Ireo mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy: mahakasika anao ny fihazakazahany
NY ALATSINAINY 1 Aprily 1985 dia tsy andro sahala amin’ny hafa ho an’ny olona maro be izay nandray ny “métro” tany Toronto (Canada). Nisy olona nihambo ho mpanapoaka zavatra ho fanoherana nandrahona ny hanapoaka ireo lalan’ny “métro” an-tanàn-dehibe. Inona no antony? Tian’izy ireo, araka ny voalazany, ny hanao izay hahatsapana ny fanandramana handringana ny vahoaka arameniana tany Torkia, taona maro talohan’izay, dia zavatra nolavin’ny fitondram-panjakana tiorka imbetsaka.
Tsy isalasalana mihitsy fa ny ankamaroan’ny mpandeha tamin’ny “métro” dia tsy nahalala na inona na inona na saika tsy nahalala ny amin’io raharaha io izay nisy efa hatramin’ny taona maro. Kanefa izany tsy nahasakana azy ireo tsy hiaina tao anatin’ny ora sarotra sy nampitebiteby. Marina tokoa fa matetika isika no mahatsapa ny vokatry ny fisehoan-javatra izay tsy misy na inona na inona fantatsika ny aminy.
Nandritra ny folo taona faharoa amin’ny taonjato faha-20, dia nisy zava-nitranga lehibe nanomboka niseho ho fahatanterahan’ny faminaniana malaza voasoratra ao amin’ny Apokalypsy (na Fanambarana) 6:1-8. Araka ny nampahafantarina an’i Jaona apostoly kristiana, dia tokony hisy mpitaingin-tsoavaly hiseho ao anatin’ireo andro farany. Ary, na dia tsy mahalala izany aza ny olona an-tapitrisany maro, ny fihazakazahan’ireo mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy ireo dia mahakasika ny olona tsirairay avy eto an-tany. Tsy maningana akory ianao. Fa ahoana no ikasihan’izany fihazakazahana izany antsika? Izany no ho hitantsika amin’ny fandinihana amin’ny antsipiriany ny mpitaingin-tsoavaly tsirairay avy.
Ny soavaly mena
Ny anankiray tamin’ireo soavaly notaingenana hitan’i Jaona dia “soavaly (...) mena; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy”. — Apokalypsy 6:4.
Ny “sabatra lehibe” nananan’io mpitaingin-tsoavaly io dia mampiseho ny ady. Nanomboka tamin’ny 1914 tokoa dia olona eo amin’ny 69 tapitrisa no nahita fahafatesana tamin’ireo ady lehibe roa. Fandripahana lehibe re izany! Marina tokoa fa ny habetsahan’ny isan’ny mpitondratena sy ny kamboty dia porofo fa simba nivantana ny fiainan’ireny olona ireny noho ny nataon’ny mpitaingina ny soavaly mena izay mampiseho ny ady iraisam-pirenena.
Afa-tsy izany koa, dia misy ady tsy mitsahatra sy fandrahonana hiady mitambesatra mafy eo amin’ny taranaka ankehitriny. Any amin’ireo tany irehetan’ny ady ankarihary, dia zatovo no mitarika ny lehibe indrindra amin’ny ady. Ny asan’ny ady eo amin’ireny tanora ireny dia voafintin’ny fanontanian’ny prezidàn’ny fandaminana iray momba ny zon’olombelona, izay nihiaka hoe: “Ahoana no mety hahatongavan’izy ireny ho olon-dehibe salama sy mijoro tsara?”
Any amin’ny tany maro voakasiky ny ady mivantana, ny tanora dia nianatra nanisa ny fotoana ho ora sy andro fa tsy ho volana sy taona. Hoy ny fanontanian’izy ireny: “Rahampitso hoe? Nahoana no mieritreritra ny ampitso? Afaka manome antoka ahy ve ianao fa amin’ity alina ity, amin’ny fotoana handehanako hatory, dia tsy hipoaka ao amin’ny efitranoko ny baomba kely.”
