Inona no lazain’ny Baiboly ny amin’Andriamanitra sy Jesosy?
AOKA hatao hoe hamaky ny Baiboly manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny olona iray tsy manan-kevitra mialoha ny amin’ny Trinite, ho tonga amin’io hevitra io irery ve izy? Tsia dia tsia tokoa.
Ny hita misongadina mazava tsara amin’ny mpamaky amin’ny saina tsy miangatra dia ny hoe Andriamanitra irery no Tsitoha, izy no Mpamorona, misaraka sy miavaka tsara amin’ny rehetra, ary i Jesosy, na dia talohan’ny naha-olombelona azy aza, dia misaraka sy miavaka tsara koa, noforonina, eo ambany fifehezan’Andriamanitra.
Tokana, fa tsy telo akory, Andriamanitra
ANTSOINA hoe “monothéisme” ny fampianaran’ny Baiboly fa tokana Andriamanitra. Ary asehon’i L. L. Paine, mpampianatra tantaram-piangonana fa tsy mifanaraka amin’ny Trinite ny “monothéisme” amin’ny endriny madio indrindra, amin’ny filazana hoe: “Ny Testamenta Taloha dia ‘monothéiste’ amin’ny heviny hentitra. Fisiana tokana manana ny maha-izy azy Andriamanitra. Tsy misy fototra velively (...) ny fiheverana fa ho hita ao ny fampianarana ny amin’ny Trinite.”
Moa ve nisy fiovana avy amin’ny “monothéisme”, taorian’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany? Mamaly toy izao i Paine: “Raha ny amin’io hevitra io dia tsy misy fisarahana eo amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao. Mitoetra foana ny finoana “monothéiste” nisy teo aloha. Jiosy i Jesosy ary notezain’ny ray aman-dreny jiosy araka ny soratra ao amin’ny Testamenta Taloha. Jiosy hatrany am-potony ny fampianarany; filazantsara vaovao tokoa, fa tsy teôlôjia vaovao. (...) Ary noraisiny ho azy ilay teny malaza ao amin’ny “monothéisme” jiosy manao hoe: ‘Mihainoa, ry Isiraely: Ny Tompo Andriamanitsika dia Andriamanitra iray ihany’.”
Ireo teny ireo dia hita ao amin’ny Deoteronomia 6:4. Vakina toy izao io andininy io ao amin’ny Fandikan-teny katolika: “Mihainoa, ry Israely: Iaveh Andriamanitsika, dia izy ihany no Iaveh.”a Raha ny amin’ny fitsipi-pitenenana eto, ny teny hoe “izy ihany” dia tsy arahina teny milaza maro manondro olona mihoatra noho ny iray.
Tsy manondro fisian’ny fiovana eo amin’ny maha-izy an’Andriamanitra koa i Paoly, ilay apostoly kristiana, na dia taorian’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany aza. Hoy ny nosoratany: “Andriamanitra dia iray ihany.” — Galatiana 3:20; jereo koa 1 Korintiana 8:4-6.
Inarivony maro ao amin’ny Baiboly manontolo Andriamanitra no resahina toy ny persona tokana. Rehefa miteny izy, dia amin’ny maha-persona iray sy tsy azo zaraina azy. Mazava tsy misy toy izany ny Baiboly amin’io lafiny io. Hoy Andriamanitra: “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa.” (Isaia 42:8). “Izaho no Iaveh Andriamanitrao. (...) Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako hianao”. (Izahay no manao sora-mandry.) — Eksodosy 20:2, 3, Kat.
Nahoana ireo mpanoratra ny Baiboly rehetra nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra no hiresaka ny Aminy ho toy ny persona iray raha toa ka persona telo tokoa izy io? Inona no ho zava-kendren’izany afa-tsy ny hamitahana olona? Azo antoka fa, raha voaforona persona telo Andriamanitra, dia ho nasainy nataon’ireo mpanoratra ny Baiboly mazava tsara izany, mba tsy hisian’ny fisalasalana. Fara faharatsiny, ireo mpanoratra ny soratra grika kristiana izay nifanerasera manokana tamin’ny Zanak’Andriamanitra mihitsy dia tokony ho nanao izany. Tsy nanao izany anefa izy ireo.
