‘Aoka isika hitandrina mba tsy hanan-tsiny amam-pondro sy ho ao amin’ny fihavanana’
“Mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana.” — II PETERA 3:14.
1, 2. Inona moa no atao hoe fahamasinana?
MASINA Jehovah Andriamanitra. Raha niteny taminy tao amin’ny vavaka Jesosy Kristy Zanany dia niantso azy hoe “Ray masina”. (Jaona 17:1, 11.) Ny Soratra Masina dia mampiseho an’ireo zavaboary ara-panahy eo am-panambarana toy izao any an-danitra: “Masina, masina, masina Jehovah, Tompon’ny maro.” (Isaia 6:3). Fa inona no atao hoe fahamasinana?
2 Ny teny hoe “masina” sy “fahamasinana” dia dikan’ny teny hebreo izay ny mety ho hevitry ny fototeniny, ankoatra ny zavatra hafa, dia hoe “mamirapiratra”, “vaovao na madio, tsy misy pentina na tsy maloto” eo amin’ny lafiny ara-batana. Ao amin’ny Soratra hebreo anefa ireo teny ireo dia ampiasaina alohan’ny zavatra rehetra amin’ny heviny ara-pitondrantena na ara-panahy. Ny teny hebreo tany am-boalohany dia milaza indrindra koa ny amin’ny fanokanana, ny maha-an’i Jehovah, Andriamanitra masina, irery ihany, na ny fanamasinana ho azy. Ao amin’ny Soratra grika kristiana, ny teny nadika hoe “masina” sy “fahamasinana” dia manambara fanokanana ho an’Andriamanitra koa. Tondroiny koa ny fahamasinana amin’ny maha-toetra mampiavaka an’i Jehovah, mbamin’ny fahadiovana na ny fahatanterahan’ny fitondrantenan’ny olona iray. Izay masina àry dia madio, tsy misy loto sy natokana.
Takina amin’ny olon’i Jehovah ny fahamasinana
3. Nahoana moa Jehovah no mendrika ny handray fanompoam-pivavahana madio?
3 Inona no tian’ireo zavaboary any an-danitra holazaina rehefa manambara izy hoe: “Masina, masina, masina ny Tompo [Jehovah, MN] Andriamanitra Tsitoha”? (Apokalypsy 4:8.) Lazainy ho manana fahamasinana, fahadiovana amin’ny ambaratonga tampony Andriamanitra. Noho izany, dia mendrika ny handray fanompoam-pivavahana madio Jehovah (Ohabolana 9:10). Izany no antony nandidiany an’i Mosesy mpaminany hilaza tamin’ny Isiraelita hoe: “Aoka ho masina hianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo.” — Levitikosy 19:1, 2.
4. Inona no hany fomba fanolorana ho an’i Jehovah fanompoam-pivavahana ankasitrahany?
4 Halan’i Jehovah izay rehetra milaza ho manompo azy amin’ny fomba azo ekena sady manaraka fahalotoana. Ny hany ankasitrahany dia ireo izay manompo azy amim-pahendrena mifanaraka amin’ny sitrapony sy amim-pahamasinana (Ohabolana 20:25; 21:27). Araka izany, rehefa nanambara izy fa hamoha lalana ho an’ny olony babo mba hamelana azy hivoaka avy ao Babylona sy hiverina any Jerosalema, dia izao no nambarany: “Izay hatao hoe Làlan’ny fahamasinana; tsy mba handia izany ny tsy madio.” (Isaia 35:8). Ny “sisa” izay niverina avy any amin’ny fahababoana tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana dia nanao izany noho ny antony masina, ho fikendrena ny fampiverenana amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina amin’ny “Masina Indrindra”. Ho afaka ny hiseho ho masina ny Isiraelita amin’ny fanohizana mankatò an’Andriamanitra. Kanefa izy ireo tsy nitandrin-tena mba ho masina, tsy misy pentina, araka ny fiheveran’Andriamanitra. — Jereo Jakoba 1:27.
