LAODIKIA
(Laòdikìa), Laodikianina (Laòdikiànina).
Tanàna tany amin’ny ilany andrefan’i Azia Minora. Any akaikin’i Denizli, tokony ho 150 km any atsinanan’i Efesosy, no misy ny tanàna ravan’i Laodikia. Diospolisy sy Roasy no niantsoana azy taloha. Nanorina azy io indray anefa i Antiokosa II, tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus, tamin’ny taonjato fahatelo T.K., ary nampitondrainy ny anaran’i Laodisy vadiny izy io. Teo amin’ilay lohasaha mahavokatra nikorianan’ny Reniranon’i Lycus no nisy an’i Laodikia, teo amin’ny fihaonan’ireo lalambe fivezivezen’ny entam-barotra. Nisy lalana hafa nankany amin’ny tanànan’i Efesosy, Pergamosy, ary Filadelfia koa tao.
Tena nanan-karena i Laodikia noho ireo taozavatra novokariny sy noho izy io nanana banky. Nanan-karena tokoa i Laodikia matoa tafarina irery tsy nila ny fanampian’i Roma, rehefa niharan’ny horohoron-tany lehibe, tamin’ny andro nanjakan’i Néron. (Tantara nosoratan’i Tacite XIV, XXVII) Nalaza ny volonondry mainty mangirana avy any Laodikia sy ny akanjo vita tamin’izany. Nisy sekoly nalaza, fianarana ho dokotera tao, ka azo inoana hoe avy tao Laodikia ilay fanafody maso nantsoina hoe vovoka frijianina. Iray amin’ireo andriamanitra lehibe nivavahana tao Laodikia i Esculape, andriamanitry ny fitsaboana.
Ny lesoka tamin’ilay tanàna, dia izy tsy nanan-drano, tsy mba toa an’i Hierapolia, tanàna teo akaiky, izay nanana ranomafana nalaza ho manasitrana, sy tsy toa an’i Kolosia, izay nanana rano nangatsiatsiaka namelombelon’aina. Notarihina avy lavitra be ny ranony, ka azo inoana hoe lasa matimaty ny hafanany vao tonga tao an-tanàna. Notarihina tamin’ny lakandrano aloha ilay rano, ary rehefa akaiky tanàna dia nalefa tao anaty fantsona hafa kely: Vato malao lehibe maro no nolavahana teo afovoany ary natambatambatra tamin’ny simenitra.
Toa maro be ny Jiosy tao Laodikia. Nitantara i Josèphe fa nanoratra ny mpitsara tao Laodikia hoe navela hanaja ny sabatany sy ireo fombafomba fivavahany ny Jiosy, ho fankatoavana ny didin’i Caius Rabirius. (Rakitry ny Ela Jiosy, XIV, 241-243 [x, 20]) Nisy Jiosy mpanefohefo tao matoa volamena 6,5 kg no azon’i Flaccus Governora tamin’izy naka an-keriny ny fanomezana fanao isan-taona ho an’ny tempoly tany Jerosalema.
Nisy fiangonana kristianina tao Laodikia, tamin’ny taonjato voalohany, izay toa nivory tao an-tranon’i Nymfa, anabavy kristianina. Azo antoka fa anisan’ny nampisy an’io fiangonana io ny ezaka mafy nataon’i Epafra. (Kl 4:12, 13, 15) Azo inoana koa fa nisy vokany hatrany Laodikia ny fitoriana nataon’i Paoly tao Efesosy. (As 19:10) Tsy nitory tany Laodikia i Paoly. Na izany aza dia nihevitra izay hahasoa ny fiangonana tao izy, ary nanoratra taratasy ho azy ireo mihitsy aza. (Kl 2:1; 4:16) Misy manam-pahaizana milaza hoe dika mitovy tamin’ilay taratasy nalefan’i Paoly tany Efesosy ihany ilay taratasy nalefany tany Laodikia. Tombantombana fotsiny anefa izany. Tian’izy ireo hohazavaina mantsy ny antony tsy ahitana an’io taratasin’i Paoly ho an’ny Laodikianina io ao amin’ny Baiboly. Tena nanoratra ho azy ireo anefa i Paoly. Mety hoe tsy ilaintsika amin’izao andro izao ny zavatra noraketin’ilay taratasy ho an’ny Laodikianina, na namerina hevitra efa voalazan’ny boky hafa tao amin’ny Soratra Masina izy io.
Rehefa nomem-boninahitra i Jesosy Kristy, dia iray tamin’ireo fiangonana fito nandefasany hafatra manokana tany Azia Minora ny fiangonana tao Laodikia, hafatra izay nampitainy tamin’ny alalan’i Jaona. (Ap 1:11) Tsy dia mendri-piderana loatra ny fiangonana tany Laodikia, tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Nanan-karena ilay fiangonana, nefa nahantra teo amin’ny lafiny ara-panahy. Nikirakira volamena ny mpiasan’ny banky tao Laodikia, nampahalaza an’ilay tanàna ny volonondry mainty mangilohilo, namokatra fanafody maso ireo mpitsabo matihanina tao Laodikia, nanasitrana ny ranomafana tao Hierapolia, tanàna teo akaiky teo. Ny tena nilain’ilay fiangonana tao Laodikia anefa dia ireo zavatra rehetra ireo saingy teo amin’ny lafiny ara-panahy: Nila “volamena voadio tamin’ny afo” izy mba hanatsarany ny toetrany (ampit. 1Ko 3:10-14; 1Pe 1:6, 7), nila akanjo ivelany fotsy izy mba ho hita hoe Kristianina tsy misy tsiny ka tsy manana lafin-toetra mahamenatra toy ny vatana mitanjaka. (Ampit. Ap 16:15; 19:8.) Nila “fanafody maso” an’ohatra izy ireo mba tsy ho jamba intsony. Amin’izay izy ireo dia hahita tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ary hahalala tsara ny andraikitra kristianina tanany. (Ampit. Is 29:18; 2Pe 1:5-10; 1Jn 2:11.) Afaka nividy an’ireo rehetra ireo izy ireo, raha navelany hiditra i Kristy Jesosy, ilay nandondòna tao am-baravarana. (Ampit. Is 55:1, 2.) Tsy tokony ho matimaty intsony izy ireo fa tokony hafana tsara ka handrisika olon-kafa (ampit. Sl 69:9; 2Ko 9:2; Tit 2:14) na tokony hangatsiatsiaka ka hamelombelona (ampit. Oh 25:13, 25).—Ap 3:14-22.