Toko 10
Ankahalao ny “Zava-dalin’i Satana”
TYATIRA
1. Taiza no nisy an’i Tyatira raha oharina amin’ireo fiangonana hafa, ary nanao ahoana ny fivavahana tao?
MIALA 65 kilaometatra eo ho eo any atsimoatsinanan’i Bergama (Pergamosy) i Akishar, tanàna mandroso be any Torkia. Tany no nisy an’i Tyatira, 1 900 taona mahery lasa izay. Mora tamin’ny mpiandraikitra mpitety faritany ny nankany Tyatira satria nisy lalana avy tany Pergamosy. Avy eo izy dia nitety ireo fiangonana hafa voalazan’ny Apokalypsy toko 3, dia i Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia. Tsy toa an’i Pergamosy i Tyatira, satria toa tsy foiben’ny fivavahana tamin’ny mpanjaka. Nisy toerana masina sy tempoly ho an’ny andriamanitra sampy maro anefa tao. Nalaza i Tyatira noho izy foibe ara-barotra tamin’izany.
2, 3. a) Inona no voasoratra taloha, momba ny olona iray tany Tyatira lasa Kristianina? b) Nidika ho inona tamin’ny Kristianina tany Tyatira ny hoe “Zanak’Andriamanitra” i Jesosy, ary manana “maso tahaka ny lelafo”?
2 Nihaona tamin’i Lydia, mpivarotra lamba volomparasy avy any Tyatira, i Paoly, rehefa nitory tany Makedonia. Nandray ny hafatra notorin’i Paoly i Lydia sy ny ankohonany, sady tena tia nandray vahiny. (Asan’ny Apostoly 16:14, 15) Izy no mponin’i Tyatira voalohany fantatra fa lasa Kristianina. Nanjary nisy fiangonana kristianina tany tatỳ aoriana. Tany no nandefasan’i Jesosy ny hafatra lava indrindra. Hoy izy: “Ary soraty izao ho an’ny anjelin’ny fiangonana atsy Tyatira: Izao no lazain’ny Zanak’Andriamanitra, izay manana maso tahaka ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina voadio.”—Apokalypsy 2:18.
3 Eo ihany no miseho ilay teny hoe “Zanak’Andriamanitra” ao amin’ny Apokalypsy, na dia milaza an’i Jehovah hoe “Raiko” aza i Jesosy any amin’ny andininy hafa. (Apokalypsy 2:27; 3:5, 21) Tsaroan’ny mponin’i Tyatira avy amin’izany fa mifandray akaiky i Jesosy sy Jehovah. Manana maso “tahaka ny lelafo” io Zanaka io. Nampitandrina ny Kristianina tany Tyatira izany fa hirehitra ny fahatezerany, raha mahita zavatra mandoto ny fiangonana izy. Noresahiny teto indray fa manana tongotra mamirapiratra toy ny varahina izy. Hamafisiny amin’izany fa niavaka ny fahatokiany, tamin’izy tetỳ an-tany. Nanaraka ny toroheviny ny Kristianina tany Tyatira, ary tokony hanao izany koa isika!—1 Petera 2:21.
4, 5. a) Nahoana i Jesosy no afaka nidera ny Kristianina tany Tyatira? b) Nahoana no toy ny fiangonana tany Tyatira ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny?
4 Soa ihany fa afaka nidera an’ireo tany Tyatira i Jesosy hoe: “Fantatro izay ataonao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny fiaretanao, ary fantatro fa be kokoa noho ny tany aloha ny nataonao tatỳ aoriana.” (Apokalypsy 2:19) Tsy toy ny Efesianina ireo Kristianina voahosotra tany, satria tsy very ny fitiavany an’i Jehovah tamin’ny voalohany. Natanjaka ny finoan’izy ireo. Be kokoa noho ny tany aloha ny zavatra nataon’izy ireo, ary niaritra izy ireo, sahala amin’ireo fiangonana telo teo aloha. Toy izany koa ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah efa ho 100 000 maneran-tany ankehitriny! Maneho ny fitiavany an’i Jehovah ny rehetra eo anivon’ny fandaminana, ary mazoto manompo na ny antitra na ny tanora. Mihamaro ireo mampitombo ny fanompoany, ka lasa mpisava lalana, izany hoe mampiasa amim-pahendrena ny fotoana tavela mba hitoriana ny fanantenana be voninahitra momba ilay Fanjakana ho avy!—Matio 24:14; Marka 13:10.