5. Ahoana no nampisehoan’ny apostoly Paoly fa ny Isiraelita ara-panahy dia tokony hivavaka amin’Andriamanitra amim-pahamasinana?
5 Tokony hanompo an’i Jehovah amim-pahamasinana koa ireo Isiraelita ara-panahy, na kristiana voahosotra (Galatiana 6:16). Nanamafy izany ny apostoly Paoly rehefa nananatra ireo namany mpino ‘hanolotra ny tenany ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra’. Mba hanaovana toy izany, dia nilainy ny namantatra tsara raha tena nanao ny sitrapon’Andriamanitra tokoa izy, satria izao no teny nanampin’i Paoly: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” — Romana 12:1, 2.
6. Inona moa no tokony harian’ny kristiana rehetra?
6 Amin’izao vanim-potoam-pitomboana izao, dia maro ny mpianatra vaovao miaraka amin’ny fandaminan’Andriamanitra. Manompo an’i Jehovah amim-pahamasinana koa izy ireny. Faly aoka izany izy ireny manana fahatsinjovana ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ka hiaina amim-pahasambarana mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa, ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao sy marina haorin’Andriamanitra (Matio 24:21; Lioka 23:43, MN). Kanefa raha tian’izy ireo ny hahita fiainana tsy hanam-pahataperana, na any an-danitra na, amin’ny maha-anisan’ny “olona betsaka” eto an-tany, ny kristiana rehetra dia tokony hanohy hanary ireo fanao maloto na ny zavatra hafa rehetra mifanohitra amin’ireo fitsipika ara-pitondrantena sy ireo fampianarana velabelarina ao amin’ny Soratra Masina. — Apokalypsy 7:9, 14.
7. Tenin’i Petera inona avy no manipika ny ilàna ho ohatra amin’ny “fitondrantena masina”?
7 Ny amin’ny androntsika, dia nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo [Jehovah, MN], ary amin’izany ny lanitra [ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao] dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra [ny fihetsika sy ny lalan’izao tontolo izao], ka hodorana avokoa ny tany [ny fitambaran’olona lavitra an’Andriamanitra] sy ny asa izay eo aminy” satria mety levona koa tahaka “ny lanitra” sy “ny tenan’ny zavatra rehetra”, ao amin’ny afo fandringanana, amin’ny andron’i Jehovah. Koa izao no teny nanampin’i Petera: “Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana [tsy manadino na oviana na oviana, MN] ny hihavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra.” Eny, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra dia tokony ho ohatra “amin’ny fitondrantena masina”. Ireo izay mitandrin-tena mba ho masina dia afaka manantena ny hiaina tsy hanana ahiahy ao amin’ny ‘lanitra vaovao sy ny tany vaovao sy marina’ nampanantenain’Andriamanitra (II Petera 3:7, 10-13). Fahatsinjovan-javatra kanto re izany!
8. Inona moa no tokony hataon’ny kristiana iray raha nihataka tamin’ny lalan’ny fahamasinana izy?
8 Inona anefa no holazaina ny amin’ny kristiana iray izay nanompo tamim-pahatokiana an’i Jehovah nandritra ny fotoana kelikely, kanefa izao dia manaraka fanao maloto na nanalavitra ireo fampianarana na fitsipika ara-pitondrantena voalazalaza ao amin’ny Baiboly? Nihataka tamin’ny lalan’ny fahamasinana izy ka noho izany dia tokony haneho fibebahana amim-pahatsorana sy hanao fandaharana mety mba hifehy tena indray. Izao no nambaran’i Paoly tamin’ireo rahalahiny voahosotry ny fanahy: “Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (II Korintiana 7:1). Ny kristiana rehetra izay mila manitsy ny fitondrantenany dia hahatsapa fa tena fitahiana tokoa ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly omen’ireo mpiandraikitra feno fitiavana. — Ohabolana 28:13; Jakoba 5:13-20.
