 Toy izany no hiafaran’ny fandaminan’i Satana manontolo. Hanjavona ny “lanitra taloha”, izany hoe ny fitondrana ara-politika. Ho rava tanteraka ny “tany”, izany hoe ny rafitra naorin’i Satana nandritra ny taonjato maro, ka noheverina fa haharitra. Tsy hisy intsony ny “ranomasina”, izany hoe ny olona ratsy fanahy rehetra manohitra an’i Jehovah. (Apokalypsy 21:1; 2 Petera 3:10) Ary hataon’i Jehovah ahoana i Satana? Nohazavain’i Jaona avy eo ny amin’izany.