5 Kristianina mahatoky maro, na voahosotra na anisan’ny vahoaka be, no niaritra nandritra ny am-polony taona, ka nanompo an’Andriamanitra hatrany, na dia mihavery fanantenana aza ny tontolo manodidina azy ireo. Aza kivy àry! Hamafisin’ny Apokalypsy ny tenin’ny mpaminanin’Andriamanitra taloha. “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra.”—Zefania 1:14; Joela 2:1; Habakoka 2:3; Apokalypsy 7:9; 22:12, 13.
“Ilay vehivavy Jezebela”
6. a) Na dia mendri-piderana aza ny fiangonana tany Tyatira, inona no olana voamarik’i Jesosy, ka tokony hasiana fiheverana haingana? b) Iza moa i Jezebela, ary afaka nilaza tena ho mpaminanivavy ve izy?
6 Nahita lalina kokoa ny mason’i Jesosy toy ny lelafo. Nahita zavatra ilana fiheverana haingana izy. Hoy izy tamin’ny Kristianina tany Tyatira: “Na izany aza, dia izao no anomezako tsiny anao: Leferinao ilay vehivavy Jezebela, izay mihambo ho mpaminanivavy sady mampianatra sy mamitaka ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana zavatra atao sorona ho an’ny sampy.” (Apokalypsy 2:20) Nanjary nalaza ratsy i Jezebela, vadin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely, tamin’ny taonjato fahafolo T.K., satria mpamono olona sy mpijangajanga ary mpanao didy jadona. Novonoin’i Jeho, voahosotr’i Jehovah, izy. (1 Mpanjaka 16:31; 18:4; 21:1-16; 2 Mpanjaka 9:1-7, 22, 30, 33) Tsy afaka nilaza tena ho mpaminanivavy i Jezebela mpanompo sampy. Tsy toa an’i Miriama sy Debora izy, satria mpaminanivavy nahatoky teo amin’ny Israely ireo. (Eksodosy 15:20, 21; Mpitsara 4:4; 5:1-31) Tsy toa an’i Ana zokiolona sy ireo zanakavavin’i Filipo efatra mpitory ny vaovao tsara koa izy, satria tsy nanosika azy ny fanahin’i Jehovah.—Lioka 2:36-38; Asan’ny Apostoly 21:9.
7. a) Inona no tian’i Jesosy horesahina tamin’ny hoe “ilay vehivavy Jezebela”? b) Ahoana no nanamarinan’ny vehivavy sasany ny fitondran-tena ratsiny?
7 Mpisandoka àry, raha tsorina, “ilay vehivavy Jezebela” nilaza tena ho mpaminanivavy tany Tyatira. Tsy manana ny fanahin’Andriamanitra izy. Iza moa io vehivavy io? Nety ho vehivavy iray na antokom-behivavy sahisahy nitaona ny fiangonana hanao ratsy izy io. Angamba nisy vehivavy nitarika ny mpiray finoana haloto fitondran-tena, nefa sahy nanamarina ny fitondran-tena ratsiny tamin’ny fampiasana andinin-teny. Mpaminany sandoka tokoa izany! Nitaona olon-kafa izy ireo mba hiaraka taminy ho amin’ny “fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy.” (Kolosianina 3:5) Tiany haloto fitondran-tena sy ho tia tena ireo eo anivon’ny fiangonana, toy ny ataon’ireo mpivavaka ao amin’ny Kristianisma Anarana, izay mankasitraka na mody tsy mahita ny fitondran-tena ratsy.