9. Inona no fanontaniana mipetraka mifandray amin’ny torohevitra omena ao amin’ny II Petera 3:14?
9 Rehefa avy niresaka ny amin’ny fandehan-javatra vaovao sy marina i Petera, dia izao no teny nanampiny: “Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany hianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo [Jehovah Andriamanitra] amin’ny fihavanana.” (II Petera 3:14). Marina fa kristiana voahosotra no nilazana ireo teny ireo, kanefa raha ny marina, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra dia tokony ho hita ‘tsy manan-tsiny amam-pondro, ao amin’ny fihavanana’. Inona àry no tokony hataon’izy ireo?
“Tsy manan-tsiny amam-pondro”
10. Ahoana moa no nanadiovan’ireo anisan’ny “olona betsaka” ny “akanjony” tamin’ny ran’ny Zanak’ondry?
10 Tokony hanao izay rehetra azontsika atao isika mba ho hita “tsy manan-tsiny amam-pondro”. Ireo anisan’ny “olona betsaka” dia ‘nanasa ny akanjony sy namotsy izany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’. Teo aloha izy ireo dia anisan’izao tontolo izao ratsy, ary ny akanjony, izany hoe izay namantarana azy teo imason’i Jehovah, dia voapentina sy voaloton’izao tontolo izao. Ahoana no namotsiany tanteraka ny akanjony tamin’ny “ran’ny Zanak’ondry”, dia Jesosy Kristy? Nasehon’izy ireo fa nino izy hoe “raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka” ary Jesosy no “Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”. (Apokalypsy 7:9, 14; Hebreo 9:22; Jaona 1:29, 36.) Mba hanaovana izany, dia nanolo-tena tsy misy fepetra ho an’Andriamanitra izy ireo ary natao batisa tamin’ny fandrobohana tanteraka tao anaty rano ho marik’izany fanapahan-kevitra izany. Nanao toy izany izy ireo tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ka nino mafy fa noho ny ran’izy io, dia afaka mamela ny fahotany Andriamanitra ka manome azy ireo ny fankasitrahany.
11. Koa satria manapaka ny fihavanantsika amin’i Jehovah ny fahotana, tokony hitoetra ao anatin’ny toe-piainana manao ahoana moa isika?
11 Ireo anisan’ny “olona betsaka” dia tokony hitana ny akanjony ho fotsy foana, amin’ny fiahiana mba tsy ho voapentin’izao tontolo izao sy amin’ny tsy fialana amin’ny toetrany kristiana na amin’ny famantarana azy ho Vavolombelon’i Jehovah ankasitrahany. Raha ny marina, ny kristiana marina rehetra dia tokony hitandrina mba tsy hanan-tsiny hatrany amin’ny fihatahana amin’ny lalana sy fanao ary ny fihetsik’izao tontolo izao. Manapaka ny fihavanantsika amin’Andriamanitra ny fahotana. Amin’ny fijanonana ao anatin’ny toe-piainana azo anavotana ny fahotantsika ihany àry no mety hahitana antsika “ao amin’ny fihavanana” amin’ilay “andron’i Jehovah” lehibe ho avy. Tokony hohalavirintsika àry ny ho voapentin’ireo fanaon’ny fivavahan-diso na ny fahalotoam-pitondrantenan’izao tontolo izao.
12. Ahoana no ahitana fa marina ny teny voarakitra ao amin’ny II Petera 2:13 na dia eo anivon’ny kongregasiona kristiana aza?