Inona no holazaina ny amin’ireo ankizy monina any amin’ny tany misy fandriampahalemana? Misy vokany eo amin’izy ireny ve ny asan’io mpitaingin-tsoavaly io izay mampiseho ny ady? Eny; ny zava-mahatahotra mahatsiravina ny amin’ny ady noklehera dia mahakasika be dia be ny toe-tsain’izy ireny. Raha niresaka ny amin’ny famoizampo nolazain’ireo mpianany ny mpampianatra iray dia nanao izao fanamarihana izao: “Imbetsaka no nandrenesako izany filazana hevitra izany! Nila tsy hino aho. Ireny tanora ireny dia nahatratra ambaratongam-pamoizampo tsy hekeko hahatafalentika ny tenako.” Nanampy teny toy izao ny dokotera Richard Logan, any Québec (Canada): “Ny fahaverezan-kevitra sy ny fahatsapana tsy fananan-kery, izany amin’ny fandinihana ny toe-tsaina no hevitry ny hoe fahaketrahana. Ary izany toe-javatra izany no hitantsika ao amin’ny tanora maro.”
Fa inona no holazaina raha tsy rotidrotehin’ny ady ny taninao na raha tsy voakasik’io zava-manahirana io ianao? Na dia izany aza, dia misy akony eo amin’ny fiainanao ny asan’ny mpitaingin-tsoavaly mena. Isa-minitra dia ny mitovy amin’ny 100 tapitrisa ariary no ampiasaina amin’ny antony ara-tafika mivantana, ka izany dia mampiseho eo amin’ny 55 000 lavitrisa ariary isan-taona maneran-tany. Iza no mandany amin’izany? Ianao. Na aiza na aiza onenanao, dia mamela soritra hatrao an-tranonao ilay mitaingina ny soavaly mena.
Ny soavaly mainty
Ny soavaly hafa iray dia niseho tao amin’ny fahitan’i Jaona izay manome izao filazalazana izao ny amin’izany: “Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizana teny an-tànany. Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan’ny zava-manan-aina efatra nanao hoe: Venty ny vary tritika eran’ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon’ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay hianao.” — Apokalypsy 6:5, 6.
Noana ve ianao? Olona an-tapitrisany maro no toy izany. Ireo no iharam-pahavoazana voalohany indrindra noho ny ataon’ny mpitaingin-tsoavaly mainty, sarin’ny mosary. Ankizy telopolo isa-minitra amin’ny ara-keviny no maty noho ny tsy fahampian-tsakafo na fikarakarana ara-pitsaboana, izany hoe maherin’ny 15 tapitrisa isan-taona! Olon-kafa an-jatony tapitrisa maro no miaina ao anatin’ny toe-javatra ratsy. Araka ny filazan’ny prezidàn’ny Fametraham-bola iraisam-pirenena taloha, Robert McNamara, “dia voafetra aoka izany ny heriny noho ny tsy fahaizan-taratasy, ny faharatsian-tsakafo, ny aretina, ny habetsahan’ny zaza maty sy ny fahafohezan’ny andro iainana, hany ka tsy hampiasaina akory mihitsy aza ny herin’ny “gènes” (foto-javatra shimika misy vokany iankinan’ny toetoetra sasany mampiavaka ny vatana) tamin’ny nahaterahany.
Tao anatin’izao volana faramparany izao, dia manjary fahita ny sarin-dehilahy sy vehivavy ary ankizy afrikana mosarena. Raha nilazalaza tamin’ny teny manaitra ny halehiben’io loza io, dia ny mosary, ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, Javier Pérez de Cuellar, dia nilaza izao fanombantombanana manjombona izao: “Tsy isalasalana fa betsaka kokoa ny olona maty any Afrika ambanin’i Sahara noho ny lavo nandritra ny Ady Lehibe Faharoa manontolo. Na dia ireo tsy maty aza dia mety ho kely hery amin’ny andro sisa iainany, na ara-batana na ara-tsaina.” Ireo no niharam-pahavoazana mivantana noho ny ataon’ny mpitaingin-tsoavaly mainty.