8. a) Inona no didim-pitsaran’i Jesosy momba ilay “Jezebela” tany Tyatira? b) Ahitana fitaoman-dratsin’ny vehivavy koa ve ankehitriny? Hazavao.
8 Hoy ihany i Jesosy tamin’ny anti-panahy tany Tyatira: “Ary nomeko fotoana hibebahana izy, nefa tsy te hibebaka amin’ny fijangajangany. Indro, efa hanipy azy eo amin’ny fandrian’ny marary aho, ary izay mijangajanga aminy hatsipiko ao amin’ny fahoriana lehibe, raha tsy hoe mibebaka amin’izay namitahan-dravehivavy azy angaha izy ireo.” (Apokalypsy 2:21, 22) Nifehy an’i Ahaba i Jezebela fahiny, ary nanohitra an’i Jeho mpanatanteraka ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Te hifehy ny vadiny sy ny anti-panahy koa ilay vehivavy Jezebela. Toa noleferin’ny anti-panahy tany Tyatira izany fitaoman-dratsiny izany. Nampitandrina mafy azy ireo i Jesosy teto, sady mampitandrina ny fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany ankehitriny koa. Misy vehivavy be di-doha toy izany koa ankehitriny, nitaona ny vadiny hivadi-pinoana, ary nitory mpanompon’i Jehovah mahatoky tany amin’ny fitsarana mihitsy.—Ampitahao amin’ny Joda 5-8.
9. a) Nahoana ny tenin’i Jesosy momba an’i Jezebela no tsy natao hanaratsiana ny vehivavy rehetra eo anivon’ny fiangonana? b) Rahoviana vao miseho ilay fitaoman-dratsin’i Jezebela?
9 Tsy natao hanaratsiana an’ireo vehivavy mahatoky eo anivon’ny fiangonana izany. Anabavy mahatoky no manatontosa ny ampahany lehibe amin’ny fitoriana ankehitriny. Maro ny vaovao voataonan’izy ireo ho eo anivon’ny fiangonana, amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly tarihiny. Mitahy azy ireo Andriamanitra, araka ny lazain’ny Salamo 68:11 hoe: “Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.” Mety hisy heriny eo amin’ny vadiny ny toetra tsaran’ny vehivavy, toy ny fahalemem-panahy sy fanajana, izay “tena sarobidy eo imason’Andriamanitra.” (1 Petera 3:1-4) Derain’i Lemoela Mpanjaka ny vehivavy mahay sy mazoto miasa. (Ohabolana 31:10-31) Tsy miseho ilay fitaoman-dratsin’i Jezebela, raha tsy mihoa-pefy ny vehivavy, ka manangoly lehilahy, na mikomy na tsy miraharaha fahefana.—Efesianina 5:22, 23; 1 Korintianina 11:3.
10. a) Nahoana no nohelohina i Jezebela sy ny zanany? b) Inona no loza mety ho hitan’ireo lasa zanak’i Jezebela, ary inona no tokony hataon’izy ireo?
10 Hoy ihany i Jesosy momba “ilay vehivavy Jezebela”: “Ary hovonoiko amin’ny aretina mahafaty ny zana-dravehivavy, ka ho fantatry ny fiangonana rehetra fa izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary hamaly anareo tsirairay araka izay ataonareo avy.” (Apokalypsy 2:23) Nomen’i Jesosy fotoana nibebahana i Jezebela sy ny zanany, nefa tsy niala tamin’ny fitondran-tena ratsiny, ka tsy maintsy hohelohina. Misy hafatra mahery ho an’ny Kristianina ankehitriny izany. Lasa zanak’i Jezebela izay manahaka azy, na lehilahy na vehivavy, ka mandika ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fahefan’izay lohany sy ny fitondran-tena, na mafy loha ka tsy manaraka ny fandaharan’Andriamanitra. Marary ara-panahy izany olona izany ka hahita loza. Marina fa afaka miantso anti-panahin’ny fiangonana mba hivavaka ho azy ny olona toy izany. Ary “hanasitrana ilay marary ny vavaka atao amim-pinoana, ary i Jehovah hanarina azy”, raha manetry tena izy ka manao zavatra mifanaraka amin’ilay vavaka. Aoka anefa tsy hisy hihevitra fa afaka mamitaka an’Andriamanitra na i Kristy izy, ka hanafina fitondran-tena ratsy, na mody miseho ho mazoto manompo.—Jakoba 5:14, 15.
11. Ahoana no anampiana ny fiangonana ankehitriny mba ho mailo amin’ny fitaoman-dratsin’ny vehivavy sasany?
11 Soa ihany fa mailo ny ankamaroan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny manoloana io loza io. Mandinika ny toetra mety hitarika ho amin’ny tsy fankatoavana fahefana sy fanaovan-dratsy ny anti-panahy. Miezaka manampy ny lehilahy sy vehivavy izy ireo, mba tsy ho tratran’ny loza, fa hanatanjaka ny finoana sy ho voahitsy ara-potoana kosa. (Galatianina 5:16; 6:1) Be fitiavana sy hentitra ny mpiandraikitra kristianina. Sakanany izay vehivavy mitady hampisy fitokotokoana, toy ny ataon’ireo mpitaky ny zon’ny vehivavy. Misy torohevitra ara-potoana koa omena ao amin’ireo boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah.a
12. Ahoana no anehoan’ireo voahosotra zotom-po toy ny an’i Jeho?
12 Tsy maintsy roahina anefa ny mpanota tsy mibebaka, raha naloto fitondran-tena, indrindra fa raha lasa fanaony izany. Tadidintsika ny zotom-pon’i Jeho rehefa namongotra ny fitaoman-dratsin’i Jezebela teo amin’ny Israely. Manao zavatra hentitra koa ireo voahosotra toa an’i Jaona ankehitriny, ka manome ohatra ho an’ireo “Jonadaba” namany. Asehony fa tena tsy mitovy amin’ireo mpitondra fivavahana milefitra loatra eo amin’ny Kristianisma Anarana izy ireo.—2 Mpanjaka 9:22, 30-37; 10:12-17.
13. Inona no hitranga amin’ireo manaiky ho voafitak’ilay vehivavy Jezebela?
13 Iraka sy Mpitsara notendren’i Jehovah ilay Zanany. Izy no mampahafantatra hoe iza ilay Jezebela ankehitriny. Izy koa no hanipy azy eo amin’ny fandrian’ny marary, satria efa aretina mitaiza ny aretiny ara-panahy. (Malakia 3:1, 5) Hahita fahoriana be koa izay manaiky ho voafitak’io vehivavy io, satria ho voaroaka sy ho tafasaraka amin’ny fiangonana kristianina, ka ho toy ny maty. Mety ho fatin’ny “aretina mahafaty” koa izy ireo, fara fahatarany amin’ny fahoriana lehibe, raha tsy mibebaka sy miverina ary ekena ho eo anivon’ny fiangonana indray. Afaka ny ho tafaverina izy ireo alohan’izay, raha tena mibebaka noho ny zava-dratsy nataony.—Matio 24:21, 22; 2 Korintianina 7:10.
14. a) Ahoana no ampiasan’i Jesosy ny anti-panahy mba handaminana olana toy ny fitaoman-dratsin’i Jezebela? b) Ahoana no anohanan’ny fiangonana ny anti-panahy mandamina olana toy izany?