12 Mba tsy hananan-tsiny amam-pondro hatrany, dia ilaina ny hanarahana fitondrantena sy fihetsika mifanohitra amin’ny an’ireo “mpampianatra sandoka” nahatonga an’i Petera hanoratra hoe: “Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin’ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin’ny fy eo amin’ny fanasam-pifankatiavany, raha miara-mihinana aminareo.” (II Petera 2:1, 13). Eny, na dia eo anivon’ny kongregasiona aza dia tokony ho maodimaody isika ny amin’ireo mpampianatra sandoka izay ‘manao ho zava-mahafinaritra ny ho velona vetivety amin’ny fy [mihevitra ho fahafinaretana ny fiainana feno rendrarendra mandritra ny andro, MN]’. Mandritra ny andro, raha mety ho afaka hanao zavatra be dia be izy ireo mba hampandrosoana ny mpiara-belona aminy, ireo olona tsy manana fiainana ara-panahy dia manaram-po amin’ny ratsy, ankoatra ny zavatra hafa, amin’ny fandaminana fikoranana be tabataba sy amin’ny fetezana ho voatarika hihinana sy hisotro tafahoatra. Indraindray izy ireny dia manandrana manova fivoriana ataon’ny mpisakaiza, alamina rehefa misy fampakaram-bady, ohatra, ho fivoriana andefasana mozika manaitaitra ny filan’ny nofo sy anaranam-po tafahoatra amin’ny sakafo sy ny fisotro misy alikaola. Tsy misy mihitsy zavatra sahala amin’izany tokony holeferina eo amin’ny olon’i Jehovah. — Isaia 5:11, 12; jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 oktobra 1984, pejy faha-16-22.
13. Afaka manao inona moa ny kristiana iray mandamina fanasana takariva mba hahatonga izany hampandroso?
13 Izay mandamina fanasana takariva dia tompon’andraikitra amin’izay mitranga ao. Mba hahatonga izany hampandroso, dia fahendrena ny hamerana ny isan’ny nasaina, mba ho voafehy tsara ny tarehin-javatra ka tsy hanasana ho ao izay rehetra mety hanan-kery manimba. Araka ny miharihary amin’ny tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny II Timoty 2:20-22, ny olona rehetra mankao amin’ny kongregasiona iray akory tsy namana tsara avy hatrany. Ny kristiana iray mandamina fanasana takariva dia tsy voatery velively hanasa olona malaza ho tsy mahafehy ny lelany na ho tsy mahalala onony amin’ny sakafo sy ny fisotro. Tsaroany tokoa fa ‘na mihinana na misotro isika, na inona na inona ataontsika, dia tokony hataontsika ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany’. — I Korintiana 10:31.
14. Inona moa no fihetsika tokony harahintsika eo anoloan’ireo mpampianatra sandoka?
14 Amin’ireo izay miaraka amintsika, dia ny sasantsasany ihany no ‘pentimpentina sy tsiny, izay velona amin’ny fy eo amin’ny fanasam-pifankatiavany [mankafy fampianarana mamitaka, MN]’. Tokony ho malina anefa ireo mpiandraikitra sy ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona ka handa amin’ny fomba hentitra ny mpampianatra sandoka rehetra hiditra eo aminy ka hanandrana hamporisika hanana fitondrantena ratsy sy hampiely fampianaran-diso (Joda 3, 4). Ny fifikirana mafy amin’ireo fotopoto-pitsipika marin’Andriamanitra ihany no mahatonga ho afaka hitana ny kongregasiona tsy hisy pentimpentina sy tsiny.
Izay takina mba hahitana ‘ao amin’ny fihavanana’
15. a) Ahoana no azo ihavanana amin’Andriamanitra? b) Inona no tokony hataontsika mba hahitana antsika “ao amin’ny fihavanana” amin’ny andro lehiben’i Jehovah ho avy?
15 Mba hahitana azy “ao amin’ny fihavanana”, ny olon’i Jehovah dia tokony hihavana hatrany amin’Andriamanitra (II Petera 3:14). Nihavana tamin’Andriamanitra isika noho Jesosy Kristy, izay ny aminy no nanoratan’i Paoly hoe: “Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran’ny fahafenoana rehetra, sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny rany teo amin’ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana — eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin’ny tany, na ny any an-danitra.” (Kolosiana 1:19, 20). Izay rehetra manao fahotana lehibe dia manimba ny fifandraisany amin’i Jehovah. Mampijaly azy sy manakorontana azy ny fieritreretany. Ny fihavanana kosa anefa dia an’ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra (Salamo 38:3; Isaia 48:18). Raha tiantsika ny ho hita “ao amin’ny fihavanana” amin’ny andro lehiben’i Jehovah ho avy, dia tokony hitoetra ao amin’ny toerana azo anavotana noho ny fahotantsika noho ny ra nalatsak’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana isika.