Mifanohitra amin’izany, fa ny nataon’ireo mpanoratra ny Baiboly mazava tsara dia ny hoe Persona iray ihany Andriamanitra — Fisiana tokana, tsy azo zaraina izay tsy manana ny mitovy aminy: “Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.” (Isaia 45:5). “Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” — Salamo 83:18.
Tsy Andriamanitra mizarazara maro izy
NANTSOIN’I Jesosy hoe “Andriamanitra tokana sady marina” Andriamanitra. (Jaona 17:3). Tsy niresaka ny amin’Andriamanitra na oviana na oviana ho toy ny andriamanitra voaforona persona maro izy. Noho izany, ao amin’ny Baiboly iray manontolo, dia tsy misy afa-tsy i Jehovah iray ihany no antsoina hoe Tsitoha. Raha tsy izany, dia tsy hisy heviny ny teny hoe “tsitoha [faran’izay mahery, MN]”. Na i Jesosy na ny fanahy masina dia tsy antsoina toy izany mihitsy, satria i Jehovah irery ihany no fara tampony. Milaza toy izao izy ao amin’ny Genesisy 17:1: “Izaho no Andriamanitra Tsitoha.” Ary milaza ny Eksodosy 18:11 hoe: “Lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.”
Ao amin’ny Soratra hebreo, ny teny hoe ʼelohʹah (andriamanitra) dia manana endrika milaza maro roa, dia ny hoe ʼelo·himʹ (ireo andriamanitra) sy ny hoe ʼelo·hehʹ’ (ireo andriamanitry ny). Amin’ny ankapobeny, ireo endriny milaza maro ireo dia manondro an’i Jehovah, ka amin’izay izy ireo no adika amin’ny endriny milaza tokana hoe “Andriamanitra”. Moa ve ireo endrika milaza maro ireo manondro Trinite iray? Tsia. Milaza toy izao i William Smith ao amin’ny Rakibolana momba ny Baiboly (anglisy): “Tsy ahitana mpanohana azy firy eo amin’ireo manam-pahaizana izao ilay hevitra noforonina fa ny hoe [ʼelo·himʹ ] dia manondro ireo persona telo ao amin’ilay Andriamanitra iray. Na, ilay antsoin’ireo mpahay fitsipi-pitenenana hoe endrika milaza maro manambara fahamboniana izy io na, manondro ny fahafenoan’ny herin’Andriamanitra, ny fitambaran’ireo hery asehon’Andriamanitra.”
Milaza toy izao momba ny ʼelo·himʹ ny Gazety amerikana momba ny fiteny sy ny haisoratra jiosy (anglisy): “Saika mandrakariva izy io dia arafitra miaraka amin’ny matoanteny enti-milaza manondro tokana sy arahina mpamaritra milaza toetra manondro tokana.” Mba hanazavana izany, ny anaram-boninahitra hoe ’èlohim dia miseho in-35 ao amin’ny fitantarana ny amin’ny famoronana, ary hatrany hatrany ny matoanteny milazalaza izay nolazain’Andriamanitra sy nataony dia amin’ny endriny milaza tokana. (Genesisy 1:1–2:4). Mamarana toy izao àry io gazety io: “Ny hoe [ʼElo·himʹ ] dia tsy maintsy raisina kosa ho toy ny endrika milaza maro manamafy (pluriel intensif), milaza fahalehibeazana sy fahamboniana.”
Midika ho “andriamanitra maro” ny hoe ʼElo·himʹ fa tsy ‘persona maro’. Noho izany, ireo izay manohana fa io teny io dia milaza ny Trinite dia manao ny tenany ho “polythéistes” na mpanompo Andriamanitra mihoatra ny iray. Nahoana? Satria izany dia hidika fa misy andriamanitra telo ao amin’ny Trinite. Kanefa, saiky ny mpanohana ny Trinite rehetra dia mandà ny fomba fihevitra fa voaforon’ny andriamanitra telo miavaka ny Trinite.
Mampiasa ny teny hoe ʼelo·himʹ sy ʼelo·hehʹ koa ny Baiboly rehefa miresaka ny amin’ny andriamani-diso sampy maro. (Eksodosy 12:12; 20:23). Amin’ny toe-javatra maro hafa anefa dia mety hiresaka ny amin’ny andriamani-diso tokana izy io, toy ny rehefa miresaka an’i “Dagona andriamaniny [ʼelo·hehʹ]” ny Filistina. (Mpitsara 16:23,24). I Bala dia antsoina hoe “andriamanitra [ʼelo·himʹ].” (1 Mpanjaka 18:27). Fanampin’izany, io teny io dia ampiasaina amin’ny olombelona. (Salamo 82:1, 6). Nilazana i Mosesy fa ho “Andriamanitra” [ʼelo·himʹ] ho an’i Arona sy Farao izy. — Eksodosy 4:16, MN; 7:1.
