-
Voahosotra, FanosoranaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nilaza i Jakoba mpianatr’i Jesosy fa tokony ‘hohosorana menaka’ amin’ny anaran’i Jehovah ireo marary ara-panahy. Aretina ara-panahy tokoa ilay izy matoa izy niteny hoe: “Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana” fa tsy ny dokotera, ary ‘raha nanota izy, dia havela ny helony.’ (Jk 5:13-16) Fanasitranana an’ohatra koa no tian’i Jesosy holazaina, rehefa niteny tamin’ny fiangonan’i Laodikia izy ‘mba hividy aminy ... fanafody maso hikosehana [na ‘hahosotra’, Prot.] ny masony mba hahitany.’—Ap 3:18.
-
-
Fanafody MasoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
FANAFODY MASO
Zavatra fanosotra amin’ny maso izay manasitrana. Ampiasaina an’ohatra izy io ao amin’ny Baiboly. Nasaina nividy ‘fanafody maso hikosehana ny masony mba hahitany’ ireo Kristianina tany Laodikia, satria jamba ara-panahy izy ireo. (Ap 3:17, 18) Midika ara-bakiteny hoe mofo kely mihorongorona na boribory ilay teny grika (kôlloriôn) nadika hoe fanafody maso. Toa natao boribory na nahorongorona toy ny mofo kely àry ilay fanafody. Tany Laodikia angamba no nanamboarana an’ilay fanafody maso nantsoina hoe vovoka frijianina. Nisy sekoly fianarana ho dokotera mantsy tany, ary izany no nampahalaza an’ilay tanàna. Nazava tsara tamin’ireo Kristianina tany àry ilay fampirisihana azy ireo hividy fanafody maso.
-