16. Araka ny filazan’ny apostoly Paoly, ahoana no azontsika iainana amim-pihavanana miaraka amin’ireo namantsika kristiana?
16 Ilaintsika koa ny hihavana amin’ireo mpivavaka hafa amin’i Jehovah, araka ny amporisihan’i Paoly antsika amin’izao teny izao: “Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.” Ny teny manodidina an’io fananarana io dia mampiseho fa tokony hitandrina isika mba tsy hanao izay hahatafintohina ireo namantsika kristiana raha ny amin’ny fihinanana, ny fisotroana na amin’ny fomba hafa (Romana 14:13-23). Tsy izay ihany anefa, satria izao no nambaran’i Paoly ho an’ireo kristiana tany Efesosy: “Mangataka aminareo (aho) mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po mifandefitra amin’ny fitiavana, mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana.” (Efesiana 4:1-3). Azo antoka fa irintsika ny hampiseho ny firaisan-tsaintsika amin’ny fanalavirana ny fanaovana na ny filazana na inona na inona mety hanakorontana ny fihavanana sy amin’ny fiarovana mafy ny fiandrianan’i Jehovah.
17. Araka ny asehon’ny I Petera 3:10-12, inona moa no dikan’ny hoe ‘mitady ny fihavanana’?
17 Mba ‘hitadiavana fihavanana’, dia tsy maintsy mitandrina ny ataontsika sy ny tenintsika isika, satria izao no nosoratan’ny apostoly Petera: “Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy.” (I Petera 3:10-12; Salamo 34:12-16). Ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah àry dia tokony tsy hitsahatra ny ‘hitady fihavanana’ amin’ny lafiny samy hafa raha tiany ny ho hita “ao amin’ny fihavanana”.
Miantehera amin’ny fanampian’i Jehovah
18. Inona no tokony hatao raha manintona antsika ny lalana, ny fanao na ny fihetsik’izao tontolo izao?
18 Araka ny voalazan’i Petera, “ny tenan’ny zavatra”, izany hoe ny toe-tsain’izao tontolo izao, na ny fihetsiny sy ny lalany, dia ‘ho levona’, na horavana mandritra ny “andron’ny Tompo [Jehovah, MN]”. (II Petera 3:7, 10.) Fa inona no hatao raha manintona antsika ny lalana, ny fanao na ny fihetsik’izao tontolo izao? Tsy maintsy tokony hanararaotra amin’ny fomba feno ny fanampiana ara-panahy omen’ny fandaminan’i Jehovah isika, indrindra fa amin’ny fianarana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy ireo boky kristiana avoaka amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. (Matio 24:45-47.) Tokony haneho fankasitrahana hatrany koa isika noho ny avotra naloan’i Jesosy, dia ‘ny ra soany, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina’. — I Petera 1:18, 19.