Angamba ianao tsy mijaly noho ny hanoanana, kanefa azo inoana fa tsy hoe tsy mampiraika anao akory ny sary mampahonenan’ireo voan’ny mosary. Araka ny lahatsoratra lehibe tao amin’ny New York Times tamin’ny 20 may 1985, tamin’io daty io, dia maherin’ny valopolo lavitrisa ariary no nomena mba hamonjena ireo mosarena. Na dia tsy nandray anjara manokana aza ny tenanao, ny fitondram-panjakana sasany dia nandrotsaka fanampiana be dia be tamin’ny fampiasana ny volan’ny hetra. Tsy azo lavina fa misy heriny mivantana sy tsy mivantana eo amin’ny mponina rehetra ny fandalovan’ny soavaly mainty.
Ny soavaly hatsatra
Mitohy ny fahitan’i Jaona amin’ny filazalazana ny amin’ny soavaly hafa iray notaingenan’ny mpitaingina hafa iray: “Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran’izay nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin’ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana [loza mahafaty, MN] sy ny bibi-dia etỳ an-tany.” — Apokalypsy 6:8.
Ny Fahafatesana no mitaingina ny soavaly hatsatra, ary ny “loza mahafaty” dia anankiray monja amin’ireo fomba isan-karazany nampiasaina mba hanafoanana aina mandritra ny fihazakazahan’io mpitaingin-tsoavaly io. Na dia ao aza ireo fandrosoana vita tamin’ny lafin’ny siansa ara-pitsaboana, dia tsy maintsy misetra aretina foana izao tontolo izao amin’ny lafiny rehetra. Na dia tsy fantatsika aza ankehitriny ny areti-mandringana nandripaka tahaka ny gripa espaniola namely tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Voalohany, dia maro be ihany no matin’ny homamiadana, ny aretim-po sy ny aretina maro hafa. Ohatra, ny Fandaminana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana dia manombana fa isan-taona dia ahitana soritra homamiadana vaovao 5,9 tapitrisa maneran-tany. Ny “onchocercose”, ny tazo, ny “bilharziose”, ny “choléra” sy aretina samihafa maro be no tonga manampy an’ireo aretina fahita mbola mamely foana amin’izao andro izao.
Na dia ao aza izany, dia mbola mety hanazava toy izao ihany ianao: ‘Tsy misy mahazo ahy mihitsy na dia iray aza ireo aretina ireo.’ Marina angamba izany; kanefa ny fandehanan’ilay olona mitaingina soavaly hatsatra dia misy akony eo aminao. Lafo aoka izany ny fandaniana any amin’ny hopitaly sy ny fikarakarana ara-pitsaboana, ka izany dia mitarika ny olona hisoratra amin’ny anankiray amin’ireo fiantohana amin’ny aretina. Tany maro no nanao fandaharam-pandoavana ny lany amin’ny fitsaboana, kanefa izany fandaharana izany dia tohanana amin’ny latsakemboka aloanao. Etsy andaniny koa, dia hevero ny habetsahan’ny ora mitambatra very noho ny aretina, fahaverezana izay rehefa dinihina dia miseho aminao amin’ny fisondrotam-bidin-javatra. Eny, misy akony eo aminao koa ny fandehanan’ilay mitaingina ny soavaly hatsatra.
Izay entin’ilay soavaly fotsy
Rehefa avy namisavisa ireo vokatra mampahonena niaraka tamin’ny fihazakazahan’ireo mpitaingin-tsoavaly ireo, dia mampahery ny manamarika izay nolazain’i Jaona ny amin’ilay soavaly fotsy sy ny mpitaingina azy, izay nialoha ny hafa. Izao no notantarain’ilay apostoly: “Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy: ary izay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satroboninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.” — Apokalypsy 6:2.
Mitaingina ilay soavaly fotsy Jesosy Kristy (Apokalypsy 19:11). Ny fiandrianany tany an-danitra dia nanomboka tamin’ny 1914 niaraka tamin’ny fisehoan-javatra manaitra. Ny ady tany an-danitra dia nifarana tamin’ny fandroahana ny Devoly sy ireo anjeliny izay nazera ho atỳ amin’ny manodidina ny tany. Taorian’izany, dia nanambara toy izao ny feo avy any an-danitra: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” Izany dia nanamarika ny fanombohan’ny fihazakazahan’ireo mpitaingin-tsoavaly. — Apokalypsy 12:7-12.