14 Tokony ho fantatry ny “fiangonana rehetra” fa dinihin’i Jesosy “ny voa”, izany hoe ny fihetseham-po lalina indrindra, sy ny “fo”, izany hoe ny toetran’ilay olona anaty, anisan’izany ny antony manosika azy. Mampiasa an’ireo kintana itokisany, na ny anti-panahy izy amin’izany, mba handamina olana toy ny fitaoman-dratsin’i Jezebela. (Apokalypsy 1:20) Mandinika tsara ny raharaha toy izany ny anti-panahy, vao mamoaka didim-pitsarana, ka tsy misy tokony hanadihady ny antony sy ny fomba nanaovana izany. Tokony hanaiky amim-panetren-tena ny fanapahan-kevitra noraisina ny rehetra, ka hanohana hatrany an’ireny kintan’ny fiangonana ireny. Hovalian-tsoa izay tsy mivadika amin’i Jehovah sy ny fandaminany. (Salamo 37:27-29; Hebreo 13:7, 17) Enga anie ianao koa ka hahazo fitahiana, rehefa hamaly ny tsirairay araka izay nataony i Jesosy.—Galatianina 5:19-24; 6:7-9.
‘Tano mafy izay efa anananareo’
15. a) Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ireo tsy voafitak’i Jezebela? b) Inona no mampiseho fa tsy ny rehetra nilaza ho Kristianina tamin’ny 1918 no voafitaky ny Kristianisma Anarana?
15 Mampahery ny tenin’i Jesosy manaraka: “Milaza amin’ny sisa aminareo any Tyatira aho, dia izay rehetra tsy manana izany fampianarana izany ka tsy mahafantatra ny ‘zava-dalin’i Satana’, araka ny filazan’izy ireo, eny, izao no lazaiko: Tsy manampy enta-mavesatra aminareo intsony aho. Tano mafy anefa izay efa anananareo, mandra-piaviko.” (Apokalypsy 2:24, 25) Nisy olona nahatoky tsy voafitak’i Jezebela tany Tyatira. Tsy ny Kristianina rehetra koa no nilefitra tamin’ny fitondran-tena ratsy sy faharatsiana manjaka eo amin’ny Kristianisma Anarana, nandritra ireo 40 taona talohan’ny 1918 sy taorian’izay. Niezaka ireo Mpianatra ny Baiboly vitsivitsy, fantatra ankehitriny hoe Vavolombelon’i Jehovah, mba hiala tamin’ny finoana sy fanao babylonianina, fototry ny fampianaran’ny Kristianisma Anarana. Nampian’izy ireo koa ny mpiangona mba hahita fa tsy fampianarana kristianina ny maro amin’ireo foto-pinoan’ny Kristianisma Anarana. Anisan’izany ny fampianarana milefitra loatra ataon’ilay “vehivavy Jezebela.”
16. Inona no tsy maintsy halavirina, na dia tsy nanampy enta-mavesatra aza i Jesosy sy ny filan-kevi-pitantanana kristianina tamin’ny taonjato voalohany?
16 Nampirisihin’ireo voahosotra toa an’i Jaona ankehitriny koa ny vahoaka be namany, mba hitandrina amin’ny fitaomana haloto fitondran-tena toy ny hita amin’ny fialam-boly ratsy ankehitriny. Tsy tokony ho liana amin’ny zava-dratsy isika, sady tsy mila mahita na manandrana izany vao hahalala izay tsy tokony hatao. Fahendrena kosa ny miala lavitra an’ireo “zava-dalin’i Satana.” Hoy i Jesosy: “Tsy manampy enta-mavesatra aminareo intsony aho.” Tsaroantsika amin’izany ny didy navoakan’ny filan-kevi-pitantanana kristianina tamin’ny taonjato voalohany hoe: “Sitraky ny fanahy masina sy izahay ny tsy hanampy enta-mavesatra anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto: Ny mifady hatrany ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy, sy ny ra sy ny biby nokendaina ary ny fijangajangana. Hahasoa anareo ny mitandrina tsara ireo zavatra ireo.” (Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Halaviro àry ny fivavahan-diso sy ny fampiasana ratsy ny ra (toy ny fampidiran-dra) ary ny fitondran-tena maloto, raha tianao ny hahazo fitahiana! Ho voatandro koa ny fahasalamanao amin’izay.
17. a) Ahoana no itaoman’i Satana ny olona ankehitriny ho amin’ny ‘zava-daliny’? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny “zava-dalin’i Satana” na ny fahendren’ity tontolo ity?
17 Manana “zava-dalina” hafa koa i Satana ankehitriny, dia ireo filozofia sy teoria sarotra tian’ny manam-pahaizana. Tafiditra amin’izany ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy sy ny fampianarana momba ny evolisiona, ankoatra ny fileferana amin’ny zava-dratsy sy ny fitondran-tena maloto. Ahoana no fahitan’ilay Mpamorona hendry indrindra an’ireny “zava-dalina” ireny? Hoy izy, tamin’ny alalan’ny apostoly Paoly: “Hofoanako ny fahendren’ny hendry.” Tsotra sy mazava ary manohina ny fo kosa ny “zava-dalin’Andriamanitra.” Manalavitra ny “zava-dalin’i Satana”, na ny fahendren’ity tontolo ity, ny Kristianina hendry. Tadidio fa “mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—1 Korintianina 1:19; 2:10; 1 Jaona 2:17.
18. Inona no fitahiana nampanantenain’i Jesosy ny Kristianina voahosotra mahatoky hatramin’ny farany, ary inona no tombontsoa ho azon’ireo hatsangana amin’ny maty ireo, amin’ny Hara-magedona?
18 Nilaza teny nampahery an’ireo Kristianina tany Tyatira izao i Jesosy. Mampahery ny voahosotra ankehitriny koa ireto teniny ireto: “Ary izay mandresy ka manatanteraka ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana amin’ireo firenena. Ary hiandry ny olona toy ny ataon’ny mpiandry ondry izy ireo, ka hiandry ireny amin’ny tehim-by, dia ho potipotika toy ny vilany tanimanga ireny. Eny, homeko fahefana izy, tahaka izay noraisiko avy tamin’ny Raiko.” (Apokalypsy 2:26, 27) Tombontsoa hafakely tokoa izany! Handray io fahefana io ireo voahosotra mpandresy rehefa hatsangana amin’ny maty. Hiaraka amin’i Jesosy hitazona “tehim-by” izy ireo, ka handringana ny firenena mpikomy amin’ny Hara-magedona. Hopotehin’i Jesosy toy ny famotika vilany tany ny fahavalony. Tsy hahavita na inona na inona ny fitaovam-piadian’ireo firenena amin’izay, fa zara raha hipoaka toy ny tsipoapoaka lena.—Salamo 2:8, 9; Apokalypsy 16:14, 16; 19:11-13, 15.
19. a) Iza ilay “kintan’ny maraina”, ary ahoana no anomezana azy ho an’ireo mpandresy? b) Inona no fampaherezana azon’ny vahoaka be avy amin’izany?
19 Hoy koa i Jesosy: “Ary homeko azy ny kintan’ny maraina.” (Apokalypsy 2:28) Nohazavain’i Jesosy tatỳ aoriana hoe iza io kintana io. Hoy izy: “Izaho no faka sy taranak’i Davida, sy ilay kintan’ny maraina mamirapiratra.” (Apokalypsy 22:16) I Jesosy tokoa no nanatanteraka ilay faminaniana noteren’i Jehovah holazain’i Balama hoe: “Misy kintana miseho avy amin’i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin’Isiraely.” (Nomery 24:17) Ahoana no anomezan’i Jesosy ny “kintan’ny maraina” ho an’ireo mpandresy? Ny tenany no hatolony ho azy ireo, izany hoe hifandray am-po aminy izy ireo, ka ho namany akaiky indrindra. (Jaona 14:2, 3) Mampirisika azy ireo hiaritra tokoa izany! Mandrisika ny vahoaka be koa izany, satria fantatr’izy ireo fa hampiasa ny fahefan’ny Mpanjaka io “kintan’ny maraina mamirapiratra” io mba hamerenana ny Paradisa eto an-tany!