19. Raha misy heriny eo amintsika ny fihetsik’izao tontolo izao, amin’ny ahoana ny vavaka no mety hahasoa antsika?
19 Tena ilaina ny hivavahana amin’Andriamanitra mba hanampiany antsika ‘hitady fahamarinana’. (I Timoty 6:11-14.) Raha sendra tsapantsika fa misy heriny eo amintsika ireo fihetsika fahita eo amin’izao tontolo izao, na raha manintona ny saintsika amim-pitiavana ho amin’io hevitra io ny anankiray amin’ireo namantsika, dia ho fahendrena ny hiresahantsika ao amin’ny vavaka ataontsika, amin’ny fomba hentitra, ny amin’io zava-manahirana io, amin’i Jehovah sy ny hangatahantsika aminy mba hanampiany antsika handresy an’io fironan-dratsy io. Tsy isalasalana fa hety ny hivavahana aminy mba hanomezany antsika ny fanahiny sy hanampiany antsika hamboly ny vokatr’izany, izay hafa dia hafa noho ireo fihetsika sy lalan’izao tontolo izao (Galatiana 5:16-26; Salamo 25:4, 5; 119:27, 35). Afaka manampy antsika hampifantoka ny saintsika ho amin’ny zavatra marina, madio, tsara sy mendri-piderana Jehovah. Mety ny hitalahoana aminy amin-kafanam-po mba hahatonga ny “fiadanan’Andriamanitra” tsy manam-paharoa hiaro ny fontsika sy ny fahaizantsika ara-tsaina (Filipiana 4:6, 7). Amin’izay, ireo fanahiana, ireo fakam-panahy mbamin’ny zavatra hafa sahala amin’izany dia tsy haka eo amin’ny fiainantsika, toerana tsy hahafahantsika mandresy izany. Ny fiainantsika kosa dia ho voamariky ny filaminana omen’Andriamanitra ireo mpanompony. Tsy azo lavina fa ‘be fiadanana izay tia ny lalàn’i Jehovah’. — Salamo 119:165.
Aoka isika hitoetra ‘tsy hanan-tsiny amam-pondro sy ao amin’ny fihavanana’
20. Nahoana moa no azo atao ny manantitrantitra fa azo atao ny tsy hanan-tsiny eo amin’ny lafiny ara-panahy?
20 Toy inona moa ny fifaliana mahafantatra fa izay rehetra an’ny fandaminan’i Jehovah, anisan’izany ireo mpianatra vaovao mirohotra ho ao, dia afaka mahita fankasitrahana eo imason’Andriamanitra (Asan’ny apostoly 10:34, 35)! Noho ny fanampian’i Jehovah, dia azo atao ny “handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao” ka hanana fiainana mendrika ny kristiana marina (Titosy 2:11-14). Taloha isika dia lavitra an’i Jehovah ary nitodika tany amin’ny asa ratsy ny saintsika. Nampihavanina tamin’Andriamanitra anefa isika noho ny fahafatesan’i Kristy. Afaka ny tsy hanam-pondro eo amin’ny lafiny ara-panahy àry isika raha mitana ny finoana ka miorina mafy hatrany ao amin’ny fanantenana ny vaovao tsara. — Kolosiana 1:21-23.
21. Ahoana amin’ny farany no mety hahitana antsika ‘tsy manan-tsiny amam-pondro, sy ao amin’ny fihavanana’?
21 Noho ny fanampian’i Jehovah sy ny Teniny ary ny fandaminany, dia afaka ny hitoetra tsy hanan-tsiny amam-pondro isika eo anoloan’izao tontolo izao sy ny lalany ary ny fihetsiny. Azontsika atao àry ny mahita ny tena fihavanana. Raha maharitra ao amin’ny fanompoam-pivavahana masina amin’i Jehovah isika, amin’ny farany dia ho hitany ‘tsy hanan-tsiny amam-pondro, sy ao amin’ny fihavanana’.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana moa no tokony ho masina ny olon’i Jehovah?
◻ Ahoana no azontsika itoerana tsy hanan-tsiny amam-pondro?
◻ Inona no tokony hatao mba hahitana ny tena “ao amin’ny fihavanana”?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika ampisehoana fa miantehitra amin’ny fanampian’Andriamanitra isika?
[Sary pejy 16, 17]
Ny fomba hijanonana ‘tsy hanan-tsiny amam-pondro sy ao amin’ny fihavanana’
Amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny fo rehetra
Amin’ny fambolena ny toetra kristiana
Amin’ny fananana fifaneraserana mampandroso
Amin’ny fitadiavana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka