OMBILAHY
[Heb.: shôhr (Ek 21:28), par (Ek 29:10), bakar (1Mp 7:25), ʼagalim (Am 6:4), reʼem (“ombidia”; No 23:22); aram.: tôhr (Da 5:21); gr.: taorôs (Mt 22:4), bos (1Ko 9:9), môskôs (“zanak’omby”; Lk 15:23)].
Nadika hoe “omby”, “ombilahy vositra”, na “zanak’omby” ireo teny tany am-boalohany ilazana ny “ombilahy” ireo. Vosirina ny ombilahy any amin’ny toerana sasany, mba ho mora folahina hiasa. Toa tsy nanao toy izany anefa ny Israelita, satria tsy azo natao sorona ny biby nanan-takaitra. (Le 22:23, 24; De 17:1; ampit. 1Mp 19:21.) Mety ho ilay karazany mora baikoina àry, hono, ny ombilahy nompiany.
Nitana toerana lehibe teo amin’ny fivavahan’ny firenena maro mpanompo sampy ny ombilahy. Nomem-boninahitra sy nivavahana izy io satria natanjaka be na fakana taranaka imbetsaka. Sarina ombilahy ny sarin’i Mardoka, andriamanitra lehibe indrindran’ny Babylonianina. Nohamasinin’ny Ejipsianina ny ombilahy velona, satria noheveriny fa naka ny endrik’izy ireny ny andriamanitra Apis tany Memfisa ary Mnévis tany Heliopolisy. Niavaka koa tamin’ny mpanompo sampy ny ombilahy (Taureau), matoa anisan’ny misongadina indrindra amin’ireo kintana fijerena tononandro.
Na ny Israelita aza nanakalo ny voninahitr’i Jehovah tamin’ny “sarin’omby”, taoriana kelin’ny nanafahana azy ireo avy tany Ejipta, satria nisy vokany taminy ihany angamba ny fivavahan-diso tany. (Sl 106:19, 20) Nanao zanak’omby hivavahana tany Dana sy Betela i Jeroboama, mpanjaka voalohan’ny fanjakan’ny foko folo. (1Mp 12:28, 29) Noraran’ny lalàn’Andriamanitra anefa ny Israely tsy hivavaka tamin’ny omby na biby hafa, na dia tamin’ny sarin’izy ireny aza.—Ek 20:4, 5; ampit. Ek 32:8.
Nanao sorona ombilahy ny Israelita (Ek 29; Le 22:27; No 7; 1Ta 29:21), ary ny Lalàna mihitsy no nitaky izany indraindray. Tsy maintsy nanolotra ombilahy iray (fanatitra lehibe sy lafo vidy indrindra) ho sorona ny mpisoronabe, raha nanota ka nahameloka ny vahoaka. Izy mantsy no mpitarika ny fivavahana marina tany Israely. Ombilahy iray koa no natolotra, raha ny vahoakan’Israely manontolo no nanao fahadisoana. (Le 4:3, 13, 14) Toy izany koa no natolotra mba handrakofana ny fahotan’ny mpisorona taranak’i Arona, rehefa Andro Fandrakofam-pahotana. (Le 16) Nanolotra ombilahy 70 mahery ho fanatitra dorana koa ny Israelita, tamin’ny volana fahafito tamin’ny kalandrieny ara-pivavahana.—No 29.
Nampiasa ombilahy ny tantsaha israelita, rehefa niasa tany na teny am-pamoloana. (De 22:10; 25:4) Tokony hanehoana fiahiana ny omby, ka tsy navelan’ny Lalàna hasiana fehivava rehefa miasa eny am-pamoloana, fa mendrika ny hihinana amin’ny voa eny. Nampiharin’ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina izany, ka nilaza izy fa mendrika ny hahazo fanampiana koa ny mpanompon’Andriamanitra mampahafantatra ny fahamarinana amin’ny hafa. (Ek 23:4, 12; De 25:4; 1Ko 9:7-10) Nisy lalàna momba ny halatr’omby, sy ny fahavoazana nateraky ny omby tsy nisy niambina ka nanoto na nanimba fananan’olona.—Ek 21:28–22:15.
Mifanitsy amin’ireo ombilahy nataon’ny Israelita fanatitra ny soron’i Kristy tsy misy tsiny, izay hany manala ny fahotan’olombelona. (He 9:12-14) Oharina amin’ny fanaovana sorona vantotr’ombilahy matanjaka koa ny vokatry ny molotra, izay “manao fanambarana ampahibemaso momba ny [anaran’i Jehovah].” Mahafaly Azy foana ny fanatitra an-tsitrapo toy izany, amin’ny toe-javatra rehetra.—Sl 69:30, 31; Ho 14:2; He 13:15.
Ilazana hery sy tanjaka ny ombilahy ao amin’ny Baiboly. Nipetraka teo ambonin’ny ombilahy 12 miaraka tsitelotelo sy mitodika any amin’ny vazan-tany efatra, ny fitoeran-drano lehibe nanoloana ny tempolin’i Solomona. (2Ta 4:2, 4) Tarehin’omby ny iray tamin’ireo tarehy efatra nananan’ny zavamananaina efatra niaraka tamin’ny seza fiandrianan’i Jehovah na kalesiny, tao amin’ny fahitan’i Ezekiela mpaminany. (Ezk 1:10) Toy ny vantotr’ombilahy kosa ny iray tamin’ireo zavamananaina efatra nanodidina an’ilay seza, tao amin’ny fahitan’ny apostoly Jaona. (Ap 4:6, 7) Mahalaza tsara ny iray amin’ireo toetra lehiben’i Jehovah, dia ny heriny tsy manam-petra, àry ny ombilahy.—Sl 62:11; Is 40:26.
Ilazana an’ireo fahavalon’i Jehovah mitady hanandevo na handripaka ny mpanompony koa ny hoe ombilahy ao amin’ny Baiboly. Horinganin’i Jehovah anefa izy ireo amin’ny andro famaliany.—Sl 22:12; 68:30; Is 34:7, 8; Ezk 39:18; jereo FANATITRA; ZANAK’OMBY.
Resahin’ny Baiboly an-kolaka ny lafiny sasany mampiavaka ny “ombidia” (reʼem): Sarotra folahina (Jb 39:9-12), miriotra mafy sy tsy mety resy (No 23:22; 24:8), manana tandroka lehibe sy mafy (De 33:17; Sl 22:21; 92:10), ary mifalihavanja raha mbola kely (Sl 29:6). Ombidia koa no ilazana an’ireo olona sarotra fehezina manohitra an’i Jehovah ka hiharan’ny didim-pitsarany.—Is 34:7.