Miharihary fa ny fampiasana ny anaram-boninahitra hoe ʼelo·himʹ sy ʼelo·hehʹ amin’ireo andriamani-diso, ary na dia amin’ny olombelona aza, dia tsy milaza fa andriamanitra maro ny tsirairay avy aminy; toy izany koa fa ny fampiharana ny hoe ʼelo·himʹ na ʼelo·hehʹ amin’i Jehovah dia tsy midika fa persona mihoatra ny iray izy, indrindra rehefa mandinika ny fanamarinana omen’ny tapany sisa amin’ny Baiboly ny amin’io fotokevitra io isika.
Jesosy, zavaboary miavaka tsara
FONY tetỳ an-tany i Jesosy dia olombelona na dia tanteraka aza satria Andriamanitra no namindra ny herim-piainany tao an-kibon’i Maria. (Matio 1:18-25). Nefa tsy tamin’izay fomba izay no niandohan’ny fiainany. Nilaza mihitsy ny tenany fa “nidina avy tany an-danitra” izy. (Jaona 3:13). Ara-dalàna àry ny nilazany tatỳ aoriana toy izao tamin’ireo mpianany: “Mainka raha mahita ny Zanak’olona [Jesosy] miakatra ho any amin’izay nitoerany taloha hianareo.” — Jaona 6:62.
Araka izany, dia efa nisy tany an-danitra talohan’ny nahatongavany teto an-tany i Jesosy. Moa ve anefa tamin’izay izy dia iray tamin’ireo persona ao amin’ny Andriamanitra telo izay iray tsitoha sy mandrakizay? Tsia, satria milaza mazava tsara ny Baiboly fa, talohan’ny naha-olombelona azy, i Jesosy dia zavaboary ara-panahy tahaka ny maha-ara-panahy ireo anjely noforonin’Andriamanitra. Na i Jesosy na ireo anjely dia samy tsy nisy talohan’ny namoronana azy.
I Jesosy, talohan’ny naha-olombelona azy dia “ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.” (Kolosiana 1:15). Izy no “fiandohan’ny asa famoronan’Andriamanitra.” (Apokalypsy 3:14, RS, fanontana katolika). Tsy azo raisina ara-dalàna ho midika hoe Jesosy no “nanomboka nanao” ny asa famoronan’Andriamanitra ny hoe “niandohana” [ar·kheʹ amin’ny teny grika]. Ao amin’ireo sorany ao amin’ny Baiboly, i Jaona dia nampiasa maherin’ny indroapolo ny teny grika hoe ar·kheʹ, ary mandrakariva io teny io dia midika hoe “fiandohana”. Eny, i Jesosy dia noharìn’Andriamanitra ho fiandohan’ireo asa famoronan’Andriamanitra tsy hita maso.
Mariho fa misy fifandraisana akaiky eo amin’ireo fitenenana manondro ny niandohan’i Jesosy ireo sy izay ampiasain’ny “fahendrena” ara-panoharana ao amin’ny bokin’ny Ohabolana: “Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ny alehany, ho voalohany amin’ny asany hatramin’ny taloha. Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho; fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, na ny voalohan’ny vovo-tany ambonin’izao rehetra izao.” (Ohabolana 8:12, 22, 25, 26). Na dia ampiasaina mba hiresahana ny amin’ilay noforonin’Andriamanitra aza ny teny hoe “fahendrena”, ny ankabeazan’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly dia manaiky fa raha ny marina, izy io dia fomba fiteny mampiseho an’i Jesosy zavaboary ara-panahy, talohan’ny naha-olombelona azy.
Tamin’ny naha-“fahendrena” azy talohan’ny naha-olombelona, i Jesosy dia nanohy ny teniny ka nilaza fa “Mpità-marika teo anilany [anilan’Andriamanitra]” izy. (Ohabolana 8:30). Mifanaraka amin’ny maha-mpità-marika azy io, ny Kolosiana 1:16 dia milaza an’i Jesosy ho “nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany.”
Tamin’ny alalan’io mpità-marika, toy ny hoe mpiara-miasa taminy teo ambany fahefany io, àry no naharian’Andriamanitra Tsitoha ny zavatra hafa rehetra. Mamintina izany amin’izao teny izao ny Baiboly: “Nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ny zavatra rehetra (...) ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra.” (Izahay no manao sora-mandry.) — 1 Korintiana 8:6.
Tsy isalasalana fa tamin’io mpità-marika io no nilazan’Andriamanitra hoe: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika.” (Genesisy 1:26). Nisy nilaza fa ny hoe “Isika” sy “endritsika” dia manondro ny Trinite. Kanefa, raha toa ianao ka milaza hoe: ‘Andeha isika hanao zavatra ho antsika’, dia tsy hisy mihitsy hihevitra avy amin’io teny io fa misy persona maromaro mitambatra ho iray ao anatinao ao. Te hilaza fotsiny ianao fa hisy olona roa na mahery hanao zavatra miaraka. Toy izany koa, rehefa nampiasa ny teny hoe “Isika” sy “endritsika” àry Andriamanitra, dia niresaka tamin’ny olona hafa iray fotsiny izy, tamin’ny zavaboariny ara-panahy voalohany, ilay mpità-marika, dia i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy.
Azo alaim-panahy ve Andriamanitra?
AO AMIN’NY Matio 4:1 dia lazaina fa “halain’ny devoly fanahy” i Jesosy. Rehefa avy naneho tamin’i Jesosy “ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny” i Satana dia nanao hoe: “Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.” (Matio 4:8, 9). Nanandrana nitaona an’i Jesosy hivadika amin’Andriamanitra i Satana.
Kanefa, amin’ny ahoana no maha-fisedrana ny tsy fivadihana an’izany raha i Jesosy ihany no Andriamanitra? Moa ve Andriamanitra afaka nikomy tamin’ny tenany? Tsia, fa anjely sy olombelona no afaka ary tena nikomy tamin’Andriamanitra. Tsy hisy heviny ny fakana fanahy an’i Jesosy raha tsy hoe olona iray miavaka tsara izy, fa tsy Andriamanitra akory, izany hoe olona manana ny safidiny manokana, afaka ny hivadika raha tiany izany, toy ny anjely iray na ny olombelona iray.
Etsy an-daniny, dia tsy azo saintsainina ny hoe afaka nanota sy nivadika tamin’ny tenany Andriamanitra. “Tanteraka ny asany (...) Andriamanitra mahatoky Izy (...) Marina sy mahitsy Izy.” (Deotoronomia 32:4). Raha toa ka Andriamanitra i Jesosy, dia tsy ho azo nalaim-panahy izy. — Jakoba 1:13.
Koa satria tsy Andriamanitra i Jesosy, dia afaka ny nivadika izy. Nitoetra ho nahatoky anefa izy ary nilaza hoe: “Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe: ‘Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao’ .” — Matio 4:10.
Inona no vidin’ny avotra?
NY IRAY amin’ireo antony lehibe indrindra nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany koa dia mifandray mivantana amin’ny Trinite. Hoy ny Baiboly: “Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny [“mifanitsy ho an’ny”, MN] olona rehetra.” — 1 Timoty 2:5, 6.
I Jesosy, olona tanteraka, tsy nihoatra na latsaka noho izany, dia tonga avotra nanonitra tsara tokoa izay verin’i Adama: ny zo hanana fiainan’olombelona tanteraka eto an-tany. Ara-drariny àry ny niantsoan’ny apostoly Paoly an’i Jesosy hoe “Adama farany”, ka nilazany toy izao koa: “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.” (1 Korintiana 15:22, 45). Ny ain’olombelona tanteraka nananan’i Jesosy no ilay “avotra mifanitsy” notakin’ny fahamarinan’Andriamanitra, tsy mihoatra, tsy latsaka. Na dia amin’ny fitsaran’olombelona aza, ny fotopoto-pitsipika lehibe iray dia mitaky ny hampifanitsiana ny vidiny aloa amin’ny ratsy vita.
Kanefa, raha toa i Jesosy ka mpikambana ao amin’ny Andriamanitra iray, ny vidin’ny avotra dia ho nihoatra lavitra noho izay notakin’ny lalàn’Andriamanitra. (Eksodosy 21:23-25; Levitikosy 24:19-21). I Adama izay olombelona tanteraka ihany no nanota tany Edena fa tsy Andriamanitra akory. Noho izany, ny avotra, mba hifanaraka tanteraka amin’ny rariny araka an’Andriamanitra, dia tsy maintsy nitovy tanteraka tamin’izany: olombelona tanteraka iray, “Adama farany”. Rehefa naniraka an’i Jesosy tetỳ an-tany mba ho avotra àry Andriamanitra, dia nanao an’i Jesosy, tsy ho fisehoana amin’ny nofo na ho olombelona sady andriamanitra akory, fa ho olombelona tanteraka, “ambany kely noho ny anjely”, mba hahafa-po ny rariny.” (Hebreo 2:9; ampitahao amin’ny Salamo 8:5, 6, MN.) Amin’ny ahoana no hetezan’ny mpikambana iray ao amin’Andriamanitra tsitoha — Ray, Zanaka na fanahy masina — ho ambany kely noho ny anjely?
Amin’ny heviny ahoana izy no ‘Zanakalahy tokana’?
MIANTSO an’i Jesosy hoe ‘Zanakalahy Tokan’Andriamanitra ny Baiboly’. (Jaona 1:14; 3:16, 18; 1 Jaona 4:9). Milaza ny mpanohana ny Trinite fa satria mandrakizay Andriamanitra, dia mandrakizay koa ny Zanak’Andriamanitra. Kanefa, amin’ny ahoana no hahatonga ny persona iray ho zanaka sady hitovy taona amin-drainy?
Milaza ireo mpanohana ny Trinite fa, raha ny amin’i Jesosy, ny maha-‘Zanakalahy tokana’ dia tsy mitovy amin’izay amaritan’ny rakibolana ny teny hoe “miteraka” izay “miteraka amin’ny maha-ray”. (Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary). Milaza izy ireo fa raha ny amin’i Jesosy, izany dia midika ho “fifandraisana tsy nanam-piandohana”, karazana fifandraisana amin’ny zanakalahy tokana, tsy misy fiterahana. (Rakibolana manazava ireo teny ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao nataon’i Vine, anglisy). Hitanao ho araka ny fifandrindran-kevitra ve izany? Moa ve mety ho ray ho an’ny zanakalahy iray ny lehilahy iray raha tsy niteraka azy?
Ankoatra izany, nahoana ny Baiboly no mampiasa io teny grika io ihany, nadika hoe “lahitokana” (toy ny aneken’i Vine tsy misy fanazavana azy), mba hilazalazana ny fifandraisana teo amin’i Isaka sy i Abrahama? Ny Hebreo 11:17 dia miresaka an’Isaka ho ‘Zanakalahy tokan’i Abrahama’. Tsy mety hisy fisalasalana raha ny amin’i Isaka, fa zanakalahy tokana amin’ny heviny mahazatra izy, tsy nitovy tamin-drainy na tamin’ny taona na tamin’ny toerana tanana.
Ny teny grika fototra nadika hoe “zanakalahy tokana” ampiasaina amin’i Jesosy sy i Isaka dia ny hoe mo·no·ge·nesʹ avy amin’ny hoe moʹnos, midika hoe “tokana” sy ny hoe giʹno·mai, fototeny midika hoe “miteraka”, “mahatonga (hisy)”, hoy ny bokin’i Strong hoe Exhaustive Concordance. Ny hoe mo·no·ge·nesʹ àry dia adika hoe: “Teraka tokana, hany nateraka, izany hoe zanaka tokana.” — Rakibolana grika sy anglisy ny amin’ny Testamenta Vaovao, (anglisy) nataon’i E. Robinson.
Hoy ny Rakibolana ara-teôlôjia momba ny Testamenta Vaovao (anglisy) natontan’i Gerhard Kittel: “[Mo·no·ge·nesʹ] dia midika hoe ‘taranaka tokana’, izany hoe tsy misy iray tam-po.” Milaza koa io boky io fa ao amin’ny Jaona 1:18; 3:16, 18 ary 1 Jaona 4:9, “ny fifandraisan’i Jesosy dia tsy ampitahaina fotsiny amin’izay misy eo amin’ny zanaka tokana sy ny rainy. Tena misy io fifandraisan’ny maha-zanaka tokana azy amin’ny Rainy io.”
Nanam-piandohana teo amin’ny fiainana àry i Jesosy. Ary azo antsoina ara-drariny ho Ilay niteraka azy, na Rainy, ilay Andriamanitra Tsitoha, tsy misy hafa amin’ny ray iray eto an-tany, toa an’i Abrahama, niteraka ny zanany. (Hebreo 11:17). Noho izany, rehefa miresaka an’Andriamanitra ho ‘Rain’i Jesosy’ ny Baiboly, dia izany no tiany holazaina: persona roa miavaka tsara izy ireo. Andriamanitra no ilay ambony. I Jesosy no ilay ambany, raha ny amin’ny taona, ny laharana, ny hery ary ny fahalalana.
Rehefa heverina fa tsy i Jesosy ihany no zanaka ara-panahy noforonin’Andriamanitra tany an-danitra dia miharihary ny antony iantsoana azy hoe “Zanakalahy tokana”. Zavaboary ara-panahy, na anjely, maro be tsy tambo isaina hafa no antsoina koa hoe “zanak’Andriamanitra”, tahaka an’i Adama, satria ny herim-piainany dia avy amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’aina. (Joba 38:7; Salamo 36:9; Lioka 3:38). Izy rehetra ireo anefa dia noforonina tamin’ny alalan’ilay “Zanakalahy tokana” izay hany naterak’Andriamanitra nivantana. — Kolosiana 1:15-17.
Moa ve i Jesosy noheverina ho Andriamanitra?
NA DIA antsoina matetika hoe Zanak’Andriamanitra aza i Jesosy ao amin’ny Baiboly, dia tsy nisy na dia iray aza tamin’ny taonjato voalohany nihevitra azy ho Andriamanitra Zanaka. Na dia ny demonia, izay ‘mino fa iray ihany Andriamanitra’ aza dia nahalala, noho izy ireo niaina tany amin’ny faritra ara-panahy, fa tsy Andriamanitra i Jesosy. Araka ny izy àry ny niresahany tamin’i Jesosy tamin’ny naha-“Zanak’Andriamanitra” niavaka tsara azy. (Jakoba 2:19; Matio 8:29). Ary, rehefa maty i Jesosy, ireo miaramila romana mpanompo sampy nijoro teo dia ampy fahalalana mba hilazana fa marina izay reny nolazain’ny mpanara-dia azy, fa tsy Andriamanitra i Jesosy fa “marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra.” — Matio 27:54.
Noho izany, ny fitenenana hoe “Zanak’Andriamanitra” dia manondro an’i Jesosy zavaboary miavaka tsara iray fa tsy mpikambana amin’ny Trinite iray. Amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra azy, dia tsy afaka ny ho Andriamanitra mihitsy izy, satria milaza ny Jaona 1:18 hoe: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana”.
Nihevitra an’i Jesosy ho “Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona” fa tsy Andriamanitra mihitsy ireo mpianany. (1 Timoty 2:5). Koa satria, araka ny hevitr’io teny io, ny mpanalalana dia olona iray miavaka tsara amin’izay mila ny fanelanelanany, dia ho fifanoheran-kevitra ny fandraisana an’i Jesosy ho mahaforona tenan-javatra iray ihany amin’ny iray amin’ireo lafiny roa iezahany ampihavanina. Izany dia ho fihamboana ho zavatra hafa noho ny tena naha-izy azy.
Mazava ary tsy miova ny Baiboly raha ny amin’ny fifandraisan’Andriamanitra amin’i Jesosy. Jehovah Andriamanitra irery no Tsitoha. Namorona nivantana an’i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy io izy. Nanam-piandohana àry i Jesosy ary tsy afaka ny hitovy velively amin’Andriamanitra na amin’ny hery na amin’ny maha-mandrakizay.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nadika hoe “Iaveh” ny anaran’Andriamanitra amin’ny fandikan-teny sasantsasany, “Jehovah” amin’ny hafa.
[Teny notsongaina, pejy 14]
Noho izy noforonin’Andriamanitra, i Jesosy dia mitana ny laharana faharoa raha ny amin’ny taona, ny hery ary ny fahalalana.
[Sary, pejy 15]
Nilaza i Jesosy fa efa nisy talohan’ny naha-olombelona azy izy, satria noharìn’Andriamanitra ho fiandohan’ireo asa famoronan’Andriamanitra tsy hita maso.