Aza mivadika
20. Inona no zava-mitranga eo anivon’ny Kristianisma Anarana, ka mampahatsiahy antsika ny fahalemen’ny fiangonana tany Tyatira?
20 Tsy maintsy ho nampahery be an’ireo Kristianina tany Tyatira io hafatra io. Eritrereto hoe ilay Zanak’Andriamanitra nomem-boninahitra any an-danitra mihitsy no niteny tamin’ny Kristianina tany Tyatira momba ny zava-manahirana azy ireo! Azo antoka fa nisy nandray izany torohevitra tamim-pitiavana izany. Manampy antsika hamantatra ny tena Kristianina ankehitriny koa io hafatra lava indrindra amin’ireo hafatra fito io. Tonga tao amin’ny tempolin’i Jehovah i Jesosy mba hitsara, tamin’ny 1918. Hitany tamin’izay fa voaloton’ny fanompoan-tsampy sy fijangajangana ara-panahy ny ankamaroan’ireo fivavahana milaza ho Kristianina. (Jakoba 4:4) Nisy nanorina ny zavatra inoany tamin’ny fampianaran’ny vehivavy nitana mafy ny heviny tamin’ny taonjato faha-19, toa an’i Ellen White tao amin’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, sy Mary Baker Eddy tao amin’ny Kristianina Mpandala ny Siansa. Nihamaro koa tatỳ aoriana ny vehivavy mitory teny eny amin’ny polipitra. (Ampifanohero amin’ny 1 Timoty 2:11, 12.) I Maria matetika no omem-boninahitra kokoa noho Andriamanitra sy Kristy eo anivon’ny Fivavahana Katolika maro. Tsy nanao izany i Jesosy. (Jaona 2:4; 19:26) Tsy araka ny tokony ho izy raha ny vehivavy indray no mitarika. Azo ekena ho kristianina ve ny fivavahana manaiky izany?
21. Inona no fianarana ho an’ny tsirairay, avy amin’ny hafatr’i Jesosy ho an’ny fiangonana tany Tyatira?
21 Tokony handinika io hafatra io ny Kristianina tsirairay, na voahosotra izy na ondry hafa. (Jaona 10:16) Mety halaim-panahy hampiadan-tena toy ny mpianatr’ilay Jezebela tany Tyatira ny sasany. Eo koa ny fakam-panahy hanaiky lembenana. Tsy maintsy atrehina ankehitriny ny olana momba ny fihinanana ra sy ny fampidiran-dra. Mazoto manompo sy manao lahateny ny sasany, ka mety hanjary hihevitra fa azony atao ny milefitra kokoa amin’ny zavatra hafa, toy ny fijerena filma na video mahery setra sy misy fitondran-tena maloto, na ny fisotroana tafahoatra. Tsy tokony hanapa-kevitra samirery toy izany isika, rehefa jerena ny fampitandreman’i Jesosy ho an’ny Kristianina tany Tyatira. Tian’i Jehovah hadio sy hanompo amin’ny fo manontolo isika, fa tsy ho voazarazara toy ny Kristianina maro tany Tyatira.
22. Ahoana no anamafisan’i Jesosy fa tsara ny manana sofina vonon-kandray?
22 Hoy i Jesosy tamin’ny farany: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana.” (Apokalypsy 2:29) Faninefany izao i Jesosy no namerina io teny mandrisika io, ary mbola hamarana ny hafatra telo manaraka koa izy io. Manana sofina vonon-kandray toy izany ve ianao? Henoy hatrany àry Andriamanitra, rehefa miteny amin’ny alalan’ny fanahiny, ka manome torohevitra antsika amin’ny alalan’ireo solontenany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo, ohatra, ilay lahatsoratra hoe “Sarobidy ny Vehivavy Kristianina Tsy Mivadika Amin’Andriamanitra”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2003.
[Sary, pejy 51]
Anabavy mahatoky no manatontosa ny ampahany lehibe amin’ny fitoriana ankehitriny. Manaiky amim-panetren-tena ny fahefana napetrak’Andriamanitra izy ireo