Fa ahoana no ikasihan’ny fandehanan’i Jesosy Kristy mitaingin-tsoavaly anao? Momba ny fiandrianany, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona ho an’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN ). Amin’izao andro izao, any amin’ny tany sy nosy maherin’ny 200, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manambara fa tafaorina ny Fanjakan’i Kristy. Efa nandondòna tao am-baravaranao ve izy ireny? Raha izany no izy, dia satria mahakasika anao ny fandehanan’io mpitaingin-tsoavaly farany io.
Tao amin’ny faminaniana hafa iray nampiseho hoe inona no hevitry ny fiandrianany eo amin’ny olombelona, dia nilaza mialoha toy izao i Jesosy: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.” — Matio 25:31-33.
Noho io asa fanavahana io izay atao mandritra ny fandehanan’i Jesosy mitaingina soavaly fotsy fitondra miady, ny olombelona rehetra dia mampiharihary hoe iza izy: “ondry” na “osy”. Ary izao no anjara voatokana ho azy ireo: ny “osy” dia “ho any amin’ny fanafoanana mandrakizay, fa ny marina [ny “ondry”], ho any amin’ny fiainana mandrakizay”. (Matio 25:46, MN.) Araka izany àry, arakaraka ny fandraisanao ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana no hahazoanao, na ny fiainana, na ny fahafatesana.
Na dia tsy mbola noeritreretinao mihitsy aza ny fomba ananan’ireo mpitaingin-tsoavaly hery eo aminao, dia mamporisika anao izahay handray tsy amim-pisalasalana rehefa ambara aminao ny vaovao tsara ilazana fa madiva hifarana ny fihazakazahan’izy ireo. Aorian’izany ny tany dia handray fitahiana maro eo ambany fanapahan’i Jesosy, ilay mitaingina ny soavaly fotsy. Nolazalazain’ny Baiboly ara-paminaniana ny sasantsasany amin’ireny soa ireny tamin’izao teny izao: “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony [satria ho efa nanjavona ilay mitaingina ny soavaly mena]. [Koa satria efa lasa ilay mitaingina soavaly mainty, dia] hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.” — Salamo 72:7, 16.
Fony Jesosy teto an-tany, dia nomeny ny porofo fa notanany avy tamin’Andriamanitra ny fahefana teo amin’ny fisehoan-javatra toy ny aretina maharikoriko sy ny fahafatesana koa aza. Hampiasa fahefana toy izany izy amin’ny ambaratonga lehibe lavitra eo ambanin’ny fanjakany ka hanaisotra amin’ny tany ny loza, mosary sy ady rehetra. Amin’izany no hamaranan’ilay mitaingina ny soavaly fotsy ny fihazakazahana handrava ataon’ireo mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy hafa.
[Efajoro, pejy 3]
NY FAMPAHAFANTARANA IREO MPITAINGIN-TSOAVALY
Ny nomerao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 janoary dia nampiseho ny fomba nanombohan’ny fihazakazahan’ireo mpitaingin-tsoavaly ho tanteraka.
NY SOAVALY FOTSY: Nitaingina azy Jesosy Kristy tamin’ny naha-Mpanjaka vao nandray fiandrianana tany an-danitra. Nolazalazaina ho mpandresy marina izy, nanomboka tamin’ny nanomezana satroboninahitra azy tamin’ny 1914.
NY SOAVALY MENA: Ny mpitaingina an’io soavaly io dia mampiseho ny day. Nesorina tamin’ny tany ny fihavanana, ka izany dia manamarika fipoahan’ny ady atao eto amin’ny planeta.
NY SOAVALY MAINTY: Ny mpitaingina azy dia mariky ny tsy fahampian-tsakafo sy ny mosary. Raha olona an-tapitrisany maro no maty noana, ny hafa dia mbola manana foana fomba hahazoana rendrarendra.
NY SOAVALY HATSATRA: Mitana ny lamboridin’ny soavaly hatsatra ny Fahafatesana. Izany dia fanambarana fahafatesana aloha be, ateraky ny areti-mandringana mbamin’ny anton-javatra hafa.